Ny olombelona tokoa ve no namorona an'Atra

41. radoratsimba ( 08/06/2016 11:41)

AndryRaissa:

radoratsimba

izany hoe Andriamanitra izany amina nanana ny niantombohany? Bien sûr

"Ny fahangiNANA mandavorary ny fitiavaNA"


rehefa misy fiatombohany anie dia misy fiafarany e.
42. AndryRaissa ( 08/06/2016 12:02)
radoratsimba:

rehefa misy fiatombohany anie dia misy fiafarany e.

ka ny Ntaolo izay nolazaina fa Bado ihany anie no tonga lasa fahendrena e!

Moa ve moa tsy miatomboka amin'ny A ny alphabet malagasy ary miafara amin'ny Z.
Izany hoe miatomboka amin'Andriamanitra ary miafara amin'ny Zanahary?
43. radoratsimba ( 08/06/2016 12:08)
tena kôzy ve zany le?
ilay andriamanitra namorona ny Univers io?
44. AndryRaissa ( 08/06/2016 12:17)
Oadray le! tena kôzy vrai zany fa ty ngah aôna a!
45. radoratsimba ( 09/06/2016 05:49)

Sendra nijerijery ah d naita io sary io d oz ah hoe tony zao anisan le tsy mapino an i endriny sy rhaja
46. radoratsimba ( 09/06/2016 05:50)
noho ny abadona mo zany dia lasa tao am le eccueil le sary d ts mety fafana
47. rhaj0 ( 09/06/2016 12:39)
Eny.. rahefa mitombo Fahalalana dia manipaka ny Habadoana. Na fahalalana ny Tantara izany, na ny Tantara&Jeogirafia, na Pisikolozia na Sosiolozia, na @ ankapobeny ny Fahalalana, Siansa.

Io ho'a averiko foana, fa hafa ny taloha, ka nihiboka tao @ vohitrakeliny tao Raolona, dia ampinoan'izao adala (miseho ho hendry) rehetra izao, an'izao atsanga tsy aman'orana izao. Eritrereto tsara foana ny etat-n'ny fahalalan'ny Taonjato Zero eee... Tsy hainy akory hoe boribory io Tany io; ny masoandro noheveriny fa "mody". Aiza izy no tsy ni-IMAGINER izao Kerobima Chérubin, sy izao "kintana miraraka" izao ohatra.

Fa izao ianao, efa misokatra ny interinety sy ny fahalalana, dia ... ampiasao ho'a ilay coco eee...

Tena ompa sy latsa ho an'ireo taloha tsy mba nahita fahalalana anie izao ataona(re)o izao, mbola manakatona-saina lava izao ao @ Finoana ao ee... eritrereto tsara fa HENATRA be io.

48. endriny ( 09/06/2016 14:43)
Ny bado dia izay minia manao anjololoka ka tsy mahita afatsy ny tampon'orony.
49. radoratsimba ( 09/06/2016 15:03)
I rajho zany ra samy athée iany d mba ôtran mba misy zavatra etina iany ny zavatra teneniny , fa le endriny ôtrany oe 'Ny bado dia izay minia manao anjololoka ka tsy mahita afatsy ny tampon'orony.' zao ve nama mba te iteny fotsiny e :D
50. endriny ( 10/06/2016 11:58)

AndryRaissa:

-Ny Andriana izay atampon'ny loha izay hirahirain'ny Malagasy akory tsy andriamaniny velively
-Zanahary no hery tsy hitany maso sy hitokiany ary tokana ho an'ny Malagasy
-Ny fidiran'ny misionera teto amintsika no nivoahan'ny teny hoe : Andriamanitra izay tsy iza fa Zanaharin'ny Malagasy.

Ara-tantara, fa tsy haiku aloha izay tantara fantatrareo, dia ny andriana dia zanak'i Ndriananahary, ilay lahimatoan'Andriamanitra.

I Zanahary dia zanaka faharoan'Andriamanitra, izay napetraka teo Ambohijanahary. Saingy I Zanahary dia nahavita be tokoa. Fa taty aoriana dia mbola velom-pialonana ihany ny taranak'i Ndriananahary (ireo Andriana sy mpanjaka izany) dia nahetry Ambohijanahary, izay toerana nonenan'i Zanahary.

Ny misionera hoy ianao no nampitovy ny hoe Atra sy Zanahary: ka io izany izy vahiny dia tsy mahita izay dikan'ny Gods sy Dieu izy, dia ireo Atra sy Zanahary ireo no nandikany ny hoe God sy Dieux e. Tsy hainy hoe ny Sampy ange ka toy ny Gods sy Dieux

[quote=AndryRaissa
“ANDRIANA tsy omen-tsiny, ZANAHARY tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia”
[/quote]
ny tianao lazaina angamba hoe : "Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olom-belona no be siasia"
Ito dia oha-pitenenana faha-kristianina teto Madagasikara, iray tarika tamin'ny hoe ny adalana no tsy ambakaina, Atra no atahorana, sy ny aza ny lohasaha mangina...
Fa raha ny manonona ny Mpanjaka amin'ny anarany aza mahatapa-doha olona, maika fa hoe nanonona ny Sampy na izay heverina fa ho Andriamanitra amin'ny anarany...
Fa io moa ny tantarantsika ezahina dia ezahina mihintsy ny hanafoana azy, dia misy ny mamorona fa Jiosy ny Malagasy e.... Dia faly ery ny Malagasy, miedina ery kanefa ataon'ny vahiny ohatra ny fako eto amin'ny tanin'ny tena.
51. endriny ( 15/06/2016 06:20)
Mba araho kely ange ity tantara mikasika an'Ambodifasina-Ivato ity aito, ho an'izay tsy nahita nivantana. Dia hitanatsika eo fa I Zanaharitsimandry izay tarana-Janary koa no vadikelin'Andrianampoinimerina...

Mbola hisy hitantara koa atsy ho atsy ilay hoe Andriamanitranja, izay zanaka vavin'Andriamanitra

Dia mbola hisy hiteny ihany hoe Atra tsy hita maso
52. endriny ( 17/06/2016 05:57)
Iza ary no mbola hifanamby fa Atra dia tsy hita maso?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1826