Iza no mivavaka ?

21. rhaj0 ( 17/03/2015 10:06)
hi hi hi... jeu de mots sa je demon...
- nareo zany "misokatra ny fijeriny" (hoz'ianao) mba hihidy ao @ ilay boky tokana sy folklore-n'ny taona 0...
- izaho izay misokatra @ "fampianaran'izao tontolo izao" dia "jamba" (hoz'ianao)..
22. endriny ( 17/03/2015 10:15)

rhaj0:

hi hi hi... jeu de mots sa je demon...
- nareo zany "misokatra ny fijeriny" (hoz'ianao) mba hihidy ao @ ilay boky tokana sy folklore-n'ny taona 0...
- izaho izay misokatra @ "fampianaran'izao tontolo izao" dia "jamba" (hoz'ianao)..


hihihihihi

Mety koa ange hoe rehefa manokatra ilay boky artifisialy iny ianao dia misokatra ny masonao mijery sy mamaky azy e...

Raha mikipy mantsy ny masonao tsy mahita mihintsy ianao... Raha tsy hoe misy mpitoriteny a
23. Strong3 ( 17/03/2015 10:21)
ka maondy samy hafa nge ireo ry zareo eh, ka raha ny nofo no mijery dia mihidy ny fanahy fa raha ny fanahy misokatra dia mety ahita ny nofo fa ny fanahy mahiratra be

fa nareo moa tsy mahazo antoka hoe misy fanahy ianareo sa tsia dia izay no olana :p
24. rhaj0 ( 17/03/2015 10:24)
Tefigasy:
Ny an'ny athee anie ny andriamanitry ny kristianina (en general) no lazainy fa tsy misy e !

Soa niampy "en general" ilay affirmation gratuite. mba mivoaha ihany @ ilay "box-tsisy-afa-tsy-baiboly" ao, dia jereo ny mpiara-belona erak'izao tontolo izao.. Dia tena "CentrE", toa Itsimahalalaafatsykristianisma mihintsy anie nareo izany e...

Ilay reflexe sy "esprit minou" re no TSY eken'ny athee ee...

Tefigasy:
Fa raha ny tena izy dia izay tompoinao ao no andriamanitrao ! ary izay ilay hivavahanao

Ndao jerena k'lou ny diksionera mba itovizan'ny resaka, fa ngo dia interpretation-nao irery manokana ao no ataonao resaka.

manompo = Manaja fatratra sy manaiky

Dia asa aloha ny anao ao ry Tefigasy, raha "Manaja fatratra sy manaiky" ny Papa ohatra ianao, dia izy izany no andriamanitrao ao... (???) fa dia mahasoava aminao ao izany..

mivavaka = Mitsaoka sy mangataka amin' Andriamanitra

Ka ny athee re TSY manaiky izany fisian'izany A.tra, ka dia ... "mitsaoka sy mangataka" @ TSY-MISY izy izany, hoz'ianao ???
25. fidinirina ( 17/03/2015 10:31)
rhaj0:

hi hi hi... jeu de mots sa je demon...
- nareo zany "misokatra ny fijeriny" (hoz'ianao) mba hihidy ao @ ilay boky tokana sy folklore-n'ny taona 0...

Diso, tsy boky iray ny baiboly fa boky miisa 60 mahery ary mpanoratra 40 mahery no nanoratra tsy nifankahalala nefa zavatra iray ihany no samy lazaina, voasoratra t@ vanim-potoana (siècle) roa na mihoatra, vaodika @ tenim-pirenena mihoatry ny 200.


- izaho izay misokatra @ "fampianaran'izao tontolo izao" dia "jamba" (hoz'ianao)..

Izao tontolo izao efa nilaza aminao fa nisy io baiboly io ary maro be ny olona mandrak'ankehitriny miaiky fa marina. Ianao no tsy manaiky, dia iza no mihidy?
26. rhaj0 ( 17/03/2015 10:36)
Mety tsy naha-araka ny resaka be dia be teto ianao, fa inty misy sitatisitika..

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists

Atheists among scientists
Personal disbelief (in personal God) : 72.2 % (1998)

Atheists in America
Date of birth 1977+ : 19 %

Atheists in Prison : 0.209 %




(hey... mila mifanazava @ Strong3 ianao @ ilay hoe "maro be ny olona mandrak'ankehitriny miaiky fa marina" ... toa "tropao" no filazan'i Strong3 an'ireo)
27. Strong3 ( 17/03/2015 10:40)
ka dia izay no atao hoe mivavaka sy manompo kou inn indray? fa ny an'i tropao mety ho olona fa ny an'i kristiana dia Ilay Tsitoha amin'ny alalan'i JC

fa ry tsimisiAtra izao ny tenany ihany no ianteherany sy atokisany de manao ny tenany ho andriamaniny izy izany satria manaja fatratra sy manaiky io tenany io.
fa ny kristiana dia nampianarina hanetry io tenany io satria io ho levona raha tsy misy ilay Nahary azy izay mendrika HAZAINA KOKOA noho ny tenany
28. fidinirina ( 17/03/2015 10:51)
rhaj0:

Mety tsy naha-araka ny resaka be dia be teto ianao, fa inty misy sitatisitika..

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists

Atheists among scientists
Personal disbelief (in personal God) : 72.2 % (1998)

Atheists in America
Date of birth 1977+ : 19 %

Atheists in Prison : 0.209 %


(hey... mila mifanazava @ Strong3 ianao @ ilay hoe "maro be ny olona mandrak'ankehitriny miaiky fa marina" ... toa "tropao" no filazan'i Strong3 an'ireo)


Hitanao, za zao afaka hamaky io rohy nalefanao io, izay aho izany no tsy voafatotra moa izy teo. Fa raha izaho izany no miteny @ nao hoe : ndeha jereo ny rohy misy ny baiboly na vakio baiboly (hatr@ voalohany ka hatr@ farany), moa hisokatra ve ny baibolinao na hisokatra ve ny masonao hamaky ??? (iza ary no tena mihidy ny fomba fijeriny @ zany resaka fa tsy mety azoko)

(Efa teto @ ty dinika ty ihany aho 6 taona lasa fa zao ndray vao miasa birao dia manana aterineto)
29. rhaj0 ( 17/03/2015 10:53)
Strong3:
de manao ny tenany ho andriamaniny izy

"de manao ny tenany ho .. "TSY-MISY" izy"... tena strong ho'a ny imagination-n'i Strong3 ao...
30. rhaj0 ( 17/03/2015 11:02)
fidinirina:
vakio baiboly...

Mety ela tokoany ianao tsy teto.. ireto azany misy rohy vitsivitsy raha afaka siritsirihanao e.. (resaka nampiaingako teto, raha ohatra ka izaho tenako no irahinao io)
http://forum.serasera.org/forum/message/m54591a2f797f2
http://forum.serasera.org/forum/message/m542ed46b950aa
http://forum.serasera.org/forum/message/m540dbb0649747
http://forum.serasera.org/forum/message/m53e4e38ba3133
http://forum.serasera.org/forum/message/m53d2b2b5b0295
http://forum.serasera.org/forum/message/m53bc8438ac4cc
http://forum.serasera.org/forum/message/m53a42c577e526
http://forum.serasera.org/forum/message/m53a08211a7510
http://forum.serasera.org/forum/message/m5310d9c7cbb4a
31. fidinirina ( 17/03/2015 11:08)
rhaj0:

Dia gaga aho namaky an’ilay article, tsy gaga ihany moa izany ka. Fa efa voasoratra io,

1 Jaona 2 : 18
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.

2 Jaona 1 : 7
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
33. Strong3 ( 17/03/2015 11:18)

rhaj0:

Strong3:
de manao ny tenany ho andriamaniny izy

"de manao ny tenany ho .. "TSY-MISY" izy"... tena strong ho'a ny imagination-n'i Strong3 ao...


ka sao mba ilay diksiaonéranao aza no manoro voana raha izany?
ary sao ilay dikan'ny atra koa no tsy azonao? araka ilay resaka mandeha eto...

ka izay omeny voninahitra no tompoiny , ka iza izao no omen'ny "tsimisiAtra" voninahitra ary akohatran'ny tenany ka? sa ny asan'ny tanany ihany ???? :-)
34. rhaj0 ( 17/03/2015 11:35)
fidinirina:
maro no antikristy efa tonga sahady..

Raha ny fahazoako azy dia ireo atheist no (isan'ny) tondroinao @io "antikristy" io

Ka ahoana? atao(nao) ahoana ireo "antikristy" ireo?
na hoe, ho atao ahoana ireo hozy ny Baiboly?
35. fidinirina ( 17/03/2015 11:46)

Valiny:
Matio 13:24-43
24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ ny vary, dia lasa nandeha.
26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ ny fararano; ary amin’ ny fararano dia holazaiko amin’ ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ ny rantsany.
33 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony [Gr. nafeniny] tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
34 Fanoharana no nilazan’ i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ ny fanoharana,
35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho [Sal. 78. 2].
36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’ olona;
38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ ilay ratsy;
39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’ izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
41 Ny Zanak’ olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’ izay manao meloka,
42 dia hanipy azy any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43 Ary amin’ izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ ny fanjakan’ ny Rainy. Izay manan-tsofina [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)], aoka izy hihaino.
36. rhaj0 ( 17/03/2015 12:30)
okay... raha fararano izany dia ho dorana ny tsiparifary.

d'accord @ izany ianao?
37. Strong3 ( 17/03/2015 12:49)
matahotra ho mai nga isé?
38. fidinirina ( 17/03/2015 13:00)

D'accord. Ary izay indrindra ry namana no hivavahana sy hifonana amin'Andriamanitra isan'andro. Sao dia mba sanatria sokajiny ho tsiparifary eo ny tena. Minoa an'i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao.

Io mitovy hatr@ niandohan'ny fahotana rehetra: Ampangain'i rhaj0 ho mpandainga va Andriamanitra ?
Raha sanatriavina tsy ho tanteraka izany (nefa moa tsy maintsy ho tanteraka araka ny voasoratra), tsy vao maika loza sanatria fa hidehaka angamba na tsy haiko ny antikristy fa aiza akory izay nitranga eo.
i Jaona (tsy Jaona mpanao batisa) dia nanitri-maso ny hiafaran'izao tontolo izao ary dia nosoratany ny Apokalypsy.
39. rhaj0 ( 17/03/2015 13:48)
Raha manaiky ianao, ka hoy ianao hoe, "dorana" sy "fahafatesana" ny iafarany, na r@ 1ere session io na r@ 2eme session, dia hoy aho hoe, okay izany ee.. izay izany... "ny anareo" ao kouh...

Fanamarihana fotsiny.. TSY mahakitika anay sy ny fiainanay, izahay TSY mino, izay zavatra sy eritreritra izay "inoanareo" izay...

Ka raha hoe ho'a hoe, ao @ "imagination"-n(ar)eo ve zahay izany torotoro sy kilakila ? okay azany mba tsy hifandirana kouh... nareo foana no mandrotirotika sy manakilakila ao @ fanaovana(re)o azy ao.. fa zahay ho'a TSY voakitika ee... fa dia mahitA soa @ izany ao azany kouh...

Dia ho an'ny namanareo mino an'io izany, dia tena TSISY fitserana mihintsy izy io izany an... Taiza nisy ray na reny teto ambony tany ka "hamono" na "handoro" ny zanany? Fa amin(re)o moa Izy no Izy, ka dia hoe izay ataoNY dia izylay daholo, araka ny finoanareo Azy ao, fa dia mahasoava amina(re)o ao azany izany e...
40. fidinirina ( 17/03/2015 14:00)
Azafady ry grand, tsy afaka miteny ianao fa zanak'Andriamanitra, raha mbola tsy nanaiky Azy t@ fonao rehetra, ny sainao rehetra!

Ary marina indrindra fa tsy ny zanany velively r'se no andeha hodorany.

rhaj0:
Dia ho an'ny namanareo mino an'io izany, dia tena TSISY fitserana mihintsy izy io izany an...

Aza miampanga an'Andriamanitra tahaka ny nataon'ny sasany t@ andron'i Jesoa Kristy ry namana a! Andriamanitra tsy mitsetra ve Izy mbola mitady an'ise isan'andro izao, mitady olona hanambara aminao ny Fitiavany anao tsy ho very.

fidinirina.blaogy.com/post/1162/6613
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145