Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy

1. rhaj0 ( 11/04/2014 14:41)
Ito raharaha ito dia tena mampatezitra mafy ny olona aty. Ary ny filazan'ny sasany aza, dia ity scandale ity no (isan'ny) mampiala ny olona @ Eglizy katolika. Asa raha mba mahataitra anareo ihany izany. Efa noresahiko tatsy ihany fa tiako avoitra manokana eto indray...

Inty ohatra ambany ity ny zava-nisy tao Kebek.. fa io dia niaraka t@ fanimbana ny kolotora sy maha-olona ny amerindiana (nosoloana katolisisma); fa matetika, dia fanapara-pahefana tsotra izao no ataon'ireo pretra sasany ireo.

rhaj0:

Izao ilay tantara. Afaka mi-google ianao, ohatra eto, fa ity ny fahazoako azy.

- Ny gvt kebek, t@ fotoan'androny, 40s-60s, dia manome subvention ho an'ny akanin'ny kamboty sy akanin'ny marary saina (mental institution).
- Ny Reliziosy, izay "nandray ny mission", araka ny filazanao, te-hamadika ireo Amerindiana ho Kristiana, dia "namaritra" fa "kamboty" (na "marary saina") izy ireo, sady @ izay koa mba mahazo subvention ($$ be dia be io).
- Dia ny nataon'ireo Reliziosy dia notereny nosarahiny t@ reniny ireo zaza amerindiana. Nopotehiny ny fanahin'ireo zaza, notereny ho ariana ny kolotora sy ny fokony. An-kerisetra, ary niitatra h@ fanolanana (viol) ny fampiharana izany.
- Raha mahare ny tantara ny nanjo ireo amerindiana ireo ianao, dia ho latsaka ny ranomasonao.. ny ahy aloha tena vonto ny foko: tsy rariny loatra.

Rahefa nanontaniana ilay rangahy sy ramatoa t@ fandaharana TV io, dia nilefika nitomany izy ireo ary nilaza hoe, TSY (afaky ny) mamela (pardonner) an'ireo reliziosy sy ny Eglizy izy ireo.

ireo olona ireo izao dia, na dia (noterena) navadika ho Kristiana aza, dia mino aho fa TSY te-ho @ izany mihintsiny.

(..)

PS: Ny fanjakana kanadiana dia efa nifona sy naneho fialan-tsiny imasom-bahoaka (teny @ Antenimiera) ary manome fanonerana n yAmerindiana @ ankapobeny. I Vatican kosany dia mbola TSY nanao izany, ary na ny info tian'ny olona sokirina aza dia mbola afeniny.
Nisy r-a-d-n'ankizy nilaza tamiko hoe, ny sekoly katolika taty dia nanao fampisehoana (exposition) momba ny amerindiana sy ny nanjo azy t@ ireny fanerena azy ireo ho Kristiana ireny. Tena kepoka sy fanina ilay rangahy... fa i Vatican nefa moa mbola tsy mety miaiky...



Vaovao farany.. dia nangataka famelana noho ny nataon'ireo pretra mpanolana ankizy ny Papa (jereo eto ohatra).

Izaho manokana dia mbola miandry :

- ny mangarahara (transparency) ka ampahafantarina ampahibemaso ary roahina ka atolotra ny Fitsarana (fitsaran'olombelona) ireo pretra mpanolana ankizy; avoaka daholo ny nafenina h@ izay, h@ hoe iza koa no tompon'andraikitra ambony nanafina tao (anisan'ny ahiahiana ny Papa Benoa)

- ny fanonerana ho an'ireo olona voapotika

Raha te-ahalala bebe kokoa ny andinindininy dia eto misy tambatry ny lahatsoratra momba izany.
novalian'i rhaj0 ny 02/07/2014 12:55
2. hery ( 11/04/2014 17:29)
Misaotra tamin'ny vaovao farany :-)

http://bit.ly/1hpHvPt

Ny Vatican dia tsy manaiky raha tsy avy manao fandalinana sy fanadihadiana lalina. Tsy amin'ny zavatra tahaka itony ihany fa na dia amin'ny zavatra positifs ara. Toy ny apparitions, cause des saints, sns

Koa mino aho fa manao fanadihadiana ny Vatican ka hitranga eny ihany ny marina.

Ny mampalahelo fotsiny indraindray dia ny fanaovana tombo sy hala. Tokony izay tratra dia tsikafonina avokoa n'iza n'iza fa tsy miandry kendry tohina ny Fiangonana fotsiny.

Rehefa pedophile dia pedophile na mo.pera na raimpianakaviana na dokotera na prezida sns.
3. rhaj0 ( 11/04/2014 17:56)
hery:
Koa mino aho fa manao fanadihadiana ny Vatican ka hitranga eny ihany ny marina.

Raha ny @ ireo amerindiana dia efa eraky ny fandaharana TV aty Kanada, fa mikepoka tsy miteny mihintsy i Vatican. Ny ONU efa niteny koa.
Atsy @ Wikipedia izao mamintina ny resaka. Ary raha hanaraka ny google-news ny @io ianao dia ho fefika infos.

Raha ny fahatakarako azy, ny "marina" efa fantatra, ary mahafantatra tsara i Vatican, ary efa ela izany. Raha ny fitadidiko, dia dosiE iray teo an-tanan'i Ratzinger io fony izy mbola tsy Papa. Fa maninona mbola kobonina? Misy afenina sa ... andrasana ho "mandry am-piadanana" ireo mpanolana sy ireo tompon'andraikitra mpanafina dia izay vao hoe ... "aza miady @ maty" ?

hery:
Ny mampalahelo fotsiny indraindray dia ny fanaovana tombo sy hala. Tokony izay tratra dia tsikafonina avokoa n'iza n'iza fa tsy miandry kendry tohina ny Fiangonana fotsiny.

Ny aty izao rahefa tratran'ny Fitsaran('olombelona) ny mpanolana, dia atsikafona, ary fantam-bahoana ny anarany sy izay tanàna ipetrahany (rahatrizay tafavoaka ny figadrana izy).

Tsy azoko hoe, maninona ny Eglizy milaza fa "victime" indray @ ity raharaha ity. Ny Eglizy (institution) dia, indraidray, tafapetraka ho ambonin'ny lalAna (tsy mandoa hetra, tsy manao vavolombelona @ heloka bevava izay nanaovan'olo kaonfesio taminy, ...). Manana fahefana ngezabe ny Eglizy, nefa maninona mody mitaraina hoe "victime" sy hoe "voaenjika" toa io ?

(miala tsiny fa hotry ny mety hoe masiaka be, na tezitra be, aho miteny; ny aty Amerika avaratra dia tezitra sy masiaka daholo rahefa mahalala io ataon'ny Eglizy io)
4. hery ( 11/04/2014 18:09)
Ilay fanadihadiana lazaina eto dia jerena hoe "iza", izany hoe tompon'andraikitra manokana, no tena voakasika. Tsy maintsy voamarina sy voaporofo satria olona iray na maro no enjehina.

Marihina fa ny Fiangonana koa dia mijery izay rehetra victimes. Tsy ny fiaraha-monina ihany fa ilay olona tena nianjadian'ny tsy rariny. Eo indrindra no olana izay tsy fantatry ny spekta ety ivelany. Ny tsy famoahana dossier dia mety avy amin'ilay voakasika mivantana (ilay victime) ihany koa, ohatra hoe fiarovana ny fiainany manokana (privacy).

Efa nisy izany hoe ilay victime mihitsy no nangataka ny tsy hanatsikafonana ampahibe-maso ilay raharaha fa mba hanaovana izany ho fanadihadiana anatiny.
5. rhaj0 ( 11/04/2014 18:18)
Tohano (asio reference), ohatra avy @ google-news, ihany ny arosonao. Eto izao milaza fa efa ho $3,000,000,000, 3 milliards de $, no lanin'ny Eglizy, ary 136 @ fitarainana 936 no voaporofo, ary izany dia ny t@ taona lasa fotsiny.

Amiko ny olana dia tsy hoe olona vitsivitsy, pretra sasany, fa olana "institutionnelle" mihintsy, raha lasa toatoa io ambony io ny isa mivoaka.
6. rhaj0 ( 11/04/2014 18:58)
Ahitsiko kely, fa ilay 3 milliards de $ dia nandritra ny 11 taona (fa ilay 136 fitarainana "marina" dia 2013 tokoany).

Fa vao mainka aza mampivonto fo rahefa mijery ny isa mivoaka avy atsy @ ilay rohy teo ianao. Ohatra t@ 2013:
- therapy for victims = $6,654,101
- support for offenders = $13,379,000

Amiko io dia mitaratra fa ny miahy ny "offenders" no lahara-pahamehana ho an'i Eglizy.
7. rhaj0 ( 11/04/2014 19:12)
Valiako kely i Hery raha milaza fa "miandry kendry tohina" ny Eglizy ny olona.

Ohatra tratra nanolana ankizy koa ireo mpanazatra @ fanatanjahan-tena, ohatra eto izao nifafa ny kihony koa ny Oniversity an'i Pennsylvania, ary nivoitra t@ io fa ilay institution (Oniversity) mihintsy no meloka, ireo prezidanèOniversity (Schultz,...) fa tsy ilay olona (mpanazatra Sandusky) fotsiny:
"Senior vice president Gary Schultz and Athletic Director Tim Curley were found to be not credible by the grand jury... state AG Kelly announced that as part of a superseding indictment, Spanier, Curley and Schultz had been charged with grand jury perjury, conspiracy, obstruction of justice, and child endangerment in connection with the scandal."

Ka rahoviana ny Papa no ho enjehina fa nanao "perjury, conspiracy, obstruction of justice, and child endangerment in connection with the scandal" ?
8. sitlo ( 12/04/2014 15:56)
Io izay tsy tratra aloha dia mbola masina be mety ho asandratra ho olomasina mihitsy any aoriana any. Izay tratra indray dia mivarina ho toy olon-drehetra hoe maninona rehefa ny mpivarotra dia tsy misy miteny fa rehefa pretra dia mitabataba daholo... dia faranana amin'ny hoe tsy tena kristinina ireny.
9. endriny ( 13/04/2014 02:45)
Izao ilay hoe FIRAISANA ao amin'ny tompo e...
10. rhaj0 ( 13/04/2014 15:57)
Asa aloha raha ohatra ka ho fafana fotsiny @izao ireto "fanolanana ankizy" (viol/pedophilie) na koa (tohizana) afenina, satria mpiray finoana aminareo ny mpanolana. ary olombe no manafina, fa raha ny aty Amerika avaratra dia tsy ho vitavita foana mihintsy ito raharaha ito, fa dia aza taitra na koa menatra ianareo raha voatsikafona sy voarirarira foana ity resaka ity.

Jereo anie ny taterin'ny google fa tena vonoin'olo ao am-ponja ireny mpanolana ankizy ireny. Hevero hoe, ireo gadra ireo mety namono olona sy nangalatra, nanao izao fahotana mahagadra rehetra izao, fa kosa ny "pedophilie" dia tsy ao anaty soatoavina mihintsy...
11. hery ( 14/04/2014 07:42)
Ny Papa Francois dia nampanantena hentitra fa tsy ho avela ho afa-maina foana izay meloka. Misy ny fanadihadiana fa io nolazaiko io hoe amim-pahamalinana no anaovana izany mba tsy hanenjehana ireo izay tsy meloka. Ary mandra-pahita hoe meloka izy ireo dia miaina ny zony amin'ny mah tsy meloka azy.

Ny kabarin'ny Papa Francois momba an'io dia azo jerena eto: http://www.zenit.org/fr/articles/le-pape-demande-pardon-pour-les-abus-sexuels-commis-par-des-pretres

Indrindray ilay hoe:

Papa Fransoa:

Vous avez parlé avec délicatesse du bon traitement [des enfants]. Je vous remercie pour cette expression délicate. Mais je me appelé sens à prendre sur moi tout le mal que certains prêtres – un nombre assez important, mais pas par rapport à la totalité – à prendre cela sur moi et à demander pardon pour les torts qu’ils ont causés, pour les abus sexuels sur les enfants. L’Église est consciente des préjudices. C’est un préjudice personnel et aussi moral, mais de la part d’hommes d’Église. Et nous ne voulons pas faire marche arrière dans le traitement de ce problème et des sanctions qui doivent être appliquées. Au contraire, je crois que nous devons être très fermes. Avec les enfants, on ne plaisante pas !
12. andrywui ( 14/04/2014 12:18)
Ka raha apongatra ane zany de ho pejy maro no ho voasoratra anarana amin'ireo mompera , presbitera, pretra ,sy ny Pape kou aza io e ,,, tsara ihany alou avoaka daholo ny anarany sy ny fiangonany misy hitandreman'ny oul fa plaintes 136 , miampy pretra 900 mahery efa tratra ireo zany ane tsy resaka saonjo iray lohasaha tsony izy ty zany fa refa hande ny enquête (enga anie) de mety ho tafakatra 50% minimum ity résa-pedofil sy viol ty e ,,,grav , grav ,,grav,
13. hery ( 14/04/2014 13:23)
Tadiavo any amin'ny google any.


Le nombre total des prêtres dans le monde a augmenté de 1.182 par rapport à l’année précédente, atteignant le chiffre de 413.418.
14. rhaj0 ( 14/04/2014 13:28)
Avy eto @ NewYorkTimes ohatra dia hoe:
... a United Nations committee on Wednesday [February 5] called on the Vatican to remove all child abusers from its ranks, report them to law enforcement and open the church’s archives so that bishops and other officials who concealed crimes could be held accountable.

Ary h@ izao izany dia mbola tsy mety manao ny tokony ataony i Vatican, satria, raha ny fahazoako azy, dia tsy ekeny ilay soatoavin'ny olona hoe : "...officials who concealed crimes could be held accountable." na hoe, izay tompon'andraikitra manafin-keloky ny namany dia .. tompon'andraikitra. Satria ho'a, Ingahy Ratzinger no ahiahiana ho mpanafin-keloky ny namany io.

Hotry ny hoe izaho na ny UN no sakay kely rano @n'a pas, fa akipilio kely fotsiny anie ny maha-katolika an-dreo (sy anao) dia mba hevero @ saina tsy miangatra (objectivement) anie e :
- manao ny nataony i mpanolana. Izy no tompon'ny fahefana (leader) ary nampiasainy izany fahefana izany hanolanana ankizy.
- mitaraina @ tompon'andraikitra ambony ny olona. Toa tsisy bedy anefa, tsy antsoina polisy, fa vao mainka amen'ireo tompon'andraikitra seza any an-kafa i mpanolana, dia vao mainka ilehio manohy ny nataony.

Dia ianao ve tsy mba hijery ilay zaza? fa ilay mpanolana sy ilay tompon'andraikitra no mampalahelo anao?
15. hery ( 14/04/2014 13:37)
Tsy manana immunité na amin'ny inona na amin'ny inona ny pretra. Azon'izay victime torina izy... ary efa nisy ireo notorina. Fa nahoana no manjary atolaka amin'ny hoe mpitondra Fiangonana ilay izy? Fa angaha tsy manana fahefana hisambotra ry zareo raha toa ka meloka tokoa? (tahaka izay efa nitranga).

Fa ny olana dia satria tsy misy na mbola tsy ampy ny porofo eo am-pelantanan'ny mpanozongozondoha (procureurs) satria ilay tena victimes (ilay zaza na ny fianakaviany) dia tsy manaiky ny hamoahana ilay tantara aloha (privacy sns). Koa ny Fiangonana dia tsy manafina fa raha tena misy porofo ka misy fanamelohana dia eo ambany fahefan'ny fanjakana tahaka ny olon-drehetra ny pretra sy ny eveka.

Ka io ilay efa nolazaiko etsy ambony hoe matetika dia misy ny réparation izay atao amin'ny victimes izay tena voaporofo tokoa ary izy ireo ihany, ho fiarovana ny privacy-ny, no mangataka ny tsy hanapoahana ilay raharaha.
16. rhaj0 ( 14/04/2014 14:36)
Ny olana dia TSY miara-miasa @ polisy i Vatican. Raha atao kisarisary dia toa ny Maffia, mifanafin-keloka, zareo. MIno ny rehetra fa ny dosiE teo am-pela-tanan'i Ratzinger dia afaka manazava raharaha maro. Izany no notondroin'ny Nations Unies teo, fa h@ izao, ankehitrio isika miteny izao, dia mbola TSY (mety) miara-miasa (sahala @ olona rehetra) i Vatican.

The report, however, was sharply critical of the church’s current practices, not just those of the past. “The committee is gravely concerned that the Holy See has not acknowledged the extent of the crimes committed, has not taken the necessary measures to address cases of child sexual abuse and to protect children, and has adopted policies and practices which have led to the continuation of the abuse by and the impunity of the perpetrators,” the report concluded. (loharano New York Times)


ilay hoe "mitady privacy" na akory aza hoe, tsy te-hampiakatra ny raharaha ny voaholana sy ny fianakaviany.
Raha ny fahatakarako azy, dia, kisarisary ihany, dia toa ireo makorelina, izay efa priatin'ny jiolahim-boto, nefa tsy mety hitory ny jiolahim-boto. Satria nahoana. Satria manana fahefana goavana iretsy jiolahim-boto. Ary ny fahefan'i Vatican dia ngezabe. Tsy hoe mahery setra na hoe lava tanana i Vatican, fa ny fahefana moralin'i Vatican dia tena mafibe, ka manindry ireo olona (voaholana sy ny fianakaviany).
Na kisarisary hafa. Raha ny rainao niteraka anao no nanolana anao, dia betsaka ny chance fa tsy ho sahy hitory ianao, na ny fianakavianao.

Ka raha 136 @ fitarainana 936 no voaporofo fa mitombona, ity taona 2013 fotsiny, dia ... mino aho fa mihoatra ny 136 no fitarainana marina, f'izany hoe...
17. hery ( 14/04/2014 14:48)
Tsy heloka ho an'i Vatican ny tsy manolotra anarana any amin'ny polisy indrindra raha mbola tsy azony antoka sy voaporofo fa meloka ny olona iray.
Ny pretra dia zanaka ho an'i Vatican (tahaka ny zanaka amin'ny ray). Raha ilay zanaka mitsotra hoe meloka dia anjaran'i Vatican (efa niseho izany) ny miteny azy hitolo-tena any amin'ny fitsaràna. Izay no tsy mampitovy azy amin'ny Mafia satria tsy resaka fahefana fa resaka fitiavana.

Anjaran'ny polisy no manao fanadihadiana sy famotorana, raha tena manao izy dia ilay olona eritreretina fa victime (izay mbola velona soa amantsara ary afaka mijoro ho vavolombelona) no ahazoany infos betsaka kokoa noho ny Vatican. Izany no fanaovana famotorana n'aiza n'aiza.

Fa matetika dia midona amin'ny poteau ny polisy satria ilay olona heverina ho victime tsy mety hanaovana famotorana.
18. rhaj0 ( 14/04/2014 15:01)
Eny.. izay no nataoko kisarisary hoe, ireo makorelina, na ankizivavy noterena ho makorelina ny marimarina kokoa, dia tena manahirana ny polisy, satria na dia an-tery setra aza no nahalatsahan-drajazvavy tao, dia tsy mety miteny izy, satria mbola matahotra ny alok'ireo jiolahiim-boto nanery azy.

O ry Hery a.. "am-pitiavana" @ ahoana ny fandraisan'i Vatican ireo pretra ahiana ho pedophile ?

raha ny zanakao izany ohatra ahian'olo fa nangalatra, dia, raha mbola tsy miaiky izy dia mbola arovanao foana ?

Ka dia samy manana ny fahitsiany (droiture) tokoany izany. Raha izaho, dia apetrako an-tanan'ny profesionelin'ny lalAna ny raharaha; fa tohanako ary hanao mpisolo vava (avocat) an'azy aho, fa kosa TSY hanafina azy na hampandositra azy @ lalAna.
19. hery ( 14/04/2014 15:54)
Fa ahoana moa ilay hoe tay manolotra sy manolotra? Ny mise à la diaposition dia nisy sy miay foana. Fa ny fitsarana mihitsy no tsy afa-manoatra satria tsy feno ny porofo.

Eny, raha ny zanako no ahiahiana fotsiny hoe nanao ratsy dia arovako mandra-pahita hoe meloka. Anisan'ny fiarovana azy ny fiezahana manaporofo hoe tsy meloka izy.

Betsaka ny anton'ny fiahiahiana. Mety tsy fitiavana fotsiny, mety fialonana fotsiny ka mba mailo koa ny Fiangonana. Fa raha voaporofo kosa ny heloka dia tsy miditra maningotra ny fitsarana ny Fiangonana
20. rhaj0 ( 14/04/2014 17:20)
Aty Kanada izao dia efa hipetraka ho lalAna ny hoe, afaka angatahana hanao vavolombelona ianao ahafahana miampanga ny vadinao. Satria mantsy teo aloha, dia raha fantatrao fa meloka ivadinao, dia afaka mikepoka tsy miteny ianao eny @ Fitsarana. Izay indray izany ny ... soatoavina vaovao aty..

Fa ny an'i Vatican (sy Hery) izany dia.. rahefa mbola tsy niaiky ilay pretra ahiana ho pedophile, dia ny "miahy" azy no lahara-pahamehana (therapy for victims = $6,654,101 - support for offenders = $13,379,000).

Dia f'angaha tsy "zanaky" ny Eglizy koa 'retany ireo zaza voaholana a?

Dia hotry ny dia tamoraina nareo nama izy izany kah...

Ho tantaraiko aoriana, rahefa manam-potoana kely aho, ny nanjo ireo Amerindiana nopotehin-dry reliziosy. Tena tsy ho afaka ato an-tsaiko mandrakizay mihintsy ny sary hitako t@ fandaharana TV taty iny. Hotry ny nifanatri-tava t@ ireo olona ireo aho; ary rahefa mifanena an-dreo eny an-dalana dia mbola tena vaky ny foko. Satria ilay Amerindiana (nopehan-dry reliziosy) dia hotry ny ampitoviako @ gasy (mety nopehan-dry frantsay). Dia ho azonao raha ohatra ka tezitrabe foana aho...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4415