Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

21. rhaj0 ( 17/03/2015 16:44)
"Fara-teny". Hozy ny diksionera: A final message, a decision, a verdict, a summing up; an intention or threat to resent an unkindness, especially on being refused a favour.
manao fara teny: to express one's intention of resenting an unkindness


Tena tsy "fara-teny" izany aminao ny hoe, alefako any @ afobe rehefa tsy manaraka ny teniko na ny didiko (taorian'ny tambitamby/fampitandremana/angolagola/sns...).

Eny azany e... atao hoe "teny farany" indray azany e...

Rahefa ny "teny farany", aorian'ny hira sy dihy, dia hoe .. ho "dorana" ... dia izay izany ny anareo ao e... mahita soa @ izany raha izany no "fitiavana" aminareo.

22. endriny ( 17/03/2015 17:49)
Adinoko: "Ny mpanakarena ihany koa tena tsy revin'i Jesosy mihintsy"
23. RBNIR ( 17/03/2015 17:49)
rhaj0:

"Fara-teny". Hozy ny diksionera: A final message, a decision, a verdict, a summing up; an intention or threat to resent an unkindness, especially on being refused a favour.
manao fara teny: to express one's intention of resenting an unkindness


Tena tsy "fara-teny" izany aminao ny hoe, alefako any @ afobe rehefa tsy manaraka ny teniko na ny didiko (taorian'ny tambitamby/fampitandremana/angolagola/sns...).

Eny azany e... atao hoe "teny farany" indray azany e...

Rahefa ny "teny farany", aorian'ny hira sy dihy, dia hoe .. ho "dorana" ... dia izay izany ny anareo ao e... mahita soa @ izany raha izany no "fitiavana" aminareo.

Ny fitiavan'Andriamanitra dia efa nasehon'ny tamin'ny alalan'ny fanomezany ny zanany lahy tokana,

Ny fitiavan'i Jesosy dia efa nasehony tamin'ny alalan'ny fanolorany ny ainy....

Tsy efa mba ampy kosa v izay ry namana rhajo raha ireo mpamorona an-tsika no nahavita toy izany amin'izay noforoniny???

Sa inversena kely ny role aloha? Mpamorina
24. RBNIR ( 17/03/2015 17:52)
Inversena kely ny rôle ny mpamorona indray no atao ambany noho ny mpanorina....
Taisez vous fa.....
25. rhaj0 ( 17/03/2015 18:04)
Ka io anie ry RBNIR tsy hoe, rahefa mi-frappe ianao hoe "tia" dia "fitiavana" tsisy pentina, tsisy tsiny, no dikan'izany e.. satria fotsiny ve fa ianao nanome peratra diamondra ohatra ??

Ka nanome ny "fitiavany" azany i A.tra sy Jesoa e... Ka fitiavana karazan'ny inona ho'a: fitia varavarana, sa fitia rotsa-kazo sa .. raha ny hitako favy, dia fitia inconditionnnel = tsisy tambiny fa mampirevy foana...

ny fahitako azy dia "fitia" TSY inconditionnel ny an'i A.tra sy Jesoa, ka raha TSY manaraka ny teniny dia "afobe"..


Dia asa angamba ny anao sy ny andefimandrinao, na koa ny zanakao.. rahefa TSY manaraka ny teninao dia dehors ?
26. gasy1zay ( 17/03/2015 18:21)
hono hoy aho ry rhaj0 sy endriny, raha misy olona tia anareo na fitiavana lehibe toy ny inona aza, afaka entiny any antranony ve ianareo na tsy te hoany ary? Ny tena fitiavana lehibe koa dia ny manaja ny safidin'ny olotianao na dia misafidy ny tsy hiaraka aminao aza izy.

Tadidio fotsiny hoe isaky ny maheno toriteny 1 ianao na teninandriamanitra 1 dia eritrereto hoe ilay Andriamanitra fitiavana no miantso anao hanantona azy, ka raha tsy tiany ianareo maninona no mandre foana ny teniny? ( na dia tsy tonga any ampiangonana aza) Maninona izy no tsy misasatra miala nenina mananatra anareo MBA HINO SY HANANTONA AZY amin'ny alalan'ireo olona kristiana mandalo eto???
27. rhaj0 ( 17/03/2015 19:00)
gasy1zay:
Ny tena fitiavana lehibe koa dia ny manaja ny safidin'ny olotianao

ka ilay "afobe" anie no resaka e.. i A.tra no namorona an'io, hono, ary ho alefany any @ afobe, hono, izay TSY manaraka ny teniny.

Izy no namorona ilay kianja (afobe). Izy no namorona ny regle de jeu. Izy no namorona anao, hono, ary dia io asainy milalao ny fiainanao io izany hono ianao. Dia hoe, inona azany ny "safidinao" e?

Dia hoz'ianao izany hoe, "safidy" ny TSY manaraka ny teniNY, ary dia "safidy" ny mahalasana any @ "afobe"..


okey dokey.. raha izay moa no inoanao ao dia izay izany kouh... fa dia raha mipapapapa atsia sy aroa ianao, na koa very torimaso, anxieux ao... dia "safidy" koa ny anao ny "hino an'izany rehetra izany", hoy aho ee... Izaho ohatra "nisafidy" ny TSY hino an'izany rehetra izany, dia kalamina ny fiainana :-)

f'hitako hatraty, fa nofetsenao Izy, ary dia "nisafidy" koa ianao, fa hoe, mino ianao fa ny ataonao ao, dia tena araka ny teniNY.. dia hoz'ianao hoe kalamina koa ny fiainanao... ekena mba tsy ifandirana izany e... :-)
28. fidinirina ( 18/03/2015 03:27)

rhaj0:
ka ilay "afobe" anie no resaka e.. i A.tra no namorona an'io, hono, ary ho alefany any @ afobe, hono, izay TSY manaraka ny teniny.

"A.tra no namorona an'io" : aza mandainga!

Ity ny tenin'Andriamanitra t@ satana :
Ezekiela 28 : 18
Noho ny haben’ ny helokao tamin’ ny tsi-fahamarinan’ ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany hianao eo imason’ izay rehetra mijery anao.
29. fidinirina ( 18/03/2015 03:30)

BESSA
Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr’antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoako hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon’ny fahendrena
Te hanova izay ratsy mba ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana
30. endriny ( 18/03/2015 08:54)

fidinirina:

Ity ny tenin'Andriamanitra t@ satana :
Ezekiela 28 : 18
Noho ny haben’ ny helokao tamin’ ny tsi-fahamarinan’ ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany hianao eo imason’ izay rehetra mijery anao.


Ito dia tena fomba Jiosy mandraka ankehitriny mihintsy. Raha misy olona nanao ratsy teo amin'ny fiarahamonina dia tsy alevina ny taolam-balony fa dorana ho lavenina. Dia io no nadikan'ny kristianina hoe afobe taty aoriana...
31. Strong3 ( 18/03/2015 09:39)
Fitiavana hoe tsy manisy ratsy ny sakaizany na dia ny vahavalony aza

dia lasa tokoa ny sain'ny mpanarangarana hoe maninona tokoa ary Atra no hanisy ratsy ny vahavalony?
_ satria ny fody mihinana ny tsy nisasarany
32. rhaj0 ( 18/03/2015 10:19)

fidinirina:
Ezekiela 28 : 18izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao

Mbola tsy hitako indray io.. Fa na io azany dia mbola Izy no "namoaka ny afo" sy "nandevona".

Fitiavana ve izany? na ny marimarina koakoa: karazana fitiavana inona izany?

Nijerijery ohabolana aho ohatra, dia fahendren'ny Razana izao dia hoe:
Ny fitiavana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
Nefa moa... ny an'Atra izany io, rahefa TSY mety ny atao, dia "nivadika" ary dia io "namoaka afo sy nandevona" io Izy @ andro farany

Fa dia "safidinao" ny hiantsampy amina "fitiavana" toa izany eee... Ao ianao izany.
33. fidinirina ( 18/03/2015 11:55)

Andriamanitra = Fitiavana

Ny nanontaniana an’ i Jesosy ny amin’ izay didy lehibe
Marka 12
28 Dia nanatona an’ i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ izy rehetra?
29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30 koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra [Deo. 6. 4, 5] .
31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao [Lev. 19. 18] . Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Jaona 3:16
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

1 Korintiana 13 : 13
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.

Efa atoroko anao ny lalana ka mizora mankany @ fiainana. Ny famonjena efa vitan'i Jesoa Kristy (izay no fitiavana faratampony), ny anjaranao dia ny mandray. Misy fitiavana lehibe mihoatra ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany?
34. rhaj0 ( 18/03/2015 12:31)
fidinirina:
Misy fitiavana lehibe mihoatra ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany?

Okey dokey... azoko anie ny kabarina(re)o e...
- i Jesoa izany "be fitiavana" fa natakalony h@ ainy.
- Dia i A.tra koa "be fitiavana" fa natakalony h@ Zanany.

Fa na izany azany, dia i A.tra, izay namorona ny zava-drehetra sy ny regle de jeu, dia @ andro farany, dia ny "marim-pitiavany" lehibe asehony farany izany, dia ny mandefa (na mamela handefa) ny zanaNY (sasany) any @ "afobe"...


Izaho ho'a k'lou, na inona na inona ataon-janako, dia tsy ho "dorako" izy eee... Ary ataoko masaka ny reniny raha "handoro" ilay zaza koa, n'inon'inona nataony, n'inon'inona no efa nampitandremana azy... Asa ho'a karazana Ray inona no "handoro" ny "noforoniny".. karazana Reny inona no "handoro" ny nivoaka t@ kibony...

[size=8](fa izay moa ny finoanao azy ao, ka dia izay izany ny anao kouh... mahasoava aminy ao)[/size]
35. fidinirina ( 18/03/2015 12:48)
.
.

Izay anie no efa nametrahako fanamarihana teto hoe : tsy afaka milaza mihitsy ianao fa Zanak'Andriamanitra raha tsy nandray Azy aloha. Raha manaiky ho Zanany ianao dia mpiara-mandova an'i Jesoa Kristy.

Apokalypsy 3 : 19
Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.

Mety mainitikitika ahy ihany ny ahalala izay mba hevitrao @ hoe : Ataonao inona kosa ary ireo izay notoloran'Atra fitiavana sy novonjena nefa nandà mafy ary manohitra Azy (ary hita izao fa ratsy ny asany) ? Ataonao aiza sa mbola tokony havela hanjaka tokoa ny ratsy ?
[size=6]Sa, avela izy any @ izay mahavoa azy any[/size]
An an an, tsy aleo ve vonjena foana mandra-pahatongan'ny tena farany.
36. fidinirina ( 18/03/2015 13:14)
.
.

Matio 18:12-14
12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
13 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny.
37. rhaj0 ( 18/03/2015 13:17)
fidinirina:
Raha manaiky ho Zanany ianao dia mpiara-mandova..

Azoko tsara io kah.. Fa dia misy olb izany TSY mpiara-mandova (aminareo). Ary ireo olb ireo dia TSY tiany. Izay o ?

bottom line: TSY tia ny olb sasany i Jesosy.

izay no resaka iaingan'i Endriny: ka iza aby izany no TSY tiany ?

fidinirina:
Ataonao inona kosa ary ireo...

O ry Fidinirina.. averiko kely... araka ny Finoana(re)o, dia Izy no namorona ny olb, ny zava-drehetra, ny regle de jeu, sns rehetra. Dia amin'Azy izany dia asosaNY, na avelaNY hisosa, any @ "afobe" ny olb sasany.... good for you.

Raha izaho no anontanianao, dia ... sahala @ hita sy takatry ny fiaraha-monina @ izao taona 2000 izao ihany .. izay mandika lalAna dia faizina (gadraina fa tsy @ fahafatesana @ tany sasany), fa kosa, misy ny REHABILITATION sy REINSERTION. Izay no takatry ny fiaraha-monina izao aloha... SATRIA nivoatra ny fi(s)ainana.
38. fidinirina ( 18/03/2015 13:33)
I Jaona 4: 19 Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.

Aleo ataoko @ fomba fiteny hafa sao mba mety hanampy : Andriamanitra tia ny olona rehetra fa ny olona no misy tsy tia Azy
rhaj0:
Raha izaho no anontanianao, dia ... sahala @ hita sy takatry ny fiaraha-monina @ izao taona 2000 izao ihany .. izay mandika lalAna dia faizina (gadraina fa tsy @ fahafatesana @ tany sasany), fa kosa, misy ny REHABILITATION sy REINSERTION. Izay no takatry ny fiaraha-monina izao aloha... SATRIA nivoatra ny fi(s)ainana.

hihihi, vonona ho gadraina aloha izany rhaj0 dia handalo "rehabilitation/reinsertion" sao mba hiova ihany.

Isaia 55 : 8
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, Ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.
Manana ny planiny Andriamanitra fa tsy ny [size=6] imagination'ny[/size] olona.
39. rhaj0 ( 18/03/2015 14:10)
ya ya... na mamono na mandripaka na mandoro i A.tra dia ... "planiny" daholo izany, dia ekenao tsisy adi-hevitra.

Io izao hotry ilay resaka tsunami... dia hoe, "planiny daholo izany eee"... Ni-demissionne tsy ho pretra intsony i Thomas Honey fa tena tsy vitany intsony ny manao pli-vva hotr'izany.
Jereo eto
https://www.ted.com/talks/tom_honey_on_god_and_the_tsunami?language=en
40. endriny ( 18/03/2015 14:50)
Sadikadikan-draha ilay Atr'Israely e! Angaha tsy loza eh....

Ny kintana aza hono mbola ararany ety amin'ny tany ety amin'ny andro farany... miraraka ohatran'ny havandra izany ny kintana avy eny an-danitra...mba ngeza izany kintana izany a hihihiihihiih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3578