Iza no mivavaka ?
1. Tefigasy
(
16/03/2015 06:33)
Iray volana lasa aho izay no nametraka ilay lohahevitra hoe "misy olona tsy mino ny fisian'Andriamanitra nefa dia tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana"
Iray volana aty aoriana aho toa mahita fa hay ny zava-boahary, ny olona rehetra dia mivavaka avokoa fa ny Andriamanitra hivavahana no tsy hitovizana. Mba fakafakao hoe, ahoana ny fahitanao an'izany.
Iray volana aty aoriana aho toa mahita fa hay ny zava-boahary, ny olona rehetra dia mivavaka avokoa fa ny Andriamanitra hivavahana no tsy hitovizana. Mba fakafakao hoe, ahoana ny fahitanao an'izany.
répondu par endriny le 27/03/2015 04:24
3. rhaj0
(
16/03/2015 10:14)
Ny Athee (sy ny 72%-n'ny Siantista ao @ U, na koa ny 0.2% gadra any am-ponja ao US ao) dia TSY mivavaka kah...
Dia raha sanatria lazain'i Strong3 fa "manao ny tenany ho andriamaniny" ireo TSY mivavaka ireo, nefa azany izy ireo ka TSY mino ny fisian'A.tra, dia "manao ny tenany ho TSY misy" izany ireo olona ireo?
Mety possible izany ao @ imagination-nao ao re ry Strong3, fa dia tairo @ fanaovanao azy ao ho'a azany e... no probl.. dia mahasoava azy ao..

4. toriteny
(
16/03/2015 12:15)
Finaritra e!!! Vao perikopa androany mitsy izao io: Deo 13:2-6" Raha tahiny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady manao hoe : Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao) , ka aoka hanompo azy isika , na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao , dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany ; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo , hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo. Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo , ka aoka Izy no hatahoranareo , ary ny didiny no hotandremanareo , ary ny feony no hohenoinareo , ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty (Tatandraza???) satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo .
Karaha hamaly ny fanontanian'i Tefigasy dia tsotra: mety hahita fahagagana sy sarintsarina fahaleibeazana ianao any an-kafa fa tsy izay manao fahagagana rey olona no hifikirana.
Karaha hamaly ny fanontanian'i Tefigasy dia tsotra: mety hahita fahagagana sy sarintsarina fahaleibeazana ianao any an-kafa fa tsy izay manao fahagagana rey olona no hifikirana.
5. Tefigasy
(
16/03/2015 12:31)
rhaj0:
Ny Athee (sy ny 72%-n'ny Siantista ao @ U, na koa ny 0.2% gadra any am-ponja ao US ao) dia TSY mivavaka kah...
Ilay mivavaka aloha aleo hazavaiko tsara fa tsy ilay ataonareo hoe mirediredy irery iny fotsiny. Fa ilay mivavaka tiako lazaina eto dia hoe manompo: mivavaka amin'Andriamanitra = manompo an'Andriamanitra . Raha ilay Andriamanitra any an-danitry ny kristianina no lazaina dia misy fomba fivavahana aminy, mino aho fa efa fantapantatry ny maro eto ihany, fa hay misy maro be ny fomba fivavahana amin'ny fanompoana an'izay ataon'ny tsirairay ho andriamaniny avy !
Ianao izao na miteny aza hoe athee dia sur 100% aho fa mivavaka ianao io, ary izay no mbola manosika anao ho eto amin'ty resa-pivavahana ity, sa tsy izany !!!!
6. Strong3
(
16/03/2015 12:34)
ie tena izany mihitsy ... manao ny tenanareo tsy hisy any amparadisa ianareo raha tsy manao an'i Tsitoha ho Atra kou :-)
fa ao amin'ny imagination-an'ny baiboly ianareo no izany fa tsy ao amin'ny imagination-ko ka...
satria ny baiboly no milaza izany ary izaho dia mahita fa hofoana ny andriamanitr'izao tontolo izao aoriana kely ao hihihi
efa manomboka tsy ahita lazaina indray isé izao eto manomboka mamoaka io imagination io an hahaha HS ... injainjay koa dia miteniteny foana :p

7. rhaj0
(
16/03/2015 12:40)
Tefigasy:
Ianao izao na miteny aza hoe athee dia sur 100% aho fa mivavaka ianao io..
Ka ny Athee efa milaza fa "TSISY izany A.tra" izany, koa "hivavaka" (sy hanompo) TSY misy izany izy ? okay... mety izany kah... (raha ao @ imagination-nao ao, 100%)
8. Toriteny
(
16/03/2015 15:03)
Tsy mino an'Andriamanitra izany ny athée fa mitsatsaingoka amin'ny forum atokana ho an'ny fivavahana fotsiny? ;) Any anie no tian'i Tefigasy hiaviana angamba e!!!!
Dia miditra any am-piangonana tsindraindray ihany koa v? (Sa hijery ilay déco fotsiny mou rhaj0 no handehanana any?).
Otran hoe (sanatria izany fa maka ohatra fotsiny) za tsy manompo sampy fa mankany amin'ny dadarabe ihany tsindraindray mijery ny déco ny tranony d mamonjy sorona eny amin'ny Rova ihany rehefa tonga ny asaramanitra malagasy. Dia mi-se documenter be dia be amin'ny resaka fanompoan-tsampy ary mety mahay noho ny mpimasy mihitsy aza raha théorie.
Dia ohatran'izany ny fahazoako azy.

9. rhaj0
(
16/03/2015 15:11)
Tsy azonao marina ilay izy. Izaho izao ho'a niara-nirevy t@-drizalahy taloha, dia rahefa misotro zahay, dia ampazahoanay ny Razana etsy an-joron-trano. Ka inona ny olana? Ianao angaha tsy mba nanao toa izany?
Fa ny fahitako azy, dia ny tsy aritrareo Kristiana, dia rahefa mandray anjara eto @ forum "fivavahana/finoana" ny athee.
Io indray dia mila mivoaka @ box-nareo ho'a nareo, fa ohatra, misy blog hoe "belief" atsy @ CNN, dia na athee, na bouddista, na kristiana na moslimo dia samy mifanaretsaka ao.
Fa na ny moslimo sy jiosy azany moa ataonareo Kristiana (sasany) toeran-tsy zaka eto kouh... Nga misy mahagaga ee....

10. toriteny
(
16/03/2015 15:35)

Mety tsy mahazo marina angamba za ny avant ny resakareo. Par contre averiko indray fa za tsy handany fotoana hi se documenter be dia be amin'ny karazana zoro firarazana sy vintana malagasy raha tsy misy intention kely ao (na dia kely aza) ny hiditra bebe kokoa amin'io zavatra io na dia hisabaka entre les deux aza (fivavahana kristianina sy ny fivavahan-drazana). Sa te hi-prouver fotsiny ianao hoe tu maîtrtise le sujet plus que nous? Fa tsisy intention ny hiditra na dia kely aza ny kristianina ianao?
Amin'ny athée izay angamba mety fa amin'ny fivavahana kristianina averiko indray fa za tsy ho hitanao any amin'ny forum hafa na dia mahay zavatra hafa aza. Mety mi s'intéresser amin'ny zavatra hafa aho fa jamais mifanohitra amin'ny zavatra inoako.
11. rhaj0
(
16/03/2015 15:51)
Toriteny:
Sa te hi-prouver fotsiny ianao hoe tu maîtrtise le sujet plus que nous? Fa tsisy intention ny hiditra na dia kely aza ny kristianina ianao?
Afototro aminao ny resakao. Ianao izany rahefa mandeha forum dia "te hi-prouver fotsiny ianao hoe tu maîtrtise le sujet plus que nous"... Fa dia asakasakao aloha ary dia mahasoava aminao ao izany eritreritrao ao izany.
Ny iresahako eto ve ? efa nolazaiko ihany fa ... mampivanitika sy mampi-relax ahy ho'a ny eto. Efa nandehandeha tatsy @ blog-n'ny CNN "Belief" koa aho taloha, fa eto samy gasy dia mahafinaritra kooukou tokoa.
Fa ny an-tsaiko koa ho'a, dia mila miomana aho ny @ fanontanian'ny Ankizy.. ary dia ny fiarahana mamahavaha eto koa, dia ho an'ny Ankizy izay mandalo eto.. satria mahatsiaro manana adidy aho ny mba hanazava sy hampita izay takatro koa aho..
fa nareo "lehibe" ve moa, efa ao nareo fa dia ataovy @ izay mahasoa anareo ao ho'a [size=4]hivanitihana eto[/size] :-)
12. toriteny
(
16/03/2015 16:20)
rhaj0:
Afototro aminao ny resakao. Ianao izany rahefa mandeha forum dia "te hi-prouver fotsiny ianao hoe tu maîtrtise le sujet plus que nous"... Fa dia asakasakao aloha ary dia mahasoava aminao ao izany eritreritrao ao izany.
Ka za anie hoa tsy mandeha any amin'ny forum hafa e.
rhaj0:
Fa ny an-tsaiko koa ho'a, dia mila miomana aho ny @ fanontanian'ny Ankizy.. ary dia ny fiarahana mamahavaha eto koa, dia ho an'ny Ankizy izay mandalo eto.. satria mahatsiaro manana adidy aho ny mba hanazava sy hampita izay takatro koa aho..
Mba samy manana ankizy ihany isiaka sy ianao fa izany akory tsy midika fa hi se documenter bdb mikasika ny bouddhisme, ny fivavahana amin'ny razana akory za na dia ao anaty fandaharam-potoana any an-tsekoly aza izany.
Miresaka fampianarana ankizy ianao fa nisy mpampianatra anay izay nilaza hoe mizara 2 ny fanabeazana ny ankizy eo amin'ny fiainana: ny instruction de 0 à 7 ans sy ny éducation izay natokana ho an'ny + 7.
Ny instruction araka ny science no hianaran'ny zaza ny 85 % ny zavatra hainy eo amin'ny fiainany manontolo. Dia hoy ilay pasitera hoe izay tonga aloha eo no tompon-tanindrazana (satria 85% be izao). Na Andriamanitra na ny Devly ary hiezakezahana satria fohy ilay fotoana. Aza na azonao ny tiko hahatongavana.
13. rhaj0
(
16/03/2015 17:14)
Toriteny:
hiezakezahana satria fohy ilay fotoana
Raha ny fahazoako ny resakao, dia te-hi-se concentrer @ finoaNAO manokana ianao.
Dia mahasoava aminao ao izany izany kouh...
Fa raha izaho indray k'lou dia manao (sy mampirisika) ny hisokafana @ izao tontolo izao.. marina fa betsaka no mila ho fantatra, ary "kely ny fotoana", fa rahefa "misokatra (@ izao tontolo izao)" fotsiny, dia misy soa foana azo avy @ processus lavabe (tsisy fiafarany) ampitomboana fahalalana io ao anatin'ny ouverture d'esprit io...
14. gasy1zay
(
16/03/2015 17:57)

Dia mba omeo ohatra mivaingana ary izahay ny @ vokantsoa azon'i rhaj0 @ ity fisokafantsaina ity e! sa fisokafantsaina filosofika ilay izy?
15. rhaj0
(
16/03/2015 18:45)
Betsaka ny resaka efa nandeha teto.. fa dia izaho (sy ny saiko) izao ohatra TSY voafatotry ny hoe
- i Madame Eva no olona voalohany.
- i Noa no namonjy izao tontolo izao t@ sambo fiarany
Izao aho liana ary afa-po ilay saina (sy ny curiosite intellectuelle) rahefa mamaky resaka siantifika.
Asa ny anao ao.. ngo dia toa ny mivavaka sy manitrikitrika alahady (Adama ee.. Noa eee..) dia mampiasa saina mangalatr'akoho alatsinainy (Lucie ee.. cyclone ee...) ?
Ohatra koa ilay resaka nofongarin'i Bor2lais ito.. zohio ohatra ilay resaka "lamosina" any @ farany. Rahefa misokatra ny saiko @ resaky ny dokotera, dia mety ny lamosiko... sy ny saiko.
Asa ny anao ao raha toa ny an'i Toriteny @ io resaka io... "mivavaka dia sitrana ny lamosina" ? dia raha ny zanakao koa voan'ny fanintona fa misy fievre, dia lasa ianao Strong3 migonongonona sy mihira etsy an-joro-trano ?

16. toriteny
(
17/03/2015 02:47)
rhaj0:
Raha ny fahazoako ny resakao, dia te-hi-se concentrer @ finoaNAO manokana ianao.
Jos24:15:"Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo , na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo ; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay ."
1kor 9: 16:"Fa raha mitory ny filazantsara aho , dia tsy misy ho reharehako , satria tsy maintsy manao izany ; fa LOZAKO, raha tsy mitory ny filazantsara aho !"
17. toriteny
(
17/03/2015 03:02)
rhaj0:
Asa ny anao ao raha toa ny an'i Toriteny @ io resaka io... "mivavaka dia sitrana ny lamosina" ? dia raha ny zanakao koa voan'ny fanintona fa misy fievre, dia lasa ianao Strong3 migonongonona sy mihira etsy an-joro-trano ?
Miala tsiny fa tsy hitako ty valiteninao ity. Vakio tsara ny rohy nalefanao fa ohatran'ny tsy nilaza mihitsy za tao hoe AZA mandeha dokotera rehefa marary. Fa za anie tamin'iny efa nihinana efferalgan fa tsy sitrana e (na dia tsy nandeha tany amin'ny dokotera aza efa naman'ny nanao dokotera tena ihany:) ) ary tsy nivavaka mihitsy aho ny hanasitranana ahy tany an-kodahoda tany. Fa crois le ou non, vavaka ny hanampian'ny Tompo anay amin'ny panne nahazo anay tany ny nitolomanay am-bavaka fa tsy ny hahasitrana ahy mitsy. Nefa dia nomeny niaraka tamin'ilay secours ihany koa ilay fanasitranana. Ary mbola nomeny zavatra hafa koa ary izahay taty aoriana niaraka tamin'ireo :) . Tena tsara ry ireto ilay Tompoko a!!!
18. Tefigasy
(
17/03/2015 06:13)
rhaj0:
Ka ny Athee efa milaza fa "TSISY izany A.tra" izany, koa "hivavaka" (sy hanompo) TSY misy izany izy ? okay... mety izany kah... (raha ao @ imagination-nao ao, 100%)
Ny an'ny athee anie ny andriamanitry ny kristianina (en general) no lazainy fa tsy misy e ! Fa raha ny tena izy dia izay tompoinao ao no andriamanitrao ! ary izay ilay hivavahanao, hany ka raha vao iny no misy mikitikitika na misy manimbazimba azy dia mahavita ny tsy tokony ataony ny olona. Jereo ireny nanjo an'i Hebdo Charli ireny rehefa avy nanimbazimban'izay ataon'ny hafa ho andriamaniny tao zareo !!! Mety ho tonga any amin'ny famoizam-po raha ilay heverina ho andriamanitra no potika sy tsy eo anilanao intsony. Firifiry moa ireny olona mamono tena ireny satria lasan'ny olona ny sipany na ny vadiny, satria iny no tompoiny tao. Firifiry ireny olona lasa adala ireny rehefa misy mandroba ny tranony ka lasa ny vola be satria ireny no tompoiny tao. Ka izay tompoinao ao no andriamanitrao, firifiry ny milaza azy ho athee nefa dia ny fahalalany sy ny vola no tompoiny ao. Mitondra mankaiza anefa ny fahalalana, mitondra mankaiza ny vola, mitondra mankaiza ny harena, mitondra mankaiza io vady na zanakao io, sns .... rehefa maty ianao dia miboridana fa na mosara kely iray aza tsy zakanao miala ety an-tany akory ! Misy dikany inona moa izay harena sy fahalalana kely mandritry ny 80 taona eto an-tany nefa dia ireny ny an'ny athee no hitompoina sy handrandraina fatratra satria hono mitondra any amin'ny fandrosoana. Fa ny fanontaniana apetraka dia hoe tena mitondra any fandrosoana marina ve ireny sa mitondra mankany amin'ny fahotana sy fahafatesana no tena marina? . Dia io ilay ambaran'i Josoa izay ampahatsiahivin'i toriteny ery ambony hoe "rehefa tsy manompo an'i Jehovah ianareo dia manompo ny andriamanitry ny tompon-tany" . Iza na inona ilay andriamanitry ny tompon-tany ? dia ireo izay rehetra mifikitra amin'ny tany : vola (eto an-tany ihany ianao no mampiasa vola ary ny talenta no kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra), trano (efa vita amin'ny tany rahateo) , fiara (tsy afaka miala amin'ny tany), sns........ Ireny kay ny an'ny hafa no tompoiny ary vokatr'izay dia hivavahany ! ndrisy !! ! ! !
19. Strong3
(
17/03/2015 07:02)
rhaj0:
Betsaka ny resaka efa nandeha teto.. fa dia izaho (sy ny saiko) izao ohatra TSY voafatotry ny hoe
- i Madame Eva no olona voalohany.
- i Noa no namonjy izao tontolo izao t@ sambo fiarany
Izao aho liana ary afa-po ilay saina (sy ny curiosite intellectuelle) rahefa mamaky resaka siantifika.
Asa ny anao ao.. ngo dia toa ny mivavaka sy manitrikitrika alahady (Adama ee.. Noa eee..) dia mampiasa saina mangalatr'akoho alatsinainy (Lucie ee.. cyclone ee...) ?
Ohatra koa ilay resaka nofongarin'i Bor2lais ito.. zohio ohatra ilay resaka "lamosina" any @ farany. Rahefa misokatra ny saiko @ resaky ny dokotera, dia mety ny lamosiko... sy ny saiko.
Asa ny anao ao raha toa ny an'i Toriteny @ io resaka io... "mivavaka dia sitrana ny lamosina" ? dia raha ny zanakao koa voan'ny fanintona fa misy fievre, dia lasa ianao Strong3 migonongonona sy mihira etsy an-joro-trano ?
i Strong3 dia tsy mingonongonona fa efa fantatrin'ny Rainy izay atao aminy...
ohatran'ny eto izao na dia tsy ao anaty resaka aza i Strong dia misy manono ihany :-)
__ ny mpanaradrenirano no mbola mila miantso vao misy mamaly , fa ny tena zanaka dia misy miahy, raha mananjanaka ianao rhaj0 dia hiandry ny zanakao hiteny aminao hoe marary ve ianao vao hitsabo azy na hampitafy azy raha tonga ny ririnina?
izay ilay ilazako amin'isé foana hoe, aza atao safobemantsina ny kristiana sy ny mody kristiana
20. fidinirina
(
17/03/2015 09:45)
rhaj0:
Betsaka ny resaka efa nandeha teto.. fa dia izaho (sy ny saiko) izao ohatra TSY voafatotry ny hoe
- i Madame Eva no olona voalohany.
- i Noa no namonjy izao tontolo izao t@ sambo fiarany
Izao aho liana ary afa-po ilay saina (sy ny curiosite intellectuelle) rahefa mamaky resaka siantifika
Diso, ny olona misokatra ny fijeriny no afaka mandray (manadihady). Ianao tena voafatory ny hevitrao irery. Mety ho taratra @ io angamba ny toetranao ao an-trano: tsy handray hevitr’olona hafa mihitsy ianao raha misy feo hafa henonao mihoatra ny efa ao an-tsainao. (mihidy!)
Ny hevitrao dia hoe TSY MANAIKY, ary izay indrindra no atao hoe VOAFATOTRA. Na koa jamban’ny fampianaran’izao tontolo izao, izany hoe: mety ho malalaka tokoa ny fijerinao araka ny filazanao azy fa saingy indrisy ao anaty maizina ianao no miaina (ie @ alina) ka tsy hisy ho hitanao raha tsy misokatra na mazava ny andro. Rehefa hitanao ny mazava vao hiaiky ianao hoe: hay izao tokoa ny tena marina! Mazotoa