INONA NO ATAO HOE "ota"?

21. rhaj0 ( 10/03/2015 12:30)
Tsy arako tsara ny resak'i Strong3 sy RBNIR eto fa... mbola "miady lova" indray angaha nareo ireo io ? :-)
22. RBNIR ( 10/03/2015 13:02)
Strong3:

[b]RAHA MITORY NY MARINA FOTSINY IANAREO DIA TSY MANINY AMIKO, FA IANAREO MISEHO HOTOMPO IRERY ITY NO MDR amiko...

Tsy miseho ho tompony irery fa na iza na iza mahafeno fepetra dia izy e! nofidiana mivantana, nampianarina mivantana, nirahina mivantana (tsy misy mpanelanelana).
Raha isany ianao dia tsy olana mihitsy.....faly mahafantatra (saingy aoka ho hita taratra amin'ny fitorianao fa izay tokoa no marina satria raha tena nampianariny mivantana tokoa dia tokony mitovy amin'ny fampianarany fahiny fa tsy mivoana tsy akory namana....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
23. bor2lais ( 10/03/2015 13:33)
bor2lais:

Ota ve ny tsy fanarahana io fandaharana io ?

RBNIR:

Izay tsy nino, sy tsy nihaino an'i Noa ahoana no niafarany? (tratran'ny safo-drano) raha tsy nanota v ho tratran'ny safo-drano?

Izay tsy mino an'i Jesosy ho aiza no hihafarany « Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jao.3:36)

Koa OTA V sa tsia ny tsy fihainoana izay olona nirahin'Andriamanitra namana???

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

:-)
RBNIR:

OTA = FANDIKAN-DALANA

:-)
Ka fandikan-dalàna ve izany ny tsy fijerena ny fandaharanareo ?
:-)
Ary efa mampitovy tena (na ampitovianao) @ Mosesy sy Jesoa mihitsy ange izany "apôstôly"-nareo izany e !
:-)
24. RBNIR ( 11/03/2015 06:18)
bor2lais:

RBNIR:

OTA = FANDIKAN-DALANA

:-)
Ka fandikan-dalàna ve izany ny tsy fijerena ny fandaharanareo ?
:-)
Ary efa mampitovy tena (na ampitovianao) @ Mosesy sy Jesoa mihitsy ange izany "apôstôly"-nareo izany e !
:-)

Faly misera namana,
« Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty*. » (1 Jao.5:17)
Ilay tsi-fahamarinana resahiko eto dia ny tsy fihainona ny irak'Andriamanitra (izay ny antony nitantarako ny tantaran'i Noa, Jeremia sns.....

apostoly izy namana raha baiboly no jerena (nofidin'i Jesosy mivantana, nampianariny mivantana ary nirahiny mivantana ihany koa)....

Filazana ny marina fa tsy fanindraindrana na fanamboniantena....Izay no marina, raha tahaka izay koa ny mpitarika anao arabaina soamatsara....

Ny hahasahiko milaza fa marina ny fanambarany dia satria mitovy amin'ny nampianarin'i Jesosy 2000 taona ny fampianarany....

Raha Jesosy marina no nampianatra moa tsy tokony hitovy v?

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
25. bor2lais ( 11/03/2015 07:46)
RBNIR:

...

:-)
Ny olona mamorona lalàna izay tiany (eto ny lalàna noforonina dia ny hoe "tsy maintsy manaraka ny fandaharana") tahaka izany ry RBNIR no antsoina hoe gourou fa tsy "apôstôly" akory a !
:-)
Mba ahirato ihany ny maso (indraindray) fa aza dia mihinana am-bolony izay lazaina rehetra akory !
Am-pitiavana be ! :-)
26. RBNIR ( 11/03/2015 07:56)

bor2lais:

RBNIR:

...

:-)
Ny olona mamorona lalàna izay tiany (eto ny lalàna noforonina dia ny hoe "tsy maintsy manaraka ny fandaharana") tahaka izany ry RBNIR no antsoina hoe gourou fa tsy "apôstôly" akory a !
:-)
Mba ahirato ihany ny maso (indraindray) fa aza dia mihinana am-bolony izay lazaina rehetra akory !
Am-pitiavana be ! :-)

Tsy mamaky tsara tsy hoe tsy maintsy manaraka fandaharana....Fa hoe mila mihaino sy mino ny irak'Andriamanitra isika.....

Na manaraka fandaharana aza nefa tsy hino sy hanaraka ny lazain'ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy misy dikany ihany e! Mitovy an'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Noa, mitovy an'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Jeremia...Mitovy amin'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Jesosy sy ireo apostoly fahiny.....

27. Strong3 ( 11/03/2015 09:05)
raha hoy ianao ny baiboly no atao réf dia ieh...
fa raha hoy ianao ny anareo no atao réf dia .... aoka eh tsy te hiteniteny foana ao fa sarotra ny mifona amin'ny zavatra efa fantatra

mba hendry hoa! fa efa lehibe isika ka tsy ny fieboeboana diso toerana no hitenitenenan'olona ratsy ny maha kristiana.
Asehoy amin'ny asa ny finoana sy ny fahamarinanao ..fa aza ny vava no ampiasana hilazana ny tena ho tompony.

Tsy ianareo irery hoa no itenenan'i Tompo ! izay dia ataovy ao andohanao izay
28. RBNIR ( 11/03/2015 09:12)

Strong3:

raha hoy ianao ny baiboly no atao réf dia ieh...
fa raha hoy ianao ny anareo no atao réf dia .... aoka eh tsy te hiteniteny foana ao fa sarotra ny mifona amin'ny zavatra efa fantatra

mba hendry hoa! fa efa lehibe isika ka tsy ny fieboeboana diso toerana no hitenitenenan'olona ratsy ny maha kristiana.
Asehoy amin'ny asa ny finoana sy ny fahamarinanao ..fa aza ny vava no ampiasana hilazana ny tena ho tompony.

Tsy ianareo irery hoa no itenenan'i Tompo ! izay dia ataovy ao andohanao izay

Ny baiboly no reference e! ny fampianarana tsy maintsy mitovy 100% amin'ny nampianariny 2000 taona......
29. bor2lais ( 11/03/2015 09:18)
RBNIR:

Tsy mamaky tsara tsy hoe tsy maintsy manaraka fandaharana....Fa hoe mila mihaino sy mino ny irak'Andriamanitra isika.....

Ny fijerena ny fandaharana ange no anaovanao pub isaky ny 1mn eto @ ity sehatra ity e ! :-)
Izay no nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana hoe :
bor2lais:

Ota ve ny tsy fanarahana io fandaharana io ?

Ny fomba famalinao dia (toa) milaza fa ny tsy fijerena io fandaharana io dia ota satria @ alalan'io fandaharana io no anaovan'ilay milaza tena fa "apôstôly" "fampianarana" ! Izany hoe ny tsy fijerena io fandaharana io dia midika tsy fihainoana ilay "apôstôly" ! Ka mahatonga anao RBNIR hiteny hoe :
RBNIR:

Koa OTA V sa tsia ny tsy fihainoana izay olona nirahin'Andriamanitra namana???

Koa satria ianao nilaza fa :
RBNIR:

OTA = FANDIKAN-DALANA

Dia midika izany fa mandika lalàna izay rehetra tsy mijery io fandaharana io !
Dia ny fanontaniana mipetraka : avy aiza hono io lalàna io ? :-)
Niova ny famalinao dia lasa hoe :
RBNIR:

Na manaraka fandaharana aza nefa tsy hino sy hanaraka ny lazain'ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy misy dikany ihany e! Mitovy an'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Noa, mitovy an'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Jeremia...Mitovy amin'ireo olona tsy nihaino sy nandà an'i Jesosy sy ireo apostoly fahiny.....

:-)
Io indray RBNIR arakaraka izay lazain'ilay lazainao fa "iraka" a ! Ny tsy fanekena izay lazainy tsy voatery mihitsy fandavana an'i Jesoa. Mba alaivo ohatra ihany ireo tany Beria e ! :-)

Raha tsy hoe angaha ampitovianao amin'i Jesoa io gourou-nao io dia amin'izay indray dia mivavaka aminy mihitsy ianao izany e ! :-)

Iverenako kely ilay resaka ota, raha zohina ny lazain'i RBNIR dia lazainao koa fa ota izany ny tsy mijanona mihaino ireny "mpitoriteny" an-dalambe ireny na ny tsy mampiantrano ireny olona milaza (tena) fa vavolombeloNY tonga any an-tokan-trano ireny e ! :-)
30. Strong3 ( 11/03/2015 09:36)
mba izay ahay dia mifankahazo ny resaka!

mba ampianaro mihitsy ny pasteur-nareo mba hotonga saina amin'io fanandratatena tsy ahoantsiahoana io fa mampanongo tena mihitsy...
__ na marina aza ny anareo dia lasa tsy misy mihaino satria be fieboeboana ka na ny tsy manao aza lasa voa ny petaka anarana hoe ireny indray ry sekta mpanenjika ny fivavahany hafa , ...sns

ratsy tena ratsy ity sary ity ; fa asehoko fotsiny mba tsy tokony hataon'ny mpitory intsony fa ny tena secte satanika no mpanao itony, fa ny fitenenana ambava koa dia mitovy amin'izao ihany...
tsy tsara ny mifampiantsy mivantana na ankolaka... ny fitoriana atao dia basy __ na tiana na lazaina fa fivavahan-diso na inona na inona tsy tokony hametaveta zavatr-olona tahaka izao ny tena kristiana marina, tsy nampianatra izao i JC
Aza raha azonao ilay tiako lazaina?! « Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. » (Jaona 21:22)
31. RBNIR ( 11/03/2015 10:28)
Mazava b ilay hafatra ny ota dia ny tsy finoana ny ambaran'ireo irak'Andriamanitra....dikany mila manongilatsofina aloha avy eo mandinika. Mora fantatra ny avy amin'Andriamanitra. Izay rehetra nampianariny na nampitany hafatra dia tsy mifanohitra amin'izay efa nampianary fahizay....Baiboly ny reference hoy aho....
Koa mba manongilana ihany sofina ary rehefa hitanao fa marina ny voambara dia tanteraho....
Izaho mino fa raha hanaraka ilay fandaharana ianao dia hiaiky fa 100% mitovy amin'ny fampianarana nozaraina 2000 taona lasa..Ilay nampianariny fahiny.....
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA.....IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
32. Strong3 ( 11/03/2015 10:29)
dia jerenao ity fa tsy misy hafa amin'ireto olona ireto ny fisainana manaratsy ny hafa , ireto izao gay tsy mpino , mitady libérité fa teren'ny fisainany ao anaty lohany ao dia lazainy fa ny baiboly na ny katolika no manakana izay tiany atao... marina fa misy ota ao
Saingy ilay fanafokana ny hafa toa izao no tsy fahendrena amiko, Izay no ilazako hoe mba hendry leretsy ah... na toa inona tsy fifankazahoana ara-poto-kevitra na ara-pinoana , enga anie isika gasy tsy hotonga amin'izao...
« tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. » (1 Petera 3:9)
33. RBNIR ( 11/03/2015 10:39)
Mandiniha tsara ry stong3 sy bor2lais fa aza mora entim-po a! apetraho aminao ny toerana, raha anio Jesosy onga aminao ka mampianatra anao ary maniraka anao inona no ambaranao ny hafa????


Aza mora entim-po fa tsy misy fanaratsiana ny hafa mihitsy, na fieboeboana, na fanamboniantena fa filazana ny marina fotsiny ihany ary koa famitana ny iraky ny Tompo....

Averiko hatrany manana saina ianao hitsara izay nolazaiko rehefa manaraka ilay fandaharana ary afaka manaporofo na marina na tsia ny voambara

Samia ho tahin'ny Tompo namana......
34. Strong3 ( 11/03/2015 10:42)

RBNIR:

Mazava b ilay hafatra ny ota dia ny tsy finoana ny ambaran'ireo irak'Andriamanitra....dikany mila manongilatsofina aloha avy eo mandinika. Mora fantatra ny avy amin'Andriamanitra. Izay rehetra nampianariny na nampitany hafatra dia tsy mifanohitra amin'izay efa nampianary fahizay....Baiboly ny reference hoy aho....
Koa mba manongilana ihany sofina ary rehefa hitanao fa marina ny voambara dia tanteraho....
Izaho mino fa raha hanaraka ilay fandaharana ianao dia hiaiky fa 100% mitovy amin'ny fampianarana nozaraina 2000 taona lasa..Ilay nampianariny fahiny.....
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA.....IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....


c'été la piba!!! __ ny marina tsy mila atao publicité ry RBNIR ah ... (jereo ilay izy, henoy ilay izy,sns... mdr )
aiza ary isé izany??? ...
« Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy. » (Matio 16:20)
« Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. » (Lioka 5:14)
___ hoy Jesosy :
« ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra. » (Lioka 14:9)

tsy halaza nga ianareo raha tsy manao pub be eto sy amin'ny tv sy eny amin'ny arabe eny? dia hoe tsy ahalala ny marina izahay raha tsy mi-se-référé amin'ny anareo ???? mdr tsssssssss kkkkkkkk
35. Strong3 ( 11/03/2015 10:46)
efa milaza aminao za hoe: __ torio ny fahamarinana tianao hotoriana dia basy, fa tsy hanao pub eto hoe ny anareo no marina...
rehefa tsy hainao ilay izy dia asaivo maketo ny pasiteranareo mitory eto , fa enao milaza ny zavatra tsy hainao fa mampita vaovao fotsiny ka tsy mety.... mba ny zavatra hay sy iainana no toriana fa tsy ny zavatra tantaraina...
fa raha izany dia samy mahay mitantara daholo ny olona, ny voa no maha hazo fihinam-boa ny hazofihinamboa, fa tsy hoe HAZO MIHAMBO HO HAZO FIHINAMBOA NEFA NY HAFA MAMOA NO TANTARAINA
36. RBNIR ( 11/03/2015 10:55)
Efa mitory isika eto fa matoa nasiana ilay fandaharana misy dikany lehibe....
Fanampiny eto forum.....tsy fanao ny manao fafikatrana satria ny handraisan'ny olona tsara ilay hafatra no tanjona.....Manjary very eny an-dalam-be no betsaka raha vao tsy mahay...
37. Strong3 ( 11/03/2015 10:56)
ny ataonao izao eto dia hoe: oziz pasteranay hoe : ahelezo any hoe mijere tv fa mitoriteny ao ny pastiera tsynosoran'olona , fa izy no manana ny fampianarana tsy misy kilema sns ...

amiko raha nahay ilay pasitera dia efa tonga toa azy ianao, fa tsy hampirisika anay indray ianao hiaino azy....

Jereo tsara ny mpianatra, nalefa tsiroaroa hitory ny fanjakan'ny lanitra fa tsy hoe andao hoan'ny amin'i Jesosy...

__ zahay manangana olona mba ho mpitory fa tsy mitaiza olona toa anao , tsy matoky tena raha tsy efa eo i pasitera...
__ manangan'olona mba ahaleo tena miaraka amin'i Tompo , fa tsy hoe rehefa eo zahay vao sitrana na afak'olana na afaka mivavaka ilay olona.
io raha mbola ilay systeme hoe: avy aty ho taizaiko ianareo ry zanako dia zéro amiko...! __ izao izao no vokany, manely holona hanao pub... tsy omeny anao ny tena fanalahidy mba andeha hamoa , fa asainy manangon'olona ahabe ny ao ampiangonany aloha ianareo...
Tsy miasa hoan'olona toa izany raha izaho.
Jaona 4:34 mba vakio kely azafady raha sitrakao
38. RBNIR ( 11/03/2015 10:59)
Tsy mahagaga ahy ny réactionareo ry strong3 sy borlais (fa mampalahelo ahy), ny olona tia mandalina baiboly (sy mihevitra tenany ho efa lasa lavitra sy mahiratra no mpamaly otranareo izao).......
Manetre tena kely fotsiny e! sao tratran'ny fandrika nahazo ireo mpanora-dàlana sy ny fariseo...
Tsy nahita ny fahatsaran'i Jesosy (nefa dia tena ry zareo no nahatongavan'i Jesosy fa tsy ireo hafa akory).......« Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jao.1:11)

39. Strong3 ( 11/03/2015 11:23)
niahahaha....!

iza no tondroin'i Jesosy Kristy ho mpisehoseho toa anareo eh? tsy ny mpanoradalana?
ka izahay indray no ampianarinao hanetrintena? ... loal

aza mitody ho arabaina hoa fa ny mpanoradalana no mitady izany..;« Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra; » (Jaona 2:24)
« ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona. » (Jaona 2:25)
____
« Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. » (Matio 23:5)
« Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga » (Matio 23:6)
« sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô! » (Matio 23:7)
[size=15] « Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. » (Matio 23:8) [/size]
40. Strong3 ( 11/03/2015 11:46)

RBNIR:

Efa mitory isika eto fa matoa nasiana ilay fandaharana misy dikany lehibe....
Fanampiny eto forum.....tsy fanao ny manao fafikatrana satria ny handraisan'ny olona tsara ilay hafatra no tanjona..... Manjary very eny an-dalam-be no betsaka raha vao tsy mahay...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3124