stahtam, Miarahaba ny mpiserasera rehetra ny tenak...

1. stahtam ( 11/09/2015 06:22)
stahtam,
Miarahaba ny mpiserasera rehetra ny tenako, ary mametraka ity fanontaniana ity ho an'izay liana amin'ny fitadiavana famonjena. Valiny tokana (eny na tsia) no mba tena iriko kanefa tsara kokoa aza tsy maninona raha arahim-panazavana avy aminao mpamaly. Misaotra mialoha e!
TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?
novalian'i stahtam ny 21/02/2017 07:41
2. Strong3 ( 11/09/2015 12:30)
« Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] » (Daniela 9:26)
« Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] » (Isaia 53:8)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:7)
« Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. » (Romana 8:34)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)
« ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jaona 4:3)

[size=25] ENY[/size]

« Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. » (Asan'ny Apostoly 17:3)
« fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 26:23)
3. rhaj0 ( 11/09/2015 12:44)
SAtria mantsy hoe "Aza Mamono Olona" no Didy lehibe ?..
Dia raha misy "mamono olona", dia nefa raha manana fahefana, na fahafaha-manao ianao, dia tokony hanohitra ?..
Dia nefa toa navelan'ny Rainy ho faty teo ny ZanaNY ?

Ka tena mitombona ny fanontanianao hoe, dia "TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?"

Fa any @ A.tra no mivantana ny fanontaniana eee...
Izaho k'lou tsy hisolo-vava AZY ao (toa i Strong3 io), satria toa ... ao anaty plan daholo izany ary sitra-poNY eeee....
4. Strong3 ( 11/09/2015 12:58)
rehefa miova natiora hoa rhaj0 vao ahazo resaka ao amin'io baiboly io :-) :-)
5. gasy1zay ( 11/09/2015 13:55)
Andriamanitra efa nanambara fa : fahafatesana no tambin'ny ota, iza amintsika ry stahtam no tsy nanota? Raha afaka niditra na hiditra ny lanitra isika na hoe nahazo/hahazo famonjena nefa tsy nisy fahafatesana (na isika na ilay mesia) dia ohatrany hoe sanatria tsy marina ny tenin'Andriamanitra voalaza io.
6. rhaj0 ( 11/09/2015 14:21)
Ka "nanota" izany i Jesoa dia io (navela) maty novonoina io,
Sa ny olona no "nanota" dia i Jesoa io (navela) maty novonoina io

Fa miverina ihany ee.. aiza ilay hoe "Aza Mamono Olona" sy ny "Non-Assistance de Personne En Danger" ?? Nefa omnipotent ny Ray ?

misy mi-cloche izany resaka izany (fa tsy hoe izaho indray no mpisintona lakolosy).

Sa ny maha-omnipotent AZY, dia natsangany t@ maty indray ilay maty ??

Ka dia... mahatokisa da aza be fanontaniana azany fa ... ataony @ maha-mety azy ao foana io eee.. plan-ny daholo izany... minou fotsy.
7. gasy1zay ( 11/09/2015 14:57)

rhaj0:

Nanota isika dia i Jesoa no nitondra ny otantsika ka izy no novonoina teo @ toerantsika, ka raha mino ianao fa efa nisy Mesia tonga maty teo @ toeranao, ary efa nantsangan'Andriamanitra dia izay ilay hoe nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, dia voadio ny helokao ary @ izao sisa izao dia aza manota intsony :)
8. rhaj0 ( 11/09/2015 15:34)
Eny ho'a... mifalia mihobia, dia ny tenanao ihany jerena (hoe aza manota intsony)...

Fa izay "maty" sy izay "tsy maty fa natsangana" any rehetra any, na izay principe sy Didy hoe "Aza Mamono Olona" sy ny "Non-Assistance"... avelao any daholo izany, aza atao mamparary an-doha na mamparari-fo, fa "plan" sy "sitrapoNY" dia OK foana... alleluia hosannah... minou fotsy.
9. endriny ( 12/09/2015 05:01)
TSIA
10. endriny ( 12/09/2015 05:03)
ito ny fanazavako azy
11. stahtam ( 14/09/2015 09:23)

gasy1zay:

Andriamanitra efa nanambara fa : fahafatesana no tambin'ny ota, iza amintsika ry stahtam no tsy nanota? Raha afaka niditra na hiditra ny lanitra isika na hoe nahazo/hahazo famonjena nefa tsy nisy fahafatesana (na isika na ilay mesia) dia ohatrany hoe sanatria tsy marina ny tenin'Andriamanitra voalaza io.
stahtam mamaly an'i gasy1zay,
Misaotra anao indrindra nandray anjara t@ famaliana io fanontaniana napetrako io. Tena goavana amiko mantsy ny fahalalana izany satria hasehoko @ fanontaniana manaraka eo ny antony.Nanaiky ianao hoe ENY, ary tambim-pahotantsika olombelona hoy ianao no antony. Isaorako anao izany valin-teny mazava izany ka ny tohiny manaraka dia hoe: raha tena tsy maintsy novonoina tokoa ny Mesia; MELOKA SA TSY MELOKA EO ANATREHAN'NY FITSARANA SY NY PLANIM-PAMONJENA VE IZAY NAMONO AZY (ny Jiosy) ? Misaotra mialoha e!
12. stahtam ( 14/09/2015 09:59)

[quote=Strong3]
« Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] » (Daniela 9:26)
« Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] » (Isaia 53:8)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:7)
« Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. » (Romana 8:34)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)
« ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jaona 4:3)

[size=25] ENY[/size]

« Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. » (Asan'ny Apostoly 17:3)
« fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 26:23)

[/quote=stahtam]
Isaorana eram-po eran-tsaina ny valin-teny mazava(ENY) sy ny fanazavan-kevitra nomenao e! Raha fintiniko dia hoe tsy maintsy novonoina ny Mesia noho ny faminaniana. Ka izao no tena anton'iny fanontaniako iny e: MELOKA VE SA TSY MELOKA NY OLONA NAMONO AZY (ny Jiosy) raha TENA TSY MAINTSY NOVONOINA TOKOA NY MESIA? Isaorana mialoha raha mbola mazoto @ serasera e!
13. stahtam ( 14/09/2015 10:17)

[quote=rhaj0]
SAtria mantsy hoe "Aza Mamono Olona" no Didy lehibe ?..
Dia raha misy "mamono olona", dia nefa raha manana fahefana, na fahafaha-manao ianao, dia tokony hanohitra ?..
Dia nefa toa navelan'ny Rainy ho faty teo ny ZanaNY ?

Ka tena mitombona ny fanontanianao hoe, dia "TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?"

Fa any @ A.tra no mivantana ny fanontaniana eee...
Izaho k'lou tsy hisolo-vava AZY ao (toa i Strong3 io), satria toa ... ao anaty plan daholo izany ary sitra-poNY eeee....
[/quote=stahtam] ho an'i rhaj0:
Isaorana betsaka ny valin-teny e! raha olona objectif, tsy miandany @ finoana izao na iroa tokoa dia tena mifanitsy ireo hevitra narosonao ireo; saingy fandalinana tsy avo loatra tahaka ireo narosonao ireo no tiako nanontaniana satria azo lazaina fa misy domaine tsy ho tratry ny saiko mihitsy e, ohatra naninona aho no tsy nahay nifidy ny ho lahy na ho vavy na ho lahimatoa na ho faravavy tao an-kibon'ny ray aman-dreniko? Noho izay fetra tsy azo ihoarana izay dia hotohizako ny fanontaniana mba hahatakaranao ny antony nametrahako io fanontaniana io: raha TSIA (tsy tokony ho novonoina ny Mesia) dia nisy ve ny famonjena? Ary raha ENY (tena tsy maintsy novonoina ny Mesia) dia MELOKA VE SA TSIA NY JIOSY IZAY NAMONO AZY ? Asa raha azonao ny tiako holazaina fa mbola mamerina fisaorana hatrany e. Mirary soa.
14. endriny ( 14/09/2015 14:51)
Dia faly rey ianao izany fa tsy ianao no namono kanefa miravaka ny fanavotana.... hihihiihihi. Milay be ilay fialana ilany a.... Na tiana na tsy tiana dia sampy mifototra tamin'ny famonoana olona ny fivavahana kristianina misy ankehitriny.
15. stahtam ( 15/09/2015 08:41)

[quote=endriny]
Dia faly rey ianao izany fa tsy ianao no namono kanefa miravaka ny fanavotana.... hihihiihihi. Milay be ilay fialana ilany a.... Na tiana na tsy tiana dia sampy mifototra tamin'ny famonoana olona ny fivavahana kristianina misy ankehitriny.
[/quote=stahtam] ho an'i endriny,
Miarahaba indray e! Ny zavatra tena mahafaly ahy dia efa saika takatrao ihany ilay fahamarinana lehibe tena tokony hahatongavana.Hanampy fanazavana àry aho ary ireto avy izy ireo:
1°) Faly aho miravaka ny fanavotana satria EFA ANISAN'NY NAMONO AZY; (lohahevitra hafa indray no azo anazavàna izany)
2°) Tsy dia fantatro intsony aloha hatr@ izao ny mety ho fivoaran'ny fivavahana kristiana ankehitriny satria efa niala tao aho mantsy.
3°) Asa raha ekenao fa betsaka ihany ny anton-javatra tsy ho takatry ny saina mihitsy eto @ izao tontolo izao ka na dia hoe tsy azo ampatoriana aza ilay saina mahay mandinika ao anatintsika ao dia misy aloha anton-javatra ekeko fotsiny @ izao noho ny fisian'ny FETRA izay tsy azoko ihoarana; ohatra: nahoana aho no tsy mba afaka nisafidy ny ho lahy na ho vavy na ho lahimatoa na ho faravavy tao an-kibon'ny reniko?
Koa na dia tsy kristiana aza aho dia manaiky kosa sy mino ny sorona (na ho biby io na olona) ho làlana napetraky ny Mpahary handevonana fahotana. Misy tokoa ny manao zavatra mivaona saingy betsaka ihany ny fomban-javatra ahitana taratra izany eo @ fiainantsika: raha misy dongon-tany tiana hiala dia tsy maintsy mitady lavaka handevenana azy; raha maditra ny zanaka dia tsy maintsy misy kapoka maharary (izay tsy sitraky ny ray aman-dreniny akory ny hanao izany) atao aminy mba hahahendry azy... koa iza moa aho no hanohitra izany lalàna izany? Izay àry aloha no azo lazaina fa dia mirary soa ho anao e!
16. bor2lais ( 15/09/2015 08:58)

stahtam:

MELOKA VE SA TSIA NY JIOSY IZAY NAMONO AZY ?

"Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony."
:-)
17. stahtam ( 15/09/2015 09:57)

bor2lais:

[quote=stahtam]
MELOKA VE SA TSIA NY JIOSY IZAY NAMONO AZY ?

"Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony."
:-)
[/quote=stahtam]
Miarahaba namana bor2lais! misaotra t@ valinteny nomenao. Raha azoko ny hevitrao dia hoe MELOKA NY JIOSY IZAY NAMONO ny Mesia. Asa raha izaho no diso ka tsy nahita fa ny valinteninao momba ilay fanontaniana teo alohan'io (ilay hoe TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?) dia mbola tsy hitako; ka raha takariko avy @ izao valintenao faharoa izao dia tsy tokony hovonoina izany ny Mesia, sa diso aho? Fa ity misy fisainana mba tiako hanohizana io hevitrao io: asa ny fahafantaranao ny "loi de complicité" na ny firaisana tsikombakomba eo anatrehan'ny fitsarana fa raha "MELOKA" àry ny Jiosy izay namono Ilay Zanak'Ondry dia inona no azo lazaina momba IREO REHETRA IZAY NIHINANA NY NOFONY SY NISOTRO NY RANY (eo anatrehan'ny fitsarana)?
18. Strong3 ( 16/09/2015 07:36)

stahtam:

[quote=Strong3]
« Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] » (Daniela 9:26)
« Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] » (Isaia 53:8)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:7)
« Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. » (Romana 8:34)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)
« ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jaona 4:3)

[size=25] ENY[/size]

« Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. » (Asan'ny Apostoly 17:3)
« fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 26:23)

[/quote=stahtam]
Isaorana eram-po eran-tsaina ny valin-teny mazava(ENY) sy ny fanazavan-kevitra nomenao e! Raha fintiniko dia hoe tsy maintsy novonoina ny Mesia noho ny faminaniana. Ka izao no tena anton'iny fanontaniako iny e: MELOKA VE SA TSY MELOKA NY OLONA NAMONO AZY (ny Jiosy) raha TENA TSY MAINTSY NOVONOINA TOKOA NY MESIA? Isaorana mialoha raha mbola mazoto @ serasera e!

salama tompoko ô! congé za zareo fa tsy hoe tsy hamaly ah haha :-)

rehefa mamono dia meloka ; fa manana andro hibebahana ary manana anjara amin'ny famonjena nataon'i mesia izy

tsy takatrao ve izay ?

ho famonjena izao tontolo izao, ao anatin'izay ny olona namono azy
19. rhaj0 ( 16/09/2015 10:13)
bor2lais:
"Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony."

izany hoe, hoz'i Bor2lais hoe, "meloka" ilay olona fa (angatahana) ho "voavela"
Strong3:
rehefa mamono dia meloka ... ho famonjena izao tontolo izao, ao anatin'izay ny olona namono azy

Izany hoe, hoz'i Strong3 hoe, ilay "olona namono azy" koa izany hahazo "famonjena".

izany hoe @ kaonty farany dia, "avotra" daholo daholo izany eee...

hi hi hi ... sahala @ sonema ihany izany izany eee... rehefa vita ny sonema, dia velona fo aman'aina (avotra) daholo ny acteurs sy actrices rehetra, fa ianao koa no narary fo (sy saina) ny @ izany teo... :-)
20. bor2lais ( 16/09/2015 13:38)
Ahatsiarovako ny ao @ Jaona 6 ity resaky stahtam ity :

"53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.57 Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko."

Raha raisinao @ hevitry ny tany (ara-nofo) io fa tsy @ hevitry ny lanitra (ara-panahy) dia tsy mahagaga ity nosoratanao ity :

stahtam:

2°) Tsy dia fantatro intsony aloha hatr@ izao ny mety ho fivoaran'ny fivavahana kristiana ankehitriny satria efa niala tao aho mantsy.

"66 Hatramin'izany [Na: Noho izany] dia maro tamin'ny mpianaNY no nihemotra ka tsy niara-nandeha tamiNY intsony. 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala ?"
:-)
Iverenako @ izay ity nosoratanao ity :
stahtam:

Miarahaba namana bor2lais! misaotra t@ valinteny nomenao. Raha azoko ny hevitrao dia hoe MELOKA NY JIOSY IZAY NAMONO ny Mesia. Asa raha izaho no diso ka tsy nahita fa ny valinteninao momba ilay fanontaniana teo alohan'io (ilay hoe TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?) dia mbola tsy hitako; ka raha takariko avy @ izao valintenao faharoa izao dia tsy tokony hovonoina izany ny Mesia, sa diso aho? Fa ity misy fisainana mba tiako hanohizana io hevitrao io: asa ny fahafantaranao ny "loi de complicité" na ny firaisana tsikombakomba eo anatrehan'ny fitsarana fa raha "MELOKA" àry ny Jiosy izay namono Ilay Zanak'Ondry dia inona no azo lazaina momba IREO REHETRA IZAY NIHINANA NY NOFONY SY NISOTRO NY RANY (eo anatrehan'ny fitsarana)?

1. Ilay antsoinao hoe Zanakondry no niteny ilay zavatra nosoratako (fa tsy izaho)

2. Nangataka famotsoran-keloka (na "grâce" @ fomba fiteninareo juriste) avy @ Ray izay naniraka Azy ho an'ilay meloka Izy (marihina aloha fa hatreto dia tsy misy mahalala ny valin'ny fangatahana nataoNY isika sady Izy rahateo koa manaiky hatrany izay sitrapon'ny Ray raha ny voasoratra no jerena ! :-)).

3. Mikasika ilay antsoina(re)o hoe "loi de complicité" indray dia metimety kokoa araka io 2. io raha Ilay (Mpitsara) afaka manome famelan-keloka sy Ilay Zanakondry nanome ny nofoNY sy ny raNY (araka io nosoratako eo ambony io) no mamaly ana(re)o fa tsy i bor2lais satria ataoko fa tsy mitovy ny fitsaraNY sy ny fitsarana lazaina(re)o eto ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2864