Namana imaginaire

21. gasy1zay ( 05/12/2014 19:10)

rhaj0:

Izany hoe, raha TSY "mino" izany, hoy ianao, dia misy risika ny mandeha any @ afobe..

Raha izaho manokana, raha io risika io no zava-dehibe, dia tsy mampaninona ahy fa raisiko ny risika, rahefa tena TSY tsapako ilay revy. Satria raha hihatsara velatsihy eo koa ve moa aho tsy ho sirika foana ve. Dia ireo TSY mahay "maka 19" koa moa izany hiaraka amiko mankany, ary maroisa zahay no any, ka dia tena OK aho @ izany (satria hety dia hety ilay lalana mankaroa moa, izay foana ilay "(amp)inoanareo azy ao", hozy nareo)

Fa raha tsy io risika io no zava-dehibe fa ny integrite-ko sy ny honnetete intellectuelle-ko, sy ny fahasalamako intellectuel, tsy teriteren'ny "manaiky-tsisy-porofo", dia rehefa "mandry" ireo dia ho "sambatra" aho @ fiainako rahefa manao izay tsara sy mety azo atao koa... dia ho hita eo, fa raha misy izany "inoanao" fa mankany mankany, dia "Izay Mahasoa Ataony" izany, f'izaho aloha dia salama ny saiko, mandry ny eritreritro, ary "sambatra" aho niaina ny fiainako..


[size=8](raha mahasalama ny sainao ny "manaiky-tsisy-porofo" dia ... mahasoava ao izany, fa tsy @ kapaoako e...)[/size]




Tsara raha efa sambatra ianao izao, ka raha ampy anao izany dia tsy maninona fa safidinao izany fa tsarovy fa vetivety foana dia hiala ety isika mianakavy.

Anecdote kely mety HS nefa mampieritreritra, nisy tovolahy namanay izay 24 taona ranamana t@ izany , izy io dia tafaresaka tamiko volana Décembre ohatrizao mintsy t@ izany dia tena mitovitovy io lazainao io rhaj0 ny resany t@ izany, hozy hoe "tena reveko be leitsy ny fiainako a! tena misaotra an'Andriamanitra mintsy aho nataony lehilahy fa tena milay ny fiainana bandy" (N.D.L.R:miala tsiny @ ilay fiteny fa tena izay no nambarany) hay ve hoy aho, tsara refa faly @ fiainana ialahy hoy aho. Ny nampalahelo dia 2 herinandro tao aorinan'io resakay io dia maty io namanay io fa nanao accident. Tsy sanatria akory maniry loza ho anao aho rhaj0, fa tsapako hoe na mamy aza ny fiainana eto an-tany dia mandalo foana ary ny fahafatesana tsy hay izay hiaviny.
22. rhaj0 ( 08/12/2014 12:02)
hi hi hi... Ny fahitako azy dia hotry ny "mampitahotra" sisa no ataon'i Gasy1zay..

Tsaroako t@ izaho classe de 1ere.. Dia rehefa zoma, dia mirava @ 11:00 zahay, ary dia nisy ilay ranamana TJ izay, mitazona ny iray kilasy h@ 12:00, fa "misy zava-dehibe tiany ho zaraina" hono... Dia izaho sorena (efa t@ ireny aho no soren-dava) ary dia raofiko ny entako dia lasa aho nivoaka.

Dia hozy rizalahy namako.. ialahy anie ka... hum... tsy ho afa-panadinana eo fa maniratsira an'A.tra e.. Fa avy eo izy kofona sy tonga saina.. satria izao besolomaso kay ilay 1er de la classe... de la classe de 1ere :-)


Dia ahoana ry Gasy1zay... ny namako izao nanana ora 1 (11 h@ 12) isan-kerinandro, ary dia nampiasainy hihainoana an'i TJ; ny ahy nampiasaiko tamin-javatra hafa.


Ny tiako ahatongavana dia ... aleo tsorina: "raha TSISY A.tra"... Firy minitra-ora-andro t@ fiainanao no nolanianao t@ ... "angano-tsara-lahatra" ?


Ny ahy izao dia izao no atsipiko @ Ankizy izay mandalo eto... mandehana rankizy mba mijery izay eraky ny interinety dia mba misoka-tsaina ary mandranto fahalalana.. Zahay t@ andronareo anie tsy mba manana opportunitE ngezabe hotr'anareo izao, afaka mandranto fahalalana avy eo @ klavie, fa tsy maintsy miondrana vao mahita. Aza laniana @ izao Boky tokana izao ny andronareo fa maro ny boky ahitan-tsoa dia zahavo. Jerevo sy fantaro ohatra fa ny Siantista any @ U anie, ka efa ho 70% no Atheista amin-dreo ka dia... jereo ohatra izany fa zareo TSY nandany ilay ora 1 isan-joma hotry iretsy namako taloha, ary dia ianao anefa ve dia ny hitavana ny vokatry ny fikarohana nataony ireo foana fotsiny fa tsy mba...
23. 5laody ( 08/12/2014 14:41)

Salama daholo ry Namana isany, na imaginaire na virtuel,

Tena tsy miady aminay ny piesin'ilay rohy fa mba tantarao eto e.

Tsy dia maninona hono ry Rhaj0 raha manana namana imaginaire ny zaza . Mety efa te hanan-jandry izy izany. ary afaka izy io rehefa kelikely.

Ny tenako taloha dia nanana namana imaginaire hoe gogola izay fa efa tsy akamako intsony i leiry izao.

DuckDuckGo,MillionShort, Qwant, Pickanews akama vaovao daholo.
24. rhaj0 ( 08/12/2014 15:24)
Ireto azany ny santionan-dresaka tao e..

http://freethoughtpedia.com/wiki/Percentage_of_atheists

Atheists in America
Date of birth 1977+ : 19 %

Atheists in Prison : 0.209 %

Among scientists
Personal disbelief (in personal God) : 72.2 % (1998)
25. gasy1zay ( 08/12/2014 19:41)
Miala tsiny @ izay TJ aloha ny tenako fa tsy anisan'ny fampianarana Kristianina aloha ny fahitako ny fampianarana TJ hatreto na dia efa nasian'ireo fanovana aza mba hanakaiky azy.

rhaj0 > na ataontsika hoe marina aza ilay hypothèse 2 hoe tsy misy Andriamanitra dia tsy fotoana very mintsy ny nivavahana raha ohatra ka nanampy anao tsy hahatahotra aretina, olana, fahafatesana ny fivavahana, saingy hatreto aloha dia na siantista niaina nandritra arivo firy taona tsy nisy nahavita nanaporofo fa tsy misy Andriamanitra, ary olona 2 Milliard mahery eran-tany no kristianina resy lahatra ny fisian'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.



26. rhaj0 ( 08/12/2014 20:22)
- "tsy fotoana very" hoz'ianao.. izaho izao tena misahiran-tsaina @ zanak'anabavy lasa TJ any, fa tena ao foana izy fa tsy ny fiainana sy ny fianarana no atrehina. Ny anao ao izao 1/7-n'ny androm-piainanao no lany ao sa mihoatra an'izany ?
Heverovereto hoe i Caillou ka mandany andro toa anao miaraka @ Georges...

- "nanampy anao tsy hahatahotra aretina..." hoz'ianao... ekena fa placebo izany.. Fa raha mieritreritra tsara ianao, nety tokony tena fanafody anie no tadiavinao fa tsy placebo e...
Heverovereto raha i Caillou tsy mety mihinana vitamina fa lazainy fa baobo dia ampy...

- "siantista ... tsy nisy nahavita nanaporofo... A.tra" hoz'ianao... k'efa hoe "misy" izy @ maha "objet de ton imagination" azy, ka inona indray no porofo tadiavinao ? Hotry ny ianao no mitady porofo, satria tsy eken'ny sainao ho'a ilay "manaiky-tsisy-porofo" = "mino"... tsihaitsihay ihany inona no tadiavinareo kah...

- "2 milliards" kristiana hoz'ianao... ka 108 milliards no nanitsaka ity tany ity.. vitsy an'isa anie izany ny Kristiana.. ary mbola vitsy lavitra koa, 144.000, izay moa ilay izy, ireo ihany no "tena vahoaka'A.tra" hoz'nareo izay...

27. gasy1zay ( 08/12/2014 20:44)

rhaj0:

- "tsy fotoana very" hoz'ianao.. izaho izao tena misahiran-tsaina @ zanak'anabavy lasa TJ any, fa tena ao foana izy fa tsy ny fiainana sy ny fianarana no atrehina. Ny anao ao izao 1/7-n'ny androm-piainanao no lany ao sa mihoatra an'izany ?
Heverovereto hoe i Caillou ka mandany andro toa anao miaraka @ Georges...

- "nanampy anao tsy hahatahotra aretina..." hoz'ianao... ekena fa placebo izany.. Fa raha mieritreritra tsara ianao, nety tokony tena fanafody anie no tadiavinao fa tsy placebo e...
Heverovereto raha i Caillou tsy mety mihinana vitamina fa lazainy fa baobo dia ampy...

- "siantista ... tsy nisy nahavita nanaporofo... A.tra" hoz'ianao... k'efa hoe "misy" izy @ maha "objet de ton imagination" azy, ka inona indray no porofo tadiavinao ? Hotry ny ianao no mitady porofo, satria tsy eken'ny sainao ho'a ilay "manaiky-tsisy-porofo" = "mino"... tsihaitsihay ihany inona no tadiavinareo kah...

- "2 milliards" kristiana hoz'ianao... ka 108 milliards no nanitsaka ity tany ity.. vitsy an'isa anie izany ny Kristiana.. ary mbola vitsy lavitra koa, 144.000, izay moa ilay izy, ireo ihany no "tena vahoaka'A.tra" hoz'nareo izay...




Efa ambarako aminao fa tsy tokony ho classena ho kristianina ny TJ, ny fampianarana TJ dia Kristy = mpaminany fa tsy zanak'Andriamanitra, henoko hoe efa namboarina io fa niala ny olona fa tsy haiko izay doctrine entiny izao

Tsy marary aho donc tsy mila fanafody sy hitady ilay tena fanafody arak'ilay ambaranao

Izaho tsy miteny hoe porofoy fa misy Andriamanitra satria efa resy lahatra aho fa misy izy, fa ianao mihevitra hoe ny siantista no manana ny rariny raha lasa athé nefa izy ireo aza tsy nahavita manaporofo @ fahaizana amam-pahalalany akory hoe tsy misy Andriamanitra.

http://fr.wikipedia.org/wiki/Christianisme
ny kristianina 2,376 Milliard rhaj0 dia ny olombelona velona izao isika miteny izao fa tsy hoe ny nandia ny tany akory a :)
28. rhaj0 ( 08/12/2014 21:13)
Fa maninona anareo kosany ny TJ e ? f'angaha tsy A.tra iray ihany no ivavahana, dia Baiboly iray ihany no tarafina ?

Dia... fa maninona ho'a ianao mitady ny siantista hanaporofo ny finoanao ? K'efa ara-pamaritana dia hoe "ekena-tsisy-porofo" ny anao, ka inona indray ???

ka firy miliara azany no Kristiana nandia ity tany ity e... dia iza amin-dreo no "voafidy" ho "tena vahoakan'A.tra", arak'ilay isa majika 144.000 ??

Dia tena "mino" tena "mino" ve ianao fa ho "voafidy" ??

Firifiry nama no Kristiana nandia-tany, Kristiana h@ razan'ny razambeny, koa ianao, gasy iray izay, manantena fa hoe "ianao dia ianao" io no nandrin'ny sain'A.tra ka ho vonjeny ?? Koa na ireo Kristiana tao Eoropa izay nanokana ny androny manontolo ho an'i Kristy azany ve tsy efa feno ny 144.000 ???

Aiza moa ry damopra sasany tsy hi-demissionne fa tsy coherent ny messazy...
29. rhaj0 ( 09/12/2014 14:52)
"tsy fotoana very" hoz'ianao.. izaho izao tena misahiran-tsaina @ zanak'anabavy lasa TJ any, fa tena ao foana izy fa tsy ny fiainana sy ny fianarana no atrehina. Ny anao ao izao 1/7-n'ny androm-piainanao no lany ao sa mihoatra an'izany ?

Ilay "fotoana" very eo ihany fa ilay "perte de cerveau" no mampahonena... Firifiry nama ny saina vory sy matanjaka, tokony mba nety nampahazo soa ho an'ny mpiara-belona, ka dia lanilany foana tany @ "angano-tsara-lahatra" tany...

Fa dia mamerina ny antso avo ho an'ny Ankizy izay mandalo eto e...

mandehana rankizy mba mijery izay eraky ny interinety dia mba misoka-tsaina ary mandranto fahalalana.. Zahay t@ andronareo anie tsy mba manana opportunitE ngezabe hotr'anareo izao, afaka mandranto fahalalana avy eo @ klavie, fa tsy maintsy miondrana vao mahita. Aza laniana @ izao Boky tokana izao ny andronareo fa maro ny boky ahitan-tsoa dia zahavo.
30. gasy1zay ( 09/12/2014 15:09)

rhaj0:

Fa maninona anareo kosany ny TJ e ? f'angaha tsy A.tra iray ihany no ivavahana, dia Baiboly iray ihany no tarafina ?

Dia... fa maninona ho'a ianao mitady ny siantista hanaporofo ny finoanao ? K'efa ara-pamaritana dia hoe "ekena-tsisy-porofo" ny anao, ka inona indray ???

ka firy miliara azany no Kristiana nandia ity tany ity e... dia iza amin-dreo no "voafidy" ho "tena vahoakan'A.tra", arak'ilay isa majika 144.000 ??

Dia tena "mino" tena "mino" ve ianao fa ho "voafidy" ??

Firifiry nama no Kristiana nandia-tany, Kristiana h@ razan'ny razambeny, koa ianao, gasy iray izay, manantena fa hoe "ianao dia ianao" io no nandrin'ny sain'A.tra ka ho vonjeny ?? Koa na ireo Kristiana tao Eoropa izay nanokana ny androny manontolo ho an'i Kristy azany ve tsy efa feno ny 144.000 ???

Aiza moa ry damopra sasany tsy hi-demissionne fa tsy coherent ny messazy...


tsy mitovy ny baiboly TJ sy ny baiboly kristianina na dia misy partie iraisany aza, raha fivavahana tsy manaiky an'i Jesoa Kristy ho mesia zanak'Andriamanitra tonga hamonjy antsika dia tsy mitovy @ finoana kristianina ohatra

Tsy 144000 akory ny olona hiditra ny lanitra fa efa haveriko matetika hoe aza raisina @ ampahiny ny baiboly fa ho voafitaky ny "belazao" eo ianao,

"Je regardai et je vis l'Agneau debout sur le mont Sion, et avec lui 144'000 personnes qui avaient son nom et le nom de son Père écrits sur leur front."

Raha mamaky ny apokalypsy hatr@ voalohany hatr@ farany ianao rhaj0 dia ho hitanao fa misy étape vitsivitsy ireo tranga voalaza ao, ireo 144 000 ireo talohan'ny fitsarana dia efa niaraka t@ Jesoa , iza ireo 144 000?

"Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy"
ka voalohambokatra ve ry rhaj0, ahoana ny fahitanao izany? totalité ny vokatra sa première moisson fotsiny?

Mino tena mino aho fa handova ny lanitra raha voatazoko hatr@ farany (fahafatesako) ny finoako, mety tsy anisan'ireo 144 000 aho fa mba anisan'ny ireo voasa @ fampiakarana na ireo voasoratra ao @ bokin'ny fiainana :)
31. rhaj0 ( 09/12/2014 15:20)
Ilay "fotoana" very eo ihany fa ilay "perte de cerveau" no mampahonena... Firifiry nama ny saina vory sy matanjaka, tokony mba nety nampahazo soa ho an'ny mpiara-belona, ka dia lanilany foana tany @ "angano-tsara-lahatra" tany...

oadray... miverina mamaky ny nosoratako aho dia ... mihomehy irery..

T@ izaho mbola kely (9 taona) dia nangalatra nijery sonema tatsy @ CCAC; t@ izany dia mbola nisy ilay "discussion" aorianan'ny mijery filma (+13 taona). Dia raikitra azany ny discussion. Dia ny fanontaniana dia hoe : "ilaina/mahasoa/... ve ny Fitiavana"

Dia ilay tena mbola boaikely moa tsy mbola mahatakatra izany Fitiavana Fitiavana izany t@ izany, ary dia nipetsompetsona hoe : TSIA. Dia hoe fa nahoana? Dia hoe, raha ilay rOla izao tsy taratara t@ ilay sipa, nefa ilay rOla @ io tena ilay ben'ny tanana, dia hoe, raha tsy taratara izy izao dia mety nilamina ny Firenena.. Fa nilaozany nanara-body lava tatsy, dia nefany narian'le sipa ihany koa izy, ka dia voa dobla... sady voa ny firenena no voa ingahy... :-)
32. rhaj0 ( 09/12/2014 15:23)
Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy, hoz'ianao... eeeeee... dia very ianao izany...
... na ianao very fa tsy mba nandry tamim-behivavy :-)
33. gasy1zay ( 09/12/2014 15:39)

rhaj0:

Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy, hoz'ianao... eeeeee... dia very ianao izany...
... na ianao very fa tsy mba nandry tamim-behivavy :-)


Ianao izany rehefa resaka siansa dia "intelligent" be fa rehefa resaka fivavahana dia ohatrany tsy mahazo izay lazain'ny hafa mintsy na "mody tsy mahazo" :) ?
première vague ireo 144 000 ry rhaj0 fa tsy ireo ihany no hovonjena a! vakio hatr@ farany hoy aho ilay bokin'ny apokalypsy fa mbola misy hasaina @ fampakarana ao, mbola misy ireo martiora sy tsy nandray ny mariky ny bibidia hiara hanjaka @ kristy 1000 taona, ary mbola hisy ireo hintsagana @ maty sy hotsaraina araky ny voasoratra ao @ bokin'ny fiainana.
Ny anao moa rehefa tsy metimety aminao ny voasoratra dia amboarinao @ izay itiavanao azy ao nefa tsy maninona fa zoanao izany fa forum ity moa samy milaza ny heviny :D
Ny fitsarana no tsy misy afaka mandaha ny "Juge"
34. rhaj0 ( 09/12/2014 16:03)
Namaky an'io tokoany aho in-1 mandeha, ary ny fahazoako azy, dia ho an'ny mpisoronabe io andininy notsingolohanao io (tsy voaloton'ny vhv)..

Fa ny premiere promotion sy ny manaraka indray no tsy takatro.. Ka dia miandry 2eme session izany e... Dia izany ve ahita toerana etsy ambany ankavanana intsony ??

Dia mahavariana ahy ho'a ny ... "imagination"-nareo e... Dia hotry ny ahoana tokoany ho'a no imaginer-nao izany tenanao any am-paradisa ? In-1 mandeha i Toriteny nilaza fa tena volamena vatosoa... Dia nefany ho'a ny Kebany aty, sahabe-na margerity sy eolien...

Fa dia mahafinaritra tokoany ny mandrevirevy e... tena kOpy aho ... ary mitsiriritra kely anareo (mbola) mahay mirevirevy :-)
35. gasy1zay ( 09/12/2014 16:48)
raha ny baiboly aloha dia tsy mbola nisy nilaza izay margerity sy eolien an'ny kebany izany e, fa raha ny voalaza dia toerana tsy misy ranomaso, fijaliana sy aretina intsony, fa fiadanana ka raha efa niaina ilay fiadanana ao @ Tompo ianao dieny ety an-tany dia tsapanao hoe izay ilay hiainanao mandrakizay rehefa miala ety :D
36. rhaj0 ( 09/12/2014 18:08)
Fanefa toa nisy volamena vatosoa manjopika tao... aboahy indray hoe ny andininy @ izay, raha mba mety ?

Fa ny @ helo aloha dia ... tsoriko fa tena mampivanitika ahy. Tsy hoe mivanitika ny "finoana(re)o" ny Helo aho, fa ilay "imagination" isan-karazany no mampivanitika gaigy ahy ato :-)

Averiko eto ny noresahina tatsy. Jereo anie e... Ny @ imagination sasany, hotry ny hoe hohanina ilay olona, tsy dorana hotry ny andrahoina fotsiny, fa tena rotie, grillEe... Ny an'ny sasany aza indray dia tena torturer-na mihintsy, ary torture t@ andro taloha eee... hoe veli-kibay.. izao ny torture anefa efa "simulation noyade" :-)


http://www.cles.com/enquetes/article/l-enfer-et-le-paradis-vus-par-les-religion.

Mahavariana fa efa hatrany @ ancêtres paléolithiques izany no lasa vinany @ Helo/Paradisa raolombelona.

Fa raha ny @ Helo, dia toatoa izao no fahitan'ny fivavahana hafa isan'isany..

hindouisme : Au nombre de 8 400 000, "les Sans-Soleils" sont d'aveugles ténèbres où se déclinent tous les supplices. Rôties, grillées, déchirées, broyées...

taoïsme : Des enfers toujours aussi terribles - dépeçage, feu, glace, bête sauvage...

bouddhisme : The fire of hell in this world is hotter than that of the hell in the world-beyond. There is no fire equal to anger, lust or greed and ignorance.
(toa tsisy Helo, fa toatoa izao ny reviny...)

judaïsme : les méchants seront condamnés à la Géhenne, lieu souterrain infernal où les attendent feu, chaînes, eau bouillante et autres tortures...

christianisme : Les irrécupérables iront retrouver Satan en enfer et subiront sans espoir de rachat le supplice du feu, symbole de la perte irrémédiable de Dieu...

islam : L'enfer musulman est également plus imaginatif. On ne se contente pas de brûler les méchants comme dans l'enfer chrétien. Les damnés ont droit aussi à des douches d'eau bouillante, de sauvages coups de bâtons et des arrachages d'entrailles...



[size=8]Vazivazy fa... Rahefa manao sauna zahay, dia izao foana ny fantsy: entrainement @ Helo izany ity atao ity ...[/size]
37. gasy1zay ( 09/12/2014 18:34)

Apokalypsy 21 :

"Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
Ary ny fanorenan’ ny màndan’ ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra...
Ary ny vavahady roa ambin’ ny folo dia perila roa ambin’ ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ ondry no fanazavana azy [Gr. jirony] "

Mikasika ny helo indray dia ohatrany mahagaga tokoa hoe maninona no misy itovizany @ fivavahana kristianina ny finoana hafa fa dia ho hitantsika eo ny valiny rehefa tonga ny fotoana hialana ety.
38. rhaj0 ( 09/12/2014 20:00)
Izaho ho'a TSY mba hanitsaka ampaladia ireo zava-mangirangirana ireo, fa tena TSY mety @ saiko ny mitingitingina @ izany... nefany ny razako sy ny havako ohatra mety mijaly (any @ Afobe)...

sady zahay mavomavo ho'a e... TSY soatoavinay ary tsy mba tanjonay ny miravaka mangirangirana izany..

Dia ohatra koa hoe, sanatriavin'ny vava hoe, ny zanakao tsy lasana miaraka aminao any, dia mbola falibe ianao izany fa "avotra" an...

Fa dia asakasakao izay faly sy mitady an'ireo...
39. gasy1zay ( 09/12/2014 21:01)

rhaj0:

Izaho ho'a TSY mba hanitsaka ampaladia ireo zava-mangirangirana ireo, fa tena TSY mety @ saiko ny mitingitingina @ izany... nefany ny razako sy ny havako ohatra mety mijaly (any @ Afobe)...

sady zahay mavomavo ho'a e... TSY soatoavinay ary tsy mba tanjonay ny miravaka mangirangirana izany..

Dia ohatra koa hoe, sanatriavin'ny vava hoe, ny zanakao tsy lasana miaraka aminao any, dia mbola falibe ianao izany fa "avotra" an...

Fa dia asakasakao izay faly sy mitady an'ireo...


Ka izay anie no hitaizana ny zaza dieny mbola kely handeha @ lalantsara e, @ izay izy mba mahalala ny lalampamonjena koa.

Tsy ny volamena no tanjona ry rhaj0 fa ilay fiainana mandrakizay anaty fiadanana, tsy misy aretina, fahoriana sy ranomaso a! Raha misy volamena moa ilay toerana tsy hoe ny kristianina no nicommande an'io hoe mba ataovy an'izao ilay paradisa ry Jesoa Kristy oh! Rehefa tsy mety aminao moa ilay izy dia safidinao izany.
40. rhaj0 ( 11/12/2014 17:27)
gasy1zay:
...fiadanana, tsy misy aretina, fahoriana sy ranomaso...


Rahefa matin'ny homamiadana izany ianao, dia .. sitrana rahefa ao (@ rue de) Paradis ?

Rahefa tsy mahita ny havanao, izay tsy tafita any (@ rue de) Paradis ianao izany, dia TSY mba ory ?

Rahefa mahalala fa mijafajafa ireto izy any @ Helo, ary fantatrao tsara izany (ao @ imagination-nao ao), dia nefa ianao mihaminkamina atsy @ (rue de) Paradis, dia tsisy ranomaso mihintsy ianao izany @ io an...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3975