fiainana mandrakizay

41. rhaj0 ( 04/11/2015 11:24)
Strong3:
raha misy olona tsy mino an'i Kristy ...
fa ny an'i kristiana kosa ...

Ny nolazain'ilay mpandalina Kristiana t@ radio reko omaly, dia hoe ... samy hafa ny notaterin'i Matthew sy John (sy Peter)..
- ny notaterin'i Matthieu, hoz'izy, dia rahefa niresaka t@ mpanaraka azy i Kristy, dia hoe, mila manaraka/manaja ireo Didy sns
- ny notaterin'i John (sy Peter) kosany, dia rahefa niresaka t@ mpanaraka azy i Kristy, dia hoe, minou fotsy..

Fa ny an-dry Strong3 sy ry Radavison moa, tsimpotsimponiny ao izay tiatiany, dia ampiany sira sy sakay @ itiavany sy saimpantany ao ny resaka.. dia izay no inoany sy averimberiny ao @ lamentations-ny ao.

Halalino fanin-2 azany hoe ry Strong3 ireo Matthew sy John ireo, dia ivereno ilazao eto raha ohatra ka tena mitapy-son ilay Kristiana mpandalina reko t@ radio io??
42. Radavison ( 04/11/2015 11:52)

rhaj0:


Ny nolazain'ilay mpandalina Kristiana t@ radio reko omaly, dia hoe ...



Tsy vao voalohany no itenenako aminao fa ianao aza tsy cohérent amin'ny tenanao...
ary betsaka nyzavatra tsy azonao akory fa averinao toy ny boloky

Dia mbola averiko aminao indray fa raha isaka ny miresaka tsy maintsy averimberina imbetsaka,
sady tsy maintsy asiana balises mba tsy ny zoron-dresaka no ho lasa ivon-dresaka,
dia ho firy taona vao hahavita toko anankiray ao amin'ny baiboly
kanefa dia ianao indray no miteny hoe "tsipontsiponiny"
Aza mody vendrana na misary gaigy é

43. rhaj0 ( 04/11/2015 12:07)
Avoahy eto i Matthew sy John dia iarahana mamahaba eo azany ry RAdavison aaa... tsy hitako izay andraisana ireo bla-bla-nao io ambony io: ny hany "averimberinao" dia hoe "tsy maintsy averimberina"...
44. rhaj0 ( 04/11/2015 12:19)
Ka ny an'i Matthew izany no efa nivoaka teto

Matio 19:2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy...
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.


Ho an'ireo "vahoaka betsaka nanaraka Azy", dia "tandremo ny didy"



Ny an'i John na Peter indray dia tsy haiko.. aiza ilay hoe rahefa Kristiana na hoe mino an'i Kristy fotsiny dia OK.. Io moa hevitrareo sy inoanareo Strong3 sy Radavison, ka dia avoahy eto azany iaraha-mahita.
45. bor2lais ( 04/11/2015 12:40)
Tsy afaka ny ahazo ny voasoratra ao amin'ny Baiboly mihitsy ianao ramose raha tsy manampy rihana iray hafa (ankoatra ny saina (google) sy vatana (robot)) a ! :-)
46. rhaj0 ( 04/11/2015 12:46)
avoahy i John sy Peter eee.... sa tsy eto zareo? :-)
47. Strong3 ( 04/11/2015 12:47)

Strong3:


rhaj0:

Strong3:
hoan'ireo jiosy tsy mino an'i kristy no ilazana io

letia eee... Ka tena TSY nanome ny "antsasam-pananao" va ianao ry Strong3 sa tsia??...
[size=8]tena politifikana fatsora ilay rangahy 'ty...[/size]

Raha izany, dia marina ny nolazaiko taloha teo..
... mody hoe, lojika be tsy roa aman-tany: ny "fanavotana" dia Jesosy eeee...
Fa ny resak'i Jesosy, dia .. "tsy mahakasika an-drizalahy sy ny fananam-be-ny eeeee"...



efa tsy ao intsony kou ry ramosé izany ka

raha misy olona tsy mino an'i Kristy nefa te hoanay andanitra dia :
tsy maintsy takiana didy 10 sy ny lalàna 613 izy
ary ambonin'izany dia mamarotra ny fananany ka manome ny antsasak'izany hoan'i malahelo

fa ny an'i kristiana kosa ;
manao ny ainy tsy ho zavtra ka nanolotra ny momba azy rehetra hoam'ny filazantsara sy hoan'i Tompo (fa tsy ny atsasakin'ny fananany fotsiny fa ny momba azy manotolo )

____
« Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Marka 8:34)
« Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. » (Marka 8:35)
« Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? » (Marka 8:36)
« Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Marka 8:37)
« Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina. » (Marka 8:38)

____
« Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. » (Marka 10:28)
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Marka 10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Marka 10:30)
« Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. » (Marka 10:31)

MAZAVA VE rhaj0-kelin'i Jesosy? :-)


aza dia mody pahina re rhaj0 fa tsy mbola ohatran'i Abrahama sy josefa akory dia efa ... hiihihi :-)
48. rhaj0 ( 04/11/2015 13:24)
ok... misaotra fa miampy ihany izany ny fazahoako azy..

Matthew:
Matio 19:2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy...
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

Ho an'ireo "vahoaka betsaka nanaraka Azy", dia "tandremo ny didy"

Mark:
Marka 10:1 (..) ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy;
29 Hoy Jesosy: (..) Tsy misy olona efa nahafoy .. na ray, na zanaka (...)
30 ka tsy handray (..) fiainana mandrakizay.

Ho an'ireo "vahoaka betsaka niangona teo aminy", dia "nahafoy ... na ray, na zanaka..."


rhaj0:
avoahy i John sy Peter eee.... sa tsy eto zareo? :-)
49. rhaj0 ( 04/11/2015 20:06)
Na dia miavonavona azany ry mpahay azy isany, na ireo "tena izy" aminy, dia tsy quoi fa rahefa mi-google koa dia mahita eee... Inty indray ny an'i John

John:
Jaona 11:7 ... dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
25 Hoy Jesosy (..) izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.

Hafatra "tamin’ ny mpianatra"... " izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray"

Jaona 3:17 Fa Andriamanitra (..) hamonjeny izao tontolo izao.
18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo

Io izany fa @ "izao tontolo izao", dia "Izay mino Azy dia tsy helohina"...

Matthew:
Matio 19:2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy...
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

Ho an'ireo "vahoaka betsaka nanaraka Azy", dia "tandremo ny didy"

Mark:
Marka 10:1 (..) ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy;
29 Hoy Jesosy: (..) Tsy misy olona efa nahafoy .. na ray, na zanaka (...)
30 ka tsy handray (..) fiainana mandrakizay.

Ho an'ireo "vahoaka betsaka niangona teo aminy", dia "nahafoy ... na ray, na zanaka..."



Ka iza @ ireo no (tiatianao) "inoanao" kokoa? ny an'i John sa ny an'i Matthew sa ny an'i Mark??
50. endriny ( 05/11/2015 05:48)
Dia aiza ilay hoe ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra aloha e?

Kintan'ny Ranomasina a... Masina Maria Reninay... Mba henoy e...

Misy Kintana ihany koa any anaty ranomasina, ka mety any ny lanitra ho an'ny mpino kristianina a
51. Strong3 ( 05/11/2015 07:01)
i endriny moa izany dia migourisagourisa tsy hay hoe makaiza izany... :-)
52. rhaj0 ( 05/11/2015 13:44)
rhaj0:
Nahare t@ radio aho vao teo... Ny niresaka dia mpandalina telo : moslimo sy jiosy ary kristiana. Dia ny resaka dia ilay "fiainana mandrakizay"...

Dia niaiky teo zareo telo mianadahy mianaka fa dia "contradictoire", ary tonga h@ hoe, "ridicule" mihintsiny azany, ireo fitantarana ny "misy" rahefa maty, ao @ torah/baiboly/quran ao... hoe, izany paradisa toa barbe-a-papa izany, na koa izany virijiny 12 sa 72 izany...

Ka dia izao ilay spin giladiny be...

... "etat d'esprit" hono no tiaNY ampitaina @ ilay mpitantara/mpanoratra ilay torah/baiboly/quran tao, fa kosa, ilay mpitantara/mpanoratra no nanisy saosy araka ny takatrany tao (araka ny fahalalany sy kolotorany tao)

Ka ohatra hoe..

- amina "etat d'esprit" tena feno henatra (honte) ianao rahefa ilay "tsy avotra" iny.. ary dia hotry ny hoe tourmenté... fa i Jean sy Matio moa dangidangitra tao dia nanampy saosy sakay sy menaka mangotraka...

- Na hoe, amina "etat d'esprit" salanitra ianao, ary voahodidina olona salanitra, rahefa ilay "avotra" iny... fa i Mohamed moa dangidangitra tao dia hoe viavy virijny hono...

Ary rahefa "maty" izany hono, dia ao @ io "etat d'esprit" ao @ izay hono ianao, ary izany dia perpétuellement... fa ny resaka sisa izany dia folklore fotsiny eee.


Dia nihomehy izy telo mianaka mianadahy, fa ny an'ny grika hono, dia ny azy rahefa maty, dia tena neutre tsisy emotion menatra sy/na salanitra izany, fa tena plate eee....
RBNIR:
Dia mba tena sahy mampianatra zavatra diso koa anie izany....

Ny inona @ ireo noresahiny ireo no "diso" ry RBNIR ?? Mba raiso tsi11 dia lazao inona no maha-diso azy, f'aza mba manipy resaka tsy @ antony tsisy fanazavana toa izao moa eee.. tsy mpanao (toa ana(re)o) minou fotsy anie ny olona rehetra eto eee...


Izaho kosa k'lou dia mahita fa mitombona tanteraka ny nolazainy, ary samy nanao toa an'i Mohamed sy ny virijininy daholo ireo mpanoratra ny Baiboly, fa ny an'i Mohamed fotsiny no tena toa ny ohatra fara-tampony :

"amina "etat d'esprit" salanitra ianao, ary voahodidina olona salanitra, rahefa ilay "avotra" iny... fa i Mohamed moa dangidangitra tao, dia hoe viavy virijny hono..."

53. Radavison ( 06/11/2015 08:59)
rhaj0:

... aiza ilay hoe rahefa Kristiana na hoe mino an'i Kristy fotsiny dia OK.. Io moa hevitrareo sy inoanareo Strong3 sy Radavison, ka dia avoahy eto azany iaraha-mahita.


ALEO HAZAVA TSARA ALOHA NY RESAKA :

famonjena:

Rehefa mino ianao fa ny ràn'i Jeso kristy no fanamarinana sy famonjena, ka raisinao izany ary tananao (izay ilay hoe mino an'i Jeso Kristy) dia izay ianao no teraka ao anatin'ny tontolo ara-panahin'ny Fanjakan'Andriamanitra = efa tafiditra.
Ampy tanteraka ho famonjena ny sorona nataon'i Kristy, ka tsy mila ampiana n'inona n'inona, eny na dia izay vavaka ataonao/hataonao aza...


fa maninona no hoe teraka?:

Satria tontolo hafa, tsy mitovy lojika, tsy mitovy priorité, tsy mitovy gouvernance, tsy mitovy système de valeur, tsy mitovy facteurs de croissance, condition d'avancement, sns...amin'izao tontolo izao, ao no idirana anombohana fiainana vaovao


fitomboana:

Izay fahaizana, fahalalana, fahamasinana, finoana, fanantenana, sns... araka ny fahamarinan'Andriamanitra
na ao amin'ny Testamenta taloha na ny Testamenta vaovao
dia ambony ampangany (=suppléments) hitomboana ao anatin'io tontolo vaovao io mba hijoro tsara tsy ho mora lavo, sy mba hamokatra ihany koa. Fa tsy ireo akory no antoky ny famonjena.
Raha tsy tafiditra (aloha) sy mitombo ato ianao tsy misy zavatra hazava aminao, fa tsy hahita afa-tsy HORERA raha izay fahalalana ara-tsiansa sy ara-tsain'olom-belona no ho entinao itarafana ny fiainana ato


Izay ihany koa no famintinana ny Baiboly, manomboka amin'ny Genes. ka hatramin'ny Apok.
Fa misankodikodina lava ao anatin'io fitomboana io ny resaka
ka mahatonga ity hoe tsindrotsindrohina é, tsipontsimponina é, fahamarinana ara-stiantifika é, porofo é, amidio ny fananana é, avoahy i Paoly é, avoahy i Marka é, sns... sahala amin'ny hoe io/ao no tena ivony maha-kristiana...

54. RBNIR ( 06/11/2015 10:10)
rhaj0:

Ny inona @ ireo noresahiny ireo no "diso" ry RBNIR ?? Mba raiso tsi11 dia lazao inona no maha-diso azy, f'aza mba manipy resaka tsy @ antony tsisy fanazavana toa izao moa eee.. tsy mpanao (toa ana(re)o) minou fotsy anie ny olona rehetra eto eee...

Faly misera namana,
Ilay milaza ny tenany ho kristianina no resahiko namana,
1 Tokony nanamafy izy fa tena misy ny paradisa ary any amin'izany lanitra fahatelo izany no misy azy...
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Kor.12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

Ny zavatra misy any kosa raha araka ny baiboly dia tsy misy mahalala satria hoy ny teny hoe :
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

Izay tonga any dia tokony tsy mitantara na inona na inona (mahagaga ihany ireo marobe nilaza fa tany ary dia mitantara ery anie izany e)

2- Araka izany dia tena misy ara-bakiteny ny helo sy ny paradisa fa tsy hoe etat d'esprit araka ny nambarany fotsiny ihany, tena misy ny toerana fampifaliana, ary tena misy ny toerana fampijaliana (tokony ho tsindrina tsara izay mba hampifoha ny matory rehetra)...
« Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. » (Lio.16:25)

Farany raha miresaka paradisa dia tokony hampahafantarina ny olona fa "ny fanahin'ny maty ao amin'ny Tompo " ihany no manana zo mankany...
Ireny olona ireny dia mbola hatsangana indray ka dia hiaraka hitsena an'i Jesosy Kristy miaraka amin'ireo olona tratra velona amin'ny fotoana fahatongavan'i Kristy...
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:16)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tesaloniana 4:17)


IZAY NO MARINA fa tsy araka ireo voalazany ireo Mety ho ridicule, na absurde araka ny filazan-drizareo nefa dia izay no marina...
Ary tsarovy fa « Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13). » (1 Kor.3:19)
55. Radavison ( 06/11/2015 11:15)
Ho fanampiny fotsiny :


Inona no tena manakana ny finoanana ny sorona nataon'i Kristy ?
Orgueil : rediredy izany elo sy paradisa izany... fa na dia hoe misy aza izany, f'izaho angaha very ka mila an'izany? Satria ireo milaza ny tenany ho kristiana aza "pires" noho izaho (eo no mahatonga an'izao tsikera sy soketa isan-karazany izao), koa raha voavonjy ireny dia izaho koa voavonjy (kileman'ny hafa no atao fanamarinan-tena)...
Ao koa ireo religiosités isankarazany tsy tambo hisaina izay miray faka amin'io voalohany io ihany daholo...

Ny paradisa
Ny voalaza ao amin'ny Baiboly momba ny Paradisa dia toerana lafatra indrindra (vatosoa, volamena, feno hazavana, tsy misy intsony ny tomany, sns...), fa raha tsy ao i Jeso Kristy misy/hisy dikany inona izany rehetra izany ?
Ny tena tiako ambara dia izao : ny tena fiainam-paradisa avy amin'ny famonjena dia ny fiombonam-piainana amin'i Jeso Kristy, azo atomboka dieny ety ka hitohy rahatrizay...

Tsy misy resaka saosy izany na bizina na fitadiavana kill
(raha tsy izany dia ho namboamboarina ny resaka mba handambolambo...),
fa fizarana ny fahamarinana, eny na dia mety hanindrotsindrona kely ihany aza ...


56. rhaj0 ( 06/11/2015 11:43)
Raha ny fazahoako azy izany, dia @ i Radavison, dia ny zava-dehibe,
1- dia ilay "famintinana ny Baiboly, manomboka amin'ny Genes. ka hatramin'ny Apok.",
2- izay raha fehezina dia, "Rehefa mino ianao(..) Ampy tanteraka ho famonjena ny sorona nataon'i Kristy, ka tsy mila ampiana n'inona n'inona"
3- izany hoe,izay resaka " tsindrotsindrohina é, tsipontsimponina é, fahamarinana ara-stiantifika é, porofo é"... dia TSY zava-dehibe: raha ny fazahoako an-dRadavison, dia tsy ilaina resahina akoriny ireo rahefa "mino ianao"

Raha ny fahitako an'izany dia, @ ilay arak'i John ny revin'i Radavison io
John:
Jaona 11:7 ... dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra...
25 Hoy Jesosy (..) izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Io izany ilay caricaturiser-ko @ ilay hoe "minou fotsy"

Dia antitranteriko kely izany, fa dia revin'i Radavison (sy ny mitovy aminy) irery ao io, raha ny fahitako azy, fa ny an'ny Kristiana sasany, dia hafa dia hafa koa ny reviny.

Ohatra, ny fazahoako ny an'i Strong3, araka ny resakany tatsy, dia hoe: "tafalatsaka tamin'ny lalana 613 sy ny didy 10", izay mifandraika @ Matthew sy Mark
Matthew:
Matio 19:2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy...
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.
Mark:
Marka 10:1 (..) ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy;
29 Hoy Jesosy: (..) Tsy misy olona efa nahafoy .. na ray, na zanaka (...)
30 ka tsy handray (..) fiainana mandrakizay.

57. rhaj0 ( 06/11/2015 11:52)
RBNIR:
1 Tokony nanamafy izy fa tena misy ny paradisa..
2- Araka izany dia tena misy ara-bakiteny ny helo sy ny paradisa..

Ka io no TSY itovizanareo eee... Fa ny an'i RBNIR moa, rahefa TSY mitovy @ ny an'azy, na ny fampianarana inoany, dia DISO. Ilay olona mpandalina naresaka t@ radio reko anie ka tena "mino" dia "mino" tokoany.. Mety sahala @ Radavison na Bor2lais angamba ny finoany fa tsy mitovy ny aminao izany ry RBNIR aaa...

Ny fahitako an'io izao, dia i RBNIR dia tena ilay "mandray ara-baki-teny" h@ teboka amam-paingo mihintsiny... Ka dia mila mifanazava (mifampianatra) kely izany ianareo eee...
Radavison ... sy ... RBNIR
58. RBNIR ( 06/11/2015 12:18)
rhaj0:

Ka io no TSY itovizanareo eee... Fa ny an'i RBNIR moa, rahefa TSY mitovy @ ny an'azy, na ny fampianarana inoany, dia DISO. Ilay olona mpandalina naresaka t@ radio reko anie ka tena "mino" dia "mino" tokoany.. Mety sahala @ Radavison na Bor2lais angamba ny finoany fa tsy mitovy ny aminao izany ry RBNIR aaa...

Ny fahitako an'io izao, dia i RBNIR dia tena ilay "mandray ara-baki-teny" h@ teboka amam-paingo mihintsiny... Ka dia mila mifanazava (mifampianatra) kely izany ianareo eee...
Radavison ... sy ... RBNIR

Satria aho nampianariny an'ity ry namana,
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apok.22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apok.22:19)
Ka io dia anjaran'ny tsi11 e, averiko foana fa ny teny dia tsy antsika fa Azy, ary tsy azon-tsika atao amin'izay tiantsika hanaovana azy mihitsy satria sitrapony fa tsy sitrapontsika...
59. Strong3 ( 06/11/2015 12:18)

rhaj0:


... "etat d'esprit" hono no tiaNY ampitaina @ ilay mpitantara/mpanoratra ilay torah/baiboly/quran tao, fa kosa, ilay mpitantara/mpanoratra no nanisy saosy araka ny takatrany tao (araka ny fahalalany sy kolotorany tao)

Ka ohatra hoe..

- amina "etat d'esprit" tena feno henatra (honte) ianao rahefa ilay "tsy avotra" iny.. ary dia hotry ny hoe tourmenté... fa i Jean sy Matio moa dangidangitra tao dia nanampy saosy sakay sy menaka mangotraka...

- Na hoe, amina "etat d'esprit" salanitra ianao, ary voahodidina olona salanitra, rahefa ilay "avotra" iny... fa i Mohamed moa dangidangitra tao dia hoe viavy virijny hono...

Ary rahefa "maty" izany hono, dia ao @ io "etat d'esprit" ao @ izay hono ianao, ary izany dia perpétuellement... fa ny resaka sisa izany dia folklore fotsiny eee.



:-) dia miahakahaka hoa ny tsy mino mandinika ny finoan'ny kristiana !
ny finoana kristiana izay faratampony amin'ny finoana erantany...

tsy misy mahazo io resaka finoana io , ka dia mihaohao hatrany hoe inona ary no mahaotonga ireto kristiana ireto mifofotra ao

... Ny 1 Kor 15 no fototr'io finoana io rhaj0 ka dia mahereza mitsongolongoloka ny finoana

:-) :-) :-)
60. RBNIR ( 06/11/2015 12:30)
Mila miverina toy ny zazakely rhajo a, rehefa omena ny teny dia AMEN:

« Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Mat.18:4)

Andramo fa ho hitanao ny hanandratany anao dia ho gaga ianao hoe izay izaho izao v dia.....

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

Vakio tsara fa hoy ny teny hoe "hankaty aminareo Aho" sy hoe "ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy"

ANDRIAMANITRA VELONA NO TOMPOIKO RY NAMANA A!!! ISIKA TSY MIAINGA AMIN'NY HONO HONO NA ANGANONGANO FA MIAINA AMIN'NY TENA IZY...........

P.S: fa mila manaiky miverina zazakely hoy aho......
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1575