Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

61. RBNIR ( 21/03/2015 02:46)
rhaj0:

tsy haiko aloha fa ... "manohitra" ve aho ry RBNIR raha mba mamelabelatra mamahabaha manitatritatra ny resaka mba ampazava azy tsara ? i Fidinirina azany moa milaza fa "manenjika"..

Faly misera namana,

Tsotra kely , ny olona rehetra mahatsapa fa ilay Fitiavana lehibe indrindra no efa natolony (namoizany ny Zanany lahy tokana,nanolorany Zanany ny ainy hamonjy izao tontolo izao) ianao milaza fa TSIA mbola tsy ilay tena Fitiavana izay (koa tsy manohitra v izany namana)????

Ary tena mampalahelo heverinao hoe ny hevitry ny olona no toerinao nefa ny tena Marina tsy tsapanao fa IZY mihitsy no toerinao.
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

IZY ange no nampianatra fa io ny FITIAVANA LEHIBE indrindra e!
« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jao.15:13)

P.S :« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa. 55:8)

Koa tsy aleo v atsahatra amin'izay sao hifandrafy Aminy ny farany namana???

Samia ho tahin'ny Tompo namana
62. RBNIR ( 21/03/2015 02:56)
P.S rhajo, endriny, stilo sns.... misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy hiainanao, matoa aho mijoro hoe MISY IZY dia tena MISY IZY.....
tahaka ny firesahako amiano izao no firesahany amin'izay olona tiany hiresahina.....
Tsy ny olona rehetra no mety hahazo izany.....
A bon entendeur......
Hitahy an-tsika anie IZY ry namana isany....
63. endriny ( 21/03/2015 04:46)

RBNIR:

Tsotra kely , ny olona rehetra mahatsapa fa ilay Fitiavana lehibe indrindra no efa natolony (namoizany ny Zanany lahy tokana,nanolorany Zanany ny ainy hamonjy izao tontolo izao) ianao milaza fa TSIA mbola tsy ilay tena Fitiavana izay (koa tsy manohitra v izany namana)????

Ary tena mampalahelo heverinao hoe ny hevitry ny olona no toerinao nefa ny tena Marina

Dia fitiavana ve aminao ny manao sorona zanaka? Indrindra fa zanaka lahy tokana? Hitako no faly ery Razanakolona nahita ireo AV7 nitsitsitra teny Ambohitsorohitra... Lafika e, Sorona e

Ho ahy dia adalana mihoa- pampana ny fanaovana sorona olona, indrindra fa zanaka na inona na inona antony...
64. endriny ( 21/03/2015 04:47)
Io ry RBNIR ilay hoe sadikadikan-draha aminy a
65. RBNIR ( 23/03/2015 05:58)
endriny:

Io ry RBNIR ilay hoe sadikadikan-draha aminy a

Faly misera hatrany namana,
Fantaro ny antony ilàna ny rà : « Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany. » (Lev.17:11)
Rà = aina,
Raha manota ny olona dia fahafatesana no tambiny : « Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. » (Rom.6:23)
Mila fanavotana ny olona araka izany mba "ho velona indray", mila aina (aina dia amin'ny rà) izay no antony,
Fehiny raha tsy nanota ny olona, dia tsy nilaina ny rà,
Dikany ny fahadalan'ny olona no nahatonga an'io fa tsy avy Aminy akory....
« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

Izay ilay hoe mila mianatra isika fa manjary manaonao foana ka malaky manome tsiny an'Andriamanitra....

Ny olona dia nohariana ho velona mandrakizay fitiavana nomeny maimaipoana io tsy misy takalony (didy 1 monja no nomena hotandreman'ny ny olona fahiny nefa tsy voatandriny)...
« Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; » (Gen.2:16)
« fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Gen.2:17)

Andriamanitra v no omena tsiny namana nefa ny olona no nanao ny nataony????

Mbola misy fanavotana ho an'ny olona mba handovan-tsika indray ny fiainana mandrak'izay.
Ny rà nalatsaka dia efa vita (tsy izao sy ianao no hanome azy) fa i Jesosy ilay Zanany lahy tokana no nanolotra ny ràny maimapoana ho an'izay rehetra mangetaheta indray handova ilay fiainana mandrakizay....

Any amin'io fiainana mandrakizay io no hotanteraka indray ilay fitiavana takianareo ry rhajo sy ry endriny satria tsy hisy ozona intsony ary havereny amin'ny olona indray ilay fitiavana nomeny an'i Adama fahiny .....« Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy » (Apok.22:3)

Izay ilay izy....dia tena marina tokona ny tenin'Andriamanitra namana...
« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

Raha tsy nanota, tsy ho tonga amin'izao isika e! ny fitiavany dia maimaipoana mandrakizay mandrakizay....

Koa samia mandinika ary, tsy misy afaka manova izay efa vita isika, fa ny ho avy kosa mbola misy fanantenana: omena fanavotana vaovao amin'ny alalan'ilay Zanaka lahy tokana isika mba handova indray ny fiainana mandrakizay....

Anjaran'ny tsi11 sisa no manapa-kevitra....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
66. rhaj0 ( 23/03/2015 11:10)
RBNIR:
Any amin'io fiainana mandrakizay io no hotanteraka indray ilay fitiavana ...

Raha ny fahatakarako azu, dia izay "tiany" ihany no mahazo an'izany "fitiavana-be" izany, fa ireo TSY tiany dia (navelany) hidotra any (@ afobe).

Koa na ilay "fitiavana-be" azany moa izao ngaha fantatra akory, fa dia "fitiavana-be" fotsiny hono izy ao e.. (tsy hay na fitia-varavarana, na fitia-rotsa-kazo, na fitia-siligoma,.. fa tsy fitia-inconditionnel k'lou)

(hi hi.. dia ianao manantena fa isan'ireo "tiany" fa tsy mba isan'ireo lasa atsy @ "afobe" ? dia minou dia mahasoava @ izany ao azany ee...)

RBNIR:
ny tena Marina tsy tsapanao fa IZY mihitsy no toerinao.

io indray k'lou ry RBNIR dia raha ny fahatakarako azy, dia .. "ianao" (irery) no mahatsapa an'izany.. tsy hi-contredire anao @ izany ao.. izay izany no fahatsapanao azy ao kouh..

Fa ny ahy dia mba nampiasaiko ilay saina, manontanintany (foana) sy mamahabaha eee... Ny fahatakarako azy, dia io mampiasa saina manontanintany sy mamahabaha io mihintsy no tsy tian'ny debabem-pinoana, satria mety manonzongozona ny (sezany) finoana.. ka dia ny hoe "minou fotsiny fa lehibe A.tra" foana ihany no asesiny..

Raha aminao mety izany misesy dia misesika izany, amiko kosa aloha dia ..
- na averimberinao faha-100 amin-1000 eo azany hoe, ohatra hoe, "be fitiavana Izy" na hoe "marina ny Baiboly",
- ka tondrahanao versets 100 amin-1000 eo azany,
- dia nefa rahefa henoina ny lojikanao toa tsy hita(ko) akory, ny fanontaniana tsy valianao akory fa atsipinao hoe "minou fotsiny"..
.... dia izay izany fa dia mahasoava aminao ao n'enao sy ny safidi-NAO ho'a, fa raha izaho aloha dia io misafidy ny ilaza ny fahitako azy io foana fotsiny...
67. RBNIR ( 23/03/2015 12:04)
rhaj0:

RBNIR:
Any amin'io fiainana mandrakizay io no hotanteraka indray ilay fitiavana ...

Raha ny fahatakarako azu, dia izay "tiany" ihany no mahazo an'izany "fitiavana-be" izany, fa ireo TSY tiany dia (navelany) hidotra any (@ afobe).

Mila miaiky kosa isika fa nanota taminy namana rhajo a! ny fahazoako ny resakareo sy endriny dia hoe mila fitiavana inconditionnel ianareo, izay ilay lazaiko hoe havadika indray v ny globy ny mpamorona
68. RBNIR ( 23/03/2015 12:05)
rhaj0:

RBNIR:
Any amin'io fiainana mandrakizay io no hotanteraka indray ilay fitiavana ...

Raha ny fahatakarako azu, dia izay "tiany" ihany no mahazo an'izany "fitiavana-be" izany, fa ireo TSY tiany dia (navelany) hidotra any (@ afobe).

Mila miaiky kosa isika fa nanota taminy namana rhajo a! ny fahazoako ny resakareo sy endriny dia hoe mila fitiavana inconditionnel ianareo, izay ilay lazaiko hoe havadika indray v ny globy ny mpamorona indray no ho lasa kely noho ny noforonina???
Raha tianao ny hahazo ilay fitiavam-be dia tsotra
« Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Oha.28:13)

Maneke fa diso teo anatrehany ary mahafoiza izany zavatra diso izany....

Fahadisoan-kevitra kosa ny fizirizirina amin'ilay hoe fitiavana inconditionnel no ilaiko ka na inona na inona ataoko dia tokony tiaviana foana aho.....

Raha tafiditra any amin'ilay fiainana mandrakizay hoy aho vao tsy hisy fahafatesana intsony....saingy ny olona tonga any aloha dia fa olona efa voaova fo daholo koa fa tsy misy ota any na kely aza e!....

« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apok. 21:4)

« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Kor.5:17)

« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jao.3:5)

Donc raha tianao ny hahazo ilay inconditionnel, dia maneke aloha manetre tena ho mpanompo dia avy eo ianao hasandratra ho zanaka indray kosa (satria ny toeran'ny zanaka io katsahinao mafy io ry namana) « Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Mat.23:12)

Efa natoroko tato fa misy lalana(hahatongavana amin'ilay toeran'ny zanaka koa io no katsaho mafy ry namana)

Samia ho tahin'ny Tompo namana......
69. RBNIR ( 23/03/2015 12:46)
Ilay fitiavana incoditionnel rhajo sy endriny dia ho an'ny zanaka a! « Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.» (Jer.31:3)

Isika rehetra depart andevo daholo aloha (andevon'ny ota) nolovaina tamin'i adama sy Eva io, dia mila miverina ho zanaka indray kosa...
Mandehana amin'ilay làlana (chemin) natorony dia ho tonga any ianao e.
Ary hisy Fanahy ho tonga ao aminao ary ny fanahinao sy io Fanahy io dia hiaraka hanamarina fa lasa zanany tokoa ianao (ary hatreo dia hino sy hanantena marina ianao fa ho lasa mpandova....
Ho tonga aminao ilay fitiavana incoditionnel tadiavinao....
« Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. » (Rom. 8:16)

Secret voalohany manetre tena.....

Secret faharoa, maneke andeha amin'ilay làlana....

Tsy hilaza aminao ny tohiny aho fa Izy no hanambara aminao...

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana....

70. rhaj0 ( 23/03/2015 13:40)
RBNIR:
Raha tafiditra any amin'ilay fiainana mandrakizay hoy aho vao ...
Donc raha tianao ny hahazo ilay inconditionnel, dia ...

Ka "conditionnel" izany ilay Fitiavana fa TSY "inconditionnel" mihintsy e... rehefa tsy manao an'izao sy izao dia any ny tranony. Tsy hitako ny hihodikodinana @ izany f'efa izany ilay izy k'inona indray azany.

Fa izaho anie TSY mitaky izany e. Hoy aho fotsiny hoe, anareo io.. raha misafidy ianareo ny hitia, na miaina ao anatin'ny Fitiavana toa izany, dia reveo ao azany kouh...

Hitanao.. sahala @ mijery ny .. ohatra hoe, ny zanak'anadahin-dreny any... dia izy roboka amin'izao "fitiavana" ngezabe izao hono.. satria ilaiaka "nahafoy" peratra diamondra sy trano, ary manototra raozy sy manao poeme vita "boky".. Dia hoe "manetre-tena" azany fa efa naneho fitia ngozabe ilery ee.. sady danz-mahery-be ilery no aleham-pananana... sa ahoana no tianao lazaina raha io no fanoharana? Dia nefany @ andro "farany", kay rahefa tsy manao ny sitra-pon'ilery dia ajedany... (manginy fotsiny ny abus psychologique ao isan'andro, tsy maintsy manao an'izatsy sy izao)...

Raha ny zanak'anadahin-dreniko k'lou ohatra, na koa ny Ankizy na ireo izay marefo ka mila mba ampiana mba ampahiratra ny sainy ao anatin'ny safidiny ao, dia .. (mampirisika) mamahabaha sy manontanintany no ataoko...
Fa raha olon-dehibe vory saina vory nofo io moa ianao, ary mahalala tsara ka misafidy ny ho ao anatin'izany Fitiavana (tyrannique) izany, dia .. eny azany ho'a fa dia mahasoava aminy ao e...
71. endriny ( 23/03/2015 14:09)
Dia fitiavana ve ny manao sorona zanaka? Indrindra fa zanaka lahy tokana? Hitako no faly ery Razanakolona nahita ireo AV7 nitsitsitra teny Ambohitsorohitra... Lafika e, Sorona e

Ho ahy dia adalana mihoa- pampana ny fanaovana sorona olona, indrindra fa zanaka na inona na inona antony...

Ny Ntaolo aza nahalala hoe Raha maty rahavana matesa ny omby...
72. RBNIR ( 23/03/2015 15:50)

Aza afangaro kosa e, fitiavan'Andriamanitra ny olona no nanolorany ny Zanany,
Fitiavan'i Jesosy ny olona no nanolorany ny ainy...
Izany tsy misy ifandraisany amin'ny AV7 sns....
Mila mahay mandray teny isika e.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana...
73. endriny ( 23/03/2015 16:04)

RBNIR:

Aza afangaro kosa e, fitiavan'Andriamanitra ny olona no nanolorany ny Zanany,
Fitiavan'i Jesosy ny olona no nanolorany ny ainy...
Izany tsy misy ifandraisany amin'ny AV7 sns....
Mila mahay mandray teny isika e.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana...

Fa ahoana kosa e... aza manavakavaka e...

Fitiavan'ny AV7 ny vahoaka Malagasy mba hiala teo ambany vahohon'i Ravalomanana ange no nanolorany ny ainy ho fanavotam-pirenena e

Ka ahoana aza... samy fitiavana manao sorona olona daholo izany

Soa ihany ny sampiko fa omby no atao sorona raha be indrindra..
74. rhaj0 ( 23/03/2015 16:28)
Nisy resaka hitako dia hoe, i Jesosy kay hono ka tsy te-ho faty.. toa ilay resaka lasa hira hoe "esory 'ty kapoaka mangidy" no argument-n'ilay mpandinika. Dia ahoana kosany azany mbola "navelan-drainy" ho faty izy e ?... Dia hoe, TSY responsable i Rainy fa izay namono teo no responsable an'io famonoana io ? F'angaha i Rainy tsy "omnipotent" indray e ?.. marary aza sitrany kouh...

Dia tena hozy ve Rainy hoe, TSY ho resy lahatra mihintsy ireo olombelona (adala) ireo raha tsy misy MATY mihintsy eo...

Dia avy eo ganga ianao raha izany koa no ianaran'izao adala rehetra izao !!!
75. RBNIR ( 23/03/2015 16:46)

« Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. » (Mat.21:37)
« Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. » (Mat.21:38)
« Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy. » (Mat. 21:39)

Ianao koa v mba ho hanisan'ireo "tsy hanaja" fa hamoaka Azy ivelan'ny tanim-boaloka ka hamono Azy????

76. rhaj0 ( 23/03/2015 17:36)
RBNIR:
Ianao koa v mba ho hanisan'ireo "tsy hanaja" fa hamoaka Azy ivelan'ny tanim-boaloka ka hamono Azy????

hypothetique ny resakao, fa naizany azany dia, raha izaho aloha dia TSY mpamono olona.. Sady tsy manana pouvoir omnipotent (na pensee magique) hanakana ny famonoan'olona. Fantatrao tsara anefa iza no afaka manao an'izany, na nanao an'izany.

[size=8](sady efa hoe ho'a hoe, "angano" ny anao, sahala @ filazan'i Fiffi ny finoan'ny gasy koa io, koa aiza koa no hiborotsahako ao anaty angano re ry RBNIR, fa dia aoka ho'a...)[/size]
77. RBNIR ( 24/03/2015 05:35)

Angano v? Dia adala daholo izany ny marobe nino ilay Evenement nitranga 2000 taona lasa????

Averiko hatrany, misy zavatra iainako tsy iainananao namana....misy zavatra fantatro tsy fantatrao namana....ianao tsy afaka hiaina izany mihitsy ary izaho tsy ho afaka hampiaina anao an'izany koa....

Fijoroana vavolombelona no hany azoko atao....
Mino ianao faly aho....Tsy mino ianao fa heverinao fa adala aho dia ataoko ahoana moa???

Fa efa mba nanao ny adidiko aho aloha...Hoy ny iraka iray izay hoe : « Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Kor.9:16)

Izaho koa dia milaza fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho namana...
Vita ny adidiko....
Anjaran'ny tsi11 sisa,

Ny Tompo anie hampahiratra antsika...
78. endriny ( 24/03/2015 07:54)

RBNIR:

Angano v? Dia adala daholo izany ny marobe nino ilay Evenement nitranga 2000 taona lasa????

Fijoroana vavolombelona no hany azoko atao....
Mino ianao faly aho....Tsy mino ianao fa heverinao fa adala aho dia ataoko ahoana moa???

Dia adala ve ny olona any amin'ny tany nipoiran'ny fivavahana kristianina raha miala tsikelikely amin'io ankehitriny noho ny fahatsapany ny mety tsy fahamarinan'io angano Israelita io?

Mijoro vavolombelona ahoana moa ianao? Tamin'ny tanatara efa 2000 taona tsy natrehin'ny razambentsika akory, kanefa ny tantarantsika aza tsy haintsika akory na dia ny tao anatin'ny 150 taona fotsiny aza...
79. RBNIR ( 24/03/2015 08:06)
endriny:

Mijoro vavolombelona ahoana moa ianao? Tamin'ny tanatara efa 2000 taona tsy natrehin'ny razambentsika akory, kanefa ny tantarantsika aza tsy haintsika akory na dia ny tao anatin'ny 150 taona fotsiny aza...

Ary tsy mamaky tsara mihitsy ange ianareo izany namana e!...

Hoy aho ery ambony....

P.S rhajo, endriny, stilo sns.... misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy hiainanao, matoa aho mijoro hoe MISY IZY dia tena MISY IZY.....
tahaka ny firesahako amiano izao no firesahany amin'izay olona tiany hiresahina.....
Tsy ny olona rehetra no mety hahazo izany.....
A bon entendeur......

Hitahy an-tsika anie IZY ry namana isany....
80. endriny ( 24/03/2015 11:11)

RBNIR:

Misy ny fantatrao tsy fantatray... Lojika be izany... Satria tsy anakiray ny lohantsika.... Saingy izao... Samy manaja ny fahalalany misy azy avy...

Fa izao raha mino ilay boky artifisialy "Baiboly" isika dia tokony tsy hitady izany Atra sy ny lanitra izany intsony. Satria nahoana?

Vao teraka ianao dia efa isain'i Jehovah ny andronao, ary efa nosoritany ny lalana alehanao... Fa ny adalantsika fotsiny no mahatonga antsika tsy afa-po amin'ny efa nomeny dia lasa mamorona an'ity sy iry... Izao indray no lalana mankany an-danitra e... Ireto avy no dingana tsy maintsy arahina e... Ary io tsy misy mahalala izay nanendrena azy, fa izay mahafaly ny fo no atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3363