AVY AIZA NY NOEL: NO-EL : NOELY

61. hafahafa ( 10/12/2014 10:16)

shmaisrael:

tano mafy izay hanananao.... hoy ianao... fa fantatrao ve io hanananao io... fantatrao ve ilay satro boninahitra resahina???

Tsy manana olana @ fivavahana eny @ tendrombohitra mihitsy izahay... ary tsy fady izany satria afaka atao tsara

ny zavatra afaka hatao anie dia efa voalaza daholo e... fa ny tsy azo atao: ny noely dia tsy hiadinkevitra...



Oadray! aza mataotra rangahy fa hotanako mafy mitsy zay ananako kah,
Raha ny satro boninahatra ndray no asianteny dia efa voaomana ho an' I zay makany aminy fianana mandrakizay zany tsy ho ahy irery fa efa samy manana ny anjarany avy fa ny kintana no tsy mitovy, hi3
62. RBNIR ( 10/12/2014 10:23)
Ny fampianarana avy amin'Andriamanitra dia ilay nentin'i JEsosy ry namana isany!
« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16) Iny ilay hoe fampianarana tsy misy kilema satria Andriamanitra no nanome azy mivantana.

Iny ihany koa no hany fampianarana marina satria hoy i Jesosy indray andro « ....... Jesosy namaly hoe: .......Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

Iny fampianarana iny dia otran'izao no fampitan'Andriamanitra Azy,
1- Nomen'Andriamanitra mivantana an'i Jesosy Kristy (Jao.7:16)
2- Omen'i Jesosy Kristy ireo olona tiany ka fidiny mivantana sy ampianariny mivantana indray kosa avy eo ary ireny olona ireny no mampianatra azy amin’izao tontolo izao (ireo apostoly 12 fahiny) (vakio ny testameta vaovao ary jereo fa tsy nisy tamin'ireo apostoly ireo).

Ankehitriny dia tonga ny fotoana amerenan'Andriamanitra an'io fampianarana tsy misy kilema io eto amin'izao tontolo izao (fahatanterahan'ilay Mat.24:14)
Io teny ao amin'ny Mat.24:14 dia manambara fa ho tonga ny farany rehefa haverina hotoriana amin'izao tontolo izao indray ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa izay (ity filazan-tsara ity hoy Izy).

Miverina mifidy olona mivantana indray ny Tompo ankehitriny ary ireo olona fidiny mivantana ireo dia ampianariny mivantana ihany koa (tsy misy mpanelanelana).

Vakio ato fa ity misy iray! Izaho tsy nahita azy nisehoan’I Jesosy Kristy, fa nohamariniko tamin’ny baiboly ny fanambarany ary hitako fa marina fa ny VOA izay afafiny ankehitriny dia MITOVY amin’ilay VOA NAFAFIN’I TOMPO 2000 taona lasa izay.
« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Mat.7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Mat.7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Mat.7:18)
Raha hazo ratsy izy tsy possible hamoaka ireo voa tsara zarainy ankehitriny ireo namana!

Koa ampitiavana hatrany: Samia manaraka ny fandaharana Vitao ny Asan’ny fahamarinana isa-maraina (alatsinainy ka hatramin’ny zoma) ao main’ny kolo TV amin’ny 05 ora sy sasany ka hatramin’ny 6ora (efa hitantsika amin’ny canal sat) koa.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
63. rhaj0 ( 10/12/2014 11:19)
bor2lais:
... Vaovao Mahafaly no entin'ny Noely ! :-)

Io indray k'lou ry Bor2lais dia hotry ny izaho taloha miara-misotro toaka @ ndrizalahy. Ilay "fombafomba" dia ny hoe, ampazahoana kely ny Razana, ary andrarahana kely eny an-joro-trano. Fa ... "vaovao mahafaly" koa no resaka rahefa avy eo... :-)

Ny ahy indray kosa aloha dia tsy dia haikohaiko ny dikany, fa rehefa mifety fotsiny, rahefa mikaly manja, manome/mahazo, mihira sy manao saynette ny ankizy, rahefa faly feno tsiky ny olona, ary te-hampifaly sy hampitsiky ny andaniny, dia rahefa manofinofy (tatape noely) ny ankizy, manonofy (kintana mamiratra) ny lehibe (sasany), ... dia reveko foana fa manja e...

64. hafahafa ( 10/12/2014 11:57)

shmaisrael:

fitarihin diso hoy ianao... milaza ary ianao hoe diso ilay toko sy andininy milaza io fomba fanaon'ny firenena io e... ianao izao no tsy manaiky fa tsy maintsy mankalaza ny noely..... anjaranao no mieritreritra hoe iza no diso, ny soratry ny baiboly sa ny inventions sy ny finoana hafa... izay hataon'ny firenena rehetra (noel); izay andraràn'elohim ny vahoakany izay manaraka ny didiny.

ka le baiboly ko nge mety tsy mitovy eh! hi3
Za aloha de hankalaza ny naterahany Mpamonjy namana a! Dia manasa anao koa ny tenako mba hiatrika anizany e! ny nanampahaizana taloha ary niankohaka naome fanomezana kou,hi3(sa tsis magy le baiboly ny namana!? raha misy dia tsy maninona fa efa nazavaina anao ny ataonay ref krismasy)
65. shmaisrael ( 10/12/2014 12:20)
tantara niseho fotsiny ny nataon'ny magy... fa tsy nasain 'elohim notohizana... efa teraka izy ary tsy ho teraka fanindroany... izay no antony hoe ny nahafatesany ihany no tsarovana.... satria izay no nandidiany ho atao fahatsiarovana azy...

... afaka mahatsiaro sy miankohoka soa aman tsara ianao fa tsy miaraka @ hazo noely sy ny dadabe noely sy ny sampiny ny alin'ny 24 desambra sy ny 25 desambra... satria date noforonina fotsiny io ...
66. RBNIR ( 10/12/2014 12:21)
hafahafa:

shmaisrael:

fitarihin diso hoy ianao... milaza ary ianao hoe diso ilay toko sy andininy milaza io fomba fanaon'ny firenena io e... ianao izao no tsy manaiky fa tsy maintsy mankalaza ny noely..... anjaranao no mieritreritra hoe iza no diso, ny soratry ny baiboly sa ny inventions sy ny finoana hafa... izay hataon'ny firenena rehetra (noel); izay andraràn'elohim ny vahoakany izay manaraka ny didiny.

ka le baiboly ko nge mety tsy mitovy eh! hi3
Za aloha de hankalaza ny naterahany Mpamonjy namana a! Dia manasa anao koa ny tenako mba hiatrika anizany e! ny nanampahaizana taloha ary niankohaka naome fanomezana kou,hi3(sa tsis magy le baiboly ny namana!? raha misy dia tsy maninona fa efa nazavaina anao ny ataonay ref krismasy)


Ny baiboly namana mitovy daholo!

na katolika io na protestante..... rehefa hoe baiboly ny anarany dia mitovy izy izay, ny boky ao amin'ny katolika misy manatombo (normal, ry zareo no nitahiry ny baiboly voalohany)



67. bor2lais ( 10/12/2014 13:38)
RBNIR:

Io teny ao amin'ny Mat.24:14 dia manambara fa ho tonga ny farany rehefa haverina hotoriana amin'izao tontolo izao indray ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa izay (ity filazan-tsara ity hoy Izy).

Tsy misy ilay hoe "haverina ... indray" kosa ao fa aza ampiana e ! :-)
68. RBNIR ( 10/12/2014 18:30)
bor2lais:

RBNIR:

Io teny ao amin'ny Mat.24:14 dia manambara fa ho tonga ny farany rehefa haverina hotoriana amin'izao tontolo izao indray ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa izay (ity filazan-tsara ity hoy Izy).

Tsy misy ilay hoe "haverina ... indray" kosa ao fa aza ampiana e ! :-)

Izay ilay zava-miafina izay namana, ny ankabetsahan'ny olona mihevitra fa efa voatory ilay filazantsara nefa tsy mbola ilay tena izy no voatory, milaza vanimpotoana hifandimby Jesosy raha mitantara ny ao amin'ny Mat.24 vakio ato Ny Evènement faharoa (FITORIANA LEHIBE FARANY) dia tsy inona akory fa ny fiverenan'ilay fitoriana mitovy tamin'ny andron'ny apostoly : FAMERENANA FITORIANA INDRAY ILAY FILAZANTSARA NOTORIANY 2000 Taona lasa izay.

Porofo fa mbola tsy ilay filazantsara no voatory tamin'izao tontolo izao dia satria mbola tsy tonga ny farany hatramin'izao namana!

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina

Hitahy an-tsika anie ny Tompo!
69. RBNIR ( 10/12/2014 18:53)
Ireto ny secret :
1- hotoriana (mamaritra fotoana ho avy na futur)
2- Ity filazantsaran'ny ...ity (tsy filazantsara hafa fa ilay notoriany ihany)
3- Vao ho tonga ny farany (any amin'ilay vanimpotoana mialoha ny farany izany no hitranga)
4- Efa naveriko ombieny ombieny fa io fampianarana tsy misy kilema io dia toy izao ny fampianarana azy
Andriamanitra----->Jesosy Kristy Tompo------> olona fidiny mivantana sady ampianariny mivantana (porofo vakio ny tantaran'i paoly apostoly fa tahaka ireo apostoly 11 lahy sisa tavela dia tsy nampianantena izy na nampianarin'olona fa nofidian'i Jesosy mivantana Asa.9:15 sady nampianariny mivantana ihany koa!Gal.1:11-12

Mety hisy hahita izao fampianarana izao dia hisandoka ka hilaza fa nofidiny mivantana sady nampianariny mivantana saingy hoy ny Tompo hoe TSY MISY HAZO RATSY MAHAY MAMOA VOA TSARA , HIHARIHARY EO IZAY MPANDAINGA SY MPAMITAKA

Izay manana maso aoka hahita! izay manana saina aoka
70. hafahafa ( 11/12/2014 04:41)

RBNIR:

hafahafa:

shmaisrael:

fitarihin diso hoy ianao... milaza ary ianao hoe diso ilay toko sy andininy milaza io fomba fanaon'ny firenena io e... ianao izao no tsy manaiky fa tsy maintsy mankalaza ny noely..... anjaranao no mieritreritra hoe iza no diso, ny soratry ny baiboly sa ny inventions sy ny finoana hafa... izay hataon'ny firenena rehetra (noel); izay andraràn'elohim ny vahoakany izay manaraka ny didiny.

ka le baiboly ko nge mety tsy mitovy eh! hi3
Za aloha de hankalaza ny naterahany Mpamonjy namana a! Dia manasa anao koa ny tenako mba hiatrika anizany e! ny nanampahaizana taloha ary niankohaka naome fanomezana kou,hi3(sa tsis magy le baiboly ny namana!? raha misy dia tsy maninona fa efa nazavaina anao ny ataonay ref krismasy)


Ny baiboly namana mitovy daholo!

na katolika io na protestante..... rehefa hoe baiboly ny anarany dia mitovy izy izay, ny boky ao amin'ny katolika misy manatombo (normal, ry zareo no nitahiry ny baiboly voalohany)





Hi3, aza dia raisina arabakiteny le oe baiboly tsy mitovy e! ny fandraisany tsirairay azy no tsy mitovy samy manana ny interpretation avy ny tsirairay,
71. RBNIR ( 11/12/2014 05:01)

hafahafa:

Hi3, aza dia raisina arabakiteny le oe baiboly tsy mitovy e! ny fandraisany tsirairay azy no tsy mitovy samy manana ny interpretation avy ny tsirairay,

Salama,

Nefa iray ihany ny marina namana fa tsy misy marina 2 na telo,

« ....... Jesosy namaly hoe: .......Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.

Izay nolazainy irery ihany no marina satria iny no avy tamin'Andriamanitra?

Samia ho tahin'ny Tompo e!
72. hafahafa ( 11/12/2014 05:09)

shmaisrael:


... afaka mahatsiaro sy miankohoka soa aman tsara ianao fa tsy miaraka @ hazo noely sy ny dadabe noely sy ny sampiny ny alin'ny 24 desambra sy ny 25 desambra... satria date noforonina fotsiny io ...

Sao dia tsy hainy namana aloha ny atao hoe sampy e!
Sampy ry namana dia zavatra heverina fa manasoa, miaro ary iankohofana a!
Inona no maha samy hafa ny rojo sy le vakambakana eny aminy tenda sy aminy tanana ireny:
-Ny iray heveriny fa miaro azy ary mety mitondra fitahiana, mety iany koa isaritana zavatra izay inoany fa dia tena manasoa ny fianany(io le sampy)
-Ny iray kosa dia tsy midika inona fa mijanona ho rojo haingon-tanana sy vozona fotsiny iany.
Dia otranizay koa lay hazo noely haingompiangonana fotsiny iany ireny fa ny tena iankohofana sy ivavahana dia Lay Tompo Mpamonjy iany.
73. hafahafa ( 11/12/2014 05:26)

RBNIR:


hafahafa:

Hi3, aza dia raisina arabakiteny le oe baiboly tsy mitovy e! ny fandraisany tsirairay azy no tsy mitovy samy manana ny interpretation avy ny tsirairay,

Salama,

Nefa iray ihany ny marina namana fa tsy misy marina 2 na telo,

« ....... Jesosy namaly hoe: .......Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.

Izay nolazainy irery ihany no marina satria iny no avy tamin'Andriamanitra?

Samia ho tahin'ny Tompo e!

Raha le marina dia manaiky za satria :Jesosy Kristy iany no lalana sy fahamarinana ary fianana mandrakizay, ary tsy misy makany aminy Ray raha tsy aminy alalany iany;
Io no mahatonga ahy miteny fa misy ny fitarihandiso amin'draolombelona, satria dia efa voalaza izany fa izy irery iany no tena marina 100%%%%
Izay tsy manana ny Fanahy masina dia isavoritaka aminy teniny; ny Fanahy masina iany no afaka hanazava sy hampianatra ny teniny
74. bor2lais ( 11/12/2014 08:22)
RBNIR:

Ny baiboly namana mitovy daholo! na katolika io na protestante.....

RBNIR:

Io teny ao amin'ny Mat.24:14 dia manambara fa ho tonga ny farany rehefa haverina hotoriana amin'izao tontolo izao indray ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa izay (ity filazan-tsara ity hoy Izy).

izaho:

Tsy misy ilay hoe "haverina ... indray" kosa ao fa aza ampiana e !

RBNIR:

Izay ilay zava-miafina izay namana

Miala tsiny aminao RBNIR fa ny fanampiana an'io "haverina ... indray" io dia fandisoana ny voasoratra ... izay fototra mankany amin'ny fampianaran-diso.

RBNIR:

Izay manana maso aoka hahita!


Efa eo amoron' ilay hady nirimorimoana iana(re)o ry RBNIR fa mifohaza amin'izay a !

Am-pitiavana be ! :-)
75. RBNIR ( 11/12/2014 09:29)
Faly miarahaba anao namana bor2lais,

Ny teny hoe haverina dia midika hoe :
1- nisy ilay izy aloha (tamin'ny andron'i Jesosy Kristy sy ireo apostoly ary ireo kristianina tany amboalohany)
2- Nisy fotoana tsy hita intsony ilay izy (nandritra ny taonjato maro nifandimby diniho tsara fa tsy nisy niaina tamin'ny fampianarana tsy misy kilema ny fiangonana rehetra nisy teto amin'izao tontolo izao)
3- Miverina mipoitra indray ilay efa tsy hita nandritra ny fotoana maro (io ilay zava-misy ankehitriny.

Koa inona tsy mahamarina an'izany?

Efa mba narahinao v ilay fandaharana ka afaka milaza ianao fa tsy mitovy tamin'ny nampianarin'i Jesosy ilay izy.

Raha mahita ianao dia lazao eto fa tsy maninona e!

Samia ho tahin'ny Tompo namana
76. bor2lais ( 11/12/2014 10:52)
Dia averiko aminao indray ny fanontaniana (mitovitovy amin'ilay tsy novalianao etsy ambony etsy mikasika ny asan'ny Fanahy Masina) : ahoana no ahazoanao milaza fa marina io teboka faha-2 ambaranao io ?
:-)
77. RBNIR ( 11/12/2014 11:27)
bor2lais:

Dia averiko aminao indray ny fanontaniana (mitovitovy amin'ilay tsy novalianao etsy ambony etsy mikasika ny asan'ny Fanahy Masina) : ahoana no ahazoanao milaza fa marina io teboka faha-2 ambaranao io ?
:-)

Ny baiboly namana! ireo hazo izay namoha (izay rehetra fantatro aloha hatramin'izao) dia samy voakilema avokoa raha hoharina tamin'ilay fampianarana nisy tany amboalohany.
Izao avy no tena hitako :
Ny sasany niala tamin'ny fitandremana ny didy, Ny sasany nandà ilay Fanahy Masina sy ny fiasany, Ny sasany mitandrina ihany fa amin'ny ampahany sns.......
Ilay tsisy kilema anefa dia tena tsy misy kilema araka ny anarany e!

Samia ho tahin'ny Tompo e!
78. bor2lais ( 11/12/2014 12:20)
Siora ve RBNIR fa tsy mba nanana ireo kilema ireo koa ny Fiangonana tany amboalohany ? :-)
79. rhaj0 ( 11/12/2014 13:57)
[size=8]Aza miady @ kilemaina e... Nareo ve mbola taraiky ka ny kilemaina ataonareo fa aretina e ...[/size] :-)
80. RBNIR ( 11/12/2014 16:23)

bor2lais:

Siora ve RBNIR fa tsy mba nanana ireo kilema ireo koa ny Fiangonana tany amboalohany ? :-)

Ilay fampianarana no tsy nisy kilema namana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083