Ny fanimbana tena ateraky ny finoana

1. endriny ( 15/10/2015 12:04)
MIsy ireo olona sy ankizy didididiana amin'ny areza ny andriny mba amoahan'ny ombiasa ireo atao hoe poizina sy bilo ao aminy.. Dia gaga ianao fa tsy maintsy izay ve no atao?

Ny Silamo dia mikapo-batana amin'ny hazo sy ny karavasy ho fifonana amin'ny Allah... Dia gaga ianao fa "Ny omby no folaky ny kapoka".

Ny sasany dia minia manadino ny maha izy azy fa I Jesosy no naniraka azy, ka dia ariany hatramin'ny havany, ny fitadiavany, ny olo-tiany... Dia izay ve ilay hoe mitady ny lanitra? Kanefa I Jesosy aza milaza fa "Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra.... Izay ataonareo amin'ireo madinika ireo... " Be dia be e...

Saingy ilay olona ho'a rehefa tsy manana lalan-kaleha intsony dia lasa manaonao fahatany
novalian'i endriny ny 07/11/2015 05:26
2. rhaj0 ( 15/10/2015 12:46)
Vao omaly izao, nalaza tao New York tao, fa ilay mpivavaka be, mino be fa hoe, ao anaty Baiboly dia hoe, aza itsitsiana rotsa-kazo ny zaza raha tsy mibebaka... fa dia matin'ny daroka, maty, vita, ilay zanany eee.. ary tao am-piangonana mihintsy no nanaovany azy
http://www.cnn.com/2015/10/14/us/new-york-church-assault-case/index.html

Any amintsika dia tena mbola misy r-a-d "mino", fa izay tsinona no didin'Andrmntra hono, mino fa "kapoka" no vahaolana.

io ho'a, rehefa "mino" dia "mino" foana, dia io "minomino foana" io, ary dia io "manaonao foana".. Dia mbola lazainao indray fa ilay olona no olana fa tsy ilay reflexe-na "mino" na ny fampianaran'nh finoana ao...

3. Radavison ( 15/10/2015 14:28)
Arahabaina ianao Razoky rhaj0,

Vaovao maha ontsa tokoa izany vaovao lazainao izany...

fa ambarako hatrany hatrany fa tsy izay rehetra milaza fa mino na kristiana tsiakory no tena kristiana.

Aleo avy dia atao direct ny resaka : ny tena Kristiana dia izay tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Ny tena zanak'Andriamanitra dia izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra.
Fa tsy izay be fahalalana, na izay mazoto mankany am-piangonana ka hita hoe mpivavaka be.
Ny tena fiainana Kristiana marina dia miorina amin'ny "grâce de Dieu" fa tsy izay mety ho hatsarana na faharatsin'ny olombelona na asa ataon'ny tena...

Tarihin'ny Fanahy Masina ka
mandeha amin'ny Finoana marina, Fitiavana marina, Fanantenana marina, fa ny Fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo... ary fanampin'ireo ny fanetren-tena (humilité, fa tsy fiheveran-tena ho ambany = complexe d'infériorité), sy ny fahamasinana ihany koa

Dia veloma daholo é.

Radavison



rhaj0:

Vao omaly izao, nalaza tao New York tao, fa ilay mpivavaka be, mino be fa hoe, ao anaty Baiboly dia hoe, aza itsitsiana rotsa-kazo ny zaza raha tsy mibebaka... fa dia matin'ny daroka, maty, vita, ilay zanany eee.. ary tao am-piangonana mihintsy no nanaovany azy
http://www.cnn.com/2015/10/14/us/new-york-church-assault-case/index.html

Any amintsika dia tena mbola misy r-a-d "mino", fa izay tsinona no didin'Andrmntra hono, mino fa "kapoka" no vahaolana.

io ho'a, rehefa "mino" dia "mino" foana, dia io "minomino foana" io, ary dia io "manaonao foana".. Dia mbola lazainao indray fa ilay olona no olana fa tsy ilay reflexe-na "mino" na ny fampianaran'nh finoana ao...


4. endriny ( 15/10/2015 14:37)

Radavison:

Arahabaina ianao Razoky rhaj0,

Vaovao maha ontsa tokoa izany vaovao lazainao izany...

fa ambarako hatrany hatrany fa tsy izay rehetra milaza fa mino na kristiana tsiakory no tena kristiana.



Azafady zokibe naka fa tena mba tsy aritro ity resakao miverimberina ity. Dia aminao izany IZA MARINA NO TENA Kristianina?

Misaotra
5. rhaj0 ( 15/10/2015 15:10)
Ry Bor2lais tatsy, dia i Radavison io indray, ry Strong3 moa manginy fotisny, fa zareo ireo izany ho'a anie ka tena mahay mitsara olona alohan'ny Jugement Dernier eee... tonga dia voapetakan-dreo ho TSY "tena kristiana" ny namany...

Tsy hainy ao akoriny nefa raha ireo indrindra no ho voavelan'i Jesosy satria mihantona eo ankavanany, dia izareo no be tivativa @ ireo olona ireo...

Tsy hainy akoriny ny vavaka nataon'ireo olona namono ny zanany ireo tao am-piangonany tao.. ahoana no tonga dia itompoana teny fa hoe, tsy valim-bavak'Andrmntra(o) ny natao tao???..


Tena mba lozan'olona nareo ee... meteza @ toeran'ilay olona tivativanareo io.. mivavaka @ fo madio izy, dia manao izay ataony ao, mino tanteraka fa izay ilay izy.. Fa tena tonga dia tivativainareo hoe, "tsy tena izy" izany ataony izany..

koa raha nareo sy ny ataonareo koa moa no atao an'izany dia ahoana ???

hi hi hi.. dia "mino" aho fa tsy rahirahianareo, fa ny ataonareo ihany no ataonareo..

Dia izay koa no ataon'iretsy olona...


Fa dia io ho'a, rehefa "mino" dia "mino" foana, dia io "minomino foana" io, ary dia io "manaonao foana".. Dia mbola lazainao indray fa ilay olona no olana fa tsy ilay reflexe-na "mino" na ny fampianaran'nh finoana ao...
6. Radavison ( 15/10/2015 15:17)
Arahabaina indray ianao Razoky endriny,

Ny tena Kristiana dia :
izay tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra.
Ny tena zanak'Andriamanitra dia izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra. Io dia voasoratra mazava ao anatin'ny Baiboly
Fa tsy izay be fahalalana, na izay mazoto mankany am-piangonana ka hita hoe mpivavaka be.
Ny tena fiainana Kristiana marina dia miorina amin'ny "grâce de Dieu" fa tsy izay mety ho hatsarana na faharatsin'ny olombelona na asa ataon'ny tena...

Ilaina ny manaraka fampianarana,
Ilaina ny manana fahazotoana,
Ilaina ny manana fiangonana iorenana,
Ilaina ny manana fahaizana sy fahalalana,
Ilaina ny fikambanana manabe, sns...
fa tsy izany rehetra izany no tena maha-kristiana

fa Fanahy Masina mihitsy no velona ao anaty ao
mahatsapa sy miaina miaraka amin'i Jeso Kristy
ka mampahatonga
handeha amin'ny Finoana marina, Fitiavana marina, Fanantenana marina, fa ny Fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo...
Ary fanampin'ireo ny fanetren-tena (humilité, fa tsy fiheveran-tena ho ambany = complexe d'infériorité), sy ny fahamasinana=mankahala izay rehetra mety ho ota ihany koa, sns...

Misy zavatra maromaro ahafantaranao hoe mitoetra ao aminao ve ny Fanahy Masina sa tsia.
Ohatra ny vokatry ny Fanahy : "fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po" ireo dia voasoratra ao anatin'ny baiboly,
Dia ao koa ireo fomezam-pahasoavana isan-karazany tsy àry ho voatanisa eto...

Dia izay Razoky be ny sombintsombiny azoko ambara anao aloha, fa goavana be ilay fanontanianao


Veloma indrindra é

Radavison

endriny:


Radavison:

Arahabaina ianao Razoky rhaj0,

Vaovao maha ontsa tokoa izany vaovao lazainao izany...

fa ambarako hatrany hatrany fa tsy izay rehetra milaza fa mino na kristiana tsiakory no tena kristiana.



Azafady zokibe naka fa tena mba tsy aritro ity resakao miverimberina ity. Dia aminao izany IZA MARINA NO TENA Kristianina?

Misaotra
7. endriny ( 15/10/2015 15:25)

Radavison:

Arahabaina indray ianao Razoky endriny,

Ny tena Kristiana dia :
izay tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra.
Ny tena zanak'Andriamanitra dia izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra. Io dia voasoratra mazava ao anatin'ny Baiboly


Dia ahoana no ahalalanao fa tarihin'ny fanahy masin'Atra ilay olona na ilay fiangonana? Misy marika ve? Ho ahy izay manao stansimifa ohatra dia manankarena. Dia ahoana no ahitana an'izay hoe tena kristianina izay? Ny fomba firesany ve?

Fa ho ahy koa dia izay rehetra nanorina fiangonana milaza fa Mino Mankato ny Atr'Israely kanefa dia tsy tena kristianina daholo.. satria ilay Kristia tsy naniraka na iza na iza hanorina fiangonana ankoatry ny Sinagaoga efa nisy.
8. rhaj0 ( 15/10/2015 15:27)
Tsy hainao akoriny ny vavaka nataon'ireo olona namono ny zanany ireo tao am-piangonany tao, na ny fitondra-tenany sy ny fi(s)ainany tao... ahoana no tonga dia itompoana teny fa hoe, tsy mba "tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra" izy tao io ???

Ary tena "fitiavana" aminy io nataony io!.. ianao indrindra io koa ho'a no mino fa "fitiavana" ny tsy fitsitsiana rotsa-kazo.


Fa tena ameo ohatra tsotra sy mazava indray azany hoe, hotry ny ahoana ianao io rahefa "tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra" ??
9. endriny ( 15/10/2015 15:27)
Ho ahy dia lasa manimba tena ianao raha milaza fa ny Atr'Israely no Atrao, kanefa ianao tsy Israelita velively akory, fa mba te hitovy amin'ny Eraopeanina sivilize fotsiny. Dia iomehezan'ny Eraopeanina fa ohatran'ny rajako kely nomeka akondro dia entina amin'ny fehikibo sao mandositra miverina any anaty ala
10. Radavison ( 15/10/2015 17:30)

Ny zavatra azoko antoka aloha dia tsy avy amin'ny Fanahy ny tsy fahalala onona amin'ny zavatra rehetra.

Izay vavaka nataony tany tsy fantatro, fa ianao akaikikaiky any kokoa aza tsy mahalala...

Radavison


rhaj0:

Tsy hainao akoriny ny vavaka nataon'ireo olona namono ny zanany ireo tao am-piangonany tao, na ny fitondra-tenany sy ny fi(s)ainany tao... ahoana no tonga dia itompoana teny fa hoe, tsy mba "tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra" izy tao io ???

Ary tena "fitiavana" aminy io nataony io!.. ianao indrindra io koa ho'a no mino fa "fitiavana" ny tsy fitsitsiana rotsa-kazo.


Fa tena ameo ohatra tsotra sy mazava indray azany hoe, hotry ny ahoana ianao io rahefa "tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra" ??
11. rhaj0 ( 15/10/2015 17:52)
endriny:
ahoana no ahalalanao fa tarihin'ny fanahy masin'Atra ilay olona

ka dia vanitika gilady be ity izany, ary manomboka izao ary manomboka eto..

ndao miara-jerena eto izany, ary ampiarahana amin-kira rahefa mandalo (manoratra) eto ry Radavison, sy ry Bor2lais na koa ry Strong23 eeee... hi hi hi... tsisy mitsoaka io an.. raha mitsoaka eo mantsy dia vao mainka henatra beeeeee eeee...

Ny Famindra-tanora tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra Dia Toa Izao.. Toa Izao
Milantolanto Tsy Maka Mahery Midoladola
12. Radavison ( 16/10/2015 00:12)
Arahabaina daholo,

Ho anareo izay manontany hoe ahoana no ahalalana fa tarihin'ny Fanahy Masina ny olona,
dia tsy fantatro na tsy mahay mamaky teny na tsy mahazo teny malagasy ianareo, na mody fanina,
fa efa nosoratako mazava teo aloha teo hoe ny "vokatry ny Fanahy" no anisan'ny ahafantarana an'izany.

Aza mody fanina ihany koa fa azonao tadiavina ao amin'ny google koa izany
Fruits de l'Esprit, Réveil spirituel, Baptême du Saint Esprit, sns...

Ny anao angamba fampiderana ho tsy maniky gisitra izany resaka hoe henatra beee
fa ny efa fantatro dia mbola ny lijikan'izao tontolo izao ihany no mbola ary mbola hisisifanao ho-validé-na any amin'ny tontolon'ny Fanjakan'Andriamanitra. Dia hihidinkodina eo ambody tavy eo foana ny resaka..

Veloma Razoky an

Radvison


rhaj0:

endriny:
ahoana no ahalalanao fa tarihin'ny fanahy masin'Atra ilay olona

ka dia vanitika gilady be ity izany, ary manomboka izao ary manomboka eto..

ndao miara-jerena eto izany, ary ampiarahana amin-kira rahefa mandalo (manoratra) eto ry Radavison, sy ry Bor2lais na koa ry Strong23 eeee... hi hi hi... tsisy mitsoaka io an.. raha mitsoaka eo mantsy dia vao mainka henatra beeeeee eeee...

Ny Famindra-tanora tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra Dia Toa Izao.. Toa Izao
Milantolanto Tsy Maka Mahery Midoladola

13. Radavison ( 16/10/2015 00:39)
Arahabaina hatrany Razoky hajaina,

Azafady aloha Razoky fa ohatran'ny misavoritaka amiko izay lazainao

Miresaka Andriamanitr'Isiraely ianao, dia mivadika tampoka hoe te te hitovy amin'ny Eraopeanina sivilize fotsiny

Raha ny fahafantarako azy ny any Eropa amin'izao fotoana izao dia hoe rehefa tsy mifanohitra amin'ny lalana izay tiana atao dia ataovy. Ny fanambadiana homosexuel, ohatra, efa ara-dalana dia afaka manao an'izany ny Eropeana... ka mbola any am-pianarana fanabeazana fototra aza ny ankizy dia efa ampianarina an'izany théorie du genre (mety ho diso ny voambolako) fa ilay izy dia hoe tsy ny toe-batanao no mamaritra ny sexe-nao, fa izay sidinao tokony ho ianao, sns... izany no sivilize heverinao ho mampilendalenda?

Koa tsy aleo ve aloha ianao mandamina tsara ny hevitrao, fa aza maika fotsiny ny hanebaka amin'ny fanoharan-drajako sy akondro sy fehikibo...

Veloma Razoky ô

Radavison



endriny:

Ho ahy dia lasa manimba tena ianao raha milaza fa ny Atr'Israely no Atrao, kanefa ianao tsy Israelita velively akory, fa mba te hitovy amin'ny Eraopeanina sivilize fotsiny. Dia iomehezan'ny Eraopeanina fa ohatran'ny rajako kely nomeka akondro dia entina amin'ny fehikibo sao mandositra miverina any anaty ala
14. Strong3 ( 16/10/2015 09:07)
efa tenenina foana fa fiainana ny baiboly fa tsy fahalalana !
tsy amoronana fotokevitra fa efa fotokevitra
tsy tsongotsongoina fa vatany iray

ka aiza moa ny sasany no tsy hilaza ho kristiana daholo , na dia ny tapany voalohany amin'ny baiboly no arahiny na ny tapany farany dia mbola mahasahy milaza ihany hoe kristiana

__ misy indray mba mahay teny hebreo kely dia hoe: izao no fiteny izany , izao no tena anarany sns ...

fa anga raolona Atra olona sa hebreo ka hoe ny teny hebreo irery no hainy miteny sy hainy miheno ah!

sa haverina amin'ny taloha sy ny silamo hoe; tsy maintsy teny arabo sy teny latin vao mahazo mivavaka???

ny sasany moa dia hoe nivavaka tany ananona dia lasa niresahan'ATra mitokana tao dia hoe : eto madagasikara dia ianao irery no hirahiko hitory ny fampianarako tamin'ny 2000 taona lasa fa ireo mpandainga daholo

... ka eto izany , raha misy ahitanareo kiana ry mr endriny dia mazava fa ireo MAMPOROPORONA FIREHENA METIMETY SY MANAITAITRA SY TE HIAVAKA AMIN'NY BE SY NY MARO NO ahita kilema sy mampihomehy izay toa lasa fanatika be fahatany na extreme be ka mahasahy manozon'olona izay tsy mivavaka ao aminy
mahasahy manalika ny olona izay tsy mivavaka ao aminy
mahasahy manadevoly izay tsy membre ao amin'ny fiangonany
... sns

ka raha misy tsy tia olona dia efa fantatrareo izy izay, raha misy manafoka olona dia efa fantatreo izy izay, raha misy pikapoka dia efa izy izay ...sns

koa aza marary fo amin'ireny firehana tahaka izany , fa io ny baiboly dia vakio ho anao irery ao fa raha ampiharinao tsara ny voasoratra dia hamaly anao ao amin'ny mangingina ao Izy Atra Tsitoha amin'ny alalan'i Zanany Voahosotra Hamonjy izao tontolo izao!
15. rhaj0 ( 16/10/2015 10:30)
Radavison:
Ohatra ny vokatry ny Fanahy : "fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po" ireo dia voasoratra ao anatin'ny baiboly

1- tsindrotsindrohan-dRadavison fotsiny izay hitany manjamanja ao anaty Baiboly, dia lazainy fa izany, ary izany ihany. Nefa ohatra, feno toko aman'andininy ao, mitantara ny Fanahy mampirisika ny famonoana sy fandripahana, ary ny Anjely mihintsy azany no asainy manao izany. Izany rehefa ren-dRadavison @ sofiny havia, dia avoakany @ sofina havia ao ihany... satria dia tena loza-tany tokoany... tsy amena tsiny ianao eeee..

2- ary ny Bodista angaha ohatra... zareo ireo angaha nihaino na mahare izay Fanahy (Kristiana) anao ao, nefa aloha raha ny fahitako azy, dia tsisy ZEN hotran-dreo. Ny Kristiana indrindra azany no tena be kitakita... ary ianao indrindra no santionany sirika eto: vao TSY mitovy @ ilay revirevinao ao, ary nefa namanao Kristiana ihany ity olona, tonga dia palapalanao hoe: "TSY tena kristiana" eeee...


Nefa moa... mitono-tena ry Radavison, ary milaza fa izay izany hono izy Radavison rahefa ...
"tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra"

16. Strong3 ( 16/10/2015 10:56)
izay manimba ny tany no vonoiny tamin'izany re rhaj0 fa mba mamakia tsara io baiboly io ah
17. Yahl ( 16/10/2015 10:58)

[quote=Strong3]
efa tenenina foana fa fiainana ny baiboly fa tsy fahalalana !
tsy amoronana fotokevitra fa efa fotokevitra
tsy tsongotsongoina fa vatany iray

ka aiza moa ny sasany no tsy hilaza ho kristiana daholo , na dia ny tapany voalohany amin'ny baiboly no arahiny na ny tapany farany dia mbola mahasahy milaza ihany hoe kristiana

__ misy indray mba mahay teny hebreo kely dia hoe: izao no fiteny izany , izao no tena anarany sns ...

fa anga raolona Atra olona sa hebreo ka hoe ny teny hebreo irery no hainy miteny sy hainy miheno ah!

sa haverina amin'ny taloha sy ny silamo hoe; tsy maintsy teny arabo sy teny latin vao mahazo mivavaka???

ny sasany moa dia hoe nivavaka tany ananona dia lasa niresahan'ATra mitokana tao dia hoe : eto madagasikara dia ianao irery no hirahiko hitory ny fampianarako tamin'ny 2000 taona lasa fa ireo mpandainga daholo

... ka eto izany , raha misy ahitanareo kiana ry mr endriny dia mazava fa ireo MAMPOROPORONA FIREHENA METIMETY SY MANAITAITRA SY TE HIAVAKA AMIN'NY BE SY NY MARO NO ahita kilema sy mampihomehy izay toa lasa fanatika be fahatany na extreme be ka mahasahy manozon'olona izay tsy mivavaka ao aminy
mahasahy manalika ny olona izay tsy mivavaka ao aminy
mahasahy manadevoly izay tsy membre ao amin'ny fiangonany
... sns

ka raha misy tsy tia olona dia efa fantatrareo izy izay, raha misy manafoka olona dia efa fantatreo izy izay, raha misy pikapoka dia efa izy izay ...sns

koa aza marary fo amin'ireny firehana tahaka izany , fa io ny baiboly dia vakio ho anao irery ao fa raha ampiharinao tsara ny voasoratra dia hamaly anao ao amin'ny mangingina ao Izy Atra Tsitoha amin'ny alalan'i Zanany Voahosotra Hamonjy izao tontolo izao!

Angaha ity finoana ity foto-kevitra ? Mbola disoina fanindroany indray ianao fa tsy misy miteny izany ao anaty baiboly na ny soratra masina; Izao no lazainy hoe: Matio22:29 Ary Yahoshuah namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

Ary tsy mbola nisy nanalika olona teto fa ny soratra masina ihany no manambara izany koa! Izany no mamparanitra sy mampanindrona ny tenin' Atra. Ka na olona aza enao ka hataony toy ny alika ny filaza anao rehefa tsy mino, de mba hanao inon' enao io?! Zay tiany hi-taité-ny anao ihany io rehefa tsy mino ianao araka izay fahalalana izay! Ity koa mbola averiko foana, fa:

TSY SANGISANGY NA TEREN'NY SAINA FOTSINY HANANA FINOANA NY OLONA IRAY SATRIA MBA MAHAFANTATRA ANDININ-TSORATRA MASINA HATAO TSIANJERY SY NY MANKANY AM-PIANGONANA DIA ANTSOINA HOE KRISTIANINA NA MANARAKA ANTOKOM-PIVAVAHANA NA NIVOAKA AVY @ THEOLOGIENS ISAN-KARAZANY. Ity mbola fanampiny momba ny atao hoe fahalalana indray ity: Romana10:2 Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny FAHALANA.

Tena mbola tsy mahalala mihintsy aza satria: IJaona3:6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na NAHALALA Azy.

Dé aza hatao affirmation gratuite fotsiny sy be saina fotsiny ity finoana ity, fa jamba mifampitarika ianareo izay mbola manao toy izany!

Tadiavo ity teny ity hoe: Misaotra Anao aho Raiko fa tsy NAMPAHALALANAO t@ ny BE SAINA sy ny BE FAHENDRENA ny teninao

18. rhaj0 ( 16/10/2015 11:23)
rhaj0:
1- tsindrotsindrohan-dRadavison fotsiny izay hitany manjamanja ao anaty Baiboly, dia lazainy fa izany, ary izany ihany. Nefa ohatra, feno toko aman'andininy ao, mitantara ny Fanahy mampirisika ny famonoana sy fandripahana, ary ny Anjely mihintsy azany no asainy manao izany.
Strong3:
izay manimba ny tany no vonoiny tamin'izany

F'angaha moa tsy "zanany" daholo ireo tao @ Apokalipsa na koa tany @ Lota tany.. Izay izany Dieu l'omnipotent sy be famindra-po an... dia nefa anie inona moa ny "heloky" ireo olona "manimba ny tany" ireo ? "namono olona" angaha zareo teo ? toa tsy nanaraka ny Didin'atra fotsiny zareo dia tezitra be Atra tezitezi-poana.

Ary ny Ejiptiana koa ve tsy zanany koa eee... sa moa tantara taloha izany fa tsy mila resahina intsony ... fa efa niova (fo) i Andrmntra atsy @ TT ?
19. Strong3 ( 16/10/2015 11:44)
fotokevitra .. :-) dia samy amin'ny fandraisany azy ao ihany ny heviteny.
raha avadiko hoe finoana izy dia ho tahaka ny ahoana no ahampino anao raha tsy misy teny (foto-kevitr-Atra Tsitoha)
ny anarana te izy aza mbola karohina vao hita noho :-)

__ ny hino anao no tadiavinao sa ny hino ny Zanak'Atra Tsitoha namonjy izao tontolo izao?
ka raha ny tsy finoan'olona anao no analikanao olona dia tongava saina -->>Joda 9

fahalalana /
aza lazaina fa diso lalana ny olona rehefa amantaonany no mitady ahalala an'Atra
tamin'ny 2009 ve ianareo vao nahalala hoe izany no anaran'i Zanak'Atra ?
--> fahalalana tonga lafatra ve izany? ?? « Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. » (1 Jaona 3:10)
« Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. » (1 Jaona 3:14)
__ ka dia asa izay mahalala sy be fahalala eto eh
sao mba theologien ianareo fa tsy NOMENA HERY HOTONGA ZANAKA !???

ianao no manao affirmation gratuite sa izaho eh!?
_tsy fomba fiteninao eto ve ny hoe jamba mitarika jamba?

__ fa dia mahagaga hoa hoe : mino ny baiboly nadika tamin'ny teny latin ianareo , nefa ny andriamaniny no nanoratsoratra an'io tao , ka sao mba tokony hikaroka any ho any koa ianareo hitady ny baiboly teny hebreo ??? fa ilay grika sy latin ohatran'ny tsy mety fa trucké daholo ??? :-)

raha manana compte fb ianao dia any isika mifankahita tava , ao anaty groupe "malagasy tia fandalinam-pinoana sy fandalinana baiboly" __ anasako anareo rehetra eto koa izany!!!
mazoto eh!
20. Radavison ( 16/10/2015 12:53)
Salama rhaj0 an,

Rehefa misakafo angaha ianao tonga dia ny iray vilia avy dia tafiditra ao am-bavanao indray mipalaka, eran'ny sotro ihany isaka no indray maka...

Ny anao aza teny malagasy mazava be izao mila verina indroa vao azonao, ka raha ny teny rehetra ao amin'ny Baiboly no hatao ho toy izay no anao irey asa firy taona...

Ny zenitude ety ivelany ho indraindrainao, fa ny danger ambadik'ireny (MT, Yoga, sns...) tsy takatry ny sainao satria tsy amin'ny tonloton'ny ara-materiel ka hoazonao refesina sy tsapaina amina appareil de mesure.

Fony tsy mbola nisy ny avotra fisoloana, eny na ny Zanak'Isiraely aza dia naripany rehefa madi-doha...

Veloma é

Radavison


rhaj0:

Radavison:
Ohatra ny vokatry ny Fanahy : "fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po" ireo dia voasoratra ao anatin'ny baiboly

1- tsindrotsindrohan-dRadavison fotsiny izay hitany manjamanja ao anaty Baiboly, dia lazainy fa izany, ary izany ihany. Nefa ohatra, feno toko aman'andininy ao, mitantara ny Fanahy mampirisika ny famonoana sy fandripahana, ary ny Anjely mihintsy azany no asainy manao izany. Izany rehefa ren-dRadavison @ sofiny havia, dia avoakany @ sofina havia ao ihany... satria dia tena loza-tany tokoany... tsy amena tsiny ianao eeee..

2- ary ny Bodista angaha ohatra... zareo ireo angaha nihaino na mahare izay Fanahy (Kristiana) anao ao, nefa aloha raha ny fahitako azy, dia tsisy ZEN hotran-dreo. Ny Kristiana indrindra azany no tena be kitakita... ary ianao indrindra no santionany sirika eto: vao TSY mitovy @ ilay revirevinao ao, ary nefa namanao Kristiana ihany ity olona, tonga dia palapalanao hoe: "TSY tena kristiana" eeee...


Nefa moa... mitono-tena ry Radavison, ary milaza fa izay izany hono izy Radavison rahefa ...
"tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra"


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0879