Ho an'ireo mpandala ny finoana...

1. endriny ( 23/06/2015 15:05)
Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).

Dia aoka samy mba handinika mangina ny hoe fa nahoana aho no manaraka an'itsy finoana itsy na iroa? Izaho ve izany manaraka sy Mankato finoana ny manao sorona ondry sy akoho, na omby, na olona?

Ny mampalahelo dia misy ireo zaza tsy manantsiny, na ireo vehivavy virjiny atao sorona mihintsy ho an'ny mpitondra fivavahana sasany. Tany Nizeria vehivavy 20 bevohokan'ny mpitondra fiangonana... misy ary nisy ireo zaza natao lafika rehefa maty ny lehibem-piangonana sasany.

Indrisy hoy aho... sao diso ariana loatra a...
novalian'i Radavison ny 21/09/2015 09:04
2. anicetmartial ( 23/06/2015 15:59)
Tia mandainga zan ra olona. Rah talohany kristy,mety ho nimarina ihany. Fa tato aoriany kristy vao nis ny kristiana.Ka mbola honanw sorona olona indray koa ve ny kristiana? fa angah ts ampy le ràn'i kristy tsis mpetina,mahamasina mandrakizay?
3. rhaj0 ( 23/06/2015 17:47)
Raha ny fahazoako ny resak'i Endriny, dia manavoitra izy ny @ FANAOVANA SORONA. Sacrifice. Eto izao ny karazana SORONA fataon'ny sivilizasiona isan'isany hozy wikipedia.
https://fr.wikipedia.org/wiki/Sacrifice

Dia eo ianao izany manana ilay fahalalahana, ary dia misokatra @ fahalalana an'izao tontolo izao, dia mahita fa, misy ny manao "sacrifice animal", ary ao ny manao "sacrifice humain".

Ka hono ho'a ry namana Kristiana isany eto, "SACRIFICE HUMAIN" ve io natao an'i JC io, sa ...
4. gasy1zay ( 23/06/2015 18:36)

endriny:

Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).

Dia aoka samy mba handinika mangina ny hoe fa nahoana aho no manaraka an'itsy finoana itsy na iroa? Izaho ve izany manaraka sy Mankato finoana ny manao sorona ondry sy akoho, na omby, na olona?

Ny mampalahelo dia misy ireo zaza tsy manantsiny, na ireo vehivavy virjiny atao sorona mihintsy ho an'ny mpitondra fivavahana sasany. Tany Nizeria vehivavy 20 bevohokan'ny mpitondra fiangonana... misy ary nisy ireo zaza natao lafika rehefa maty ny lehibem-piangonana sasany.

Indrisy hoy aho... sao diso ariana loatra a...

Raha amin'ny saina tsy miangatra aloha dia ny fivavahana kristianina @ ireo tanisainao ireo no ahazoana tombony indrindra satria ianao tsy mila ariary miala am-paosy fa dia ilay zanak'Andriamanitra mintsy no efa nanao sorona ny tenany ka tsy mila akoho na ondry na omby ianao fa mino ny famonjena vitany dia vita fihavanana amin'Andriamanitra, avy eo ianao rehefa mankato ny teniny dia mbola teneniny hoe angataho izay tianareo fa omeko anareo izany, farany mbola manome fanantenana anao izy fa hanangana anao @ andro farany ka hanome anao ny paradisa.

Ka iza @ ireo sampy ireo no mahavita izany ry endriny?
5. rhaj0 ( 24/06/2015 00:30)
Ka nareo Kristiana izany tena mbola @ ilay revy hoe MANAO SORONA raha tia ahazo zavatra (fiainana mandrakizay io).

Ka SACRIFICE HUMAIN ve io mbola natao mba azahoanareo io eeee, sa ...
6. endriny ( 24/06/2015 04:31)

gasy1zay:

Raha amin'ny saina tsy miangatra aloha dia ny fivavahana kristianina @ ireo tanisainao ireo no ahazoana tombony indrindra satria ianao tsy mila ariary miala am-paosy

Izany hoe ilay fitiavana ahazo tombony tsy misy sarany izany... mahafinaritra be!

gasy1zay:
fa dia ilay zanak'Andriamanitra mintsy no efa nanao sorona ny tenany ka tsy mila akoho na ondry na omby ianao

Ohatran'ny karatr' I Naivo izany e... aminao izany tsara ny manao sorona ain'olona?

gasy1zay:
fa mino ny famonjena vitany dia vita fihavanana amin'Andriamanitra, avy eo ianao rehefa mankato ny teniny dia mbola teneniny hoe angataho izay tianareo fa omeko anareo izany, farany mbola manome fanantenana anao izy fa hanangana anao @ andro farany ka hanome anao ny paradisa

Dia miteniteny fahatany marina ny olona rehefa atao mino angamba ka... toa tsy tadidiny hoe misy dingana tsy maintsy ataony vao voavonjy izy araka ny lalam-piangonana (atao batisa, raisina mpandray, atao mariazy... tsy maintsy manao adidy ao am-piangonana (vokatra, rakitra... ireto koa tsy vola aloha akory fa fofo mazy fotsiny no atao ao anaty valopy)) hihihiihiih

gasy1zay:
Ka iza @ ireo sampy ireo no mahavita izany ry endriny?

Aleoko mamono akoho, fa iny ny rany fotsiny no afitsitsitra amin'ny vato sy ny vata-kazo dia entina mody ny akoho atao laoka miaraka amin'ny sakamala sy sira... tsara lavitra noho ilay poulet de chaire no mahafaka tazotazoana...
7. RBNIR ( 24/06/2015 05:20)
endriny:

Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).

Dia aoka samy mba handinika mangina ny hoe fa nahoana aho no manaraka an'itsy finoana itsy na iroa? Izaho ve izany manaraka sy Mankato finoana ny manao sorona ondry sy akoho, na omby, na olona?

Ny mampalahelo dia misy ireo zaza tsy manantsiny, na ireo vehivavy virjiny atao sorona mihintsy ho an'ny mpitondra fivavahana sasany. Tany Nizeria vehivavy 20 bevohokan'ny mpitondra fiangonana... misy ary nisy ireo zaza natao lafika rehefa maty ny lehibem-piangonana sasany.

Indrisy hoy aho... sao diso ariana loatra a...

Faly misera namana,
Tamin'ny fanekena taloha dia ram-biby no nampiasaina fa ny fanekena vaovao kosa dia ny ran'i Jesosy Kristy no nentiny VAKIO ATO

Ny antony nanovana azy : « Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Heb.8:7) Novaina satria nisy tsiny...

Inona ny tsiny tamin'ny fanekena taloha? « Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Heb.10:4). Ny tsininy dia tsy nahaisotra ny ota ny ram-biby.....

Vahaolana nomen'Andriamanitra: « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. » (1 Jao.3:5)
« Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. » (Tit.2:14)
Vahaolana : Ran'i Jesosy Kristy izay mahaisotra ny OTA....
Raha tianao ho fantatra ny mahazavadehibe ny fanesorana ny OTA ao anatin'ny olona iray dia VAKIO ATO

N.B : Jesosy tsy olombelona fa zanak'Andriamanitra (1) ary fony mbola tsy ary isika dia efa Izy Izy (2) ary noho ny Aminy no anton'ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao (3)....
(1) « Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? » (Jao.9:35)
« Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? » (Jao.9:36)
« Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. » (Jao. 9:37)
(2) « Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jao.8:58)
(3) « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. » (Jao.1:3)

Hitahy antsika anie ny Tompo ry namana.....

8. RBNIR ( 24/06/2015 05:23)
Fitiavana indray kosa no nanoloran'Andriamanitra ny Zanany lahitokana......
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.(Jao.3:16)
9. endriny ( 24/06/2015 05:37)
Fitiavana.. andeha ataoko hoe marina fa fitiavana.. saingy aina no natao sorona... olona , ary indrindra zanaka lahy tokana no natao sorona... dia aiza amin'izay ilay fitiavana?

Ho an'ny tena tompon'ity finoana an'Atr'Israely ity... Ny mesia dia tonga hitondra ny zanak'Israely ho any amin'ny paradisa.. fa tsy hoe andeha ho vonoina atao sorona Dia toa izany koa ny an'ny Silamo.. Satria ny Andrimaniny tsy manao sorona olona araka ny efa nekeny fa ondry no nomeny atao sorona... ary izy Atra mihintsy no namatotra ny ondry fa tsy zanaka lahy no ho vonoina...
10. RBNIR ( 24/06/2015 05:42)
Amiko dia LEHIBE ilay fitiavany ahy......Normale ny valiteninao satria tsy hisy mihitsy olombelona hanana fitiavana tahaka izany.....
11. RBNIR ( 24/06/2015 05:45)
Izao dia tsinontsinon'Andriamanitra ary raha ny marina dia vovoka aho.....Nefa tsy vitan'ny hoe tsy mba nataony tsinontsinona fa mbola nomeny FITIAVANA LEHIBE SADY SAROBIDY.....
12. RBNIR ( 24/06/2015 05:47)
Tsy ho ahy irery anefa izany fa na iza na iza hino ilay Zanany Lahy Tokana dia handray maimaipoana izany FITIAVANA LEHIBE IZANY......
13. endriny ( 24/06/2015 05:47)
I TGV koa ange afaka miteny hoe lehibe ny fitiavan'ny Akamasoa sy ny Ambanitanana azy satria nahafoy aina teny Ambtsirohitra ireo mpanaradia azy mba ahazoany fitondrana e

Dia ireo fianakaviana namoy Havana tamin'ny 7 fevrier izany mitovy amin'ny Atrao... be fitiavana nahafoy zanaka sy Ray ary rahalahy
14. RBNIR ( 24/06/2015 06:05)

Tsy mitovy izany satria ny an'Andriamanitra dia FIAINANA MANDRAKIZAY NO OMENY fa tsy vahaolana amin'ny fiainana eto an-tany « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Araka io teny io koa ny eto an-tany tsy hoe tsy hanome IZY fa dia kadoha izany tsy mila angatahana akory.......
15. gasysud ( 24/06/2015 06:17)

endriny - 23/06/2015 15:05
Ny finoana ny Sampy Kelimalaza sy Rafataka ... dia nifototra tamin'ny sorona toy ny akoholahy mena sy ny ondry.
Ny fijoroana Zanahary dia mifototra amin'ny sorona omby vositra marijy na mazava loha.

Ny jiosy koa dia manao sorona toy izany

endriny - 23/06/2015 15:05
Ny finoana Kristianina dia nifototra tamin'ny fanaovana sorona olombelona (Jesosy).

Miala tsiny fa tsy natao hanafitohina anao kristianina ity resako ity fa hevitra tsy takatra

Io no tena tsy azoko amin'ny finoana kristianina. Raha jerena mantsy ny tantara rehefa manao fahagagana i Kristy, teny indraim-bava dia voavonjy ilay olana... ka ny tena tsy takatro dia mahavita izany fahagagàna be izany ilay zanaka fa ilay Andriamanitra Ray mila manao sorona vao afaka mahavonjy izao tontolo izao. Izaho aza indraindray dia mieritreritra fa "acte inachevé" ny famonjena vokatr'iny sorona iny satria mbola mikorontana ny tany fa mila mibebaka ihany nefa voalaza fa iny rà latsaka no manala ny ota rehetra. Izany ve no fitiavana? Tsy nisy fomba hafa ve entina anehoana izany fitiavana izany? Toy ny hoe miteny fotsiny Andriamanitra: Afaka daholo ny fahotanareo rehetra, dia vita ny resaka.Heveriko fa fomban'olombelona io manao sorona io fa tsy an'Andriamanitra.
16. RBNIR ( 24/06/2015 06:28)

gasysud:

[Miala tsiny fa tsy natao hanafitohina anao kristianina ity resako ity fa hevitra tsy takatra

Io no tena tsy azoko amin'ny finoana kristianina. Raha jerena mantsy ny tantara rehefa manao fahagagana i Kristy, teny indraim-bava dia voavonjy ilay olana... ka ny tena tsy takatro dia mahavita izany fahagagàna be izany ilay zanaka fa ilay Andriamanitra Ray mila manao sorona vao afaka mahavonjy izao tontolo izao. Izaho aza indraindray dia mieritreritra fa "acte inachevé" ny famonjena vokatr'iny sorona iny satria mbola mikorontana ny tany fa mila mibebaka ihany nefa voalaza fa iny rà latsaka no manala ny ota rehetra. Izany ve no fitiavana? Tsy nisy fomba hafa ve entina anehoana izany fitiavana izany? Toy ny hoe miteny fotsiny Andriamanitra: Afaka daholo ny fahotanareo rehetra, dia vita ny resaka.Heveriko fa fomban'olombelona io manao sorona io fa tsy an'Andriamanitra.

Izany hoe : Andriamanitra no tokony hiasa ho an'ny olombelona fa tsy ny olombelona no hiasa ho an'Andriamanitra......
17. rhaj0 ( 24/06/2015 10:54)
gasysud:
Heveriko fa fomban'olombelona io manao sorona io fa tsy an'Andriamanitra.

K'io ange, raha ny fahitako azy, dia ilay "plagiarisme fa mivadika", izay fomba, tandra vadi-koditry ny Kristiana e..

Ny plagiarisme, dia ny hevitry ny hafa no angalarina, ary lazaina hoe hevitry ny tena.
Ny plagiarisme-mivadika kosany, dia hevitry ny tena no lazaina indray fa hevitry ny hafa.

Ilay resaka na ilay hevitra dia an'azy Olona Kristiana ao. Hoe manao sorona. Ary Sacrifice Humain akoriny azany io. Fa tonga dia akapony hoe, resak'A.tra izany. Dia amboarimboariny eo ny tantara (ao @ Baiboly).
[size=8]

Izay fa baony vakansy ho'a ary tsakotsakoy ny plagiarisma-nao ao... ary amorony revy vaovao mihintsy fa ridicule anie io plagiarisma taloha mbola inoanao ara-baki-teny io e...[/size]
18. endriny ( 24/06/2015 12:49)

RBNIR:

Izany hoe : Andriamanitra no tokony hiasa ho an'ny olombelona fa tsy ny olombelona no hiasa ho an'Andriamanitra......

Fa ianao angaha tsy mino ilay teny hoe: "Fa tsy misy tsy hain'Atra atao"?

Fa nahoana moa no mila ny olombelona hiasa ho azy Atra... tsy hoe mitsindroteny akory... Fa ilay Atra lazaina fa nahary ny olom-belona sy ny tany aman-danitra ve dia mila olombelona hiasa ho azy? Isika aza tsy tafala eto amin'ny planeta tany ity akory hatramin'izao...

Ity zavatra niainako teto Toliara ity no mba zaraiko aminareo: Ny MIkea tao Ifaty nandritry ny an-jato taonany maro dia velona tsy nisy raorao tao anaty ala maina tao... Niremby tantely, nihaza, niady ovotra ... fa vao 15 taona izay, rehefa nandeha ny fizahan-tany dia tonga ny mpiavy avy eto Toliara miaraka amin'ny finoana avy any an-dafiny... dia naripany natao saribao ny ala. Izay avy anaovany saribao tetitetehiny dia dorany nambolena katsaka sy vomanga. Dia avy eo izy mpiavy indray avy eo no mitantana ny ONG miaro ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana. Dia lazainy fa ny Mikea no olona ketrina sy minomino foana ka tsy mandroso mihintsy hatramin'izay.
19. gasy1zay ( 24/06/2015 13:09)

endriny:

gasy1zay:

Raha amin'ny saina tsy miangatra aloha dia ny fivavahana kristianina @ ireo tanisainao ireo no ahazoana tombony indrindra satria ianao tsy mila ariary miala am-paosy

Izany hoe ilay fitiavana ahazo tombony tsy misy sarany izany... mahafinaritra be!

gasy1zay:
fa dia ilay zanak'Andriamanitra mintsy no efa nanao sorona ny tenany ka tsy mila akoho na ondry na omby ianao

Ohatran'ny karatr' I Naivo izany e... aminao izany tsara ny manao sorona ain'olona?

gasy1zay:
fa mino ny famonjena vitany dia vita fihavanana amin'Andriamanitra, avy eo ianao rehefa mankato ny teniny dia mbola teneniny hoe angataho izay tianareo fa omeko anareo izany, farany mbola manome fanantenana anao izy fa hanangana anao @ andro farany ka hanome anao ny paradisa

Dia miteniteny fahatany marina ny olona rehefa atao mino angamba ka... toa tsy tadidiny hoe misy dingana tsy maintsy ataony vao voavonjy izy araka ny lalam-piangonana (atao batisa, raisina mpandray, atao mariazy... tsy maintsy manao adidy ao am-piangonana (vokatra, rakitra... ireto koa tsy vola aloha akory fa fofo mazy fotsiny no atao ao anaty valopy)) hihihiihiih

gasy1zay:
Ka iza @ ireo sampy ireo no mahavita izany ry endriny?

Aleoko mamono akoho, fa iny ny rany fotsiny no afitsitsitra amin'ny vato sy ny vata-kazo dia entina mody ny akoho atao laoka miaraka amin'ny sakamala sy sira... tsara lavitra noho ilay poulet de chaire no mahafaka tazotazoana...

zany hoe ilay fitiavana ahazo tombony tsy misy sarany izany... mahafinaritra be!
Ka tsy zavadehibe aminao ve ny hoe misy Andriamanitra mahafoy ny zanany ho anao? Ianao izay olombelona fa tsy andriamanitra?

Ohatran'ny karatr' I Naivo izany e... aminao izany tsara ny manao sorona ain'olona?

Fa olona iza no atao sorona? efa vita anie ny famonjena fa Andriamanitra tsy mangataka anao hanao sorona na iza na iza intsony e! Ny zanany no efa nafoiny hisolo voina antsika. Aza mety fitahana fa tsy misy manao sorona intsony izao na biby na olona fa efa vita ny famonjena teo @ hazo fijaliana.

Aleoko mamono akoho, fa iny ny rany fotsiny no afitsitsitra amin'ny vato sy ny vata-kazo dia entina mody ny akoho atao laoka miaraka amin'ny sakamala sy sira... tsara lavitra noho ilay poulet de chaire no mahafaka tazotazoana...
Ka maninona ny sampinao no mila ran'akoho fa tsy mba mitahy fotsiny @ izao?
20. rhaj0 ( 24/06/2015 13:36)
gasy1zay:
Ka tsy zavadehibe aminao ve ny hoe misy Andriamanitra mahafoy ny zanany ho anao?

Tena raha izaho aloha, ka hoe, misy ZANAKA any ho any, NATAO SORONA ho ahy, sacrifice humain ho'a... dia tena marary ny saiko eee... Izaho ve no manao ny ataoko dia ny tsy manan-tsiny any ho any no vomoina atao sorona ???
Soatoavina sa fombafomba t@ an'arivo-taonany lasa tany ve ry nama dia mbola deraina ankalazaina h@ izao ihany..

gasy1zay:
Fa olona iza no atao sorona?

K'efa io Jesoa io no NATAO SORONA (ho anao).

Fa dia ifalio ao izany ny anao eeee...

Ny Ntaolo ho'a nefany mahatakatra dia manilika hoe, "matesa ny omby" hoz'izy...
Ny an-dry Gasy1zay izany mety hoe izao ny ohapitenenany:

Raha manota aho, dia atao sorona i Jesoa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1737