AVY AIZA NY NOEL: NO-EL : NOELY

81. bor2lais ( 11/12/2014 16:51)
Dia mba hazavao ary ny tianao lazaina amin'ity fa tsy dia azoko raha izany :
RBNIR:

ireo hazo izay namoha (izay rehetra fantatro aloha hatramin'izao) dia samy voakilema avokoa raha hoharina tamin'ilay fampianarana nisy tany amboalohany.

:-)
82. RBNIR ( 12/12/2014 02:16)
bor2lais:

Dia mba hazavao ary ny tianao lazaina amin'ity fa tsy dia azoko raha izany :
RBNIR:

ireo hazo izay namoha (izay rehetra fantatro aloha hatramin'izao) dia samy voakilema avokoa raha hoharina tamin'ilay fampianarana nisy tany amboalohany.

:-)

Faly misera hatrany namana,
Ity ny fanazavana an'io :
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao.3:33)

Tokana ny tena avy any ambony (ilay nampianarin'Ilay avy any ambony) fa maro kosa ireo avy amin'ny tany (ireo ilay nivoaka avy tamin'ny fampianarana tety an-tany) satria hoy ny teny hoe "izy rehetra",
Ny marika dia tsotra, ilay avy any ambony dia tsy mitory afats'izay hitany sy reny avy any ambony tany, ireo rehetra avy ety an-tany kosa tsy nanehoana izany ka miainga amin'izay hitany tety antany ihany ny zavatra toriany.
Tsy mety hifandray ireo ka izay no mahatonga ilay avy any ambony "tsy misy mandray ny fanampbarany",


Voakilema avokoa hoy aho satria nandray ny avy ety an-tany avokoa namana (ary marina io satria ireo mpitondra fivavahana amin'ny fiangonana rehetra nifandimby teto amin'izao tontolo izao dia jereo fa saika niofana avy amin'ny fampianarana tety an-tany avokoa (collège pastoral sns....) nisy koa niala tamina fiangonana dia nanao ho azy manokana saingy ny fampianarana azony dia niainga tao amin'ilay fiangonana ihany fa novainy kely fotsiny na nampiany fampianarana hitany tany amin'ny fiangonana hafa ,

Ilay fampianarana avy any ambony no tsy nisy kilema dia ilay avy amin'Andriamanitra iny tsy nanandratena fa nofidiana, nampianarina ary nasaina nanangana!

Enga anie ianao mba ho isan'ilay "hanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra".

Izay manana maso aoka hahita! izay manana saina aoka hisaina!

Samia ho tahin'ny Tompo namana
83. bor2lais ( 12/12/2014 10:21)
Raha azoko tsara dia ny fampianarana noraisina tahaka ny an'i Paoly sy ireo apostoly ihany no tsy misy kilema amina(re)o ?

Fa ny mivoaka avy amin'ny sekoly pastoraly, sns tsy tahaka izany ! Izany hoe tsy mba tao Andriamanitra nampianatra azy ireo !

Izany hoe tsy mino ny (asan'ny) Fanahy Masina iana(re)o e !

Dia nipoitra ny "apôstôlina(re)o" (sy ny namany hafa) tato ho ato milaza tena fa nandray mivantana tahaka i Paoly, nilaza fa nitondra "zava-miafina" hoe ampio "averina hotorina indray" ny ao amin'ny Matio 24.14 satria tsy izy ny zavatra notorina hatramin'izay ! Alaiko an-tsaina ny (mety) fiantraikany ho an'ireo malemy sy osa ara-panahy : tsy izy ny batisanareo fa avereno, sns

Gravy ny mahazo ana(re)o e ! Mbola tsy tara fa mifohaza !

Am-pitiavana be ! :-)
84. RBNIR ( 12/12/2014 10:54)
bor2lais:

Raha azoko tsara dia ny fampianarana noraisina tahaka ny an'i Paoly sy ireo apostoly ihany no tsy misy kilema amina(re)o ?

Faly misera hatrany namana bor2lais,
Voalazanao namana! ary jereo fa notsindrian'i paoly apostoly tsara!
« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Ankoatran'izay dia Miainga avy amin'Andriamanitra mankao amin'i Jesosy Kristy « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Ary farany dia tsy maintsy i Jesosy Kristy (fa tsy misy mpanelanelana) no mampianatra azy mivantana amin'ilay olona nofidiny!

Isika tsy hahita mihitsy ilay olona nahita an'i Jesosy fa dia ny voany no hamantarana ny hazo.

Raha ohatra ka mitovy amin'ilay voa nafafin'i Jesosy sy ireo apostoly fahiny no afafiny dia aza misalasala fa izy izy izay (baiboly no référence),

Raha mifanohitra amin'izay kosa dia aza mino fa mpisandoka satria tsy possible mihitsy hoe Jesosy no nampianatra azy nefa zavatra hafa no toriany aminao.

Izay namana, anjarantsika no mandinika,

Samia ho tahin'ny Tompo

85. rhaj0 ( 12/12/2014 11:28)
bor2lais:
Fa ny mivoaka avy amin'ny sekoly pastoraly, sns tsy tahaka izany ! Izany hoe tsy mba tao Andriamanitra nampianatra azy ireo !

RBNIR:
tsy maintsy i Jesosy Kristy (fa tsy misy mpanelanelana) no mampianatra azy mivantana amin'ilay olona nofidiny!

Tena tsy hitako inona no ifandirana lava @ izany. Amiko dia mazavabe fa

- ao @ "imagination"-n'i Bor2lais, dia "tao A.tra nampianatra ny sekoly pastoraly". Fa tsy ao @ "imagination"-n'i RBNIR mihintsy izany.

- ao @ "imagination"-n'i RBNIR, dia "tao i Jesosy nampianatra ilay apostoly vaovao". Fa tsy ao @ "imagination"-n'i Bor2lais mihintsy izany.

Dia samy mifanabaty ny "imagination"-n'ny andaniny ny ankilany. Ka dia mazotoa sy mahasoava @ izany ao azany e...

86. RBNIR ( 12/12/2014 12:38)
Salama namana rhajo,
Ilay izy kosa tsy imagination-ko fa efa mba nandinika lalina aho vao nanaiky e! (izaho koa ange tsy hoe terena hanaraka azy e! ary na dia anio aza tsy misy mahasakana ahy raha te hiala aho) fa matoa ao mijanona misy antony ary matoa aho mitaona olona misy antony koa ato ianao raha hijery misy temoinage nataoko ato
87. bor2lais ( 12/12/2014 12:52)
RBNIR > Averiko indray fa zappé-nao foana ity resaka ity : "zany hoe tsy mino ny (asan'ny) Fanahy Masina iana(re)o e !" :-)

Izany hoe lasa tsy mino intsony an'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina izany ve RBNIR ?

Lazaiko hoe "intsony" satria nino izany ianao RBNIR (teo aloha) raha tsy diso ny tadidiko (ary mety ho hita ihany koa ao amin'ny tahiry ato amin'ity serasera ity izany).

Raha izay tokoa mantsy dia aleoko hajanona hatreo ny resaka satria ny finoana mihitsy no (lasa) samy hafa ! :-)

Mirary soa sy Noely sambatra ho ana(re)o ! :-)
88. RBNIR ( 12/12/2014 13:28)
bor2lais:

RBNIR > Averiko indray fa zappé-nao foana ity resaka ity : "zany hoe tsy mino ny (asan'ny) Fanahy Masina iana(re)o e !" :-)

Izany hoe lasa tsy mino intsony an'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina izany ve RBNIR ?

Lazaiko hoe "intsony" satria nino izany ianao RBNIR (teo aloha) raha tsy diso ny tadidiko (ary mety ho hita ihany koa ao amin'ny tahiry ato amin'ity serasera ity izany).

Raha izay tokoa mantsy dia aleoko hajanona hatreo ny resaka satria ny finoana mihitsy no (lasa) samy hafa ! :-)

Mirary soa sy Noely sambatra ho ana(re)o ! :-)

Tsy misy ifandraisany izany namana! Ny resaka eto dia ny fampianarana tsy misy kilema dia tsy maintsy avy amin'Andriamanitra aloha dia mankao amin'i Jesosy Kristy izay mampita azy indray kosa amin'ny olona fidiny mivantana sy ampianariny mivantana.

Izany tsy midika fa tsy mino ny fiasan'ny Fanahy Masina aho (tsy hitako mihitsy koa izay ifandraisany sy ny tianao hahatongavana).

Sa ny tianao hahatongavana dia te hanamarina ianao fa ireo fampianarana hafa dia asan'ny Fanahy MAsina noho izany dia tokony ho raisina ho fampianarana tsy misy kilema ihany koa ?

Raha izay dia mbola averiko hatrany : Fampianarana tsy misy kilema dia avy amin'Andriamanitra nomeny an'i Jesosy izay mifidy olona indray kosa hampianarana azy mivantana (voaporofo izay teo amin'ny apostoly 12 lahy nofidiany voalohany ; dia mbola noporofoiny koa tamin'ny fifidianany an'i paoly izay nanoloany an'i jodasy (eo indrindra diniho tsara : ny olona nifidy an'i Matia tamin'ny alalan'ny filokana izay noheverin'ny olona fa fiasan'ny Fanahy Masina angamba! Vakio ny Asa1 : 21-26 nefa noporofoin'i Jesosy fa Izy ihany no mifidy izay ho apostoliny sy mampianatra azy ka dia nifidy an'i paoly Izy!

Samia ho tahin'ny Tompo namana
89. rhaj0 ( 12/12/2014 14:08)
RBNIR:
misy temoinage nataoko ato

Hitako fa dia arahabaina izany ianao nahita ny soa ho anao.

Tsaroako koa fa i Bor2lais dia nitantara kely ny tantarany in-1 mandeha, ary dia nahita soa ho azy koa izy raha ny (kely) fitadidiko azy, ary dia mbola io mijoro miresaka eto io koa izy.

Fa dia rahefa mahasoa ao (h@ fifanjijanareo eto) dia mahasoava azany e...
90. bor2lais ( 12/12/2014 14:25)
RBNIR:

Sa ny tianao hahatongavana dia te hanamarina ianao fa ireo fampianarana hafa dia asan'ny Fanahy MAsina noho izany dia tokony ho raisina ho fampianarana tsy misy kilema ihany koa ?

Raha mino an'Andriamanitra telo izay Iray ianao dia tokony hino fa raha misy asan'ny Fanahy Masina dia asan'Andriamanitra izay, izany hoe "tsy misy kilema" ihany koa no tiako ahatongavana ka ...

Resaka finoana ilay izy RBNIR a ! :-)
91. RBNIR ( 12/12/2014 16:57)
Aleo ary ho fintiniko dia hofaranako ilay anjarako teto namana,

Ny noely dia fampianariana nentin'ny olombelona taty aoriana fa tsy isan'ilay fampianarana tsy misy kilema nentin'i Jesosy Kristy sy nampianariny ary nandidiany an'ireo apostoly mba ho ampianarina,
Ny baiboly no hanamarinana fa tsy hita taratra tamin'ny fiainan'ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany mihitsy ny fankalazana ilay andro nahaterahan'ny mpamonjy.
Ilay fanasan'ny Tompo kosa anefa dia tena notanterahan'izireo araka ilay didin'ny Tompo nanao hoe "izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy.

Nambarako ihany koa fa ny noel dia anisan'ireo fahatanterahan'ilay saindalin'i satana : fampianarandiso nampidirin'i satana entina hamotehina sy hanakonana ilay fampianarana tsy misy kilema nentin'i JEsosy Tompo,
Ny tanjon'ny devoly amin'izany moa dia mba tsy hahazo sitraka eo anatrehan'Andriamanitra intsony ilay olona mpivavaka satria fantany tsara ilay tenin'Andriamanitra manao hoe "ho foana ny fivavahan'ireo amiko raha mampianatra didin'olombelona ho fampianarana izy".

Farany efa nataon'Andriamanitra nibaribary Be ilay hoe NO + EL (TSY MISY ANDRIAMANITRA) nefa indrisy fa ny zaza madinika ihany marina tokoa no nataony nahita izany.

Hafatra kely fotsiny atolotra am-pitiavana Be, efa niverina indray i Jesosy nampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny fahiny koa (efa tanteraka ankehitriny ilay voasotra ao amin'ny Mat.24:14) ka tsarovy ilay tenin'i Jesosy hoe "dia vao ho tonga ny farany"
Ny fiverenan'io fampianarana tsy misy kilema io no famantarana fa efa ho tonga marina ny farany namana.

Sahia mandray fanapahakevitra hialà amin'ny fampianaran-diso rehetra (tsy ny noely ihany) fa na inona na inona fampianarana tsy nianarana sy tsy niainan'ireo apostoly fahiny dia tsy ilay tsisy kilema izy izay.

Koa ampitiavana no anasako an-tsika hatrany hianatra sy hamantatra ny marina ao amin'ny fandaharana Vitao ny asan'ny fahamarinana isa-maraina ao amin'ny kolo TV (alatsinainy ka hatramin'ny zoma) amin'ny 5 ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora. (efa mandeha ao amin'ny canal sat ry namana isany).

Hevero ny hoavin-tsika fa efa akaiky ny fotoampitsarany ry namana isany!
Mbola tsy tara ianao raha izao vao hanapakevitra!



Samia ho tahin'ny Tompo namana!



92. moustaraf ( 13/12/2014 09:31)
Salama,
Efa misy kilema ilay fampianarana ry namana a!
1.Yeshu'a no mesia mpamonjy fa tsy jesosy,
Ny anaaran'ny mpamonjy ve azo ovana na adika?
Yeshu'a (teny hebreo ) midika : Famonjena
jesosy, midika inona???

Diniho kely ihiany oo!
93. RBNIR ( 13/12/2014 16:44)

moustaraf:

Salama,
Efa misy kilema ilay fampianarana ry namana a!
1.Yeshu'a no mesia mpamonjy fa tsy jesosy,
Ny anaaran'ny mpamonjy ve azo ovana na adika?
Yeshu'a (teny hebreo ) midika : Famonjena
jesosy, midika inona???

Diniho kely ihiany oo!

Efa nazavaiko io ry namana, tsy ny fahafantarana ilay anarana no sitrak'Andriamanitra fa ny fanaovana ny sitrapony « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)
Efa nazavaiko koa fa na ianao aza tsy mahay ilay anarana noho ireo nandefona Azy nefa tsy nahavoavonjy an'ireo ny fahafantarany ilay Anarana namana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
94. moustaraf ( 13/12/2014 18:07)
Io ary fa misy kilema be ilay fampianarana!

Anarana ry namana no voalohany a !
Raha tena IRAKA MARINA dia ny ANARAN'ilay mpaniraka no omeny voalohany indrindra.
IZA NO MANIRAKA?
Vakio tsara re io boky io a, isaka misy mpaminany na olona voatokany hitondra ny hafatra dia omeny foana ny anarany mba hanomezany toky azy:
Izaho no EL SHADAY, ELOHYM, EL GIBOR, izay nivavahan'i Abraham, Itshak ary Yaakov

Fa tsy ilay hoe akory hoe: izaho no Atra, izay fatina mpanjaka nivavahan'ny razambenareo

Raha niseho ny ajely nilaza ny hahaterahan'ny mesia: ...indro ny virjina hiteraka.....ary ny anarany hatao hoe YESHUA, tsy jesosy

Ny asam pamonjena rehetra dia atao amn anaran' YESHUA ry nama a!
"raha anarana hafa no torianareo dia mazava ny valiny: "tsy fantatro akory ianareo, mialaa amiko ianareo mpanao meloka "

Alalana avy aiza no ahafahana manova ny anan'ilay Mpanjakan'ny mpanjaka??? Mpanao meloka izay rehetra mametaka ANARAM BOSITRA ny Mpamonjy.
Na ny anaranao aza tsy azonao ovaovaina tsotra izao raha tsy mandalo tribonaly, ka tribonaly taiza teto an tany no manana fahefana hanova ny YESHUA ho jesosy???

Manaova fandinihana lalina vao milingilingy mampianatra sy mihirahira, fa lasa manamafy ny asa maizin'ny satana sy ataony fitaovana mampiely lainga fotsiny ianareo.
95. moustaraf ( 13/12/2014 18:09)
Eo indrindra ilay kilema!
96. RBNIR ( 14/12/2014 07:20)

moustaraf:

Eo indrindra ilay kilema!


Ary tsy novakian'ny namana tsara izany ny tohin'ilay Mat.7:21 raha izany???

« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Mat.7:22)

« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Mat.7:23)

Olona nahafantatra tsara ILAY ANARANY daholo ange ireo nolaviny ireo e ka nolazainy fa TSY FANTANY ary MPANAO MELOKA E!

Izay ilay nataoko hoe tsy ILAY FAHAFANTARANA ILAY ANARANA NO ZAVA-DEHIBE namana!

NY FANAOVANA NY SITRAPON'NY RAINY IZAY ANY AN-DANITRA IHANY NAMANA! IZAY IHANY NO ANTOKA TOKANA HIDIRANA AMIN'NY FIAINANA MANDRAKIZAY!

Samia ho tahin'ny Tompo namana


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0831