Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

81. RBNIR ( 24/03/2015 11:15)
endriny:

RBNIR:

Misy ny fantatrao tsy fantatray... Lojika be izany... Satria tsy anakiray ny lohantsika.... Saingy izao... Samy manaja ny fahalalany misy azy avy...

Fa izao raha mino ilay boky artifisialy "Baiboly" isika dia tokony tsy hitady izany Atra sy ny lanitra izany intsony. Satria nahoana?

Vao teraka ianao dia efa isain'i Jehovah ny andronao, ary efa nosoritany ny lalana alehanao... Fa ny adalantsika fotsiny no mahatonga antsika tsy afa-po amin'ny efa nomeny dia lasa mamorona an'ity sy iry... Izao indray no lalana mankany an-danitra e... Ireto avy no dingana tsy maintsy arahina e... Ary io tsy misy mahalala izay nanendrena azy, fa izay mahafaly ny fo no atao

Ary lasa mpitory teny tampoka teo indray ange ny namana endriny izany fa tsy lasa mpanompo sampy intsony e! :)
82. endriny ( 24/03/2015 11:36)
Sao heverinao fa tsy sampy aza io Atr'Israely ivavahanao io ry RBNIR...
83. RBNIR ( 24/03/2015 12:39)
endriny:

Sao heverinao fa tsy sampy aza io Atr'Israely ivavahanao io ry RBNIR...

Aoka marina e!
Sahinao v ny mampitovy an'ilay Avo indrindra amin'ny sampy ry namana....
84. rhaj0 ( 24/03/2015 13:14)
Aza miala @ Rakibolan'i Hery
sampy
1 a.: Tany am-boalohany, fanafody nofonosina tapa-damba dia nasiana tady randrana lavalava mba hahazoana "misampina" azy, ka ny nikendren'ny ntaolo azy tamin'izany dia ny hiaro amin'ny valan'aretina toy ny sery, kohaka, aretin'andoha. - Taty aoriana, zavatra (tapakazo) natao fitokiana sy hianteherana ka nivavahana...

Ka ilay Croix izany no tapakazon'ny (mi-symboliser ny) "fitokiana sy fianteherana ka ivavahana"
85. RBNIR ( 25/03/2015 05:48)

rhaj0:

Faly misera namana,

Andriamanitra tsy hita maso, ary mandrara ny olona tsy hanompo sampy...« Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eks.20:4)
« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks.20:5)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
86. rhaj0 ( 25/03/2015 10:34)
RBNIR:
...fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks.20:5)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

wow... giravibe ary tena giravibe ilay hoe, "samia tahian'Izy ilay saro-piaro izay mamely h@ zanaka aman-jafy" eeee...

Izany no tena KIbay vita @ KAroty, sa KAroty vita @ KIbay...
87. RBNIR ( 25/03/2015 10:54)

Izay ilay nataoko hoe tsy tsapanao intsony fa tsy izaho intsony ange no toherinao fa IZY MIVANTANA MIHITSY e!
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. » (Apok.14:7)

88. rhaj0 ( 25/03/2015 11:15)
entre-pa.. fa ny Eks. misy io tsy mamela ny zanaka aman-jafy io angaha moa tsy TT ? F'angaha tsy efa @ ilay "fanekena vaovao" indray RBNIR ?
Hoe efa "nivoatra"... asa ny olb ve izy teo sa moa A.tra, ka tsy izy intsony ilay taloha ?

Ka hoe ilay taloha ka "fampitahorana", KI[size=4]bay[/size], fa ilay vaovao ka "fitiavana", KA[size=4]roty[/size] ?...

sa izaho no manitatra?
89. RBNIR ( 25/03/2015 11:21)

Tsy azonao ilay izy raha izany,
Tsy hoe fanekena vaovao dia foana ny lalàna napetraka fahiny...
Tsy hoe koa fanekena taloha = Andriamanitra mampitahotra , dia fanekena vaovao = andriamanitra fitiavana...
Tsy izay ilay izy fa vakio ato namana....
ANDRIAMANITRA DIA TSY MIOVA OMALY ANIO ARY HO MANDRAKIZAY.......
Samia ho tahin'ny Tompo namana......
90. rhaj0 ( 25/03/2015 13:11)
RBNIR:
Fanekena vaovao,
1 Nesorina ny ota
2- Nilatsaka ny fahasoavana (Fanahy Masina) dia nosoratana ao am-pony ny lalàna fa tsy ety ivelany intsony ary novonoina ilay soratanana tety ivelany)
3 -Lasa mpanompon'ny fahamarinana mahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra.

okay.. izay izany hoz'ianao. Raha ny fahazoako an'io dia "tanjona" io: "Arrivée" hoz'ianao izay.

Dia ilay "TSY MIOVA OMALY ANIO ARY HO MANDRAKIZAY" dia ity :
...fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks.20:5)

okay... fa dia mahasoava amin'Azy ao azany kouh...

Fa ny zafiafy sy zafindohalikao izao nge efa (ho) "lasa" e... izay ny tendance normal efa hita izao... hi hi hi... TSY mahakasika an-dreo intsony ny "inoanao" ao izany... koa na hanorana na hanavandra azany Izy, ny Ankizy efa laaaasssaaaa... nga ho'a mahakasika an-dreo izany :-)

91. endriny ( 26/03/2015 14:09)
Izany hoe misy fetrany ilay lazaina hoe fitiavana tsy misy fetrany ary tsy mivadika mandrakizay... Ny mpanakarena izany dia ihinan'ny tsock mihintsy satria ny rameva aza ho tafiditra amin'ny vody fanjaitra araka ilay fahaizana majika an'i Jesosy... Fa ny mpanakarena tonga dia tsy omby ilay vody fanjaitra mihintsy... Io mantsy no ahalehiben'ny vavahady miditra any an-danitra...

Mila manao regime ... Ihihihihi
92. rhaj0 ( 26/03/2015 15:31)

Tena tsy kOpy @ lojikan-dreo angamba isika ry Endriny kah..

misy fetrany ilay fitiavana-tsisy-fetrany
mivadika ilay fitiavana-mandrakizay
ny fatahorana dia tsy fatahorana
93. endriny ( 26/03/2015 15:49)
Ny mampihomehy ahy anefa dia rehefa misy fifidianana prezidan'ny fiangonana dia ireo sokajin'olona manankarena ihany no aroso ho fidiana...
94. rhaj0 ( 26/03/2015 16:37)
ka izao 'le revy.. Aroso eo aloha foana k'lou i Ratavilahy Rampanana, ka raha tafiditra ny vodi-fanjaitra izy, dia ho rovitra ny vodi-fanjaitra...
ary dia ho tafiditra daholo isika mianakavy.. .. haingana... haingana..
95. RBNIR ( 27/03/2015 05:37)
rhaj0:

okay.. izay izany hoz'ianao.

Salama namana,
Io mihitsy no hitako lesoka eo aminao sy ny namana endriny: heverinareo fa hoe fihevitro ilay izy dia takona aminao ilay hafatr'Andriamanitra ho anareo.
Matoa aho mitondra toko sy andininy ao amin'i baiboly dia tiako ho fantatrareo fa tsy ny avy amiko no zaraiko fa izay azoko avy taminy namana....

P.S : Hoy Izy fa tsy izaho : « Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isa.55:9)

Mety ho izay angamba no tsy hahatakaran'ny sasany ny haben'ilay Fitiavany...

Misy kosa anefa nolazainy (fa tsy nolazaiko) fa navelany hahalala :« Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9).  » (Lio.8:10)

Ka io ilay nolazaiko hoe misy zavatra fantatro tsy fantarao, misy zavatra iainako tsy hiainananao.....

Na izany aza miantso foana IZY e ....Mbola tsy tara akory raha izao vao hanapakevitra...

Samia ho tahin'ny Tompo namana!....
96. rhaj0 ( 27/03/2015 10:23)
rhaj0:
okay.. izay izany hoz'ianao.

RBNIR:
Io mihitsy no hitako lesoka eo aminao sy ny namana endriny: heverinareo fa hoe fihevitro ilay izy ...

Mety hoe TSY fihevitrao, izany hoe fihevitra anao manokana ao, ilay izy, fa fihevitry ny mitovy "finoana" aminao, ary fihevitra MANOKANA anareo ao izany.

Hitanao ihany fa isaka ny mandeha, dia ny namanao Kristiana (sasany) ihany no manohitra ilay "fihevitra".
97. RBNIR ( 27/03/2015 10:46)
rhaj0:

rhaj0:
okay.. izay izany hoz'ianao.

Hitanao ihany fa isaka ny mandeha, dia ny namanao Kristiana (sasany) ihany no manohitra ilay "fihevitra".

Normale, raha betsaka no tsy mitovy hevitra ary tsy tokony hahagaga...

Izay nampianariny mivantana ihany ihany no mahafantatra ny tena marina...
Ary araka ity teny ity dia tokana ny nampianarina fa betsaka koa ireo nandray ny fampianarana avy tety an-tany namana...

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)

Tsy voatery hoe hifanohitra, fa raha manetry tena ka manaiky hino ireo marobe dia ho tonga andiany iray ihany tokoa IZY rehetra......

« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jao.10:16)

Samia ho tahin'ny Tompo namana....

98. rhaj0 ( 27/03/2015 12:40)
RBNIR:
Izay nampianariny mivantana ihany ihany no mahafantatra ny tena marina...

Ka nareo samy nareo (kristiana0 ao ihany no samy milaza-tena ho "mahafantatra ny tena marina". Ary nareo samy nareo ao ihany no mifandimby milaza-tena fa hoe, ny "fihevitraREO" anie ka "fihevitraNY"..

Ka misy firy azany ny "fihevitraNY" ee... Misy ny fihevitraNY, arak'i Strong3 ohatra, dia misy koa ny fihevitrANY, arak'i RBNIR, dia misy koa faha-3, arak'i Fidinirina ohatra. Dia izay koa ve izany ilay 3 no 1 ????

Io ho'a ilay atao(ko) kisary (caricature) hoe, izay ilay "kristiana-mpiady-lova". Samy te-handova (ho azy samy irery) ny fanjakan'ny Rainy ao ny tsi11, ary dia mifanipaka an-karona ao, samy milaza-tena ho "tena zanaNY", na hoe, ho "tena mahay ny teniNY", na hoe, "tena manaraka ny teniNY".. ary izy irery ihany io no hosorany ho toa izay, hoe "tena kristiana", fa ny namany (kristiana) hafa rehetra dia lazainy fa "tsy tena izy"

Ka dia azo amoronana ohabolana vaovao nareo (kristiana) izany ee..

[size=14]" Mifanipaka Ao Anatin'Ilay Box-Tsisy-Afa-Tsy-Baiboly Toa Kristiana-Mpiady-Lova...[/size]
99. RBNIR ( 27/03/2015 13:02)
rhaj0:

RBNIR:
Izay nampianariny mivantana ihany ihany no mahafantatra ny tena marina...

Ka misy firy azany ny "fihevitraNY" ee... Misy ny fihevitraNY, arak'i Strong3 ohatra, dia misy koa ny fihevitrANY, arak'i RBNIR, dia misy koa faha-3, arak'i Fidinirina ohatra. Dia izay koa ve izany ilay 3 no 1 ????

Iray ihany no marina e! ary i Jesosy no nanamabara azy...« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Ary izao izay mihaino ny feony no avy amin'ny marina....

Izay nampianariny mivantana ihany koa no tena mahafantatra ny marina fa ny sisa dia interpretation avy ety antany daholo e!!!!
100. endriny ( 28/03/2015 03:35)

RBNIR:

Iray ihany no marina e! ary i Jesosy no nanamabara azy...« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Ary izao izay mihaino ny feony no avy amin'ny marina....

Tsy haiko na ny rongony nofohoiko no be loatra na ny divay nosotrounao no tafahoatra... Fa dia io ihany ve no Marina amin'io boky artifisialy mihoatra ny 666 pejy io e?

Sao mba tafahoatra lahy izany? Dia ahoana ny didy 10? Dia ahoana ilay Atr'i Abrahama?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9047