AVY AIZA NY NOEL: NO-EL : NOELY

41. RBNIR ( 08/12/2014 12:50)
bor2lais:

RBNIR:

Betsaka ny mpivavaka tratran'io ankehitriny, izay mahametimety azy ihany no tiany horenesina fa raha vao tsy izay dia......

:-)
Ary mba naverinao taminao ve io teny io ? :-)
Aleo hazava fa raha io "apôstôlinao" (izay inoanao teny) io no nilaza sy nampianatra ana(re)o fa "NOEL = tsy misy Andriamanitra" dia mpampianatra sandoka amiko !
Am-pitiavana hatrany ! :-)

Naverinao taminao ve? « fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Kor.9:27)

Ny apositolinao v? : ny baiboly no manamarina izay lazain'ny olona iray mitonona ho mpanompony,
Mahita NO EL nankalazainan'ireo kristianina tany ambohalohany v ianao? Hitan-tsika ao amin'ny bokin'ny asan'ny apostoly sy ny boky rehetra nosoratan'i paoly apostoly ny fiainan'ny kristianina tany amboalohany (taorian'ny nahafatesan'ny Tompo).

Misy filazana NO EL ve hitanao tao? Ny hitako miverimberina ao dia momba ny fanasan'ny Tompo izany hany tokana nambarany fa izay ihany no tokony atao ho fahatsiarovana Azy,

Enga anie ka horaisinao tokoa ilay teninao hoe tsy ny baiboly no olana namana.

Izaho moa na olana aminao aza tsy dia probleme e! fa ny fahamarinana tsy maintsy toriana namana!

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
42. shmaisrael ( 08/12/2014 13:05)
diniho tsara, fiangonana firy firy no feno foana isaky ny alahady... aminao ve izany dia henony daholo ny fitarainan'ny olona??? Toa zary fahazarandratdy sisa ny antony handehanana mivavaka... indrindra fa ny noely... dia ny fijejoana tafahoatra, ny hijery "arbre de noel" sns...

Fa efa ozona izao mahazo antsika izao... nefa mbola mamindra fo izy satria ISIKA ILAY VAHOAKA VOAFIDINY TANATY NY MARO.... VAHOAKA ISRAELY... ilay mafy hatoka... mafy loha... dia io toetratsika io e... misy ny porofo maro amin'izany... ary ny scientifiques, ny savants eran-tany aza amin'izao dia tsy mahita ambara intsony satria marina daholo ny porofo rehetra...

Miomana fa hiverina i Elohim ho an'ny vahoakany izay manaiky Azy... Araky ny faminaniana hoe afaka telo arivo taona dia hiverina ny taranak 'israel aty @ nosy dia i madagasikara izany...

Hodio fanina, hodio tdy heno fa rehefa ho avy Izy dia samy hahita daholo...

Ka anao ny safidy, hanaraka ny fomban'ny firenena hafa: ny noel,
Sa hanaraka ny didin' elohim...

Raha tia azy sy mankatoa ny teniny dia tsy miady hevitra akory fa manaraka avy hatrany... tsy misy zavatra noforonina akory fa ny voasoratra no lazaina aminareo eto...
43. bor2lais ( 08/12/2014 13:25)
RBNIR:

...

:-)

Fanasan'ny Tompo : amina(re)o ve nisy ny fanasan'ny Tompo raha tsy nidina tonga tety an-tany Izy ?
:-)
44. shmaisrael ( 08/12/2014 13:43)
Nidina tety izy fa ny vavany no nilaza hoe ataovy izao ho fahatsiarovana ahy... fa tsy hoe dia manaova koa noely ianareo ho fahatsiarovana ny nahaterahako...

45. bor2lais ( 08/12/2014 14:14)
shmaisrael:

Nidina tety izy fa ny vavany no nilaza hoe ataovy izao ho fahatsiarovana ahy... fa tsy hoe dia manaova koa noely ianareo ho fahatsiarovana ny nahaterahako...

:-)
Dia mba mahatsikaiky koa ange ity namana iray ity e !

Izahay anie tsy manakana anareo raha te-hankalaza tahaka anay ny nahaterahaNY koa ianareo e ! :-)
Sady Izy rahateo tsy nilaza mihitsy hoe aza mankalaza ianareo !
:-)
46. rhaj0 ( 08/12/2014 14:22)
[size=6]Akanga aloha fa, raha soketan'i Bor2lais ho "mpampianatra sandoka" ilay guru-dra-RBNIR, dia hoz'izy hoe, tena "am-pitiavana hatrany !" no ilazany izany ? Dia ry Bor2lais izao "miankohoka" atsia, nefa pehan-dry Shmaisrael ho tena hotry ny manaonao foana, na manao mifanohitra @ Didy akoriny aza, na hotrhotr'izany... dia ry Shmaisarel pehan-dry Maranatha ...

An an.. dia izay ifanarahanareo ao rey olona a... Izaho aty @ pelooozy aloha dia mivanaka @ ity ataonareo... Fa miady ny baolina kah...[/size]
47. shmaisrael ( 08/12/2014 15:28)
Efa nilaza izy ka... nolazainy mazava tsara ny fety rehetra azo atao... miisa fito izy ireo... dia anjaranao no mitady azy anaty baiboly...
48. RBNIR ( 09/12/2014 06:18)
rhaj0:

[size=6]Akanga aloha fa, raha soketan'i Bor2lais ho "mpampianatra sandoka" ilay guru-dra-RBNIR, dia hoz'izy hoe, tena "am-pitiavana hatrany !" no ilazany izany ? Dia ry Bor2lais izao "miankohoka" atsia, nefa pehan-dry Shmaisrael ho tena hotry ny manaonao foana, na manao mifanohitra @ Didy akoriny aza, na hotrhotr'izany... dia ry Shmaisarel pehan-dry Maranatha ...
An an.. dia izay ifanarahanareo ao rey olona a... Izaho aty @ pelooozy aloha dia mivanaka @ ity ataonareo... Fa miady ny baolina kah...[/size]

[size=6]faly miarahaba namana, tena tsy misy olana mihitsy fa izaho aza izao tena faly satria raha fandokafana no betsaka teto dia tena natahotra aho hoe mety tsy izy ihany ilay narahiko namana « Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Mat.5:11)« Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. » (Mat.5:12)

Fa namantsika malalantsika foana i bor2lais an! tsy mampiova n'inon'inona ireny namana!

FAMPIANARANA AVY ANY AMBONY IO E! tsy misy na 1 aza azontsika atao hoe fahavalo (eny fa na ireo izay nadefona Azy aza.)

Hitahy antsika anie IZY namana,
[/size]
49. hafahafa ( 09/12/2014 06:36)
Izay indrindra no mampataotra aminizao fotoana izao: Manahy mafy mitsy ny tenako satria:
Bobaka loatra ny milaza azy ho mafatatra ny marina.(Tano mafy izay anananao mba tsis haka ny satroboninahitrao)
Raha ny momba any Madagasikara ndray alo dia raha ny tranga no jerena dia mbola tsy nisy natahorana atramin'izay, fa ny ANKEHITRINY no mampataotra satria efa voalaza fa aminy andro farany dia bobaka ny fitarihan-diso.
Fa maninona no oe aminy andro farany fa tsy voalohany?
Satria: tsy tiany lay ratsy ho voavonjy ny vahoaka
(tsy haiko oe inona no tinao olazaina aminy le oe mivoatra fa raha izany no resaka dia fandrosoana no mahalaza azy resaka hafa ndray iny)

Ny tsy mampitovy hevitra atreto dia tsy haiko na mapiasa ny TV ianareo ve ry namana a!, io iany no lakile ny jiabijaby, tsis idirany sampy mitsiny ny fanaingoana ny efitra ivavahana satri tsy ny sapin no ivavahana fa ny tompo mpamonjy, ary rariny sy hitsiny raha atao tsara ny fanaingona ny fiangonana satria hiova fo handray fianana vaovao ny tsirairay

Raha ataoko ary ka oe miakatra mandohalika eny antendrobohitra daholo ndray ny olona aminy andro na volana zay tian'izy ireo ivavahana dia sur mitsy za fa mbola manahirana anareo ndray zany.
50. RBNIR ( 09/12/2014 06:37)
rhaj0:

[size=6]Akanga aloha fa, raha soketan'i Bor2lais ho "mpampianatra sandoka" ilay guru-dra-RBNIR, dia hoz'izy hoe, tena "am-pitiavana hatrany !" no ilazany izany ? Dia ry Bor2lais izao "miankohoka" atsia, nefa pehan-dry Shmaisrael ho tena hotry ny manaonao foana, na manao mifanohitra @ Didy akoriny aza, na hotrhotr'izany... dia ry Shmaisarel pehan-dry Maranatha ...

An an.. dia izay ifanarahanareo ao rey olona a... Izaho aty @ pelooozy aloha dia mivanaka @ ity ataonareo... Fa miady ny baolina kah...[/size]

[size=6] Rhajo vakio bokin'ny joda manomboka amin'ny andininy faha 4......Aza faly "mampiady baolina" izany fa ratsy izany eo anatrehan'ny Tompo [/quote]
51. shmaisrael ( 09/12/2014 07:21)
tano mafy izay hanananao.... hoy ianao... fa fantatrao ve io hanananao io... fantatrao ve ilay satro boninahitra resahina???

Tsy manana olana @ fivavahana eny @ tendrombohitra mihitsy izahay... ary tsy fady izany satria afaka atao tsara

ny zavatra afaka hatao anie dia efa voalaza daholo e... fa ny tsy azo atao: ny noely dia tsy hiadinkevitra...

52. shmaisrael ( 09/12/2014 07:26)
fitarihin diso hoy ianao... milaza ary ianao hoe diso ilay toko sy andininy milaza io fomba fanaon'ny firenena io e... ianao izao no tsy manaiky fa tsy maintsy mankalaza ny noely..... anjaranao no mieritreritra hoe iza no diso, ny soratry ny baiboly sa ny inventions sy ny finoana hafa... izay hataon'ny firenena rehetra (noel); izay andraràn'elohim ny vahoakany izay manaraka ny didiny.
53. bor2lais ( 09/12/2014 09:00)
RBNIR:

faly miarahaba namana, tena tsy misy olana mihitsy fa izaho aza izao tena faly satria raha fandokafana no betsaka teto dia tena natahotra aho hoe mety tsy izy ihany ilay narahiko namana « Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Mat.5:11)« Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. » (Mat.5:12)

Efa litania (asaina averi)-nao mihitsy ireo andininy ireo isaky ny misy miteny anao a ! :-)

Izay ilay lazaiko ana(re)o hoe tsy ny voasoratra ao anaty Baiboly akory no olana fa iana(re)o : ataona(re)o "alibi" anafenana izay mety diso ataona(re)o ny soratra ao anaty Baiboly !

F'angaha raha manoratra an'io iana(re)o dia milaza izany fa manana ny marina (foana) iana(re)o na hoe voatery "mangidihidy sofina" (araka ny andraisana(re)o azy) ilay mamaly ana(re)o !!

Mba mety ny mifanohitra amin'izay koa ange no mitranga e : fanairana ana(re)o fa diso ny zavatra lazaina(re)o ka tokony ho tonga saina ("mangidihidy sofina") iana(re)o ! :-)

RBNIR:

Fa namantsika malalantsika foana i bor2lais an! tsy mampiova n'inon'inona ireny namana!
FAMPIANARANA AVY ANY AMBONY IO E! tsy misy na 1 aza azontsika atao hoe fahavalo (eny fa na ireo izay nadefona Azy aza.)
Hitahy antsika anie IZY namana,

:-)
Mba tsara mieritreritra sy manontany tena ihany indraindray fa tsy mihevi-tena ho "voalefona" lava foana e ! :-)

Averiko aminao RBNIR ity teninao ity (hitanao amin'izany fa mba misy lesona azo raisina ihany ange ny lazainao e) :

"raha misy namanao hitanao fa mirimorimo mankany an-kady dia tsy ho tazominao ve izy raha tena tianao marina ?" :-)

Io lesona io no ampihariko amina(re)o eto ! :-)

Am-pitiavana be e ! :-)
54. RBNIR ( 09/12/2014 09:30)
Raha hitanao fa tsy marina ny arosoko namana bor2lais maninona no tsy arosonao ilay marina avy aminao, tsy izay no hitako avy aminao fa fanakianana miaro zavatra hafa.
Raha hitanao fa diso ny aroso dia ambarao ho hitan'ny olona ny marina e!

55. RBNIR ( 09/12/2014 10:01)
Namana bor2lais, eto ohatra izaho manamafy : NOEL = fampianarana tsy avy tamin'Andriamanitra satria tsy nampianarin'i Jesosy sady tsy niainan'ireo kristianina tany amboalohany,
Noho izany na iza na iza mampianatra na mianatra ny NOEL dia mitondra didin'olombelona ho fampianarana ka dia ho foana ny fivavahany eo amin'Andriamanitra.
Niteny koa izy fa ny tokony hatao ho fahatsiarovana Azy dia ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ny divay (izay irery no nambarany) ary izay dia nataon'ireo kristianina tany amboalohany tokoa (io ilay hoe fanasan'ny Tompo)

Farany dia nohamafisiko fa efa nataon'Andriamanitra ho hita mibaribary ny tsy fahamarinan'ilay NOEL = NO + EL (TSY MISY ANDRIAMANITRA) saingy indrisy ny zaza-madinika ihany marina tokoa no navelany hahalala sy hahita izany,

Koa raha hitanao ary namana bor2lais fa tsy marina ireo dia mba ento ho hitan'ny olona eto ilay marina fantatrao e! misokatra ny forum ary eto tsy mbola nisy bedy (isaorana manokana ny mpandrindra io aloha)

Koa dia samia ho tahin'ny Tompo ary namana,
56. bor2lais ( 09/12/2014 11:12)
Averiko eto indray ity efa nosoratako ao ambony ao ity :

"Mitady ho verin'ny soratra iana(re)o izany !

Raisina(re)o tahaka ny hafatry ny maty (testament d'un mort) napetraka eny amin'ny "notaire" ny voasoratra ao anaty Baiboly ka izay tsy voasoratra (ara-bakiteny) dia tsy ekena !

Andriamanitra velona no inoanay sy Tompoinay ka avelao izahay hifaly tahaka ny mpiandry ondry sy ny magy fahiny ho fahatsiarovana ny nahatongavaNY (nanatona) tonga nofo (Imanoela) hamonjy an-draolombelona !

Rehefa hanao tahaka an'i Heroda moa ianareo atao ahoana ! "
RBNIR:

Namana bor2lais, eto ohatra izaho manamafy : NOEL = fampianarana tsy avy tamin'Andriamanitra satria tsy nampianarin'i Jesosy sady tsy niainan'ireo kristianina tany amboalohany,
Noho izany na iza na iza mampianatra na mianatra ny NOEL dia mitondra didin'olombelona ho fampianarana ka dia ho foana ny fivavahany eo amin'Andriamanitra.
Niteny koa izy fa ny tokony hatao ho fahatsiarovana Azy dia ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ny divay (izay irery no nambarany) ary izay dia nataon'ireo kristianina tany amboalohany tokoa (io ilay hoe fanasan'ny Tompo)

Asa raha mba namaky ny nahaterahan'ny Tompo ianao na tsia : ny fifaliana nentin'ny Noely tao amin'ny mpiandry ondry sy ny magy fahizay no mbola entinay midera sy mankalaza izany ankehitriny !

Tsy didin'olombelona izany aminay fa asan'ny Fanahy !

Teo no nanomboka (aminay) ny asam-pamonjena nataoNY ... Tsy nisy ny paska Kristiana raha tsy nisy io vanim-potoana io ! Izany hoe tsy nisy ny Fanasan'ny Tompo raha tsy nisy ny Noely ! :-)

RBNIR:

Farany dia nohamafisiko fa efa nataon'Andriamanitra ho hita mibaribary ny tsy fahamarinan'ilay NOEL = NO + EL (TSY MISY ANDRIAMANITRA) saingy indrisy ny zaza-madinika ihany marina tokoa no navelany hahalala sy hahita izany

:-)
Tsy tongatonga foana io nosoratanao io a ! :-)
57. Hery092 ( 09/12/2014 13:22)
Salama daholo
Mety fifandrifin-javatra koa ve ity ?

Sora-mandry eo ambony : "Noraràn'i Antiôkôsa mpanjaka ny fivavahana Jiosy"

"isaky ny faha-25n'ny volana no fanateran-tsoro?na teo amin'ilay alitaran-tsampy? izay naorina teo ambonin'ny alitara fanolorana sorona dorana... ho an'Elôhym" I Makabeo 1.59 (Baiboly Katolika).

Ary maninona ho'aho ireo Apokrifa ireo no nesorina tao anatin'ny Baiboly be de be e ????
58. shmaisrael ( 09/12/2014 14:24)
ao @ ireo tantara ireo nesorina tanaty baiboly ireo koa misy zava miafina maro be... na ny nandrarana ny hebreo t@ fomba fanaony ... ka anjarantsika no mandinika e... Rehefa liana sy tia fikarohana dia mahita ny marina....fa tsy mionona @ izao fotsiny
59. RBNIR ( 09/12/2014 18:39)
bor2lais:

Averiko eto indray ity efa nosoratako ao ambony ao ity :

"Mitady ho verin'ny soratra iana(re)o izany !

Raisina(re)o tahaka ny hafatry ny maty (testament d'un mort) napetraka eny amin'ny "notaire" ny voasoratra ao anaty Baiboly ka izay tsy voasoratra (ara-bakiteny) dia tsy ekena !

Andriamanitra velona no inoanay sy Tompoinay ka avelao izahay hifaly tahaka ny mpiandry ondry sy ny magy fahiny ho fahatsiarovana ny nahatongavaNY (nanatona) tonga nofo (Imanoela) hamonjy an-draolombelona !

Rehefa hanao tahaka an'i Heroda moa ianareo atao ahoana ! "
RBNIR:

Namana bor2lais, eto ohatra izaho manamafy : NOEL = fampianarana tsy avy tamin'Andriamanitra satria tsy nampianarin'i Jesosy sady tsy niainan'ireo kristianina tany amboalohany,
Noho izany na iza na iza mampianatra na mianatra ny NOEL dia mitondra didin'olombelona ho fampianarana ka dia ho foana ny fivavahany eo amin'Andriamanitra.
Niteny koa izy fa ny tokony hatao ho fahatsiarovana Azy dia ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ny divay (izay irery no nambarany) ary izay dia nataon'ireo kristianina tany amboalohany tokoa (io ilay hoe fanasan'ny Tompo)

Asa raha mba namaky ny nahaterahan'ny Tompo ianao na tsia : ny fifaliana nentin'ny Noely tao amin'ny mpiandry ondry sy ny magy fahizay no mbola entinay midera sy mankalaza izany ankehitriny !

Tsy didin'olombelona izany aminay fa asan'ny Fanahy !

Teo no nanomboka (aminay) ny asam-pamonjena nataoNY ... Tsy nisy ny paska Kristiana raha tsy nisy io vanim-potoana io ! Izany hoe tsy nisy ny Fanasan'ny Tompo raha tsy nisy ny Noely ! :-)

RBNIR:

Farany dia nohamafisiko fa efa nataon'Andriamanitra ho hita mibaribary ny tsy fahamarinan'ilay NOEL = NO + EL (TSY MISY ANDRIAMANITRA) saingy indrisy ny zaza-madinika ihany marina tokoa no navelany hahalala sy hahita izany

:-)
Tsy tongatonga foana io nosoratanao io a ! :-)

Izay hahay namana bor2lais!
Fiasan'ny Fanahy hoy ianao :
Raha ara-tantara dia tamin'ny andron'ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany no azo lazaina fa tena niasa ny Fanahy
Ary ny baiboly koa araka ny 2 Tim.3:16 sy ny 2 Pet.1:20,21 dia tena fiasan'ny Fanahy!
Izao anefa! ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany izay tena niasan'ny Fanahy tokoa dia tsy mba nampianatra ny noely na dia nahafantatra tsara an'io tantara nontantarainao io aza izy ireo (mbola mahafantatra lavitra no isika izireo ry namana)
Ny baiboly koa izay fiasan'ny Fanahy ihany koa dia tsy nahitana taratra mihitsy ny fankalazana ilay "andro malaza" voalazanao iry ambony iry!

Ny baiboly dia nataon'Andriamanitra ho an'ny taranaka rehetra aty aoriana mba ho fianarana (ao no hamantarana ny zava-misy marina ny amin'ny tantaran'i Jesosy , ny amin'ny tantaran'ireo apostoly, ary ny amin'ny tantaran'ireo kristianina tany amboalohany,

Raha tena te hahafantatra ny marina tokoa isika dia tokony tsy hitady hafa fa ny baiboly ihany.

Matoa tsy hita tao anaty baiboly ny noel dia mazava ho azy tsy isan'ilay fampianarana avy amin'Andriamanitra izay nomena an'i Jesosy sy nomen'i Jesosy ireo apostoly izy izay,

Ao koa ireo rohy manamarina ny fiandohan'io teny io fa efa taty aoriana b ny noel,
Izay koa no hanaporofoko marina fa tsy avy amin'Andriamanitra ny noel fa avy amin'ny olombelona namana.

Ny tena marina ny noel dia an'isan'ireo "sain-dalin'i satana" tetika lalina namotehin'ny devoly ilay fampianarana tsy nisy kilema nentin'i Jesosy Kristy fahiny! anisan'ireo fampianaran-diso ny noel ary ny tanjon'ny devoly dia ny mba tsy hahitan'ny olona sitraka eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fivavahana izay ataony io ilay voalaza ao amin'ny Mar.7:7.

Izay manana maso aoka hahita! Izay manana saina aoka hisaina!

Hitahy antsika anie ny Tompo
60. bor2lais ( 10/12/2014 09:48)
RBNIR:

Raha ara-tantara dia tamin'ny andron'ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany no azo lazaina fa tena niasa ny Fanahy

Tantara taiza indray no miteny izany ? Fa ankehitriny ve tsy dia miasa intsony Izy ? :-)
RBNIR:

Ary ny baiboly koa araka ny 2 Tim.3:16 sy ny 2 Pet.1:20,21 dia tena fiasan'ny Fanahy!
Izao anefa! ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany izay tena niasan'ny Fanahy tokoa dia tsy mba nampianatra ny noely na dia nahafantatra tsara an'io tantara nontantarainao io aza izy ireo (mbola mahafantatra lavitra no isika izireo ry namana)

Ankoatra ireo izany aminao dia tsy misy azon'ny Fanahy Masina iasana intsony ? Averiko indray tsy miasa intsony ve izany Izy ankehitriny ?
RBNIR:

Ny baiboly koa izay fiasan'ny Fanahy ihany koa dia tsy nahitana taratra mihitsy ny fankalazana ilay "andro malaza" voalazanao iry ambony iry!

Dia mba mahatsikaiky ange ianao izany e ! Fa mba mamaky izay soratana ve RBNIR sa mi-zapy izay "mampangidihidy ny sofina" ? :-)
RBNIR:

Ny baiboly dia nataon'Andriamanitra ho an'ny taranaka rehetra aty aoriana mba ho fianarana (ao no hamantarana ny zava-misy marina ny amin'ny tantaran'i Jesosy , ny amin'ny tantaran'ireo apostoly, ary ny amin'ny tantaran'ireo kristianina tany amboalohany,

Fototra ny Baiboly RBNIR a !
Asa raha mba voatsikaritrao fa ny bokin'ny Asan'ny Apostoly ange boky misokatra e : tsy misy famaranana, izany hoe mbola tsy feno ...
RBNIR:

Raha tena te hahafantatra ny marina tokoa isika dia tokony tsy hitady hafa fa ny baiboly ihany.

Tsy ampy fa tsy maintsy eo koa ny Fanahy Masina raha ekenao fa mbola miasa mandraka ankehitriny Izy !
RBNIR:

Matoa tsy hita tao anaty baiboly ny noel dia mazava ho azy tsy isan'ilay fampianarana avy amin'Andriamanitra izay nomena an'i Jesosy sy nomen'i Jesosy ireo apostoly izy izay,

Rehefa mitady ao anatin'ny aizina aloha mety tsy ahita e ! :-)
RBNIR:

Ao koa ireo rohy manamarina ny fiandohan'io teny io fa efa taty aoriana b ny noel,
Izay koa no hanaporofoko marina fa tsy avy amin'Andriamanitra ny noel fa avy amin'ny olombelona namana.

Aiza re izany e ! F'angaha rehefa tsy hita tsy mba mahalala arehitra Ilay Jiro fa miantoraka avy hatrany any amin'ny rohy ?
RBNIR:

Ny tena marina ny noel dia an'isan'ireo "sain-dalin'i satana" tetika lalina namotehin'ny devoly ilay fampianarana tsy nisy kilema nentin'i Jesosy Kristy fahiny! anisan'ireo fampianaran-diso ny noel ary ny tanjon'ny devoly dia ny mba tsy hahitan'ny olona sitraka eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fivavahana izay ataony io ilay voalaza ao amin'ny Mar.7:7.

Dia lazao fa devoly koa no nanoro làlana ny magy sy nilaza tamin'ireo mpiandry ondry fahizay Ilay Vaovao Mahafaly e ! :-)
RBNIR:

Izay manana maso aoka hahita! Izay manana saina aoka hisaina!

Averina aminao koa io ! :-)
RBNIR:

Hitahy antsika anie ny Tompo

Dia mirary Noely sambatra ho anao e ! Dia aza malahelo intsony fa Vaovao Mahafaly no entin'ny Noely ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091