Fomba iray hentina haneren'i Bibidia ny olona tsirairay hanaraka ny heviny ny banque

1. Maranatha ( 11/03/2014 10:42)
Apok 13:16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.

Ny banque dia fomba iray hanatanterahana ilay hoe tsy mahazo "mividy na mivarotra". Amin'izao fotoana izao dia miroborobo tokoa ny fisarihana ny sain'ny olona mba hametraka ny volany any @ banque na ireny microcredit ireny izay miara-miasa matetika @ ireo operateur telephonique . Tambatambazana mihintsy ny olona tsirairay ankehitriny mba hiiditra amin'izy io. Indrindra moa etsy andaniny dia marobe koa ny tsy fandriam-pahalemana izay mahatonga ny olona hieritreritra ny hametraka ny volany any @ banque. Na ny mpiasa @ zone france dia efa any no maka ny karamany, ny mpivarotra, ny mmpanao asa-tena ny mpiasam-panjakana dia tambatambazany ( @ fahafahana midram-bola ao aminy sns...) mba hametraka izany any.

Dia hoy aho hoe tsy dia mahita lavitra tokoa ny sain'ny olona. Rehefa kelikely eo dia io no fomba hanereny anao hanatanteraka izay tiany hatao indrindra ny ara-mpivavahana io .

Ny any US izao ny lalam-panorenany dia mbola malalaka ny aram-pivavahana fa rehefa tonga ny fotoana izay haneren'ilay Bibidia I, sy ny sarin'ny Bibidia azy dia hanatanteraka io tsy mahazo mivarotra na mividy io amin'izay ry zareo. Izay manohitra dia ohatry ireny nahazo andry Ben laden sy ny filohan'Irak teo aloha, ny filoha Egiptiane ireny ny hahazo azy, hatao haza lambo fa manohintohina ny fiandrianan'i dragona. Ireo ilay fanahy ratsy tahaka ny sahona izay nivoaka teo amin'ny vavan'i dragona.

Santionanay io banque io. Fa etsy andaniny ireo super marche rehetra ireo dia efa ao ambadikany ao daholo. Eto mada atsy ho atsy dia tsy hiisy mpivarotra amoron-dalana izany intsony. Tsy hiisy tsena be ohatry ireny eny analakely ireny intsony fa hatao super marche ho fehezin'ny olona vitsivitsy ny fividianana sy fivarotana.

Dia hoy hianao hoe rahoviana izany ??? Apok 7:Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
Mbola ny famindram-pon'i Tsitoha no mbola tsy mahatanterka izany. Sokafy ny maso.
novalian'i Tefigasy ny 21/03/2014 09:03
2. Tefigasy ( 11/03/2014 11:07)
Maranatha:

Apok 13:16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.

Ny banque dia fomba iray hanatanterahana ilay hoe tsy mahazo "mividy na mivarotra". Amin'izao fotoana izao dia miroborobo tokoa ny fisarihana ny sain'ny olona mba hametraka ny volany any @ banque na ireny microcredit ireny izay miara-miasa matetika @ ireo operateur telephonique .
(...)
Dia hoy aho hoe tsy dia mahita lavitra tokoa ny sain'ny olona. Rehefa kelikely eo dia io no fomba hanereny anao hanatanteraka izay tiany hatao indrindra ny ara-mpivavahana io .
(...)

salama daholo, izao indray vao tafaverina amin'ity site ity noho ny antony samihafa
Aza dia miteniteny foana loatra fa na i Jesoa ary mba nanolotra torohevitra ny amin'ny tokony hampiasana ireny banky na ny mitovitovy amin'izany ireny:
Lio.19:22-23 "Ary hoy ny tompony taminy: ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy nafafiko koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany ?"
Aza dia ampiasaina amin' izay rehetra eritreretinao fa tsy mifanaraka amin'ny ataonao ny tenin'Andriamanitra ! Ny hevitra toa izao ihany no mahatonga ny fanjakana handray fepetra ny amin'ireny antokom-pivavahana antsoina hoe sekte ireny, dia avy eo indray ry zareo no mimenomenona be fa enjehina hono nefa ......
3. RBNIR ( 11/03/2014 12:43)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Vakio ato ny mombamomban'ny bibidia sy ny fomba entiny hiasa ary ny marika izay hoapetrany,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
4. rhaj0 ( 11/03/2014 15:17)
Tsy azoko... inona no tianao ahatongavana. Hoe "aza mampiasa banky" dia "aza mandeha any @ supermarche" ve satria ...
5. Maranatha ( 12/03/2014 05:35)

Tefigasy:

salama daholo, izao indray vao tafaverina amin'ity site ity noho ny antony samihafa
Aza dia miteniteny foana loatra fa na i Jesoa ary mba nanolotra torohevitra ny amin'ny tokony hampiasana ireny banky na ny mitovitovy amin'izany ireny:
Lio.19:22-23 "Ary hoy ny tompony taminy: ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy nafafiko koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany ?"
Aza dia ampiasaina amin' izay rehetra eritreretinao fa tsy mifanaraka amin'ny ataonao ny tenin'Andriamanitra ! Ny hevitra toa izao ihany no mahatonga ny fanjakana handray fepetra ny amin'ireny antokom-pivavahana antsoina hoe sekte ireny, dia avy eo indray ry zareo no mimenomenona be fa enjehina hono nefa ......

Misaotra an'i Tefigasy aloha ny @ hilazanao fa mpanompo ratsy fanahy.
Faharoa sao ny masonao no tsy dia mahita tsara ka tsy mahatakatra tsara ny tian'ny soratra masina ho lazaina. raha nahita ireny cd n'ny nouvelle ordre mondial ireny isika dia nahita tsara tao anatiny ny mikasika ny manodidina io resaka io. Tsy banque ihany no voalaza tao fa marobe. Fahatanterahan'ny Apok 13 ny ankamaroan'izy ireny. Saingy mbola tsy mihatra izy izao dia manakambara hianao.
Izahay moa dia asaina miteny fotsiny fa anjaran'ny tsirairay no mifidy izay ho tompoiny.
Ny @ hoe henjehina dia efa vonona ny amin'izany izahay ho henjehina noho ny @ fahamarinana ( fa tsy noho ny halatra na noho ny @ vono olona na sns...). Efa vonona ny ho martiora ny fahamarinana ka isan'ireo izay hiteny hoe Apok 6:9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Ny Avo-indrindra sy ny filazana izay nohazoniny.10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?

Tefigasy a! Mibebaha hianao. Mbola mivoha ho anao ny varavaran'ny famindram-pon'ny Tompo. Miala amin'io lalandratsinao manohitra mandrakariva ny fahamarinana io. Mbola tian'ny Tompo hianao.
6. Tefigasy ( 12/03/2014 05:54)
Tsy i Tefigasy no niteny an'io Lio.19:22-23 io fa i Jesoa Kristy, ka amin'i Jesoa Kristy i Maranatha miteny hoe mibebaha ianao ry Jesoa fa tsy amin'i Tefigasy !
7. bor2lais ( 12/03/2014 07:36)
Ary toa nesorina ilay valinteny misy sary ry maranatha ? :-)
8. Tefigasy ( 12/03/2014 07:37)
Tsy izaho mihitsy no mamily ny tenin'Andriamanitra fa ianao no mampiasa izany amin'ny tsy izy ka ny banky indray no tsy hahaizana miaina rehefa tsy hita intsony izay atao sy tenenina !
Fanoharana mikasika ny talenta tokoa io Lio.19 io , ary nabaribarin'i Jesoa amin'io fa tokony hampiasaina sy ampitomboina ny talenta mba entina hampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra fa tsy halevina fotsiny na atao any ambany ondana. Izay no nahatonga Azy niteny hoe rehefa tsy hita izay ampiasaina azy dia apetrao any amin'ny mpanjana-bola na any amin'ny banky izany na otiv ohatra raha eto madagasikara raha raisina ara-bakiteny avy hatrany.
Afaka tsy nolazain'i Jesoa anie ny hoe "apetraho any amin'ny mpanjana-bola ny talenta e", fa matoa io nolazainy dia mba diniho ihany fa aza raisina ambangovangony fotsiny ny teny izay voasoratra ! Ka asa hoe iza no mitapi-maso amin'izany !
Ny hamaranako azy dia hamafisiko tsara io teny ao amin'i Lio.19 io fa fahotana ary ambara mihitsy hoe "adalana (olona adala)" ny mametraka ny talenta any ambany ondana, na any ambanin'ny tany (alevina) rehefa tsy ampiasaina, aleo lavitra aza omena ny banky izany rehefa tsy hita izay ampiasaina azy !
9. bor2lais ( 12/03/2014 07:43)
Tefigasy > Ka nesoriny nafenina anie ilay post valinao io e ! ;-)
"Onnouscachetous" marina a ! :-)
10. neiar ( 12/03/2014 08:20)
Tefigasy:

Maranatha:

Apok 13:16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.

Ny banque dia fomba iray hanatanterahana ilay hoe tsy mahazo "mividy na mivarotra". Amin'izao fotoana izao dia miroborobo tokoa ny fisarihana ny sain'ny olona mba hametraka ny volany any @ banque na ireny microcredit ireny izay miara-miasa matetika @ ireo operateur telephonique .
(...)
Dia hoy aho hoe tsy dia mahita lavitra tokoa ny sain'ny olona. Rehefa kelikely eo dia io no fomba hanereny anao hanatanteraka izay tiany hatao indrindra ny ara-mpivavahana io .
(...)

salama daholo, izao indray vao tafaverina amin'ity site ity noho ny antony samihafa
Aza dia miteniteny foana loatra fa na i Jesoa ary mba nanolotra torohevitra ny amin'ny tokony hampiasana ireny banky na ny mitovitovy amin'izany ireny:
Lio.19:22-23 "Ary hoy ny tompony taminy: ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy nafafiko koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany ?"
Aza dia ampiasaina amin' izay rehetra eritreretinao fa tsy mifanaraka amin'ny ataonao ny tenin'Andriamanitra ! Ny hevitra toa izao ihany no mahatonga ny fanjakana handray fepetra ny amin'ireny antokom-pivavahana antsoina hoe sekte ireny, dia avy eo indray ry zareo no mimenomenona be fa enjehina hono nefa ......
..

Ita oe, tia vivahana enao, Tsara zani, satria miezaka nandalina enao. Ari nasianao Toko si andinini ara-baiboli ilay izi. Tsara ho marihina anefa, fa tsi meti ny mandrai antendroni si maminavina. Fa aleo fona kosa mandinika tsara dia mijeri ny zava-misy, otran tsi itombona zani oue tsi hisi mpivarotra intsoni eto Madagascar otra eni Analakeli fa lasa grande surface daholi, iaraha mahita anefa fa vao maika mitombo ny mpivarotra eto an-tanana. EFa t@ andron'ny Jesosi no nisi ny Banque fa ni anarani fotsini no hafa.

Mazoto fona mandalina ny soratra masina e. Dia aza mandrai antendroni si zai zavatra lazain'ny mpitondra fivavahana fa enao mintsi no mila resi lahatra @ ao baiboly. Fantatra fa ny Gasi olon'ny fo dia mora resi lahatra @ tenenin'ny olona.
11. Tefigasy ( 12/03/2014 08:30)
Salut neiar,
otran'ny fantatro ianao amin'ilay sary a, ilay niasa taloha be teny ankorondrano ve ?
Sur de mazotoa r'ise a !
12. bor2lais ( 12/03/2014 09:16)
H.S Nanaraka ilay rohy etsy ambony aho fa toa samy manana ny bibidiany i RBNIR sy Maranatha a ! :-)
Sao dia tsara mandeha miresaka milamina any amin'ny restaurant sinoa "Le Dragon" ary ianareo ! :-)
Tapitra ny H.S
13. Tefigasy ( 12/03/2014 09:24)

bor2lais:

H.S Nanaraka ilay rohy etsy ambony aho fa toa samy manana ny bibidiany i RBNIR sy Maranatha a ! :-)
Sao dia tsara mandeha miresaka milamina any amin'ny restaurant sinoa "Le Dragon" ary ianareo ! :-)
Tapitra ny H.S

lol, hahazo teny gasy amin'ireo koa ianao refaveo fa mikitikitika ny bibidiany
14. bor2lais ( 12/03/2014 09:33)
Ka tokony tsy asehosehony eto ange izany raha tsy te-hokitikitihina e ! :-)
15. Maranatha ( 12/03/2014 09:39)

Tefigasy:

....

http://www.onnouscachetout.com/themes/nom/images/microchip/microchipscheme.jpg
Tsy nesorina na nafenina fa ny hamoahana ilay rohy miaraka aminy no tsy nety nivoaka dia navela .
Io ary ilay sary milaza fa anisany ny banque sy commerce

16. Tefigasy ( 12/03/2014 09:47)
Maranatha:

http://www.onnouscachetout.com/themes/nom/images/microchip/microchipscheme.jpg
Tsy nesorina na nafenina fa ny hamoahana ilay rohy miaraka aminy no tsy nety nivoaka dia navela .
Io ary ilay sary milaza fa anisany ny banque sy commerce

Ary sary nataon'i "n'importe qui" tamin'ny mspaint.exe ny anareo no reference fa tsy ny tenin'i Jesoa Kristy ao anaty baiboly kay ! Izay vao mazava fa azafady ary e !
17. Maranatha ( 12/03/2014 10:03)

Tefigasy:

Ary sary nataon'i "n'importe qui" tamin'ny mspaint.exe ny anareo no reference fa tsy ny tenin'i Jesoa Kristy ao anaty baiboly kay ! Izay vao mazava fa azafady ary e !

Ie mety sary natao n'olona tsotra tokoa io fa afaka manazava tsara ilay ho hataonareo atsy ho atsy. Ampiako ilay rohy http://www.onnouscachetout.com/themes/nom/microchip.php
Ny fanazavana ny apokalipsy 13 mikasika ny Bibidia I, ny Bibidia II, ny sarin'ny Bibidia dia tafiditra amin'io daholo.

neiar:

ta oe, tia vivahana enao, Tsara zani, satria miezaka nandalina enao. Ari nasianao Toko si andinini ara-baiboli ilay izi. Tsara ho marihina anefa, fa tsi meti ny mandrai antendroni si maminavina. Fa aleo fona kosa mandinika tsara dia mijeri ny zava-misy, otran tsi itombona zani oue tsi hisi mpivarotra intsoni eto Madagascar otra eni Analakeli fa lasa grande surface daholi, iaraha mahita anefa fa vao maika mitombo ny mpivarotra eto an-tanana. EFa t@ andron'ny Jesosi no nisi ny Banque fa ni anarani fotsini no hafa.

Mazoto fona mandalina ny soratra masina e. Dia aza mandrai antendroni si zai zavatra lazain'ny mpitondra fivavahana fa enao mintsi no mila resi lahatra @ ao baiboly. Fantatra fa ny Gasi olon'ny fo dia mora resi lahatra @ tenenin'ny olona.

Aza gaga hianao fa izany no nahatonga ny Tompo nilaza t@ mpianany hoe Mbola manana zavatra maro ho lazaina aminareo Aho saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.
Ho tanteraka ireo. Raha izao aho no hilaza aminareo fa raha manao zavatra ao @ Impôt hianao dia efa fantatry ny any @ statisique, efa fantatry ny any @ faritany, efa fantatry ny any @ douane sns.... Izany hoe efa misy eto mada io serveur lehibe anakiray io hahafantarana ny mombamomba anao rehetra.
Vao manao activité eto Tana hianao ka eto no mandoa hetra dia tsy mahazo mandoa any diego intsony fa hitan'ilay serveur. sns.....
Aza mino fa tsy natao ho anareo ny fampitandremana fa natao ho an'izay mitandrina ny didin'i Tsitoha.
18. vahiny2004 ( 12/03/2014 10:08)
Asa re na izaho no tsy mahazo resaka na ahoana , hafahafa be ity resaka Bibidia sy ny tariny ato ity .

Resaka pratique fotsiny ohatra : atao aiza ny vola ? Ny karama anie raisina isam-bolana e, dia ataoko aiza ? Dia harary an-doha @ io aho hoe ao ambany ondana, ka raha misy mangalatra ao

Fa tena tsy azoko aloha an !

Dia inona izany no hasolo ny banque ry maranatha ?
19. Maranatha ( 12/03/2014 10:20)

vahiny2004:

Asa re na izaho no tsy mahazo resaka na ahoana , hafahafa be ity resaka Bibidia sy ny tariny ato ity .
Resaka pratique fotsiny ohatra : atao aiza ny vola ? Ny karama anie raisina isam-bolana e, dia ataoko aiza ? Dia harary an-doha @ io aho hoe ao ambany ondana, ka raha misy mangalatra ao
Fa tena tsy azoko aloha an !
Dia inona izany no hasolo ny banque ry maranatha ?

Misaotra . raha mijanona ho vola fotsiny izy tsy maninona afaka mampiasa azy hianao araka izay hitiavanao azy na hataonao any ambany ondana. na zarainao @ olona na mividy rehefa te hividy. sns... Toy izao mbola androtsika izao.

Fa atsy ho atsy dia esorina ny vola ka avadika ilay atao hoe carte bancaire sns... ireny. Rehefa manohintohina ny fiandriananan'ny dragona sy ny bibidia hianao dia tsy afaka mandeha iny carte bancairenao iny ( tsy afaka mividy na mivarotra). Eny feno volanao ao @ banque fa tsy mivoaka. Tsy havoakany . tsy mahazo mividy hianao na mivarotra. Tonga eny @ super marche hianao fa tsy mety hividiananjavatra ilay carte-nao.
Ny antony dia mikasika ny didin'A/tra sy ny tsy tokony hitandremana azy intsony hoy izy ireo.
Hitambatra ireo fivavahana izay tsy mitandrina ny didin'A/tra ka hanery an'i Etas Unies hanenjika izay rehetra tsy manaiky azy. Hivoaka ny lalàna momba ny alahady ( loi de dimanche- sunday law)) Ka izay tsy manaraka izany dia ho henjehina.
Io no fomba iray hanenjehana azy
20. bor2lais ( 12/03/2014 10:21)
maranatha:

Raha izao aho no hilaza aminareo fa raha manao zavatra ao @ Impôt hianao dia efa fantatry ny any @ statisique, efa fantatry ny any @ faritany, efa fantatry ny any @ douane sns.... Izany hoe efa misy eto mada io serveur lehibe anakiray io hahafantarana ny mombamomba anao rehetra.
Vao manao activité eto Tana hianao ka eto no mandoa hetra dia tsy mahazo mandoa any diego intsony fa hitan'ilay serveur. sns.....

Ary isika miditra eto amin'ity serasera ity koa ange ka hitan'ny serveur-n'ny serasera.org daholo e ! :-)
H.S angamba ny ahy iny e ! ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4698