Ny fanimbana tena ateraky ny finoana

41. endriny ( 22/10/2015 13:19)

Radavison:

Veloma lava eo ianao Razoky an,

Ny anay ny fisoratana anarana any amin'ny bokin'ny Fiainana any an-danitra efa vita hatry ny ela, mbola talohan'ny nisian'ny aterineto nandeha tsara teto amin'ny tanàna aza izany...
Ny anay mianakavy kely izao efa milamina tsara ny passeport mankany an-danitra...
Izao sahady izahay dia misantatra an'izany fiainana be dia be omen'ny Fanahy Masina izany...
Ianareo toa mbola variana mivanitika sy mahazo tsirony amin'ny fanafòkana...
Sao dia taitra ny olona, tsy mba taitra; fa taitra irery vao rarak'ivy mamaky takotra :
Alao hery fa tsy mbola tsy mihidy tsy akory ilay "guichet unique" fa mbola misokatra 7j/7 & 24h/24, tsy mila connexion, tsy andoavam-bola...

dia arahabaina é.

Dia tongava soa e! Mba ilazao ny namana hoe rahoviana ianareo no hanainga ho any an-danitra
42. Radavison ( 22/10/2015 13:35)

jerijereo matetitetika eto amin'ny serasera àry é

endriny:

Radavison:

Veloma lava eo ianao Razoky an,

Ny anay ny fisoratana anarana any amin'ny bokin'ny Fiainana any an-danitra efa vita hatry ny ela, mbola talohan'ny nisian'ny aterineto nandeha tsara teto amin'ny tanàna aza izany...
Ny anay mianakavy kely izao efa milamina tsara ny passeport mankany an-danitra...
Izao sahady izahay dia misantatra an'izany fiainana be dia be omen'ny Fanahy Masina izany...
Ianareo toa mbola variana mivanitika sy mahazo tsirony amin'ny fanafòkana...
Sao dia taitra ny olona, tsy mba taitra; fa taitra irery vao rarak'ivy mamaky takotra :
Alao hery fa tsy mbola tsy mihidy tsy akory ilay "guichet unique" fa mbola misokatra 7j/7 & 24h/24, tsy mila connexion, tsy andoavam-bola...

dia arahabaina é.

Dia tongava soa e! Mba ilazao ny namana hoe rahoviana ianareo no hanainga ho any an-danitra
43. endriny ( 22/10/2015 13:57)

Radavison:

Ny anay ny fisoratana anarana any amin'ny bokin'ny Fiainana any an-danitra efa vita hatry ny ela, mbola talohan'ny nisian'ny aterineto nandeha tsara teto amin'ny tanàna aza izany...
Ny anay mianakavy kely izao efa milamina tsara ny passeport mankany an-danitra...
Izao sahady izahay dia misantatra an'izany fiainana be dia be omen'ny Fanahy Masina izany...

Izao no taratr'ilay fahasimbana ateraky ny finoana. Misy olona mitompoteny fatratra fa izy dia efa nahavita lalana mankany an-danitra ho azy sy ny fianakaviany ety an-tany. Moa va tsy ireny no nataon'ny Ntaolo hoe Mpilaza abobo ka mitantara ny tsy hitan'ny maso, milaza ny tsy ren'ny sofiny.

Radavison:

mbola misokatra 7j/7 & 24h/24, tsy mila connexion, tsy andoavam-bola...

1) Dia tena misokatra tokoa io ho an'ireo olona mikatona fijery ao anaty bibilaosy ao
2) Dia tsy mila connexion tokoa fa mila mopera sy pasitera miaraka amin'ny 4x4 sy lasantsy ary karama vao ampoka ny anatra omena.
3) Dia tsy andoavam-bola tokoa fa vokatra, vokatry ny taranaka, voka-dehibe, rakitra, fara-rakitra no omena, ary raha mba nahazo bebe noho ny vavaka natao aza dia tsy maninona arotsay ny fahafolon-karena sy ny voady

Milay a
44. Radavison ( 22/10/2015 15:00)

Raha tsy mazava tsara aminao ny voalazan'ny baiboly dia fintiniko aminao :

Fanomezana maimaimpoana ny famonjena nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra= donnée gratuitement par la grâce de Dieu;
Fa tsy mandeha ho azy tsiakory = mais pas automatique.

Anajaranareo ny mieritreritra an'izay vola amin-karena omenareo an'i Mompera na i Pasitera,
fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy vidiam-bola tsy tambazan-karena!
Anjaranao ny mahita fanimbana na fahasimbana ao anatin'izany.
Fa matoa ianao tsy nahazo dia ianao izay no tsy naka.

Teny malagasy mazava tsara ireo,
miaraka amin'ny dikany amin'ny teny frantsay koa,
fa ny teny angilisy sy ny teny hafa kosa dia ialana tsiny

Veloma iaby é
Radavison

45. rhaj0 ( 22/10/2015 17:14)
Radavison:
ny fanjakan'Andriamanitra tsy vidiam-bola tsy tambazan-karena!

Valiny: DISO ianao ry Radavison. Jereo i Zakaiosy-n'i Bor2lais sy Lioka 19:2

rhaj0:
raha ny fahazoako azy izany dia... "indray andro hono".. i Zakaiosy dia rampanana mpamory hetra, nofinidin'i Jesosy mba hiantranony, ary dia falibe Zakaiosy ka nanome ny antsasam-pananany ny malahelo, ary nanome toky fa honerany izay nambakainy. Ary dia "avotra" i Zakaiosy, hozy Jesosy.

Ka ndao asiana "rational" kely...

1- ka raha tsy rampanana anie i Zakaiosy izany tsy nofinidin'i Jesosy e... i Zakaiosy no nahamay an'i Jesosy ho tester-na, fa ireo olona hafa rehetra nanodidina an'i Zakaiosy tsy nasiany sira (nefa azany ireo olona hafa ireo no tena nila famonjena.. fa tsy mpanana toa an'i Zakaiosy). Ka na dia tsy direct hoe, notambazan-karena azany i Jesosy, dia @ io tranga io, dia nanintona an'i Jesosy ny harenan'i Zakaiosy

na hoe ...

2- avotra i Zakaiosy rahefa vita ny kaonty, ary dia nampahazo ny malahelo sy ireo nambakainy taloha. Satria i Jesosy mahalala ny zava-drehetra, alohan'ny hitrangany... (hypothese be marina be)... dia ... efa fantatr'i Jesosy izany fa hanome harena i Zakaiosy, dia izany no nitsapany an'i Zakaiosy..

CQFD :-)

Fa io ho'a... rahefa asianao "rational" (based on or in accordance with reason or logic) toatoa an'io ny tantara, dia hisahotaka ny sangan-dradokodahy eee... Ka dia ho hitanao eo fa ho avy daholo ny olombe hilaza (ankolaka) hoe: shut up!..

Izay no mahatonga an'ilay hoe, ny vokatry ny finoana dia
1. The discouragement of rational, critical thought.
46. Radavison ( 23/10/2015 07:44)

Rehefa tafahaona akaiky dia akaiky tamin'i Jeso Kristy i Zakaiosy dia nahatsapa fa hay tsinontsinona ny haren'ity tany ity.

Efa fantatro ny manavanana anao fa ny zoronjoron-dresaka no tianao hotaritina holasa ivon-dresaka.

ho fanaovam-beloma dia omeko bravo ihany aloha ianao
fa teny maivana tsy mahasavoritaka dokotra akory no ambaranao

Radavison.

rhaj0:

Radavison:
ny fanjakan'Andriamanitra tsy vidiam-bola tsy tambazan-karena!

Valiny: DISO ianao ry Radavison. Jereo i Zakaiosy-n'i Bor2lais sy Lioka 19:2

rhaj0:
raha ny fahazoako azy izany dia... "indray andro hono".. i Zakaiosy dia rampanana mpamory hetra, nofinidin'i Jesosy mba hiantranony, ary dia falibe Zakaiosy ka nanome ny antsasam-pananany ny malahelo, ary nanome toky fa honerany izay nambakainy. Ary dia "avotra" i Zakaiosy, hozy Jesosy.

Ka ndao asiana "rational" kely...

1- ka raha tsy rampanana anie i Zakaiosy izany tsy nofinidin'i Jesosy e... i Zakaiosy no nahamay an'i Jesosy ho tester-na, fa ireo olona hafa rehetra nanodidina an'i Zakaiosy tsy nasiany sira (nefa azany ireo olona hafa ireo no tena nila famonjena.. fa tsy mpanana toa an'i Zakaiosy). Ka na dia tsy direct hoe, notambazan-karena azany i Jesosy, dia @ io tranga io, dia nanintona an'i Jesosy ny harenan'i Zakaiosy

na hoe ...

2- avotra i Zakaiosy rahefa vita ny kaonty, ary dia nampahazo ny malahelo sy ireo nambakainy taloha. Satria i Jesosy mahalala ny zava-drehetra, alohan'ny hitrangany... (hypothese be marina be)... dia ... efa fantatr'i Jesosy izany fa hanome harena i Zakaiosy, dia izany no nitsapany an'i Zakaiosy..

CQFD :-)

Fa io ho'a... rahefa asianao "rational" (based on or in accordance with reason or logic) toatoa an'io ny tantara, dia hisahotaka ny sangan-dradokodahy eee... Ka dia ho hitanao eo fa ho avy daholo ny olombe hilaza (ankolaka) hoe: shut up!..

Izay no mahatonga an'ilay hoe, ny vokatry ny finoana dia
1. The discouragement of rational, critical thought.
47. rhaj0 ( 23/10/2015 13:13)
Radavison:
Rehefa tafahaona akaiky dia akaiky tamin'i Jeso Kristy i Zakaiosy dia nahatsapa fa hay tsinontsinona ny haren'ity tany ity.

- Dia ny "ota" hafa rehetra @ ireo "conditions sine qua non" be dia be kay izany koa tonga dia voafafa... voafafa satria vao njay nanome antsasam-pananana ho'a i Zakaiosy dia avotra eeee...

- Ary ny antsasany ilany @ ilay fananambe koa toa notazominy eeee... Aiza anefa ny voeux de pauvrete fataon'ny hafa taty aoriana.

eny azany kouh... hita ilay "rational, critical thought"-nao izany eee...
48. endriny ( 23/10/2015 14:18)

Radavison:

Raha tsy mazava tsara aminao ny voalazan'ny baiboly dia fintiniko aminao :

Fanomezana maimaimpoana ny famonjena nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra= donnée gratuitement par la grâce de Dieu;
Fa tsy mandeha ho azy tsiakory = mais pas automatique.

Raha mazava amiko ny nolazain'ny baiboly dia "TSY MISY IZANY FAMONJENA MAIMAIMPOANA" izany. Nanomboka tamin'ny fakana ny tany nampanantenaina dia nasainy nivenjivenjy tany an'efitra ny taranak'Israely. Nasainy niady tamin'ny tamin'ireo tompontany teo aloha.

Ary raha tonga ilay lazainao hoe "FAMONJENA LEHIBE" dia ny zanany mihintsy no nataony sorona, novonoina, nofantsihana... raha tena zanany koa io a... Olona no natao sorona (Sampy malaza).

Dia ingahy Jesosy ilay natao Sorona aza nilaza hoe: Raha te ahazo ny fanjakan'ny lanitra ianao (Ilay mpanankarena Hendry io) dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra. Dia miala tsiny aminao izany fa raha mbola manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy na efa nahazo billet sy pasipaoro aza

Radavison:

Anajaranareo ny mieritreritra an'izay vola amin-karena omenareo an'i Mompera na i Pasitera,
fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy vidiam-bola tsy tambazan-karena!
Anjaranao ny mahita fanimbana na fahasimbana ao anatin'izany.
Fa matoa ianao tsy nahazo dia ianao izay no tsy naka.

Vola adala tompo ny anao, vomanga atora-kisoa. Arotsay ny rakitr ary aza asiana mikorintsana.

Saingy izaho tsy manatee rakitra amin'ny fanambakana sy ny fisolokiana ry Havana. Tsy mpivarotra omby anaty ambiaty aho, ary tsy mpivarotra sakabeloha.

Radavison:

Teny malagasy mazava tsara ireo,
miaraka amin'ny dikany amin'ny teny frantsay koa,
fa ny teny angilisy sy ny teny hafa kosa dia ialana tsiny

Azoanao atao tenigrika koa tsy maninona fa efa misy google translate malalaka be... sa hafa ihany moa ny tenim-panjanahana?
49. Radavison ( 23/10/2015 14:48)

1, 3, 4 : voajonon'i Satana ireo.

2 : safidy io fa tsy ota.

endriny:

Maro be ireo tranga maneho ny fanimbana ateraky ny finoana:

oh. 1) Olona mikodiadia eny amin'ny arabe any Inde, izay araka ny finoany dia izy no manadio sy mitondra ny fahoriana tsy zakan'ny hafa.

oh. 2) Olona iray vonona ny tsy hanambady na hiteraka fa andeha hanompo an'Atra.

oh. 3) Famonoana ireo zaza tsy manantsiny notezain'ireo Relijiosy tao Irlandy.

oh. 4) Fiantranana basy marovava fa hoe manana odibasy.
50. endriny ( 24/10/2015 06:22)

Radavison:

1, 3, 4 : voajonon'i Satana ireo.

2 : safidy io fa tsy ota.

Fa ianao voajonon'ny Eraopeanina amin'ny boky artifisialy. Dia izay filazanao azy tsy maninona aloha fa fivarotana saka be loha sy trondro mangeroka no fahitako azy.

Ianao aza milaza fa manana tapakila sy pasipaoro mankany an-danitra koa... asa iza no mpizara izany eto an-tany.. Air France sy ny airbus-ny ... hihiiihiih

Mazotoa manidina ao e
51. Radavison ( 25/10/2015 06:35)
Arahabaiana ianao Razoky,

Izay tsy vonona ny hahazo sy handray no tsy mahazo.
Ny an'ilay mpanankaren lazainao ny fitiavan-karena no mbola mobahana be ao am-pony; ny anao kosa ianao milaza mivantana fa aleonao Devoly Satana Losifera.
Na sampy na sorona ilazanao ny zava-bitan'i Kristy, tsy izay termonologie tsiakory no inona. Efa nomen'Andriamanitra io, tsy vitan'ny hoe fanadiovana ny ota fotsiny, fa rehefa avy eo hahazoan'izay nandray izany famonjena izany ny satan'ny Zanak'Andriamanitra, satria izay no sandan'i Kristy.

Ny anao aleonao akoholahy mena, teninao io, izany hoe sanda sy satan'ny akoholahy mena no ametrahanao ny tenananao...

Anjaran'ny tsirairay ny mandanjalanja izay vola tiany omena an-dry Mopera na ndry Pastera.
Fa mba jereo ihany aloha izay zavatra ataon'ireo, fa aza maika fotsiny ny hanafòka:
an'iza, ohatra, ny toeram-pitsaboana nanana scanner voalohany teto Gasikara=ry Pasitera (Manambaro); Ny an-dry Mopera, ohatra, isaka ny paroasy dia misy sekoly juméléé amin"ny fiangonana.
Fa raha mba efa nahavita ianao dia azafady lazao, fa tsy fireharehana tsiakory ny fitenenana ny marina.
Izaho aloha tsy mbola nahavita fotodrafitrasa ho an'ny Fireneko, fa izaho kosa tsy hitarika ny olona hanaraka devoly toa anao.

Dia mialatsiny be dia be aminao aho Razoky, fa raha fijerin'ny akoholahy mena no entinao mamakafa ity fiainana ity, na handinihina ny Baiboly dia tsy mahagaga raha mivaona:
Tsy mahagaga raha vao hoe resaka mankany an-danitra dia tsy misy fantatrao afa-tsy raopilanina;
Tsy mahagaga raha toa ka ho anao dia mpisoloky avokoa tsy misy an-kanavaka izay mpitarika fiangonana rehetra;
Tsy mahagaga raha toa ka milaza ianao fa "raha manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy na efa nahazo billet sy pasipaoro aza". Izany no tena fivarotana saka beloha, fampiesonana ny olona tsy hiala amin'ny fahotana, izay mazava fa halan'Andriamanitra, fa hiala amin'ny harena!
Tsy mahagaga raha toa ka izay tsy olona tsy azoazonao avy hatrany dia lazaina fa mitomany ho eropena,
fa na samy malagasy izao aza efa natsiditsidikao ny fanavakavahana ara-poko ny amin'ny hoe JEHOVAH...

Veloma ianao Razoky
Mbola lavitr'ezaka ny dianao fa misikina hery, dia mahatanjahà

Radavison

endriny:

Radavison:

Raha tsy mazava tsara aminao ny voalazan'ny baiboly dia fintiniko aminao :

Fanomezana maimaimpoana ny famonjena nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra= donnée gratuitement par la grâce de Dieu;
Fa tsy mandeha ho azy tsiakory = mais pas automatique.

Raha mazava amiko ny nolazain'ny baiboly dia "TSY MISY IZANY FAMONJENA MAIMAIMPOANA" izany. Nanomboka tamin'ny fakana ny tany nampanantenaina dia nasainy nivenjivenjy tany an'efitra ny taranak'Israely. Nasainy niady tamin'ny tamin'ireo tompontany teo aloha.

Ary raha tonga ilay lazainao hoe "FAMONJENA LEHIBE" dia ny zanany mihintsy no nataony sorona, novonoina, nofantsihana... raha tena zanany koa io a... Olona no natao sorona (Sampy malaza).

Dia ingahy Jesosy ilay natao Sorona aza nilaza hoe: Raha te ahazo ny fanjakan'ny lanitra ianao (Ilay mpanankarena Hendry io) dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra. Dia miala tsiny aminao izany fa raha mbola manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy na efa nahazo billet sy pasipaoro aza

Radavison:

Anajaranareo ny mieritreritra an'izay vola amin-karena omenareo an'i Mompera na i Pasitera,
fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy vidiam-bola tsy tambazan-karena!
Anjaranao ny mahita fanimbana na fahasimbana ao anatin'izany.
Fa matoa ianao tsy nahazo dia ianao izay no tsy naka.

Vola adala tompo ny anao, vomanga atora-kisoa. Arotsay ny rakitr ary aza asiana mikorintsana.

Saingy izaho tsy manatee rakitra amin'ny fanambakana sy ny fisolokiana ry Havana. Tsy mpivarotra omby anaty ambiaty aho, ary tsy mpivarotra sakabeloha.

Radavison:

Teny malagasy mazava tsara ireo,
miaraka amin'ny dikany amin'ny teny frantsay koa,
fa ny teny angilisy sy ny teny hafa kosa dia ialana tsiny

Azoanao atao tenigrika koa tsy maninona fa efa misy google translate malalaka be... sa hafa ihany moa ny tenim-panjanahana?
52. Radavison ( 25/10/2015 07:26)
Arahabaina indray Razokiendriny,

endriny:

Dia ingahy Jesosy ilay natao Sorona aza nilaza hoe: Raha te ahazo ny fanjakan'ny lanitra ianao (Ilay mpanankarena Hendry io) dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra. Dia miala tsiny aminao izany fa raha mbola manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy na efa nahazo billet sy pasipaoro aza

Na dia tsy hiteny aminao aza aho hoe tsy misy na tsy hitataratra ao anaty baiboly mihitsy ny vazainao hoe "fa raha mbola manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy..", dia hevitra taingintaingina sy mipoipoitra tampotampoka teny ho eny fotsiny :

Voalohany : iza moa ny tianao lazaina amin'ny hoe "manodidina" : ny ankohonana ve, sa ny fianakaviana, sa ny mpiray tanana, sa ny mpiray FKT, Fir, Fiv, Far ary firenena.
Koa na iza na iza échelle raisinao amin'ireo, dia manana izay manodidina azy koa ny olano tsirairay avy ankoatranao

Faharoa : "manana noho..."
Raha misy mpanan-karena momba,
Raha misy mafy ady manan-janaka,
iza amin'ireo na atao hoe manana kokoa
Raha olona mitovy karama, kanefa ny charges tsy mitovy, iza moa no lazaina hoe manamana kokoa?
Dia raha fehezina dia ny tsy manana kokoa dia izay efa tsy mitafy intsony ary efa tsy mihinan-kanina hatry ny ela indrindra... dia araka dia ianao no tsy ho tafiditra voalohany satria amin'ny manodidina anao akaiky eo dia misy tsy manana solosaina akory, tsy manana aterineto akory, ...

Dia ataoko antso avo eto fa ny fikasan'Andriamanitra dia ny fahombiazanao amin'ny lafiny rehetra, voasoratra ao anaty Baiboly izany, fa tsy ny fanana-karena akory no halany
fa ny fahotana.

Veloma Tompoko,
Radavison
53. rhaj0 ( 25/10/2015 19:39)
Radavison:
hevitra taingintaingina sy mipoipoitra tampotampoka teny ho eny fotsiny

Mba halalino aloha ny zava-nisy ry Radavison izay vao tivativaina ny Kristiana namanao ka hoe manao "hevitra taingitaingina"aaa..
Dia pehanao toa izany moa ny Kristiana tsara sitrapo izay nanao voeu de pauvrete, toa an-dry Mother Teresa hono, na koa ry Gregor Mendel an... Henatra ho anao.
https://fr.wikipedia.org/wiki/V%C5%93u_de_pauvret%C3%A9
54. Radavison ( 26/10/2015 06:22)

endriny:

Radavison:

Raha tsy mazava tsara aminao ny voalazan'ny baiboly dia fintiniko aminao :

Fanomezana maimaimpoana ny famonjena nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra= donnée gratuitement par la grâce de Dieu;
Fa tsy mandeha ho azy tsiakory = mais pas automatique.

Azoanao atao tenigrika koa tsy maninona fa efa misy google translate malalaka be... sa hafa ihany moa ny tenim-panjanahana?

Ny fahaizana sy fampiasana teny vahiny Razoky
dia mitovy amin'ny fahaizana sy fampiasana ordinateur ihany a...
Fa io ordinateur ampisainao io angaha moa vita gasy 100%?
Ka ianao io mampiasa odrinateur io, moa va tsy herin'aratra no ampiasainao, ka dia ho jiro saboran'omby ve no itsilovanao eo, satria izany no vita gasy?
Dia ianao eo izao io ve dia mbola misalaka, fa izany koa no nfitafy malagasy?
sns...

Manao resaky ny olona naratra anaty sy be lonilony sy fangidiana ianao, mitady izay irika anatobahana an'izany hatrany hatrany....

Veloma Tompoko.

Radavison
55. rhaj0 ( 26/10/2015 10:38)
O Radavison aa... Taiza nisy "fanomezana maimaim-poana" NEFA arahina conditions (vita @ sora-madinika) be dia be ???

Ny mpanao pub mpisoloky mpanjono dia mpanambaka no mpanao izany...

Ka... "fanomezana maimaim-poana" hoz'ianao, nefa inona ireo Didy an-jatony tsy maintsy fenoina ???
56. endriny ( 27/10/2015 04:13)

Radavison:

Na dia tsy hiteny aminao aza aho hoe tsy misy na tsy hitataratra ao anaty baiboly mihitsy ny vazainao hoe "fa raha mbola manana noho ny manodidina anao ianao dia tsy hiditra izany lanitra izany mihintsy..", dia hevitra taingintaingina sy mipoipoitra tampotampoka teny ho eny fotsiny :

Mba jereo ilay biblaosy ho'a... Ingahy Zakaiosy... Ilay vehivavy nananotena nandrotsaka rakitra... Fariseo (Falite hiseho moa) sy ny mpanora-dalana ampitahaina amin'ny vahoaka... Hasambarana 8 mba vereno tanisaina kely

Radavison:

Voalohany : iza moa ny tianao lazaina amin'ny hoe "manodidina" : ny ankohonana ve, sa ny fianakaviana, sa ny mpiray tanana, sa ny mpiray FKT, Fir, Fiv, Far ary firenena.

Ataovy ny galaksia mihintsy fa nareo ho any an-danitra e

Radavison:
Dia ataoko antso avo eto fa ny fikasan'Andriamanitra dia ny fahombiazanao amin'ny lafiny rehetra, voasoratra ao anaty Baiboly izany, fa tsy ny fanana-karena akory no halany
fa ny fahotana.

Dika vilana re izao, dika vilana: Dia diso indray izany ilay zatovo mpanankarena iray nanantona an'ingahy Jesosy dia nilaza fa voahajany daholo ny didy... Dia ahoana hoy Jesosy: "mandehana amidio ny fanananao dia zarao amin'ny mahantra"... DIa lasa ilay zatovo fa nofosain'i Jesosy tamin'ny mpianatra hoe: "mora ho an'ny rameva ny miditra amin'ny void fanjaitra noho ny mpanankarena miditra ny fanjakan'ny lanitra" hihihiihihihih

Dia mazotoa aloha amin'ny dika vilana ao e

Dia mba manangana fiangonana hafa indray fa efa tsy omby intsony ilay taloha
57. endriny ( 27/10/2015 04:34)

Radavison:

Ny fahaizana sy fampiasana teny vahiny Razoky
dia mitovy amin'ny fahaizana sy fampiasana ordinateur ihany a...
Fa io ordinateur ampisainao io angaha moa vita gasy 100%?
Ka ianao io mampiasa odrinateur io, moa va tsy herin'aratra no ampiasainao, ka dia ho jiro saboran'omby ve no itsilovanao eo, satria izany no vita gasy?
Dia ianao eo izao io ve dia mbola misalaka, fa izany koa no nfitafy malagasy?
sns...

Ny tsy fanajanao ny an'ny razanao no ilanao ny tenivahiny mba hisehoanao fa naman'ny vahiny ianao. Fa io moa samy manana ny safidiny

Tsy misy idiran'ny fampiasana ordinatera sy fiara izany

Ny Japoney ve miteny anglisy rehefa miresaka kanefa ry zareo tsy namorona ny fiara, fa mba nandika ny fanaovana fiara ihany koa..

Fa manjray mifangaro ny ravitoto sy ny sesik'omby

Radavison:

Manao resaky ny olona naratra anaty sy be lonilony sy fangidiana ianao, mitady izay irika anatobahana an'izany hatrany hatrany....

Angaha moa ohatr'izany no firesaky ny olona maratra anaty ry dokotera? Izaho kosa aloha leon'ny lainga sy ny abobo aroson'ireto milazatena ho kristianina eto Madagasikara ireto e... Mivavaka sy Berisoriso ka ny fahafolon=karena no mody ibabohana... @'ity karama tsy misy mihoatry ny 3.000.000 ar kanefa ny fiara taingenana 300.000.000 ar... dia omena parking mitokana mihintsy andeha hiangona.... hihihiihih ry zareo moa izany sady tsy mividy sakafo no tsy mandoa jiro intsony no tsy mandoa ekaolazy angamba fa tonga dia karamany 10 taona

hitako eto fa naman'ireo Radavison
58. rhaj0 ( 27/10/2015 16:59)
rhaj0:
Eto izany misy 40 hono ny "fanimbana tena ateraky ny finoana" e... manana 40 andro isika izany hamahabaha ny tsirairay aminy..

http://www.patheos.com/blogs/wwjtd/2014/05/40-harmful-effects-of-christianity/

1. The discouragement of rational, critical thought. = Manakivy, tsy mandrisika - ny misaina sy mieritreritra, - ny manakiana sy mamahabaha araka ny lojika.
(rational = based on or in accordance with reason or logic
critical = expressing or involving an analysis of the merits and faults)

Dia inty indray misy iray.. Tonga dia nodinganiko any @ #4, azony ity no tena mihatra akaiky :-)

4. Children growing up to hate and fear science and scientists, because science disproves their parents’ religion – leading to appalling scientific illiteracy.

Hoe... ny zaza dia lasa mankahala sy matahotra siansa sy siantista, satria ny siansa dia mandiso ny finoan'ny r-a-d - ary izany dia mitondra @ tsy-fahalalana ny siansa.
:-) esy ee... dia i Strong3 eeee ...
59. endriny ( 28/10/2015 14:53)
Fa ny tena loza dia ity. Tsy ny tenany sy ny sainy ihany no simbainy fa miezaka manimba ny manodidina ihany koa izy.
60. Radavison ( 30/10/2015 11:21)

rhaj0:

[quote=rhaj0]Eto izany misy 40 hono ny "fanimbana tena ateraky ny finoana" e... manana 40 andro isika izany hamahabaha ny tsirairay aminy..

http://www.patheos.com/blogs/wwjtd/2014/05/40-harmful-effects-of-christianity/

1. ... Tonga dia nodinganiko any @ #4, azony ity no tena mihatra akaiky :-)

[i]4. Children growing up to hate and fear science and scientists, because science disproves their parents’ religion – leading to appalling scientific illiteracy.

Hoe... ny zaza dia lasa mankahala sy matahotra siansa sy siantista, satria ny siansa dia mandiso ny finoan'ny r-a-d - ary izany dia mitondra @ tsy-fahalalana ny siansa.
:-) esy ee... dia i Strong3 eeee ...

Ny devoly sy ny fanangoleny no tena fahavalo Razoky an!
Izay tsy mitandrina dia arapany...

Fanangoleny =
- Fampiesonana voalohany : tsy misy an'izany fahaverezana na/sy fanavotana izany, fa izay tianao atao ihany atao.
- Fampiesonana faharoa :Ireo izay te-hino ampiesony ao anatin'ny religiosité-ny ao, na inona na inona confession arahiny fa ndrao dia mahita ny tena marina ka tsy ho azo fitahina intsony...
- Fampilendalendana : misy intérêt ho anao fa ataovy na dia tsy mandeha amin'ny izay tokony ho izy aza...

Veloma Tompoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3477