Ka ahoana Strong3 - efa TSY mino Baiboly intsony va ianao

1. rhaj0 ( 13/10/2015 19:35)
Lava izay fifanakalozana izay, fa raha ny fahitako azy, dia efa manomboka TSY mino ny Baiboly intsony i Strong3. Ka miasa kosany ilay saina, fa tsy hoe dia matory lava ao, ary dia mahita ny aberration sy absurdité ary incohérence eran'ny sobika sy fanta-bary ao, ary dia ... mivoatra (évolution) eeee...

Sa ahoana Strong3 ?

Sa mbola... toa zazakely, dia vasoka mipotsa-molotra ho'a, dia midongy be manao di-doha ao fotsiny, fa tsy mety miaiky ny hadalana natao, dia hoe, "tena mbola mino ny Baiboly" ianao ao ???

Sa indray mbola misy doute kely ianao.. hoe, raha izany dia ahoana tokoany moa ireo notions sy concept ninoana be anjambany taloha ireo... toa tsisy valiny mahafa-po, na hoe takatry ny saina. Raha io dia ... aza matahora eee... :-)

Raha ny marina, ny tazatazako aty, dia betsaka tokoany ny olona toa anao @ io dingana misy anao io. Tena hitany ilay aberration/absurdité/incohérence, nefa tena mbola misy banga indray nefa ny fi(s)ainany, ary dia ... lasa "spiritoalibe" hono izy ao eee... misy "mazia-mirakla" ihany ao @ imagination-ny ao, fa TSY "ara-Baiboly" intsony.

F'efa dingana iray lehibe io no voadingana(o) eee.... arahabaina bainina aaaa...


Fa raha tena sahirana ianao ao, dia... eny azany eee... ndao mody atao hoe "mbola mino" ianao, @ izay mbola mitohy ny resak'hehy eee... :-)

novalian'i Strong3 ny 16/10/2015 11:04
2. Strong3 ( 14/10/2015 06:25)
Hoan'i rhaj0 malalan'i Jesoa! :-)

_ lava tokoa izany fanotanianako tsy voavalinao izay ka efa tazoko sy tapako fa manao amboletra fotsiny sisa ianao ka tonga minomino foana na mampinompino foana ny tenanao sy izay mametraka fanotaniana aminao;

__ toa terenao ny tenanao hanaiky fa :
TONGA TONGA HOAZY NY GALAXY AMINA LAVITR'ISA sy ny OLOMBOLONA SY NY MANODIDINA AZY
ary mba tsy ho absurde ilay hoe ianao irery dia miantso kil toa sekta enao mba hiaraka hinohino foana aminao !

ka dia arabaina izany rabainna fa tonga amin'ny klioban'ny minomino foana ihany koa

Mahereza eh :-)
3. rhaj0 ( 14/10/2015 10:42)
hi hi hi ... fa efa "mino" izany k'lou i Strong3 fa
1- misy galaxies an'arivony na an'aliny akoriny azany,
2- ary dia ny iray @ ireo galaxieS no misy antsika, dia ny "La Voie Lactée",
3- ary ao @ galaxie-ntsika io, misy kintana (etoiles) an'arivony na an'aliny akoriny azany,
4- ary dia ny iray @ ireo étoileS no misy antsika, dia ny "masoandro",
5- ary ao @ "systeme solaire", dia misy planeta maromaro, ka ny iray, dia ny "Tany"
6- ary ao @ "Tany" dia misy firenena maro, ka ny iray dia Gasikara
7- ary ao Gasikara, dia misy olo maro, ary ny iray dia i Strong3

Ary efa tena efa "mino" koa izany i Strong3 izao, fa RIDICULE be ilay hoe
8- i Andrmntra, izay manan'endrika toa i Strong3, no namorona an'ireo rehetra ireo, raha jerena fotsiny ny dimension-ndreo, dia tena "taim-bovoka" na i Andrmntra na i Strong3
9- na koa hoe, i Andrmntra, dia nijery manokana an'i Strong3 tao, fony izy ni-pipi kilaoty..


Ka hono ho'a... jereo ilay "echelle des temps".. hoe... fa nanomboka oviana t@ fifanakalozantsika teto ianao Strong3 no nanomboka "nino" ireo teboka 9 ireo ?..
Sa mbola tara @ ilay teboka #9 farany ihany ?

Eny azany e... mbola "mijery manokana" anao ao ihany hono IZY izany eeee... ngo dia mi-pipi kilaoty ao ianao fa fanina @ ireto galaxies/étoiles ireto ka manahirana.. :-)
4. Strong3 ( 14/10/2015 10:58)
nijanona ho mpampianatra ianao mandraka ity ny andraoany ary izaho dia mpianatra tonga ho mpiasa raha ireo teboka 9 ireo dia tsy misy vaovao fa ny nampianarinao tamin'ny taona drakidraky ihany no mbola lazainao an'io na any amin'ny tany mandroso aza enao rhaj0

raha mba hotohizako kely aza dia hoe:
ao anatin'ny vovoka iray tanana dia misy karazana biby tsy hita maso analiny maro sns ...

fa raha tsy mety hainao aza ny mamaly ny fanotanian-jaza fa valianao borainginy fotsiny
ahoana no fomba hamalianao ny fanotanian'olondehibe?

__ ilay echelle des temps dradradrainao lava io izany ilay tsy ho voavalinao mandrakizay hoe :
_ avy aiza no nisian'izany fiainana rehetra izany
fa dia valiana tsotra hoe: tonga tonga hoazy daholo izany ry mpianatra fa aza be fanotaniana fa ekeo fotsiny tahaka ny hoe verité absolu : masoandro avy any antsinana ... sy ny 1+1=

ireo teboka 7 voalohany lazainao ireo dia tsy hinoana fa zavatra hita maso
fa ny 8 sy ny 9 dia finoana izay; ny andrana natao no ilazana fa marina ny baiboly

fa ianao izao no minomino foana hatrany fa tongatonga hoazy ny zavatra rehetra!
tonga soa hoisan'ny mpinompino foana izany rhaj0 :-)
5. rhaj0 ( 14/10/2015 12:15)
Strong3:
avy aiza no nisian'izany fiainana rehetra izany

Io izany ilay tsy takan'ny hoza-dohanao, dia nisafidy ianao hoe, aleonao akapoka fotsiny @ hoe Andrmntra. Dia i Andrmntra izanuy no mahaforona sy mahavita ny zava-drehetra, h@ ny tenabeny izy Andrmntra avy azany no noforoniNY...

Dia io koa anefa izao ivanitihan'ilay namako Vietnamiana (bodista) foana ato... Andrmntr'iza, hoz'izy izay.. AndrmantrO sa AndrmntrAO ?? Ary izao moa, efa miitatra ny fahalalanao, dia afaka hanontaniako ianao hoe, Andrmntra, ilay avy @ galaxie La Voie Lactee, ve sa ... IZA, O IZA IZA ????


Ka io ho'a, rahefa tsy takatry ny hoza-doha, dia TSY mandeha mamoromporona sy minomino resaka an-jaza hotr'io, hoe mazia-mirakla na a-la-Baiboly io na TSY-a-la-Baiboly. Fa lasa mikarokaroka ilay saina eee... mandeha mandry miaraka @ google...

http://lmgtfy.com/?q=how+do+scientists+think+life+began+on+earth

Ndao azany dinihina miadana ny @ io...
6. Strong3 ( 14/10/2015 12:38)
rehefa tsy takatrin'ny hozadohako sa rehefa tsy takatrin'ny hozadohanao eh hihihihi :-)

tsy maintsy hiteny manko ianao rehefa avy vizaka mikaikokaikona ao hoe :
atra namorona an'atra
__ ka dia faranako hoe : ? any andohanao izay fiforonana izay
____

fa ela be izany fa andao hifidra pejy kely
amin'ilay hoe atrao sy atro
ny piramida sy ny kitana banjininy
ahoana no mba famakafakana azonao lazaina,
misy hery entin'ny kitana ve nandrasan'ireo sa ET no nifanerasera aminy tao
7. rhaj0 ( 14/10/2015 12:45)
Strong3:
ka dia faranako hoe : ? any andohanao izay fiforonana izay

hi hi hi... tsara fa azonao tsara ny resaka efa nandeha lava teto.. hoe ao @ "imagination"-draolona ao daholo ihany izany Andrmntra izany, fa TSISY an'izany Andrmntra izany ao @ galaxie La Voie Lactee...

Averiko kely: "TSISY an'izany Andrmntra izany ao @ galaxie La Voie Lactee... "


Fa raha avadikao ny pejy, dia tsy azoko tsara... inona no ifandraisan'ny "kintana' sy ny "piramida" ??..
8. Strong3 ( 14/10/2015 13:01)
googléo indray aloha ilay lavaka kely fijerin'ny momian'i farao rehefa mihidy ao amin'ny fasana piramida ao zalah

azonao ve?
9. rhaj0 ( 14/10/2015 13:27)
Io ve tsy efa kOpy ianao, fa efa hoe ho'a hoe, RIDICULE be ireo Magy lasa gaigy nony nifanojo i Regulus sy Jupiter eeee...

ooops.. kay moa ianao mbola mino an'izany, ka hoe, rahefa mifanandrify ny "any ambony any", dia misy enerzia dada ka dada mipaka hatraty an-tany... na dia hoe, amina million de km ilay Jupiter ary amina mille milliards de mille sabords de km i Regulus.. ka izay force gravitationnelle na force electromagnetique avy amin-dreo, dia imaginer-nao mahakitika anao ety an-tany... ka mampiakatra ny pyramida ve ???
10. gasy1zay ( 14/10/2015 14:19)
i rhaj0 dia manidy an'Andriamanitra ho ao anaty box baiboly fotsiny, na ho eo @ planeta tera fotsiny, aminy zany raha misy astronaute kristianina sendra mivavaka any anaty sambon-danitra ambony any dia tsy hahita an'Andriamanitra fa efa lavitra ny atmosphere terrestre.

Ka averina indray hoan'i rhaj0 fa tsy mety azony na iniany tsy azo (tena tsy haiko) :

1- Andriamanitra dia Fanahy, na dia misy sarisary nalefanao tatsy aza dia izy dia Fanahy ka tsy voafetra hoe eto @ ty toerana ity ihany. Ndao isika hozy hanao olona mitovy endrika amintsika, ka inona moa no mahasamihafa ny olombelona @ biby? Isika manam-panahy , ilay fanahy tao amintsika no mitovy endrika @ Fanahin'Andriamanitra fa tsy ny vatana nofo sy ra, asa raha tadidinao rhaj0 ilay resaka hoe ny Fanahy no miakatra any an-danitra fa tsy ny nofo mety ho lo.

2- Andriamanitra dia omniprésent ( efa voalaza tatsy koa) :
Qui est présent en tous lieux, dont la présence est continuelle
ka raha tsy azonao ny dikan'ny hoe omniprésent dia mazava hoazy hiteniteny foana ianao hoe ao @ baiboly sy ny planeta terra ao ihany no misy azy. Ny Omniprésent rhaj0 dia eo na aiza na aiza misy anao, na eto @ terre na Mars na any @ ilay rahavavin'ny planeta terre ary @ année lumière ary, na any @ galaxie lavitrisa ary.

3- Andriamanitra dia omniscient sy omnipotent ( mbola voalaza tatsy koa), hainy ny zavatra rehetra, na mamorina ny tsy misy, na manafoana ny misy, raha milaza ny mpino fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao, izao tontolo izao = izao tontolo izao (lanitra+tany+kintana+volana+...) fa ianao rhaj0 no mametra hoe ny izao tontolo izao inoanareo dia eto an-tany ihany, na izay tazan'ny maso ihany, fa iza no milaza hoe ny ivelan'ny voie lactée dia tsy izao tontolo izao intsony fa efa tontolo hafa sa natokana hoan'ny siantista ny any satria tsy takatry ny sainy sy hanaovany fikarohana?

ka rehefa tsy ekenao na inoanao ireo voalaza ireo dia lasa miteniteny foana toa izao ianao, ndana aloha miverina mamaky baiboly ianao rhaj0 dia vakio ny genesisy ary ataovy hoe mitombina ireo nambarako ireo dia hitanao fa tsy misy tsy lojika araky ny voalazanao izany ao, satria lasa tsy lojika izy rehefa tsy mino ny herin'Andriamanitra ianao, ary tsy lojika ilay izy rehefa tsy takatry ny sainao ny zavabitany. tsy hoe zavatra impossible @ olombelona dia tsy possible @ Andriamanitra, inona no maha Andriamanitra mahagaga azy raha izany?
11. rhaj0 ( 14/10/2015 14:37)
eny ho'a... rahefa mipatitaka ny masoandro, satria efa fantatra fa ny masoandro izay etoile dia misy fetrany koa ny fisiany, dia mipatitaka ny systeme solaire manontolo, h@ glaoby misy anao.. Ka dia izay taim-bovoka rehetra tao, dia ianao sy .. Andrmntra, dia .. mipatitaka eee...

Dia aiza IZY @ izay? Aiza ilay hoe "fanahiNY" rahefa "mipatitaka"?

Nisy olombe teolojiana be, rahefa nandinika ny BAiboly tao, dia toa nilaza fa lasa atsy @ galaxie ao akaikin'ny La Voie Lactee ao hono eeee...

Fa ianao moa izany, rahefa nandinika ny Baiboly koa, ianao @ io mahay noho ilay iray itsy, dia hilaza hoe, ilay Fanahy ka tena amina Univers parallel, fa tsy hoe galaxie voisine izany... ary i Andrmntra dia any koa, ka sintominy any daholo isika raolombelona (tsy nanota) izay manam-panahy toa AZY koa. Ary ilay "univers parallel" dia tsy hitan'ny telescope... tsy hitan'ny maso, fa "masom-panahy" ihany no mahita azy...

eny... "lojika" ary "possible" be tokoany an... oadray... tsy "lojika" mantsy fa "mahagaga" eee... :-)
12. gasy1zay ( 14/10/2015 15:08)

rhaj0:

eny ho'a... rahefa mipatitaka ny masoandro, satria efa fantatra fa ny masoandro izay etoile dia misy fetrany koa ny fisiany, dia mipatitaka ny systeme solaire manontolo, h@ glaoby misy anao.. Ka dia izay taim-bovoka rehetra tao, dia ianao sy .. Andrmntra, dia .. mipatitaka eee...

Dia aiza IZY @ izay? Aiza ilay hoe "fanahiNY" rahefa "mipatitaka"?

Nisy olombe teolojiana be, rahefa nandinika ny BAiboly tao, dia toa nilaza fa lasa atsy @ galaxie ao akaikin'ny La Voie Lactee ao hono eeee...

Fa ianao moa izany, rahefa nandinika ny Baiboly koa, ianao @ io mahay noho ilay iray itsy, dia hilaza hoe, ilay Fanahy ka tena amina Univers parallel, fa tsy hoe galaxie voisine izany... ary i Andrmntra dia any koa, ka sintominy any daholo isika raolombelona (tsy nanota) izay manam-panahy toa AZY koa. Ary ilay "univers parallel" dia tsy hitan'ny telescope... tsy hitan'ny maso, fa "masom-panahy" ihany no mahita azy...

eny... "lojika" ary "possible" be tokoany an... oadray... tsy "lojika" mantsy fa "mahagaga" eee... :-)


ka tsy mety azonao rhaj0 ilay omniprésent ka tsy hitako zay azo atao anao,
http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/omnipr%C3%A9sent_omnipr%C3%A9sente/55968
hoy larousse hoe : Qui est présent en tous lieux, dont la présence est continuelle

ka io na hofaty ny masoandro sy ny kintana dia eo foana izy e! Izy no namorona ny masoandro ary efa teo talohan'ny masoandro sy ny kintana voafetran'ny fotoana araka io nambaranao io. Ilay nanamboatra ny masoandro ve zany tokony ho faty sy levona miaraka @ masoandro? Izay ny fahazoan'ny hozadohanao azy ao ve?
13. bor2lais ( 14/10/2015 15:40)
gasy1zay->ramose:

ka tsy mety azonao rhaj0 ilay omniprésent ka tsy hitako zay azo atao anao

:-)
Normal be raha tsy azony ... ny resaka Andriamanitra ! Vatana+saina (google) ihany ny azy fa tsy mba vatana+saina+fanahy !
14. rhaj0 ( 14/10/2015 15:43)
Ngo dia ianao azany no tsy mahatakatra... i Ralarosy angaha mandalina ny "dikany manokana" fataon'ny "mpino".. wikipedia jerena eeee...

https://en.wikipedia.org/wiki/Omnipresence
In monotheistic beliefs like Christianity, Judaism, and Islam the divine and the universe are separate, but the divine is present everywhere. In pantheistic beliefs the divine and the universe are identical...

Io izany ilay "univers parallel"-n'ny Krisitana ohatra eee... na hoe, "separate universe" hozy wiki io. Ka tsy @ "univers " hitan'ny telescope io izany no misy an'Andrmntra hono, fa tena ... eny ho eny ee... ho aiza moa fa tsy dia ho ao @ imaginatoin (collective)-na(re)o ao ihany.



Ny omnipotent sy omniscient efa noresahiina teto (tsindrio eto) dia efa nampivanitika gilady, hoe
- "tout est possible avec Dieu l'omnipotent... ssi quand c'est "intrinsèquement possible"...
- "fantatr'Andrmntra l'omniscient" izay zavatra rehetra ... "fantatra"


Fa eto indray izany, dia
- "eny rehetra eny" i Dieu l'omnipresent.. fa raha sanatria tsy hitanao IZY, dia efa tafavadika atsy @ "univers parallel" indray e...
Ary rahefa rava mipatitaka ny "univers"-nao, dia ho sarihiny atsy @ ilay "univers parallel"-ny @ izay ianao (raha tsy nanota).

Izay ooo ??? ... angaha tsy "mahagaga" ... :-)
15. Strong3 ( 15/10/2015 06:39)
angaha tsy mahagaga !

tsy mahagaga mihitsy ka. satria enao hanaporofo finoana amin'ny hitamaso
nefa ny finoana dia tsy hita maso ary tsy misy fomba ahafahanao i-determiné azy hoe izao na izatsy.
__ io izany rhaj0 dia tahaka ny dr mbola tsy nahita microscope taloha eh! ... tsy hita izay fanefitrin'ny aretina rehetra
ka ity finoana ity de tsy mbola ho hitanareo siantifika sy tsimisiAtra mihitsy ny fika hanaporofoana hoe : MISY FANAHY NY OLONA SA TSIA, MISY ATRA SA TSIA
fa ny mino dia mahatsapa ny fisiany! :-) :-) :-)

« Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; » (Romana 5:3)
« ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; » (Romana 5:4)
« Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana. » (Romana 8:25)

---- «... Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
« Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo. » (Hebreo 11:2)
« Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. » (Hebreo 11:3)

--- « Fa isika izao amin'izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty. » (2 Korintiana 5:4)
« Ary Izay efa namboatra antsika ho amin'izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy. » (2 Korintiana 5:5)
« Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin'ny tena, dia tsy mitoetra any amin'ny Tompo » (2 Korintiana 5:6)
« (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana); » (2 Korintiana 5:7)
« eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin'ny tena, fa ny hitoetra any amin'ny Tompo. » (2 Korintiana 5:8)
« Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra. » (2 Korintiana 5:9)
« Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. » (2 Korintiana 5:10)

16. rhaj0 ( 15/10/2015 13:01)
hi hi hi.. izaho izany ironique mamely hoe "angaha tsy mahagaga", dia i Strong3 serieux milaza hoe "TSY mahagaga", dia nefa i Gasy1zay serieux koa milaza hoe "(Andrmntra) mahagaga"...

ka inona ihany eee ??? :-)

Fa tena tsy takatro ireo ngenongenonao an'ireto toko aman'andininy lavabe sy be dia be ireto..

entre-pa fa, manipy tanana any an-danitra ve ianao @ io no sady mi-tapy ihany?
sa sady miankohoka mafy eo @ klavie?
hitako no be diso tsipelina ny soratrao :-)
17. rhaj0 ( 15/10/2015 15:53)
Strong3:
ny finoana dia tsy hita maso

OK, serieux azany e.

Eny azany ho'a fa kOpy aho eee... Ilay "tsy-hita-maso" na ilay "3eme etage" na ilay "fanahy" dia atsy @ ilay "univers parallel" izay tsy hitan'ny telescope (sy ny siansa).

Dia tsotra: izay concept sarotsarotra ka tsy takan'ny hoza-doha, dia .. importer-na na exporter-na avy @ io "univers parallel" io. Na ny resaka creation izany, na ny resaka mitsangana @ maty na fotsiny hoe marary kibo na hoe dondrona na koa hoe mahantra eee....

Dia ny resaky ny Baiboly koa, raha absurde na aberrant na ridicule na incoherent, dia tsy quoi fa satria, ao @ ilay "univers parallel", dia TSY absurde na aberrant na ridicule na incoherent ilay izy. Ary ny Baiboly ihany no mahay an'io "univers parallel" io fa ny Hindu sy Moslime h@ Bodista dia ganagana daholo.

"mahagaga" an...
18. RBNIR ( 16/10/2015 01:08)
rhaj0:

Averiko kely: "TSISY an'izany Andrmntra izany ao @ galaxie La Voie Lactee... "

Marina izany, tsy possible tokoa hoe ao amin'ny voie lactee no fonenany satria ny baiboly dia manambara fa mbola lehibe lavitra noho ny lanitry ny lanitra ANDRIAMANITRA,
« Andriamanitra va dia honina ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! » (1 Mpanj. 8:27)
« Andriamanitra va dia honina amin'ny olona ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! » (2 Tant.6:18)

Ary voalaza fa mitaingina an'io lanitry ny lanitra io IZY
« Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. » (Sal.68:33)

Ho an'izay tsy mahafantatra aloha dia misy ny karazana lanitra maro (manamafy izany ny baiboly) ary ilay atao hoe paradisa dia any amin'izany atao hoe lanitra fahatelo izany no misy azy raha ny baiboly no vakiana...
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Kor.12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

Ny paradisa moa dia toeram-pitsaharan'ny fanahin'ireo olona "maty ao amin'ny Tompo" fotsiny ihany fa tsy mbola tena ilay fiainana mandrak"izay fa ilay fiainana mandrak'izay kosa dia any amin'izany "tany vaovao" sy lanitra vaovao" izany (Apok.21:1,2)

Izay indrindra no tiako hisaritana ny saintsika rehetra hoe LEHIBE TENA LEHIBE ANDRIAMANITRA , TSY HITA REFESINA NY FAHALEBIAZANY SY NY HERINY ARY NY FAHAIZANY SY NY FAHALALANY KA MENDRIKA HOMEM-BONINAHITRA IZY

« ... Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)
19. Strong3 ( 16/10/2015 08:51)
Diogène "Je cherche l'Homme, et je ne vois que des hommes !".

mba niezaka ihany izany ry manampahaizana hikaroka fa eeeh manejika aloka
__ Youri Gagarine était très apprécié par Korolev pour son calme, son optimisme et son sens de l'observation : « Pendant les journées de préparation pour le lancement [...] lui seul semblait rester calme. Plus que cela : il était plein de bon esprit et rayonnait comme le Soleil »64. Pour la BBC, « sa personnalité aimable et modeste a charmé le monde »40.

Après le vol, certaines sources ont déclaré que Gagarine pendant son vol spatial a fait le commentaire : « Je ne vois aucun Dieu là-haut ». Cependant aucune parole semblable n'apparaît dans les enregistrements des conversations de Gagarine avec les stations terrestres pendant le vol65. Un ami proche de Gagarine, le Colonel Valentin Petrov, révélera en 2006 qu'il n'avait jamais dit ces mots et que la phrase provenait d'un discours de Nikita Khrouchtchev au comité central du Parti communiste de l'Union soviétique où la propagande anti-religieuse était discutée66,67. Dans un certain contexte, Khrouchtchev dit « Gagarine a été dans l'espace mais il n'y a vu aucun dieu »66. Le colonel Petrov ajoute que Gagarine a été baptisé par l'église orthodoxe lorsqu'il était enfant. En 2011, le recteur de l'église orthodoxe de la cité des étoiles raconte que « Gagarine avait baptisé sa fille aînée Yelena peu avant son vol spatial ; sa famille fêtait Noël et Pâques et gardait des icônes dans la maison »

fa dia mitady izay haniliana io fisian'Atra io hatrany ny manampahaizana, soa voaporofo fa tsy niteny izany ilay ranamana ity fa ilay tsimisiATra tany no nanely tsaho!

20. tealala ( 16/10/2015 10:11)

rhaj0:

hi hi hi ... fa efa "mino" izany k'lou i Strong3 fa
1- misy galaxies an'arivony na an'aliny akoriny azany,
2- ary dia ny iray @ ireo galaxieS no misy antsika, dia ny "La Voie Lactée",
3- ary ao @ galaxie-ntsika io, misy kintana (etoiles) an'arivony na an'aliny akoriny azany,
4- ary dia ny iray @ ireo étoileS no misy antsika, dia ny "masoandro",
5- ary ao @ "systeme solaire", dia misy planeta maromaro, ka ny iray, dia ny "Tany"
6- ary ao @ "Tany" dia misy firenena maro, ka ny iray dia Gasikara
7- ary ao Gasikara, dia misy olo maro, ary ny iray dia i Strong3

Ary efa tena efa "mino" koa izany i Strong3 izao, fa RIDICULE be ilay hoe
8- i Andrmntra, izay manan'endrika toa i Strong3, no namorona an'ireo rehetra ireo, raha jerena fotsiny ny dimension-ndreo, dia tena "taim-bovoka" na i Andrmntra na i Strong3
9- na koa hoe, i Andrmntra, dia nijery manokana an'i Strong3 tao, fony izy ni-pipi kilaoty..


Ka hono ho'a... jereo ilay "echelle des temps".. hoe... fa nanomboka oviana t@ fifanakalozantsika teto ianao Strong3 no nanomboka "nino" ireo teboka 9 ireo ?..
Sa mbola tara @ ilay teboka #9 farany ihany ?

Eny azany e... mbola "mijery manokana" anao ao ihany hono IZY izany eeee... ngo dia mi-pipi kilaoty ao ianao fa fanina @ ireto galaxies/étoiles ireto ka manahirana.. :-)

Tena izay hitan'ny maso sy izay hitan'ny téléscope ihany ko kay no lazain ' i Rhaj0 dia mijanona hatreo ilay raisonnement ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3875