Andriamanitra firy kay no hitanareo eto?

1. tealala ( 05/11/2015 16:26)
Ireto nisy vanim-potoana 3 :
1- Famoronana ka hatramin'i Jesosy Kristy : Andriamanitra (Ray) no niditra an-tsehatra mivantana, miseho sy mifidy izay olona tiany hitondra sy hitondra hafatra ho an'ny vahoakany,

2- Nahaterahan'i Jesosy ka hatramin'ny hazo fijaliana: Jesosy (Zanaka) indray no nanohy ny asa ary tsy nandrava ilay teo aloha fa kosa nilaza fa hanantanteraka izany...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

3- Hajo fijaliana no mankaty : ny Fanahy Masina indray no miasa ary tsy asa afa fa fanantanterahana ilay lalàna tany aloha iny ihany....

« [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe.3:2)

Ity no porofo fa ny Fanahy Masina koa dia tsy hanova fa ilay lalàna sy ilay fitsipika taloha ihany no hitondrany ny olona...
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
novalian'i tealala ny 18/11/2015 14:20
2. RBNIR ( 06/11/2015 05:59)
Salama namana
Andriamanitra 3 izay 1 = Trinité
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe.3:2)
===> Jehovah (Ray) = ilay Fanahy Masina voalaza fa hirotsaka aty aoriana ihany

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)
===> Jesosy (Zanaka) = Jehovah (Ray) ihany

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)
===> Ilay Fanahy Masina = Tompo (Jesosy ihany)

===> Jehovah (Ray) = Jesosy (Zanaka) = Fanahy Masina,

Raha mahita ny Iray amin'ireo ianao dia toy ny mahita ny hafa ihany :

« Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jao.14:8)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao.14:9)

Moa tealala v eto tsy = filipo ???
3. Strong3 ( 06/11/2015 09:05)
« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. » (Lioka 18:22)

mbola tsy nandika lalana izany ianareo ?
androany ohatra ,tena azonareo antoka fa tsy tafalatsaka tamin'ny lalana 613 sy ny didy 10 izany ianareo ?

dia inona no ataonareo raha tafalatsaka ianareo?
4. rhaj0 ( 06/11/2015 13:04)
Raha izaho no anontanianao, dia Andriamanitra SAMY HAFA ireo tsipihinao ireo..

1- Famoronana ka hatramin'i Jesosy Kristy: io dia vokatry ny imagination-n'ny olona t@ 3000 taona lasa tany, ary io dia Andrmntry ny olona tao Canaan.. Raha mamaky (Baiboly) tsara ianao, dia Andrmntra miahy ireo olona tao Canaan no notantarain'ilay nanoratra ny Baiboly (TT).

2- Nahaterahan'i Jesosy ka hatramin'ny hazo fijaliana: io dia araka ny imagination-n'i Jesosy, nampinoany ny olona tao Jodia sns tao, ary notanterin'ny evanjily.. Raha mamaky (Baiboly) tsara ianao, dia ahita fa misimisy ihany ny notion na concept en contradiction, na aleo atao hoe "nohavaozina", raha miolotra @ io #1 io ambony io.

3- Hazo fijaliana no mankaty: io dia ... Tsy hay intsony ny ampinoana ny olona hoe "misy ny Andrmntra... izay mi-intervenir direct", na "miresaka direct".. Ny mpitarika sekta sy ny mpampandry adrisa no milaza-tena fa mahazo "intervention directe" na "resaka direct". Ka dia ilay Andrmntra #1 sy #2 no avadibadika ao, araka izay mampetimety ny baolina.
5. bor2lais ( 06/11/2015 13:24)
ramose:

Raha mamaky (Baiboly) tsara ianao

:-)
[size=8]Ramose izany isan'ireo "mamaky (Baiboly) tsara" a ![/size]
:-)
6. rhaj0 ( 06/11/2015 13:30)
[size=8]mamaky google aho kah.. io no mitarika any @ ireo "mamaky (Baiboly) tsara"...
Dia tsoriko fa izaho k'lou tsy mihevoka ao anaty Baiboly eee... asa ianao radoko...[/size]
7. tealala ( 06/11/2015 14:11)

RBNIR:

Salama namana
Andriamanitra 3 izay 1 = Trinité
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe.3:2)
===> Jehovah (Ray) = ilay Fanahy Masina voalaza fa hirotsaka aty aoriana ihany

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)
===> Jesosy (Zanaka) = Jehovah (Ray) ihany

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)
===> Ilay Fanahy Masina = Tompo (Jesosy ihany)

===> Jehovah (Ray) = Jesosy (Zanaka) = Fanahy Masina,

Raha mahita ny Iray amin'ireo ianao dia toy ny mahita ny hafa ihany :

« Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jao.14:8)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao.14:9)

Moa tealala v eto tsy = filipo ???

Salama e, tsy i filipo aho ka
Dia amin'ny fitsarana farany izany ianareo dia firy no Andriamanitra hitanareo amin izany?
8. tealala ( 06/11/2015 14:14)

Strong3:

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. » (Lioka 18:22)

mbola tsy nandika lalana izany ianareo ?
androany ohatra ,tena azonareo antoka fa tsy tafalatsaka tamin'ny lalana 613 sy ny didy 10 izany ianareo ?

dia inona no ataonareo raha tafalatsaka ianareo?

Ny lalàna voalohany anie dia efa nodikaina efa 2000 taona izay.
9. tealala ( 06/11/2015 14:15)

rhaj0:

Raha izaho no anontanianao, dia Andriamanitra SAMY HAFA ireo tsipihinao ireo..

1- Famoronana ka hatramin'i Jesosy Kristy: io dia vokatry ny imagination-n'ny olona t@ 3000 taona lasa tany, ary io dia Andrmntry ny olona tao Canaan.. Raha mamaky (Baiboly) tsara ianao, dia Andrmntra miahy ireo olona tao Canaan no notantarain'ilay nanoratra ny Baiboly (TT).

2- Nahaterahan'i Jesosy ka hatramin'ny hazo fijaliana: io dia araka ny imagination-n'i Jesosy, nampinoany ny olona tao Jodia sns tao, ary notanterin'ny evanjily.. Raha mamaky (Baiboly) tsara ianao, dia ahita fa misimisy ihany ny notion na concept en contradiction, na aleo atao hoe "nohavaozina", raha miolotra @ io #1 io ambony io.

3- Hazo fijaliana no mankaty: io dia ... Tsy hay intsony ny ampinoana ny olona hoe "misy ny Andrmntra... izay mi-intervenir direct", na "miresaka direct".. Ny mpitarika sekta sy ny mpampandry adrisa no milaza-tena fa mahazo "intervention directe" na "resaka direct". Ka dia ilay Andrmntra #1 sy #2 no avadibadika ao, araka izay mampetimety ny baolina.

Manana endrika ankohonana ireo.
10. bor2lais ( 06/11/2015 15:04)
tealala:

Ireto nisy vanim-potoana 3 :
1- Famoronana ka hatramin'i Jesosy Kristy : Andriamanitra (Ray) no niditra an-tsehatra mivantana, miseho sy mifidy izay olona tiany hitondra sy hitondra hafatra ho an'ny vahoakany,

2- Nahaterahan'i Jesosy ka hatramin'ny hazo fijaliana: Jesosy (Zanaka) indray no nanohy ny asa ary tsy nandrava ilay teo aloha fa kosa nilaza fa hanantanteraka izany...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

3- Hajo fijaliana no mankaty : ny Fanahy Masina indray no miasa ary tsy asa afa fa fanantanterahana ilay lalàna tany aloha iny ihany....

Ny Baiboly dia manambara ny asan'Andriamanitra :
1. Testamenta Taloha : asan'ny Ray
2. Filazantsara : asan'ny Zanaka
3. Epistily : asan'ny Fanahy Masina
Fehiny : ny Baiboly dia "Trinitaire" !
Ny hoe Trinité dia Communion (Fiombonana) fa tsy Fusion : fiombonana ao amin'ny fahasamihafana hoy ny fitenenana.
Ny Zanaka no nomboana tamin'ny hazo fijaliana fa tsy ny Fanahy Masina na ny Ray ohatra
Tsy ny Ray na ny Zanaka no nilatsaka tamin'ny andro pentekosta fa ny Fanahy Masina !
Mifaniraka ihany koa Izy ireo !
:-)
11. rhaj0 ( 06/11/2015 15:28)
bor2lais:
1. Testamenta Taloha : asan'ny Ray
2. Filazantsara : asan'ny Zanaka
3. Epistily : asan'ny Fanahy Masina

T@ #1. izany, dia mbola tsy elaboré ny imagination-dRakrisy, ary dia tena "direct" na ilay "feo mafy" io, na ireo "intervention directe" rehetra toa ny fandripahana ny ejipsiana ohatra

Dia t@ #2. izany, dia crane-be kosany i Jesosy, ary dia tena nivoatra betsaka ilay concept ary tena peaceful tsara kosany, fa mbola eo ihany ilay "intervention sy resaka direct", fa fotsiny, i Jesosy ihany sisa no mandre.

Dia ny #3. moa ho'a, efa miha-fetsy hatrany ilay sain-dRakrisy, ka efa tsy mety, tsy eken'ilay saina mba misaina intsony ny "direct", ka dia ... io manjavozavo io, toa kapain-tsy hita fery io : Fanahy Masina hono. Dia eo ilay hoe, raha mety ny baolina, dia FM no resaka, raha tsy mety, dia fOsika hono eee...


Fa ny manitika kely ahy, ary tsy mety azoko, dia maninona azany no mbola fikirina ilay #1 eee.. Efa fantatra ny "ratsy" vitan'i #1, ary efa ekeny fa "ratsy", ohatra ireo "fandripahana" olona, fa dia giravy ilay spin, sy ilay tapi-maso, ary ilay saina miangatra eee... dia mbola fikirina ao ihany ilay #1...

12. tealala ( 09/11/2015 07:20)
Raha amaky an io izao dia 3 be izao io.
13. bor2lais ( 09/11/2015 08:17)

tealala:

Raha amaky an io izao dia 3 be izao io.

Izay ilay hoe 3 nefa 1 ! :-)
Baiboly tokana nefa ahitana fizarana 3 (tsy mifanipaka fa mifameno) !
Samy Andriamanitra na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina !
:-)
14. rhaj0 ( 09/11/2015 11:36)
bor2lais:
Baiboly tokana nefa ahitana fizarana 3 (tsy mifanipaka fa mifameno) !

Io indray k'lou dia tena affirmation gratuite-ndRa-Bor2lais (toa ny mahazatra), ary dia anao Bor2lais ao irery ny "mino" an'izany hoe "tsy mifanipaka fa mifameno" izany

Googler-o kely fotsiny fa dia ahita ianao fa feno ny fandalinana ny @ io..
http://lmgtfy.com/?q=contradiction+between+old+and+new+testament
62 Contradictions Old & New Testaments ohatra fotsiny...

i Wikipedia dia resaka tena lavabe, izay azo atao these-na mpianatra mopera am-10 mihintsy
https://en.wikipedia.org/wiki/Internal_consistency_of_the_Bible
The question of inconsistency covers not only the text but even the composition of scripture...


Ary na ny samy TT azany dia mifanipaka an-karona
http://infidels.org/library/modern/paul_carlson/nt_contradictions.html
Matthew and Luke disagree...


Fa io moa... "minou fotsy", hozy foana rizareo mpanandra-tena fa "tena mahay" ary "tena izy" @ izy io, ary dia hilaza indray izy hoe, tsisy dikany daholo izany eee... rahefa "minou fotsy" ianao dia "avotra".
15. Strong3 ( 09/11/2015 12:20)

tealala:


Strong3:

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. » (Lioka 18:22)

mbola tsy nandika lalana izany ianareo ?
androany ohatra ,tena azonareo antoka fa tsy tafalatsaka tamin'ny lalana 613 sy ny didy 10 izany ianareo ?

dia inona no ataonareo raha tafalatsaka ianareo?

Ny lalàna voalohany anie dia efa nodikaina efa 2000 taona izay.


iza no nandika azy???
16. bor2lais ( 09/11/2015 12:40)
ramose_google:

Io indray k'lou dia tena affirmation gratuite-ndRa-Bor2lais (toa ny mahazatra), ary dia anao Bor2lais ao irery ny "mino" an'izany hoe "tsy mifanipaka fa mifameno" izany

:-)
Izay ilay lazaiko hoe rehefa tsy ao @ google dia mivaralila ny programan'ilay robot e !
:-)
17. rhaj0 ( 09/11/2015 13:18)
Eny ho'a eee... Tokana i Andrmntra [size=8](fa 3)[/size], ary IZY tokana io, dia:... "IZY [size=8](Zanaka)[/size] no nomboana tamin'ny hazo fijaliana fa tsy IZY [size=8](ny Fanahy Masina na ny Ray)[/size] ohatra"

izany no tena rezonema avo lenta..

hi hi hi.. tena mila mahazoazo sahala @ Noah (fa tsy manary lamba) na i Lota (fa tsy mandry amin-janany) aho ho'a vao ho kOpy re Radoko aaaa....
18. tealala ( 09/11/2015 14:35)

Strong3:


tealala:


Strong3:

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy. » (Lioka 18:22)

mbola tsy nandika lalana izany ianareo ?
androany ohatra ,tena azonareo antoka fa tsy tafalatsaka tamin'ny lalana 613 sy ny didy 10 izany ianareo ?

dia inona no ataonareo raha tafalatsaka ianareo?

Ny lalàna voalohany anie dia efa nodikaina efa 2000 taona izay.


iza no nandika azy???

Ireo kristianina ka.
19. tealala ( 09/11/2015 14:45)

bor2lais:


tealala:

Raha amaky an io izao dia 3 be izao io.

Izay ilay hoe 3 nefa 1 ! :-)
Baiboly tokana nefa ahitana fizarana 3 (tsy mifanipaka fa mifameno) !
Samy Andriamanitra na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina !
:-)

Vakio ary ity dia valio aho hoe firy no ho itanaraoe aminn io andro io Daniely 7 : 9, 13 : " 9Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon'ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany; 10ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. 11Nijery aho tamin'izay noho ny fireondreon'ny teny mihoa-pampana nolazain'ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin'ny lelafo. 12Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan'ny andro iainany, mandra-pihavin'ny andro amam-potoana.
13Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany; 14dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany. "
20. RBNIR ( 09/11/2015 16:38)
Efa nozaraina teto namana tealala fa misy hierarchie eo amin'Andriamanitra...
« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

Izany anefa tsy mahafoana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.358