Fa maninona ny Protestanta no tsy mino ny olo-masina ary tsy manisy sarin'i Jesosy amin'ny Lakroa?

21. vahiny2004 ( 02/04/2015 14:38)
Inona ilay lazain'ny mpanoratra hoe "mino olo-masina" ... io teny hoe "mino" io araka ny fandraisan'ny mpanoratra sujet azy no tiako hanontaniana

Amiko mantsy tsy hoe "mino olo-masina" ny katolika ( tsy katolika aho ) fa abus de language fotsiny io fa mba tiako ho fantatra ny fandraisanao azy
22. endriny ( 02/04/2015 14:41)
Mino ny olo-masina na mino an'Atra dia matoky ny olo-masina na matoky an'Atra ka manankina ny vavaka ataony amin'ny olo-masina na amin''Atra

Asa mazava ve sa ahoana?
23. rhaj0 ( 02/04/2015 14:47)
endriny:
Izay voasoratra dia azo ahitsy ara-kevitra hifanaraka amin'ny filana fotsiny ihany...

Ka ny nanoratana ilay izy h@ voanalohany mihintsy anie no natao "ara-kevitra hifanaraka amin'ny filana fotsiny ihany".. Ka dia samy manao koa io, ka dia ahoana azany...
24. endriny ( 02/04/2015 14:52)

rhaj0:

Ka ny nanoratana ilay izy h@ voanalohany mihintsy anie no natao "ara-kevitra hifanaraka amin'ny filana fotsiny ihany".. Ka dia samy manao koa io, ka dia ahoana azany...

hahahhahaha
25. rhaj0 ( 02/04/2015 15:18)
Miresaka i Endriny hoe, ny Baiboly taloha dia izay voafidiny ihany fa tsy ny rehetra no mikirakira azy io.. fa ity izao koa

............................Catholic ............................................Protestant
Priests ...................A special vocation for some believers
.............................mediators between God and man........... Priesthood of all believers


Ka io izany hono ny an'ny Kakolika e... Ny pretra dia IzyLay (dia aiza moa no tsy nafenina ireo pretra nanolana ankizy)

Toa hotr'io koa ny an-dry RBNIR, hoe minou fotsiny an'i XXX fa "ny voany no efa hita fa tsara"...

Dia ahoana anefa ny DidiNY hono raha ny @ io ?

26. rhaj0 ( 02/04/2015 17:24)
Raha hiverina @ fanontanina voalohan'ity lohahevitra, hoe fa maninona ny propespampa no tsy mitovy revy @ kakolika, dia @ ankapobeny afaka miverina @ niforonan'ny prospepampisma izany..
http://fr.wikipedia.org/wiki/Protestantisme#Origine

Ka fa maninona no samy hafa ? dia satria TSY revin'i Luther ny revin'ny Leglizy t@ fotoan'androny izany, 1517, ary dia novainy na nohavaoziny ny revy e.. Dia izay no nolovana ary io samy mamikitra ny lovany io.

Ka ny ahy ho'a ny fanontaniana manaraka dia hoe:

- ka izay ve no didiNY, hoe samia manao izay reveny eo, fa mankany mankany daholo ihany izany ??

- sa araka ny fampianarana azo, dia hoe, ny iray ihany, dia izay arahin'ny tenabe ao, no "tena izy" ?



Dia raha ny fahitako azy, dia tena samy "mino" ny tsi11 fa ny azy no "tena izy", fa mody hoe, izay anareo hafa dia any ny anareo, fa ny ahy ato (izay "tena izy") dia mahasambatra ahy..

nntssss... raha "mino" ve ianao fa "tsy tena izy" ny anao ao, dia mbola hisitrika ao @ "finoana tsy tena izy" ao foana ianao
27. gasy1zay ( 02/04/2015 18:25)
Isika izao miaina @ taona 2015 na ireo tsy mpino aza afaka mitape google dia mahita verset biblique tadiaviny fa ny olona taloha na kristianina aza tsy voatery nanana baiboly noho ny antony maro samihafa, ka dia io no antony voalohany hoe ny fampianarana kristianina nisy hoe nianga t@ baiboly ary nisy niainga t@ lovantsofina na "tradition" voalazan'ny namana tao aloha ao.

Ny fiangonana kristianina rehefa neken'ilay emperora romana Constantin ho lasa "réligion officielle" t@ taona 300 tany ho any dia nintsangana ny fiangonana katolika romana. Ny fampianarana dia nianga t@ baiboly sy ny lovatsofina.

Taty @ taona 1500, dia nisy ireo kristianina (calvin sy luther) nahatsapa fa misy fampianarana avy @ ireo tradition na lovantsofina tsy afaka nohamarinina ao anaty baiboly, dia teo no nanomboka ny hoe tokony izay voalazan'ny baiboly ihany no raisina.

Ny katolika izany nijanona nitazona ny voasoratra ao @ baiboly sy ny tradition na ny lovatsofina,
Ny protestant dia ni"proteste" ny tradition na lovatsofina fa dia hoe ny baiboly ihany no ekenay

rhaj0 > raha ny tenin'Andriamanitra @ maha Kristianina ( na finoana inona na finoana inona) dia izay voasoratra ao @ baiboly, ka raha hanontany ianao hoe ahoana hoy Andriamanitra dia izay voalaza ao @ baiboly no hafany. Samy manao izay tiany ve izany? Angambany hoe samy manao izay maharesy lahatra azy fa na t@ andron'ny apostoly aza dia efa nisy ny tsy fitoviankevitra toy ny hoe : "mila foraina ny mpino", "tsy mahazo mihinana biby maloto" sns sns ...
28. rhaj0 ( 02/04/2015 19:46)
Iverenako kely indray:
http://www.religionfacts.com/christianity/charts/catholic_protestant.htm

............................Catholic ............................Protestant
Authority ...............Scripture and tradition ......... Scripture alone
Bible .....................Includes apocrypha.............. Excludes apocrypha

Ka @ ireo ohatra, dia ilay "tradition" angaha tsy mety hifanipaka @ "scripture" ? RAha misy tsy-fitoviana, dia iza no ambony ?

Dia inona koa ilay "apocrypha" ?
http://www.religionfacts.com/christianity/texts/apocrypha.htm

Dia tsy zava-dehibe izany ireo "apocrypha" sy "tradition" ireo aminao, ka azo raisina na tsy raisina fotsiny any; ny tanjona dia ny mba amparesy lahatra izay eo.


Ekena azany mba tsy ifandirana eee... raiso sy reveo izay mampetimety ny baolinao ao dia mahasoava amin'azy ao... fa izay anao izay no "tena izy"... (ny an'ny hafa rehetra dia ankandasitra).
29. sitlo ( 02/04/2015 20:27)
Misy ray aman-dreny be tena tsara toetra fony fahavelony. Dia nony maty ry zareo dia mba mangata-pitahiana avy aminy ny olona. Ary faranany amin'ny aza manaloka raha tsy hitahy.

Tonga ny misionera dia hoe mpanompo sampy, mpivavaka amin'ny razana.

Fa rehefa Vatican kosa no miteny hoe asandratra ho olomasina ilay olona avy ary (endrasana tsara aloha ho ela be amin'izay efa maty daholo ny tena nahalala azy sao mivoaka ny marina)... tonga dia misy mahavita mamoro-kira ry rim-bavaka mihitsy. Fangataham-bavaka mantsy e.
30. rhaj0 ( 02/04/2015 21:04)
Mahavariana tokoany ho'a e...

Dia ny Papa sy ny Curie izany no manapaka hoe i ranona no asandratra ho olomasina, raha ny fahazoako ny lazain'i Sitlo io. Mety hilaza izao Vatican hoe, nobitsihan'ny Fanahy Masina izy rahefa nisafidy ireto olomasina ireto (fa minou fotsiny ihany).

Dia izao kay hono nefany:

http://www.catholic.com/tracts/praying-to-the-saints
As Scripture indicates, those in heaven are aware of the prayers of those on earth. This can be seen, for example, in Revelation 5:8, where John depicts the saints in heaven offering our prayers to God under the form of "golden bowls full of incense, which are the prayers of the saints."

Efa any Paradisa kay ireto Saints ireto r'etany aaaa !!!

wow... i Vatican izany no nampiditra an'ilerony ho any paradisa, sa... tena ahoana kosany k'le...

io izany miampy an'ilay hoe ny pretra dia "mediators between God and man".. phew...


Danz be ilay be famaritra toa rambon'osy an... Fa dia tena asasakasakao "mino" an'izany rehetra izany io... bondié dé bondié...


31. rhaj0 ( 02/04/2015 21:51)
Dia tena tsy azoko intsony ilay regle de jeu kah...

Ao @ ilay catholic.com io dia izao hono:
"Christ is a unique mediator between man and God"

dia nefa tatsy religionfacts.com dia hoe :
ny pretra dia "mediators between God and man"


Dia rahefa namaky bebe kokoa ilay catholic.com teo indray dia, kay indray:
"The saints in heaven offer to God the prayers of the saints on earth. "

Dia kay ilay 'Saints in heaven' dia ireto ""the twenty-four elders [the leaders of the people of God in heaven] fell down before the Lamb, each holding a harp, and with golden bowls full of incense"


esy e ry tany... Harry Potter kosa mba tsy compliqué hotr'izany e... ka io izany dia minou fotisny dia mitsiky dia ampy dia basy f'aza be questionnement, aza ampiasaina ny saina...


Dia ilay harp koa no mampihomehy ahy.. nataoko fa saxophone no zavamanenon'A.tra...
Dia ilay "incense" e.. dia nefa izao ny birao sy izay fivoriana aleha mamaritra hoe "scent free" azony misy alerzika @ "incense" ireny.. sa ireto azy ireto "masina" dia tsisy an'izany... esy e... fa dia minou sy toutou fotsiny eeee...
32. Tefigasy ( 03/04/2015 03:14)
Otran'ny toa fanontaniana ho an'ny protestanta le izy teny am-piandohana dia toa fanenjehana katolika no hitaritana azy avy eo!
Io na ho enjehinao taknina aza tsy izany akory no hampamiratra ny anareo. Avelao ny olona hiaina amin'ny finoany fa safidiny izany.
33. endriny ( 03/04/2015 04:47)
Io aloha malalaka ny fijery, saingy atao ahoana fa vitsy izany protestanta namaly e... Na mety protestanta daholo ihany koa no mamaly dia ohatran'ny hoe diso ny Katolika...

Ilay fanenjehana ny finoan'ny hafa aloha... Sarotra be ny hanisy hisatra an'io satria samy mitady kila e... Samy mpivaro-boky...
34. Strong3 ( 03/04/2015 05:42)
tohizo ilay gazety namana tefigasy fa liana ny pamaky ! :-)
35. RBNIR ( 03/04/2015 06:51)
TENA TIAN'I JESOSY ISIKA,

ANTSOINA DAHOLO ISIKA REHETRA HANARAKA NY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA SY HINO NY MPANOMPONY IZAY NOFIDINY SY NIRAHANY HANAMBARA NY MARINA....

SAMIA HO TAHIN'NY TOMPO NAMANA....
36. bor2lais ( 03/04/2015 08:35)
Izao ataon'i RBNIR izao no isan'ny voka-dratsin'ny sekta : tsy tompon'ny tenany intsony fa toa "robot" sisa ! :-)
37. RBNIR ( 03/04/2015 08:37)
bor2lais:

Izao ataon'i RBNIR izao no isan'ny voka-dratsin'ny sekta : tsy tompon'ny tenany intsony fa toa "robot" sisa ! :-)

Tsy fantatrao ny ato anatiko namana....aza malaky manatsoaka hevitra......Manantsafidy malalaka tsara aho fa nanapakevitra ny hanaraka ny Marina fotsiny ihany.....
38. RBNIR ( 03/04/2015 08:47)
Misaotra ihany aloha fa ho lehibe hono ny valisoa rahatr'izay e! dommage kely fotsiny tokony hoe mba olona tsy mpino no noheveriko hiteny otranao izao fa tsy ny efa mpino.....
39. Strong3 ( 03/04/2015 08:57)
:-)
40. bor2lais ( 03/04/2015 09:01)
Fitiavana anao daholo izany RBNIR a ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3929