stahtam, Miarahaba ny mpiserasera rehetra ny tenak...

21. rhaj0 ( 16/09/2015 14:05)
bor2lais:
tsy mitovy ny fitsaraNY sy ny fitsarana lazaina(re)o eto !

Raha ny fazahoako azy izany, ary @ ankapobeny mihintsy, dia TSY mitovy ny lojikaNY sy izay lojika lazana(re)o eto koa e... Ary izay voasoratra ao anaty Baiboly azany, dia ... voasoratra mba ho takatry ny lojikan'ny olona t@ fotoan'androny sy tao @ jeogirafiany tao, fa ny "lojikaNY" kosany dia mihoatra lavitra ary ambonin'izany...

Ka asakasak'izay be famaritra toa rambon'osy, ka hoe,
- "tsy maintsy manao an'izao sy izao vao mankatsy mankaroa eeee",
- na hoe "matahora ny izatsy sy izaroa eeee",
- indrindra moa ilay hoe, "inty no lojika TENA IZY eeee"...


== LojikaNA(RE)O, ana(RE)O manokana ao ihany izany...

22. bor2lais ( 16/09/2015 14:13)
Ny 2 étages sy 3 étages kosa ve moa hitovy ramose a ! :-)
Lojika be ange izany e ! ;-)
23. rhaj0 ( 16/09/2015 14:46)
dia ianao dokotera izany mahatakatra ilay (lojika) "3eme etage", sa ...
24. stahtam ( 17/09/2015 06:34)

bor2lais:

Ahatsiarovako ny ao @ Jaona 6 ity resaky stahtam ity :

"53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.57 Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko."

Raha raisinao @ hevitry ny tany (ara-nofo) io fa tsy @ hevitry ny lanitra (ara-panahy) dia tsy mahagaga ity nosoratanao ity :

[quote=stahtam]
2°) Tsy dia fantatro intsony aloha hatr@ izao ny mety ho fivoaran'ny fivavahana kristiana ankehitriny satria efa niala tao aho mantsy.


"66 Hatramin'izany [Na: Noho izany] dia maro tamin'ny mpianaNY no nihemotra ka tsy niara-nandeha tamiNY intsony. 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala ?"
:-)
Iverenako @ izay ity nosoratanao ity :
stahtam:

Miarahaba namana bor2lais! misaotra t@ valinteny nomenao. Raha azoko ny hevitrao dia hoe MELOKA NY JIOSY IZAY NAMONO ny Mesia. Asa raha izaho no diso ka tsy nahita fa ny valinteninao momba ilay fanontaniana teo alohan'io (ilay hoe TENA TSY MAINTSY NOVONOINA VE NY MESIA?) dia mbola tsy hitako; ka raha takariko avy @ izao valintenao faharoa izao dia tsy tokony hovonoina izany ny Mesia, sa diso aho? Fa ity misy fisainana mba tiako hanohizana io hevitrao io: asa ny fahafantaranao ny "loi de complicité" na ny firaisana tsikombakomba eo anatrehan'ny fitsarana fa raha "MELOKA" àry ny Jiosy izay namono Ilay Zanak'Ondry dia inona no azo lazaina momba IREO REHETRA IZAY NIHINANA NY NOFONY SY NISOTRO NY RANY (eo anatrehan'ny fitsarana)?

1. Ilay antsoinao hoe Zanakondry no niteny ilay zavatra nosoratako (fa tsy izaho)

2. Nangataka famotsoran-keloka (na "grâce" @ fomba fiteninareo juriste) avy @ Ray izay naniraka Azy ho an'ilay meloka Izy (marihina aloha fa hatreto dia tsy misy mahalala ny valin'ny fangatahana nataoNY isika sady Izy rahateo koa manaiky hatrany izay sitrapon'ny Ray raha ny voasoratra no jerena ! :-)).

3. Mikasika ilay antsoina(re)o hoe "loi de complicité" indray dia metimety kokoa araka io 2. io raha Ilay (Mpitsara) afaka manome famelan-keloka sy Ilay Zanakondry nanome ny nofoNY sy ny raNY (araka io nosoratako eo ambony io) no mamaly ana(re)o fa tsy i bor2lais satria ataoko fa tsy mitovy ny fitsaraNY sy ny fitsarana lazaina(re)o eto ! :-)
[/quote=stahtam]
Miarahaba e! stahtam irery no manoratra fa tsy manana namana hafa e, tsy "juriste" ihany koa fa manaraka ny fihetsik'ireto "eoropeanina" ireto dia mba mandefa fisainana hoe hatraiza no halalin'ity "antisémitisme" (fankahalàna Jiosy) ity hatr@ izay ka hatr@ izao ary saika manerana ny tany sady hatrany @ foto-pisainana mihitsy aza? Dia mba nanokatra ireny resaka ireny ny tenako. Isaorana indrindra eram-po sy eran-tsaina ianareo namana rehetra izay nandray anjara t@ izany. Nahafahako nanakatra zavatra maro ny valin-teny teto. Ohatra ny nampifandraisanao ny fialako t@ christianisme sy ny Jaona 6/66 dia azoko anatsoahana hoe hay ve HEVERIN'NY OLONA fa "chrétiens" ny Mesia sy ny mpianany ka izay tsy chrétiens dia tsy manaraka ny Mesia. Tena mahay ry zareo, santionany iray, boky hitako t@ internet: "Christianity and mythology" (J.M. Robertson, page 331; 10, 11 et 12ème ligne - l'origine du mot).
25. endriny ( 17/09/2015 15:50)
ito ange jerena e

Dia ilay fianakaviana atao hoe PISO no namorona ny testamenta taloha mba hifanaraka amin'ny tantara no tantarain'ilay mpahay tantara Raomanina. Izay no mahatonga ny testamenta tsy misy voasoratra amin'ny teny hebrio

Fa I Barnabe kosa dia nanoratra ilay testamenta any Iran ankehitriny izay milaza fa I Jesosy dia tsy Mesia akory fa mpaminany fotsiny ihany.

Io bokin'i Barnabe io no mbola tian'ny kristianina alaina fatratra sy potehina ankehitriny. Toa ny nandoroany ny tranombokin'i Iraka fahiny.
26. stahtam ( 18/09/2015 05:31)

[quote=endriny]
ito ange jerena e

Dia ilay fianakaviana atao hoe PISO no namorona ny testamenta taloha mba hifanaraka amin'ny tantara no tantarain'ilay mpahay tantara Raomanina. Izay no mahatonga ny testamenta tsy misy voasoratra amin'ny teny hebrio

Fa I Barnabe kosa dia nanoratra ilay testamenta any Iran ankehitriny izay milaza fa I Jesosy dia tsy Mesia akory fa mpaminany fotsiny ihany.

Io bokin'i Barnabe io no mbola tian'ny kristianina alaina fatratra sy potehina ankehitriny. Toa ny nandoroany ny tranombokin'i Iraka fahiny.
[/quote= stahtam]
Salama e! Asa raha izaho no nanoratanao io tantara io fa tena tsy azoko izay tiana holazaina
27. Strong3 ( 23/09/2015 10:32)

stahtam:


[quote=Strong3]
« Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] » (Daniela 9:26)
« Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] » (Isaia 53:8)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:7)
« Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. » (Romana 8:34)
« Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; » (1 Jaona 4:2)
« ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jaona 4:3)

[size=25] ENY[/size]

« Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. » (Asan'ny Apostoly 17:3)
« fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 26:23)

[/quote=stahtam]
Isaorana eram-po eran-tsaina ny valin-teny mazava(ENY) sy ny fanazavan-kevitra nomenao e! Raha fintiniko dia hoe tsy maintsy novonoina ny Mesia noho ny faminaniana. Ka izao no tena anton'iny fanontaniako iny e: MELOKA VE SA TSY MELOKA NY OLONA NAMONO AZY (ny Jiosy) raha TENA TSY MAINTSY NOVONOINA TOKOA NY MESIA? Isaorana mialoha raha mbola mazoto @ serasera e!


Tonga aho! ary faly miarahaba anao... :-)

heloka roa na telo sosona eo ny an'ireo jiosy namono na romana namono an'i Mesia
1/ ny tsy finoany : « Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jaona 3:18)
2/ ny otany koa manameloka azy:
« Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. » (Romana 6:23)
3/ famonoana mivantana:
« Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. » (Apokalypsy 1:7)

ka raha meloka izy ireo dia ahoana?
inona no tianao ahatongavana aza??? ... :-)
28. Radavison ( 25/09/2015 11:04)
Miarahaba anao stahtam, sy ny mpisera rehetra.

Ny tena mission principale an'i Jeso Kristy dia ny hofaty eo amin'ny hazo fijaliana hisolo ny elotsika sy hanafaka antsika amin'ny ota. ENY izany no valin'ilay fanontaniana voalohany.

Meloka ve izany ireo namono azy satria efa planim-pamonjena io?
ENY meloka ireo satria namono olona; fa izany eloka izany koa dia tafiditra ao anatin'ireo ota natao ho nentin'i Kristy. Natao tonga ota mihitsy i Jeso kristy ka tsy nisy intsony nahafantarana Azy ho olona...

Izay fa veloma finaritra Tompoko,
Radavison


stahtam:


gasy1zay:

Andriamanitra efa nanambara fa : fahafatesana no tambin'ny ota, iza amintsika ry stahtam no tsy nanota? Raha afaka niditra na hiditra ny lanitra isika na hoe nahazo/hahazo famonjena nefa tsy nisy fahafatesana (na isika na ilay mesia) dia ohatrany hoe sanatria tsy marina ny tenin'Andriamanitra voalaza io.
stahtam mamaly an'i gasy1zay,
Misaotra anao indrindra nandray anjara t@ famaliana io fanontaniana napetrako io. Tena goavana amiko mantsy ny fahalalana izany satria hasehoko @ fanontaniana manaraka eo ny antony.Nanaiky ianao hoe ENY, ary tambim-pahotantsika olombelona hoy ianao no antony. Isaorako anao izany valin-teny mazava izany ka ny tohiny manaraka dia hoe: raha tena tsy maintsy novonoina tokoa ny Mesia; MELOKA SA TSY MELOKA EO ANATREHAN'NY FITSARANA SY NY PLANIM-PAMONJENA VE IZAY NAMONO AZY (ny Jiosy) ? Misaotra mialoha e!
29. stahtam ( 21/02/2017 07:41)

[quote=Strong3]

Tonga aho! ary faly miarahaba anao... :-)
...
heloka roa na telo sosona eo ny an'ireo jiosy namono na romana namono an'i Mesia ...
ka raha meloka izy ireo dia ahoana?
inona no tianao ahatongavana aza??? ... :-)

[quote=stahtam]
Miala tsiny fa mba sendra namadibadika ireo serasera hatr@ izay aho dia izao vao hitako ity fanontanianao ity ka hovaliako Strong3:
Inona no tiako hahatongavana hoy ianao:
1- Meloka ireo namono, ireo tsy namono kosa anefa mihinana ny nofony sy misotro ny ràn'ilay novonoina; mpiray tsikombakomba izany ireto farany ireto
2- Raha ilay novonoina marina no nohanin-dry zareo ireo, avy tany amin'iza io no nalainy?
3- Ry zareo namono ve efa niteny hoe iny ento ho anareo? Dia ilay novonoina marina ve iny nohanin-dry zareo "tsy mba namono" iny? sao zavatra hafa?
30. stahtam ( 21/02/2017 07:41)

[quote=Strong3]

Tonga aho! ary faly miarahaba anao... :-)
...
heloka roa na telo sosona eo ny an'ireo jiosy namono na romana namono an'i Mesia ...
ka raha meloka izy ireo dia ahoana?
inona no tianao ahatongavana aza??? ... :-)

[quote=stahtam]
Miala tsiny fa mba sendra namadibadika ireo serasera hatr@ izay aho dia izao vao hitako ity fanontanianao ity ka hovaliako Strong3:
Inona no tiako hahatongavana hoy ianao:
1- Meloka ireo namono, ireo tsy namono kosa anefa mihinana ny nofony sy misotro ny ràn'ilay novonoina; mpiray tsikombakomba izany ireto farany ireto
2- Raha ilay novonoina marina no nohanin-dry zareo ireo, avy tany amin'iza io no nalainy?
3- Ry zareo namono ve efa niteny hoe iny ento ho anareo? Dia ilay novonoina marina ve iny nohanin-dry zareo "tsy mba namono" iny? sao zavatra hafa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3191