Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

41. vahiny2004 ( 18/03/2015 16:04)
rhaj0:

"Fara-teny". Hozy ny diksionera: A final message, a decision, a verdict, a summing up; an intention or threat to resent an unkindness, especially on being refused a favour.
manao fara teny: to express one's intention of resenting an unkindness


Tena tsy "fara-teny" izany aminao ny hoe, alefako any @ afobe rehefa tsy manaraka ny teniko na ny didiko (taorian'ny tambitamby/fampitandremana/angolagola/sns...).

Eny azany e... atao hoe "teny farany" indray azany e...

Rahefa ny "teny farany", aorian'ny hira sy dihy, dia hoe .. ho "dorana" ... dia izay izany ny anareo ao e... mahita soa @ izany raha izany no "fitiavana" aminareo.




Izao ilay hoe mamaky vilana sy mandika vilana ! Taiza IZY no nilaza hoe ALEFAKO any @ afobe ????

Tsy IZY no handefa anao ho any fa ho lasa any @ hadalanao ianao , manoro izy hoe aty misy lalana rehefa tsy te ho any

42. rhaj0 ( 18/03/2015 16:24)
Efa nomarihin'i Fidinirina ito, ary efa nahitsiko...


rhaj0:
fidinirina:
Ezekiela 28 : 18izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao

Mbola tsy hitako indray io.. Fa na io azany dia mbola Izy no "namoaka ny afo" sy "nandevona".

Fitiavana ve izany? na ny marimarina koakoa: karazana fitiavana inona izany?

Nijerijery ohabolana aho ohatra, dia fahendren'ny Razana izao dia hoe:
Ny fitiavana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
Nefa moa... ny an'Atra izany io, rahefa TSY mety ny atao, dia "nivadika" ary dia io "namoaka afo sy nandevona" io Izy @ andro farany

Fa dia "safidinao" ny hiantsampy amina "fitiavana" toa izany eee... Ao ianao izany.
43. endriny ( 18/03/2015 17:32)

vahiny2004:

Tsy IZY no handefa anao ho any fa ho lasa any @ hadalanao ianao , manoro izy hoe aty misy lalana rehefa tsy te ho any


Izay no maha sadikadikan-draha azy... naninona raha tiany izahay ... maninona no nasiany fandrika ny lalana izorana sy ny toerana hiafarana?

Esy aho hoe: "Ny zaza vao teraka aza hono efa mibaby fahotana sahady" koa angaha tsy loza e
44. RBNIR ( 18/03/2015 18:50)


FITIAVANA NO NAHAFOIZANY NY ZANANY LAHI-TOKANA HO AN-TSIKA
FITIAVANA NO NANEKENY HATAO SORONA HO AN-TSIKA.
ARY ANKEHITRINY DIA MBOLA FITIAVANA NO HIFIDIANANY MAROBE HO VAVOLOMBELONY ETO AMIN'ITY IZAHO TONTOLO IZAO ITY.....
LEHIBE NY FIFALIANA RAHA HO AVY IANAO! AZA MANAMAFY FO FA MIANDRY ANAO ILAY TIANAO...

TENA TIAN-TSIKA IZY

HITAHY AN-TSIKA ANIE IZY NAMANA...........
45. rhaj0 ( 18/03/2015 19:08)
Rahefa "MAHAFOY" ve dia tena "TIA" tokoany ?

Izaho izao manadrohadro hoe, ilay bandy "mahafoy" manome diamondra/raozy/... dia milaza hoe "tena tia" ireny.. ireny indrindra ilay mpamitaka (sy mpanota sy mpamono vady) ary dia mandambolambo mba hanafenany ny fitaka (sy otany sy ny vono ataony).

'nareo ve tsy mba mijery hollywood e ?...
46. fidinirina ( 19/03/2015 04:05)
.
.
.

rhaj0:
'nareo ve tsy mba mijery hollywood e ?...
hihihi, ka ireny anie tantara foronina e! iza koa no hino an'ireny!

Ny an'i Jesoa Kristy fitiavana TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay. Ampiako hoe tsy lainga fa efa nasehony ho hitako sy hitanao.

Mbola porofom-pitiavana hafa inona indray ary no ilaina ?

1 Jaona 3 : 1
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.

1 Jaona 3 : 16
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

1 Jaona 4 : 7
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra.

1 Jaona 4 : 8
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.

1 Jaona 4 : 10
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.

1 Jaona 4 : 16
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
47. endriny ( 19/03/2015 04:25)

fidinirina:

Ny an'i Jesoa Kristy fitiavana TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay. Ampiako hoe tsy lainga fa efa nasehony ho hitako sy hitanao.


Izay indray angaha moa izy ity... fa angaha tsy hoe misy fanekena vaovao... fa tsy miasa intsony ny fanekena taloha. Dia lasa indray hoe tsy miova anio na ho mandrakizay... ahahhaha


fidinirina:

1 Jaona 3 : 1
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.

1 Jaona 3 : 16
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

Izay no Atra sadikadikan-draha azy... tsy maintsy manao sorona ain'olombelona kanefa ny an'ny Ntaolo akoho sy omby no atao sorona a

Mitohy ihany izany ilay hoe andao hanao terorista ve?
48. fidinirina ( 19/03/2015 09:53)
.
.
.

endriny:

Izay no Atra sadikadikan-draha azy... tsy maintsy manao sorona ain'olombelona kanefa ny an'ny Ntaolo akoho sy omby no atao sorona a

Mitohy ihany izany ilay hoe andao hanao terorista ve?

Aiza ary i endriny zany. Tsy misy ain'olombelona atao sorona izany fa aza mamorona ho'a. Efa vitan'i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana ny sorona, izy nanao sorona ny tenany ho fanavotana ny olombelona rehetra, ary isan'izany ianao.

Galatiana 2 : 20
Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Titosy 2 : 14
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.

I Timoty 2:5-6
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao.
49. fidinirina ( 19/03/2015 10:17)
.
.
.

endriny:
Izay indray angaha moa izy ity... fa angaha tsy hoe misy fanekena vaovao... fa tsy miasa intsony ny fanekena taloha. Dia lasa indray hoe tsy miova anio na ho mandrakizay... ahahhaha

Mahafinaritra ahy mihitsy ny fametrahanao fanontaniana na fanamarihana. Zavatra roa no tsikaritro : mangetaheta ny ahalala ianao ary hita ho tsy maharaka ilay boky mihitsy, somary mitsimpotsimpona izay kely mba re fotsiny dia ahahhaha.

Fanekena # Fitiavana : zavatra roa samy hafa izany (jereo ny voambolana)

Ny fitiavana TSY miova fa ny fanekena no nohavaozina. Taloha Andriamanitra nanao fifanekena t@ firenena iray (Israely) nefa ireo tsy nanaja azy. Ankehitriny nohavaoziny ny fanekem-pitiavana (ho an'ny olona rehetra) t@ alalan'i Jesoa Kristy. TSY miova ny fitiavany fa vao mainka nohamafisiny sy naveriny indray.

forum.serasera.org/forum/message/m5446072eaf2f2

Hebreo 8:9
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko

Hebreo 12:13-15
13 Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo,
14 mainka fa ny ran’i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona.
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
(sady tohin’ny resaka eo ambony)
50. rhaj0 ( 19/03/2015 10:50)
fidinirina:
Ny an'i Jesoa Kristy fitiavana TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay.

io indray ry Fidinirina, tsy hoe rahefa tondrahanao versets ny resakao dia marina (Baiboly manamarina Baiboly).

Raha TIA, ary TSY MIOVA izany fitiavana izany "mandrakizay", hoz'enao, dia ahoana no "mivadika" ilay fitiavana rahefa "mandrakizay", ka asosa any @ "afobe" ny olona (sasany) ??


sa hi-spin indray ianao, avec verset a l'appui, dia hoe ny "afobe" dia any aorianan'ny "mandrakizay" ? ka any aorianan'ny "mandrakizay" izany Izy efa TSY tia, tsisy fitiavana intsony, dia afaky ny "handoro" ny olona (sasany) amin'izay ???
51. fidinirina ( 19/03/2015 11:02)
Matoa verset no alefako eto dia tiako aseho anao fa tsy ny hevitro akory no voiziko eto. Ny baiboly izay lavinao sy tsy fantatrao dia manana valiny ho @ izay fanontanianao rehetra sy ny fisalasalanao.
MARINA ny baiboly ka tsy mila akory ho hamarinina. Tsy vao ianao anie ho'a no nanenjika an'io fa mbola famindrampon'Andriamanitra sy tranga fannararaotra ho anao ny mahita sy mamaky tenin'Andriamanitra. Fitiavana foana izany fa raiso.
52. rhaj0 ( 19/03/2015 11:33)
Ka ilay (mamela) "mandotra" rahefa (aorian'ny) "mandrakizay" azany ve "Fitiavana" sa "TSY Fitiavana" ee...

[size=8](sa tondrahana versets indray rahefa avy "mandotra" ?...)[/size]
53. endriny ( 20/03/2015 04:50)
Fitiavana daholo izany namana a... Fitiavan'afo (pyroman ilay Atr' i Abraham e)
54. rhaj0 ( 20/03/2015 10:24)
Fa rehefa "mamono afo" izany ry zareo, i Fidinirina ohatra, dia ... tondrahany ... verset.

koa tsy vao mainka loza: tsy hotry ny mandotra Baiboly ve izany?
55. RBNIR ( 20/03/2015 10:51)
rhaj0:

Fa rehefa "mamono afo" izany ry zareo, i Fidinirina ohatra, dia ... tondrahany ... verset.

koa tsy vao mainka loza: tsy hotry ny mandotra Baiboly ve izany?

Faly misera namana,

Raha nanota ireo anjely dia izao no voalaza....
« Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. » (Joda 6)
Raha amin'ny fijerin'Andriamanitra dia mbola hafa ny hiconsidereny ny anjely miohatra antsika (tsy tokony hahagaga izany satria ny biby dia tsy nomeny consideration kokoa raha miohatra ny olona).
Koa ireo anjely aza tsy nahazo an'io fitiavana takianao io ka vao maika ka isika????

Raha ny lojika koa dia tsy ny noforonina no mametraka ny hoe tokony izao na izao fa ny mpamorona .......Ary efa nametraka Ilay mpamorona fa hoe « Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. » (Eks.32:33)

Farany, aza variana manohitra fa tsy hahita ny fahatsarany mihitsy ianao raha miziriziry manohy amin'io làlana io (lalana izay efa nampitandremako anao mialoha fa tsy maintsy hiafaranao raha manohy ianao namana......tadidinao v????).

Teny atsipy amin'ny manam-panahy :

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Sal.34:8)
Izay no mahatonga ny marobe (hifikitra sy hitia Azy satria nahatsapa ilay fahatsarany namana....
Tsy adala daholo akory ireo marobe ireo namana...

Tena tianao IZY (Ray Zanaka Fanahy Masina)

Samia ho tahin'ny Tompo namana.......
56. rhaj0 ( 20/03/2015 11:17)
tsy haiko aloha fa ... "manohitra" ve aho ry RBNIR raha mba mamelabelatra mamahabaha manitatritatra ny resaka mba ampazava azy tsara ? i Fidinirina azany moa milaza fa "manenjika"..

fa dia hotry ny tsy azo iresahana mihintsy anie nareo izany, fa raha vao tsy mitovy @ eritreritrareo na koa ny finoanareo, dia io mikoretaka io nareo e... tsy ny resaka no resahina fa ny mpiresaka indray no tondroina.

f'angaha tsy azo atao resak'olon-dehibe izy ity e... ohatra eny @ gazety na hoe rehefa manao debat ireny (ny politisiana), dia samy milaza ny heviny, samy manavoitra ny mampitombona ny heviny, sy ny manavoitra ny tsy mampitombona ny hevin'ny andaniny, dia NY HEVITRA NO RESAHINA.. fa tsy ny mpiresaka no resahina.

Ka inona ny lohahevitra: "tia ny olona Jesoa afa-tsy"..

Dia ny ahy aloha, dia raha feheziko, dia marina ny petra-kevitr'i Endriny: "tia ny olona Jesoa afa-tsy"... izany hoe misy olona TSY tiany. Dia mifandray @ resaka ilay atsy, dia misy koa olona DORANY (na avelany hidotra ao).
57. rhaj0 ( 20/03/2015 11:26)
RBNIR:
Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. » (Eks.32:33)

ka dia hotry ny @ Facebook izany io? ilay hoe "unfriend" :-)

dia izay izany fa dia ... any alavidavitra ianao voan'ny unfriend no mitady e... miaraka @ ireo TSY ao anatin'ny Kristianisma.
58. rhaj0 ( 20/03/2015 12:44)
hi hi hi... tena mety be ilay fanoharana..

izay ao anatin'ny Facebook-n'i Jehovah ihany izany no hiharan'ny lalAnan'i Jehovah.

Rahefa voan'ny "unfriend" ianao (fa nanota) dia voadaka tsy ho ao anati'ny Facebook-n'i Jehovah intsony, tsy mahalala izay ao anatiny ao, sy izay lalAna ifamehezany ao..

Koa raha ao anatiny ao ianao, dia ifalio ao izany ary mahitA sou kouh... Fa izahay aty ivelany ho'a, fantaro tsara fa TSY voakasiky ny lalAnareo ao...
59. gasy1zay ( 20/03/2015 17:48)
I rhaj0 sy endriny ve a tsy resy lahatra hoe tena tiany sa te ho tiany e? Io manko ohatrany fifankatiavana rehetra ihany hoe raha tsy olona niaraka na miaraka aminao tsy hainao ny fitiavany anao. Dia toy izay koa miaraka @ Andriamanitra, raha tsy miaraka aminy ny fiainanao sty hitanao ny fitiavany anao ka raha te hahalala ianareo fa tsy hanao supposition "hollywoodienne" dia andramo ny miaraka aminy e!
60. rhaj0 ( 20/03/2015 18:10)
Toa izao ny point de vue-ko: @ maha-Athee, dia TSISY (izany) A.tra (izany). TSISY. Point final.
Ka miaraka @ "TSISY" ahoana azany ???

Fa raha fahasambarana no resahina, sady andro iraisam-pirenena ny Fahasambarana androany, dia inty misy lahatsoratra avy @ CNN
http://www.cnn.com/2015/03/19/living/feat-project-happy-10-ways/index.html
3. Get spiritual. There's plenty of research showing that people who participate in their local church, synagogue, mosque or other preferred spiritual community are happier. Even reading spiritual literature can be helpful. Not religious? There are ethical societies and movements that get people thinking beyond themselves.

ka ny mahasambatra izany, arak'io lahatsoratra io, ankoatry ny teboka 9 hafa, dia @ io "get spiritual" io, dia ny zava-dehibe dia ny 'thinking beyond themselves"...

Raha mitafatafa eto @ serasera eto, ka mi-"think about" ny namana hafa rehetra (fa tsy ny tenabe foana fotsiny) dia mizara... Raha mi-"think about" ny politika sy ekonomia na sosaity, sy fitaizana ny Ankizy, na koa izay resaka hafa rehetra... sports, arts, ... tsy mety efa izy daholo koa ve izay ? Ilay mihidy ao @ ilay box-kely no heveriko hoe mifanohitra @ ilay "thinking beyond themselves"...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559