Fomba iray hentina haneren'i Bibidia ny olona tsirairay hanaraka ny heviny ny banque

41. RBNIR ( 14/03/2014 14:52)

bor2lais:

Tena mbola fiction aloha ny resaka iadiankevitra izany e !

+1
:-)
[/quote]
Tsy fiction fa faminaniana ny mbola ho avy, dia ny mampalahelo dia mitombina foana, "vitsy no mino" ary betsaka no tsy mino, ny mampalahelo anefa dia ity : rehefa tara loatra tsy misy hevitra intsony, (tsakotsakoy dia dinidio ny tantaran'ny safotrano tamin'ny andron'i Noa e)

Averimbereno tsara ihany iretsy rohy nozaraina iretsy dia raha mahita ianao fa tsy mitombina dia tsory ary porofoy ny tsy mampitombina azy, fa raha mahita kosa ianao fa tena mitombina dia aza misalasala intsony e,

Izaho mino fa tsy hahita ianao satria i Jesosy Tompo no nampianatra an'io,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
42. shannie ( 14/03/2014 15:34)
Ka misy mampiomehy ny adi-hevitrareo, ka tsy mba himé kely ve zany fa d imototra beuh eh. :-(

aôna zany Boobo? tsy miomehy njay oun zany tsika ko. hu3. antitra eto.
43. bor2lais ( 14/03/2014 15:46)
RBNIR:

Izaho mino fa tsy hahita ianao satria i Jesosy Tompo no nampianatra an'io

Aminao izany fa tsy amiko !
:-)
44. vahiny2004 ( 14/03/2014 16:07)
Ohatran'ny hoe miompana be dia be @ Apocalypse daholo ny resaka lazain'i Maranatha . Tsy io boky io irery anie no misy ny tenin'Andriamanitra e ?

Misy mpanoratra nilaza hoe ny apocalypse de Jean ne concerne pas la " Fin du Monde " mais la " Fin d'UN Monde " . Asa raha azonareo ny mahasamihafa ireo 2 ireo . Sinon efa cause perdue ny antsika fa 144.000 ve tsy efa feno ny compte

Ary maninona aloha raha mba ny ankehitriny no banjinina, raha mba ny fitiavan'Andriamanitra ny olona sy fifankatiavan'ny olona samy olona @ izao fotoan'andro izao no resahina kokoa.

Mino aho fa tsy mila ampitahorina bibidia ny olona @ resaka vola vao hanampy ny hafa, mety efficace kokoa raha ny fitiavana no maniraka azy hanampy ny hafa fa tsy ny tahotra
45. endriny ( 14/03/2014 19:21)
Izany hoe biby dia izany ireo fiangonana manana banque rehetra... Ahahahahahhah
46. RBNIR ( 15/03/2014 02:01)

bor2lais:

RBNIR:

Izaho mino fa tsy hahita ianao satria i Jesosy Tompo no nampianatra an'io

Aminao izany fa tsy amiko !
:-)

Faly miarahaba namana a,
Ka mba tsory ary izay tsy marina dia mba ento koa ilay porofo e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
48. Maranatha ( 17/03/2014 05:48)
Haveriko mba misy hisainan'i Bor2lais, sy ry Tefigasy, sy ireo namany.

http://3.bp.blogspot.com/-8oxJvvBIGVA/UUNo92xdmpI/AAAAAAAAB5c/sAo1AgOaDNs/s1600/noe.jpg

Dia toy izao ny vokany rehafa avy eo

http://3.bp.blogspot.com/-lO7wQn1iWfM/UUNnXQ2x3PI/AAAAAAAAB5E/l_ik4ZQdZZ8/s1600/Diluvio.jpg
49. bor2lais ( 17/03/2014 08:01)
Nifanatona ihany angaha ianareo (RBNIR sy Maranatha) nandritra ny faran'ny herinandro ? (tany @ resto "Le Dragon" :-) )
Tsara izany rehefa mifampiresaka e ! Tsy misy tsy vitan'ny "tête à tête" a ! :-)
Ka ny bibidian'iza ihany izany no izy ? :-)
50. Tefigasy ( 17/03/2014 08:32)
Maranatha:

Haveriko mba misy hisainan'i Bor2lais, sy ry Tefigasy, sy ireo namany.

http://3.bp.blogspot.com/-8oxJvvBIGVA/UUNo92xdmpI/AAAAAAAAB5c/sAo1AgOaDNs/s1600/noe.jpg

Dia toy izao ny vokany rehafa avy eo

http://3.bp.blogspot.com/-lO7wQn1iWfM/UUNnXQ2x3PI/AAAAAAAAB5E/l_ik4ZQdZZ8/s1600/Diluvio.jpg

i Tefigasy ry akama tsy matahotra bibidia, sady tsy tara fiangana izany a ! Ianareo no mbola taraiky any amin'izao karazana aloka sy tandindona marobe rehetra izao, ianareo no mbola diso fahavalo efa resy! Tokana ny lalana hoy ny tenin'Andriamanitra dia Jesoa Kristy, tsy misy hafa ankoatr'Azy, ary izay mitory zavatra hafa ankoatr'Azy, dia ireny no antsoiny hoe mpaminany sandoka ka mila tandremana. Tokana ihany koa ny fahavalo dia ny devoly, izay fanahy eny amin'ny rivotra fa tsy ny banky akory na izao karazan-javatra foroporonina rehetra izao mba ...... (iniako tsy hotohizana dia ataoko ........).
Jao.3:36 "Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy" Adinodino kely teto ny nampiditra an'ilay banky sy ny forongony rehetra ! Eny e, tsy hitantara baiboly lavabe eto aho fa aleo samy mamaky dia samy mizotra amin'ny izay hitany ao anatiny ao e! Azafady, kay moa ny anareo tsy ny baiboly fa misy an'le karazana sary kely ireny, dia ireny no .......
Mazotoa foana na izany aza e !
51. neiar ( 17/03/2014 09:18)

bor2lais:

Nifanatona ihany angaha ianareo (RBNIR sy Maranatha) nandritra ny faran'ny herinandro ? (tany @ resto "Le Dragon" :-) )
Tsara izany rehefa mifampiresaka e ! Tsy misy tsy vitan'ny "tête à tête" a ! :-)
Ka ny bibidian'iza ihany izany no izy ? :-)


ahahahahaha.... oka marina e tapka mintsi a
52. Maranatha ( 20/03/2014 11:25)

Tefigasy:

i Tefigasy ry akama tsy matahotra bibidia, sady tsy tara fiangana izany a ! Ianareo no mbola taraiky any amin'izao karazana aloka sy tandindona marobe rehetra izao, ianareo no mbola diso fahavalo efa resy! Tokana ny lalana hoy ny tenin'Andriamanitra dia Jesoa Kristy, tsy misy hafa ankoatr'Azy, ary izay mitory zavatra hafa ankoatr'Azy, dia ireny no antsoiny hoe mpaminany sandoka ka mila tandremana. Tokana ihany koa ny fahavalo dia ny devoly, izay fanahy eny amin'ny rivotra fa tsy ny banky akory na izao karazan-javatra foroporonina rehetra izao mba ...... (iniako tsy hotohizana dia ataoko ........).
Jao.3:36 "Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy"

Tefigasy sao hadinonao ary ilay teny ho tsy izay manao amiko (Jesoa) hoe: Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
Sy ity iray ity:
MAtio 25:41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.

Tsy vitan'ny Tompoko Tompoko re rey olona izy ity a!
JAkoba 2:14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?

Hoy ny Tompo Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Ny Avo-indrindra sy ny finoana an'i Jesosy.13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
Mbola misy ny fotoana e!


53. Tefigasy ( 21/03/2014 05:45)
Maranatha:

Tefigasy sao hadinonao ary ilay teny ho tsy izay manao amiko (Jesoa) hoe: (....) Tompoko, Tompoko, (...)Tsy vitan'ny Tompoko Tompoko re rey olona izy ity a!
Mbola misy ny fotoana e!

Ary sao dia mba tsy novakianao akory ary ity mba napetrako teo ambony ito : Jao.3:36 "Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy"
Tena tsy misy hidiran'ny tompoko, tompoko anie izany na kely aza e ! Ary sao koa ianao dia mihevitra fa rehefa manao asa lehibe ao amin'ny Tompo araka ny Jak.2:14 sy ity Mat.7 ity dia ho voavonjy, Tsia, azafady hoy ny Tompo araka ilay ambarany eo. Ny antoka fa hahavoavonjy anao, hidiranao any amin'ny fiainana mandrakizay dia tokana ihany : ny fananana ny zanaka avy amin'ilay fahateraham-baovao ao amin'i Kristy Jesoa, ary tsy misy ankoatran'izay fa fahasoavana no namonjena anareo hoy i Paoly fa tsy avy amin'ny asa f'andrao hisy hirehareha (Efes.2:9) !
Mbola betsaka hoy aho ny olona no manenjika aloka sy tandindona, te hiverina sy miverina any aorian'ny famonjen'i Kristy fa tsy mety miditra ao aminy, mihevitra fa avy amin'ny herin'ny tenany, avy amin'ny fitandremany izao zavatra efa tsy voatandrina rehetra hatrizay izao no hahazoany famonjena, dia tena mampalahelo indrindra izy ireny. Tsy mety miditra ao amin'i Kristy fa mbola variana sy te hiverina any aoriana lavitra be ! Dia indrisy hoy i Jesoa fa tsy mahafantatra azy akory Aho araka io Mat.7 io ihany satria tsy nety niditra tato amiko izy ! Mba nisasatra ihany, mba nanao izao asa rehetra izao ihany, eny asan'ny Tompo mihitsy aza, saingy tsy fantatr'i Jesoa akory satria ninia tsy niditra tao aminy.

Misy tantara kely mba holazaiko aminareo ity : nisy olona roa nifanaraka fa hiara-hiasa: ny iray malagasy, ny iray vahiny avy any ivelany. Nifanaraka izy ireo fa ilay vahiny no hamatsy fitaovana sy vola ary ilay malagasy kosa hamboly katsaka sy varim-bazaha eto madagasikara. Ny vokatra rehatra azo dia aondrana any an-dafy daholo. Nomena an'ilay malagasy ny vola sy ny fitaovana dia lasa ilay vahiny nandeha niverina any aminy. Rehefa nandinika tsara anefa ilay malagasy dia nahita izy fa tsy dia misy vola loatra akory ilay mamboly katsaka sy varim-bazaha fa toa ny fanaovana bois de rose no tena hahitana vola betsaka sy misimisy kokoa. Nanapa-kevitra irery teo ilay malagasy fa andeha hanaovany bois de rose ilay vola, ary tsy ela akory dia vola mihoapapana ny niditra sy tonga teo aminy. Faly anie izy fa tena niditra ny vola e, ary tsy andriny izay hahitana ilay vahiny namatsy vola azy mba hampisehoana ireto vola be niditra teo amin'izy ireo. Tonga ary ny fotoana tokony hivoahan'ny vokatra dia niverina teto madagasikara ilay vahiny ary nanantena fa hitondra katsaka sy farine amin'ny sambo ho any aminy, saingy tsy katsaka sy farine no napotran'ity malagasy azy fa vola amin'ny gony maro dia maro. Tankina tanteraka ilay vahiny satria efa nanao fifanarahana tamin'ny orinasa iray lehibe any ivelany izy fa hamatsy an'io orinasa io lafarine sy katsaka ary ilay vokatra avy aty madagasikara no alefa ho any. Eto anefa tsy nisy akory katsaka na dia voniny iray aza mba hitan'ny masony fa vola amin'ny gony no napoitra teo anoloany ! Mety ho faly ve ilay vahiny hoy ianareo sa ho tezitra mafy tokoa ? Ilay vola tsy ho azo avadika ho katsaka intsony, ary na dia hitady sy hividy ny katsaka rehetra eny antsena eto madagasikara aza izy dia tsy ho fenony mihitsy ilay komandy efa azony tamin'ilay orinasa nanaovany fifanekena !
Toa izany io Jesoa io, rehefa niala teto an-tany, nisaraka tamin'ireo mpianany Izy dia nanafatra sy nanome iraka lehibe amin'izy ireo: efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena, manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo (Mat.28.18-20) . Ny zava-misy anefa dia tsy izay no ataon'ireo sasany milaza azy ho kristianina fa zavatra hafa mihitsy. Raha katsaka sy varim-bazaha no nifanarahana dia ny azy ireo bois de rose no ataony fa iny no hahitany tombotoa kokoa. Ekena fa tena asa hahazoana vokatra (vola) mihoatra tokoa ilay izy, saingy izay ve no nifanarahana ? Nifanaraka taminao ve Jesoa hoe avereno hiverina any amin'ny dezera ny vahoakako dia ireo zavatra nasaiko natao tany asaina ataony indray ? Tsia, tsisy dikany ve ny fahafatesan'i Jesoa teo amin'ny hazofijaliana e ? Be dia be ny kristianina ankehitriny no tsy mahafantatra akory ny antom-pisiany eto an-tany fa mandeha sy mizotra fotsiny any amin'izay tiany handehanana sy metimety aminy ka mamoroporona izao zavatra tiany foronina sy apetraka. Raha nihantona teo amin'ny hazofijaliana i Jesoa dia niteny hoe "vita", vita ny iraka nampanaovina azy. Afaka nanao zavatra be dia be Izy faraha mahatsiaro ianao dia izao foana no fambarany hoe tsy izany no nanirahana Ahy. Misy iraka mazava nanirahana Azy, hany ka rehefa niala teto amin'izao tontolo izao Izy dia afaka niteny tsara hoe "vita". Toa izany koa i Paoly, rehefa tsapany fa akaiky ny ora fialany dia hoy izy hoe nahavita ny fihazakazahako aho, efa niady ny ady tsara aho , fantany tsara ny zavatra nanirahana azy.
Ny fanontaniana ataoko aminao dia hoe "tena fantatrao ve ilay iraka hampanaovina anao, ary tena ilay iraka ve io ataonao io ?" Sao ianao dia mifofotra lany andro, lany vola, lany fotoana amin'ny fanaovana asa samihafa, eny mety ho asan'Andriamanitra, fa tena izay ve ilay iraka nomena anao e ? Tokony ho tsapan'ny kristianina tsirairay fa ny antom-pisiany eto an-tany dia io Mat.28:18-20 io.
Fa hotaritiko hatrany ianao fa sao koa dia ilay drafitr'Andriamanitra ho anao, sy ho an'ity izao tontolo izao ity mihitsy koa no mbola tsy ao aminao. Jao.3:16 , mino aho fa efa hainao tsianjery io teny io ka tsy ho apetrako eto intsony. Fa ny fanontaniana apetrako dia hoe tena fantatrao ve ny dikan'io teny io ? Hoy i Paoly ninia tsy nahalala zavatra hafa tao aminareo aho afa-tsy izao ihany dia i Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazofijaliana (1.Kor.2:2) : io aloha no fototra. Izany no tsy maintsy hisaorana an'Andriamanitra raha mbola misy koa ny andro dia tsy te hahalala zavatra hafa aloha afa-tsy ny hoe Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana hamonjy an'izao tontolo izao.
Hajanoko hatreo aloha fa efa lava izay fa hotohizana eny ihany any aoriana. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !
54. Maranatha ( 21/03/2014 07:25)

Tefigasy:

.....

FA sao heverinao fa tsy mino ny zanaka aza izahay.
Mba efa novakianao moa ireto teny ireo:I Jaona 4:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.....9 Izay rehetra naterak'i Ny Avo-indrindra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'i Ny Avo-indrindra.
GAl 2:17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!

Sady mitandrina ny Didin'i Tsitoha ( fa tsy ny an'i Mosesy) r'ise no mino an'i Jesoa no izy a!
Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Ny Avo-indrindra sy ny finoana an'i Jesosy.

Io efa notarihiko ato io http://forum.serasera.org/forum/message/m532ad768c11ba
55. Tefigasy ( 21/03/2014 09:03)
Maranatha:

FA sao heverinao fa tsy mino ny zanaka aza izahay.

Ahoana moa ny ahafahana miteny fa tena mino tokoa ny olona iray. Tadidio fa na ny devoly koa ary anie mba mahafantatra tsara an'Andriamanitra e, mino ny fisian'Andriamanitra e, .... saingy tsy mampiditra ny zanaka ho ao aminy fa mitsipaka izany e ! Afaka jerenao ny Jak.2.19b ny demonia koa mino izany ka dia mangovitra Ary inona moa no fomba entin'ny devoly hakana fanahy ny mpino an'Andriamanitra afa-tsy io tenin'Andriamanitra io ihany no haodiny; ary na dia Jesoa Kristy aza dia sahiny ny nampiasa io tenin'Andriamanitra io rehefa naka fanahy Azy izy.
Fa averiko ilay fanontaniana hoe, inona moa ny atao hoe mino? Tsy teny tenintenenina amin'ny vava fotsiny akory ny hoe mino, ..... Jao.6:56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko , ary Izaho kosa ao aminy . Ataoko fa mba manana fahalalana na dia kely fotsiny ihany aza ianao mikasika ny fototra nipoiran'ny teny hoe mino. Mitovy ny hevitry ny teny hoe, mino, mihinana, misotro. Ny misotro dia mampidina rano(liquide) ho lasa any anaty ka lasa manamando sy manala ny hetaheta. Ny mino dia ny mandray an’i kristy ao anaty. Ny olona izay nandray an’i kristy no omena hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Ny hoe mino an'i Kristy izany dia mampiditra an'io Kristy io ao anaty. Ka hoy ihany i Paoly hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona aty anatiko . Dia midika inona ary izany ? I Paoly ihany no manohy azy hoe : raha misy olona ao amin'i Kristy dia Olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo (2.Kor.5:17) . I Paoly ilay olona fatra-panenjika kristianina, ilay olona fatra-pitandrina ny lalàna sy ny fombafomba fahiny, i Paoly ilay mbola tao ambanin'ny aloka sy ny tandindona hatrizay no niova tanteraka rehefa nampiditra an'i Kristy tao aminy. Ka tsy ny fitandremana ireny zavatra efa tsy ho voatandrina ireny intsony no nahamaika azy fa ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana irery ihany satria, tsy misy famonjena ankoatran'izay ihany na inona na inona ataonao !
Dia inona hoy i Paoly mikasika ireny lalàna sy aloka rehetra nanandevo azy hatrizay ireny ? Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino. Tsy ao amin'ny lalàna sy ny fomba mavesatra intsony no hanamarinana ny olona fa ao amin'i Kristy Jesoa irery ihany ! Dia ampahatsiahivin'ireny olona mbola taraiky any foana ireto teny ireto hoe :
Maranatha:

Mba efa novakianao moa ireto teny ireo:I Jaona 4:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.....9 Izay rehetra naterak'i Ny Avo-indrindra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'i Ny Avo-indrindra.
GAl 2:17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!

Dia toa izao hatrany ny "conclusion" omen'izy ireo vokatr'izany hoe :
Maranatha:

Sady mitandrina ny Didin'i Tsitoha ( fa tsy ny an'i Mosesy) r'ise no mino an'i Jesoa no izy a!
Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Ny Avo-indrindra sy ny finoana an'i Jesosy.

Dia tahaka ilay satana naka Fanahy an'i Jesoa izay nampiasa ny tenin'Andriamanitra mba hampanota Azy. Tsy ao antsain'izy ireny fa ny fahamarinana takiana tsy tapitra. Tsy miova ny soratra, ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona (2.Kor3:6) . Ny soratry ny lalàna izay nampanekena ny olona tao amin’ny fanekena taloha ary arahina ara-bakiteny dia mahafaty fa ny fanahy no mahavelona. Ny fanahin’ny lalàna, izay efa nasehon’i kristy, izay efa notanterahin’i kristy, izay fanahin’ny lalàna izay no mahavelona antsika ary hananatsika ny fahamarinan’ny lalàna ka mahatonga antsika hahazo fifaliana sy ho hamarinina ao amin'i Kristy irery ihany izay nahatanteraka ny lalàna. Tanteraka tao amin’i kristy ny lalàna, kristy no marina, Izy no nahavita ny lalàna rehetra. Adinon'izy ireo, satria mbola taraiky any amin'ny fanarahana aloka sy tandindona izy fa ny lalàna anie ka mampiseho fotsiny ihany sisa ny atao hoe fahotana. Rom.3:20 : fa ny lalàna no hahazoana ny fahalalàna marina ny amin’ny ota. Aty amin'ny fanekena vaovao, taorian'ny famonjen'i Kristy dia entina mitarika ny olona hahafantatra marina ny atao hoe fahotana ihany ny lalàna. Misy dikany lehibe ilay hoe Ao amin’i kristy no fahatanterahan’ny lalàna. Noho izany ny zavatra rehetra tokony atao dia ny miditra ao amin’i kristy. Ny lalana mankany amin’i kristy dia ny fibebahana, ny fandraisana Azy ho Tompo sy mpamonjy, ary rehefa tonga ao anatinao Izy dia tsy ianao intsony no velona fa kristy no velona ao anatinao. Io kristy ao anatinao io efa nahatanteraka ny lalàna, Izy no faran’ny lalàna.
Koa raha mankao amin’i kristy aho, na izy makato anatiko dia tanteraka eo amiko ihany koa ny lalàna. Krsity ato anatiko efa nahatanteraka ny lalàna, tanteraka koa ny lalàna ato amiko. Efa nifarana teo amin’i kristy ny lalàna ary efa mifarana eto amiko ihany koa ny lalàna. Tsy fehezin’izay mpitaiza intsony aho satria efa ao amin’i kristy aho Gal.3:25 . Efa tonga ny finoana, efa nino an’i kristy aho, efa nandray Azy, niaraka maty taminy, niaraka nitsangana taminy ary tsy fehezin’izay mpitaiza intsony satria kristy no efa nahatanteraka ny lalàna ato anatiko.
Dia ny tena mampieritreritra dia izao hoe: efa tena nandray an'i Kristy ary ve ireo olona milaza azy ho mbola te hitandrina ny lalàna ireo sa mamitaka ny tenany amin'ny filaza fotsiny fa mino ny zanaka izy ? Satria rehefa nandray Azy dia tanteraka ao aminy koa ny fahamarinana takian'ny lalàna ary dia mandeha araka ny fitarihan'ny Fanahy Masina izay nomena azy. Tsy miova ny zavatra andrasan’Andriamanitra amintsika fa ny fitakiana azy no miova: tsy izaho nofo intsony no takiana ilay fahamarinana satria efa hita fa tsy vitako izany fa i kristy ato anatiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no hitakiana izany. Koa efa voambara fa efa tanterak’i kristy ny fahamarinan’ny lalàna rehetra, Izy no faran’ny lalàna, koa rehefa mandeha araka ny lalàna, araka ilay kristy ato amiko dia vita eo amiko ny lalàna.
Izay no andrasana amin’ny kristianina. Tsy ny handeha hiverina indray any amin'ny dezera sy izay rehetra natao sy notakiana tany, tany ambanin’ny lalàna rehetra tany, ka hametraka zioga tsy zaka fahiny. Tsy izany no takiana aminao, tsy andeha hiverina amin’ny andro hivavahana, ny biby tsy azo hohanina, .... efa nilaozan’Andriamanitra izany, manao tsinotsinona ny asan’Andriamanitra ao amin’i kristy izany. Fa tongava ao amin’i kristy dia hitanareo izany hoe fahatanterahan’ny fahamarinan’ny lalàna noho ny asan’ny Fanahy Masina. Dia ny hamaranako azy dia hoe meteza ny Handehana hiaraka Aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2269