Adihevitra Tsy mino an'Andriamanitra(Athé) Vs Kristianina (teny anglisy)

21. rhaj0 ( 22/01/2015 17:48)
Izany hoe "porofo siantifika fa misy A.tra", araka io lavainao io izany k'lou dia ... raha ny fiheverako azy ho'a, dia ... raha ny fahitako azy, dia TSISY siantista hanao fikarohana, dia hoe hitady porofo ny @ izany. (ny pseudo-siantista angaha)

Sa indray... farito kely hoe azany ry Gasy1zay hoe, inona "A.tra" e ?... Farito inona ilay (tianao) ho porofoina na hanaovana fikarohana ?

Dia @ io famaritanao io, dia ny A.trao sa ny an'i Moslimo sa ny an'ny Annimista ilay izy ? Sa misy denominateur commun @ ireo, fa telo no iray ihany Izy ? Sa ny A.trao ihany no tianao ho porofoina ?

22. gasy1zay ( 22/01/2015 18:04)

rhaj0:

fa i rhaj0 ve mba mamaky ny zavatra soratako sa tena tsy mahay manazava mintsy ny tenako? Efa miteny aho hoe tsy mila na mitady porofo ny fisian'Andriamanitra ny tenako, efa notsindriko hoe raha misy aza ireo mpino mitady izany (araky ny voalazanao atsy ambadika) dia izaho aza sokajina ho anisany fa izaho efa fantatro ny Andriamanitra inoako.

Tsy aleo ve hanontanianao ireo mpino lazainao fa liana hahita porofo fa izaho hoy aho efa resy lahatra ny fisian'Andriamanitra.
23. rhaj0 ( 22/01/2015 18:19)
gasy1zay:
Ny andrasan'Andriamanitra amintsika dia ny hanatonantsika azy @ finoana sy fitiavana, fa tsy amin'ny tahotra ny ho very

Nefa ao anaty Baiboly hipoka "fampitahorana" ny ho very...

gasy1zay:
Andriamanitra (..) dia namela antsika olombelona safidy malalaka foana

.. fa rahefa "nisafidy" ohatra i Madame Eva dia voaroaka ?

Na koa... heverovereto hoe zazakely dia amenao an'ny formule-nao io, hoe "safidy malalaka" izay ataonao ao e... Dia rahefa misafidy ny hitsambikina any @ varavarankely izy dia ... "malalaka" tokoany ve izany ny safidy ?

Ny fahitako an'io dia spin ankafetsena fotsiny io formule io... rahefa tsy hita izay anaovana azy..
24. gasy1zay ( 22/01/2015 18:35)
rhaj0 > Andriamanitra manome safidy malalaka anao saingy kosa izy dia mampitandrina sy manome torolalana mba tsy ho diso safidy ianao, io samy manana ny fandraisany rhaj0 a! ianao miteny ny zanakao hoe aza mifoka sigara ohatra fa tsy mahasalama sns, ka fampitahorana ve aminao ny milaza hoe voan'ny cancer de poumon ianao raha manohy an'io?

Momba an'i Eva dia nampitandrina izy hoe raha mihinana @ io hazo io ianao dia ho faty, efa misy torolalana ohatrizay foana ataony mba tsy hahatonga ny olona hoe handeha na hifidy an-jambany fa io ilay mipetraka foana hoe hino ilzay lazain'Andriamanitra ve raolombelona sa tsia. I Eva izao tsy nino dia nizaka ny vokan'ny tsy finoany.
25. rhaj0 ( 22/01/2015 20:58)
gasy1zay:
I Eva izao tsy nino dia nizaka ny vokan'ny tsy finoany.

Mampieritreritra ahy ny lazain'i Gasy1zay hoe, "tsy (?) nino an'A.tra i Eva"...

Tena izany ve, sa i Gasy1zay no be kirakira... TSY nanaraka ny didin'A.tra angaha hoe... Dia nefany indray, nampiasa ny "safidy malalaka" (araka ny sitrapon'A.tra).

Ary dia ny vokan'ny nataony (tsy nino i Eva hozy i Gasy1zay), dia io very io (tsy tafajanona tao Paradisa) h@ zanak'aman-jafy...

... mamofona "absurde" aho...
26. sitlo ( 22/01/2015 22:32)

gasy1zay:

sitlo:
[size=8]
Ahoana koa ary iany hoe tsy manana porofo aho fa mahafantatra sy resy llahatra? Eo angamba no tian'i rhaj0 tenenina hoe mba objectif.

Ny valin'izany akory tsy hoe "ary ianao angaha objectif?"

Ataoko fa hakamoana kosa angamba ny an'ny mpino ny amin'ny hoe: tsy ilaina ny fikarohana ara-tsiatifika satria efa "inoany" fa misy.

Raha izany daholo dia tsy nisy nijery meteo angamba fa dia mbola nanatitra fanatitra hodorana ho an'Andriamanitra. Ny grika koa mantsy tena "nino" tokoa fa Andriamanitra no mitsoka ny rivotra.[/size]

[size=9]
Tsy manakana ny hafa hanao fikarohana ny tenako fa saingy tsy miandry izany aho vao hino satria misy tranga teo @ fiainako nahatsapako ny herin'Andriamanitra sy ny valimbavaka nataony, raha tsy mino an'Andriamanitra ianao dia mety hoy ianao hoe tssss kisendrasendra izany, raha niverina matetika ilay fahasoavana dia hilaza ndray ianao hoe tena tsara vintana ianao, raha tafita @ izay atao rehetra (rehefa nivavaka) dia hoy ny tsy mpino hoe ka izy mahay na hoe sendra nety ny nataony?

Objectif? subjectif? Imagination-ko? Tsy maninona izay filazan'ny hafa fa raha nivavaka aho t@ Andriamanitra ka azoko ny zavatra nangatahiko, tsy hoe indray mandeha na indroa fa tsy voaisako intsony izay efa azoko nandritry ny taona maro nanarahoko ny Tompo izay, dia amiko mamaly vavaka izy, koa raha mamaly vavaka izy dia misy izy izany. Tsy hoe mivavaka fotsiny aho mba hahazo ny fiainana mandrakizay fa efa izao ankehitriny izao aho dia efa mahatsiaro sambatra satria efa azoko izay nangatahiko.

Amiko tsy resaka hakamoana hoe mino fotsiny dia izay fa tena nandramako tokoa ay nizahako hoe tena mamaly vavaka ve io Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io? ENY ny valiny, raha mamaly ny zavatra angatahiko aminy izy dia ampy ahy izay. Ny finoana tsy misy ifanerena fa saingy azoko tsara hoe tsy mino ny sasany satria mety tsy mba nahazo fahasoavana toy ny voaraiko fa kosa mba efa nangataka ve izy ireo? Efa nanandrana nivavaka ve mba hahita hoe tena mihaino vavaka tokoa ve Andriamanitra sa tsia?

Raha tsy mamaly vavaka Andriamanitra tsy mino aho hoe mbola ho @ milliard ny kristianina manerantany ary hoan'ny mpino dia io no maharesy lahatra azy @ fisian'Andriamanitra, ny valimbavaka.[/size]

Raha fitiniko, mino ianao satria mivavaka amin'Andriamanitra, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, dia maazo valim-bavaka. Mitombina izany.

Fa kosa, raisinao ho fahavalo tsy azo iaraha-monina ve ny olona mivavaka amin'ny Sampy? Na hoe, kilasinao ho ratsy ve ny fanopoan-tSampy, ary izay manao izany ve dia anisan'n manao ratsy?

Azoko averina koa mantsy fa tsy adala ny mpanompo Sampy ka raha tsy maazo ny valim-bavany pzy dia mbola hanompo eo uhany.
27. rhaj0 ( 23/01/2015 13:55)
Efa noresahina lavabe tato ihany, hoe "namana imaginaire", fa dia averiko kely indray ny fomba fhitako azy (sy inoako fa fahitan'ny Atheist maro azy)

Ilay hoe "INOANAO" dia ao @ "IMAGINATION"-nao irery ao (na imagination collective).

Jereo anie na dia ny resaka lavabe sy marobe ifanakalozana eto fotsiny azany e...

i Gasy1zay, i RBNIR, i Moustaraf sy ry Maranatha na koa i Hery sy ry Bor2lais sy izay tsy hary voatanisa eto.. SAMY MANANA NY INOANY ao amin'azy ao ny tsi11. Izay "inoany" izay dia ao @ "imaginaton"-ny irery ao.

Io no tonga @ ilay hoe subjectif,
Sens 1 Qui varie selon la personnalité, les principes et les goûts de chacun.
Sens 2 Relatif au sujet pensant

Ary izany dia mifanipaka @ hoe objectif
Sens 1 Qui existe en dehors de l'esprit

Io "objectif" io no ifantohan'ny siantista: facts.
Fa ny "subjectif", na hoe, izay "inoanao" ao, dia ... ekena fa "mi-existe", fa mi-"existe" ao @ "imagination"-nao ao izany.

28. rhaj0 ( 23/01/2015 13:58)
na raha te-ho "politically correct" aho, mba mi-menager ny susceptibilite-na(re)o, dia:

Ny "inoanao" dia mi-existe ao @ "esprit"-nao (irery, na collectif) ao.

(ary ny "inoanao" voalohany moa dia ... i A.tra)
29. rhaj0 ( 23/01/2015 14:24)
Tohizako kely fa tsy re tsaika nareo...

Ny "inoanao", i A.tra, dia tena mi-existe tokoany ao @ "imagination"-nao ao. Tsy mi-contredire an'izany aho. Io ny tiako nasisika moramora t@ Caillou sy ilay namany imaginaire, Georges.

Fa raha izaho manokana, dia tsy manisy olana raha "mino" ianao fa manana "namana imaginaire". Raha izay no maha-hendry anao, na mampa-sambatra anao, dia mahasoava ao azany ho'a.

Fa rahefa manomboka "negatif" ny resakao, satria lazainao fa izay "negativite" izay no nolazain'ny namanao imaginaire tao, dia tsy maintsy midrikina aho

Ny "negatif" lazainao fa lazain'ny "namanao imaginaire" ao moa dia
- na iretsy fampitahorana sy famendrofendroana
- na iretsy fanilihina sy fanavakavahana, na fanambaniana ny hafa
- na h@ famonoana olona akoriny azany...

30. gasy1zay ( 23/01/2015 14:24)

rhaj0:

gasy1zay:
I Eva izao tsy nino dia nizaka ny vokan'ny tsy finoany.

Mampieritreritra ahy ny lazain'i Gasy1zay hoe, "tsy (?) nino an'A.tra i Eva"...

Tena izany ve, sa i Gasy1zay no be kirakira... TSY nanaraka ny didin'A.tra angaha hoe... Dia nefany indray, nampiasa ny "safidy malalaka" (araka ny sitrapon'A.tra).

Ary dia ny vokan'ny nataony (tsy nino i Eva hozy i Gasy1zay), dia io very io (tsy tafajanona tao Paradisa) h@ zanak'aman-jafy...

... mamofona "absurde" aho...

Andriamanitra nilaza t@ i Eva hoe :"Aza ihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo."

Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.

tsy nino ny nolaizain'Andriamanitra i Eva fa ilay nolazain'ny menarana no ninony

ilay tenin'Andriamanitra no tsy ninoany rhaj0 fa tsy hoe tsy nino an'Andriamanitra izy satria ry zareo t@ izany tena mifanerasera , miresaka sy maheno mivantana ny feon'Andriamanitra mintsy.

Ilay safidy dia hoe nino ny anatra na ny teny nambaran'Andriamanitra azy sa tsia, izy tsy nino fa ilay nolazain'ny menarana no ninony kokoa.

Raha dinihana tsara io voalazan'ny genesisy io dia olona tsy nahalala fahafatesana fa "immortel" sy tsy mahalala aretina, fijaliana, ranomaso sns no nanamboarin'Andriamanitra ny olombelona fa noho ny tsy fahaizana nisafidy dia lasa mahalala izany isika izao, izay no antony nanirahin'Andriamanitra ny zanany hamonjy antsika mba hiverina hanana fiainana mandrakizay , hiverina @ toerana tsy misy "ratsy" (fahoriana, aretina , ranomaso sns). Anjarantsika ny mino sy mandray ny famonjena raha te hanana ilay fiainana mandrakizay.
31. gasy1zay ( 23/01/2015 14:32)

rhaj0:

Tohizako kely fa tsy re tsaika nareo...

Ny "inoanao", i A.tra, dia tena mi-existe tokoany ao @ "imagination"-nao ao. Tsy mi-contredire an'izany aho. Io ny tiako nasisika moramora t@ Caillou sy ilay namany imaginaire, Georges.

Fa raha izaho manokana, dia tsy manisy olana raha "mino" ianao fa manana "namana imaginaire". Raha izay no maha-hendry anao, na mampa-sambatra anao, dia mahasoava ao azany ho'a.

Fa rahefa manomboka "negatif" ny resakao, satria lazainao fa izay "negativite" izay no nolazain'ny namanao imaginaire tao, dia tsy maintsy midrikina aho

Ny "negatif" lazainao fa lazain'ny "namanao imaginaire" ao moa dia
- na iretsy fampitahorana sy famendrofendroana
- na iretsy fanilihina sy fanavakavahana, na fanambaniana ny hafa
- na h@ famonoana olona akoriny azany...

Tsy azoko hoe mampaninona anao moa ny fampitahorana raha tsy mino ianao hoe hitranga izany na hoe resy lahatra ianao hoe ao anaty imagination(ko)nay fotsiny izany? mety misy fisalasalana ianao hoe mety hitranga izany matoa mahatsiaro voantsindrona na misy "culpabilité" na voatohatohana. Izaho ve ohatra misy olona milaza hoe hoavy ny faraandro @ 25 Janvier 2015 ka hoy aho hoe tsss ao anaty ny imagination'ilehio izany dia hiteny aminy ve za hoe :"hey aza mampitahotra eo an!" :D

Inona ilay fanambaniana ny hafa sy famonoana olona rhaj0 fa tsy azoko?
32. rhaj0 ( 23/01/2015 14:44)
Izaho anie tsy matahotra ny fampitahorana(re)o e... (ohatra ireo fantsin'i Maranatha eraky ny forum eto... mampivanitika ahy akoriny azany izany).
Fa ireo marefo sy ny Ankizy (indrindrindra) no TSY MAINTSY ijoroako.

Ny "famonoana olona" dia toa ireo "guerre sainte" nataon'ny Kristiana taloha, ny fanamarinan'ny Kristiana amerikana fotsy ny fanandevozana... h@ ankehitrio, ny fanilikilihana ny homosekisoaly, ka h@ ny djihadiste ankehitrio io... izay ireo "negativite" lazaina fa nolazain'ilay "namana imaginaire" (na nampinoan'i belazao fa nolazain'i namana imaginaire).
33. gasy1zay ( 23/01/2015 14:56)

sitlo:

[quote=gasy1zay]

[quote=sitlo][size=8]

Raha fitiniko, mino ianao satria mivavaka amin'Andriamanitra, Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, dia maazo valim-bavaka. Mitombina izany.

Fa kosa, raisinao ho fahavalo tsy azo iaraha-monina ve ny olona mivavaka amin'ny Sampy? Na hoe, kilasinao ho ratsy ve ny fanopoan-tSampy, ary izay manao izany ve dia anisan'n manao ratsy?

Azoko averina koa mantsy fa tsy adala ny mpanompo Sampy ka raha tsy maazo ny valim-bavany pzy dia mbola hanompo eo uhany.

Voalazan'ny baiboly tokoa hoe tsy Andriamanitra irery no afaka manao fahagagana fa ireo "fanahy mamitaka" ihany koa, io dia safidinao hoe te hahazo fitahiana eto an-tany fotsiny ve ianao? Misy izao olona manao "pacte avec le diable" dia lasa milliardaire, olona malaza, sns sns fa rehefa maty dia azy ny fanahiny. Mety mahazo fitahiana ianao @ fanompoantsampy fa inona ny tambin'izay fitahiana izay? Manao fanatitra fotsiny ve?Fahaverezan'ny fanahy ve? Maty raha manota fady? Entin'ody dia mivoaka @ alina? sa inona? Izaho tsy mahalala fa ianao no mahafantatra azy raha ao anatiny ianao. Ny siosio-dresaka henoko dia hoe arakaraky ny zavatra angatahana ny tambiny (à confirmer).Raha samy mahazo fitahiana ihany ve tsy aleo sady tahiana ety ambonin'ny tany @ fahavelona ary mbola handova lanitra rehetra maty?

Amin'ny kristianina tsy ilay olona mpanompo sampy no fahavalo fa ny devoly mamitaka azy ho diso safidy, ohatran'io tantaran'i Eva io , tsy Eva no fahavalo fa ilay menarana nilaza hoe hano ny paoma fa tsy ho faty ianao. Amiko manokana aloha dia ratsy ny fanompoatsampy satria tsy hahazoana mandova ny fiainana mandrakizay, ny mpanompo sampy indray dia olona diso safidy toa an'i Eva fa tsy olona ratsy izany, efa nambarako teto angamba fa misy izao pasitera FJKM zanaka mpanompo sampy nefa tsy nanaraka ny safidin'ny ray aman-dreniny, tsy olon-dratsy akory ny R+Rny fa toa an'i Eva sy Adama e.
34. gasy1zay ( 23/01/2015 15:20)

rhaj0:

Izaho anie tsy matahotra ny fampitahorana(re)o e... (ohatra ireo fantsin'i Maranatha eraky ny forum eto... mampivanitika ahy akoriny azany izany).
Fa ireo marefo sy ny Ankizy (indrindrindra) no TSY MAINTSY ijoroako.

Ny "famonoana olona" dia toa ireo "guerre sainte" nataon'ny Kristiana taloha, ny fanamarinan'ny Kristiana amerikana fotsy ny fanandevozana... h@ ankehitrio, ny fanilikilihana ny homosekisoaly, ka h@ ny djihadiste ankehitrio io... izay ireo "negativite" lazaina fa nolazain'ilay "namana imaginaire" (na nampinoan'i belazao fa nolazain'i namana imaginaire).

Fa angaha koa misy kristianina manao djihad ankehitrio :) ny an'i rhaj0 kosa dia tadiaviny hanamarina ny tsy mety rehetra nataon'ny kristianina hatrizay ny kristianiana ankehitrio, efa tsy misy intsony izany guerre sainte izany sy ny fanandevozana e! Ianao ve mbola hilaza ny allemand miaina @ 2015 hoe nazi nareo? Izaho koa anie toa anao miaky hoe misy tsy mety ny nitondrana ny fivavahana kristianiana fahiny e, saingy ny ahy dia ahavahako tsara ny fahadisoan'ny kristianina sy ny fivavahana kristianina, raha misy kristianiana manao ny tsy mety tsy midika izany hoe diso ny fivavahana kristianina na hoe tsy marina ny voalazany.

Ny fiarahany L+L sy V+V indray dia efa nohazavaiko hoe voasoratra ao @ baiboly io hoe tsy azo atao raha te handova ny fiainana mandrakizay, tsy i gasy1zay no nilaza azy fa ny baiboly ka ry zareo no tokony hisafidy hoe hanaraka ny voalazan'ny baiboly ve sa hanaraka ny tiany (L+L sy V+V). Tsy afaka ny hanova ny voasoratra aho na mahatsiaro tena ho voahilika azy ry zareo rhaj0 a! Raha tena vonona ny hanaraka ny fivavahana kristianina izy dia tokony hanaraka ny voalazan'ny baiboly.
35. rhaj0 ( 23/01/2015 15:43)
Nareo anie manao 2 poids 2 mesures rapide be mihintsy e..
Rahefa nisy ny "kristianina nanao djihad" taloha, dia hoe, taloha-tsy-nipataloha izany.
Fa ny zavatra hafa nataon'ireo Kristiana taloha ireo ihany, dia tena hoe "mbola tena fahendrena h@ izao", ary tena araka ny nolazain'ilay "namana imaginaire".

Ry Papa Benoa sy ry Fransoa izao dia io mbola miaro ny hadalan'ny Eglizy (na ireo pretrany) taloha io ihany, satria ny Eglizy dia eterinely, tsy diso na taloha na izao..

Fa izaho koa aloha dia miombo-kevitra aminao fa ny taloha-tsy-nipataloha, dia taloha fony tsy nipataloha; Izany no tao @ "imagination"-n'ny olona t@ izany fotoana izany, ary dia ekena fotsiny fa izay izany ny t@ izay.
36. rhaj0 ( 23/01/2015 15:51)
Ny @ fiarahan'ny L&L V&V indray k'lou dia hitelina ny bokinao ianao rahatrizay (ato ho ato io) :-)
Ny fiaraha-monina izao efa tena mahatsapa fa "normal" ny L&L sy V&V, fa ny "imagination"-n'ny Kristiana (sasany) no mbola miraikitra @ tsihaitsihay taloha (tantarain'ny bokiny) tany izany. Ny Papa Fransoa azany efa miolankolana tahak'n'inona... fa mbola aforitr'i Curie ao foana k'lou h@ izao.

Fa dia rahefa antitra ianao ho'a ry Gasy1zay dia hihomehezan'ny ankizy ao f'ataovy eo ihany e :-)
37. gasy1zay ( 23/01/2015 16:16)

Raha ny tahotra ny fihomezan'ny olona no hiovana hevitra sy ny finoana dia izay ilay hoe :osa na lache na coward noresahina tatsy ambadika, ny baiboly no fototra ijoroan'ny fivavahana kristianina fa tsy ny hevitry ny be sy ny maro, na ny hevitry ny fiaraha-monina, na ny hevitry ny mpitondra fivavahana. Izaho tsy miteny hoe olona adala ny L+L sy ny V+V fa ny ambarako dia izay araky ny voasoratra ao @ baiboly izay milaza fa ny firaisana L+L sy V+V dia fahotana toy ny mandainga, mijangajanga, mamono olona, manompo sampy ka izay manao izany dia tsy hanana anjara ao @ fiainana mandrakizay.

Ny Mpitondra fivavahana mankasitraka izany aloha dia toy ny manota ihany izy satria voalaza fa izay mankasitra ota dia manota.
38. gasy1zay ( 23/01/2015 16:24)

rhaj0:

Nareo anie manao 2 poids 2 mesures rapide be mihintsy e..
Rahefa nisy ny "kristianina nanao djihad" taloha, dia hoe, taloha-tsy-nipataloha izany.
Fa ny zavatra hafa nataon'ireo Kristiana taloha ireo ihany, dia tena hoe "mbola tena fahendrena h@ izao", ary tena araka ny nolazain'ilay "namana imaginaire".

Ry Papa Benoa sy ry Fransoa izao dia io mbola miaro ny hadalan'ny Eglizy (na ireo pretrany) taloha io ihany, satria ny Eglizy dia eterinely, tsy diso na taloha na izao..

Fa izaho koa aloha dia miombo-kevitra aminao fa ny taloha-tsy-nipataloha, dia taloha fony tsy nipataloha; Izany no tao @ "imagination"-n'ny olona t@ izany fotoana izany, ary dia ekena fotsiny fa izay izany ny t@ izay.

Tsy 2 poids 2 mesures mintsy izany rhaj0 fa hoe : ny tsy mety ahitsy fa ny tsara sy ny mandeha araka ny tokony ho izy dia tohizana.

39. endriny ( 23/01/2015 16:34)

gasy1zay:

Ny fiarahany L+L sy V+V indray dia efa nohazavaiko hoe voasoratra ao @ baiboly io hoe tsy azo atao raha te handova ny fiainana mandrakizay, tsy i gasy1zay no nilaza azy fa ny baiboly ka ry zareo no tokony hisafidy hoe hanaraka ny voalazan'ny baiboly ve sa hanaraka ny tiany (L+L sy V+V). Tsy afaka ny hanova ny voasoratra aho na mahatsiaro tena ho voahilika azy ry zareo rhaj0 a! Raha tena vonona ny hanaraka ny fivavahana kristianina izy dia tokony hanaraka ny voalazan'ny baiboly.

Aiza ao amin'ny baiboly kay no misy izany?

Ary maro ireo milaza fa ny antony nandoroana an'i Saodaoma sy Gaomaoro dia noho io resaka io, kanefa aiza amin'io tantara ao amin'ny baiboly io no milaza izany? Sao ny mpandika no mandika vilana?
40. endriny ( 23/01/2015 16:38)
Ny mahagaga ahy dia ny Kristianina ihany no milaza ny tenany fa mino an'Atra... Fa raha ny hafa dia atao hoe Mpanompo Sampy....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3303