Ny fanimbana tena ateraky ny finoana
61. rhaj0
(
02/11/2015 19:35)
Tsy azoko hoe, ahoana indray azany ny devoly no soketain'i Radavison ho "mampiesona"..
Mampiesona = mampatory.
Tsy ny devoly akoriny azany ve no nampirisika hoe, mifohaza ary 'ndana kitikitiho ilay Hazon'ny Fahalalana atsy ??
Tahak'izay nefany nety mbola natory tany @ Lanitra faha-7 daholo ny... "mpino" rehetra..
Fa ny mahavariana ahy, dia rahefa hozy ny mpitarika sekta hoe... "minoa ahy" na hoe "minoa an'izao" fa ho "avotra ianao", dia avy daholo ny Kristiana "tena izy" fa manenjika ilay mpitarika sekta @ antsilava. Dia nefa anie i Jesosy ihany no nianaran'ilay mpitarika sekta @ io eee... i Jesosy no niteny voalohany toatoa io hoe, "minoa fotsiny ahy fa ho avotra ianao"..

62. endriny
(
03/11/2015 06:31)
Dia maro ny olona manakipy ny masony ary manampina ny sofiny ka tsy mandre izay rehetra ao amin'ny fampianarana izy ireo fa izay tiany singatsinganina ihany no ataony...
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
63. Radavison
(
03/11/2015 11:18)
endriny:
Dia maro ny olona manakipy ny masony ary manampina ny sofiny ka tsy mandre izay rehetra ao amin'ny fampianarana izy ireo fa izay tiany singatsinganina ihany no ataony...
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
Arahabaina ianao Razoky endriny,
Ny fahazoako azy dia te hitady fanamarinana ho an'ny tenanao ianao
amin'ny alalan'ny fanasongadinana izay azo anamelohana ny hafa, na mitombina na tsy mitombina : "mamolo ondry, sns...", eny fa na dia Izy Andriamanitra aza sahinao melohina ho mpamono zanaka... (ny anao fanamelohana hatrany hatrany, fa ny an'ilay iraka lahy kosa fanafòkana...)
Ho anao izany rehefa meloka ny hafa, dia setrin'izay avy hatrany dia ianao no marina...
Tsy misy izay tsy meloka Razoky an; fa ny fanamarinana no misy : dia ao amin'i Kristy.
Raha mitady "kill" araka ny voalazanao dia efa ho nomeko teto ny adiresy.
Veloma ianareo,
Radavison
64. Radavison
(
04/11/2015 08:17)
endriny:
Dia maro ny olona manakipy ny masony ary manampina ny sofiny ka tsy mandre izay rehetra ao amin'ny fampianarana izy ireo fa izay tiany singatsinganina ihany no ataony...
Teny malagasy mazava tsara izao aza mila averina im-piry vao azonao,
Koa raha ny Baiboly iray manontolo no ho entina eto, hatao toy izany,
ny toko iray aza mety tsy ho vita herin-taona
fa aza maika ny hihampanga, fa mba mijere tena aloha...
endriny:
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
Raha tena lehilahy manam-pahasahiana sady mitana tsara ny teninao ianao
dia mba mandehana eny @ AKAMASOA/Andralanitra,
dia ataovy antso avo hoe "volosan'i Mompera Pedro fotsiny ianareo rehetra ireo!"
65. Radavison
(
04/11/2015 09:33)
endriny:
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
Dia aza odiana fanina koa ny asa vitan'i Mompera Jacques Couture tao Andohatapenaka/Antananarivo...
sy ndry Masera mitsabo ny boka ao Ampasy-Nahampoana/Tolagnaro...
sy ndry Pasitera ao amin'ny Hopitaly Manambaro... sns sns fa ohatra vitsy monja ihany ireo...
Izaho aloha tsy nahavita.
Fa ianao kosa, inona no mba efa vitanao,
afa-tsy soketa sy fiampangana be fahatany ???
66. Radavison
(
04/11/2015 10:06)
endriny:
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
Dia aza odiana fanina koa, indrindra fa ianareo any dilambato any :
Caritas/Secours Catholique : Tsunami (déc 2004), séismes Haiti Népal, Afrique, sns
Armée du Salut
Catholic Relief Service (USA)
Mennomites : LES AMIS DE L'ATELIER
67. rhaj0
(
04/11/2015 12:03)
Izaho kosa aloha dia misapOritra @ Kristiana (sasany) rahefa tena ao @ ilay manampy ny olona marary/malemy/osa/mahantra zareo eee... Hitako ho'a ilay tatsy Andoharanofotsy, ka ankizy efa tena mararibe, hotry ny nibontsina be ny lohany, dia tsy (navela) maty fa mbola notezain-dry Masera tao... Fa be koa ny ONG, na koa ohatra ny Croix-Rouge, manao ny ataony, ary tsy ampanarahana anjomara koa izany.
Fa ny critiques an'i Mother Teresa mba rereko aloha, dia mba eritrereto ihany koa... hoe:
- ny institution-ny kay TSY "hopitaly", hoe hitsabo sy hanasitrana, fa naman'ny "soins palliatifs".. ary nandaginina ny sasany, na ny maro, fa dia misy olona tsy tokony @ "soins palliatifs", nefa "nino" (na nihevitra) fa "hopitaly" ity izy, dia ... matimaty foana tao, fa vokin'ny vavaka tao fotisny fa tsisy fitsaboana "tena izy". Ary misy azany "hono", tena fanahy iniana tsy tsaboana mihintsy, fa tena sesefana "vavaka" tao fotisny..
- nisinisy ihany ny dons, mba hoe, ho fandraisan'anjara hanampy ireo marary izany, nefa dia ... toa lasa tany @ vatan-drakitr'i Vatican efa multi-milliardaire indray no niafarany
Rereko ireo, ary izay no tavela ato @ fitadidianako ato... "The Rumor Has It", hozy i Adele izay, fa dia itadiavako source/reference indray izany raha misy fotoana aho eee...

68. Radavison
(
04/11/2015 14:33)
endriny:
Satria mafy ny fitadiavana kila hamenoana ny valan'ondry... tsy maintsy mamolo ondry vao velona miavaka amin'ny be sy ny maro
... Ny Dadabenay narary nalemy, dia lasa feno escarres,
tsy arakay fianakaviana intsony ny fitsaboana azy,
notsaboina maimaim-poana tao Tongarivo/Tanjombato mandra-pahafatiny...
(hospitalisation complète, h@ ny sakafony sy ny blanchisserie tsy nisy nandoavana na dia iraimbilanja aza! averiko indray : na dia iraimbilanja aza!)
69. rhaj0
(
04/11/2015 17:31)
[size=8]Dia ahoana ilay mba hoe, mamerina manome rahefa avy nahazo eee... Ampian'ilay resaka hoe, ianao toa tsy (mety) nanome ny "antsasam-panananao", satria TSY mahakasika anao, hoz'ianao, ny resak'i Jesosy eee...[/size]
70. endriny
(
05/11/2015 05:39)
Radavison:
Dia aza odiana fanina koa, indrindra fa ianareo any dilambato any :
Caritas/Secours Catholique : Tsunami (déc 2004), séismes Haiti Népal, Afrique, sns
Armée du Salut
Catholic Relief Service (USA)
Mennomites : LES AMIS DE L'ATELIER
Miainga any ry zareo tia sehoseho toa fariseo...
Fa modiana fanina ve fa ny CRS tsy hiasa maina ho anao raha tsy ianao no ataony fitadiavam-bola ho an'ny fikambanany. Dia nandefasana vazaha Amerikanina 2 mahay mitenigasy mihintsy ny CRS Madagasikara noho ny fanodikodinam-bola ataon'ny Eveka amin'ilay hoe Caritas...
Sao heverinao tsy haiko aza fa ny tapitrisa daolara nangatahana anaovana fanampiana ny any atsimo dia zara raha misy tonga any ka ny olona indray no angatahana fanampim-bola. Dia iza no nanao izay? CRS-Caritas
71. endriny
(
05/11/2015 05:42)
Dia maro ireo olona milaza fa ry zareo efa manana takila sy pasipaoro ho any an-danitra, Toa ireo Fariseo nilaza" Misaotra anao aho Atra fa tsy sahala amin'ireny samaritana ireny izahay..." hihihihihi
Amen Jesosy fa sao lasan'ny cyber daholo ny saosy
Amen Jesosy fa sao lasan'ny cyber daholo ny saosy
72. Radavison
(
05/11/2015 13:38)
endriny:
Dia maro ireo olona milaza fa ry zareo efa manana takila sy pasipaoro ho any an-danitra, Toa ireo Fariseo nilaza" Misaotra anao aho Atra fa tsy sahala amin'ireny samaritana ireny izahay..." hihihihihi
Amen Jesosy fa sao lasan'ny cyber daholo ny saosy
Salama Razoky endriny an,
Niezaka nitady tamin'ny aterineto an'io fanodikodinam-bola nolazainao io aho fa tsy nahita...
Ny lalana hahazoanao pasipaoro ho anao no natoro anao, fa satria tsy mety ampindramina izany io...
Fa mba asa hoy aho ny fahazoanareo teny malagasy @ efa nolazaiko, teto na t@ lohahevitra hafa, hoe :
"tsy misy olona marina na dia iray aza, fa ny fanamarinana no misy dia i Kristy..."
ka ianao ve raha mamaky an'io dia lasa hoe "Misaotra anao aho Atra fa tsy sahala amin'ireny samaritana ireny izahay... hihihihihi"
Fa ianao no tsy te haka, tsy te hahazo, dia aleonao mijanona tsy manana dia amin'izay heverinao fa tena mitombina tsara sy manan-danja kokoa ny fiampanganao fa mirehareha sy manandra-tena toy ny fariseo...
(Ny fitenenana ny zavatra ananana Razoky tsy midika avy hatrany hoe fireharehana, raha tsy hoe ny saina mihitsy efa mibiloka an! Raha miteny aho hoe afaka bacc aho tamin'ny taona xxxx, manam-bady aho, manan-janaka aho, inona ny fireharehana anatin'izany? fa raha vao hoe manana tapakila sy pasipaoro aho,...? ... lonilony?... fialonana?
Koa raha am-pihi-mamba ho ahy(anay) ny fahazoana pasipaoro, dia tsy ho naotoroko(nay) anao ny lalana hahazoana an'izany.
73. Radavison
(
05/11/2015 14:58)
endriny:
Dia maro ireo olona milaza fa ry zareo efa manana takila sy pasipaoro ho any an-danitra, Toa ireo Fariseo nilaza" Misaotra anao aho Atra fa tsy sahala amin'ireny samaritana ireny izahay..." hihihihihi
Amen Jesosy fa sao lasan'ny cyber daholo ny saosy
FAHAZOANA PASIPAORO:
Mino ianao fa ny sorona vitan'i Jeso Kristy no fanamarinana sy fanavotana anao, ka raisinao izany, ary tànanao mafy. Izay fotsiny dia tafiditra ny Fanjakan'Andriamanitra ianao amin'ny fahaterahana vaovao. Ka aiza amin'izany izay lazaina fa fireharehana : Izy nahavita sy namome, izay te hahazo mandray sy maka fotsiny... averiko indray : izay fotsiny!
(Tandremo anefa fa tsy pli-vava fotsiny toy ny an'ny boloky io, ka raha hoe misy manontany dia mba averina, fa tena faharesen-dahatra tanteraka marina tokoa!)
Izay rehetra fahaizana, fahalalana sy cyber ary fahamarinana ankoatr'izay dia fanampiny fotsiny ihany (suppléments fa tsy complément akory aza) ho anao hitomboanao tsara ao anatin'io fanjakan'Andriamanitra io, mba tsy ho mora tsaingohin'ilay ratsy ilay voa vao nitsiry...
Ao ireo namana hafa afaka milaza na diso na marina io volazako io : RBNIR, strong3, gasy1zay, bor2lais, leva2, sns... mba tsy ho feon-dakolosy tokana.
Izay koa ny famintinana ny Baiboly iray manontolo manomboka amin'ny Genesisy ka hatrany amin'ny Apokalipsy; indrindra @ ity resaka hoe "sombitsombiny é...tsaingotsaingoina é, ...testameta taloha ihany é, ...Evanjily 4 ihany é(Mt Mk Lk Jn), ...tsy tafiditra ao izany Apok é, ...porofo é ... scientifique é, ...omnipotentialité ...amidio ny fananana é ...sns" ...
Fa tsy misy resaka an'izany hoe "izahay tsy mitovy amin'iretsy..." na izahay toy izao kokoa noho ndry endriny no nahazoanay pasipaoro...
Dia ho avy eo indray ilay hoe "...ianareo no hiravaka ny vanginy...?" fa vavan'ny mpitaty ran-kena fotsiny ihany izany... fa Izy Tompo no efa nanome k'inona no olana!
Fa raha io sorona io indrindra no mamparikoriko anao no sady anamelohanao an'Andriamanitra satria hoe "zanaka no atao sorona", dia tsy hitako izay ambara anao afa-tsy ny hoe:
Veloma, soavà tsarà, mahita làlana hafa (fepetra voalohany=raha tianao ; fepetra faharoa=raha misy)... fa aza lotika sy ratsy fijery an'izay efa nahazo!
Radavison
74. endriny
(
07/11/2015 05:26)
Radavison:
Jesosy ho'a tsy nikaozy taminako hoe manorena fiangonana... Tsy ny nikaozy tamiko mihintsy izy hoe asio testamenta vaovao sy Apokalipsia ny Bibilaosy... Ary tsy nikaozy tamiko izy hoe rehefa mivavaka dia amin'ny anarany no atao fa tonga dia hoe amin'ny anaran'ny ray...
hohita eo rehefa any ianao hoe pasipaoro tena izy ve sandoka no any aminao, Ianao izay miantehatra mafy amin'ny fampianaran'ny jentilisa Paoly sy ny forongony...
Ho ela velona anie ny raomanina sy raoma ary ireo sampan nokolokoloiny