Nahoana....

21. rhaj0 ( 11/10/2014 12:24)

hery:
Fahotàna fa tsy fitsipika ka...

D'efa 'nareo 'zany no manao ilay jugement dernier alohan'ny jugement dernier. D'efa manomboka ho (ataonareo) HELO izany ny fiainan'ilay olona eto an-tany...

Asa ho'a raha mba hitanareo @ izany ny hitanay...
22. Fiffi ( 11/10/2014 13:29)

hery:


Momba ilay hoe tsy fidiny dia possible tsara. Raha toa izy arian'ny vadiny vokatry ny tsy fidiny ka tsy manambady dia afaka mandray ao amin'ny fiangonana katolika. Fa raha vao une fois izy manambady fanindroany dia efa fidiny indray izany...



heu.....raha azoko tsara zany dé zao: raha tsy fidiny no nahatonga an'lé olona nisaraka dia choix iray ihany no anjarany raha te handray ny fanasan'ny Tompo izy , tsy afaka manambady intsony......

hery:
Ny olona mifona sy mibebaka dia au moins amin'izy mifona iny tena vonona fa tsy hanao ilay fahotana intsony



izany wé lé fahotana : manambady indray.....


quelle tristesse manjo an'lé olona nisaraka tsy fidiny , ohatra wé à 26 ans izy dé nilozan'vadiny dé tena nisaraka en bon et dû forme io an ....

de 26 ans jusqu'à sa mort ....qui sait ? mety ahatratra 90 ans ? , raha mbola te hanaradiha an'Tompo izy am fandraisana dia tsy maintsy mijanona irery , tsy afaka ny hanambady intsony....

satria wé fahotana io.....nefa "izay tsy nanota aoka hitora-bato azy.....

ary raha namela an'vadiny izy ?....."mamela ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka tam-nay" ?


heu...sarotra be lé izy....

23. rhaj0 ( 11/10/2014 14:00)
Fa efa ho hamorain'ny Papa Fransoa io f'aza kivy e...

Eto jereo fa efa nandroso ho @ izany ny Papa Fransoa, hoy ilay gazety:
"Did Pope Francis tell a divorced and civilly remarried woman she could receive Holy Communion? "

Raha ny fahazoako azy, dia efa NISOKATRA NY FON'NY PAPA FRANSOA, ary nitso-drano an'ilay Ramatoa izy... fa ny spin doctor no mbola miziriziry @ "fomba izay hita ny maharatsy azy" ao foana ary dia manodina resaka.


Averiko ihany fa efa NISOKATRA ho'a ny fon'ny Papa Fransoa.. Ilay "who am I to judge" koa santionany..


24. hery ( 11/10/2014 20:18)
ivereno sokafana ilay rohy nomen'i rhaj0 io fa misy update maromaro ao

Anisan'izany ny hoe:

* It now appears that there has been some misreporting in the press.
* Among other things, it appears that the woman in question was not divorced, but her civil law husband was, instead.

25. hery ( 12/10/2014 05:50)


de 26 ans jusqu'à sa mort ....qui sait ? mety ahatratra 90 ans ? , raha mbola te hanaradiha an'Tompo izy am fandraisana dia tsy maintsy mijanona irery , tsy afaka ny hanambady intsony....



Araka ilay nolazain'i toriteny tany ambony tany dia afaka manaradia ny Tompo tsara mihitsy izy na dia tsy mandray komonio aza. Ny fandraisana, izay ankoatra ny fihaonana manokana amin'ny Tompo, dia fiombonana amin'ny kristianina (izay no maha communion azy). Ka rehefa miditra ao ianao dia tsy fihavanana manokana tsy hita maso aminao sy Andriamanitra ihany no takiana fa fihavanana aminao sy ny olombelona koa (hita maso). Ka tsy vitan'ny hoe mifamela amin'Andriamanitra fa mila hitan'ny olona maso koa hoe tsy manao tokatranomaso.

Fa averiko ihany, amporisihana hivavaka, handray anjara amin'ny raharaham-piangonana. Ny mandray komonio ihany no tsy atao.
Marihina fa betsaka ny olona tsy mandray komonio satria mahatsapa hoe nanao fahotana nefa mbola tsy nibebaka. Tsy misy mahalala akory izy amin'izany fa tonga dia mijanona fotsiny. Satria tsapany ny lanjan'ilay komonio.
26. Fiffi ( 12/10/2014 06:46)
« Prenez, et buvez-en tous, car ceci est la coupe de mon sang, le sang de l’alliance nouvelle et éternelle qui sera versé pour vous et pour la multitude en rémission des péchés. Vous ferez cela, en mémoire de moi. »

hery:
Ny mandray komonio ihany no tsy atao.


en rémission des péchés.......fa zany wé mila mibebaka dé tsy manambady intsony...

merci am ireo valiny ....aleo angamba anjasana ny tohiny adi- hevitra nataon'ireo ao vatican satria zay vao hitako wé misy adi-hevitra be ataon'zareo am zao fotoan'zao ?

dans tous les cas , merci , merci :) et bon dimanche....
27. toriteny ( 13/10/2014 06:16)

Fiffi:

saingy ozy zah wé : ary raha toa ka tsy fidiny anazy no nahatonga an'lé olona nisaraka ?


Fa ilay tsy fidiny mihitsy anie no tsy azoko e. Miteny tsy fidiny ianao dia ohatran'ny hoe forcé izany ilay olona nanambady dia avy eo tsy fidiny ho azy ny misaraka satria tsy tiany ilay olona.

Mba hialana amin'izay dia aleo tsy mivady any am-piangonana raha tsy "sûr" ianao hoe hiaritra mandra-maty amin'iny olona iny. Izay rahateo ny voady atao eny ambony alitara: mandra-maty no hivadiana, na malahelo na marary miharitra eo foana. Fa ilay tsy mitàna ny voady nataonao mihitsy no fahotana.
28. toriteny ( 13/10/2014 07:27)
Fiffi:

en rémission des péchés.......fa zany wé mila mibebaka dé tsy manambady intsony...


Tsy hoe rehefa misaraka dia tsy tokony hanam-bady intsony. Tsy any ny olana. Fa TSY TOKONY HISARAKA MIHITSY raha vao tsy nijangajanga ny vadinao (ilay vehivavy). Fa na misaraka aza ianao ka tsy manam-bady dia mijangajanga foana sy mampijangajanga ilay vadinao taloha. Tsisy problème anefa ny remariage rehefa maty vady ianao.

Tiako tsindrina ihany koa ilay resaka firaisana latabatra amin'ny Tompo. Tsy haiko ny an'ny katolika, fa ny anay ny firaisana latabatra amin'ny Tompo dia natokana ho an'ny efa nandray ny Tompo teo amin'ny fiainany. Ny divay sotroina amin'io fotoana io rahateo mariky ny fanekena vaovao nataon'ny Tompo tamintsika izay efa novonjeny (Lio22:20).

Tsy tokony mbola hiray latabatra Aminy ianao raha tsy efa nandray Azy teo amin'ny fiainana. Izay no nolazaiko hoe Izy aloha katsahina eo amin'ny fiainana fa aza maika tonga dia any amin'ny marika ianao no handeha nefa ianao aza tsy Azy akory fa tsy misy dikany iny marika iny rehefa tsy Azy ianao. Ary rehefa mandray Azy ianao dia hampahalalainy ny marina sy ny sitrapony amin'ny fanambadiana.

Fa iny mofo sy divay iny mantsy mifototra aminao raha tsy madio(hoazavaiko etsy ambany) ianao mandray azy araka izay voalaza ao amin'ny 1Kor11:27-29 sy ny Mat7:6.

Ilay madio anefa tsy vitan'ny mibebaka nefa ianao tsy mbola nandray ny Tompo akory, tsisy dikany izany fa na mibebaka tout de suite isaky ny fahotàna vitanao aza ianao raha tsy hateraka indray, raha tsy mandray ny Tompo ho Tomponao sy ho mpamonjy ny fihainanao dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Na raha havadika dia izay efa voavonjy irery ihany (efa convertis ) no afaka mibebaka. Ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo anefa mila fanadiovana ny Fanahy vao azo raisina, izay tsy hain'ny olon'izao tontolo izao atao raha tsy mandray ny Tompo izy.

Fa ny fandraisana ny Tompo eo amin'ny fiainanao mihitsy izany no important sy tokony hirosoanao mialoha alohan'ny Communion fa tsisy dikany raha vao tsy izay

29. vahiny2004 ( 13/10/2014 08:49)

rhaj0:

Io aloha dia mila mianatra ny fanahin'ny Papa Fransoa ny olona e... Hoz'izy ([http://www.bbc.com/news/world-europe-23489702]ohatra eto[/url]):
"If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge?"

Adikako globaloba... "Raha homosexoaly ny olona iray, nefa maniry mitady an'A.tra, miaraka amina fikasana sy fitiavana te-hanao ny tsara, zovy moa aho no hitsaratsara azy?"


Dia miitatra @ olona misara-panambadiana koa io, raha ny fahazoako azy... h@ ireo olona voasoketa ho "kristiana sadasada" ka h@ ireo olona tondroi-molotra ho "kristiana tsy tena izy".

ZOVY MOA IANAO NO HITSARATSARA AZY ???




Miombo-kevitra aminao tanteraka !

Raha efa mihavana @ Tompo ianao, très personnel io, tsy misy tokony afaka mitsara anao .
Raha ny Tompo aza mamela anao, dia ny olombelona toa anao ve no mandà anao ?
30. toriteny ( 13/10/2014 09:14)
vahiny2004:

Miombo-kevitra aminao tanteraka !

Raha efa mihavana @ Tompo ianao, très personnel io, tsy misy tokony afaka mitsara anao .
Raha ny Tompo aza mamela anao, dia ny olombelona toa anao ve no mandà anao ?


Amin'ny resaka "homosexualité" ve? Satria resaka homosexualité ny rohy nomen'i Rhajo.
31. Fiffi ( 13/10/2014 09:24)

toriteny:



Fa ilay tsy fidiny mihitsy anie no tsy azoko e. Miteny tsy fidiny ianao dia ohatran'ny hoe forcé izany ilay olona nanambady dia avy eo tsy fidiny ho azy ny misaraka satria tsy tiany ilay olona.



lé tsy fidiny ? oki ! imaginons ohatra: olona mpivady voamasinina tany am-piangonana , nanao voady saingy ne sommes-nous pas des hommes de peu de foi ozy Jésus ?

ka raha ohatra wé lasa nanao mission ny lahy na ny vavy , na ohatra wé nahita olona hafa tany , na ohatra wé misy olana be ao am lé tokatrano !! asa ! oula mety wé misy anakiray kay tsy afaka miteraka , zany rehetra zany mety ahatonga an'lé olona misaraka , juste exemple ireo fa mbola mety be dé be ny antony ....

donc ho an'lé olona vady nosarahana , nga fidiny anazy no nahatonga ny vadiny nisaraka taminy ?

toriteny:
Fa TSY TOKONY HISARAKA MIHITSY



dé tsy maintsy heretana ao zany ny zavatra manjo satria wé tsy tokony hisaraka mihitsy ? ary raha sanatria wé lasa mpisotro toaka be ny iray , na wé lasa mikasitanana , mamono , na wé lasa mijangajanga dé votery miaritra ao zany ?

toriteny:
Tsy haiko ny an'ny katolika, fa ny anay ny firaisana latabatra amin'ny Tompo dia natokana ho an'ny efa nandray ny Tompo teo amin'ny fiainany



je pense kosa wé tsy ny anao irery kosa no manao an'io an ! iza kosa no sahy andeha am firaisana latabatra am Tompo (communier ) je veux dire nefa mbola tsy nandray ny Tompo teo am fiainany ?

toriteny:
Ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo anefa mila fanadiovana ny Fanahy vao azo raisina, izay tsy hain'ny olon'izao tontolo izao atao raha tsy mandray ny Tompo izy.


tout à fait ! tena marina io ary ny aty am-nay aloha dia misy préparation maharitra ela dia ela vao afaka mizotra am fandraisana ny fanasan'Tompo......

32. Fiffi ( 13/10/2014 09:28)
[quote=vahiny2004]Raha ny Tompo aza mamela anao, dia ny olombelona toa anao ve no mandà anao ?[quote]

ny olombelona koh mahay mamela kah ! mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka tam-nay.....
33. toriteny ( 14/10/2014 06:38)
Fiffi:

lé tsy fidiny ? oki ! imaginons ohatra: olona mpivady voamasinina tany am-piangonana , nanao voady saingy ne sommes-nous pas des hommes de peu de foi ozy Jésus ?

Ka ilay voady any am-piangonana anie izany tsy tokony hoe "hitia anao na malahelo isiaka na tomany mandra-pahafaty" fa tokony hoe "hitia anao aho mandra-pitranga ny olana mafy eo amintsika e".

Azonao ny tiako tenenina? Ny mpivady rehetra manana ny olana sedrainy daholo, eny na ny mpivady efa nanara-dia ny Tompo aza. Nefa tsy izany akory no hisarahana e. Marina fa tsy nosedraiko teo amin'ny fiainana ny fampirafesan'ny vadiko ahy sy ny zavatra notanisainao ireo fa izahay dia nisedra olana mafy be noho ireo aza fa tsy izany akory no nampisaraka anay.

Ary na dia mihantra amiko aza ireo zavatra ireo indray andro tsy hiova amin'ny hevitro aho satria important kokoa amiko ny Tenin'ny Tompoko noho ny confort personnel ko(ohatra raha mamono ahy ny vadiko any aoriana any).

Jesosy koa anie nampianatra antsika hamela heloka e. Ny afaka ataonao dia ny mitolona am-bavaka andro sy alina mandra-pahitan'ny vadinao an'i Jesosy fa efa manana Azy izy tsy hanao izany intsony.

Hitanao, tamin'ny fiofanana mariage-nay dia hoy ilay pasitera hoe matetika hoy izy ny zanaka foana no mandeha aloha sy tiana kokoa noho ny vady nefa raha ny logiquen'Andriamanitra dia ny vadinao aloha vao ny zanakao satria ny vadinao taloha. Raha sur une echelle de 10, raha 8 ny fitiavanao ny zanakao dia tokony ho 10 ny fitiavanao ny vadinao satria izy nanana fotoana betsaka niarahana taminao sy notiavinao noho ny zanakao. Dia hoy aho hoe raha ny zanakao aza tsy foinao hariana n'inon'inona ditra ataony, tsy tokony ho mihoatra lavitra noho izany ve ny vadinao?


Fiffi:

dé tsy maintsy heretana ao zany ny zavatra manjo satria wé tsy tokony hisaraka mihitsy ? ary raha sanatria wé lasa mpisotro toaka be ny iray , na wé lasa mikasitanana , mamono , na wé lasa mijangajanga dé votery miaritra ao zany ?

Tiako omena anao ireto Tenin'Andriamanitra ireto mba ahafahanao mahalala ny tena sitrapon'Andriamanitra amin'ny fisaraham-panambadiana sy mba tsy ho ny hevitr'i Toriteny no tenenina fa ny an'ny Tompo

Mal2:16:" Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely"
Mat5:31:"Ary voalaza hoe : Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny , dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady ( Deo .24 .1) .32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy ; ary na zovy na zovy no manam-bady izay voasaotra , dia mijangajanga ."

Tohizako etsy ambany ihany ilay fandraisana ny fanasan'ny Tompo avy eo fa manjary lava loatra
34. toriteny ( 14/10/2014 06:54)
Fiffi:

tout à fait ! tena marina io ary ny aty am-nay aloha dia misy préparation maharitra ela dia ela vao afaka mizotra am fandraisana ny fanasan'Tompo......


Ny tiako hiaviana amin'ilay firaisana latabatra ny Tompo dia izao. Efa hitanao izao fa ny divorce (tsy mbola miresaka remariage aho an, fa mbola divorce fotsiny) antony hafa ankoatran'ny fijangajangan'ny vavy dia fahotana ary halan'andriamanitra. Tant que mbola miziriziry amin'io lalana io ianao izany dia mbola manota foana. Izay no teneniko hoe, ary mifandray amin'ny tenin'i Hery aho milaza an'ito: aza mandray mihitsy aloha satria hozona ho anao ny fandraisana ny mofo sy ny divay nefa ianao ao anaty fahotana.

Ary na dia hoe manokana fotoana betsaka aza ianao alohan'ny communion hibebahana, ny fibebahana tadidio fa natokana ho an'ny efa mino marina ny Tompo fa indrindra indrindra rehefa mibebaka ianao dia tokony tsy hanao intsony (Jao8:11). afaka ny tsy hi-divorcé intsony ve nefa ianao après an'izay?

Ka izay no noteneniko hoe tsy solution ho an'ny olona divorcé ny firaisana latabatra ny Tompo fa lasa ozona ho azy. Fa raha te hanana aim-panahy sy hery ianao dia ny Tompo no tokony katsahinao aloha. Sady hampalalain'ny Fanahy anao ny sitrapon'Andriamanitra dia ho mora aminao ny tsy hi-divorcer intsony avy eo satria ho ainao fa halan'Andriamanitra izany ary hataonao foana izay fomba tsy hampalahelo sy hahatezitra an'Andriamanitra.

Satria rehefa manana ny Tompo ianao dia tsy ianao intsony no mi-compte fa ny sitrapon'Andriamanitra.
35. vahiny2004 ( 14/10/2014 09:23)
vahiny2004:
Raha ny Tompo aza mamela anao, dia ny olombelona toa anao ve no mandà anao ?


Fiffi:

ny olombelona koh mahay mamela kah ! mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka tam-nay.....


Tsy izay no tiako lazaina, fa ilay hoe efa nihavana t@ Tompo ianao nefa mbola tsy avelan'ny olombelona mandray miray latabatra @ Tompo
36. rhaj0 ( 14/10/2014 11:07)
Anaty fonosana fotsiny... ilay divorsa n'enareo izany dia hotry ny hoe dia fijanganjagana ihany. Mety incompatibilite d'humeur fotsiny. Fa matetika ny hitako aty dia kay tsy vonona ny hanambady (sy hanan-janaka) akoriny reto olona, matetika ny lehilahy, ary dia tena hoe, aoka hijanona fa manjary mamparatsy fiainana (eto an-tany) fotsiny.

Fa ankapobeny dia tena voafehin'i Vahiny2004 ilay izy:
vahiny2004:
efa nihavana t@ Tompo ianao nefa mbola tsy avelan'ny olombelona mandray miray latabatra @ Tompo...

Ilay olona "ivelany" rehetra ireo angaha mahalala akoriny (sa tsy te-ahalala) raha (efa) nihavana ianao na tsia, raha nanana "resaka manokana" ianao na tsia, fa tonga dia mitsaratsara anao zareo ireo ary dia manilikilika (@ anaran'ilay fombafomba hono).

Ary @ ankapobeny akoriny azany, fa tsy hoe ito resaka ito fotsiny, dia ireo olona "ivelany" ireo dia tena fatra-panao an'io... Mampi-te-hiteny hoe, tsy ny an'azy no atrehany fa ny manilikilika sy mamingana olona sy manakana ilay olona TSY handray "miray latabatra @ Tompo" anie io fataony io...

Fa io ho'a dia tandra vadin-koditra (intrinseque) @ Kristianisma : "tery ny lalana" ka dia zara azany mitombo isa ny TSY "mifandray @ Tompo" dia mitombo isa ny TSY mankany, dia bebe kokoa ny lasantsin-drampanilika hono..
37. rhaj0 ( 14/10/2014 12:20)
Efa nilaza ihany moa i Hery t@ ity hoe ka ilay olona anie raisina an-tanan-droa sy @ fo any am-piangonana ihay, fa fotsiny...

Dia io ry Hery dia toa izao a : hotry ny ho lazaiko ianao hoe, ka ianao anie ry Hery dia tena ho raisiko an-tanan-droa sy @ fo mafana tokoany ho ao an-tranoko, f'izany hoe, rahefa misakafo isika, dia TSY miray latabatra aminay ianao .. satria ianao "nisara-panambadiana" e...

[size=8](Asa ho'a raha mba tsapanao ihany ny tsapan'ny olona fa raha ny teoria sy ny fombafomba hajainao anie efa koopy ny olona e...)[/size]
38. gasy1zay ( 14/10/2014 14:04)
Raha ny fijerin'olombelona tsy mino ny fiainana mandrakizay dia ohatrany hoe fanilikilihana na tsy fitiavana tokoa ilay tsy fanekena ny fanamasinana mariazy olona divorcé (hoan'ny Katolika) sy olona homosexuel, fa @ fijery kristianina dia ny hahatafiditra ny olona any @ fiainana mandrakizay no tanjona ka raha misy zavatra heverina ho mety sakana hahafahany handova ny lanitra dia tokony hahitsy izy ireo mba hibebaka, voavela heloka ka afaka handray ny famonjena, hahazo ny paradisa.

Amiko ry rhaj0 dia fitiavana daoly ny fitaritana olona hibebaka mba hahafahany handova ny lanitra toy ny fananarana zanaka raha hitanao fa misy tsy mety ny ataony, amiko ny tena tsy fitiavana dia raha misy olona hitanao fa ho very nefa tsy ampianao. Marihiko anefa fa misy nuance be io fomba fijery io raha olona mino sy tsy mino ny fiainana mandrakizay.
39. toriteny ( 14/10/2014 14:24)
Tsy azoko mihitsy hoa fa maninona ny olona no:
-Rehefa ahitsy amin'ny ratsy ataony dia lazainy mitsara, manilikilika sy mamingana olona
-Rehefa atao hoe ny Tompo aloha katsahina dia lazaina indray fa miatsara-velatsihy ny kristianina fa zaran'ny kristianina aza vitsy ny tsy mankany NO TENA IZY
-Rehefa mba atoro hoe mifototra aminao ny fihinananao mofo sy divay raha tsy nibebaka ianao. Fanaovana tsinotsinona olona sy tsy fahalalam-pomba indray no handraisan'ny sasany an'ilay izy.


koa raha contraire ohatran'izany foana no ahazoan'ny olona ny toriteny sy ny filazan-tsara, inona izany no contraire tokony hotenenina rehefa hitory famonjena? Aza misy manantona an'i Jesosy no ho tenenina vao hanantona hirohotra ho any avokoa?

Mampalahelo izany. Tsy maninona omeko anao ihany ito Teny ito milaza hoe maninona no tsy tsara mihinana mofo ny olona tsy mibebaka sy miaina ao amin'ny fahotana

1kor11:27-31:"Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika , dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy .Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany , dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka .Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany , raha tsy mamantatra ny tena izy . Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo , ary maro ihany no efa nodimandry"


VF:"C'est pourquoi celui qui mangera le pain ou boira la coupe du Seigneur indignement , sera coupable envers le corps et le sang du Seigneur.Que chacun donc s'éprouve soi-même, et qu'ainsi il mange du pain et boive de la coupe; car celui qui mange et boit sans discerner le corps du Seigneur, mange et boit un jugement contre lui-même.C'est pour cela qu'il y a parmi vous beaucoup d'infirmes et de malades, et qu'un grand nombre sont morts."
40. vahiny2004 ( 14/10/2014 14:37)
gasy1zay:

Raha ny fijerin'olombelona tsy mino ny fiainana mandrakizay dia ohatrany hoe fanilikilihana na tsy fitiavana tokoa ilay tsy fanekena ny fanamasinana mariazy olona divorcé (hoan'ny Katolika) sy olona homosexuel, fa @ fijery kristianina dia ny hahatafiditra ny olona any @ fiainana mandrakizay no tanjona ka raha misy zavatra heverina ho mety sakana hahafahany handova ny lanitra dia tokony hahitsy izy ireo mba hibebaka, voavela heloka ka afaka handray ny famonjena, hahazo ny paradisa.

Hors sujet kely ise fa resaka fisaraham-panambadiana no eto

gasy1zay:

Amiko ry rhaj0 dia fitiavana daoly ny fitaritana olona hibebaka mba hahafahany handova ny lanitra toy ny fananarana zanaka raha hitanao fa misy tsy mety ny ataony, amiko ny tena tsy fitiavana dia raha misy olona hitanao fa ho very nefa tsy ampianao. Marihiko anefa fa misy nuance be io fomba fijery io raha olona mino sy tsy mino ny fiainana mandrakizay.


Hazavao ilay hoe mibebaka araky ny famaritanao azy ary e ? Mihoatra noho ny fihavanan'ilay olona amin' Andriamanitra a ? (Plus que la reconciliation de la personne avec Dieu ? ) . Iza no afaka mitsara fa nibebaka tokoa ilay olona na tsia ? Any anie ilay olana e , asa raha azonareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3751