Andro malaza !

21. bor2lais ( 16/12/2015 13:43)
:-)
lohan'ny mpisorona_sy_mpanora-dalàna_vaovao:

Sahala amin'ny vary be menaka ihany io rhajo, FETY BE nefa tsy hankasitrahan'Andriamanitra satria fanompoan-tsampy.....

:-)
heroda_niova_fo:

Fa mba mijery aho io.. dia mety marina ny anao fa TSISY resaka ao anaty Baiboly hoe, ankalazao ny anniversaire-n'i Jesosy.. Fa TSISY resaka koa ao, explicitement, hoe, aza ankalazaina ilay anniversaire..

:-)
Ato ianao RBNIR raha tsy mahatadidy lesona a !
22. hery ( 16/12/2015 14:41)
Tsy misy man-didy hanao fety ka.

Tsy didy io fa fahatsiarovana.
23. SP-TCA_3 ( 16/12/2015 14:55)

RBNIR:

Sahala amin'ny vary be menaka ihany io rhajo, FETY BE nefa tsy hankasitrahan'Andriamanitra satria fanompoan-tsampy.....


Tsy ny fankalazana ny Noely akory no ahavery ny olona.

Satria nareo tsy mankalaza fety mihitsy dia lazainareo fa fanompoantsampy ny zavatra ataonay?
24. SP-TCA_3 ( 16/12/2015 14:56)

[quote=bor2lais]
Averiko eto indray ity fa mba isan'ny mahafinaritra ahy !

Dia mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra (na ny magy na ny heroda na ny lohan'ny mpisorona na ny mpanora-dalàna na ny mpiandry ondry) :-)

[quote=bor2lais]
Ny Noely : Andro malaza !

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso;
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa,
Mba hampiseho fihavanana,
Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
:,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,:

2. Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoka Azy koa,
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anio!
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…

Tsika rehetra e!
25. endriny ( 16/12/2015 14:57)

hery:

Tsy misy man-didy hanao fety ka.

Tsy didy io fa fahatsiarovana.


Fa io kosa aloha tena ao amin'ny didy aman-dalana mifehy ny asa mihintsy ny hoe: Ireto avy ny andro tsy iasana kanefa andraisana karama... 1 Janoary... 25 Desambra...

Sa ve hoe diso aho?
26. rhaj0 ( 16/12/2015 15:13)
Samia manao ny revireviny fotsiny izany eee... Aza manabe vatan'orona ry RBNIR raha mankalaza Xmas ry Bor2lais mbamin-dry Hery na ry SP-TCA_3 aaaa.... Dia ry Bor2lais mbamin-dry Hery na ry SP-TCA_3 koa mba tsy ho be vatan'orona rahefa mifety Xmas @ fanaovany azy ny olona eee...

tetitetezo ohatra ho'a etoy...
http://lmgtfy.com/?q=site%3A+www.youtube.com+christmas+sexy

Ilay video-ndry Bor2lais teo koa izao mety tsara mihintsy.. ;-)
https://youtu.be/BoL7kXsOB24

Fa ny ahy ho'a ny favori-ko dia efa noresahina tatsy ihany
http://forum.serasera.org/forum/message/m561cc36c62960#m564277be447bb





27. RBNIR ( 17/12/2015 05:37)
Faly misera indray,
Zavatra 2 no tena hita misongadina fa tsy mahamety azy raha araka ny baiboly,
1- noho ilay fampianarana nampidirina ao ampiangonana hianaran'ny mpino.
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)

Tsy i Jesosy mihitsy no nampianatra an'io, noho izany olombelona no nampianatra azy...

2- Diso ilay 25 Desambra (mampianatra zavatra diso ny olona...tsy fahamarinana izany
« Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty*. [* Gr. ota ny ho amin'ny fahafatesana] » (1 Jao.5:17)

Mampanota ny olona izay mitarika ny olona hanao toy izany....

Ka ilay izy hoy aho fiverenana amin'ilay fampianarana tsy misy kilema (fampianaran'i JEsosy) tsy hanampiana tsy hanalana....

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Ho fanitsiana izay diso ary koa ho fitaizana amin'ny fahamarinana....

Dia samia ho tahin'ny Tompo daholo e!
28. endriny ( 17/12/2015 06:51)

RBNIR:


Ka ilay izy hoy aho fiverenana amin'ilay fampianarana tsy misy kilema (fampianaran'i JEsosy) tsy hanampiana tsy hanalana....


Fa inona io fampianarana io? Jesosy ve niteny hoe mivavaha aminy?
29. Strong3 ( 17/12/2015 07:09)

Strong3:


RBNIR:

Dia tena marina tokoa ilay faminaniana nataon'ny apostoly paoly....
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Tim.4:3)




inn le mampangidihidy sofina amin'ny zavatra lazainao????

afa tsy ianao milaza fa nirahina nefa tsy nisy teny manamarina fa hisy apostoly hatsangana aty amin'ny taonjato faha 21 , indrindra hoe manerantany dia aty madagascar ny iray !!! lol tsss ...
tsy valiana mihitsy nge ilay verset fa ... laozanao mitsirika ny atisofiko indray na mangididi na tsia eh


30. RBNIR ( 17/12/2015 07:11)
endriny:

Fa inona io fampianarana io? Jesosy ve niteny hoe mivavaha aminy?

« Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. » (Jao.14:14)

Vakio tsara "raha mangataka AMIKO" dia HATAOKO izany...

Mangataka amin'IZA : amin'i JEsosy,
Iza no mamaly ilay Fangatahana : Ilay miteny hoe "hataoko izany" JESOSY ihany koa..

Hoy Tomasy....« Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)

Tsy nanao fanankianana i Jesosy rehefa niteny an'io Tomasy

Itony koa nisy niankohoka teo anatrehany (teo anatrehan'i Jesosy) : « Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana. » (Mat.28:17)

Tsy nanao fanakianana mihitsy Jesosy hatreto,

Ity kosa anefa nisy anjely niankohofan'ny apostoly Jaona....nefa noraran'ilay anjely « Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana. » (Apok.19:10)

Koa dia anjaran'ny tsi11 no mandinika, nampianatra ny olona hivavaka aminy v i Jesosy sa Tsia???




31. RBNIR ( 17/12/2015 07:15)
Strong3:

tsy valiana mihitsy nge ilay verset fa ... laozanao mitsirika ny atisofiko indray na mangididi na tsia eh

Efa namaly aho fa tsy azonao mihitsy ilay izy hoe rafitra efa napetrany hatramin'izay (nanomboka tamin'ireo zanak'Israely na i Jakoba) ilay hoe ny vahoakany dia tantanin'ny olona 12 lahy hatrany, dia tsy miova mandrak'izay........
32. RBNIR ( 17/12/2015 07:17)
Fanamarihana kely fotsiny namana strong3 ny vala dia "tokana" ihany fa ny mpitarika hofidiny fotsiny no tsy maintsy ho 12....
33. Strong3 ( 17/12/2015 07:24)
marina ny baiboly fa tsy finavina ry RBNIR ah!!!

ka sao mba mety aminareo koa ny 12. sa ianareo no andriamanitra mamorporona ny tianareo atao eto , hoe mba hampahalaza antsika de andao atao roambin'ny folo koa ny apostolintsika
fa mba tsy ampahoainana de mody atao hoe any andafy ny ambiny
34. RBNIR ( 17/12/2015 07:29)
Strong3:

marina ny baiboly fa tsy finavina ry RBNIR ah!!!

ka sao mba mety aminareo koa ny 12. sa ianareo no andriamanitra mamorporona ny tianareo atao eto , hoe mba hampahalaza antsika de andao atao roambin'ny folo koa ny apostolintsika
fa mba tsy ampahoainana de mody atao hoe any andafy ny ambiny

International io ary tsy maintsy hatambatr'i Jesosy vala iray rehefa avy eo : ireo olona ireo tsy mifankahita nefa ny zavatra hampianariny 1 ihany.......
Enga anie ka mba hiaiky ihany ianao amin'izay fotoana izay (raha tsy efa tara loatra)...
35. Strong3 ( 17/12/2015 08:19)
izao ilay hoe sekta miteny ...

manipulatera , mpanajana-tsain'olona, de mihevitra ve ianao fa hatahotra ny fampihorohoroanao za na ny olona nandray ny filazantsara tamin-kitsipo

toro hevitra hoa no ambarako anao , ianareo tsy ho lancer eo izany raha tsy makany afrik du sud

asa raha mba takatrao izany na tsia :-)
36. SP-TCA_3 ( 17/12/2015 08:23)
Zany mu ny anareo no andaniana lera eto koa, tsss
37. RBNIR ( 17/12/2015 08:27)
Strong3:

manipulatera , mpanajana-tsain'olona, de mihevitra ve ianao fa hatahotra ny fampihorohoroanao za na ny olona nandray ny filazantsara tamin-kitsipo

Hafa fijery ianao izany, manambara ny marina fotsiny aho...anjaran'ny tsi11 sisa, eto koa tsy misy olona hoterena mihitsy na iray aza.....
38. Strong3 ( 17/12/2015 08:30)
ka mandreraka be ireto mpihebohebo sy manandratena ireto kou... hihihih

izy irero hono no fiangonana marina sy nahazo pouvoir avy amin'i jesosiny fa ny sisak'izay very izay tsy mivavaka ao aminy!

laojika ve izany sa avela himenomenona hanambaka ny badou eto izy ????
39. SP-TCA_3 ( 17/12/2015 08:42)
Ay v mu k zany e!
dia afaka ny hanao inona mu zany rhf zay no eritreriny!
Mampme iany lu ra zany k
40. Strong3 ( 17/12/2015 08:52)
hay ve moa ka izany eh!!!

hanjono anaty koveta eto daholo izany ny rehetra rehefa mety aminao ilay izy koa! hihihihi...!

dia aza manatena ahita zavatra hiamatotra eto amin'ity forme ity ianao izany , ary dia ny anao no tena fandaniam-potoana be indrindra rehefa manaiky ny ATSANGA TSY AMANORANA ETO ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1891