Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy

41. endriny ( 15/04/2014 14:28)
Rehefa tsy tanty ilay tsy manao dia tokony tsy midedaka manao mopera na frera na masera, fa raha tsy rehefa avy dia manararaotra ankizy hilalaovana fotsiny. Izay angamba no fahendrena lehibe.
Fa tsy hoe simabinao ny zanak'olona dia rehefa avy eo mody omenao asa ho sekretera, na mpahandro sakafo no anareo mianakavy mba hoe fitsinjovana hono izany... Koa raha tsy paiso ny olona koa...
Eto Madagasikara dia mbola ny fiangonana sy ny mpitondra azy no ambonin'ny lalana. Vazaha fadiranovana mpanolan-jaza aza moa tsy sahiny atao na inona na inona koa maika fa mopera na frera...
42. hery ( 15/04/2014 14:34)

Rehefa tsy tanty ilay tsy manao dia tokony tsy midedaka manao mopera na frera na masera, fa raha tsy rehefa avy dia manararaotra ankizy hilalaovana fotsiny.


Valide ho an'ny rehetra io.
Misy koa (ary betsaka noho ny mompera) ireo olontsotra manararaotra sy milalao ankizy.

Ka ny teniko dia hoe raha misy an'izany dia torio, avoahy gazety sns.

Mahagaga anie hoe tsy tiana ilay fiangonana nefa mbola ekena ihany izay lazain'ilay eveka, ary manaiky raharaham-pihavanana izany e. Izany raharaham-pihavanan izany dia midika fa fanekena. Olona nanimba anao izao ve dia mbola manaiky ianao hanao raharaham-pihavanana raha tsy hoe manaiky? Ka rehefa manaiky dia tsy tokony hitroatra intsony.
43. rhaj0 ( 15/04/2014 16:43)
Izao no nanjo ny Amerindiana (nopehan-dry reliziosy). Efa nisy nandravina t@ wikipedia ny tantarabe ny nanjo ny taty Kebek, fa ny hitako t@ ilay fandaharana no hanampiako azy.

- nanomboka tany @ taona 1940 ka h@ 1960 ary efa an'arivony (3000 sisa velona tany @ 90s ary 300-400 sisa izao) ny zaza amerindiana no navadika ho katolika t@ akanin'ny kamboty sy/na marary saina notantanan'ny reliziosy.

- dia nosarahana an-keriny t@ reniny (sy ny fokony) ireto zaza. Nisy sary naseho, fa raofina @ kamio ireto zaza, ary ireo reniny dia mihanahana eo amoron-dalana. Dia lazaina fa "kamboty" (na marary saina) ireo zaza. Izany dia mba azahoan'ny reliziosy subvention @ fanjakana.

- ny tanjon'ny reliziosy, dia ny ampa-katolika ireto zaza. Nopotehina ny maha-amerindiana azy. Nitantara ilay rangahy, fa fony kely izy, dia TSY avelan-dry masera manao sari-na hazo akoriny aza, satria ny hazo sy ny natiora, dia mifamatotra mafy @ kolotora amerindiana. Noharatsiana koa ny kolotora (sy ny foko) amerindiana, ary (noterena) noderaina ny katolisisma.
Vokany: tsy tia intsony, ary menatra ny kolotorany sy ny fokony ilay zaza. Ary nony lehibe izy, rahefa niala tao @ "akany" dia tsy te-hierika @ fokony (sy r-a-d-ny) mihintsy intsony. Tsy manana estime de soi izy, ary dia lasa mpisotro toaka be sy mpidaina. Toa tsy ampy fianarana koa moa izy (zavatra hafa no fototry ny "fampianarana" ao @ akany reliziozy) ka dia mitsipozipozy teny daholo zareo.

- an-kerisetra sy an-katerena no fiainana miaraka @ reliziosy (fitia rotsa-kazo kristiana) ary niitatra t@ fanolanana (abus sexuel et viol). Mitantara ilay rangahy ny nanaovan'i masera ankeriny azy. Mitantara koa ilay ramatoa fa tsy vitan'ny alikalikain'ireo reliziosy fa viravirainy koa.
Vokany: tsy mahalala izany fitiavana sy fifanajana izany mihintsy ireo zaza, ary nony lehibe izy, dia ny manao ankerisetra sy ankaterena ny vady aman-janany koa no nataony (izany ho hany hainy sy fantany).


Potika tanteraka ny fiainana/fisainanan'ireto olona noho ny niainany t@ ity "akany reliziosy". Efa am-polo-taonany taty aoriana ny fandaharana sy entrevue nataon'ilay TV, efa 50-60 taona ireo olona, fa rahefa mi-zoom @ tarehiny ny TV, dia hitako mihintsy hoe, dia tonga @ fitenin'ny gasy hoe : "very fanahy mbola velona" ireto olona. Ny vatany hitako efa marefo, ny fijeriny... tena rava. Dia rahefa mahita amerindiana eny an-dalana aho, dia mijery ny ati-masony, fa ... mampitomany.


Ny Orphelins de Duplessis dia ao Kebek, ary santionany ny nanjo ny amerindiana, fa ny tany an-kafa koa toatoa izay ihany.


Efa miezaka ny hiarina ireto olona. Natsangana ilay hoe Verite et Reconciliation (jereo ohatra eto). Fa ny notantarain'ilay rangahy dia... rahefa raikitra ny fivoriambe (satria mandehandeha ilay Commision mamory olona @ tranom-pokonolona), dia ... tsy tonga akoriny ireo mpamely. Mialahoala ny Eglizy, ary lazainy fa tsy izy irery ary tsy ny katolika rehetra hono no namely tao, ary koa hoe, miangatra ilay Commission fa tonga dia hotry ny meloka foana izy raha vao mipoitra.


Ka dia eo izany isika izao.

Ny ironie (cynisme gaigibe no fahatsapako azy) hitako fotsiny dia, in-1 mandeha, avy niresaka momba ilay Verite Reconciliation ny TV ka nanipika ny alahelo ngezaben'ireo amerindiana (@ ireto reliziosy), dia ny ampitsony, fifandrifin-javatra, fa nasandratr'i Papa Benoa ho masina re i Kateri Tekakwitha...


Fa miezaka ny miarina ireo amerindiana. Dia hoy zareo : ny reconciliation dia miatomboka @
1- izaho sy ny tenako
2- izaho sy ny vady aman-janako
3- fa raha ny @ reliziosy sy ny Eglizy, dia TSY afaky ny hamela (pardonner) an-jareo aho.
Latsa-dranomaso ilay zanany teo akaikiny... izaho koa.


Dia ny sary nasehon'ilay TV namaranana ny entrevue, dia iny rangahy lasa ... misiontsiona irery...

(tena raikitra mandrakizay ato an-tsaiko ireo sary ireo, ary ho tezitra sy malahelo foana koa aho... mandrakizay)
44. andrywui ( 15/04/2014 18:36)
rhajo --) tena gina tanteraka ah ,,,i hery kou itako mitantakolaka sisa fa na i hery aza toa tsy mahalala izany zavatra izany akory o???
Fa tena zavadoza amnatambo mitsy fa tena misy ny olona maka endrikolona fa tena devoly mihitsy n'a ampiasainy tsotra izao ..
Mampalaelo le tantara ,le izy tsy olona 10 na 20 fa le izy olona aminanaliny no nanaparana azy no mapalaelo be aminy . Tohizo ry zalah à
45. hery ( 15/04/2014 18:53)
Efa mivoana ihany aloha ilay resaka satria resaka pretra sasany nanolana ankizy no niantombohany.

Ny pretra lazaina fa nanolana ankizy mantsy dia tantara amin'izao fotoana izao, mbola azo enjehina sy azo ifanazavana. Raha ny tantara taloha dia sarotra ny hitsara avy hatrany raha tsy mahalala ny tena tantara fa mihaino feon-dakolosy tokana. Izaho aloha tsy manana ambara fa dia ny feon-dakolosin'i rhaj izany izao no henoko dia miandry izay feon-dakolosy hafa aho.

Fa tsy haiko mihitsy hoe inona daholo no nitranga tamin'izany fotoana izany. Tamin'ireny fotoana ireny koa mantsy no nisian'ny fandroahana, fanenjehana ny kristianina, ny fandorana sy famonoana relijiozy. Eny fa na dia tao Madagasikara aza. Ka izay no teneniko hoe rehefa aty aoriana manao relecture dia mahita hoe tena habibiana no nitranga fa isika tsy niaina tamin'izany fotoana izany.

46. rhaj0 ( 15/04/2014 19:19)
Efa napetrako tetsy ambony ny rohy wikipedia (tsindrio rahefa voatsipika ny teny e... ianao indray ve toroina @izany) : inty : http://fr.wikipedia.org/wiki/Orphelins_de_Duplessis
na dia googler-o ao fotsiny f'aza mba miandry feon-dakolosy haneno izany e... (ny hanafina azy aza ho ataon-dreo raha manana safidy sy fahefana eto @ internety izy)
http://lmgtfy.com/?q=orphelins+de+duplessis


Ary zava-misy t@ 1940 io notanteriko io, ary mbola velona ireo voaholana.

Ny @ pretra (sasany) mpanolana koa, dia mbola velona koa ireo voaholana, fa santionany izany iretsy orphelins de duplessis, ary @ito azany dia aoka hazava, fa tena ilay "institution" no tena meloka (raha ny fahitako azy) fa tsy hoe ilay reliziosy isan'isany.


Fa dia asa ho'a... mavesatra amiko ilay sary raikitra ato an-tsaiko. Asa ny anao.. asa ny an'ny Papa.. efa betsaka ireo amerindiana no nodimandry, nitondra ny alahelony any am-pasana; ny sisa tavela mbola... tsy afa-bela.
47. andrywui ( 15/04/2014 19:58)
Mampalaelo mafy izy zany rhajo !!!!! ....soa fa ny tantara tsy fanadino , saika mbola ho afenimpenina n'a handrahonana anzay mitady hamoaka azy izany izy io taloha ,fa noho ity internet ity sy ny fahafahana malalaka amzao de tsy azo afenina intsony ,
Zavadoza otrzany kay ity resaka mody afenimpenina amn " sampankazo , rano voahasina ,karemy ,fanomezatoky ,lavenona...etc ity "
Mampalaelo ireo amerindiana !!!
48. rhaj0 ( 15/04/2014 20:29)
Namadibadika ny google sy goggle-image avy t@ rohy teo aho fa dia mbola vaky fo.. "Aza voany fotsiny," hoz'i mopera :(

Fa ny tohiny dia ho ahoana.

Raha izaho manokana dia maniry ahita an'i Papa Fransoa
- hiaiky fa meloka t@ nataony (sy ny tsy nataony) ny Eglizy (toa mbola tsy nataon'ny Papa izay),
- hiala tsiny ampahibemaso (efa nataony, fa tsikaritro, fa efa nihaona t@ amerindiana i Benoa sa i Fransoa izy teo, fa mbola tsy afa-po ireo amerindiana.. mbola ho zahavina indray izany ny reference @io),
- hanokatra ny boky/arsivy (mbola tsy natao). Ito izao no olanabe fa mety tsy ho ataony mihintsy.
- ary hanome fanonerana (nataony tapany)
ary izany dia @ fomba ofisialy... ohatra rehefa Paska izao, ary ataony mahitsy TSY miolankolana.


Ilay "manokatra ny boky/arsivy" dia ahafahan'ny sosaiety sivily sy ny UN sy ny Fitsarana miara-mandinika :
- iza no tompon'andraikitra nanafina tao (accountability) fa tsy asosasosa any fotsiny ity raharaha ity
- ahoana ny fombafomba, procedure, torolalana, fiofanana na fampianarana namena ny eo ambany fifehezan'ny Eglizy, mba ahafahana mamboatra sy mitsinjo hoe ahoana ny ho avy mba tsy hisian'izany intsony. Miaraka @ olona IVELAN'NY Eglizy io, raha ny hevitro, satria miaina anaty sosaiety sy ny lalAna velon'ny sosaiety ny Eglizy (fa tsy ambonin'ny lalAna intsony; hafa ny taloha tsy nipataloha)


Izaho manokana dia mahita fa misoka-tsaina ary misokatra fo be mihintsy ny Papa Fransoa fa voafatotry ny ... tsy fantatro ao:
- hoe, mety voakitika h@ Papa Benoa ve raha misokatra eo ny boky? (efa betsaka no mino fa ho tratra ao ny dian-tanan'i Benoa)
- sa ve hoe, ny autoritE an'ny Eglizy mihintsy no ho potika raha mahalala ny zava-misy ny olona? F'angaha moa tsy ao anaty baiboly ny hoe "heloka hibaboana mody rariny?" ary efa "lasa anie ny olona" izao e... raha ny aty Amerika Avaratra ho'a dia ny beantitra sy ny mpihavy sisa no mandeha any am-piangonana..


Fa dia iaraha-mahita eo e...
49. rhaj0 ( 15/04/2014 20:36)
(fanampiny kely...) sa ve hoe, dia miziriziry fotsiny fa TSY diso mihintsy ny Eglizy sy ny Papa..

Mino aho fa tsy @ izany ny Papa Fransoa.. asa anefa..
50. andrywui ( 15/04/2014 21:20)
Le izy kou anie tsy hoe efa taloha be araky n'y filazan'ny hery azy kou fa misy fitoriana sy évolution vaovao foana e , etsy ankilany ireo fitoriana 139. Efa misokatra sy ireo 900 mahery efa nitsofoka tamn 2013 ,,, mbola tantara itohy be zany izy ity fa de matezah ry aina ahita ny marina
51. andrywui ( 15/04/2014 21:28)
SENDRA NY TAOLANA ITY I HERY MARINA KA MIKOTRONIFY TSY FIDINY .
MAFY LOATRA LE ATTAQUE ALEFAN'I RHAJO
52. hery ( 15/04/2014 22:17)
:-)
Hay attaque ilay izy? :-)

Izaho manokana dia matoky ny Fiangonana hoe mandinika izany rehetra izany izy, tsilovin'ny Fanahy Masina rahateo. Raha misy izay hadisoana nataony dia tsy maintsy hifona izy ary tsy maintsy hisy ny réparation araka izay tokony ho izy. Saingy araka ny nolazaiko tamin'ny resaka niandohan'ity dinika ity dia manao fanadihadiana lalina ny Eglizy, tsy amin'ny tsara iderana azy ihany (ohatra hoe apparitions, miracles sns) fa amin'ny ratsy anenjehana azy koa (tahaka itony resaka amerindiens itony).

Efa ela be, ohatra, no nitranga ny "inquisition" nefa taty aoriana be ny Fiangonana vao nahavita ny fanadihadiana rehetra ka nahitany hoe nisy tokoa ny hadisoan'ny Fiangonana. Dia nangata-pamelana izy. Fa betsaka kosa ireo izay zava-nitranga tsapan'ny Fiangonana fa tsy nanaovany heloka ka tsy misy ny antony hangataham-pamelana.

Koa raha tsy ampy ny elements omenareo ny Fiangonana (feon-dakolosy tokana) dia tsy maintsy miezaka mitady izany samy irery ny Fiangonana.

Ka izay foana no teneniko hoe Torio raha misy tsy mety
53. rhaj0 ( 16/04/2014 02:17)
Dia mila ahitsiko fa TSY mieritreritra "attaque" izany aho. Tsikaritro koa in-1 mandeha fa nisy nilaza fa ny "manaratsy ny fivavahana" foana fotsiny no ataoko eto. MIzara fomba fijery no ataoko eto. Araka ilay filazan'ilay Hindu sa Sikh in-1 mandeha, fa jamba miodidina elefanta anie isika rehetra, ka samy milaza izay tandrify azy, ary tsisy afaka mitompo teny fantatra fa ny azy irery no marina, ary raha milaza i Rakoto fa "manaratsy" na mi-attaque azy i Rabe, izay mba mizara ny fahatsapany eo fotsiny, dia... ianao no olana Rakoto a...


Fa raha ny @ hoe ny Fiangonana mbola mila elements (feon-dakolosy hafa) dia be dia be ireo eraky ny internety.. raha tsy hoe, ilay feon-dakolosy tian'i Fiangonana no andrasana, dia izay no ho velezina. Ny mamparikivy sa mahakivy an'io dia.. ny feon-dakolosin'ny Fiangonana (ny arsivy fenjainy tsy hivoaka) anie aza tsy mety ... "toriany", nefa tokony "mety" tsara mihintsy izao arsivy-tsy-mety-avoaka ao izao... aoka ho'a...
54. rhaj0 ( 28/04/2014 17:15)
hitako ihany ilay tapa-dahatsoratra an-gazety tiako zaraina aminareo, indrindra i Hery izay milaza fa "torio, torio", nefany jereo tsara ito ohatra raha atao fampitaha...

http://www.lexpressmada.com/violences-madagascar/48636-les-pressions-sociales-bloquent-les-plaintes.html
Des femmes retirent leur plainte pour violence à cause de la pression sociale. (...) « Sa famille m'a menacée de nous rejeter mes enfants et moi, si je mets les pieds au tribunal. De plus, nos voisins m'ont demandée qui nourrirait les enfants si jamais mon mari allait en prison, c'est pourquoi j'ai retiré ma plainte », confie la femme au foyer.


Dia hevero @ izany. Iza no ahasahy hitory an'i Mopera mpanolana raha ohatra ka
- hifanandrina @ mahery (eveka sy ny eglizy) no ho atao eny @ tribonaly (ohatra ilay mopera nampandosirin'ny lehibeny)
- mbola mila ilay sakafo(m-panahin'ny Eglizy) izy...

Tena tsy rariny ny hevitra "torianareo" ry Hery a...
55. dadasy ( 08/05/2014 04:38)
Salama Rhaj0.

Tsy haiko izay tena tanjonao amin'ilay lohahevitra mikasika ny native indians. Raha te hahafantatra lalindalina kokoa ianao dia tsara raha manatona ireo mety hahalala bebe kokoa dia afaka manao fanadihadiana. Izaho, Dadasy, dia afaka manome fanazavana bebe kokoa ho anao mikasika ireo native indians ireo raha mila fanazavana ianao. Pretra aho, mipetraka eto ottawa, Canada ary ny malagasy rehetra eto ottawa dia mahafantatra ahy. Raha misalasala ianao dia afaka manontany any @ ambasady. Hasina no anarako, mpianatra lalan'ny fiangonana aho, eo ampanoratana ny these de doctorat amin'izany ankehitriny. Miasa any amin'ny native indians aho, mitety ny indian reserves eto ontario, quebec sy New Brunswick, hatrany any halifax sy vancouver aho. Tsy de mba miditra eto aho, ary tsy dia mba mamaky hafatra matetika ato. hitako lavabe ilay resaka momba ity ka dia izay no nanoratako.

Dadasy
rhaj0:

Ito raharaha ito dia tena mampatezitra mafy ny olona aty. Ary ny filazan'ny sasany aza, dia ity scandale ity no (isan'ny) mampiala ny olona @ Eglizy katolika. Asa raha mba mahataitra anareo ihany izany. Efa noresahiko tatsy ihany fa tiako avoitra manokana eto indray...

Inty ohatra ambany ity ny zava-nisy tao Kebek.. fa io dia niaraka t@ fanimbana ny kolotora sy maha-olona ny amerindiana (nosoloana katolisisma); fa matetika, dia fanapara-pahefana tsotra izao no ataon'ireo pretra sasany ireo.

rhaj0:

Izao ilay tantara. Afaka mi-google ianao, ohatra eto, fa ity ny fahazoako azy.

- Ny gvt kebek, t@ fotoan'androny, 40s-60s, dia manome subvention ho an'ny akanin'ny kamboty sy akanin'ny marary saina (mental institution).
- Ny Reliziosy, izay "nandray ny mission", araka ny filazanao, te-hamadika ireo Amerindiana ho Kristiana, dia "namaritra" fa "kamboty" (na "marary saina") izy ireo, sady @ izay koa mba mahazo subvention ($$ be dia be io).
- Dia ny nataon'ireo Reliziosy dia notereny nosarahiny t@ reniny ireo zaza amerindiana. Nopotehiny ny fanahin'ireo zaza, notereny ho ariana ny kolotora sy ny fokony. An-kerisetra, ary niitatra h@ fanolanana (viol) ny fampiharana izany.
- Raha mahare ny tantara ny nanjo ireo amerindiana ireo ianao, dia ho latsaka ny ranomasonao.. ny ahy aloha tena vonto ny foko: tsy rariny loatra.

Rahefa nanontaniana ilay rangahy sy ramatoa t@ fandaharana TV io, dia nilefika nitomany izy ireo ary nilaza hoe, TSY (afaky ny) mamela (pardonner) an'ireo reliziosy sy ny Eglizy izy ireo.

ireo olona ireo izao dia, na dia (noterena) navadika ho Kristiana aza, dia mino aho fa TSY te-ho @ izany mihintsiny.

(..)

PS: Ny fanjakana kanadiana dia efa nifona sy naneho fialan-tsiny imasom-bahoaka (teny @ Antenimiera) ary manome fanonerana n yAmerindiana @ ankapobeny. I Vatican kosany dia mbola TSY nanao izany, ary na ny info tian'ny olona sokirina aza dia mbola afeniny.
Nisy r-a-d-n'ankizy nilaza tamiko hoe, ny sekoly katolika taty dia nanao fampisehoana (exposition) momba ny amerindiana sy ny nanjo azy t@ ireny fanerena azy ireo ho Kristiana ireny. Tena kepoka sy fanina ilay rangahy... fa i Vatican nefa moa mbola tsy mety miaiky...



Vaovao farany.. dia nangataka famelana noho ny nataon'ireo pretra mpanolana ankizy ny Papa (jereo eto ohatra).

Izaho manokana dia mbola miandry :

- ny mangarahara (transparency) ka ampahafantarina ampahibemaso ary roahina ka atolotra ny Fitsarana (fitsaran'olombelona) ireo pretra mpanolana ankizy; avoaka daholo ny nafenina h@ izay, h@ hoe iza koa no tompon'andraikitra ambony nanafina tao (anisan'ny ahiahiana ny Papa Benoa)

- ny fanonerana ho an'ireo olona voapotika

Raha te-ahalala bebe kokoa ny andinindininy dia eto misy tambatry ny lahatsoratra momba izany.
56. mpisotrtoaka ( 02/07/2014 12:39)
Ty rhaj0 ity d tena faly ny hampisangaojy lafin-javatra maro ! Aza fohana miaraka amin'ny vôniny intsony le zavatra fa tsy ho EINSTEIN rahoviana Ingahy ! Miala tsiny fa sahala amin'ireny olona ts mety diso s tsy hay hanazavan-javatra ireny miits Ingahy hany ka nomeko ny hafatra !
57. rhaj0 ( 02/07/2014 12:55)

mpisotrtoaka:
Miala tsiny fa sahala amin'ireny olona ts mety diso s tsy hay hanazavan-javatra ireny miits Ingahy hany ka nomeko ny hafatra !

Ireo references eraky ny gazety ireo iadianao hevitra re ry Mpisotrtoaka fa tsy ny tenabeko no ampidirinao @ resaka ao (izaho angaha no sujet?) ... sa tsy ao @ Baiboly ireo dia tsy asianareo Mpisotrtoaka sira ? (sa ny fiainan'ny olona mihintsy no tsy asianareo Mpisotrtoaka sira ?)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2262