Namana imaginaire

1. rhaj0 ( 03/12/2014 17:13)

Asa ianao raha mba nanaraka ny tantaran'i Caillou sy G.

I Caillou dia manana "namana imaginaire" antsoina hoe G. Tena "mino" i Caillou fa misy i G. ao @ imagination-ny ao, ary i G. no mampiresaka azy na iresahany. Tena sambatra i Caillou "mialoka ao @ i G.", ary i G. akoriny aza no manome azy sopapa tsara @ fitondra-tenany ao.

Sadaikatra ihany ny r-a-d-n'i Caillou rahefa miresaka @ i G. i Caillou. SAtria i G. dia manana influence tsara ihany @ i Caillou kosany.... Indraidray azany dia lazain'ny reniny i Caillou fa i G. hono ohatra ka niresaka taminy, dia nilaza fa tsy maintsy manao toa izao i Caillou.

Ka dia avelan-dr-a-d "hino" an'i G. ao k'lou i Caillou... asa... ambara-pahoviana anefany ?... Ka ny tantaran'i Caillou dia .. zazakely foana i Caillou, ary dia hotry ny ho eo foana i G.

(Georges no anaran'ilay namana imaginaire fa nafoheziko ho G. fotsiny)
répondu par rhaj0 le 11/12/2014 17:27
2. rhaj0 ( 03/12/2014 21:30)
Inty ohatra ny tantaran'i Caillou sy G.
#129 – Le meilleur ami de Caillou
Caillou s'amuse avec son ami Georges, un ami très spécial. Qu’est qui fait de Georges quelqu'un de spécial ? D'abord, il est invisible... Georges et Caillou font une course et brisent un pot à fleurs. Caillou commence par blâmer Georges, mais après une discussion avec papa il reconnaît qu'il a aussi une part de responsabilité.
3. bor2lais ( 04/12/2014 12:23)
Ary rhaj0 ve izao azo lazaina koa fa namana imaginaire ho an'ny mpiserasera eto ? :-)
4. rhaj0 ( 04/12/2014 13:46)
"virtuel" kah... samy hafa be @ "imaginaire".

virtuel : 3 synonymes.
Synonymes possible, potentiel, théorique.

imaginaire : 14 synonymes.
Synonymes chimérique, fabuleux, faux, fictif, illusoire, impossible, irréel, légendaire, mensonger, onirique, romanesque, théorique, utopique, visionnaire.
5. gasy1zay ( 04/12/2014 14:15)
Ka ny tantaran'i Caillou sy Georges anie rhaj0 dia mifanaraka @ scenario soratan'ny mpanoratra azy ao e, raha tiany hanana namana imaginaire ianao dia ho ataony positif foana ny influence an'i Georges eo @ Caillou et vis versa, toy ny mpanoratra an'i Harry poter lasa tsara fanahy sy "hero" ny sorcier, na ny mpanoratra an'i Twilight lasa ohatrany hoe tena tsara ny Vampire.
6. bor2lais ( 04/12/2014 14:17)
Samy "théorique" daholo izany aloha ! :-)
Tandremo koa fa mety faux ny ao ambadiky ny virtuel a ! :-)
7. rhaj0 ( 04/12/2014 14:35)
samy "théorique"... fa ny "virtuel" dia "possible" koa, ary ny "imaginaire" dia "impossible" koa :-)


Dia... euhhh... ny tiako ahatongavana re ry Gasy1zay dia ... petit modele-n'ilay "imagination collective" noresahintsika ny an'i Caillou sy G. eee...
8. gasy1zay ( 04/12/2014 15:15)

rhaj0:

samy "théorique"... fa ny "virtuel" dia "possible" koa, ary ny "imaginaire" dia "impossible" koa :-)


Dia... euhhh... ny tiako ahatongavana re ry Gasy1zay dia ... petit modele-n'ilay "imagination collective" noresahintsika ny an'i Caillou sy G. eee...


Azoko tsara ny tianao ambara ka, fa ny tiko ho marihina dia izao "dangereux" be ilay namana imaginaire io raha tsy hainao hoe iza ilay tsy hita maso eo, tadidio fa tena nisy ireo nidiran'ny devoly na tromba ireo olona na ankizy niantso fanahy satria naheno tantara toy itony an'i Caillou itony. Manahy aho manko sao fampianarana basé @ caillou izay fictif no hampitanao ny zanakao refa manontany resaka fivavahana izy.
9. rhaj0 ( 04/12/2014 15:38)
gasy1zay:
..."dangereux" be ilay namana imaginaire io...

wow... dia raha izany, dia inona no fanafodiny?

Ho avela "hino" an'i G. eo foana ve i Caillou, f'izany hoe, raha ny fahazoako ny an'i GAsy1zay dia, ho ampianarina an'i Caillou fotsiny hoe "iza" ilay G. TSY dangereux...

sa...
10. gasy1zay ( 04/12/2014 16:10)

rhaj0:

gasy1zay:
..."dangereux" be ilay namana imaginaire io...

wow... dia raha izany, dia inona no fanafodiny?

Ho avela "hino" an'i G. eo foana ve i Caillou, f'izany hoe, raha ny fahazoako ny an'i GAsy1zay dia, ho ampianarina an'i Caillou fotsiny hoe "iza" ilay G. TSY dangereux...

sa...


Ny zanakao ve ry rhaj0 dia avelanao hiresaka @ namana tsy fantatrao izay momba azy? Indrindra moa fa tsy hitanao ilay namana ka tsy hainao hoe azo atokisana ve sa tsia, izay no tiko ambara hoe "dangereux" izany.

Fantaro izay hinoanao na hinoan'ny zanakao fa aza avela vague be hoe namana imaginaire, sao dia hanao ohatran'ny Franc Maçon hoe "le grand architecte de l'univers", iza no mahalala hoe iza no tiany ambara @ izany?



11. rhaj0 ( 04/12/2014 16:21)
Raha azoko izany ny an'i Gasy1zay dia avelany "hino" ny namana "imaginaire" ny zanany, fa kosany, i Gasy1zay dia mahalala tsara ny @ io G. "imaginaire" io. Ary dia toa an'i renin'i Caillou, dia mampiresaka an-janany izy ary milaza fa mahalala an'i G. koa.

Sa... rahefa atao ny kaonty, dia kay i Gasy1zay koa kay ka "mino" an'ilay "namana imaginaire" an-janany ao, dia i G.
12. gasy1zay ( 04/12/2014 17:12)

rhaj0:

Raha azoko izany ny an'i Gasy1zay dia avelany "hino" ny namana "imaginaire" ny zanany, fa kosany, i Gasy1zay dia mahalala tsara ny @ io G. "imaginaire" io. Ary dia toa an'i renin'i Caillou, dia mampiresaka an-janany izy ary milaza fa mahalala an'i G. koa.

Sa... rahefa atao ny kaonty, dia kay i Gasy1zay koa kay ka "mino" an'ilay "namana imaginaire" an-janany ao, dia i G.


Tsy azonao ilay tiako hiavina, ny namana imaginaire izany "dangereux" satria tsy hay hoe inona na iza no ao ambadiky ilay imagination ao, sao dia lasa ohatran'i Magnota hilaza maheno feo eo ny ankizy :D
Fa ny zavatra fantatro ary atokisako no ampianariko ny zanako horesahiny rehefa mila miresaka @ ilay tsy hita maso izy nefa eo akaikiny mandrakariva ary tena afaka hanoro azy ny lalantsara: Jesoa Kristy

13. rhaj0 ( 04/12/2014 17:26)
Normal be mihintsy ny an-dry Gasy1zay ny manao 2 poids 2 mesures :
- rahefa izy no mi-"imaginer", dia Jesoa;
- rahefa ny hafa no mi-"imaginer", dia Kesoa..

Ndao azany kouh... asa raha haharesy lahatra an'i ... Caillou izany.
14. gasy1zay ( 04/12/2014 18:10)

rhaj0:

Normal be mihintsy ny an-dry Gasy1zay ny manao 2 poids 2 mesures :
- rahefa izy no mi-"imaginer", dia Jesoa;
- rahefa ny hafa no mi-"imaginer", dia Kesoa..

Ndao azany kouh... asa raha haharesy lahatra an'i ... Caillou izany.


Fampitandremana ny ahy fa raha hoy ianao hoe mahazo mi"imagine" ny zanakao dia safidinao izany, i Caillou moa izay tian'ny mpanoratra ao ihany hoe mety aminy ny fisian'i G. sa tsia.
15. booboo ( 04/12/2014 18:44)
@ finoana kristiana ve izany, tsy ilaina / diso ( tsy haiko loatra ny filaza azy ) ny tontolo nofy² handalovan'ny ankizy rehertra (gasy, vazaha, zaponey etc) ? Ny fahatsapako izao rehefa mamaky an'i Gasy1zay efa niveau ambony ara-panahy, dia tsy manana toerana na fahafahana mivelatra irery ny ankizy fa tsy maintsy ny lehibe no miteny izay tokony ho izy araka ny fomba fijerin'adulte. Inona izany no tian'i Jesoa lazaina @ hoe mila miverina toy ny zaza vao bla² toussatoussa ? sa ilay côté mora " volavolaina " (araka izay tian'ny rad ?, dia izay tokoa ve ny andraikitry ny rad, mamolavola araka izay nofinofin'izy lehibe ? hum hum ) satria mbola pur ? misaotra izay hamaly ahy ô (tsy mananihany zà kah :-P)
16. rhaj0 ( 04/12/2014 18:54)
Ny zanako aloha dia TSY (n)ampirisihiko mi-imagine sahala @ Caillou ny toatoan'i G eeee... raha tsy hoe t@ izy tena mbola kely dia kely angaha, dia mba, sahala @ r-a-d-n'i Caillou, dia mba navelako mirevirevy tao izy, na pere noel izany na la fee des dents, na izay pensee magique-ny ao..

Ohatra izao akaiky ny fety, dia ny anay t@ kely izy, dia rehefa desambra, dia nametrahako epistily kely @ taratasy kely isan'andro, mampita anatra, no sady mampatsiahy fa ho avy i dadabe noely. Dia "nampinoana" izy fa lutin no manoratra. Dia manidina mihintsy ny imagination-ny @ izao "lutin imaginaire"-ny ao izao.

Fa vao afaka mi-raisonne, rahefa ilay manomboka be fanontaniana hoe, pourquoi sy pour quoi iny, dia TSY mandainga mampamino azy G intsony aho, fa miezaka manazava tsara @ tokony ho izy ny reel. Dia mihomehy fotsiny izy hoe, "ahoana koa azany no mba "ninoako" an'izany taloha..." Fa mihomehy kifalifaly foana izy rahefa antsafaiko hoe, ahoana ny imagination-nao tao..


[size=8]asa ianao rahoviana no mba tonga koa @ hoe ... "ahoana koa azany no mba "ninoako" an'izany..." :-)[/size]
17. gasy1zay ( 04/12/2014 19:17)

booboo:

@ finoana kristiana ve izany, tsy ilaina / diso ( tsy haiko loatra ny filaza azy ) ny tontolo nofy² handalovan'ny ankizy rehertra (gasy, vazaha, zaponey etc) ? Ny fahatsapako izao rehefa mamaky an'i Gasy1zay efa niveau ambony ara-panahy, dia tsy manana toerana na fahafahana mivelatra irery ny ankizy fa tsy maintsy ny lehibe no miteny izay tokony ho izy araka ny fomba fijerin'adulte. Inona izany no tian'i Jesoa lazaina @ hoe mila miverina toy ny zaza vao bla² toussatoussa ? sa ilay côté mora " volavolaina " (araka izay tian'ny rad ?, dia izay tokoa ve ny andraikitry ny rad, mamolavola araka izay nofinofin'izy lehibe ? hum hum ) satria mbola pur ? misaotra izay hamaly ahy ô (tsy mananihany zà kah :-P)


Marka 10:15
"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory."
Ny valiny ry booboo dia satria ny zaza dia "sincère" fa tsy be calcul ohatran'ny olondehibe, mivavaka satria manana olana fa rehefa avy eo ...Ny ankizy tsy mahay mihatsara ivelantsihy fa rehefa faly izy dia tena hitanao faly rehefa tezitra dia toy izany koa.

Ary misy marina koa ny voalazanao hoe ny zaza mbola mora anarina, rehefa teneninao izy hoe tsy mety izao, dia manontany izy hoe fa maninona? rehefa manazava ianao hoe noho izao sy izao ka hitany hoe mitombina dia manaiky izy.

Fa mba manandrama anie ianao miteny olon-dehibe hoe diso izy e! Indrindra fa raha olona manana ny mahaizy azy eo @ fiarahamonina, be diplaoma, be fahefana, sns...

Momba ny tontolo nofinofy resahinao arakaraky ny R+R, misy izao miteny hoe tsy hampino Père Noel ny zanany satria hono tsy te handainga @ zanany izy, fa ny tiko ho marihina fotsiny hoe misy "jeu dangereux" @ io resaka imaginaire io satria ireo ankizy misy tena manao "incantation" fa te hahita na hiresaka mivantana @ ilay namana imaginaire, ohatra hafa koa hoe nisy ankizy namaky Harry Potter dia tena nanao "potion magique" sy fombafomban'ny sorcier novakiany t@ boky sorcellerie.

I
18. rhaj0 ( 04/12/2014 21:55)
gasy1zay:
ny zaza dia "sincère" fa tsy be calcul ohatran'ny olondehibe..

Miombon-kevitra aminao... rahefa avy "tsara fahana" rahefa lehibebe izy izay vao izay (be calcul).. Fa ilay kely tena tsy mahalala izay ambonin'ny tany fa tsotrabe tokoany... ohatra hoe misy mitomany rahefa atao batisa/batemy :-)


gasy1zay:
Fa mba manandrama anie ianao miteny olon-dehibe hoe diso izy e!

Dia mbola miombon-kevitr aminao: ireo olon-dehibe "sasany" mPanaiky-tsisy-adi-hevitra ny ao an'eritreriny ao... dia ahoana tokoany moa izy no hanaiky ho "diso" raha izany ??? :-)

Fa hafa ny olon-dehibe sasany, ireo Siantista ohatra, dia "manaiky diso" rahefa voaporofo (siantifikement) fa "diso" ny narosony e...


gasy1zay:
misy "jeu dangereux" @ io resaka imaginaire io satria (..) misy tena manao "incantation" fa te hahita na hiresaka mivantana @ ilay (..) imaginaire...

Tena miombon-kevitra aminao : ary tena voalazanao mazava !!! :-)
19. gasy1zay ( 05/12/2014 14:40)
Jaona 20:29
"Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino."

Raha mety ianao, ndao mba hanao hypothèse kely isika rhaj0, aleo atao hoe izaho izany ilay mino ka nandray ny famonjen'i Jesoa Kristy, ary aleo ianao atao hoe ilay tsy nino.

1ère hypothèse : marina ny voalazan'ny baiboly,

Inona ny vokatr'izany eo @ fiainantsika ankehitriny?

Ilay nino ny baiboly izany dia tena tahian'Andriamanitra satria nametraka ny fiainany t@ Andriamanitra.

Ilay tsy nino moa izany dia tsy misy vokany firy @ fiainany izany raha ny ankehitriny satria ny fiainany entiny araky ny fiheverany fa mety.

Inona ny vokatr'izany @ fiainantsika aorinan'ny fahafatesana?

Ilay nino izany dia ho voavonjy satria nandray ny famonjena avy @ Jesoa Kristy ka dia handova ny fiainana mandrakizay.

Ilay tsy nino kosa dia hanenina satria tsy mba afaka mandova ny fiainana mandrakizay raha nandà ny famonjen'i Jesoa Kristy ( P.S= euphémisme io mba tsy hilazaina hoe mety hoany @ helo ilay ranamana)

2ème hypothèse : Diso ny voalazan'ny Baiboly

Inona ny vokatr'izany eo @ fiainantsika ankehitriny?

Ilay mino mety very fotoana t@ fiainany fa ny ankoatr'izay tsy dia misy vokany eo @ fiainany

Ilay tsy mino tsy misy vokany eo @ fiainany izany

Inona ny vokatr'izany eo @ fiainan'ireo aorianan'ny fahafatesana?
Na ilay mino na ilay tsy mino tsy misy vokany eo aminy fa dia samy ho lasa vovoka ao ampasana izy 2.

Conclusion : Vonona haka risque ve ianao tsy mbola mino hoe "tsy marina ilay hypothèse No 1 "na dia hitondra anao any @ helo aza izany safidinao izany?

hoan'i rhaj0, tsy mbola niclick tao andohanao ve hoe tena misy ny helo? Tadidio fa ny safidinao afaka zakainao fa raha ny zanakao kosa no tsy mba nahafantaranao an'ilay famonjena satria ianao nihevitra fa ny "imagination" -nao no marina dia mampalahelo raha marina ilay hypothèse 1, aza adino fotsiny fa 2 Milliard mahery eo ny olombelona mahatoky ny fahamarinan'ny hypothèse 1 :D

Farany, misy hira iray izay manao hoe :
"Vahiny isika ety fa tompon-tanana ary
Ampoizo sakaiza fa misy fiainana mandrakizay"

Dia Andriamanitra anie hanokatra ny masom-panahintsika tsirairay ahafantsika manao safidy tsara. :)
20. rhaj0 ( 05/12/2014 18:49)
Izany hoe, raha TSY "mino" izany, hoy ianao, dia misy risika ny mandeha any @ afobe..

Raha izaho manokana, raha io risika io no zava-dehibe, dia tsy mampaninona ahy fa raisiko ny risika, rahefa tena TSY tsapako ilay revy. Satria raha hihatsara velatsihy eo koa ve moa aho tsy ho sirika foana ve. Dia ireo TSY mahay "maka 19" koa moa izany hiaraka amiko mankany, ary maroisa zahay no any, ka dia tena OK aho @ izany (satria hety dia hety ilay lalana mankaroa moa, izay foana ilay "(amp)inoanareo azy ao", hozy nareo)

Fa raha tsy io risika io no zava-dehibe fa ny integrite-ko sy ny honnetete intellectuelle-ko, sy ny fahasalamako intellectuel, tsy teriteren'ny "manaiky-tsisy-porofo", dia rehefa "mandry" ireo dia ho "sambatra" aho @ fiainako rahefa manao izay tsara sy mety azo atao koa... dia ho hita eo, fa raha misy izany "inoanao" fa mankany mankany, dia "Izay Mahasoa Ataony" izany, f'izaho aloha dia salama ny saiko, mandry ny eritreritro, ary "sambatra" aho niaina ny fiainako..


[size=8](raha mahasalama ny sainao ny "manaiky-tsisy-porofo" dia ... mahasoava ao izany, fa tsy @ kapaoako e...)[/size]

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2808