fiainana mandrakizay

61. rhaj0 ( 06/11/2015 13:14)
RBNIR:
mila manaiky miverina zazakely..

Ka "miverina zazakely" dia "minou fotsy",
sa "miverina zazakely" dia "raisina ara-baki-teny" h@ teboka amam-paingo ny tantara?

[size=8]azavao kely hoe ry Strong3 ny @ ilay 1 Kor 15? tena tsy hitako ny lohan'ny lohany, fa hotry ny mi-delire ilay ranamana kouh... sa ataoko azany hoe, toa miodikodina loatrany ilay lamentation eee...[/size]
62. Radavison ( 06/11/2015 15:28)
rhaj0:

Raha ny fazahoako azy izany, dia @ i Radavison, dia ny zava-dehibe,
1- dia ilay "famintinana ny Baiboly, manomboka amin'ny Genes. ka hatramin'ny Apok.",
2- izay raha fehezina dia, "Rehefa mino ianao(..) Ampy tanteraka ho famonjena ny sorona nataon'i Kristy, ka tsy mila ampiana n'inona n'inona"
3- izany hoe,izay resaka " tsindrotsindrohina é, tsipontsimponina é, fahamarinana ara-stiantifika é, porofo é"... dia TSY zava-dehibe: raha ny fazahoako an-dRadavison, dia tsy ilaina resahina akoriny ireo rahefa "mino ianao"

Nomeko anao ny famintinana hanananao vision globale,
fa manahirana itony olona mandrirarira amin'ny fandroritana zoron-dresaka, tsipontsimponina, tsindrotsindroka, sns...
ary tsy ampy ny fotoana sy ny takelaka toy itony anazavako anao hatrany amin'ny Gens h@ Apok, indrindra efa averimberiko eto hatrany ho anao fa teny gasy mazava tsara izao aza mila averina in-3 in-4...

Sacrifice parfait no vitan'i Jeso Kristy :
fa inona no mbola ilaina anampiana an'izany hoe Ràn'ny Zanak'Andriamanitra izany é?
fa fantatrao ny hoe rà=sang ; sy ny hoe Zanak'Andriamanitra
dia tsy resaka vazivazy anie izany é, fa asakasak'izay te hanamaivana an'izany...
tsy resaka ràn'omby, na osy na ondry ....
safidy sisa ny anao na hino sy handray na tsia...

Point 3 lazainao : aza ampilazainao izay tsy nolazaiko aho , fa eo ilay hoe mila averimberina foana sy mila asiana balises foana.

Zava-denibe ho an'ny fitomboana ara-panahy ireo, -fa tsy hoe tsy mila resahina akory ry fandroritana zoron-dresaka-; fa tsy hitondra na inona nainona ho anao raha tsy efa teraka indray ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianao!

Safidin'izay efa voavonjy koa na te hitombo sy hatanjaka izy na tsia...

...dia rorito amin'izay itiavanao azy indray...
63. rhaj0 ( 06/11/2015 15:36)
Radavison:
Sacrifice parfait no vitan'i Jeso Kristy

io ho'a dia raisiko hoe... "tsy aleo ve namonoana vantotr'akoho, toa izay i Jesosy no nohomboina eee...."

Radavison:
mila averimberina foana sy mila asiana balises foana

okey dokey... fa fotsiny, rahefa vita ny resaka averimberina, dia na ho any na tsy ho any (@ itiavanao azy ny lojikan-dresaka), dia ny fehin-kevitrao, raha ny fahitako azy, dia araka ny nolazainao ihany hoe "Rehefa mino ianao(..) tsy mila ampiana n'inona n'inona"...
64. Radavison ( 06/11/2015 15:46)

Izay manana sandan'ny vatotr'akoho no voavidin'ny vatotr'akoho. Mety ho izay no hiheveranaoa ny tenanao,
fa, voalohany, tsy izay kosa ny sandan'ny humanité -tafiditra ao anatin'izany ianao- ho an'Andriamanitra azy;
faharoa: miraikitra mafy lavitra noho ireny soudure amin'ny vy ireny
ny firaiketan'ny fahotana anin'ny fanahin'ny olombelona, ka tsy afaky ny ràn'akoho
...dia rorito amin'izay tianao androritana azy indray fa rersaka vaovao indray io sanda sy soudure io....
65. rhaj0 ( 06/11/2015 15:53)
Ya ya... mahery ny fivavahana Kristiana, hoz'ianao, satria dia i Jesosy mihintsy no novonoina..

Nefa izao ireo sivilizasiona ao Meksika ao, nanao fanatitra olona @ Andrmntra-ny, dia olon-doza hoz'ianao... sa tsy olon-doza ireo, fa mba izay koa no mba takatry ny hoza-dohany?

ntsss.... izaho koa toa mbola be fanontaniana sy mampirisika ny mba iasan'ilay saina eto foana... ho lazainao indray izao fa "tsy takatro" izany, fa izao fotsiny: "Rehefa mino ianao(..) tsy mila ampiana n'inona n'inona"...
66. Radavison ( 06/11/2015 15:53)

rhaj0:

2- izay raha fehezina dia, "Rehefa mino ianao(..) Ampy tanteraka ho famonjena ny sorona nataon'i Kristy, ka tsy mila ampiana n'inona n'inona"
3- izany hoe,izay resaka " tsindrotsindrohina é, tsipontsimponina é, fahamarinana ara-stiantifika é, porofo é"... dia TSY zava-dehibe: raha ny fazahoako an-dRadavison, dia tsy ilaina resahina akoriny ireo rahefa "mino ianao"

Toy ny fanafody sy sakafo ho an'ny olona iray maray ambava-haona ireo razoky an:

ka hoe omeo hanina fa io mampatanjaka fa avelao any aloha ny fanafody, na dia efa tsy mahasoka-bava hihina aza ilay maray;
na koa hoe ny fanafody ihany ampiasaina fa io no mahasitrana, fa aza ivakiana loha izay sakafo hampatanjaka azy rehefa avy eo.
67. rhaj0 ( 06/11/2015 16:04)
fa misy "ambava-haona" angaha eto ambany masoandro eto ry Radavison aaa : ny masoandro izao efa ho 14 milliards d'années no nirehitra io, ary mbola misy 14 milliards d'années irehetany...

Fa io moa... (mody) alefa ny resaka averimberina ho'a, mba miasa hono ilay saina izany eeee... fa rahefa tsy mandeha @ lojikan-dRadavison, dia ... "ambava-haona" hono ny resaka, fa dia "Rehefa mino ianao(..) tsy mila ampiana n'inona n'inona"...
68. Radavison ( 07/11/2015 02:51)
rhaj0:

Ya ya... mahery ny fivavahana Kristiana, hoz'ianao, satria dia i Jesosy mihintsy no novonoina..
Nefa izao ireo sivilizasiona ao Meksika ao, nanao fanatitra olona @ Andrmntra-ny, dia olon-doza hoz'ianao...

VOALOHANY: na samy olona aza Jeso Krisry zanak"Andriamanitra=Masina=tsy misy ota;
FAHAROA : na samy sorona aza tsy mitovy ny antony sy ny kinendry ;
FAHATELO: na dia samy maty daholo aza ireo, Jeso Kristy mitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo.
Tsy anatina domaine siantifika izany, fa safinao ny hino na tsia
FARANY : tsy izaho velively no nilaza taminao fa ny fivavahana kristiana no mahery, fa mba aoka kosa mba tsy mampiteny izay tsy nolazaina; fa ny Ràn'i Kristy no mahery sy masina. Ary na dia ny fitenenanareo aza hoe "tsy aleonay ràm-batotr'akoho" dia efa fanevatevana mihoa-pampana, fa soa fa tsy eo amin'io ilay ligne rouge...
69. endriny ( 07/11/2015 05:29)
Mafy izany tsy te ho faty izany rey olona a... dia mamboly fiainana mandrakizay... ho ela velona e
70. rhaj0 ( 07/11/2015 14:10)
rhaj0:
...satria dia i Jesosy mihintsy no novonoina..
Nefa izao ireo sivilizasiona ao Meksika ao, nanao fanatitra olona @ Andrmntra-ny, dia olon-doza hoz'ianao...
Radavison:
FAHAROA : na samy sorona aza tsy mitovy ny antony sy ny kinendry ;
FAHATELO: na dia samy maty daholo aza ireo, Jeso Kristy mitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo.

Fa dia confirmé izany fa SORONA olona velona no natao eee... na dia ni-se reprendre izany hono ilay Mpanao Sorona Olona Velona taty aoriana, fa "novelominy" indray hono ilay maty teo.. ya ya.,, dia "safidinao ny mino" izany eee...

Radavison:
Ary na dia ny fitenenanareo aza hoe "tsy aleonay ràm-batotr'akoho" dia efa fanevatevana mihoa-pampana, fa soa fa tsy eo amin'io ilay ligne rouge...

Dia harary fo @ izany ao ianao kouh... Efa noresahina lava be teto fa izao no fomban-tany :
Bien sûr qu'on peut se moquer des religions

Sady io anie mba naka tahaka ohabolana aho, hoe "sery vitan'anamalaho, koa hamonoana vantotr'akoho", ka eto izany..

"Ota aman'helok'i Radavison, koa hamonoana anaovana sorona an'i Kristy"

... dia ao ianao izany eeee....
71. RBNIR ( 09/11/2015 06:10)

rhaj0:

RBNIR:
mila manaiky miverina zazakely..

Ka "miverina zazakely" dia "minou fotsy",
sa "miverina zazakely" dia "raisina ara-baki-teny" h@ teboka amam-paingo ny tantara?

[size=8]azavao kely hoe ry Strong3 ny @ ilay 1 Kor 15? tena tsy hitako ny lohan'ny lohany, fa hotry ny mi-delire ilay ranamana kouh... sa ataoko azany hoe, toa miodikodina loatrany ilay lamentation eee...[/size]

Faly misera namana rhajo,

1- Marina ilay hoe « Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.» (Lio.8:50)

2- Misy teny avy dia raisina ara-bakiteny rehefa mazava be tsy manana heviny miafina (miresaka zavatra réel)
misy kosa manana heviny miafina (irréel) ireny no mila takarina ny heviny (ohatra bokin'i daniel, sy ny bokin'ny apokalipsy)...
72. rhaj0 ( 09/11/2015 11:43)
RBNIR:
Misy teny avy dia raisina ara-bakiteny rehefa mazava be tsy manana heviny miafina

Io k'lou dia tena subjective giravy be...

- rahefa tsy mampetimety ny baolina (incoherent/abberant/ridicule/...) dia mody hoe, "aza raisina ara-baki-teny" fa misy "heviny miafina"

- na rehefa misy tiana ampametimety ny baolina, dia mody hoe, izao ilay metafaoro, ary amoronana mihintsy azany... Sirika be ohatra i Strong3 teto, fa raha vao mahita "vehivavy" izy ao @ toko aman'andininy ao, dia lazainy fa midika hoe "fiangonana"...

Fa tena tsy mipi-maso mihintsy anefa nareo mi-manipuler ny resaka ao @ Baiboly ao @ io an... giravy eee.. mampalahelo...
73. RBNIR ( 09/11/2015 12:11)

Tsy tokony hisy subjective tafiditra satria ilay heviny no tokony iarahana manaiky fa tsy fihevitsika tsi11...
Haka ohatra 1 akaiky aho namana,

Louis Segond Bible
Ne croyez pas que je sois venu pour abolir la loi ou les prophètes; je suis venu non pour abolir, mais pour accomplir. (Mat.5:17)

Izao ny dikany amin'ny teny malagasy ary mazava tsara...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Dia mbola misy mahita mandrava didy folo ny sasany aty aoriana...Noho ny inona, noho io subjectivité resahinao io ihany...

nefa raha ny teniny no noraisina dia tsy hitako izay hanaovana discusion be fa dia mazava fa tsy rava akory ny didy ry namana....

74. rhaj0 ( 09/11/2015 15:39)
RBNIR:
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Ka ngo dia "mpitari-bato vilam-bava" kosany azany n'enareo eee... Na hoe.. hadinony ny noresahiny sy nahitrikitriny taloha izany eee... "olombelona" ihany IZY kouh...

Ny Matio 5:17 izany natao resaka manetriketrika, nefa ny LalAna rehetra tao @ Levitikosy 20, toa TSY narahina (ara-baki-teny)... ohatra
Levitikosy 20:10 Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.

Dia nefa atsy @ Jaona
Jaona 8:5 Ary ao amin’ ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany [Deo. 22. 22-24] ; fa ahoana kosa hoy Hianao?

hi hi hi... TSY nety nampihatra ny "lalàna Mosesy" i Jesosy fa nihodikodina tao eeee... fa ny "soratra t@ tany" no nahodikodin'ny "ratsan-tanany"... :-)

Io moa nefa mety hoz'nareo izany hoe.. Baiboly-Fanavaozana io eeee... (sahala @ AKFM-Fanavaozan'i Pasitera)

Na koa azany hoe, hazavao kely indray hoe izay mahay ito tantara ito...
Efesiana 2:15 fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana

Averiko kely: "nandravany (..) ny lalàna nisy didy natao hotandremana"
75. RBNIR ( 09/11/2015 16:34)

IZay no mila ianarana Aminy namana...
Misy karazany ireo lalàna ireo ary misy dia misy no efa nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo fa efa nofoanana, misy kosa anefa mbola misy anefa ny mbola mila tandremana.....
76. rhaj0 ( 09/11/2015 18:13)
Tena tsy azoko... aleo averiko kely ny resakao RBNIR

RBNIR:
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

RBNIR:
Misy karazany ireo lalàna ireo ary misy dia misy no efa nampianarin'i Jesosy Kristy Tompo fa efa nofoanana

Ka ahoana eee... "tsy handrava" IZY @ io, sa "manafoana" indray eeee ????

Tena mivadibadi-dela anie nareo izany ry RBNIR eee... politifikana gaigibe..
Sa tsy tonga saina akoriny ianao io, fa ilaozanao mamerimberina ny resaka nataon'i.... Jesosy fotsiny??

Dia ao ianao izany eee....
77. Strong3 ( 10/11/2015 12:28)
hihihih :-) aleo ny tsimisiAtra mba hampianatra ny misy Atra mbola mampanompo olona ambany lalàna misy ozona sy fahafatesana !
78. RBNIR ( 10/11/2015 12:47)
:-) ary manomboka ny sivana izany an
79. RBNIR ( 10/11/2015 12:55)
Rhajo, otran'ny efa tsaroko namaly anao aho, hoe : tsy nandrava IZY fa nanantanteraka dia nitondra dikan-teny tamin'ny teny angilisy aho
Louis Segond Bible
Ne croyez pas que je sois venu pour abolir la loi ou les prophètes; je suis venu non pour abolir, mais pour accomplir.

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1684