Creation

41. tealala ( 02/12/2015 07:35)

rhaj0:

marina fa mihanaka any Dago koa ny moslimo.. Ka ny sekta sy ireo evanjelisitra sy mormons sy ny scientolozista mazanabe avy aty zamerika koa azany manindry ka dia..

Amiko aloha, rahefa "finoana" io dia mamorika ny fi(s)ainana daholo..

Fa manantena aho, fa @ izao andron'ny interinety izao, dia rahefa misokatra ny fahalalahana (liberté) sy fahalalana (savoir), dia resy ho azy ity "finoana" ity eee.. na moslimo io na kristiana io na sektarisma gaigibe io.

Ny tsy-fahalalana sy ny tsy-fahampian'ny filAna (besoins) anie no mampalasa vokatra ity "finoana" "finoana" ity eee... Ny interinety sy ny gilobalobailizasiO nefany mamaha ireo fototry ny olana ireo, ka dia hivaha ho azy io olana io eee... ny Ankizy ho'a dia "avotra" fa ireo "beantitra" ihany izao no mbola milentika voarebireby ao io.

Fa mety voarebirebin-dry jihadista sy sektista ihany ny tanora, satria mba mampiasa interinety koa ireo, fa rahefa mivezivezy eo ry tanora dia ... vita matavy foana ireo mpino ireo @ farany eee...

io izao manombok'eto.. hitanao eto @ forum eto io, na ianao io, na ry RBNIR na koa ry Yahl, mitady ny handrebireby ny sain'olona @ izay "finoanoam-poanany" any... fa dia io ridicule ho azy io foana eee....



Ay ve izay ilay foto-pisainana e, tsy misy mifanalavitra amin'ilay fisainana occidental (mondialisation; kristianisma; ny fankasitrahana ny fiarahan'ny lahy sy ny lahy ny vavy amin'ny vavy izany).
42. rhaj0 ( 02/12/2015 11:59)
esy e ry Tealala... ianao ve tsy hitanao, fa ianao Kristiana io dia misavika ny finoana sy "fisainana occidental" faha-Jean Laborde?? Ny okisidentala azany efa tonga saina hoe, dia tena mba tsy mahataka-davitra mihintsy kosany ireto zokinibe ireto, satria moa izay ny zava-nisy sy fahalalana t@ izay... nefany ianao dia io tena mbola mitia milentika ao io indray... ny taona ity 2015.

aoka ho'a fa tapaka mihintsy anie ny Ankizy mijery sy mihaino anao eeee...
43. tealala ( 02/12/2015 14:40)

rhaj0:

esy e ry Tealala... ianao ve tsy hitanao, fa ianao Kristiana io dia misavika ny finoana sy "fisainana occidental" faha-Jean Laborde?? Ny okisidentala azany efa tonga saina hoe, dia tena mba tsy mahataka-davitra mihintsy kosany ireto zokinibe ireto, satria moa izay ny zava-nisy sy fahalalana t@ izay... nefany ianao dia io tena mbola mitia milentika ao io indray... ny taona ity 2015.

aoka ho'a fa tapaka mihintsy anie ny Ankizy mijery sy mihaino anao eeee...

Izany no lazaiko t@ iny hoe ny olona tsy mino an Andriamanitra tokana dia somary manahirana amiko ny miresaka aminy noho ireo razambehiny :D
44. rhaj0 ( 02/12/2015 18:41)
Dia tena TSY mitovy razambe izany izaho sy i Tealala hono eee.... Tsy alefa alavitra aloha fa:
- Ny an'i Tealala izany hono ho'a, dia izy dia taranak'i Abrahama avy tany Kanaan, izay velona tany @ 2000 B.C tany (jereo ohatra eto)
- Ny ahy indray dia, taranak'ireo avy tany asie du sud-est, izay mety mbola tao Sina t@ izay taona 2000 B.C. izay (jereo ohatra eto)


Dia tena tsy mitovy koa ny "fisainana occidental" noraisina eee...
- Ny an'i Tealala ho'a, dia ilay "fisainana occidental" faha-Jean Laborde no (mbola) andrianiny ao, ka dia mihevoka ao anaty boky tonta ao izy
- Ny ahy indray dia, ilay "fisainana occidental" aty @ taona 1950s, (maka) tahaka an"i Einstein nilaza fa "ny revy God dia childlike", na taona 2000s, (maka) tahaka an'i Mandela nilaza fa "ny mivavaka dia useless"


ka eo aloha izany isika izao, sa ahoana??
45. SP-TCA_3 ( 05/12/2015 07:48)

[quote=rhaj0]
Efa vitan-draolona re ry RBNIR izao ny manao croisement-na osy sy ondry eee... Fa tsy "nosasahina" tahaka ny nanaovan'i Abrahama azy, fa mba nirevy fotsiny ny osy sy ny ondry eee... hi hi hi.. tsy takatr'i (Atr'i) Abrahama indray iny :-)

Ekeko fa mahavita manao hybridation bdb n olona @zao, ary efa mahavita mi-créer être mihitsy aza, fa saingy zao, TSY HAINY NY MAMORONA RA fa mbola ny an'ny espèce efa nisy teo no afindra. Ary tsy ho hainy mandrakizay mihitsy satria Atra irery ihany no mahay mampisy ny aina (Ra=Aina)

46. endriny ( 05/12/2015 08:47)

SP-TCA_3:

Ekeko fa mahavita manao hybridation bdb n olona @zao, ary efa mahavita mi-créer être mihitsy aza, fa saingy zao, TSY HAINY NY MAMORONA RA fa mbola ny an'ny espèce efa nisy teo no afindra. Ary tsy ho hainy mandrakizay mihitsy satria Atra irery ihany no mahay mampisy ny aina (Ra=Aina)

Azonao porofoina ilay hoe: "Atra irery ihany no mahay mampisy ny aina"?

Ilay hoe "Ra=Aina" kalongany dia tena diso be e. Be dia be ny zavamananaina tsy misy ra, ohatra fotsiny ny bozaka sy ny hazo, ny viriosy sy ny holatra...
47. rhaj0 ( 05/12/2015 14:31)
Ngaha tsy mampihomehy ... i Atra IRERY hono no nahavita NAMORONA an'izao sy izao, hozzy SP-TCA_3, nefa kay ny tena izy, i raolona ireri no nahavita namorona (ny concept) Atra... :-)
48. Strong3 ( 07/12/2015 09:05)

rhaj0:

'ndana ho'a mi-google (fa tsy mihevoka boky tonta lava ao)..
ohatra eto jerena : https://www.youtube.com/watch?v=0g8lANs6zpQ
Dia ny videos marobe arosony eo akaikiny eo, dia sesiseho miadana ao e.. dia sokafy ny saina.

Ianao ho'a izao ry Strong3 efa mba misy interinety, dia mba afaka mitsikarokaroka... sady @ izay manana fahalalahana (libertE) ny hanao izany.. dia mba ampiasao @ tokony ho izy @izay ilay saina sy ilay fahalalahana eee...

Heverovereto anie taloha e... na ohatra fotsiny tany @ taona 70s na 80s fotsiny azany. Na tia mikarokaroka tahak'n'inona azany ny ankizy, dia mbola mitady boky aloha, nefa na ny biblioteka azany tsy misy, ary ny any @ librairie no-censurer-ndRatsiraka (na tsisy importation moa izany e)...

Fa dia tsoriko fa dia tena hadalana tanteraka ny anareo "mihevoka lava ao anaty boky tonta ao".. ary hotry ny mandatsa ny ankizy taloha tsy mba nanana opportunitEs toa ana(re)o izao anie iana(re)o e... henatra ho anareo eee... henatra be vata mihintsy..

Fa soa fa ny zanakareo aloha dia hivoatra eeee... ary dia ao nareo izany eee... hihomehezan'ny ankizy ao..
[size=4](reaksio simika azany hono tsy takany, fa mbola mino manantena ny hazolavan'i Mosesy ilery mba hisian'ny zavatra...)[/size]


izay ilay miolakolaka rehefa tratra amin'ny fanotaniana goulamany ...

HERY AVY AIZA HOA NO MAMPIFANDRAY NY MAOLEKIOLA ROA hanao reaction chimique ???

tsy misy valiny hatreto fa miolakolaka ny tsimisiatra mamaly azy :-) :-) :-)
49. rhaj0 ( 07/12/2015 11:19)
Eto indray azany jerena eee... Dia aseseho ireo TED-ed etsy @ ankavia ireo, dia sokafy ny saina ho'a... (tsisy ao anaty babiboly ireo reska ireo)

https://www.youtube.com/watch?v=OttRV5ykP7A
50. Strong3 ( 07/12/2015 11:50)
rediredin'ny TED io hoa tsy mahavaly fanotaniana fa aza dia miantehatra be amin'ny fikarohana tsy ampy eh
51. rhaj0 ( 07/12/2015 12:32)
Eny azany fa... ny sainao tia fikarohana izany dia afa-po rahefa akapoka ho Andrmntra no namorona ny zava-drehetra, eny, h@ ianao Strong3 io, dia misy dian-tanany (ohatra, nataony petaka ny oronao fa tsy mba sahala @ ny an'i Madame Eva razanao)
52. endriny ( 07/12/2015 19:13)

Strong3:


HERY AVY AIZA HOA NO MAMPIFANDRAY NY MAOLEKIOLA ROA hanao reaction chimique ???



Tsy nahay valansy sy thermos indray angaha ny Havana. MIla kilasy telo be izao no atao raha te hianatra a... tsy mila finoana io fa siansa majika sady manjopika no mivelatra

Tsy mikombona ao anatin'ny boky artifisialy,
izany seho sy tranga ara-tsimika izany
Tsy ilana Jesosy ombohana hijaly,
vao hanova ny hazo ho lasa solitany.
53. Strong3 ( 09/12/2015 06:53)
aza dia mahatsikaiky hoa...

ny hozadohan'i rhaj0 aza mikaikona ... :-) :-)
dia ny rediredin-dra TED no hinoany ao :p ... lol :-)
54. SP-TCA_3 ( 09/12/2015 11:26)

endriny:


SP-TCA_3:

Ekeko fa mahavita manao hybridation bdb n olona @zao, ary efa mahavita mi-créer être mihitsy aza, fa saingy zao, TSY HAINY NY MAMORONA RA fa mbola ny an'ny espèce efa nisy teo no afindra. Ary tsy ho hainy mandrakizay mihitsy satria Atra irery ihany no mahay mampisy ny aina (Ra=Aina)

Azonao porofoina ilay hoe: "Atra irery ihany no mahay mampisy ny aina"?

Ilay hoe "Ra=Aina" kalongany dia tena diso be e. Be dia be ny zavamananaina tsy misy ra, ohatra fotsiny ny bozaka sy ny hazo, ny viriosy sy ny holatra...



# "Atra irery no mahay mampisy ny aina"
Rehefa natao ny démonstration dia hita fa tsy azo démontrena io zavatra io, nefa rehefa vita ny démonstration dia fantatra fa tsy azo lavina izany zvtr izany

Atra dia omniscient, maay ny zavatra rehetra; maay mampisy ny tsy misy izy ary mahay manafoana ny misy


# "Ilay hoe "Ra=Aina" kalongany dia tena diso be e. Be dia be ny zavamananaina tsy misy ra, ohatra fotsiny ny bozaka sy ny hazo, ny viriosy sy ny holatra...

Itanao ry namana, ny 1+1 no égal 2, fa ny 2 tsy votery tsy maintsy hoe 1+1 fôna
izany hoe: Rà=Aina, fa ny aina tsy votery ho tsy maintsy Rà
55. rhaj0 ( 09/12/2015 13:48)
Mba (mitomany) hoe siantista koa ry SP-T, nefa na ilay basique hoe, 'rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme' azany toa tsy takany akory...

Koa na ilay hoe,[I] natao hono ny demo - tsy azo no-demo - vita demo = tsy azo lavina izany... [/i]geez... ny ao anaty baiboly no averin'lery... 'ngaha ny babiboly reference scientifique rey olona aaa..
56. RBNIR ( 09/12/2015 14:20)
rhaj0:

Mba (mitomany) hoe siantista koa ry SP-T, nefa na ilay basique hoe, 'rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme' azany toa tsy takany akory...

Izay ilay fihevitra mba takatr'i raholombelona dia izay no lazainy (rien ne se cree)

Raha mba fantany mantsy fa misy fihevitra hafa mihitsy tahaka ny hahavon'ny lanitra amin'ny fiheviny dia ho nangina avy hatrany izy......


« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isaia 55:9)
57. rhaj0 ( 09/12/2015 15:18)
Ilay 'fihevitra mba takatry raolona' re ry RBNIR, dia ny ni- creer-ny Andrmntra, mba hi-creer izay zavatra rehetra tsy takan'ny hoza-dohany.. izany no reflexe-ny rahefa tsy nahatakatra zavatra bets aka izy...

Dia mitantara dia mamaritra rambon'osy i Isaiah, t@ l'an 0 tany, dia mbola izay ihany no reference-ndraRBNIR, ny taona ity nefa efa 2015
58. endriny ( 09/12/2015 15:18)
SP-TCA_3:

# "Atra irery no mahay mampisy ny aina"

Azonao porofoina ve?

Ho ahy rehefa tsy takatry ny lohako ilay izy dia apetrako, fa tsy amoronako atsanga sy dridrany amin'ny zavatsifanatatra. Tsy andeha hiteny aho hoe "Misy bibiolona amin'ny alina, kanefa izaho no matahotra mivoaka alina".

SP-TCA_3:

Atra dia omniscient, maay ny zavatra rehetra; maay mampisy ny tsy misy izy ary mahay manafoana ny misy

Tsy voadika tenimalagasy ve ilay "Omniscient" sa voambolana teknika ihany koa ireny... Ho ahy tsy misy izany Atra mahay mampisy ny zava-drehetra izany... Raha misy izany tsy misavoritaka ohatran'izao ity izao tontolo izao ity.

SP-TCA_3:

Itanao ry namana, ny 1+1 no égal 2, fa ny 2 tsy votery tsy maintsy hoe 1+1 fôna
izany hoe: Rà=Aina, fa ny aina tsy votery ho tsy maintsy Rà

Hihihihihi dia diso izany ny kajinao raha izany koa Atra=Mpamorona aina, fa tsy ny aina rehetra akory dia namboarin'Atra daholo...

Fa ny sasany mba namboarinay mivady tato an-trano (hihihihihihihi)
59. SP-TCA_3 ( 10/12/2015 14:20)
"Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra." (Salamo14:1)

AZA MANAIKY HO ADALA RE RA-OLONA E,

Andriamanitra dia misy, ary Izy no nanao ny CREATION, azonareo athéiste mba hazavaina ve ny "Phénomène de BIG BANG" izay voalaza fa niforonanan'izao rehtr zao? dia tena hainareo tsara v aloha io zavatra izirizirinareo io ?

Izay mampitovy ny tenanay @ adala no tsy mino an'Atra fa na dia ny Astro-physicien aza mino

Jereo ty rohy ty:

https://www.youtube.com/watch?v=1QebJ6dZa3c

60. rhaj0 ( 10/12/2015 14:33)
Oadray.. i Salamo ve no reference-nao..

Fa nojerreko ny youtbe-nao dia hozy ilay ranamana, esty @ 1:30... je parle en tant qu'être humain mais pas en tant que scientifique...

Efa betsaka ny resaka ny @ io ato eee...
http://forum.serasera.org/forum/message/m55fd1c6a2ba89/40

http://lmgtfy.com/?q=percentage+of+atheist+scientists
... the National Academy of Science charted belief in God as low as 5.5 percent among biologists and 7.5 percent among physicist and astronomers in a 1998 study.


Fa dia ao ianao sy ny ranamanao miresaka " en tant qu'être humain mais pas en tant que scientifique." izany eee... minomino foana ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3977