Ny olombelona tokoa ve no namorona an'Atra

1. endriny ( 21/04/2016 04:36)
Hoy ny baiboly: "Raha misy olona roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo afovoany aho".

Izany hoe raha izaho irery izany no mivabavaka eo dia tsy misy Atra. Fa raha "misy 2 na 3" miara-mivavaka amiko dia eo afovoany Atra. Mazava be izany fa ny firaisan-kevitra ao amin'ilay olona mingona tonga eo no mampisy an'Atra eo. Fa raha tsy izany tsy misy Atra.

Dia ny olona izany no mamorona an'Atra.
novalian'i endriny ny 17/06/2016 05:57
2. endriny ( 29/04/2016 04:40)
Rehefa misy olona tsy tiana ka irina fatratra ny mba hivaly aminy ny nataony, ka raha misy manjo an'io olona nozonina iny dia avy ilay latsa hoe: Manao an'Atra tsy misy loatra mantsy...

Enga anie izany mba hiantra amin'ireo mpitondra Malagasy mamoa-tsampona ireo (hihihiihih)
3. lahindroy ( 07/05/2016 15:48)

endriny:

Hoy ny baiboly: "Raha misy olona roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo afovoany aho".

Izany hoe raha izaho irery izany no mivabavaka eo dia tsy misy Atra. Fa raha "misy 2 na 3" miara-mivavaka amiko dia eo afovoany Atra. Mazava be izany fa ny firaisan-kevitra ao amin'ilay olona mingona tonga eo no mampisy an'Atra eo. Fa raha tsy izany tsy misy Atra.

Dia ny olona izany no mamorona an'Atra.

Miarahaba
Mety tsy dia ho izany loatra ny dikany satria milaza fotsiny io hoe "raha misy roa na telo dia eo afovoany" Izy
Fa raha olona iray fotsiny kosa dia mety midika hoe "tsy eo afovoany Izy satria ...tsy misy ny "afovoany" teo amin'ny fomba fijerin'ilay nanoratra !
Angamba antony hafa mety mavesa-danja na mitombina kokoa no tokony atolotra raha toa ka te hamelabelatra ny mety tsy fisian'Andriamanitra
4. rhaj0 ( 07/05/2016 17:21)
Ka inty izany no tsotra indrindra ee... Raha voavalinao ity, dia ... mazava ho azy ny tohiny.

T@ andron'ny Dinaozaoro ve efa nisy Andrmntra ??
5. lahindroy ( 09/05/2016 16:28)
rhaj0:

Ka inty izany no tsotra indrindra ee... Raha voavalinao ity, dia ... mazava ho azy ny tohiny.

T@ andron'ny Dinaozaoro ve efa nisy Andrmntra ??

Miarahaba
Fanontaniana tsara petraka sy mitombina tokoa io araky ny hevitro .

Raha mpino kristiana na silamo iringiriny ohatra ilay olona :
nisy ve ny "dinaozaoro" ho an'izy ireny ? (tsarovy fa ho azy ireny , dia vao 6 000 taona teo ho eo no nisian'ny tany sy izay rehetra ao anatiny , kanefa efa ho 65 000 000 taona izao no naharingana an'ireny biby ireny raha ny vokatra ara-tsiansa no jerena )

Ho an'ireo mpanaradia finoana iray fa kosa tsy mpino an-jambany :
ekeny ohatra ny nisian'ireo zava-manan'aina hafa izay efa tsy nanan-taranaka intsony taty aoriana (ireo jako-olona fahagola-tany ohatra ) na ireo rehetra nanjavona nandritr'ireny "fandringanana goavana" ireny [tahakan'izay nisy ...245 et 252 Ma...taona lasa izay (fandringanana Permien-Trias) : 95 % -ny zava-manan'aina tao an-dranomasina no nanjavona ary 70 % -ny zava-maniry sy biby tety ambonn'y tany maina no maty .

fanontaniana :
raha nisy Andriamanitra , efa planiny maty paika ve no nahatonga an'ireny fandringanana ireny ?
raha eny ny valiny , tsy nahomby sy tsy nahafa-po azy ve izany ny natiora izay ...noforony ?

Ho an'ireo kosa izay mihevitra fa ny natiora no mivoatra ( ireny fandringanana ireny dia arahina fipoirana zava-manan'aina hafa raha tsy izany isika ...tsy nisy ary tsy afaka nifanakalo hevitra teto!) dia amin'ny fandinihana sy ny famakafakana ny natiora sy ny lalàna mifehy azy no afahana mahalala tsikelikely ny zava-nisy sy ny hoavin'ity tontolo ianantsika ity Tsy mitaky ny fisian'Andriamanitra ny fizotran'izany tantara izany !

6. endriny ( 10/05/2016 15:06)

lahindroy:

Miarahaba
Mety tsy dia ho izany loatra ny dikany satria milaza fotsiny io hoe "raha misy roa na telo dia eo afovoany" Izy

Tena tsy izay fa mba mitari-dresaka fotsiny aho ka

Fa ny tena mampihomehy amin'ilay olona mpino indrindra ireto mpanaraka ny finoam-bahiny ireto ange dia ry zareo mihintsy no milaza fa vavolom-belona fa zary... etsy... izao sy izao Atra e... Ary dia tena mahavita viveriaina mihintsy milaza fa 7 andro no nanaova'Atra izao rehetra izao, ary ny planeta tany no natao voalohany.

Dia hoy aho hoe: Iza ary ny olom-belona nahita sy nahare an'Atra nitantara izany famoronana izany...

Satria hoy ny hira: "Tsy nisy nahita na oviana na oviana an'Atra

Raha tsy hoe faosika koa ny hira a

Tsy hay intsony
7. AndryRaissa ( 06/06/2016 08:38)
Miarahaba tompoko.

Mba saika hanitsy kely fotsiny aho ry "endriny"

Matio 6 -6:Fa IANAO kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

Misaotra
8. radoratsimba ( 06/06/2016 09:15)
Azafady fa ôtran tonga de miditra amin le adievitra a "Ny olombelona tokoa ve no namorona an'Atra" izany ve tsy ôtran oe mifototra?
9. endriny ( 06/06/2016 12:33)

AndryRaissa:

Hoy ny Ntaolo: "Ny soa atao levanam-bola"
Hoy isika ankehitriny: "Adala izay tsy tia ny tenany"
Hoy ny mpanao politika Malagasy: "Fingano izay mahavita sao lasa lavitra ka tsy takadia intsony"

Saingy hatreto aloha aho mbola tsy nahita izay lazaina ahasoan'ilay Atra
10. endriny ( 06/06/2016 15:13)

radoratsimba:

Azafady fa ôtran tonga de miditra amin le adievitra a "Ny olombelona tokoa ve no namorona an'Atra" izany ve tsy ôtran oe mifototra?

Tsy mifototra izany fa tsy nisy niresaka Atra raha tsy ny olom-belona (amin'io ilay Atra tsy hita porofoina akory ny fisiany fa dia tsy maintsy inoana hono raha tsy izany very any amin'ny afobe)

Ilay alikako sy akoholahiko ato ve izao dia mihevitra fa izaho no Atra e? (ary izaho hitany maso sy manome kaly azy isan'andro a)
11. radoratsimba ( 06/06/2016 16:04)

raha azoko tsara zany dia tsy mino ianao?
12. radoratsimba ( 06/06/2016 16:07)
Ny olombelona tokoa ve no namorona an'Atra, raha tsy mino ianao dia mba azonao atao ve ny manazava ilay antony nametrahanao fanontaniana?
13. AndryRaissa ( 07/06/2016 08:35)
endriny

-Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
-Tsarovy fa ny olom-belona no mampisy an'Andriamanitra. Tsy midika akory izany fa ny olom-belona no namorona Azy

Eklesiastika 41:9
Amin'ny nahaterahanareo, dia teraka ho an'ny fanozonana hianareo, ary amin'ny fahafatesanareo, dia ny fanozonana no ho anjaranareo.

Daniely 3:96 Ka izao no lalàna avoaka amin'ny anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona fireneny amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany.
14. rhaj0 ( 07/06/2016 10:54)
AndryRaissa:
-Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
-Tsarovy fa ny olom-belona no mampisy an'Andriamanitra. Tsy midika akory izany fa ny olom-belona no namorona Azy

Ny olombelona re no NAMORONA ny Andrmtnra-ny aby ao eeee.... Mba jerijereo ihany ho'a ny tantaran'ny sivilizasiona isan'isany, f'aza dia mihiboka mikatona ao @ io sivilizasiona tao moyen-orient t@ taonjato zero ao io foana eee... Ka ny dogme ao ihany no anamarinana ny dogme ao.

Entre-pa.. fa i AndryRaissa izany anie toa mangalatra ny anaran'i Jesosy-gasy eee :-)

Jereo ny fitateran'i Flacourt ny revy-gasy tany @ 1600s tany..

http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f83.image
Flacourt page 59: Dieu donna quatre forces d'écrits à Noé, ou etaient contenues les lois; le premier se nommait Alifurcan, ou Alcoran pour Noé.: le deuxieme se nommait Soratsi pour Moyse. Le troisieme se nommait Azonboura pour David, et le quatrieme se nommait Alindzini pour Jesus-Christ, qu'ils nomment Rahissa. Ils disent aussi que Jesus Christ a été mis au monde de Dieu, sans être engendré d'aucun homme, né de la Vierge Marie, qui l'a enfant. sans douleur, et demeurée Vierge, ils la nomment Ramariama, qu'il fut homme et Dieu et grand Prophete. Et qu'il a été mis en croix par les Juifs, que Dieu ne permit point qu'il y mourut, mais qu'il voulut que le corps d'un malfaiteur se trouvait à la place..
15. radoratsimba ( 07/06/2016 11:01)
le hoe : Ny olombelona re no NAMORONA ny Andrmtnra-ny aby ao eeee, de i rhajo zany namorona ny A/tra n'i rhajo?
16. rhaj0 ( 07/06/2016 12:48)
radoratsimba:
le hoe : Ny olombelona re no NAMORONA ny Andrmtnra-ny aby ao eeee, de i rhajo zany namorona ny A/tra n'i rhajo?

Izaho Atheista, TSY mino an'izany Andrmntra Andrmntra izany. Na hoe, mino fa "misy" izany Andrmntra izany FA... ao @ IMAGINATION (collective)-n'ny tsi11 ao.

(mifohaza Radoratsimba fa efa 2016 ny taona izao aaaa.. :-)
17. radoratsimba ( 07/06/2016 13:43)

rhaj0:

radoratsimba:
le hoe : Ny olombelona re no NAMORONA ny Andrmtnra-ny aby ao eeee, de i rhajo zany namorona ny A/tra n'i rhajo?

Izaho Atheista, TSY mino an'izany Andrmntra Andrmntra izany. Na hoe, mino fa "misy" izany Andrmntra izany FA... ao @ IMAGINATION (collective)-n'ny tsi11 ao.

(mifohaza Radoratsimba fa efa 2016 ny taona izao aaaa.. :-)

Ay ianao athé, azafady azafady ary e efa voaporofonao ko zany fa tsy misy Andriamanitra?
18. rhaj0 ( 07/06/2016 14:28)
Lazao azany hoe ahoana ny fanaporofoanao ny "tsy misy" ?

Izaho tsy mahay manaporofo ny "tsy-misy", fa kosa, afaka manao Demonstration par l'absurde.

Eran'ny sobika sy fanta-bary ny nanehoana teto fa absurde/incoherent/ridicule ity finoanoana ity :-)
19. endriny ( 07/06/2016 14:29)

AndryRaissa:

endriny
-Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy

Tiako be ito hevitrao ito. Averina any amin'ny tantara sy angano teto Madagasikara mihintsy. Fa ho an'ny Malagasy ny atao hoe Andriamanitra dia tsy hoe zavatra tsy hita maso akory, fa olona niaina teto mihintsy ireo fahagola ary tany Ambohitrandriamanitra ireo no nonina. Niteraka roa ireo ka ny zanany lahimatoa napetrany teo Ambohijoky.... sns

Kilalaonay taloha tamin'ny skoto io mampitsambikina olona tampenan-damba ny masony io. Kilalao mandratra kanefa dia faly ery ny mpitarika mahita anao amin'izany...
20. endriny ( 07/06/2016 14:31)

radoratsimba:

raha azoko tsara zany dia tsy mino ianao?

Efa avy nino aho ary nahita fa abobo sy atsanga tsy aman'orana fotsiny no nolazaina tamiko, satria tsy nisy na iray aza nahita izany lanitra izany kanefa mampanantena ahy izany daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8872