AVY AIZA NY NOEL: NO-EL : NOELY

21. shmaisrael ( 05/12/2014 14:23)
Tsy olana ny mifaly fa ny mampifangaro ny noel, ireo rituels izay voalaza fa tsy azo atao no tiana lazaina eto, fa tsy ny fifaliana akory!!!

ny fanaovana ny sapin, sns... tsy ankasitrahan'elohim ireo ... anao ny anao raha te hifaly ianao tsy olana, fa ny mampifangaro ny rituels sy ny finoana dia tsy mety...
22. shmaisrael ( 05/12/2014 14:23)
Tsy olana ny mifaly fa ny mampifangaro ny noel, ireo rituels izay voalaza fa tsy azo atao no tiana lazaina eto, fa tsy ny fifaliana akory!!!

ny fanaovana ny sapin, sns... tsy ankasitrahan'elohim ireo ... anao ny anao raha te hifaly ianao tsy olana, fa ny mampifangaro ny rituels sy ny finoana dia tsy mety...
23. bor2lais ( 05/12/2014 14:49)
shmaisrael:

Tsy olana ny mifaly fa ny mampifangaro ny noel, ireo rituels izay voalaza fa tsy azo atao no tiana lazaina eto, fa tsy ny fifaliana akory!!!

[size=8]Niova diska indray ange ny namana izany e ! :-)[/size]

Tsy ny fanaovana "rituels" no olana amiko fa ny toe-po hanaovanao izany ! :-)

Tsy fantatro raha mitovy ny Baiboly ampiasaintsika fa ireo magy lazaiko ireo anie ka samy nanana ny "rituels"-ny (ary inoana fa izay no "koltora" niainany sy nahazatra azy tany amin'ny firenena niaviany avy tany) ary izany no nentiny nitsaoka Ilay Zazakely : tsy milaza mihitsy ny Baiboly (ny anao no tsy fantatro) fa tsy nankasitrahaNY izany fa toa ny mifanohitra amin'izay aza no niseho (nobitsihiNY hiova làlana) ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :-)
24. shmaisrael ( 05/12/2014 16:03)
manaiky izany aho, fa ny thème eto dia ny noel sy ny tontolony... ary misy toko sy andininy milaza mazava tsara hoe tsy ankasitrahiny ny fanarahina ny fomban'ny hafa firenena...
25. RBNIR ( 05/12/2014 21:02)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar;7:7)

Raha tsy tianao ho foana ny fivavahanao Aminy dia aza mampianatra (na koa mianatra) didin'olombelona ho fampianarana ianao.

Ary raha te hatsiaro Azy ianao dia Izy ange efa niteny e!

« Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » (Lio.22:19)

Fampianarana tsy misy kilema = fampianarana avy amin'Andriamanitra mivantana nomeny an'i Jesosy Kristy = tsy azo ampiana ary tsy azo analana « Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apok.22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apok.22:19)

Samia ho tahin'ny Tompo
26. hadji ( 06/12/2014 13:44)
manangana fotompinona vaovao enao fa lavabe zany
shmaisrael:

Matoa ianao mino dia tokony arahina tsisy akanavaka ny teniny rehetra.. tsy mbola nilaza mihitsy ny baiboly hoe hankalazao ny nahaterahin'ny zanaky ny avo inrindra... voa maika natao 25 décembre miampy ny "magie de noel"... izay zava pady ...

Ianareo mihitsy no minia tsy te hahalala na efa eo ambany masonareo aza ny teniny, ny porofo ara-tantara, aleonareo ihany manohy sy manao toy ny bolokim-bazaha... satria MAMINAREO ny noely...
27. rhaj0 ( 06/12/2014 16:08)
Raha tsy nankasitrahan'i Elohim re ohatra ny sapin dia mety efa nodorany sy naringany tany daholo izany ry shmaisrael a...

Na koa efa "nolazainy" ny olona tsy hanao izany.. Fa ianao koa toa hotry ny ianao irery no mahare ny "nolazainy"...


Ny fahitako azy, sa diso aho, dia ianao koa toa hotry ny ilay karazan'olona, hoe, izy no tsy mirevy noho ny finoany, izy no tsy mivoaka ny zoma alina ohatra, dia avy ao am-pandrianna ao izy no manozonozona ny olona rehetra tsara revy any ivelany any...

28. moustaraf ( 07/12/2014 07:37)
Salama namana,
1. Vavaka sy finoana ve aloha no resahina eto, sa revy sy tiana hatao?
-Raha vavaka ihany no resahina
-Io baiboly io ihany koa no vakiana (tantaran'i Hebreo)
-Ary ilay lazaina fa nivavahan'i Abrahama no iankohofana

Dia tsotra ny resaka:
-Tsy miova IZY omaly sy anio ary mandrakizay "izay rehetra nolazain'ny vavany dia marina sy to ka tsy maintsy toavina"

Ny olana mano dia ISIKA milaza ho mivavaka @ ilay nivavahan'i Abrahama nefa mandà an'iEL izay nivavahany = NOEL
Ary tsy mahagaga ISIKA avy eo raha manejika ny HEBREO satria efa mandà an'i Abrahama sy izay niankohofany.

Ny Fiangonana rehetra mankalaza NOEL dia MIANKOHOKA @ MITHRA avokoa, fa lainga sy hosoka avokoa izay rehetra torian eny ambony pilipitro.

Ario ary ny baiboly rehefa izay e! fa toa sadasada nefa manantsoratra re e!
29. shmaisrael ( 08/12/2014 05:56)
Tsy mamorona foto-pinoana vaovao velively, fa izay voasoratra araka io teninao io no lazaiko eto... ny FOTOTRA aza tsy fantatry ny olona intsony koa ahoana moa no tsy hanaiky ny noel... efa mazava be noir sur blanc ilay teny anaty baiboly momba io hazo noely io dia izaho no lazaina fa mamorona... ianareo izay manaraka ny noelim-bazaha sy ny fombany izay noraran'elohim indray ve no manenjika anay izay miverina @ andriamanitray, miverina @ teniny??? mihevera!
30. endriny ( 08/12/2014 06:25)

hery:

:-D

izany ve tsy mitovy amin'ny hoe
HOT-EL / HOTEL /HOTELY?

Mafana tokoa i EL ao amin'ny hotely?

Mba jereo ihany ny fiavian'ny teny (étymologie) fa ihomezan'ny olona fotsiny ange ianareo e.
http://fr.wikipedia.org/wiki/No%C3%ABl#.C3.89tymologie

Ampiako kely ilay fanontanianao ry namana hoe: Dia ahoana izany ilay hoe BOB-EL ry Moust?
31. bor2lais ( 08/12/2014 07:43)
Mirary Noely sambatra ho anao koa ry namana RBNIR a ! :-)
32. RBNIR ( 08/12/2014 09:25)
Tsy mahasambatra ahy ny firarian-tsoanao namana bor2lais fa mampalahelo ahy.

« Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. » (Apok.13:18)

Mitovy amin'io ihany ilay NO-EL (Tsy misy Andriamanitra) zavatra natao ho hita hibaribary Be nefa misy mahita ary mahafantatra, misy kosa ireo izay natao tsy hahafantatra mihitsy.

« Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; » (Mat. 13:14)
« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)
« Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lio.8:10)

Tsy mampalahelo v izany e?

Samia ho tahin'ny Tompo namana




33. bor2lais ( 08/12/2014 10:46)
RBNIR:

Tsy mahasambatra ahy ny firarian-tsoanao namana bor2lais fa mampalahelo ahy.

???
:-)
Azafady ary re ... ka inona moa no azoko atao ho anao raha toa ka firarian-tsoa no mampalahelo !!!

Tsy hiverina amin'ny ady hevitra (lava be) efa natao momba ny NOEL aho nefa raha mbola tianao ihany ny hamerenako azy dia averiko indray : tsy ny voasoratra ao amin'ny Baiboly no olana fa iana(re)o !

Am-pitiavana ! Rehefa tsy tianao dia avereno aty amiko fa tsy olana ! :-)
34. RBNIR ( 08/12/2014 11:18)
bor2lais:

Tsy hiverina amin'ny ady hevitra (lava be) efa natao momba ny NOEL aho nefa raha mbola tianao ihany ny hamerenako azy dia averiko indray : tsy ny voasoratra ao amin'ny Baiboly no olana fa iana(re)o !

Sao dia mba tsy izahay loatra no olana fa fahatanterahan'ity teny ity no tena marina : « Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;  » (2 Tim.4:3)

Betsaka ny mpivavaka tratran'io ankehitriny, izay mahametimety azy ihany no tiany horenesina fa raha vao tsy izay dia......

Saingy tsy tokony hoadinoina fa tsy izay mety amintsika no tokony arahina fa izay mety Aminy ihany. Izy ange no hitsara an-tsika e! (fa tsy ny mifanohitra amin'izay no hitranga akory).


Samia ho tahi'ny Tompo e!

35. shmaisrael ( 08/12/2014 11:41)
Tsy mbola nisy nahavaly ny thème ny sasany t@ tsika hoe avy aiza ny noel...
36. bor2lais ( 08/12/2014 12:00)
RBNIR:

Betsaka ny mpivavaka tratran'io ankehitriny, izay mahametimety azy ihany no tiany horenesina fa raha vao tsy izay dia......

:-)
Ary mba naverinao taminao ve io teny io ? :-)

Aleo hazava fa raha io "apôstôlinao" (izay inoanao teny) io no nilaza sy nampianatra ana(re)o fa "NOEL = tsy misy Andriamanitra" dia mpampianatra sandoka amiko !

Am-pitiavana hatrany ! :-)
37. shmaisrael ( 08/12/2014 12:16)
satria ianao tsy manaiky akory hoe inona ilay noel... efa mazava hatrany amboalohany anie hoe avy aiza ilay fety e... Sandoka zany i elohim nilaza hoe aza manaraka ny fonaon'ireo firenena hafa ianareo!!!
38. hafahafa ( 08/12/2014 12:30)
Miarahaba daholo ny namana rehetra!
Io le efa novaliako tany aminy pejy hafa tany aloha tany ho anareo rehetra izay manaraka sy liana mikaroka tatara.
1- tsy haiko moa na mitovy ny baiboly zay apiasaina.
2- firy isanjato eto aminy Madagasikara no mivavaka aminy Andriamanitra( Jesosy,Jesoa kristy)
3-inona no maha ratsy ny mankalaza aminy andro izay tiany ankalazana ny Noely?
4-Diso ve raha aminio andro io no misy manolontena na tena mivavaka mafy miala aminy fahotany sy ny fahazarandratsy?
5- raha heverinareo fa manompo sampy na tsy tin'Andriamanitra ny fankalazana ny noely dia: mirehatra ny fahatezeran'Andriamanitra; misy loza mitranga ary mety tena hampahory ny miankohaka aminy zany.
Ianareo tena maharaka sy liana aminy Tantara dia heverinareo fa mandehandeha ho azy ve ny fianany vahoaka Malagasy zay iaraha mahalala fa mivavaka amin'Andriamanitra,Tompo,Jehova( Jesosy,Jesoa kristy) ny akamaroany.
Ataovy ny fampitahana hoe taiza no tena bobaka matiny loza voajanahary indrindra eto antany? aiza no matetika mitranga zany?
Fa manina no tsy mba mahafaty olona bobaka eto(na tsy misy mitsiny):ny horohoron-tany, cyclone, ary ny tsonami, la neige sy ny sisa maro tsy voatanisa, inona no anton'izany?
Ny valiny dia tsotra: MBOLA TIN'ANDRIAMANITRA NY VAHOAKA MALAGASY.
satria: bobaka ny mivavaka amin'Andrimanitra ny contraire anio dia manana Andrimanitra hafa raha tsorina dia manompo sampy zay voararany lalàny fa toy ny manana Andriamanitra hafa akoatr'azy.
39. bor2lais ( 08/12/2014 12:38)
shmaisrael:

satria ianao tsy manaiky akory hoe inona ilay noel... efa mazava hatrany amboalohany anie hoe avy aiza ilay fety e... Sandoka zany i elohim nilaza hoe aza manaraka ny fonaon'ireo firenena hafa ianareo!!!

:-)
Aza ny fanondro no jerena fa ny zavatra tondroiny ! :-)
40. shmaisrael ( 08/12/2014 12:41)
BOBAKA NY MIVAVAKA AMIN ANDRIAMANITRA satria rehefa ampahalalana ny marina ireo dia ny 1% no manaiky, satria efa zay no voasoratra!!! vitsy no hahalala sy hanaiky ny voasoratra,

Tsy ny resaka fanolorantena na inona no tsy mety fa ilay miaina ny noel, @ maha noel azy...

Averiko ihany, jereo ilay thème aloha...

Izy Andriamanitra ve no mandrara ao anaty baiboly dia Ianao izay tsinontsinona fa olona no hanova izay làlàna napetrany ??? satria ianao tsy hanaiky hoe manompo sampy....

Fa mivoatra be marina ngah madagasikara araky ny teninao... toa milamina fatratra mihitsy...

Mbola tiany isika satria betsaka ireo tsy mahalala... fa betsaka koa ireo minia tsy te hahalala...Fa tadidio fa efa faminaniana daholo izao mipoitra izao... ny fandavana ny fampianarana marina, dia tsy inona fa ny fiverenana @ didin'IESHUA HAMASHIAH...

Efa tsy henon' elohim intsony ny fitarainan'ny malagasy satria betsaka loatra ny zava pady mbola arahina... na isika aza tsy mahafantatra akory hoe tsy mety ny ataontsika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0889