Andriamanitra firy kay no hitanareo eto?

61. RBNIR ( 17/11/2015 12:24)
tealala:

jesosy anie tsy tompoiko e, ary tsy anompo azy mandrakizay raha izao ko inona mo no mampiomehy amin izany, tsy ianao ar ve no mpiomehy manaraka ny testamenta anakiroa :D

Safidy io ka anjaranao ihany na hanompo ianao na tsia, ny fampahafantarana no ataoko,
Ny testameta taloha sy ny testameta vaovao 1 ihany ireto no porofo:
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
Tsy noravana fa notanterahina ireo lalàna taloha ihany fa saingy izay manantanteraka araka ny fanekena taloha dia tsy mahatanteraka fa ireo mananantanteraka araka ny fanekena vaovao no mahatanteraka....

Tsy noravana ny didy Mat.5:17 fa ilay soratanana tety ivelany no novonoina satria iny no miapanga, (Kol.2:14) dia nolosoiny kosa soratra anatiny (fanekena vaovao) « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb. 8:10)
Ny votoatiny tsy miova ohatra tsy sitrak'Andriamanitra ny angalaran'ny olona iray fa saingy tsy natao soratra ivelany intsony fa natao soratra anaty.....

Ny olona nahazo maimaipoana io fanovana anaty io no atao hoe nandray fahasoavana ary tsy mila tenenina sy ampianarina intsony hoe Aza mangalatra intsony satria ilay olona (anatiny) mihitsy no efa tsy mpangalatra intsony)...
Fehiny: ilay lalàna teo aloha iny ihany fa saingy tsy soratanana ivelany intsony fa soratra anatiny....Fanampiny, nesorina ny ota (izay mpanandevo ka tsy nahafahan'ny olona nanantanteraka ilay tsara izay nambaran'ny lalàna (vakio Rom.7:14-21).

Fehiny ao amin'i Kristy dia tanterak'i ny olona ny zavatra takian'ny lalàna satria ilay olona mihitsy no novaina ho tahaka an'i Kristy Gal.2:20 lasa tsy mpangalatra intsony fa tsy hoe mihezaka ny tsy angalatra fa ny ao ampo te hangalatra ihany....

Dia otran'izany daholo, raha tianao Andriamanitra mandeha ho Azy ny fitandremana ny Sabatany fa tsy hoe terena akory ianao hitandrina ny sabatany fa ilay olona ao anatinao ao mihitsy ho efa mankamamy ny fitandremana ny Sabatany namana....

Izao no hafatra: ny fitandremana ny andro fahafito dia mitovy lanja amin'ny tsy fangalarana ihany Jak.2:10

Tsy misy mifanohita ao amin'Andriamnaitra, ny fampianaran'i paoly dia saro-patarina koa mila mitandrina sao dia ho tafalatsaka amin'ny fahadisoan-kevitra.....

Ny marina dia ity, ny asa natomboky ny Ray, no notanterahan'ny Zanaka ary ampahatsiahivin'ny Fanahy Masina ankehitriny....« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:26)

Koa dia aza gaga ianao raha toa ny hitanao ihany no averiko ampianarina eto saingy tsy amin'ilay fanekena taloha fa amin'ny fanekena vaovao kosa indray (ilay lalàna novakiana sy norenesina tety ivelany novonoina, ka natao soratra anatiny)
Ny olona tsy mihezaka ny hanao ny marina fa efa novaina ho olona marina hifanaraka amin'ilay lalàna ny ao anatiny.....

Izany rehetra izany dia vokatry ny finoana an'i Jesosy Kristy ary fanampiny dia nafahana tanteraka teo ambany ziogan'ny fanandevozan'ny ota satria ny ran'i Jesosy mahaisotra ny ota « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)
fa ny ram-biby tsy mahaisotra ny ota.....« Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Hebreo 10:4)

Fanontaniana kely fotsiny, ianao moa izany izao mbola manao fanatitra isan'andro noho ny ota ihany (matanjaka kosa ianareo raha mahavita an'izany an!)

Maninona ny mpananalana no novaina ho tokana ihany???? Mba mampangetaheta anao v izany sa????
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
62. tealala ( 17/11/2015 13:41)
Izany anareo izany no atao hoe fandraisana an tendrony, ianareo miheritreritra fa ho an ny olona rehetra ireo fanekena rehetra teo aloha? Tsy ho antsika ireo fa ho an ireo "Jiosy", raha anaraka ny sabata ianareo, tsy voataterakareo 100% io.Ny an'ny olombelona efa nomena didy hafa izy vitsy alavitra ny an'ireo jiosy. Ianareo mandeha rehefa asabotsy nohamaivaina ny anareo hoy ianareo nohamaivanin i jesosy..izany anie le atao hoe "mba manao sabata e", nefa le iz mamingavinga zava-masina.
Ireo nolazainao ireo tsy ho raisiko ho porofo avy ireo, epistily angamba ireo.
63. RBNIR ( 17/11/2015 13:53)
« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)
Ny fanekena dia efa natao ho an'ny rehetra...

P.S : mampahafantatra ihany aho satria ianao "tealala"....
64. tealala ( 17/11/2015 14:05)

RBNIR:

« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)
Ny fanekena dia efa natao ho an'ny rehetra...

P.S : mampahafantatra ihany aho satria ianao "tealala"....

Hahahaha, izay ilay tsy fahaizana mamaky ilay boky, dia ilay boky vaovao no averimberina amiko eto, fa ianao mihevitra fa bokin'ny mitantara ny tantara taio zavatra io?
65. RBNIR ( 17/11/2015 14:23)
Dia izay izany koa hiandry vasoka ao ianao ny andro anefa efa antomotra rehefa ho tonga IZY hiverina vao hiteny hoe toy izay aho nino, nefa indrisy ho tara loatra....
66. tealala ( 17/11/2015 14:50)
Hahaha, andraso eo ary izy raha ho fatany ianareo rehefa hiverina izy. Iz ary mbola hotsaraina amin'ny nataony :D dia gaga ianreo amin'io andro farany io fa miara hotsaraina aminay :D.
67. RBNIR ( 17/11/2015 14:56)
vakio ny bokin'i Joda namana tealala a!!! vakio hoy aho ny bokin'ny joda e!!!
Fitiavako anao no anaovako an'izany....
« [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy; » (Joda 1)
« hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana. » (Joda 2)
« Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina. » (Joda 3)
« Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika] » (Joda 4)
« Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino. » (Joda 5)
« Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. » (Joda 6)
« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7)
« Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3] » (Joda 8)
« Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". » (Joda 9)
« Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany] » (Joda 10)
« Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. » (Joda 11)
« Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina] » (Joda 12)
« onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina. » (Joda 13)
« Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 14)
« hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." » (Joda 15)
« Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra. » (Joda 16)
« Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; » (Joda 17)
« fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. » (Joda 18)
« Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] » (Joda 19)
« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; » (Joda 20)
« ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. » (Joda 21)
« Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] » (Joda 22)
« ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. » (Joda 23)
« Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, » (Joda 24)
« ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. » (Joda 25)
68. tealala ( 17/11/2015 15:09)

Izao no amaliko anao a, vakio tsara ilay boky teo aloha. dia ireo lalàna diniho tsara hoe aniza ilay lalàna.
69. RBNIR ( 17/11/2015 20:31)
tealala:

Izao no amaliko anao a, vakio tsara ilay boky teo aloha. dia ireo lalàna diniho tsara hoe aniza ilay lalàna.

Hoy Jesosy indray andro :
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Ny Soratra Masina noteneniny eto dia tsy inona fa ireo voasoratra taloha ihany:

Ary marina ny nolazainy satria dia marobe no tsy nahafantatra (na dia efa mpamaky an'io soratra masina io aza) fa efa hatramin'ny taloha ny fon'Andriamanitra no nisokatra ho an'ny hafa firenena:

« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)
70. tealala ( 18/11/2015 03:58)
Itanao izany na i jesosy aza d'accord amiko, ianareo manao azy ho andriamanitra anie no tiany tenenina amin izany e :D
71. RBNIR ( 18/11/2015 04:27)
tealala:

Itanao izany na i jesosy aza d'accord amiko, ianareo manao azy ho andriamanitra anie no tiany tenenina amin izany e :D

Tsy marina izany satria raha marina izany lazainao izany dia niteny tamin'i Tomasy IZY hoe tsy mety izao ataonao izao, hoy Tomasy taminy: « Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)
Tsy misy fantatrao ny Aminy namana tealala fa mila "manompo Azy aloha ianao vao hahafantatra hoe Iza marina Izy a!
72. tealala ( 18/11/2015 04:44)
Ny fantatro dia jiosy izy, nanadra tena ho andriamanitra, ary aveo ko nasandratr'i paoly.
Fa anontaniko ianao, iza no tena inoanao amin'ny faminanina, ny apokalipsy sa ny an'i Daniel?
73. RBNIR ( 18/11/2015 05:40)
tealala:

Ny fantatro dia jiosy izy, nanadra tena ho andriamanitra, ary aveo ko nasandratr'i paoly.
Fa anontaniko ianao, iza no tena inoanao amin'ny faminanina, ny apokalipsy sa ny an'i Daniel?

Misy ny zavatra mitovy ambaran'ny faminanian'i Daniel sy ny apokalipsy....

« Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jaona 3:18)
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)
74. tealala ( 18/11/2015 05:56)
raha misy ny mitovy dia misy ny tsy mitovy izany ko, fa ny an'iza no tena marina?
"Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany; 14dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany. " Dan 7 : 13-14
Dia mitovy amin io ve ilay ao amin'ny apokalipsy anareo?
Dia iza no marina amin'ireo? Dia mbola mitovy ve no lazain'ny le boky 2?
75. tealala ( 18/11/2015 14:20)
Dia rehefa hita ny fahasamihafan'ireo lazaina ireo dia manokafa ny maso dia aza manao trondro maina tahak'io intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7514