Andriamanitra firy kay no hitanareo eto?

21. rhaj0 ( 09/11/2015 17:08)
bor2lais:
Ny Zanaka no nomboana tamin'ny hazo fijaliana fa tsy ny Fanahy Masina na ny Ray ohatra
RBNIR:
fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

Dia io koa izany, fa "IZY[size=4] (zanaka)[/size] dia lehibe noho IZY[size=4] (ray)[/size] eee...

izao angamba no lazain'olo fa matsirobasio intelekitoaly ...
[size=8]hita fa dangidangitra (excité) tahak'n'inona mihintsy ry Bor2lais rahefa mitana io rezonema matsirobasio intelektoaliny io....[/size]
22. tealala ( 09/11/2015 18:10)

RBNIR:

Efa nozaraina teto namana tealala fa misy hierarchie eo amin'Andriamanitra...
« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

Izany anefa tsy mahafoana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)

Dia firy ary izany hoy aho no ho hita amin'ny fitsarana farany?
23. tealala ( 09/11/2015 18:14)

rhaj0:

bor2lais:
Baiboly tokana nefa ahitana fizarana 3 (tsy mifanipaka fa mifameno) !

Io indray k'lou dia tena affirmation gratuite-ndRa-Bor2lais (toa ny mahazatra), ary dia anao Bor2lais ao irery ny "mino" an'izany hoe "tsy mifanipaka fa mifameno" izany

Googler-o kely fotsiny fa dia ahita ianao fa feno ny fandalinana ny @ io..
http://lmgtfy.com/?q=contradiction+between+old+and+new+testament
62 Contradictions Old & New Testaments ohatra fotsiny...

i Wikipedia dia resaka tena lavabe, izay azo atao these-na mpianatra mopera am-10 mihintsy
https://en.wikipedia.org/wiki/Internal_consistency_of_the_Bible
The question of inconsistency covers not only the text but even the composition of scripture...

Ary na ny samy TT azany dia mifanipaka an-karona
http://infidels.org/library/modern/paul_carlson/nt_contradictions.html
Matthew and Luke disagree...

Fa io moa... "minou fotsy", hozy foana rizareo mpanandra-tena fa "tena mahay" ary "tena izy" @ izy io, ary dia hilaza indray izy hoe, tsisy dikany daholo izany eee... rahefa "minou fotsy" ianao dia "avotra".

Tena mifanipaka tokoa samy manana ny lalàny.
24. rhaj0 ( 09/11/2015 18:26)
Ianao koa ry Tealala no be fanontaniana dia mitady mafy kaonty marina ao... Ny an-dry ilerony angaha tsy dia efa hoe, na firy io na firy, efa hoe "telo no iray"... Izany hoe na misy 5 azany no hitanao ao, dia ny telo voalohany efa iray, dia miaraka @ roa ambiny, dia mbola telo lasa iray foana eee...

Fa tsy takatrao hono io "telo no iray" raha tsy any @ 3eme etage ianao eee... hanontanio i Bor2lais..

Ny ahy izao ny fahatakarako ilay "telo no iray", dia toa ny hoe...

1- ny fanondroko no misikotra orona
2- ny ankihikely no misikotra sofina
3- ny fanondro adala misikotra vava

Dia raha hoz'ianao hoe, "misy firy" ny ratsan-tananao, dia hoy aho hoe...
25. tealala ( 09/11/2015 18:48)

Tsotra be anie ny ahy e, ny ahy tokany tsy mizara, fa ny tsy "takatro" angamba dia izay voalaza ao amin'ny "testamenta vaovao" izay manohitra ilay teo aloha. ilay teny hoe testamenta ko tsy dia fapiasako ko fa amiko ny mety maty no manao ireny, ny ahy ny Andriamanitra tsy mety maty :).
26. RBNIR ( 10/11/2015 04:44)
tealala:

RBNIR:

Efa nozaraina teto namana tealala fa misy hierarchie eo amin'Andriamanitra...
« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

Izany anefa tsy mahafoana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)

Dia firy ary izany hoy aho no ho hita amin'ny fitsarana farany?

Andriamanitra Ray miarka amin'i Jesosy ary olona marobe voafidy hiaraka hitsara Aminy...
« Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: » (2 Tim.4:1)

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apok.20:4)

« Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. » (1 Kor.6:3)
27. RBNIR ( 10/11/2015 04:51)
tealala:

..."testamenta vaovao" izay manohitra ilay teo aloha.....

Tsy manohitra fa hanantanteraka!!!
Louis Segond Bible
Ne croyez pas que je sois venu pour abolir la loi ou les prophètes; je suis venu non pour abolir, mais pour accomplir.

Martin Bible
Ne croyez pas que je sois venu anéantir la Loi, ou les Prophètes; je ne suis pas venu les anéantir, mais les accomplir.

Darby Bible
Ne pensez pas que je sois venu pour abolir la loi ou les prophetes: je ne suis pas venu pour abolir, mais pour accomplir;

King James Bible
Think not that I am come to destroy the law, or the prophets: I am not come to destroy, but to fulfil.

English Revised Version
Think not that I came to destroy the law or the prophets: I came not to destroy, but to fulfill.

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
28. tealala ( 10/11/2015 05:44)

RBNIR:

tealala:

RBNIR:

Efa nozaraina teto namana tealala fa misy hierarchie eo amin'Andriamanitra...
« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jao.14:28)

Izany anefa tsy mahafoana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)

Dia firy ary izany hoy aho no ho hita amin'ny fitsarana farany?

Andriamanitra Ray miarka amin'i Jesosy ary olona marobe voafidy hiaraka hitsara Aminy...
« Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: » (2 Tim.4:1)

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apok.20:4)

« Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. » (1 Kor.6:3)

Izany hoe tsy ampy anareo izany ilay boky teo aloha dia tsy maintsy napina an le atao hoe testamenta vaovao?
29. tealala ( 10/11/2015 05:47)

Dia iza ihany izany no tena harahinareo amin'ireo boky ireo e? Ny faminanin i Daniely sa ny ny apokalipsy?
30. RBNIR ( 10/11/2015 05:57)
« Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Hebr.8:7)

Nanao fanekena vaovao Andriamanitra satria nisy tsiny ilay fanekena taloha.....

Tsiny : « Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Heb.10:4) tsy mahaisotra ny ota ireo ram-biby ...
Vokany mbola andevozin'ny ota foana ireo olona miaina ao amin'ny fanekena taloha,

Vahaolana nomen'Andriamanitra (i JEsosy kritsy) : ny ran'i Jesosy izay mahaisotra ny ota ka mamonjy ireo olona ho afaka amin'ny fanandevozan'ny ota « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. » (1 Jao.3:5)

VAKIO ATO NY ANTSIPIRIHINY AMIN'NY FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO
31. tealala ( 10/11/2015 06:05)

Dia iza no nanao ilay fanekena voalohany?
32. RBNIR ( 10/11/2015 06:20)
IZY ihany no nanao ilay fanekena voalohany fa saingy tato no nilazany fa hanao fanekena vaovao IZY,
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jeremia 31:31)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony] » (Jeremia 31:32)
« Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jeremia 31:33)
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. » (Jeremia 31:34)

Dia tanteraka io tato....
« Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: » (Hebreo 10:15)
« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Hebreo 10:16)
« dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). » (Hebreo 10:17)
« Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. » (Hebreo 10:18)
33. RBNIR ( 10/11/2015 12:27)
Tealala, misy itovizany ny zavatra voalaza ao amin'ny faminanian'i Daniel, sy ny bokin'ny apokalipsy, Jereo ato ohatra ny momba ilay bibidia izay ho avy
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
34. bor2lais ( 11/11/2015 10:14)
tealala:

Andriamanitra firy kay no hitanareo eto?

tealala:

Ny lalàna voalohany anie dia efa nodikaina efa 2000 taona izay.

strong3:

iza no nandika azy???

tealala:

Ireo kristianina ka.

Dia mba zarao aminay (Kristiana) aza ny tianao tenenina (efa masaka ao an-tsainao ao) sy ahatongavana @ ity lohateny ity e !

35. tealala ( 13/11/2015 04:57)

bor2lais:

tealala:

Andriamanitra firy kay no hitanareo eto?

tealala:

Ny lalàna voalohany anie dia efa nodikaina efa 2000 taona izay.

strong3:

iza no nandika azy???

tealala:

Ireo kristianina ka.

Dia mba zarao aminay (Kristiana) aza ny tianao tenenina (efa masaka ao an-tsainao ao) sy ahatongavana @ ity lohateny ity e !

Ny tribité anareo anie dia efa miendrika "polythéisme" e
36. bor2lais ( 13/11/2015 12:11)
tealala:

Ny tribité anareo anie dia efa miendrika "polythéisme" e

:-)
Zany a ! Ka ilay 3 no mibahana ao an-tsainao fa toa hodianao tsy hita ilay 1 koa.
Tokana ihany ange ny Baibolinay na dia misy fanekena taloha (tsy tianao moa ilay teny hoe testamenta !) sy filazantsara ary epistily aza ao anatiny e !
:-)
37. rhaj0 ( 13/11/2015 13:16)
hi hi hi... ka tsy mandro..roa anie izany ny mason-dry bor2lais @ io, fa mandro..telo eee...
Io misy bulle 3 io ohatra... bor2lais =
38. tealala ( 13/11/2015 15:50)

bor2lais:

tealala:

Ny tribité anareo anie dia efa miendrika "polythéisme" e

:-)
Zany a ! Ka ilay 3 no mibahana ao an-tsainao fa toa hodianao tsy hita ilay 1 koa.
Tokana ihany ange ny Baibolinay na dia misy fanekena taloha (tsy tianao moa ilay teny hoe testamenta !) sy filazantsara ary epistily aza ao anatiny e !
:-)

Ka telo ary ry zareo ko, tsy misy n'inona azoko atao amin izany anie e
39. bor2lais ( 13/11/2015 17:16)
:-)
Hay ve ! Raiso @ izay tianao ahazoana azy ao ary e !
:-)
40. RBNIR ( 14/11/2015 21:24)
Anarana iombonana (Andriamanitra, Anjely, Olona, Biby)

1- Andriamanitra (Ray - Zanaka - Fanahy Masina)

Ireo no tondroin'ilay hoe "isika" ato....« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Gen.1:26)

Ny Fanahin'ireo ihany koa no tao anatin'i Daniela na i Beltesazara...
« Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe: » (Dan.4:5)

2- Anjely : « Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho. » (Apok.22:9)

mpanompo otran'ny olona ihany tsy azo iankohofana...

3- Ny olona izay natao ambany kelin'ny anjely....« Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? » (Heb.2:6)
« Nataonao ambany kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety] » (Hebr.2:7)

4- Biby natao hanjakan'ny olona : « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Gen.1:26)

Fehiny: Biby natao hanompo olona, ny olona sy ny anjely natao hanompo Andriamanitra (Ray Zanaka ary Fanahy Masina).....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4679