Nahoana....

121. Fiffi ( 27/10/2014 20:39)
hihihihi....misy olona tsy mivavaka mintsy nié mahazo euromillion an ! hihihi un coup de chance fotsiny iny...

io anié lé lazaiko wé mahay mangataka an ! tsy wé andéha zah hiangona dé ny fivavahako ataoko am io dé wé : "Tompo ô ! mba ataovy zay ahazaoako euromillion" ? donc , tsy mahay mangataka zany zah am io koh !

misy olona koh nié lasa Rampanana ( Rampanana fahasalamana ohatra satria tena nahay nangataka)

entre autre wé nahay nangataka fa avant ny ahazahoana an'io fahasalamana io mbola bé dé bé ny zavatra atao....
122. Randri87 ( 30/10/2014 05:33)
Miarahaba antsika rehetra , ireto no azoko ambara momba ity lohahevitra ity. Araka ny voalazan’i Jesoa dia tsy tokony hisara-panambadiana ary fijangajangana mihitsy ary ny fisaram-panambadiana:

“Ary nisy Farisiana nanatona azy mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony? 4Dia hoy izy namaly azy ireo: Tsy novakinareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 5Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? 6Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona. 7Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? 8Dia hoy izy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 9Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manam-bady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa.” (Matio 19, 3-10)

Ary voasoratra mazava fa tsy ho an’ny rehetra ny fihinana ilay mofo sy fisotroana amin'ilay kalisy fa ho an’izay mendrika :

“Fa izao no noraisiko tamin'ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin'ny alina namadihana azy iny Jesoa, dia nandray mofo, 24ka nony efa nisaotra izy, dia namaky azy sy nanao hoe: Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana ahy. 25Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny rako; manaova izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro hianareo. 26Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity hianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny. 27Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo, na misotro amin'ny kalisin'ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin'ny vatana sy ny ran'ny Tompo. 28Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kalisy; 29fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny vatan'ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany”
(1 Korintianina 11, 23-29)

123. rhaj0 ( 30/10/2014 13:31)
gasy1zay:
- fijangajangana mihitsy ary ny fisaram-panambadiana
- tsy ho an’ny rehetra ny fihinana ilay mofo sy fisotroana amin'ilay kalisy fa ho an’izay mendrika

Betsaka izay nanao demonstralation izay, fa dia mba tsy itarazoha sy tsy isian'ny fifandirana, dia io izany hono no izy e...

Fa dia ny hany sisa lazaiko @ izay "voany" ao, dia hoe:

- izay mahasoa anao re atao sy jerena e... Zareo toa tsy hijery ny "mahasoa" anao kouh... Dia aza mankany miaraka amin-dreo rahefa anaovan-dreo toeran-tsy zaka toa io foana ianao...

- dia mahatokisa koa fa "Izay Mahasoa (anao) re no AtaoNY" e... Manaova ny Tsara araka izay azo atao fotsiny... ary tazomy an-tsaina sy am-po foana fa "Lehibe Ny Famindra-PoNY" ary ho "mendrika" Azy foana ianao... (tsy holazaiNY aminao eo ve raha toa ka tsia... ary TSY ho iretsy koa no ilazaNY raha toa ka izay...)

(izany aloha ny ahy, dia mba zaraiko aminao e...)
124. endriny ( 31/10/2014 06:42)
Ary mpijangajanga koa izany ry Salomona izay ankatoavintsika mandraka ankehitrio ?

Dia ahoana ry Davida mpanjaka sy mpisoron'ny avo indrindra naka ny vadin'ny mpitari-tafiny ?

Dia Jesosy izany ahoana satria taranak'i Davida, kanefa lazaina fa tsy voaotan'ny fototra ?
125. Fiffi ( 31/10/2014 19:52)

endriny:

Ary mpijangajanga koa izany ry Salomona izay ankatoavintsika mandraka ankehitrio ?

Dia ahoana ry Davida mpanjaka sy mpisoron'ny avo indrindra naka ny vadin'ny mpitari-tafiny ?

Dia Jesosy izany ahoana satria taranak'i Davida, kanefa lazaina fa tsy voaotan'ny fototra ?



tena fanina njay zah am io an ......
126. gasy1zay ( 03/11/2014 14:38)

endriny:

Ary mpijangajanga koa izany ry Salomona izay ankatoavintsika mandraka ankehitrio ?

Dia ahoana ry Davida mpanjaka sy mpisoron'ny avo indrindra naka ny vadin'ny mpitari-tafiny ?

Dia Jesosy izany ahoana satria taranak'i Davida, kanefa lazaina fa tsy voaotan'ny fototra ?


I Solomona aloha dia anjatony ny vadiny tsy haiko ny statut-ny Roi t@ zany ahafahany maka vady maro fa raha ny voalazan'ny Baiboly dia ireo vadiny ireo no nitarika azy hanompo sampy t@ farany dia nahatonga ny fivakian'ny fanjakan'ny Israely. Tsy haiko inona no tianao ho lazaina @ ilay ankatoavina fa raha ny momba an'i Solomona Mpanjaka dia ny nampiaiky ny olona ny fahendreny ary teo anatrehan'Andriamanitra dia izy nisafidy hahazo fahendrena avy @ Andriamanitra fa tsy vononahitra sy harena. izay zavatra 2 izay no modely tsara alaina tahaka momba azy fa tsy ny isan'ny vadiny, satria ireo vadiny ireo no nitarika azy hanompo sampy sy nanadino an'Andriamanitra t@ fahanterany.

Ny mikasika an'i Davida indray dia tena nanota mintsy izy naka vadin'ilay miaramila ary nandefa ilay miaramila ho faty, ary dia tena nibebaka t@ Andriamanitra izy fa diso ary tsy nety ny nataony.

Mikasika an'i Jesoa indray ny dikan'ilay tsy voaotan'ny fototra dia tsy hoe tsy nisy diso mintsy ny ancetreny fa ny conception-ny dia avy @ Fanahy Masina, io ilay lazaina hoe "immaculé conception".
127. rhaj0 ( 03/11/2014 16:13)
Sarotra be ny mandray ny baolina ping mi-spin... Fa ny resaka fanambadiana/maty vady/sns.. dia atsy @ Timoty, ary ny niafarany (na teo antenantenany) dia tsotra fotsiny :

1 Timoty 5:23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely ...

[size=8]f'angaha tsy 12% alikaola ny divay ? (iaho nefa kroua-blee)[/size] :-)
128. gasy1zay ( 03/11/2014 20:00)

rhaj0:

Sarotra be ny mandray ny baolina ping mi-spin... Fa ny resaka fanambadiana/maty vady/sns.. dia atsy @ Timoty, ary ny niafarany (na teo antenantenany) dia tsotra fotsiny :

1 Timoty 5:23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely ...

[size=8]f'angaha tsy 12% alikaola ny divay ? (iaho nefa kroua-blee)[/size] :-)


Ireto ny fanazavana an'ireo raha mba liana hahafantatra ianao :

http://fr.wikipedia.org/wiki/Vin_et_religion

http://www.baptistes.info/VinAlcool.htm

http://www.bibliquest.org/Auteurs_divers/TaMi-Alcool.htm

http://www.gotquestions.org/Francais/Chretien-alcool.html

129. rhaj0 ( 04/11/2014 00:22)
Raha Wikipedia azany no aroson'i GAsy1zay, dia Baiboly indray no arosoko e.. (mivadika ny baolina :-)

ohatra ny ... fampiasana ny divay...

Genesisy 1932 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy


130. gasy1zay ( 04/11/2014 15:05)

rhaj0:

Raha Wikipedia azany no aroson'i GAsy1zay, dia Baiboly indray no arosoko e.. (mivadika ny baolina :-)

ohatra ny ... fampiasana ny divay...

Genesisy 1932 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy


Hitanao amin'izao fa tsy tsara ny fisotroana divay ary tsy tsara ny fimamoana fa izao no hiafarany, tsy midika anefa izany hoe rarana ny fikitihana divay na 1 goutte aza satria dia ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo aza ny protestant dia misy ny fisotroana divay @ kapoaka kely, dia io nambaranao omaly io hoe nasaina nisotro divay kely i Timoty noho ny aretina nahazo azy. Tsy hoe manipaka ny baiboly aho nandefa ilay lien wikipedia fa mba omeko anao daoly ny avis neutre sy ny avis chrétien teo ambany.

Marihiko eto aloha fa ny olona voalaza ao @ baiboly tsy nisy hoe tena tsy nisy diso mintsy fa dia maro ny nanana ny kilemany ary izany indrindra no nahatongavan'i Jesoa Kristy teto an-tany hanadio antsika ary hanampy antsika handresy ny fahotana sy ny fahalementsika ahazoantsika ho tanteraka ka afaka hiditra any @ ilay Jerosalema vaovao nomaniny ho antsika.

131. Fiffi ( 04/11/2014 17:03)

gasy1zay:


satria dia ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo aza ny protestant dia misy ny fisotroana divay @ kapoaka kely,



io marina no mbola mahagaga anah am lé fandraisana ny fanasan'ny Tompo ao am protestant satria ry zareo tena mizara sy misotro divay....

ny an'kato manko ny pretre ihany no misotro.....

nefa wé "buvez-en tous" satria io divay io voamasina dé tokony mba zaraina....tahaka ny mofo..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1183