Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy

21. endriny ( 14/04/2014 18:17)
Ny mpitondra fivavahana dia mitovy amin'ny mpitondra fanjakana sy mpanao politika rehetra ihany na ireo miaramila ambony laharana na mpitsara ambony fahefana: Rehefa ry zareo no manao ny tsy mety dia fifamelana no vahaolana. Fa raha ikotofatsora no nangalatra akoho, dia gadra no valiny (tsy mahazo mahita ny fiarahamonina sy ny fianakaviana an-taonany maro no sady very zo). Ny afera D StraussKan, Ilay tafika amerikanina nanolana ilay kapiteny vavy niara-niasa taminy, Ilay CST nanolana mpianatra tany Antsohihy, ireo mpanolan-jaza Italianina sy Frantsay eto Antananarivo, Nosibe, Diego, Morondava, Toamasina, Ste Marie, Fort Dauphin, Vohemar, Sambava, Mampikony, Antsahanitia, Ambilobe, Ambanja, Sakaraha, Fianarantsoa, Mananjary... Dia inona no nataon'ny fitondrana frantsay na italianina na Malagasy? Ny vahoaka mamono an'ireny indray no gadraina...
Kanefa ireo no taratry ny fiangonana (Frantsay sy Italianina), izay samy Katolika daholo.
Ry TGV avy manao kitoza olona dia raisina manonkana amin'ny vovonan'ny tanora teny Antsonjombe...
Ny lehibe lehibe foana ry namana a...
Rehefa tian'i Obama ho vonoina ianao androany dia maty...
rhaj0:

Aty Kanada izao dia efa hipetraka ho lalAna ny hoe, afaka angatahana hanao vavolombelona ianao ahafahana miampanga ny vadinao. Satria mantsy teo aloha, dia raha fantatrao fa meloka ivadinao, dia afaka mikepoka tsy miteny ianao eny @ Fitsarana. Izay indray izany ny ... soatoavina vaovao aty..

Fa ny an'i Vatican (sy Hery) izany dia.. rahefa mbola tsy niaiky ilay pretra ahiana ho pedophile, dia ny "miahy" azy no lahara-pahamehana (therapy for victims = $6,654,101 - support for offenders = $13,379,000).

Dia f'angaha tsy "zanaky" ny Eglizy koa 'retany ireo zaza voaholana a?

Dia hotry ny dia tamoraina nareo nama izy izany kah...

Ho tantaraiko aoriana, rahefa manam-potoana kely aho, ny nanjo ireo Amerindiana nopotehin-dry reliziosy. Tena tsy ho afaka ato an-tsaiko mandrakizay mihintsy ny sary hitako t@ fandaharana TV taty iny. Hotry ny nifanatri-tava t@ ireo olona ireo aho; ary rahefa mifanena an-dreo eny an-dalana dia mbola tena vaky ny foko. Satria ilay Amerindiana (nopehan-dry reliziosy) dia hotry ny ampitoviako @ gasy (mety nopehan-dry frantsay). Dia ho azonao raha ohatra ka tezitrabe foana aho...

22. hery ( 14/04/2014 19:44)

rhaj0:

Fa ny an'i Vatican (sy Hery) izany dia.. rahefa mbola tsy niaiky ilay pretra ahiana ho pedophile, dia ny "miahy" azy no lahara-pahamehana (therapy for victims = $6,654,101 - support for offenders = $13,379,000).

Tsy hoe rehefa mbola tsy niaiky, fa rehefa mbola tsy voaheloka. Ny olona rehefa mbola tsy voaheloka dia mbola tsy manantsiny izay.
23. hery ( 14/04/2014 19:48)

Fa ny an'i Vatican (sy Hery) izany dia.. rahefa mbola tsy niaiky ilay pretra ahiana ho pedophile, dia ny "miahy" azy no lahara-pahamehana (therapy for victims = $6,654,101 - support for offenders = $13,379,000)

Tsy hoe rehefa tsy niaiky fotsiny izy, fa raha toa ka tsy mbola nisy fanamelohana azy dia mbola tsy manan-tsiny foana ny olona iray.

Raha nisy "zaza voaolana" na zanaky ny Eglizy izy na tsia dia meloka foana ny nanolana azy... rehefa voaporofo taorian'ny fanadihadiana sns. Asan'ny polisy ny mitady ny marina fa tsy rehefa misy "fanoroana hoe itsy nanao an'izao" dia tonga dia melohina. Asan'ny fitsarana sy ny polisy izany.
24. andrywui ( 14/04/2014 20:09)

hery:

Mbola fitoriana tam 2013 izy ireto zany ,,fa raha ty mou ka hipongatra daholo re oul ny voapedofilendry zalah tao anatinny 5taona farany ity ka tsy ho tribunal international no hiafaranty ?? Zavadoza , zavadoza grav grav be grav ,,,tena loza innn ty ,,,merci amn jiro manazava alou ry zalah à
25. rhaj0 ( 14/04/2014 20:14)
Ka ilay manirikiry ny olona @ Vatican anie, raha ny fahazoako azy ary averiko indray, dia hoe,

- TSY (mety) amen'i Vatican ny soratra miakatra isan'ambaratongany ao @ Eglizy ao; nefa ao anatin'ireny arisivy ireny no ahafahana mahalala hoe, noho ny fitarainana inona ilay pretra no nasorina, dia iza no nanapa-kevitra hoe, na dia teo aza ny fitarainana, dia afenina ny ota, na moa angamba izany tonga dia voavela heloka i ra-mpanolana : io ilay hoe "officials who concealed crimes." Toa izany no nahatratrarana an'ny U Pennsylvania.

- ary dia namena paroasy hafa indray ra-mpanolana : io ilay hoe "child endangerment"

Kabary fitaka ambony vavahady, raha ny fahazoako azy, ny an'i Papa Benoa (izay efa nangataka famelana koa hono) sy ny Papa Fransoa : mody hoe polisy/fitsarana nefa TSY misokatra akoriny.

Io ilay samy manana fahitsiany (droiture) ho'a. Ry politisiana rahefa tratrany dia tonga dia misokatra ny arsivy (ohatra ny anay taty, noahiahiana ho manao risoriso rizareo PLC sy PQ, fa tonga dia nosokafan-dreo ny bokim-bolany, fa tsy hoe, ny kabary matavy fa ny firosoana tsy misy).

Dia ny Nations Unies manavoitra izany indray no hotry ny nahazo loza. Dia ny mpanao gazety sy olona mamerina izany no lazaina fa miandry kendry tohina.

Izaho manokana aloha manaraka ny ataon'ny Papa Fransoa, dia tsapako miezaka ihany izy, fa angamba, mbola mafibe ny ao @ Curie ao, na koa lozabe ny vokany raha misokatra (transparent) izy.

Fa efa mijery mibanjina tsara izay ataony rehetra ny olona. Hoy ny tao @ New York Times mantsy hoe, raha ny fahazoako azy, fa efa mahalala ny raharaha manga ny Papa Fransoa saingy tsy (mety) miaiky :
- “The committee is gravely concerned that the Holy See has not acknowledged the extent of the crimes committed, has not taken the necessary measures to address cases of child sexual abuse and to protect children, and has adopted policies and practices which have led to the continuation of the abuse by and the impunity of the perpetrators”
- "...testimony from Bishop Charles J. Scicluna, the Vatican’s chief prosecutor of sexual abuse cases until 2012, who told the panel that “the Holy See gets it."

26. andrywui ( 14/04/2014 20:56)
Rhajo --) merci amnao amle tsy misalasala mamoaka anitony secret ratsy mitady ho sarotsaronana itony ..merci e :*
27. hery ( 14/04/2014 21:07)
Miverina amin'ny voalohany ihany ilay adihevitra :-)

Cas mety mitranga dia tahaka izao. Satria averiko indray fa tsy nisy fitarainana na fitoriana mivantana fa raha vao misy ny fitoriana mivantana dia tsy misakana n'inona n'inona mihitsy ny fiangonana.

Toa izao ilay cas.

Eo amin'ny tanàna iray dia nisy vehivavy kely nisy nanolana. Tsy i mompera ohatra nefa no nanolana fa ny rain'ilay vehivavy. Tsy sahy miteny ilay zazavavy satria rahonan'ilay rainy. Any amin'i mompera ihany izy no niteny, tao anaty konfesy. Ilay mompera dia voafehin'ny konfesy ka tsy afaka milaza na inona na inona na amin'ny Polisy na amin'ny Eveka na Papa aza hoe iza no nanao ilay fanolanana. Mipoaka anefa ny afera dia i mompera no voaendrikendrika satria izay no mampilamina ny sain'ny rehetra. Ilay fianakaviana nefa tsy mahasahy mitory mivantana satria sao dia mipoitra tampoka ny marina. Fa dia atao karazana honohono fotsiny hoe i mompera no meloka. Hadihadian'ny eveka i mompera dia miteny fotsiny hoe tsy izy no meloka. Matoky azy ny eveka. Miely be nefa ny tsaho dia afindra toerana ilay pretra.

Iza no diso eto?

- Ny polisy tsy manadihady tsara ve, tsy mahay ny asany ka mahatonga ilay zazavavy tsy mi-avouer?
- Ny fianakaviana izay tsy mahasahy mitory satria fantany fa hifototra aminy ilay afera?
- Sa mbola ny Fiangonana indray?

Izany no cas matetika mitranga. Fa averiko indray, raha vao misy fitoriana ka raikitra ny tena fanadihadiana ka hita fa hoe meloka ilay pretra dia tsy misy sakana mihitsy.
novalian'i hery ny 14/04/2014 21:06
28. rhaj0 ( 14/04/2014 22:23)
Io "konfesy" io koa izao no isan'ny mahasosotra ny olona, izaho anisany.

Raha taloha, dia eny, ilaina misy olona manana leadership, azo atokisana, "hendry" ka hizarana ny ao am-po sy ao an-tsaina, resaka izay sarotra ho zaraina @ hafa satria mavesatra loatra, na hoe sarotra be ny firohizany.

Fa izao taonjato iainantsika izao, dia efa misy ny psy. Ny psy koa tsy hizara amin'olo ny olanao fa manaja ny sekre profesionaly.

Resaka t@ radio taty t@ herinandro : ka handeha any @ pretra sa handeha any @ psy ?

Ny maha-samy hafa azy, ary tena goavana, dia ny psy izao dia efa tsara fiofanana. Ohatra. Resaky ny mpivady. Ahoana no hitadiavanao toro-hevitra any @ pretra, nefa izy aza tsy mahalala izay ambonin'ny tany ny seksa, na koa ny fandraisany ny vehivavy dia toatoa ny fandraisana ny vehivavy fony testamenta taloha ohatra...

Ny resaka toa izany eo ihany, satria hotry ny hoe safidy ny anao ny manantona an'i dadatoa. Fa eto izao avoakanao Hery ny resaka heloka. Ahoana no mbola hanekena fa nanao heloka bebe vava ny olona iray (fanolanana zaza) dia i Mopera no hanala heloka azy, na hanalefaka ny enjehin'ny eritreriny. Jereo fa i psy izao dia TSY afaky ny mitana izany heloka izany ho sekre profesionaly.

Efa esoeson'ny olona anie ity fomba lany andro ity, hoe inay aho katolika, dia manota, dia mihira ave maria, dia samy miala.

Fa ohatra moa ny an'i Hery. Fa ho tantaraiko aoriana ny ohatra hafa, izay nanjo ireo Amerindiana nopotehin'ny reliziosy.

29. endriny ( 15/04/2014 08:16)

hery:

Miverina amin'ny voalohany ihany ilay adihevitra :-)

Cas mety mitranga dia tahaka izao. Satria averiko indray fa tsy nisy fitarainana na fitoriana mivantana fa raha vao misy ny fitoriana mivantana dia tsy misakana n'inona n'inona mihitsy ny fiangonana.

Toa izao ilay cas.

Eo amin'ny tanàna iray dia nisy vehivavy kely nisy nanolana. Tsy i mompera ohatra nefa no nanolana fa ny rain'ilay vehivavy. Tsy sahy miteny ilay zazavavy satria rahonan'ilay rainy. Any amin'i mompera ihany izy no niteny, tao anaty konfesy. Ilay mompera dia voafehin'ny konfesy ka tsy afaka milaza na inona na inona na amin'ny Polisy na amin'ny Eveka na Papa aza hoe iza no nanao ilay fanolanana. Mipoaka anefa ny afera dia i mompera no voaendrikendrika satria izay no mampilamina ny sain'ny rehetra. Ilay fianakaviana nefa tsy mahasahy mitory mivantana satria sao dia mipoitra tampoka ny marina. Fa dia atao karazana honohono fotsiny hoe i mompera no meloka. Hadihadian'ny eveka i mompera dia miteny fotsiny hoe tsy izy no meloka. Matoky azy ny eveka. Miely be nefa ny tsaho dia afindra toerana ilay pretra.

Iza no diso eto?

- Ny polisy tsy manadihady tsara ve, tsy mahay ny asany ka mahatonga ilay zazavavy tsy mi-avouer?
- Ny fianakaviana izay tsy mahasahy mitory satria fantany fa hifototra aminy ilay afera?
- Sa mbola ny Fiangonana indray?

Izany no cas matetika mitranga. Fa averiko indray, raha vao misy fitoriana ka raikitra ny tena fanadihadiana ka hita fa hoe meloka ilay pretra dia tsy misy sakana mihitsy.

Aleo dia tsoriko mihintsy fa ny anabaviko dia bevohokana mopera teto Mada, mbola vao 16 taona izy tamin'izay. Ilay mopera dia tonga namangy anay mihintsy matetika. Ary io zokinay vavy matoa io no mpanatitra azy hatreny amin'ny arabe niaraka tamin'ny zandrikelinay.
Rehefa nitarainana io tranga io, dia izahay indray no nampitahorina fanjakana, fa manala baraka relijiozy hono hoy ilay kiore. Ary nisy aza ny fanerena an'io anabavinay io hanala ilay zaza teny amin'ireo mpianatra ho dokotera nipetraka teny amin'ny 67 ha, ary ny fikambanana misy ilay mopera no hiantoka ny lany. Fa tsy nanaiky RR nay. Dia voatery nijanona tsy nianatra intsony izy. Ilay mopera avy eo nalefa'ny fikambanany maimaika ho misionera any Italie, ary mbola any ankehitriny. Malagasy io mopera io. Eto Madagasikara dia ny vola no fahamarinana...
30. andrywui ( 15/04/2014 08:36)

endriny:

Endriny --) tokony tsy navela hivoaka teto m.car fa notoriana de tratrin'ny notam teo zany mopera pedofili zan ,,,tokony nojerena ze farany fa ze manao ratsy ve de itsoaka eo daholo ,,,
31. hery ( 15/04/2014 08:41)

endriny:

...Ilay mopera avy eo nalefa'ny fikambanany maimaika ho misionera any Italie, ary mbola any ankehitriny. Malagasy io mopera io. Eto Madagasikara dia ny vola no fahamarinana...

Tsy olan'i Vatican sy ny fiangonana izany fa olanareo sy olan'ny fanjakana malagasy.

Maninona ianareo no tsy nitory? Tsy matoky ny fanjakana? Sa tsy manana porofo matotra?

Raha tena azonareo antoka fa ilay mompera no nanolana ilay zaza tsy ampy taona (izay heloka be vava any Madagasikara) naninona ianareo no nanaiky fotsiny fa tsy nitory?

Raha Malagasy ilay mompera dia azo toriana foana na dia lasa aty ivelany aza... ary azon'ny fanjakana malagasy enjehina tanteraka.

Ka zavatra roa no mitranga:

- Na ianareo tsy tena sur hoe ilay mompera no nahavanon-doza.
- Na ianareo tsy haiko hoe azon'inona ka tsy mahasahy mitory zavatra mamoafady tahaka izany.
32. hery ( 15/04/2014 08:48)

rhaj0:

Io "konfesy" io koa izao no isan'ny mahasosotra ny olona, izaho anisany.

Tsy natao ho an'ny olona io fa natao ho an'ny Katolika :-) donc tsy maninona raha sosotra ny olona. Ny katolika (tena katolika) dia mahalala ny dikany ka tsy sosotra.

rhaj0:

Raha taloha, dia eny, ilaina misy olona manana leadership, azo atokisana, "hendry" ka hizarana ny ao am-po sy ao an-tsaina, resaka izay sarotra ho zaraina @ hafa satria mavesatra loatra, na hoe sarotra be ny firohizany.

Fa izao taonjato iainantsika izao, ...

Mila mahay ny tena dikany dia tsy hahita olana na amin'ny taonjato 22 aza.
Mila miditra katolika :-)

rhaj0:

Resaka t@ radio taty t@ herinandro : ka handeha any @ pretra sa handeha any @ psy ?

Tsy mitovy ka. Euh... fa averiko indray, sarotra ho an'ny tsy katolika ny hahazo ny zavatra ilain'ny katolika.

rhaj0:

Ahoana no hitadiavanao toro-hevitra any @ pretra, nefa izy aza tsy mahalala izay ambonin'ny tany ny seksa,

Hafa be izany resaka izany an. Ohatry ny hoe ny olona marary ihany (na efa avy narary) no afaka manasitrana... tsy voatery hiaina ilay expérience ianao vao afaka mitondra jugement amin'ny zavatra iray. Efa misy koa ny fianarana :-)

rhaj0:

Ahoana no mbola hanekena fa nanao heloka bebe vava ny olona iray (fanolanana zaza) dia i Mopera no hanala heloka azy, na hanalefaka ny enjehin'ny eritreriny. Jereo fa i psy izao dia TSY afaky ny mitana izany heloka izany ho sekre profesionaly.

Tsy mompera no manala heloka azy. Mila fampianarana fohifohy momba ny konfesy ve i rhaj ? Aleo anokafana dinika hafa.

rhaj0:

Efa esoeson'ny olona anie ity fomba lany andro ity, hoe inay aho katolika, dia manota, dia mihira ave maria, dia samy miala.

Normal izany. Tsy hainy ny dikany.
33. andrywui ( 15/04/2014 08:50)
FETSY BE I HERY ,MARANITRA ,! ,SADY POLITICIEN BE NY VALITENINY
MIAIKY AN'I HERY AH E
34. rhaj0 ( 15/04/2014 11:10)
Tena miombo-kalahelo @ Endriny aho. Tsy afa-nianatra intsony izy izany. Tena niova ary nibirioka tanteraka anie ny fiainany e... Ny fiainana materialy sy ny ho avy mety ho ampian'ny fianakaviana sy namana eo ihany, ny ratram-bantana mety ho sitrana ihany, fa ny ratram-po sy ny an-tsainy ao e : tsy afaky ny mahatoky olona noheverina fa atokisana intsony izy... Enga anie efa mety ny anabavinao.

Tsy olan'i Vatican sy ny fiangonana izany fa olanareo sy olan'ny fanjakana malagasy.

O ry Hery a...
- Io efa nampandosirin'ny Eveka (sa Kardinaly) io i ra-mpanolana,
- ary io efa alokalofana sy arovan'i Roma io ra-mpanolana
ka "tsy olana sy olana" @ ahoana? TSY nitsoaka i ra-mpanolana fa nampandosirina ary noarovana. Inona kosa nama no afaka ataon'ilay gasikely, na koa aza ny fanjakana gasikely @ izany...

hery:
Maninona ianareo no tsy nitory?

Tena diso fanantenana (deçu) aminao aho ry Hery. Raha tsy mety hiaiky ny fahadisoana misy iaraha-mahita io moa ianao (tahaka an'i Papa ihany io), na fara-faharatsiny, ahantonao ny jugement-nao, dia izany eo ihany, fa dia tena tsisy fitserana mihintsiny @ilay zavavy izay nibirioka niova tanteraka ny fiainany anie ianao izany e. Ny miahy an'ilay ahiahiana ho ra-mpanolana no laharam-pahamehanao (sy ny Papa).

T@ tapa-bolana angaha izy iny, dia nisy tantara koa tao @ gazety gasy. Naolan-drainy ilay zavavy. Dia te-hitory ilay reniny, fa ny fianakavian-drangahy indray no avo vava, hoe ho ariana ianareo raha manao izany. Ka ilay reny moa tsy an'asa fa miankina @ ra-mpanolana ary dia ... tsy mankaiza e...

Dia tsy hitan'i Hery ve ny "rapport de force" eto ??? en position de force, en position d'autorité, i ra-mpanolana sy i mopera ary Vatican. Dia ahoana ry Hery no olona voa (victime) indray no pehapehanao hoe "tokony" sy "tokony" nanao an'izao sy izao. Ny olona voa (victime) indray no ametrahanao ny ahiahinao, ary tena masiaka ianao @io, fa ilay ahiahiana ho mpanolana kosany dia avelao handeha.
35. rhaj0 ( 15/04/2014 12:31)
... dia miditra @ 2eme round izany izao ny fakana am-bavany an'i Vatican izay ataon'ny UN. jereo ohatra eto :
The UN committee issued a scathing report, accusing Vatican officials of systematically placing their own interests over those of victims. The Vatican condemned the findings as a reflection of “prejudiced” positions of anti-Catholic advocacy groups.
(..)
For the upcoming hearing before the UN Committee Against Torture, the centre argued the rape of children by clergy amounted to torture and inhuman treatment, and the Vatican hasn’t done enough to stop the abuse.
Last Friday, Pope Francis said he took personal responsibility for the “evil” of clergy sex abuse. He sought forgiveness from victims and said the church must be even bolder in efforts to protect children.
But Mary Caplan of the Survivors Network of Those Abused by Priests said children are still vulnerable in the church because “that unhealthy, rigid, secretive, hierarchical, virtually all-male structure is not changing.”

Ilay "institution" mihintsy no voatondro eto an... ka dia atao "sorona" ny ankizy.
36. hery ( 15/04/2014 12:43)
Raha namaky tsara rhaj dia nahita ny position-ko hoe mbola ahiahy fotsiny io cas-n'i endriny io. Ary mandra-pahasahian'ny fianakaviana manenjika ny nanao ratsy dia tompon'andraikitra koa ny fianakaviana.

Ahoana moa no ahalalana tokoa sao sanatria ka ny fianakavian-drazazavavy ihany no namorika saingy moramora kokoa no manenjika an'i mompera? Miala tsiny aho fa izany no cas matetika mitranga. Ny rainy, ny dadatoany, ny anadahiny, ny cousin-ny no manao ratsy fa takotakonana sy aely tsikelikely ny tsaho hoe i mompera. Indrindra moa fa raha afindra toerana tokoa i mompera (izay raha ny tena izy dia 3 taona ihany no ao amin'ny toerana iray) dia izay vao tena malaza be ilay izy.

Izaho dia tena mino fa raha vao misy mompera mahavita manao zavatra tahaka izany dia tsy avelavelan'ny olona fahatany fa toriany avy hatrany. Efa betsaka mantsy ny miandry kendry tohina fotsiny.
37. rhaj0 ( 15/04/2014 13:37)
Io indray ilay "miandry kendry tohina"... dia nareo matanjabe (sy manankarem-be) indray ve ry Hery no "victime" isaka izao miteny izao ny olona.

Ny olana be mampiteny mafy ny olona ka manjary hotry ny hoe ianareo no tifirina fa tsy ilay zava-misy (izay indrindrina foana moa no lazainareo) dia:
- ireo (na ianareo) noandrandraina hanirina indray no mampivandravandra
- amina position d'autoritE ianareo, ary dia malemy (vulnerable) tanteraka ilay eo ambaninao
Ahoana re ry Hery no hitorianao mopera? Tena tsy azonao ve ny fipetrak'ilay reny nanan-janaka voaloan-drainy nefa tsy afaka manao inona fa marofy???

Ny fanenjehana ny mpanolana dia tsy somonga ary tsy hijerena tavan'olona. Isan'andro mihiratra aty dia tratra ary enjehina ohatra mpampianatra, mpanazatra fanatanjahan-tena, dokotera, tompon'andraikitra politika... Tsisy manao hoe "miandry kendry tohina" ny mpampianatra (ohatra) izany ny olona fa mijery sy mamahabaha tsara hoe, hatraiza koa ny andraikitry ny sekoly, hatraiza ny andraikitry ny ordres des medecins, nisy ve ny fombafomba, procedure, torolalana, fiofanana, ets... napetraka mba tsy nisian'izany fanolanana izany ary mba tsy hisiany intsony.

Izany no tadiavin'ny olona. Fa i Vatican moa ... tsy manaiky diso, na koa, ny fahatsapako azy, misy tompon'andraikitra disobe ao fa tiana arovana...

Fa dia afototra @ Vatican ny teny hoe .. Andriamanitra tsy andrinao...
38. hery ( 15/04/2014 13:42)

Ahoana re ry Hery no hitorianao mopera? Tena tsy azonao ve ny fipetrak'ilay reny nanan-janaka voaloan-drainy nefa tsy afaka manao inona fa marofy???

Efa nisy sy misy matetika izany any Madagasikara ka. Misy aza ny voaheloka nefa tsy manan-tsiny (tadidiko farany resaka fananan-tany tany andrefan'Iarivo). Nisy koa no novonoina (fitsaram-bahoaka??)

Averiko indray fa raha ao Madagasikara no misy manao ny tsy mety tahaka izany dia tong dia torian'ny olona.

Fa ny mahatonga hoe tsy misy mitory dia satria tsy tena azo antoka hoe izy no nanao azy ka sao dia mipoitra tokoa ny tena marina.

39. rhaj0 ( 15/04/2014 13:59)
Aoka re ry Hery. Koa na aty Kanada aza, efa nolazaiko teo, fa misy (ary maro) zavavy noteren'ny jiolahim-boto hanao makorelina, nefa dia tsy mety mitory razazavavy satria ... Ary dia sahirana ny polisy fa tsisy inona azony atao (ny any amintsika ny polisy aza tsy manana izay conscience izay akoriny)

Ny tsindry (fizika) ataon'ny jiolahim-boto @ razazavavy ve dia ho mafy noho ny tsindry (moraly) ananan'i mopera sy Vatican??? Nefa ilay razazavavy aza izany efa hoe ho arovana ary tsy haverina intsony @ ireo jiolahimboto. Fa ilay olona voan'i mopera (sy Vatican) kosa mbola hiverina hivavaka sy hiangona.

Tena tsy rariny koatra... tsy rariny koatra. Tena ratra arahin-datsa anie izany ataonareo izany e (add insult to injury)...
40. endriny ( 15/04/2014 14:15)

hery:

Tsy olan'i Vatican sy ny fiangonana izany fa olanareo sy olan'ny fanjakana malagasy.

Maninona ianareo no tsy nitory? Tsy matoky ny fanjakana? Sa tsy manana porofo matotra?

Raha tena azonareo antoka fa ilay mompera no nanolana ilay zaza tsy ampy taona (izay heloka be vava any Madagasikara) naninona ianareo no nanaiky fotsiny fa tsy nitory?

Raha Malagasy ilay mompera dia azo toriana foana na dia lasa aty ivelany aza... ary azon'ny fanjakana malagasy enjehina tanteraka.

Ka zavatra roa no mitranga:

- Na ianareo tsy tena sur hoe ilay mompera no nahavanon-doza.
- Na ianareo tsy haiko hoe azon'inona ka tsy mahasahy mitory zavatra mamoafady tahaka

1 tsy olan'ny fiangonana izany? Fa ilay mopera nga tsy mpitariak fiangonana, no tsy ho olan'ny fiangonana izany
2 efa nitory izahay, ary nametraka ny fitarainana tamin'ny procureur tamin'ny androny, fa ny fitsarana no nanery ny hanaovana raharaham-pihavanana, ary tsy nety nandray intsony ny fitarainana fanampiny nataonay.
3 Hita eto amin'ity famalian'ny Hery ity, izay saika hanao mopera ihany koa, fa tena fomban'ireto mopera ireto mihintsy izany kay ity miteny hoe: "mety ny hafa no namely azy ". Nangataka ny hanaovana fampiatahana eo amin'ny hopitaly ny RR fa nolavin'ny fitsarana.
4 Raha tsy diso ilay mopera naninona no nitsoaka any Italie.
5 dia manodiava anareo ny nahazo, raha izay no mahafaly.
6 i Monseigneur Ramarosandratana aza izay fianakavianay ihany, eny Ambohimangakely dia nilaza mihintsy tamin'ny fotoanany: "Vitsy loatra ny pretra ankehitriny, fa raha mba azo atao dia mba mandefitra kely isika, fa ny zaza no karakaraina rehefa tonga, ary aleo ny ho avy no banjinina". Toa nidika taminay hoe :"adaboy any io raharaha io, fa tsy ahita mangirana akory ianareo"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.654