Nahoana....

61. toriteny ( 15/10/2014 13:29)

rhaj0:

... hi hi... mety tafa ihany izany raha mahay "maka dern"... TSY mila "maka-19" mandava-taona, fa ny atao no atao, dia @ andro farany "mibebaka"... toa izany daholo no (hitako) ataon'ny olona kouh...


Mety izay. Fa ahoana raha ity no antso farany atao aminao fa tsy omena fotoana intsony ianao hibebahana? Tsy ho ainao ny havoakan'ny androany sy ny ampitso. Tsy aleo ve izao dia efa manantona Azy?

Sady tsara anie ry Rhaj0 ilay miaina fiainana kristianina e. Tena mamy be tsisy toa izany
62. rhaj0 ( 15/10/2014 13:46)
sahala @ any am-pianarana ihany io... i Toriteny sy Gasy1zay izany... (miala tsiny manonon'anarana fa mba ampazava mora ilay tantara fictif eto).. zareo izany ilay mianatra be sy hendry be mandritra ny taona, mahay lesona tsara sy manaraka ny torolalana rehetra, ary dia miventy sy mampifaly ny mpampianatra akoriny azany, ary koa miteny ny namany, manitsy ny namany...

Dia nefa nony raikitra ny bacc dia ilay maditra no nahazo mention bien ary tafiditra mora foana any @ Anjerimanontolo..

Dia ahoana izany ?? :)
63. rhaj0 ( 15/10/2014 13:49)
Ka ianao anie mety TSY afaka e... ahoana no hitomponao teny fantatra hoe, rahefa hendry sy manaraka ny torolalana ary nankafia izany fiainanao izany ianao, dia nefa ... "mety" TSY ho afaka ihany (anaty probabilite daholo izany), dia nefa ilay iray, "nankafy dia nankafy" tokoa ny fiainany moa, ary nahay "naka dern", ary dia "afaka" ???
64. toriteny ( 15/10/2014 14:01)

rhaj0:

Ka ianao anie mety TSY afaka e... ahoana no hitomponao teny fantatra hoe, rahefa hendry sy manaraka ny torolalana ary nankafia izany fiainanao izany ianao, dia nefa ... "mety" TSY ho afaka ihany (anaty probabilite daholo izany), dia nefa ilay iray, "nankafy dia nankafy" tokoa ny fiainany moa, ary nahay "naka dern", ary dia "afaka" ???


Afaka aho ka, aza matahotra ianao. Za ary anie efa miaina sahady ny fiainana any an-danitra e. Ny mahafinaritra ahy androany aloha dia hay i Rhaj0 mikatsaka ihany ny fiainana mandrakizay (na dia miandry dernière minute aza vao hieritreritra ny hitodika any amin'Andriamanitra) fa tsy nankany amin'ny yoga sy ny indouisme. Efa tsara aloha izay ary efa hisaorako lehibe an'Andriamanitra


Fa ny fandraisanao ny Tompo tsy tokony ho fatahoranao ihany koa ny zavatra any ankoatra anefa. tsy hoe hivavaka sy hitodika amin'Andriamanitra aho fa ao no misy ny fiainana, tsy hoe hivavaka aho fa amin'izay misy Andriamanitra hiady ho ahy, tsy hoe hivavaka sy hiditra kristianina aho fa any no misy fitahiana manana amby ampy sy ny sisa tsy voatanisa

Fa tokony motivation 1 ihany no tokony hanosika anao ho mpivavaka ka hanolotra ny tenanao ho an'ny Tompo dia satria Izy tia anao taloha. Ary setrin'izay fitiavany anao izay no tokony hi-animé anao hanantona Azy fa tsy ny fahatahorana ny fiainana aorian'ito eto an-tany ito. Ka raha tsapanao izay fitiavany izay dia tsy hampiandry ela Azy intsony ianao fa hanantona Azy tsisy atakandro.
65. gasy1zay ( 15/10/2014 14:01)
rhaj0 > raha tafita tokoa anie ilay maditra kely dia efa vita ny mission'ireo hendry kely 2 ireo e, fa ny mapalaelo raha sanatria voaroaka antenatenan'ny année scolaire izy fa tsy tonga hanala examen Bacc akory, vazivazy zany ry rhaj0 fa dia faly izahay raha tafaraka any an-danitra isika na t@ farany aza ingahy vao niova fo dia any isika miresaka hoe izaho ilay niova fo au dernier moment, enga anie fotsiny mba ho vitanao tokoa ny fiovanao fo alohan'ny hikipin'ny masonao farany
66. Fiffi ( 15/10/2014 17:48)

toriteny:


Afaka aho ka, aza matahotra ianao. Za ary anie efa miaina sahady ny fiainana any an-danitra e.



hihihihi , ahoana njay zany ? efa miaina sahady ny fiainana any an-danitra ? dé mba azavao wé ahoana zany fiainana any an-danitra zany ?

67. rhaj0 ( 15/10/2014 19:07)

gasy1zay:
raha tafita tokoa anie ilay maditra kely dia efa vita ny mission'ireo hendry kely 2...
ngo dia izay ilay (miitatra @) hoe "tsy avotra raha tsy mitory".. nahavita "mission" zany nareo dia ahazo valisoa ?


Dia ahoana tokoany koa ilay "efa miaina sahady ny fiainana any an-danitra" izany ?

RAha raisina ara-baki-teny k'lou io lazainao io dia tena ... hafahafa.. fa raha ny fahazoako ny tianao lazaina dia efa "tsy manana ilay souci" anay (tsy mahay raha) izany ianao ao fa efa .. sahala @ ireny bodista ireny, tonga @ le hoe, "zen" be ?

Ny novakiako teny ho eny mantsy dia hoe, ireo bodista ireny hono, rahefa tena mahery ao @ meditation-ny ao, dia tena mahavita manilika ilay perception/sensation mandaginina sy mampaory azy ao ireny, fa tsy mba hotr'antsika mipenipenina sy laginina sy ory lava izao...

Io izao no hitako maha-danz be ny bodista... marihiko kely fa ny bodista dia TSY mino ny A.tra Kristiana... Fa i Toriteny izany izao mahavita ny vitan'ny bodista.. sa zavatra hafa no tianao tenenina ?...
68. toriteny ( 16/10/2014 06:52)
Fiffi, Rhaj0: Ilay hoe miaina sahady ny fiainana mandrakizay dia toy izao:

Misy Teny manao toy izao ao amin'ny 1Tes4:17:" Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra , ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha ary rehefa afaka izany , dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka ; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva "


Sy ny 1kor15:51-52:"Indro , zava-miafina no ambarako aminareo : tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra , fa vetivety , toy ny indray mipi-maso , rehefa maneno ny trompetra farany , dia hovana isika rehetra ; fa hotsofina ny trompetra , ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony , ary isika hovana"


Ny olona manana ny Tompo ka mbola velona ety ambonin'ny tany amin'ny fahatongavany dia tsy hovonoina intsony fa hovàna fotsiny ilay mora lo ho tsy mora lo.

Tsy misy interruption izany ny fiainana ety an-tany sy ny fiainana mandrakizay ho an'izay velona amin'izay fotoana izay fa tonga dia mitohy fa ilay vatana tsy mandova ny fiainana mandrakizay fotsiny no hovana en une seconde(ohatranao misolo akanjo fa ianao avant misolo akanjo ihany ny ianao après misolo akanjo)

izay no mahatonga ahy , ary izay manana ny Tompo tokony samy hahatsapa izany avokoa, miteny hoe efa ato anatiko sy hiainako sahady ny fiainana mandrakizay (Jao14:6: Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako sy ny Jao6:54: Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany")

69. Fiffi ( 16/10/2014 07:13)

toriteny:



Jao14:6: Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako sy ny Jao6:54: Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany")




mampalahelo fa tsy vitan'ny olona rehetra io.....

.....ne sommes-nous pas des hommes de peu de foi ?

tsy ny opportunité no tsy misy saingy ny fiainana dé miasarotra lalandava.....

na izany aza...midika ve zany wé tsy hiheritreritra izay hiafarana ?

na dé eo aza ny fiainana sarotra.....tokony lanjaina tsara ny zavatra atao alohan'ny hivoady eo anatrehan'Andriamanitra....


.......ahoana marina re ny mba heritreretin'ireny olona ireny izay tsy afaka manjay ny fanasan'ny Tompo intsony , miray latabatra Aminy noho ny disadisan'ny fiainana ?
70. toriteny ( 16/10/2014 07:50)
Fiffi:

mampalahelo fa tsy vitan'ny olona rehetra io.....

Vita kah, ny olona rehetra no antsoiny sy nanaovany sacrifice teo amin'ny hazo fijaliana fa isiaka no tsy mamaly sy miavonavona ny antsony indraindray.

Ary tena mora be ny miaraka ny Tompo fa tsy arakaraky ny ahitan'ny olona ety ivelany azy hoe sarotra sy mijaly. Zavatra 2 fotsiny no angatahiny aminao: ny manao ny premier pas manantona Azy dia ny mahatoky Azy tanteraka rehefa hotantanany ny fiainananao avy eo.

Misy zavatra atoroko anao atsy ambany avy eo dia andramo fa efa betsaka ny olona niova fo tamin'ito méthode ito raha tena mangetaheta ny hateraka indray ianao dia ho hitanao ny hamamin'ny fiainana miaraka Aminy. ary ianao indray aza avy eo no tsy hety hiala intsony fa te hivavaka foana, te hiaino Azy foana, te hamaky baiboly foana.

Fiffi:

tsy ny opportunité no tsy misy saingy ny fiainana dé miasarotra lalandava.na izany aza...midika ve zany wé tsy hiheritreritra izay hiafarana ?


Ka raha vao ilay hiafaràna no manosika anao hivavaka dia tsy mari-paka ny finoanao fa laza mangeja anao ilay fahatahorana ny any afara. Fa araka ny noteneniko an'i Rhaj0 ao ambony ao dia tokony fitiavana an'Andriamanitra no handehananao sy hanoloranao tena eo anatrehany.

Ny fiainana mihasarotra lalandava fa za sahy miteny anao fa na samy miatrika fiainana aza ny olona tsotra sy ny olon'Andriamanitra, olana 1 izao ihany no hiantrehana fa hafa mihitsy ny fiainan'ny olona manana ny Tompo .

Fa tena tsapanao mihitsy hoe rehefa apetrakao Aminy ny fiainanao dia Izy no hikopapapapa hitady solution amin'ny olanao, tsapanao mihitsy hoe tsisy zavatra mitranga izany eo amin'ny fiainanao raha tsy sitrany ary tsy maintsy mandresy foana ianao n'inon'inona mitranga eo amin'ny fiainanao. Dia mampitombo anao iny épreuve iny avy eo, tena miaro anao izy rehefa misy ady atrehinao, mi-encourager, manome hery. Betsaka ny zavatra nihainako teo amin'ny fiainako izay afaka hijoroako vavolombelona ny fahatsarana sy ny fiasan'io Andriamanitra io teo amin'ny fiainako ary tsy ho ampy ny fotoana sy ny pejy hanoratana izany tellement ny fiainako isan'andro tsy maintsy hiasany foana
71. toriteny ( 16/10/2014 08:01)
Fiffi:

.....ne sommes-nous pas des hommes de peu de foi ?


Tiako asian-teny kely ito. A t'entendre dire ça ohatran'ny hoe tsy ho anao mihitsy ny famonjena. Non, aza manaiky harabirabin'i Satana amin'izany. Izany aza no tokony vao maika hampitroatra anao ka tokony hanantonanao ny Tompo, tsy hamelanao raha tsy tonga eo amin'ny fiainanao Izy . Izay fa mahereza. Amin'ny atoandro hapetrako eto ilay fomba fanantonana an'i Tompo. vavaka ilay izy fa tsy ny contenu an'ilay vavaka akory no homeko fa ny toe-po hoentinao manao ilay vavaka sy ny firafitr'ilay vavaka
72. gasy1zay ( 16/10/2014 13:18)
Inona moa ilay paradisa an-tany resahin'i Toriteny io? hoy ny Tompo hoe ny fiadanako no omeko anareo, rehefa miaraka @ Andriamanitra marina ianao eo @ fiainanao dia mahatsiaro miadana na misy problème aza, io fiadanana io tsy haiko no midecrire azy fa mila hiainana ilay izy vao tsapanao hoe hay ve izay ilay hoe miadana e!

rhaj0 > izao aloha raha ny modely amiko mampiaiky ahy dia ireo kristianina maty martiora na nodorana aza mbola nahavita nidera an'Andriamanitra , na dia natsipy ao @ arène misy liona aza mbola faly fa hahita ny Tompo, tsy haiko aloha raha vitan'ny Bodista lazainao izany na tsia fa izaho manokana manana namana boudista fa tsy hitako izay maha zen azy fa dia miaina ny problème ny olona rehetra ary mitaraina sy mimonomonina lalandava, sa ireo moine boudiste any @ temple shaolin no tianao ambara? Raha ireny indray dia tsy hitako loatra hoe inona moa no olana tokony hianjady aminy, tsy miaina stress, tsy manana asa feno problème, tsy manana vady aman-janaka hirohorohoana saina sns...

Ianao aloha ry rhaj0 tena asa raha tsapanao ny fitiavan'Andriamanitra anao hanirahany mpanao forum maro eto hitarika anao hanantona azy hahazoanao ny fiainana mandrakizay, tena mahafinaritra anie ny miaraka @ Tompo e!
73. rhaj0 ( 16/10/2014 15:01)
gasy1zay:
... ny modely amiko mampiaiky ahy dia ireo kristianina maty martiora na nodorana aza mbola nahavita nidera an'Andriamanitra...

An an... tsy kapoakako ny anao.. Raha izaho manokana aloha dia tsy haka "modely" olona niaina tamina fotoan'andro sy fahalalana ary soatoavina sy fiaraha-monina sns .. izay samy hafa dia samy hafa @ iainana izao. Samy hafa ny "vala famaritana" hozy ny olona izay ka dia mivoana ny kajikajy ary misavoana ny resaka e...
74. gasy1zay ( 16/10/2014 15:17)

rhaj0:

gasy1zay:
... ny modely amiko mampiaiky ahy dia ireo kristianina maty martiora na nodorana aza mbola nahavita nidera an'Andriamanitra...

An an... tsy kapoakako ny anao.. Raha izaho manokana aloha dia tsy haka "modely" olona niaina tamina fotoan'andro sy fahalalana ary soatoavina sy fiaraha-monina sns .. izay samy hafa dia samy hafa @ iainana izao. Samy hafa ny "vala famaritana" hozy ny olona izay ka dia mivoana ny kajikajy ary misavoana ny resaka e...


Tsy milaza anie aho hoe ndao isika hanao martiora e, fa ny tiko tenenina aminao dia hoe ireny mbola mety mahay miaina "zen" lavitra noho ireo boudista lazainao.
75. rhaj0 ( 16/10/2014 15:35)
Ataok'ity ny bodista indrindra no manao ity "immolation" ity h@ izao isika miteny izao ?
76. rhaj0 ( 16/10/2014 15:36)
Dia ny moslimo mahavita manao kamikaze..

Ny Kristiana ihany izany no ...[size=5]toa be resaka fotsiny[/size]
77. Fiffi ( 16/10/2014 15:55)

toriteny:


Ka raha vao ilay hiafaràna no manosika anao hivavaka dia tsy mari-paka ny finoanao fa laza mangeja anao ilay fahatahorana ny any afara.

nefa ohatrany logique ihany anié lé tonga dé miheritreritra zay hiafaràna devant la tentation eh.....

devant les si..si...si...io , manque de confiance ohatra....atao sa tsy atao....inona re no hiafarako raha manao an'zao zah eh ? au lieu de suite atao ao an-tsaina wé tsy mety na tsy azo atao dé ajanona eo ?

satria be dé be ny tentation...ary je pense wé tsisy olona parfait am maha olombelona ny olombelona....saingy marina wé raha tena miaina anaty finoana mety tsy ho tratran'io tentation io ?

toriteny:
Tiako asian-teny kely ito. A t'entendre dire ça ohatran'ny hoe tsy ho anao mihitsy ny famonjena.



non , non , manao izay azoko atao rehetra zah mba justement ahazahoana ny famonjena saingy....ny nahatonga anah miteny foana an'io dé zao....

"Aussitôt, Jésus fut à ses côtés, le saisit et l’affermit sur le lac. Puis il l’interrogea?: "Homme de peu de foi, pourquoi as-tu douté??"

I Simon-Pierre izay disciple an'Jésus aza tsy sahy no sady natahotra....maika ny olombelona...? (olombelona koh izy fa tsy aiko ny manazava azy)

ohatran'lé wé tsy mino raha tsy mahita.......
78. Fiffi ( 16/10/2014 16:04)

gasy1zay:



Inona moa ilay paradisa an-tany resahin'i Toriteny io? hoy ny Tompo hoe ny fiadanako no omeko anareo, rehefa miaraka @ Andriamanitra marina ianao eo @ fiainanao dia mahatsiaro miadana na misy problème aza, io fiadanana io tsy haiko no midecrire azy fa mila hiainana ilay izy vao tsapanao hoe hay ve izay ilay hoe miadana e!



peut-être éventuellement lé mametraka ny entamavesatra eo am tongotry ny Tompo ? dé mangataka ho tena maivana mba ho zaka ?
79. gasy1zay ( 16/10/2014 16:32)

[/quote]

peut-être éventuellement lé mametraka ny entamavesatra eo am tongotry ny Tompo ? dé mangataka ho tena maivana mba ho zaka ?
[/quote]

Ny fametrahana ny olana @ Andriamanitra dia tsy hoe mba ho zaka ilay entamavesatra fa dia tena izy mintsy no mitondra azy 100% ianao izany miandry izay hitondrany anao fotsiny dia mino sy matoky ny fintantanany ary mivavaka mba tsy ho voavilivilin'i satana.

Asa raha tadidinao i Jesoa nanontany ny mpianany hoe : hatr@ zay niarahako taminareo, moa misy zavatra nampahory anareo va? dia hoy ny mpianany namaly hoe "tsia", ireo mpianatra ireo nanaraka azy tsy niasa, tsy nanana fidirambola, fa nandritry ny 3 taona tsy mba nanana problème izany, tsy mba niasa saina, tsy nisy narary sns... Izany no ilay miaraka @ Jesoa Kristy . Na izao taona 2014 izao aza tsy niova izy fa dia mbola mitahy foana ireo olona mametraka ny fiainany eo aminy.
80. Fiffi ( 16/10/2014 19:12)

rhaj0:


Ny novakiako teny ho eny mantsy dia hoe, ireo bodista ireny hono, rahefa tena mahery ao @ meditation-ny ao, dia tena mahavita manilika ilay perception/sensation mandaginina sy mampaory azy ao ireny, fa tsy mba hotr'antsika mipenipenina sy laginina sy ory lava izao...



....tokoa ve zany ?

heu....isika kosa mba manana ny tara masoandrontsika , mba mihiratra foana ilay masoandro raha tena mihaina am finoana....

lé ory lava manko misy vaha-olana koh ! n'est-ce pas ? :p
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4554