Fa maninona ny Protestanta no tsy mino ny olo-masina ary tsy manisy sarin'i Jesosy amin'ny Lakroa?

1. endriny ( 01/04/2015 15:41)
Fa nahoana tokoa moa?
répondu par Hosotra le 16/11/2015 14:47
2. rhaj0 ( 01/04/2015 16:15)
NI-google kely aho dia nahita eto
http://www.religionfacts.com/christianity/charts/catholic_protestant.htm

fa dia misimisy tokoany ny TSY itovian'ny propespampa sy ny kakolika... Fa maninona tokoany azany..

- ka izay ve no didiNY, hoe samia manao izay reveny eo, fa mankany mankany daholo ihany izany ??

- sa araka ny fampianarana azo, dia hoe, ny iray ihany, dia izay arahin'ny tenabe ao, no "tena izy" ?

3. Tefigasy ( 02/04/2015 04:48)
endriny:

Fa nahoana tokoa moa?

Mbola asiako tohiny kely koa aza hoe, inona no maha samihafa ny litorjia (protestanta) sy ny lamesa (katolika). Tena tsy mitovy ireo ary misy hifandraisany ihany koa amin'io fanontaniana voalohany io ihany.
Hitondrako fanazavana eo ambany amin'ny maha-protestanta reformista ny tenako. Ary na samy protestanta ihany koa aza izao dia efa misy tsy fitoviany ny fomba fivavahana izay nataon'ireo mpino teo aloha teo amin'ny fiangonana protestanta sy ny fiangonana protestanta reformista izay tsy nijanona fotsiny tamin'ny tenin'ny mpitondra fiangonana fa miezaka hatrany hiverina amin'ny fahamarinana voalazan'ny baiboly.
Raha apetraka izao ny fanontaniana hoe :
Inona no maha-kristianina anao ?
Inona no maha-katolika anao ?
Inona no maha protestanta anao ?
Inona no maha protestanta reformista anao ?
Inona no maha sekta anao ?
Mety vitsy no mahavita mamaly ireo fanontaniana ireo nefa dia mitonona ny tenany ho kristianina, mitonona ny tenany ho katolika, mitonona ho protestanta na reformista , sns.
4. Strong3 ( 02/04/2015 06:33)
Ny fifasamihafana dia endrikin'ny fikarohana sy fidrandrahana ny maha mpino kristiana... azo ambara fa fahasoavana izany.

Tsy mikatona amin'ny fampianarana tokana izany ny mpino fa miezaka manatsara ny fifandraisany amin'Izay inoany.

Ny Kristiana dia mifototra amin'ny fahantanterahan'ny tandindona rehetra izay nisy tao amin'ny torah.
Ka I Kor 15 , Lioka 24 no fototra iaingan'ny finoany. Satria teo no porofo fa tena misy Ilay voalazan'ny Tandindona sy ny Nahary azy manotolo.
[quote=KRISTIANA ZA SATRIA] Ny Mahakristiana ahy dia ny fianteherako amin'ny Finoana an'i Kristy Jeso HAMINDRA AHY AO AMIN'NY FANJAKAN'NY TSITOHA. [/qoute]
5. Tefigasy ( 02/04/2015 06:54)
Andeha ary hovaliana tsirairay ilay fanontaniana :
Fa maninona ny Protestanta no tsy mino ny olo-masina ?
Ny valiny tsotra dia hoe ny an'ny protestanta dia ny baiboly ihany no support ampiasaina, ny an'ny katolika dia misy ny atao hoe tradition (lovatsofina). Ianao koa ve moa hatoro an'izany fa mba te ha..... indray ianao a. !!!!!
Fa raha te handalina kely ianao ary dia mba vakio ito gazetiko eto ambany ito:

Tsy maintsy hiditra kely amin'izay fahafatarako ny fiangonana katolika aho eto. Tsy ho fanaratsiana akory fa mba etiko hamaliana ilay fanontaniana eo ambony ihany. Mety ho diso aho amin'izany satria tsy ao anatin'ilay fiangonana ka afaka hahitsinareo raha misy mivilana ny fahitako ny fiangonana katolika eto.
Miainga ao amin'izay lazain'i Marka aho: Mark.9
Mety misy rafitra mametraka fa misy lehibe sy kely eo anivon'ny fiangonana, mihevitra fa tsy mitovy avokoa ny olona rehetra fa misy ny mpitarika ary misy ny natokana ho tarihina, misy ny mpanompo ary misy ny tompoina, misy ny akaikikaiky an'i Jesoa kokoa. Io firehan-kevitra io anefa dia tena toe-tsain'izao tontolo izao ary natsimbadik'i Jesoa eto amin'ity Mark.9:35 eto hoe izay te ho lehibe aminareo no farany.
Araky ny fanehoan-kevitry ny katolika aloha (ahitsio aho raha diso) dia tsy ny baiboly ihany no ekeny ho soratra masina azo ampiasaina fa eo ihany koa ny ataon'izy ireo hoe tradition na ny lova-tsofina. Ary ao anatin'izany tradition izany no mametraka ireo konsily eo anivon'ny fiangonana. Fa ny protestanta kosa dia mametraka fa ny soratra masina irery ihany no fanitsiana sy fototra hitaizana ny fiangonana. Misy ihany ny fanapahan-kevitra eo anivon'ny fiangonana , ohatra hoe ny fanapaha-kevitry ny mpandray, ny foibe, fa ireny dia mety miova avokoa araka ny vani-potoany, fa ny baiboly ihany no tsy miova.
Ireo nanorona ny fiangonana protestanta dia nametraka hoe fanjakam-pisorona ny fiangonana protestanta, mitovy avokoa ny olona rehetra, tsy misy intsony izany mpitondra fivavahana, rava ny hatsana mampisaraka ny mpitondra fivavahana sy ny tsy mpitondra fivavahana. Na ny teny hoe laika aza dia tsy voambolan’i Kalvin fa vao isika izao no mampiditra izany. Satria ny teny hoe laika dia efa manavaka sahady amin'ny mpitondra fivavahana. Izay no ao ambadiny, ary ny protestanta tsy nampiasa ny voambolana laika mihitsy hatrizay satria samy laika daholo ny vahoakan'Andriamanitra, fa tsy hoe mpitandrina izy dia tsy laos na laika, fa rehefa tsy laika izy izany dia tsy vahoakan'Andriamanitra. Ary tsy hoe laika ny olona dia tsy mpitondra fivavahana, tsy izay koa.
Amin'ny protestanta dia tsy ny ady laharan'olombelona no mahamaika fa ny fanetretenan'ny mpanompon'Andriamanitra.
Izay aloha izany no antony voalohany : resaka rafitra eo anivom-piangonana. Ka ao anatin'ny rafim-piangonana katolika mihitsy ilay olo-masina efa maty.
Tsy miteny aho hoe diso ny an'ny katolika, marina aminy ilay izy satria mahita lovatsofina mifanaraka amin'izany izy, saingy tsy mety amin'ny protestanta satria tsy avoitran'ny baiboly manontolo.
Tohizako amin'ny Mark.10:35 - 45
Jesoa matetika dia miteny hoe mangataha dia omena ianareo, mitadiava dia hahita ianareo, raha mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho azonareo izany. Baiko mihitsy io mangataka io.
Fa eto amin'ity Mark.10 ity dia nisy nangataka fa tsy nahazo. Zanak'i Zebedio (jakoba sy jaona) no tonga nanao fangatahana tamin'i Jesoa hoe Jesoa , hangataka aminao izahay, rehefa tonga any amin'ny voninahitrao Ianao, aleo ny iray aminay roalahy mba ho eo ankavananao ary ny iray ho eo ankavianao.
Ireto zavatra ireto no fahadisoana ary tian'ny Tompo hampitaina eto: naverin'i Jesoa teo amin'ny tantaran'ny famonjena izy roalahy ireto. Ianao ve moa tsy mba haniry ny ho akaikin'Andriamanitra, tsy mba hahafinaritra anao ve raha ianao no tena eo anilany! Fa Jesoa niteny fa tsy anjarany no manome izany toerana izany fa efa mipetraka ho an'izay nanamboarana azy. Izany hoe tsy misy reservation any amin'ny fanjakan'Andriamanitra fa mbola samy eo an-tany fiadiana daholo ny rehetra. Tsy misy milaza mihitsy fa ianao io no eo ankavanan'i Jesoa. Tsy mbola fantatra satria tsy mbola tonga ny fitsaran'Andriamanitra. Noho izany ny fitsarana ihany no afaka milaza manao hoe i koto no eo ankavian'i Jesoa, i Soa no eo ankavanany. Izay no mahatonga ny Tompo niteny hoe tsy mbola fotoan'ny fametrahana ny olona eo amin'ny teorany izao. Mbola samy ao anaty toeram-piadiana, ao an-tany fiadiana avokoa isiaka rehetra. Marina fa efa nahavita ny adiny ireo teo alohantsika toa ny apostoly, dia rariny ve raha toa ka tonga dia apetraka mialoha eny an-kavia sy an-kavanana, dia ahoana izany ireo olona any aoriana izay tsy maintsy mbola hiady sy hiaritra ny fangirifiriana. Mety amin'ireo no misy Mosesy na Jakoba vaovao, noho izany tsy mbola famoahana ny valim-pifidianana izao fa mbola misy ny eo an-tany fiadiana.
Rehefa mivoaka ny didim-pitsarana, eo vao ho fantatra ny antsipiriany. Izay no mahatonga ny fiangonana reformée tsy manaiky ny fampianaran'ny olo-masina fa raha ny baiboly no jerena dia tsy mbola misy manambara mihitsy fa efa any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireny lazaina fa olo-masina ireny fa ny azo antoka fa efa any dia Jesoa . Misy maritiora any fa ny Tompo no mahalala, misy mpanompon'Andriamanitra be dia be any fa ny Tompo no mahalala. Izay no mahatonga hoe rehefa mivavaka isika dia manatona an'Andriamanitra noho i Jesoa fa tsy afaka miteny hoe azonao antoka fa any i Jaona zanak'i Jebedio. Eny e, andeha atao hoe any izy, fa tsy afaka miteny mihitsy ianao hoe ry jaona ô, tahio aho fa ianao no eo akaikin'i Tompo afaka mibitsibitsika aminy eo. Tsia, tsy mbola fotoan'izany mihitsy izao. Fa tsy anjarantsika izany fa olona mbola mitovy laharana amintsika daholo ireny rehetra ireny, mbola samy miandry eo amin'ilay toerana fiandrasana ny fitsaran'Andriamanitra avokoa isika rehetra. Hoy ny Hebreo hoe tsy mbola natao tanteraka ireo nialoha lalana rehetra ireo na dia olo-masina, nahafoy ny zavatra rehetra, maty ho an'ny Tompo aza, dia miandry aloha . Izany hoe ny fidirana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra dia miaraka daholo (Apok.20), misy ny toerana hiandrasana ho an'izay efa lasa nialoha lalana, paradisa hoy ny Tompo, ao anatin'ny fiainana feno fifaliana fa mbola tsy eo an-kavia sy an-kavanana akory. Fa rehefa tonga ny fotoam-pitsarana vao fantatra hoe i ranona no eo. Maninona moa no tsy ho ianao ?
Fa mety mahery ianao anio, fa mety ho tratran'ny fizahan-toetra rahapitso. Noho izany tsy mbola misy afaka ny hiteny hoe avelao itsy toerana itsy ho ahy dieny izao. Ny Tompo no efa niteny hoe hanamboatra fitoerana ho anareo aho, izay hitoerako no hitoeranareo koa . Rehefa vita ny toerana ho anao, voalamina tsara ianao, voazaha toetra, voamboatra, dia alain'ny Tompo ianao fa ny antsipiriany dia Azy irery ihany. Nisy fanoharana nataon'i Jesoa izay hoe ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny harato tarihina . Rehefa nosotomina ny harato dia teny amoron-dranomasina vao nofantenana ny trondro. Ny tiana hambara dia hoe, tsy ny harato na ny fiangonana mihitsy no mifidy hoe merlan ihany no alaiko anio na sardine ihany . Tsy mifidy izany ny harato, tsy eny am-perinasa ny fifantenana. Tsy anjaran'ny fiangonana no milaza fa i rakoto dia lasa olo-masina eo ankavian'Andriamanitra. Indraindray ny fiangonana tratran'izany: i ranona dia tsy izy fa toa izao sy toa izao. Tsia, tsy nirahina hifantina ny fiangonana na hanindraindra tena ho apostoly . Tsy asan'ny fiangonana izany, fa ho avy ny fotoan'ny fifantenana izay amin'ny faran'ny asa. Rehefa vita ny asa, voavory avokoa ny zavatra rehetra vao tonga eo amin'ny fotoan'ny fifantenana.
Mbola betsaka ny tiana hambara fa hajanoko hatreo aloha fa efa mahamonamonaina sahady ho an'ny hafa !
Hotohizana amin'ny manaraka ilay Mat.16:18 sy Mat.18:18
6. fidinirina ( 02/04/2015 07:13)
[color=white}.
.
.[/color]

Misaotra an'i Tefigasy.

tsy manisy sarin'i Jesosy amin'ny Lakroa?

Amin'ny protestanta, tsy eo ambony hazo fijaliana intsony i Jesoa Kristy, efa niala teo Izy. Maty ka nalevina, ary tamin'ny andro fahatelo dia nitsangana velona. Ary niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra, mifona ho antsika ary mbola ho avy eny @ rahon'ny lanitra.

Jaona 14:1-3
1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa [Na: mino an’Andriamanitra hianareo, dia minoa Ahy koa] .
2 Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
7. Strong3 ( 02/04/2015 07:24)
Mafinaritra ilay gazetynao ... tantara mirirotra izy io, saingy ny zava-dehibe dia ny fanombohan'ny fimparitahan'ny zava-miafina ao vatican ao
ary efa fantatra ihany koa fa tsy tompony ny fiangonana maneratany fa mpindrana sy mpanolaka ary mpampiasa mba ahazo tombony ara-nofo.
Mampalahelo fa misy olona tena mihevitra ny dogme ao ho tena marina sy tena azo ifaharana, dia manokantena ho ... kay misy fahadisoam-panantenana aoriana kely/
8. hery ( 02/04/2015 12:54)
Misy "mahalala" tsara ny Fiangonan'ny hafa koa ato izany an.


Re: Fa maninona ny Protestanta no tsy mino ny olo-masina ary tsy manisy sarin'i Jesosy amin'ny Lakroa?


Tsy haiko fa izaho Katolika
9. rhaj0 ( 02/04/2015 13:10)
Ka tatsy @ ilay rohy teo dia nofintininy ny TSY fitoviana
http://www.religionfacts.com/christianity/charts/catholic_protestant.htm

Ireto izao tsongolohiko:

............................Catholic ............................Protestant
Authority ...............Scripture and tradition ......... Scripture alone
Bible .....................Includes apocrypha.............. Excludes apocrypha
Purgatory ...............Affirmed........................... Denied
Prayer to saints .......Accepted.......................... Rejected

Ka ireo TSY-fitoviana ireo fotsiny, raha ny fahitako azy, dia tena zava-dehibe, fa tsy hoe ... "diso tsipelina" fotsiny, na hoe fombafomba kely fotsiny..


Dia averiko kely indray ho'a hoe:

- ka izay ve no didiNY, hoe samia manao izay reveny eo, fa mankany mankany daholo ihany izany ??

- sa araka ny fampianarana azo, dia hoe, ny iray ihany, dia izay arahin'ny tenabe ao, no "tena izy" ?

10. Tefigasy ( 02/04/2015 13:16)
hery:

Misy "mahalala" tsara ny Fiangonan'ny hafa koa ato izany an.

hahahahah, mety mahazo naoty firy amin'ny 20 ?
11. Tefigasy ( 02/04/2015 13:21)
rhaj0:

Dia averiko kely indray ho'a hoe:
- ka izay ve no didiNY, hoe samia manao izay reveny eo, fa mankany mankany daholo ihany izany ??
- sa araka ny fampianarana azo, dia hoe, ny iray ihany, dia izay arahin'ny tenabe ao, no "tena izy" ?

Inona ary no mbola hirarahin'ise an'izany e ? Ise ary efa milaza fa tsy mino ilay Andriamanitra tondroin'ny baiboly fa ..... koa !
12. rhaj0 ( 02/04/2015 13:43)
Koa zaho te-ahalala kouh.. menatra angaha ianao @ finoanao ao dia tsy mahasahy milaza mazava izay resaka fa lasa izaho (mpiresaka) no resahinao ?

Fa raha tsy hamaly ianao dia hitako e... Ianao dia mihevitra fa ny anao irery, ny finoanao araka ny fandraisanao azy samy irery ao, izay ihany no "tena izy".

Ka diso aho sa tsia ?
13. Tefigasy ( 02/04/2015 13:51)
rhaj0:

menatra angaha ianao @ finoanao ao dia tsy mahasahy milaza mazava izay resaka fa lasa izaho (mpiresaka) no resahinao ?

Menatra ny finoako aho ve dia hanoratra gazety lavabe otran'ilay nosoratako eo ambony io, hihihihi
Fa ilay hidiran'ny vitsika amin'ny petrole mihitsy no ??????
rhaj0:

Fa raha tsy hamaly ianao dia hitako e... Ianao dia mihevitra fa ny anao irery, ny finoanao araka ny fandraisanao azy samy irery ao, izay ihany no "tena izy".
Ka diso aho sa tsia ?

Inona moa izao no hirarahiko izay bodista any nefa izaho efa tsara petrapetraka aty amin'i Kristy. Raha mampisalasala ahy i Kristy dia sur 100% aho fa tena noteteziko daholo na silamo na indou na bodista na i dadarabe, fa tsy izay no zava-nisy ka tsy dia hitako loatra izay mbola tokony handaniako andro any amin'ny hafa nefa izaho efa tsara toerana eto amin'ny ahy r'ise a! Ise izao no hitako mbola mitsingevaeva mikaroka gauche droite fa tsy mety mitoetra marina tsara.
Tsy fombako hoy aho ny manaratsy ny an'ny hafa, ny ahy no tena fantatro ny hatsarany dia rariny loatra raha miteny aho hoe marina ny ahy, sady izany rahateo no hitako sy mihatra eo amiko. ka inona indray ary !
Loaka eto ity diska ity ny farany fa miverimberina be, hihihihihi
14. rhaj0 ( 02/04/2015 13:56)
Tsisy niresaka bodista sy petrole na vitiska koa anie eto fa kakolika sy propespampa ee... "can't convince, confuse" i Tefigasy eto, sa "confused" ?
15. rhaj0 ( 02/04/2015 13:58)
Ka dia ny conclusion-ko mpijery izany dia.. "menatra" ihany i Tefigasy ny farany @ ity "finoany" fa ny azy IHANY no "tena izy" eee.... ka dia io mihodikodika mangoaka diska io.. :-)
16. Tefigasy ( 02/04/2015 14:06)
rhaj0:

Ka dia ny conclusion-ko mpijery izany dia.. "menatra" ihany i Tefigasy ny farany @ ity "finoany" fa ny azy IHANY no "tena izy" eee.... ka dia io mihodikodika mangoaka diska io.. :-)

izay izany koa, andeha hisitrika aho aloha
17. rhaj0 ( 02/04/2015 14:19)
koa na hisitrika anie ianao hono sirika foana e... :-)
Fa aza misitrika moa ee...

Hitanao ny maha-samy hafa ahy sy ianao ?
- ianao mamely ambadika hoe, inona foana no mbola ataonareo tsy-mpino eto, nefa "finoana" ny resaka? Kely sisa dia hiteny iana(re)o hoe, allez mandeha..
- nefa izaho tsy-mpino eto mitalao aminareo mba tsy hisitrika :-)
18. endriny ( 02/04/2015 14:26)
Tena tsy gaga aho ry zareo raha taloha dia noraisina toy ny boky tsy ambaratelo ny baiboly.. Tsy nisy olon-tsotra na fianakaviana nahazo nitazona baiboly, fa masina ny baiboly ka tokony ho an'ny olona nofidian'Atra irery ihany...

Fa rehefa samy nahazo nividy baiboly dia samy nanana ny fandikany azy... Izay voasoratra dia azo ahitsy ara-kevitra hifanaraka amin'ny filana fotsiny ihany... Oh. "mila makany an-danitra ny fanahiko fa inona re no toko sy andininy metimety amin'izay e?"

Harry Potter aza moa mampiady koa maika baiboly...
19. Tefigasy ( 02/04/2015 14:28)
rhaj0:

koa na hisitrika anie ianao hono sirika foana e... :-)
Fa aza misitrika moa ee...

Hitanao ny maha-samy hafa ahy sy ianao ?
- ianao mamely ambadika hoe, inona foana no mbola ataonareo tsy-mpino eto, nefa "finoana" ny resaka? Kely sisa dia hiteny iana(re)o hoe, allez mandeha..
- nefa izaho tsy-mpino eto mitalao aminareo mba tsy hisitrika :-)

allez mandeha ve no ilainao? tongava aminao araka izay fanirianao ary
20. Tefigasy ( 02/04/2015 14:30)
endriny:

Tena tsy gaga aho ry zareo raha taloha dia noraisina toy ny boky tsy ambaratelo ny baiboly.. Tsy nisy olon-tsotra na fianakaviana nahazo nitazona baiboly, fa masina ny baiboly ka tokony ho an'ny olona nofidian'Atra irery ihany...

Fa rehefa samy nahazo nividy baiboly dia samy nanana ny fandikany azy... Izay voasoratra dia azo ahitsy ara-kevitra hifanaraka amin'ny filana fotsiny ihany... Oh. "mila makany an-danitra ny fanahiko fa inona re no toko sy andininy metimety amin'izay e?"

Harry Potter aza moa mampiady koa maika baiboly...

Io ve izany no conlusion-anao mikasika ilay fanontaniana eny ambony ???
lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2266