Maty ka nalevona...Nitsangana t@ Maty.

1. rhaj0 ( 02/03/2015 11:20)
Io ilay ankalazaina ny Paska raha tsy diso aho.

Dia fony belelo dia ... Dia ny ahy izao dia ilay "nitsangana t@ maty" dia tena nampanidina tokoany ny imagination.. Dia tena nahita talohan'i Michael Jackson ny nataony t@ Thriller-ny aho.. Tena hoe nakipak'i Jesoa ilay vatom-pasana... kkrrrrrraaakkk... kkkkkbbbouuouoummm..., ary dia iny Izy no nipongatra avy ambany tany..... sschchchhnnoooook.... Dia iny hono izy fa nisosa niakatra nanao sangodina kely.. shhhheeeewwwww... hhhhououuhhhioouuu.. sahala t@ Ghost-n'i Patrick Swayzee sy Demi Moore. Ary dia Izy misosa miakatra io hono tena mbola manao ilay akanjofotsy rebareba.. saika toa-na robe de mariee fa malotoloto kokoa... ny volony lava manidina sahala @ publicite-na shampoo ireny..

ka ahoana azany no imaginer-nao ilay "nitsangana t@ maty" io hoe mba zarao e ?
2. Strong3 ( 02/03/2015 11:35)
I KOr 15...

Nisy hery hono avy any ivelany, niditra teo amin'ilay kadavra, dia nampitsangana Azy , ary io hery io ihany no namalona ilay mosara teo andoha, fa ilay lamba firakotra navela teo ihany... dia io hery io ihany no nanakodia (fa tsynanakipaka ...) ilay vato be boribory; ka dia toran'ny fahatairana ny zava-nitranga ireto miaramila raomanina. Niverina tao amin'i Jesosy ny aina rehefa nandresy ny tompon'ny lakilén'ny fiainantsihita Izy.
ataoko hoe nisy hery , fa raha ilaza za hoe ny heriny ihany dia tsy hotakatra indray manko ka hampiteniteny foana ny sasany eto :p
... fa dia gaga aho aminareo , mpivavaka niova fo ireto ka...
atao hoe kamo mivavaka dia mamono eritreritra
atao hoe naratra fo tamin'ny tao ampiangonana dia ny baiboly no tsy tiana
an an an ... eo dia mahita ny film-n'i patrick swayzee eo injay, efa maty iny eh :-)
3. rhaj0 ( 02/03/2015 11:48)
ok.. ok... dia "Niverina tao amin'i Jesosy ny aina", hoz'i Strong3... Ampazahoy verset k'lou fa toa hotry ny interpretation-n'i Strong3-mpitantara no fahazoako azy izany..
4. Strong3 ( 02/03/2015 12:00)
« Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. » (Lioka 24:1)
« Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. » (Lioka 24:2)
« Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. » (Lioka 24:3)
« Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. » (Lioka 24:4)
« Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? » (Lioka 24:5)
« Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: » (Lioka 24:6)
« Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. » (Lioka 24:7)
« Dia nahatsiaro ny teniny izy. » (Lioka 24:8)
tao amin'ilay kadavra hoa io an!!! tsy interiprétasionko izany io eh..

« Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo » (Matio 27:62)
« ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho. » (Matio 27:63)
« Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. » (Matio 27:64)
« Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. » (Matio 27:65)
« Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato. » (Matio 27:66)

« Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. » (Matio 28:1)
« Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. » (Matio 28:2)
« Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala; » (Matio 28:3)
« ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty. » (Matio 28:4)
« Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. » (Matio 28:5)
« Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. » (Matio 28:9)
« Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy. » (Matio 28:10)

izay no nitranga teo zany... dia ahoana n fahitanao azy?
5. endriny ( 02/03/2015 13:02)
Ny ahy ho'a ny mampihomehy ahy dia izao:

Tamin'ny andron'ny famonoana an'ingahy Jesosy dia tsy nisy afa tsy I Jaonina (na Joany izay amadibadihana azy eo) no nanatrika hatramin'ny nifantsihany, kanefa ry Matio indray no tena milaza amin'ny antsipirihany ny lalan'ilay hazo fijaliana...

Faharoa: "Tamin'ny andro fitsanganana dia efa nisy roalahy nandeha nialoha tany amin'ny fasana dia ingahy Tomas sy ny namany. Dia izay vao nanaraka ireto telovavy. Ka mety izy mitsam no niditra tao am-pasana dia hitan'iretsy vehivavy. Vehivavy izay haintsika tsara ny tahony hijery maty izany, na ni fihetsem-pony. Ka raha nahiva azy mitsam izy telo vavy dia rifatra nandositra, very hatramin'ny menaka.

Tadidio ihany koa fa nisy miaramila niambina teo am-baravaran'ny fasana... dia lasa nitsoaka ihany koa izany ilay miaramila, dia notapahina ny lohany satria tsy nahavita niambina... fa tonga tao daholo ry Petera, ry Maria, sns
6. rhaj0 ( 02/03/2015 13:24)
Lioka 24:2:
ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.

io izany ilay hoe, izay no "fahagagana" hoz'i Litakely, satria dia tena bokony be izy ka nahakodia ny vatom-pasana. ny vatom=pasana mantsy natao mavesatra @izay tsy voakodiadia @izao fotsiny.
Lioka 24:6:
Tsy ato Izy fa efa nitsangana

Dia tena TSY tao tokoany izany ny vatana mangatsiaka an-dRatompokolahy an... izay ilay izy ?

Dia f'angaha indray tsy hoe, ny nofo aman-taolana mijanona ao ambany rangolahy ao, fa ilay "fanahy" no misidina ao @ lay saxophone ankosobolamena, dia mivoaka @ iray @ ireo touches 12 ???


Ka aiza azany ny vatana mangatsiakan-dratompokolahy e...
7. endriny ( 02/03/2015 13:40)
Dia nisy koa ry Lazarosy sy ilay bandikely iray izay natsangany.

(Somary miala amin'ny valam-pamaritana kely aho aloha) Dia teto Madagasikara koa nisy ilay hoe Pierabe tsy matin'ny tafondro... kanefa hatramin'izao tsy sahy miseho masoandro na dia efa tsy mpitondra intsony aza ingahy Ratsiraka... fa dia mino sasany ary araka ny nambaran'ny zanany tamin'ny onjam-peo maro... fa mbola velona any ny dadany saingy tsy hiseho izy raha tsy tonga ny fotoana...

Dia ohatran'ilay Jesosy nitsangan-ko velona ary dia hiverina indray rehefa tonga ny fotoana...
8. rhaj0 ( 02/03/2015 13:50)
Ilay hoe izy nitsangana k'lou, dia raha izay no inoanao sy ankalazainao izao ao, dia mahasoava ao azany e...

Fa mba asio coherence ilay resaka fa very zahay zaza (ara-pinoana) e... dia mba efa olon-dehibe vory saina ianao ka dia mba araho tsara ny lojikany...


AIZA NY VATANA MANGATSIAKA AN'i JESOA ???


Ka raha tsy tavela tao am-pasana azany izany ilay nofo aman-taolana, dia alefako ny imagination-ko... Rahefa nisidina niakatra ilay "fanahy" an'i Jesoa, ka hoe niakatra any an-danitra, dia nosakelehiny tao ny nofo aman-taolany.. sahala @ i Francois misakelika ny baguette ambany helikany...

Ka izay azany ve ilay izy e...
9. endriny ( 02/03/2015 15:39)

rhaj0:

Ilay hoe izy nitsangana k'lou, dia raha izay no inoanao sy ankalazainao izao ao, dia mahasoava ao azany e...


Io araka ny nolazain'i Francis Turbo e... mba heritrereto hoe olona maty izany no mitsangana... tonga dia mandositra daholo ny iray Tanana fa indro misy horera...

Fa misy fiksio koa ilay izy:
Rehefa nitsangana tamin'ny maty izy dia niery nandritry ny 40 andro mba tsy hampitahotra ny iray tanana. 40 niandrasany ilay OVNI handray azy eo amobny tendrombohitra araka ny sms voarainy. Rehefa tonga ny 40 andro dia niaraka niakatra teny an-tendrombohitra izy sy ireto mpianatra ary tokony tamin'ny 6 ora hariva teo dia indro nidina nanavatsava ny rahona ilay OVNI miaraka amin'ireo hazavana maro loko. Nipetraka, dia nivoha ny varavarana ary nisy rahona nivoaka avy tao. Mangirangirana toy ny volafotsy ny totohatra, ary dia niakatra I Jesosy dia lasa. Noho ny hazavana be loatra tamin'ny moteran'ilay OVNI dia tsy nahatraka hijery ny lanitra ireto mpianatra na dia nanao masika a gazy aza..
10. rhaj0 ( 02/03/2015 15:46)
Izaho aloha "mino" hoe TSISY an'izany "nitsangana t@ maty" izany. Maty Izy dia vita. Fin de l'episode.

Fa ny mpianany ihany no nangalatra ny nofo aman-taolany tao am-pasana tao. Ka ilay mpitantara @ Baiboly koa anie angaha tsy mpianany e.. Dia izy ihany no mi-embellir ny tantara ao, ka hoe, na dia ny Romana aza nivanaka.. etsetra.


Fa raha hoy ianao Kristiana hoe TSY mitombona izany "finoako" izany, dia mba lazao mazava azany hoe:


AIZA NY VATANA MANGATSIAKA AN'i JESOA ???


Rahefa maty angaha tsy ny "fanahy" ihany no "miakatra' fa ilay nofo aman-taolana dia tavela ao ambany rangolahy ao ???
11. endriny ( 02/03/2015 16:12)
Efa nolazaiko teto kosa ange eh

1) Tsy I Jesosy no novoina tamin'ny hazo fijaliana fa olon-kafa (Silamo, Korohany)

2) Nobobohan'i Jesosy divay ny mpianatra ny alin'ny isamborana azy, dia lasa izy nitsoaka ary nampifamadika ny akanjony tamin'ny olona hitany teny an-dalana. Andro maromaro taty aoriana dia hitan'ilay masin-dahy Paoly teny amin'ny lalana andeha ho any Roma I Jesosy.

3) Araka ny tantara Jiosy dia nisy izany Jesosy izany tamin'ny taona faha 50-60, ary mpamingavinga any Atr'Israely sy mpanao mazy ary mpiombon'antoka tamin'ny Romanina ka novoina tamin'ny hazo fijaliana dia maty.

4) Tadidio ry namana fa ilay fianakaviana atao hoe PISO no nanoratra ny testamenta vaovao fa tsy ny mpianatra akory... Tsy Matio, tsy Lioka, tsy Marika, tsy Jaona... fa ry Piso
12. rhaj0 ( 02/03/2015 16:27)
Tena azoko "inoana" io lazainao io Endriny. Rahefa mamadibadika ny internety dia ahita ireo tokoany (izaho k'lou nahita ee..)

Fa "mino" koa aho fa TSY "hino" io lazainao io velively, ary na inona na inona, ny Kristiana fa ny Baiboly ihany no azy.

Ka rahefa izay azany ny an'ny Kristiana, dia ameko challenge zareo, ary ifototra @ Baiboly-ny ihany ny resaka.


rhaj0:
[size=15]KA AIZA HO'A NY VATANA MANGATSIAKA AN'i JESOA ??? Rahefa maty angaha tsy ny "fanahy" ihany no "miakatra' fa ilay nofo aman-taolana dia tavela ao ambany rangolahy ao ???[/size]


13. Strong3 ( 03/03/2015 07:03)
mdr... kay ve nareo samy matahotra ho faty no mibalaosy ato eh...

i endriny izany moa dia manalazy fotsiny fa tsy hita hoe inona no dia nakarary fo be tao amin'ny fiangonana nisy anao tao ?...

tsy azoko mihitsy hoe: dia inona lohatra ny ratsy nataon'ny baiboly anao ity ...
sa ilay fampitahoran'ny baiboly hoe very izay tsy mino no makarary andoha anao be toa izao eh.. tena tsy misy hevitra mba misongadina mahasoa ny mpiarabelona ilay resaka fa mamoroporona fotsiny ...
endriny:
endriny - 02/03/2015 16:12
Efa nolazaiko teto kosa ange eh

1) Tsy I Jesosy no novoina tamin'ny hazo fijaliana fa olon-kafa (Silamo, Korohany)

2) Nobobohan'i Jesosy divay ny mpianatra ny alin'ny isamborana azy, dia lasa izy nitsoaka ary nampifamadika ny akanjony tamin'ny olona hitany teny an-dalana. Andro maromaro taty aoriana dia hitan'ilay masin-dahy Paoly teny amin'ny lalana andeha ho any Roma I Jesosy.

3) Araka ny tantara Jiosy dia nisy izany Jesosy izany tamin'ny taona faha 50-60, ary mpamingavinga any Atr'Israely sy mpanao mazy ary mpiombon'antoka tamin'ny Romanina ka novoina tamin'ny hazo fijaliana dia maty.

4) Tadidio ry namana fa ilay fianakaviana atao hoe PISO no nanoratra ny testamenta vaovao fa tsy ny mpianatra akory... Tsy Matio, tsy Lioka, tsy Marika, tsy Jaona... fa ry Piso

Manin raha asiana famoronana vaovao mihitsy rehefa hanao ihany ... raha zavatra heverinao tsy misy maninona no andaniana fotoana // misy raha tsy milamina ao andohanao aho ny tena marina dia mitaona olona handamina ny tsy filaminanao ao anatinao ao ianao hihihihih....!
14. rhaj0 ( 03/03/2015 11:14)
Matahotra ny ho faty ahoana ry Strong3 a... tsy sahala @ kristiana anie iaho e.. Ny Kristiana no matahotra mafy ny ho faty, dia nampinoana fa afaka TSY ho faty, dia io serina sy mikirapaka ny hahazo ilay billet mampiditra @ tsy-fahafatesana io, ka na ny ambany masony azany tsy jereny intsony (ohatra tatsy ilay zaza rano maty)...

Izaho k'lou dia TSY matahotra ny ho faty e... rahefa simba ho'a ny mekanika, dia izay izany, dia vita. Fin de l'episode. Ambara-pahatongan'izany dia ny atao no atao, araka izay mety sy tsara...
15. Strong3 ( 03/03/2015 12:37)
kay ve tsy matahotra eh... ka inona no hanaovana fikarohana manao stock-mpanafody sy hanaovana assurence de vie sy ny tariny raha tsy matahotra? hihihi

zahay aza no tena tsy matahotra, ... izahy aza miantso fahafatesana hoe: faingana fa maika ahita ny mpamonjiko aho.. fa ny fahafatesana indray no mihemotra

raha azon'ny siansa naotao asa ny namboatra ody faty dia efa nataony izany, fa izao no vaovao e
_ arabaina aloha fa hitan'ny siansa ny selilona mamorona zaomby , fa ilay olombelona no mbola tsy hita... kely sisa dia ho hita ny namoronana ny olombelona eh... ary be finoana mihitsy i rhaj0

16. rhaj0 ( 03/03/2015 13:21)
Fa ny hitadiavana/hanamboarana fanafody angaha ny anareo dia noho ny tahotry ny fahafatesana ? Rahefa vohizin'ny tahotra ao tokoany ianareo dia ampinoana dia mino tokoany...

Ny olona re vohizin'ny fitiavana a... fitserana ny marary. Dia sahala @ mekanika aotomobila koa re io e.. ezahina mba hitana ny mekanika.
17. bor2lais ( 03/03/2015 14:15)
rhaj0:

Ilay hoe izy nitsangana k'lou, dia raha izay no inoanao sy ankalazainao izao ao, dia mahasoava ao azany e...

Fa mba asio coherence ilay resaka fa very zahay zaza (ara-pinoana) e... dia mba efa olon-dehibe vory saina ianao ka dia mba araho tsara ny lojikany...


AIZA NY VATANA MANGATSIAKA AN'i JESOA ???

:-)
Tsy azoko hoe iza no tena tsy cohérent @ ilay resaka ! :-)

Heverin-dramose fa Andriamanitra maty angaha Ilay inoan'ny Kristiana ?
:-)
Raha izay tokoa no tian-dramose porofoina dia mazotoa (mitady ilay "vatana mangatsiaka" ary) a ! :-)
18. rhaj0 ( 03/03/2015 14:26)
misitery io zanako fa A.tra... f'angaha tsy izay foana no iafarany rahefa efa hita izao fa absurde..

Ka dia noraofiny dia nosakelehin'i Jesosy (na ny fanahiny) izany ny nofo aman-taolany rahefa "niakatra ho any an-danitra" Izy ee... izany no tsy nahitana ilay "vatana mangatsiaka" tao am-pasana. Dia noraofiny tokoany moa fa ngo dia hivavaka @ vatany mangatsiaka ao ny mpianany..

Sa ahoana?...
19. rhaj0 ( 03/03/2015 14:27)
oops.. sa i Jesoa mpanjaka tsy manao izany mandray ravi-dena izany, fa ny mpiasany (i Angele sy Angeline) no nirahiny...
20. bor2lais ( 03/03/2015 14:38)
rhaj0:

Ka dia noraofiny dia nosakelehin'i Jesosy (na ny fanahiny) izany ny nofo aman-taolany rahefa "niakatra ho any an-danitra" Izy ee... izany no tsy nahitana ilay "vatana mangatsiaka" tao am-pasana. Dia noraofiny tokoany moa fa ngo dia hivavaka @ vatany mangatsiaka ao ny mpianany..
...

Raha izay no hitanao sy ankalazainao ao @ imagination-nao ao, dia mahasoava ao azany e...
:-)
[size=8]Ary efa tsy ao anaty "questionnement" intsony ange ramose izany e ! [/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3263