Adihevitra Tsy mino an'Andriamanitra(Athé) Vs Kristianina (teny anglisy)

61. rhaj0 ( 26/01/2015 14:46)

gasy1zay:

fa aiza @ ilay version anglais no misy "transvetite" e? ny resakao hoe travesti lazainy io izany ve mampiditra ny travestissement dia navaliko hoe resaka homosexuel no tiany lazainy amin'io satria raha dinihana ny dikateny anglais tsy misy "travestite" izany fa same sex having intercourse ...
Ianao anie rhaj0 no mampiditra ilay resaka ankajo eto fa izaho manazava hoe tsy izany io fa resaka homosexuel-transexuel-gay.

- Ilay "travesti" dia nesorin'ilay version anglisy.. Kay izany raha izany, izay version tiatian'i Gasy1zay ihany no raisiny. Maninona ilay version frantsay arianao indray izao e ?

- toa afangaronao travesti (resaka vetement), transexuel (resaka manova sex) ary homosexuel (resaka sex samy LL na VV).

hi hi hi.. tsy mazava angaha izany ao anaty Baiboly?

Ity no lazain'ny wikia
http://reponses.wikia.com/wiki/Qu%27est-ce_qu%27un_transexuel
L'individu TransSexuel pouvant être indifféremment homosexuel(le), bisexuel(le), hétérosexuel(le) ou même asexuel(le).
62. endriny ( 26/01/2015 15:00)

gasy1zay:

Koritiana I 6:9-10
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra.

1 CORINTHIENS 6.9
Ne savez-vous pas que les injustes n'hériteront pas du royaume de Dieu ? Ne vous y trompez pas : ni ceux qui vivent dans l’immoralité sexuelle, ni les idolâtres, ni les adultères, ni les travestis, ni les homosexuels,

Tsy mamorona aho ry endriny fa tena voalazan'ny baiboly io fa tsy sanatria akory fitsaran'olombelona.

Dia tena izay mihintsy ve no dikan'ilay hoe sodomita sa izay no tian'ny mpandika baiboly andikana azy mba anilihana ireo olona homosexual...? Raha ny Torah mantsy dia hoe Ny fijangajanga sy filibana no nandoroana an'i Sodoma sy Gomora fa tsy nisy mihintsy hoe homosexual...
63. gasy1zay ( 26/01/2015 15:06)

rhaj0:

gasy1zay:

fa aiza @ ilay version anglais no misy "transvetite" e? ny resakao hoe travesti lazainy io izany ve mampiditra ny travestissement dia navaliko hoe resaka homosexuel no tiany lazainy amin'io satria raha dinihana ny dikateny anglais tsy misy "travestite" izany fa same sex having intercourse ...
Ianao anie rhaj0 no mampiditra ilay resaka ankajo eto fa izaho manazava hoe tsy izany io fa resaka homosexuel-transexuel-gay.

- Ilay "travesti" dia nesorin'ilay version anglisy.. Kay izany raha izany, izay version tiatian'i Gasy1zay ihany no raisiny. Maninona ilay version frantsay arianao indray izao e ?

- toa afangaronao travesti (resaka vetement), transexuel (resaka manova sex) ary homosexuel (resaka sex samy LL na VV).

hi hi hi.. tsy mazava angaha izany ao anaty Baiboly?

Ity no lazain'ny wikia
http://reponses.wikia.com/wiki/Qu%27est-ce_qu%27un_transexuel
L'individu TransSexuel pouvant être indifféremment homosexuel(le), bisexuel(le), hétérosexuel(le) ou même asexuel(le).

Tsy misy hoe version tiatiana fa fitadivana ny tena tiana ambara marina sy hialana @ ny interpretation diso,

raha misy "mot" tsy dia azo loatra ny tiany ambara na mampiady hevitra dia jerena ny dika teny fototra (grika) na ireo traduction hafa , izaho ohatra raha maheno hoe "travesti" dia drag queen no ao an-tsaiko voalohany dia i rhaj0 izany raha maheno hoe travesti dia olona manao "deguisement" no an-tsainy voalohany dia izay no ilana mijery ny nandikan'ny hafa azy mba tsy hoe iza no marina iza no diso, fa samy nanao "traduction" araky ny fahitany fa mahalaza azy ny mpandika teny, io travesti io izao amin'ny traduction Louis Segond dia :"effeminés" fa tsy travesti fa traduction taty aoriana io travesti io satria ankehitriny efa misy ireo olona tena niova "sexe" mintsy na Lahy io na vavy.

Ny anglisy tonga dia nataony hoe same-sexe intercourse ka voalaza @ izany na L+L na V+V, ny frantsay nataony hoe travesti na effeminé + homosexuel, ny gasy aloha ohatrany tsy ampy satria nataony hoe sodomita dia tsy voalaza ny V+V (mety tsy nahita nandikana azy ngamba ny mpandika teny t@ izany).

64. gasy1zay ( 26/01/2015 15:20)
Eto ianareo afaka mijery dikatenin'ny baiboly @ fiteny maro samihafa sy ireo version samihafa

https://www.biblegateway.com/passage/?search=1+Corinthiens+6&version=CJB

ohatra mikasika ilay "travesti et homosexuel" izao dia nadikan'ny Complete Jewish Bible hoe :
"who engage in active or passive homosexuality"

ny Contemporary English Version dia milaza hoe
"a pervert or behaves like a homosexual"

Raha manahirana an'i rhaj0 ilay travesti dia ilay fandikana fahatelo araky ny larousse io no tiany ambara eto fa tsy ilay roa voalohany satria io no mahalaza ilay traduction anglaise

http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/travesti/79317

Homosexuel travesti en femme.
65. rhaj0 ( 26/01/2015 15:35)
gasy1zay:
izaho ohatra raha maheno hoe "travesti" dia drag queen no ao an-tsaiko alohany

drag queen: a man who dresses up in women's clothes, typically for the purposes of entertainment.

Esy e ry Gasy1zay.. sa ny anareo entertainment tonga dia sex ?

na izany na tsy izany, ny 'travesti' (ilay miankanjo hafa) ve mandeha any an-danitra sa tsia ?

Sa hoe, izay rehetra travesti dia homosexoaly (hozy gasy1zay, na koa ny baiboly), ary izay rehetra homosexoaly dia tsy mandeha any an-danitra ?

66. gasy1zay ( 26/01/2015 16:17)
rhaj0 > any ivelany kay zany misy drag queen tsy homosexuel fa dia aza raisina indray izany ilay drag queen fa aleo dia araka io definition larousse io hoe travesti = homosexuel travesti en femme no tian'ny baiboly ho lazaina eto rehefa jerena ny dikateny samihafa.

Travesti = homosexuel travesti en femme no tsy mandeha any andanitra resahina eto fa tsy ny travesti "ilay miankajo hafa" rehetra.
67. gasy1zay ( 26/01/2015 16:32)
rhaj0 : ito ngamba ny définition'ny drag queen tao an-tsaiko fa tsy mitovy ilay noereitreretinao koa, tsy hita moa izy ity fa fianarana daoly ity serasera ity :)

http://www.learnersdictionary.com/definition/drag%20queen

a male homosexual who dresses as a woman especially for comic or theatrical effect
68. rhaj0 ( 26/01/2015 18:51)
Araka ny hitanao io, dia tena mifamaofao ity resaka. Resaka t@ 2000 taona lasana no ataonao reference @ fiainana ankehitrio, @ izao taona 200 izao.

ka raha ny fiainanao moa no tianao hi-figer @ izany andro izany, toa ny ataon'ireo Jiosy orthodox, dia ndana azany kouh..

Fa dia ihomehezan'ny Ankizy ho'a ianao rahefa miresaka e... (reaction polie ny an'ny ankizy rahefa tsy mahzo ny resakao izy @ io)
69. gasy1zay ( 26/01/2015 19:36)

Ny ankizy any @ tany mandroso angamba no betsaka toy izany fa mba misy koa ankizy kristianina maro (toy ny eto gasikara) mbola mankatoa sy mahalala ny tenin'Andriamanitra sy ny voalazan'ny baiboly. Efa nahita ny lalantsara aho ka dia tena izorako tokoa fa misaotra @ ilay tsondrano e :)
70. rhaj0 ( 26/01/2015 20:06)
Iverenako kely indray azany ny fanontaniako taloha kely teo.. Lasa lavitra ny resaka teo, fa mba tiako iverenana @ loha-hevitra, hoe "tsy mino an'A,tra..."...

Ka dia ny fanontaniako (nahitsy kely) dia hoe:
rhaj0:

... farito kely hoe azany ry Gasy1zay hoe, inona/iza "A.tra" e ?... Farito inona ilay (tianao) ho porofoina na hanaovana fikarohana na hiadiana na hifanakalozana hevitra eto ?

Dia @ io famaritanao io, dia ny A.trao sa ny an'i Moslimo sa ny an'ny Annimista ilay Izy ?
Sa misy denominateur commun @ ireo, fa telo no iray ihany Izy ?
Sa ny A.trao ihany no tianao ho porofoina na ho resahina eto ?
71. gasy1zay ( 26/01/2015 21:36)
Ny eritreretin'ny hafa ho Andriamanitra aloha tsy haiko, toy ny nambaranao hoe olombelona mihevitra ny tenany ho Andriamanitra, ireo biby, zava-maniry sns.

Fa raha ny Andriamanitra ivavahako dia ny Andriamanitra voalazan'ny Baiboly Kristianina, izy no Andriamanitry ny Israely, hatreo @ testamenta taloha dia mitovy @ Jiosy izahay Kristianina, fa ny tsy nampitovy intsony dia ny Kristianina Mino fa Jesoa Kristy no ilay mesia nolazain'ny mpaminany fa tonga hamonjy ny Israely sy ho fanasoavana izao tontolo izao, fa ny Jiosy dia tsy nino ary tsy nanaiky izany fa dia aminy mpaminany sandoka izy ary ny mpianany no nangalatra ny fatiny fa tsy nitsangana t@ maty izy. Izahay mino hoe tena zanak'Andriamanitra Jesoa Kristy ary tena marina ny voalazan'ny baiboly momba azy.

Iza Andriamanitra? Andriamanitra no ilay mpahary izao tontolo izao, izany hoe izahay mino fa tsy niforona ho azy ny planeta, lanitra sy ny tany, fa misy mpamorona dia Andriamanitra, tsy tongatonga ho azy raoolombelona fa nisy namorona, eo no mety misy itovizana @ finoana hafa, ny Franc Maçon izao mihevitra hoe misy ny "grand architecte de l'univers" namorona izao tontolo izao, io izany no eritreretiny hoe Andriananahary, nen'ny musulman izany dia Allah.

Faharoa ankoatry ny maha mpamorona izao tontolo izao azy dia Andriamanitra dia mahay ny zavatra rehetra : omniscient ary omniprésent io koa dia hitovizan'ny kristianina sy silamo. izany hoe afaka izy manatrika anao na aiza na aiza ary mahay ny zavatra mety tsy hainao ka izay no antony hivavahana aminy satria ny olombelona voafetra ny heriny sy ny fahaizany fa ny an'Andriamanitra tsia. Ka dia izay, raha tianao ho fantatra izany izy dia vakio ny baiboly dia afaka mino ianao na tsia, fa izaho ohatra rehefa namaky dia mba nanandrana niresaka taminy (nivavaka) fa tena namaly vavaka izy dia nino aho, dia io ohatrany mitohy foana dia mitombo koa ny fahalalana an'Andriamanitra, ny fahalalana ny baiboly, dia ohatrany tsapa @ fiainana ny fahamarinan'ny Teniny.

Ka io sarotra ho anao ny hino raha tsy efa nahatsapa ianao hoe tena mahery izy na mamaly vavaka izy, ary tsy hahatsapa izany ianao raha tsy manankina aminy zavatra tsy voavahanao samy irery, misy koa nefa olona tsy mpino (Athé) mba nivavaka hoe raha tena misy ianao Andriamanitra dia omeo "signe" aho dia tena nahazo tokoa ingahirainy, jereo ity témoignage ity :
https://www.youtube.com/watch?v=bpOsZ8S3jjU

Andriamanitra dia tsy hitanao maso, tsy renao ny feony, tsy azonao tsapaina tanana, fa dia amin'ny finoana no ahafahanao manantona azy, ary rehefa tafaraka aminy ianao dia manomboka tsapanao ho maivana daoly ny olàna eo @ fiainana, manomboka mandeha ho azy izany ny zavatra sarotra @ olona sasany. Misy zava-mahagaga mitranga eo @ fiainanao izay tsy noeritreretinao ho tanteraka nefa dia hiainanao (raha tsy mino hoy aho ianao dia hoy ianao hoe tena tsara vintana be za zany).

Philosophique be ilay fanontaniana fa niezahako novaliana araky izay tratrako, mety hiomezan'ny ankizy aza ngamba :)

72. rhaj0 ( 26/01/2015 22:18)
ok misaotra fa tena lalina tokoany. Aleo aloha azany hitsakotsako...
73. rhaj0 ( 26/01/2015 23:31)
gasy1zay:
hatreo @ testamenta taloha dia mitovy @ Jiosy izahay Kristianina, fa ny tsy nampitovy intsony dia ny Kristianina Mino fa Jesoa Kristy no ilay mesia nolazain'ny mpaminany ...

Ekena fa Jesosy no maha-kristiana ny Kristiana. (Fa i Jesosy TSY A.tra, fa "zanany", raha ny fahazoako azy)

Ka i A.tra izany ve mbola ilay A.try ny Jiosy ihany koa h@ izao, sa dia nanomboka "samy hafa" @ izay Izy h@ io Taona 0 io ?
74. gasy1zay ( 27/01/2015 02:53)

Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia Andriamanitra voalaza hoe trinité na telo izay iray, izany hoe Andriamanitra tokana nefa miseho amin'ny endriny telo, izany hoe raha hanome ohatra aho dia ny olombelona dia azo lazaina hoe saina, vantana sy fanahy nefa olombelona iray ihany fa tsy hoe 3 samy hafa, ohatra fanindroany hoe i Ravalomanana dia president gasy teo aloha, izy koa nefa sady filoha lefitry ny FJKM no PDGn'ny TIKO, ( ajanoko eo iny fa mety sarotra ho takarina hoan'ny olona tsy mbola nandalina ny fivavahana kristianina)

Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no Andriamanitra namorona izao tontolo izao, ary namorona an'i Adama sy Eva, rehefa nanota anefa i Adama sy Eva dia lasa mahalala fahafatesana sy fahoriana ny olona, ka ny programan'Andriamanitra dia hovonjeny izany raolombelona ka hiverina hanana fianana tsisy fahafatesana (fiainana mandrakizay) ary tsy halala fahoriana sy ranomaso intsony (paradisa), ny famonjena ny olombelona izany dia horesen'Andriamanitra ny fahafatesana ka dia ny zanany (Jesoa Kristy) no ho lasa olombelona nofo sy ra nanaiky ho faty @ mahanofo sy ra azy ary hitsangana @ maty handresy ny fahafatesana. Ka izay mino sy manaiky ny famonjena nataony dia ho afaka handresy ny fahafatesana koa ka handova ny fiainana mandrakizay.

Mba hanantaterahana io programa io dia nifidy olona Andriamanitra hipoiran'ilay mesia ( arbre généalogique) dia i Abrahama izany, avy @ io izany no hipoitra ilay zanak'Andriamanitra tonga nofo, dia avy amin'ny taranak'Israely sy ny Jiosy. Nampalaelo nefa fa ireo jiosy tsy dia tena nanaraka an'Andriamanitra t@ fony fa nivadibadika teny, nisy nanaraka Andriamanitra hafa, nisy tsy nanaja ny tenin'Andriamanitra sns,...
Ary ny tena loza dia rehefa tonga i Jesoa dia ry zareo tsy nino hoe ito ilay Kristy, ilay zanak'Andriamanitra satria toa olona zanaka mafy ady, teraka tany an-tranon'omby, zanaka mpandrafitra, etc...
Ry zareo niandry olona hiseho amin-kery sy voninahitra hanafaka @ fanjanahan-tany romana, dia novonoiny moa Jesoa ka nintsangana t@ maty, maro ny jiosy tsy nino izany hatr@ izao, fa ireo mpianany sy ireo nino no nijoro vavolombelona nanoratra ny testamenta vaovao manambara hoe: Jesoa Kristy tokoa no ilay mesia nambaran'ny mpaminany tao @ testamenta taloha hoe zanak'Andriamanitra tonga hamonjy antsika. Efa hitanay izy nintsangana t@ maty ary naniraka ny Fanahy Masina hitaridalana sy hampahery anay.

Jesoa niakatra any andanitra fa nilaza izy fa haniraka ny Fanahy Masina hoan'ireto mpianany. Dia tonga ny pentekoty, nanomboka teo dia @ alalan'ny Fanahy Masina indray Andriamanitra no tena miasa. Dia io Fanahy Masina io no miasa amin'ny olona maro mahatonga azy hino, mahatsiaro tena ho diso, mitaridalana sns dia izao misy kristianina @ milliard izao...Nefa dia Andriamanitra iray ihany no ivavahan'ny kristianina fa saingy Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.

Lava be ka dia misaotra anareo namaky :)
75. rhaj0 ( 27/01/2015 11:22)
gasy1zay:
Nefa dia Andriamanitra iray ihany no ivavahan'ny kristianina fa saingy Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.

Ekena ilay 3 no 1. Fa tsy novalianao ilay fanontaniako :

rhaj0:
Ka i A.tra izany ve mbola ilay A.try ny Jiosy ihany koa h@ izao, sa dia nanomboka "samy hafa" @ izay Izy h@ io Taona 0 io ?

Izany hoe "rahefa TSY nino" ilay "zanak'A.tra" ny Jiosy, dia ... lasa "hafa" ve ilay "Rainy" ivavahany ?
sa A.tra Ray tokana ihany no inoan'ny Kristiana sy ny Jiosy ? (raha ny finoanao azy)

Dia miitatra koa ny resaka. Ahoana koa I Mahomet sy Allah. Samy niara-nivavaka t@ A.tr'i Abrahama ny razan'ny Kristiana sy ny Jiosy ary ny Moslimo. Ka rahefa naka lalana hafa ny Kristiana t@ l'an 0, dia naka lalana hafa koa ny Moslimo tany @ l'an 570, dia mbola ilay A.tr'i Abrahama TOKANA ve no ivavahanareo rehetra, sa .. efa samy manana ny A.tra-ny izao ? (ary io samy milaza fa ny A.tra-ny io no tena izy) ?

Anticiper-ko ny valin-teninao (izay valin-tenin'i Hery) hoe.. hanontanio ry Jiosy sy Moslimo ny @ A.tra-ny. Fa ianao Kristiana no eto dia hanontaniako :
mahatsapa ve ianao Kristiana, fa ny A.tra Kristiana dia A.try ny jiosy sy A.try ny Moslimo ihany koa ?
76. gasy1zay ( 27/01/2015 14:44)

Raha ny mpandinika ny tantara sy baiboly dia nilaza fa ny arabo lasa silamo/musulman ireto dia avy amin'i Ismaela, zanak'i Abrahama t@ hagara ( mpiasavavin'i sarah vadiny) ary izy io dia nivavaka t@ Andriamanitra ivavahan'i Abrahama t@ izany, dia izany hoe mitombina ny eritreritrao fa mety ilay Andriamanitra mpamorina fantatry Hagara ihany no mety ivavahan'ny silamo fa tsy fantatro fotsiny hoe ry zareo toa tsy misy hoe Jesoa dia zanak'Andriamanitra na hoe resaka Fanahy Masina izany, ny kely fantatro amin'ny fivavahany dia hoe misy Andriamanitra mpamorina, omniscient sy omniprésent koa dia misy ny devoly, ary misy ireo mpaminany toy an'i mahomet, Jesoa koa toa lazainy fa mpaminany raha tsy diso aho (à confirmer).

Momba ny jiosy indray dia tena Andriamanitra ivavahan'ny kristianina no mbola hivavahany izao saingy ry zareo tsy nanaiky an'i Jesoa ho Kristy fa hatr@ isika miresaka izao dia mbola miandry ilay Kristy/Mesia izy, izany hoe tsy nanaiky na hoe tsy nino ny famonjena natolotr'Andriamanitra ho azy izy ireo, mbola mivavaka amin'Andriamanitra izy izany saingy azo lazaina hoe diso fivavaka satria mangataka zavatra efa nomena azy saingy tsy noraisiny/na tsy ninoany.

Raha fehezina izany dia ny Andriamanitra Kristianina sy ny Jiosy dia iray ihany saingy ny tsy itovizana dia ny Jiosy tsy manaiky hoe Jesoa no ilay zanak'Andriamanitra tonga hamonjy ny olona mba hananany fiainana mandrakizay, ny Andriamanitry ny silamo dia mety ho ilay Andriamanitry ny Jiosy sy ny Kristianina ihany raha ilay Andriamanitr'i Abrahama nivavahan'i Hagara sy Ismaela io ivavahany io (tsy haiko satria tsy ampy ny fahalalako coran) fa ny doctrine izany no tsy mifanaraka/tsy mitovy.

77. rhaj0 ( 27/01/2015 17:17)
gasy1zay:
... fa ny doctrine izany no tsy mifanaraka/tsy mitovy.

Ilay "doctrine" dia "man-made" (nataon'olb) o ? Izay o ?
78. gasy1zay ( 27/01/2015 17:58)
ilay "doctrine" izany dia "perception"'ny mpitondra fivavahana ny momba ny fandraisana ny voalazan'ny baiboly, na ireo zavatra tsy voalazan'ny baiboly mazava ka lasa eken'ny fiangonana ho fampianarana marina, ohatra iray lehibe eo @ Katolika sy ny protestanta izao dia ny momba an'i Maria renin'i Jesoa, ny Katolika dia manana toerana lehibe izy ary misy mangata-bavaka aminy mintsy fa ny Protestanta dia hoe olombelona voafidy fotsiny izy izay.
79. rhaj0 ( 27/01/2015 18:07)
gasy1zay:
ilay "doctrine" izany dia "perception"'ny mpitondra fivavahana
gasy1zay:
ny doctrine izany no tsy mifanaraka/tsy mitovy.

Ary ny fahitako azy io izany izao, dia ilay "doctrine" no mamaritra, na hoe manome ny famaritana hoe iza/ahoana... A.tra.

Ny Kristiana izany dia nilaza... toatoa ireo nolazain'i Gasy1zay lavabe io ambony io. Dia ny Mmoslimo sy izay hafa koa dia hamaritra .. mety tsy mitovy, mety mitovy.

d'accord sa tsy d'accord ?
80. gasy1zay ( 27/01/2015 19:01)

misy définition tsy hitako ny handikana azy ka nakako lien tsotra :
http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/doctrine/26263
http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/dogme/26307?q=dogme#26187

Ny doctrine na koa ny dogme hoan'ny kristianina dia miainga avy amin' ny fandinihana ny baiboly ary (no)ekena ho marina, ka io no ampianarina anao rehefa mianatra katekomena, katesizy, atao batisa, hanambady sns sns... Ka ny doctrine kristianina izany dia mampianatra anao tokoa hoe iza Andriamanitra araky ny baiboly.

Ny judaisme mampianatra anao hoe iza Andriamanitra araky ny Torah

Ny musulman dia mampianatra anao hoe iza allah araky ny coran.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3248