fiainana mandrakizay

1. rhaj0 ( 30/10/2015 15:12)
Matio 19
16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô [Na: (Mpampianatra tsara ô)] , inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) tandremo ny didy.
18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
19 Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20:12-16] , ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao [Lev. 19:18] .
20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.





:-) [size=8]aleo aho mba aviavy amina FEO MAFY koa... (araho trompeta ry Endriny aaaa... :-)[/size]


IZA, O IZA IZA, IZA AMINAREO NO TSY MBOLA NANAO IO "AMIDIO NY FANANANAO" IO ???

MIBEBAHA... MI-BE-BA-HA !!!!!...

novalian'i RBNIR ny 10/11/2015 12:55
2. Radavison ( 30/10/2015 16:23)

rhaj0:

[b]Matio 19

:-) aleo aho mba aviavy amina FEO MAFY koa... (araho trompeta ry Endriny aaaa... :-)

IZA, O IZA IZA, IZA AMINAREO NO TSY MBOLA NANAO IO "[i]AMIDIO NY FANANANAO
" IO ???

MIBEBAHA... MI-BE-BA-HA !!!!!...




Ianao aza tsy mino an'Andriamanitra koa
Tsy aleo ve ianao aloha no MIBEBAKA mialoha, fa inona no mahamaika anao ny @ an'ny hafa hivarotra fananana?

Esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny hafa...

Mba mihevera tana amin'izay hoy aho fa dia mbola tamana eo amin'ny toeran'ny:
Rajako mihomehy olombelona, ka ny tena ridicule indray no mihevi_tena sy miseho ho vedety!

3. rhaj0 ( 30/10/2015 16:34)
Radavison:
Ny anay mianakavy kely izao efa milamina tsara ny passeport mankany an-danitra...


hi hi hi... mba namaky Matio 19 ve i Radavison eeee ? :-)
4. rhaj0 ( 30/10/2015 18:00)
Fa misy 5+1 izany ny notaterin'i Matio eee...
1- Aza mamono olona,
2- Aza mijangajanga,
3- Aza mangalatra,
4- Aza mety ho vavolombelona mandainga,
5- Manajà ny rainao sy ny reninao
6- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao


ilay 5 voalohany dia isan'ny Didy Folo, fa ilay faha-6, dia special Kristiana izany (fa tsy an'ny Jiosy ohatra) eee...


Ireto ambany ireto kosa izany ireo Didy 5 t@ Didy Folo izay TSY noafatrafaran'i Jesosy, araky ny tatitr'i Matio

-1- Izaho no Tompo Andriamanitrao
-2- Aza manonona foana ny anaran'Andriamanitra
-3- Mankamasiana ny andro Sabata
-4- Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao
-5- Aza mitsiriritra ny fananan'ny namanao


Dia asa ho'a eee... hadinon'i Jesosy va re ireo, sa ... efa tsy lamaody intsony fa efa TT izao no ady eo??... :-)

Dia raha tsy manaraka an'ireo izany, fa kosa, manao ilay faha-6, aru indrindra ilay faha-7, dia avotra ihany??

7- Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo
5. Fiffi ( 30/10/2015 19:23)

Radavison:



Ianao aza tsy mino an'Andriamanitra koa
Tsy aleo ve ianao aloha no MIBEBAKA mialoha, fa inona no mahamaika anao ny @ an'ny hafa hivarotra fananana?

Esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny hafa...





....merci Radavison ! clap ! clap ! clap ! j'adore....
6. rhaj0 ( 30/10/2015 19:43)
Matio 19:21 Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo...
Izany ho'a hono ry Fiffi aaaa...

hotsahotsan'ny tsy foin-dRadavison sy Fiffi izany koa ny "fananany" ao, dia izaho no kitraniny.. ntsss... izaho mba mamerina resaka fotsiny nefany...

Sady ny ahy koa anie efa iana(re)o ihany no milaza azy fa lavitr'ezaka be ee..


[size=8]Hey.. hotsahotsan'ny ahoana ny "fanananao" ao?? :-)[/size]
7. Radavison ( 30/10/2015 22:13)
Rehefa nahita an'ireo aho dia hoy aho hoe lasa Pasitera rhaj0

rhaj0:

Fa misy 5+1 izany ny notaterin'i Matio eee...
1- Aza mamono olona,
2- Aza mijangajanga,
3- Aza mangalatra,
4- Aza mety ho vavolombelona mandainga,
5- Manajà ny rainao sy ny reninao
6- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao


-1- Izaho no Tompo Andriamanitrao
-2- Aza manonona foana ny anaran'Andriamanitra
-3- Mankamasiana ny andro Sabata
-4- Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao
-5- Aza mitsiriritra ny fananan'ny namanao


7- Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo


Ampio kely fotsiny hoe : "Tsy ambanin'ny lalana intsony, fa ambanin'ny fahasoavana"
dia vita ny fampianarana tsara sy mafonja be ry Pasitera rhaj0 an...
8. Radavison ( 30/10/2015 22:25)

rhaj0:

Radavison:
Ny anay mianakavy kely izao efa milamina tsara ny passeport mankany an-danitra...


hi hi hi... mba namaky Matio 19 ve i Radavison eeee ? :-)


Izaho tsy hiteny aminao hoe efa impiry no efa voavakiko manontolo ny Baiboly...
Efa natoroko anao ny fomba hahazoana passeport, fa ny anao aleonao miseho milay ho contrôleur-n'ny douane eo, toy izay manao izay hahazoana ho anao koa.
Azonao atao koa anie ny manontany mivantana an'Ilay mpanome pasipaoro rehefa tsy te hihaino olona ianao é, vao mainka tsara...
9. rhaj0 ( 31/10/2015 16:34)
Radavison:
Pasitera rhaj0

hi hi hi.. tsy haiko na izaho no... atao hoe, "ompainao", na ny Pasitera no "ompainao", fa tsy quoi ee... mampihomehy daholo izany ..[size=8] (io izao mitovy @ ilay mba fantsin'i Strong3 hoe, rhaj0 malalan'i Jesosy moa izy teo[/size] :-)

Radavison:
contrôleur-n'ny douane

Ngo dia afangaronao @ kristiana namanao azany aho... IZaho mba mijery hoe, mbo ahoana koa azany ny fanaovan-dRadavison azy izany, dia mba manisy komany tera... Izao vao izao indray izao aho tonga saina hoe, f'angaha io passeport io moa tsy renouveller-na isaky ny 5 taona..


Fa na izany na tsy izany, dia tsinontsinoavin-dRadavison izany ny tenin'i Jesosy ao @ Matio 19:21, ka hoe "Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo".. Tsy mihatra @ Radavison sy ny "fananany" izany.. :-)
10. rhaj0 ( 31/10/2015 20:59)
Dia efa toa ny "endrik'olona maty" hono ity comete hisafo ny Tany rahampitso eee...



Fiainana mandrakizay (sa famantarana) ho avy indray ve io?
11. RBNIR ( 02/11/2015 10:37)

rhaj0:

Matio 19
16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô [Na: (Mpampianatra tsara ô)] , inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?
17 Fa hoy Jesosy taminy: (..) tandremo ny didy.
18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
19 Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20:12-16] , ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao [Lev. 19:18] .
20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.





:-) [size=8]aleo aho mba aviavy amina FEO MAFY koa... (araho trompeta ry Endriny aaaa... :-)[/size]


IZA, O IZA IZA, IZA AMINAREO NO TSY MBOLA NANAO IO "AMIDIO NY FANANANAO" IO ???

MIBEBAHA... MI-BE-BA-HA !!!!!...

Efa nambarako fa misy "etape" ny fanarahana Azy : misy ny atao hoe zaza (fantatr'Andriamanitra no homena azy=Ronono,
Misy kosa efa tsy zaza intsony (ireny no fahanana ny ventik'anina tahaka an'ity ataonao ity ary matetika dia ny olona efa fidiny mivantana ho mpitarika no tratran'izany (apostoly ohatra)...

Ary « Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. » (1 Kor.15:26)


Ny tanjona samy ho tonga amin'izany daholo (mahavita ilay hazakazaka)...
12. Radavison ( 02/11/2015 11:06)

rhaj0:

Radavison:
Pasitera rhaj0

hi hi hi.. tsy haiko na izaho no... atao hoe, "ompainao", na ny Pasitera no "ompainao", fa tsy quoi ee... mampihomehy daholo izany ..[size=8] (io izao mitovy @ ilay mba fantsin'i Strong3 hoe, rhaj0 malalan'i Jesosy moa izy teo[/size] :-)

Radavison:
contrôleur-n'ny douane

Ngo dia afangaronao @ kristiana namanao azany aho... f'angaha io passeport io moa tsy renouveller-na isaky ny 5 taona..


Fa na izany na tsy izany, dia tsinontsinoavin-dRadavison izany ny tenin'i Jesosy ao @ Matio 19:21, ka hoe "Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo".. Tsy mihatra @ Radavison sy ny "fananany" izany.. :-)



Radavison aloha efa nahazo (na mila na tsy mila renouvellement),

fa averiko aminao indray fa toa tsy mahazo teny gasy ianao, sa mody fanina :

Esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny hafa...

Raha angilisy no manavanana anao kokoa dia ity ny dikany:
First remove the beam from your own eyes , and then you will see how to remove the piece of grass in the eye of others...
13. rhaj0 ( 02/11/2015 11:45)
Asa asorina azany ny sombim-bozaka @ masonao ry Radavison aaa... Izaho anie efa "tsy avotra" e.. avelao any izay sakamandimby ao @ masoko ao izao...

Fa izaho anie koa ka mivanitika fotsiny mianatra ny fombanareo ee... Hitako tsara ireo namana Kristiana eto, manao lava io FEO AVO io, ary miteny mahery hoe "MI-BE-BA-HA ...MI-BE-BA-HA... "... dia mba nanandrana koa aho :-)

Fa io izany ho'a, dia ho ampatsiahivina @ i Fara sy i Dimby mandrakizay eto, fa dia hita fa, raha hozy i Jesosy t@ ilay "zatovo" tao @ Matio 19:21 hoe "mandehana, amidio ny fanananao", dia hozy i Radavison hoe : "tsy mahakasika an-dRadavison sy ny fananany izany eeee" :-)


Mbola ho asian'i Bor2lais ny tantaran'i Zakaiosy koa azany ianao, noresahina tato avy t@ Lioka 19:2, izay @ ambagonvangony dia "i Zakaiosy dia rampanana mpamory hetra, nofinidin'i Jesosy mba hiantranony, ary dia falibe Zakaiosy ka nanome ny antsasam-pananany ny malahelo, ary nanome toky fa honerany izay nambakainy. Ary dia "avotra" i Zakaiosy, hozy Jesosy."

Ka io izany, averiko kely indray, i Zakaiosy nampiantrano an'i Jesosy, ary faly, ka dia hoz;izy, ao @ Lioka 19:8 "Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"


Ka hono ho'a... Zovy .. O IZA IZA... Zovy aminareo no "nampiantrano an'i Jesosy" (ao am-po tsy miloaka ao)...

ARY IZA, O IZA IZA, IZA AMINAREO NO TSY MBOLA NANAO IO Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo" IO ???

MIBEBAHA... MI-BE-BA-HA !!!!!...

14. Strong3 ( 02/11/2015 12:39)
mdr mihitsy ity rhaj0 ity ka .. hihihihi

ao re hazava amin'i rhaj0 fa tsy kristiana io zatovo kely io eh!

ka arahana amin'ny lalana hainy izy , ary misy teny fikasana hoan'izay mahatandrina ny lalàna ao amin'ny jiosy .

fa ireo kristiana dia efa mahavita ny anjarany izy , manome sy miantra izy, ny ainy manotolo aza atotony hoan'ny hafa mba ahavoavonjy ireo, eny fa na ny ainy aza dia ataony tsy ho zavatra

« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13)
« Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. » (Filipiana 2:4)
« Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. » (Romana 8:2)

ka dia mahatsikaiky ity ANTSO MAFY ARAHINA ANJOMARAN'I RHAJ0 sy endriny ity hihihihi!!!

eny eh ... mety misy fahamarinany aloha io teninao io amin'ireo , fiangonana manangona rakitra sy dime (10%) ...
le pasitera nitsipozipozy kely taloha ireny izao aty madagasikara efa malandilandina sy be kibo kely daholo , fa ny sasany mbola tara , dia vao manao pub mba hahazo hummer koa hihihi (tezitra indray izy izao ah :-) )
15. rhaj0 ( 02/11/2015 13:10)
hi hi hi... dia hita tsara koa izany, ary holazaina @ i Fara sy i Dimby mandrakizay eto, fa rahefa hozy ny olona (na Kristiana izy na tsia, tsy any ny resaka), rehefa hozy ny olona hoe:
" Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"
Dia hozy i Strong3 hoe... "he he.. TSY mahakasika an'i Strong3 sy ny fananany izany eeee..." i Strong3 efa mahita raccourci tsy mila mandalo @ io mitsetra ny malahelo io..
16. Radavison ( 02/11/2015 13:45)

rhaj0:

... avelao any izay sakamandimby ao @ masoko ao izao...
... Hitako tsara ireo namana Kristiana eto, ... dia mba nanandrana koa aho :

MIBEBAHA... MI-BE-BA-HA !!!!!...



Hay ianao olona mirediredy fotsiny, tsy fantatrao akory ny dikan'izay lazainao.
Lasa nirorona ho boloky indray izay ilay efa rajako teo iny... efa mba primate évolué ihany ve rangah dia lasa oiseau indray?
17. rhaj0 ( 02/11/2015 13:51)
hi hi hi... hozy i Bor2lais izay, "aza ny fanondroko no jerena ho'a"...

Fa io e.. hozy Zakaiosy, rahefa nandray ny Tompo ao am-pony izy, ary izany dia voarakitra ao anaty Baiboly ao, dia hoz'izy: "Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo"

Fa i Radavison ho'a... tena hoe.. "tsy mahaksika an-dRadavison sy ny fananany izany eeee".. Radavison efa nahazo ny passeport-ny :-)


Ka kOpy anie iRadavison e... androany izy hanome ny "antsasam-pananany".. dia rahampitso, mbola hanome ny "antsasany" ihany koa izany???... hoihouhouououo... mandeha exponentiel izy izany.. i Radavison angaha vendrana... :-)
18. endriny ( 03/11/2015 06:25)
Mba ampindramo pasipaoro ange e
19. RBNIR ( 03/11/2015 06:30)
endriny:

Mba ampindramo pasipaoro ange e

Salama,
tsy afaka mifampindrana pasipaoro (eny fa na dia ny zanka sy ny ray aman-dreniny aza)..
« na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezek.14:14)
20. Radavison ( 03/11/2015 07:05)

endriny:

Mba ampindramo pasipaoro ange e


Efa naveriko imbetsaka teto, fa asa na ianareo no tsy mahazo teny malagasy,
na mody adala, fa raha vao asiana diakany amin'ny teny frantsay mantsy dia ny mahamaika anao dia ny hoe tenim-panjanahana; fa tsy izay hahazoana ho anao no himasoanao, ka eo no mody hoe ampindramo, ampindramo é...:

Maimaim-poana io, (fa tsy hoe mandeha ho azy).
Matoa ianao tsy nahazo na tsy manana, dia ianao izany no tsy vonona ny handray.
Na dia hampindramiko aza ianao, tsy hitondra anao hoa aiza izany
satria arak'anarana toy ny pasipaoro rehetra ihany io!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.356