Hazo noely sy baiboly ?
81. RBNIR
(
09/01/2014 16:15)
bor2lais:
RBNIR:
Izao no porofo manamarina fa tsy diso ny lalako satria raha teny soa no nafafinao mety ho nampiheritreritra ihany
Averiko aminao ity teninao ity :
RBNIR:
Raha hitanao ny namanao fa mirimorimo mankany ankady, teneno izy raha tena tia azy ianao
:-)
Raha te handresy lahatra olona ianao namana bor2lais dia aza mitondra ny "hevitrao sy ny fomba fijerinao" intsony fa ny an'Andriamanitra no ento.
Tsy misy marina afatsy ny an'Andriamanitra manko,
Izay no mahatonga ahy hitondra toko sy andininy aloha vao miteny ary tsy mihezaka manao interpretation koa aho fa matetika ny tenin'Andriamanitra efa mahalaza ny zavatra rehetra,
Samia ho tahin'ny Tompo e
82. leva2
(
09/01/2014 21:51)
moi:
Mba misy olona niova fo tokoa ve tao anatin'ny andro noely, na noho ny fankalazana noely tany am-piangonana, na mba izy sendra niditra am-piangonana 25dec ?
Raha misy vavolombelona any ho any dia aoka ho tonga saina izay tsy mankasitraka noely. satria ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra ny mampiasa izany hampitodika ny olona aminy.
Ny lafi-tsarany (na tsy ara-panahy loatra aza) dia misy andro anankiray mba amnistie eto amin'izao tontolo izao, mba miato ny adiady ... Ho ahy aloha dia mbola VIVE NOEL e !
Velona Jesosy !
Aza miteniteny foana namana amin'ity "vive noel"-nao ty a !
izao anie namana e, tsy ny fanokanana fotoana hiderana an'Andriamanitra noho ny Mpamonjy tonga nofo mihitsy akory no olana, tahaka ireo anjelin'ny lanitra niredona nihira tamin'izany fotoana izany. Raha ny marina aza dia isan'andro no tokony hankalazana izany Andriamanitra tonga nofo sy teraka ato am-pontsika izany.
Tsy any no olana hoy aho fa ity mot "noel" ity izay averiko ihany ny dikany : noyo el (teny gaulois) midika hoe nouveau soleil (teny frantsay) izay fetin-tsampy europeana nivavahana tamin'ny andriamanitra masoandro na Mithra. Fomban-tsampy nankalazaina ny 24 dec misasak'alina nanaovana fety be handihizana nanodidina ny hazo noely, nihinanana sy nisotroana ary nifampizarana fanomezana, sns ...
Ny olana hoy aho dia averiko ihany : nafangaron'ny mpitondra fiangonana tamin'io fetin-tsampy io ny fahaterahan'ny Mpamonjy, izay tena fahavetavetana eo imason'Andriamanitra mihitsy.
Dia lasa nolazaina fa noely koa aza ilay andro nahaterahan'ny Mpamonjy, dia namboamboarina fa Jesosy indray izany no ilay masoandro hatreo.
Raha tsoahana izany ny hevitra dia izao fa lava be izy ty e :
1- Tsy noely izany mihitsy no tokony hiantsoana ny fahaterahan'ny Tompo, fa fetin'ny jentilisa sy ny mpanompo sampy izany,
2- Analakely sy any ivelan'ny fiangonana ny pere noel, hazo noely, ny cadeau de noel, sns ... fa fomban-tsampy ireny ary halan'Andriamanitra izany. Hoy Pasteur Richard ANDRIAMANJATO hoy aho indray krismasy izay, roapolo taona lasa tany ho any tao Ambohitantely : "manomboka amin'ny herintaona dia tsy hasiana hazo noely intsony ato am-piangonana fa tsy miresaka izany mihitsy ny baiboly". Saingy taona vitsivitsy taty aoriana dia niverina ihany izany.
3- Aleo lavitra mampiasa ilay avy amin'ny teny anglisy : KRISMASY satria lamesa ho an'i Kristy na an'i Kristy no heviny. Ireo izay nianatra théologie anie mahafantatra an'izany fa mody fanina eto e.
4- Ity date 24 dec alina sy 25 dec ity dia tokony haverina amin'izay tena izy hatrany am-boalohany : 6 janvier, misy miteny hoe somary manakaiky ny paska aza no tena marina (tsy maninona). Ny Pape Benoit 16 izao nilaza mazava an'io fa tsy teraka 24 dec izany ny Tompo. Ianao ve namana raha hankalazaina ny andro nahaterahanao dia hanaiky ve ianao raha atambatra amin'ny an'ilay rafinao izany (enga anie ka tsy hisy) ?
5- Ianao ve namana (raha tena kristiana marina) dia hahavanona handainga sy hamitaka ny ankizy amin'itony resaka Pere noel itony ? Ividiano kilalao ny ankizy, tsara izany fa fitiavana azy, saingy aza fafazana lainga izy.
83. RBNIR
(
10/01/2014 09:41)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Izao no hafatra ho an'ny rehetra e, ny fampianarana tsy miova fa ilay natolotr'i Jesosy Kristy Tompo 2000 taona lasa izay,
Io fampianarana niainan'ireo kristiainina tany amboalohany,
Io ilay tsy misy kilema (sans défaut) (satria avy amin'Andriamanitra mivantana).
« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Jesosy mantsy dia avy amin'i Andriamanitra mivantana ny fampianarany,
Izay rehetra notovanana taty aoriana ankoatran'io fampianarana io dia tsy izy avokoa.
Io fampianarana io dia ao anaty baiboly irery ihany no ahitana azy ary hita ao daholo izay rehetra nampianarin'i Jesosy Kristy tamin'ny mpianany sy ny niainan'ireo kristianina tany ambohalohany.
Io fampianarana io dia nampitain'i Jesosy Tompo tamin'ny olona nofidiany mivantana sady nampianariny mivantana tsy misy mpanelanelana (apostoly).
Ankehitriny dia mifidy olona mivantana toy izany indray i Jesosy Tompo amin'izao fotoana izao (2 no tena fantatro amin'izao fotoana izao) sady ampianariny mivantana ihany koa.
Ny fampianaran'ireo olona ireo dia mitovy tsy misy hafa amin'ny nampianarin'i Jesosy Tompo sy niainan'ireo kristianina tany ambohalohany. (io ilay hoe voa hamarinina ary ny baiboly no hanamarinana azy).
Izay no hafatra ry namana isany, tsarao aho raha manipulation izany na filazana ny marina,
Averiko hatrany tsy misy tombotsoako velively na hanaraka ny fahamarinana ianao na tsia.
Faly ny foko raha raisinao ny marina, malahelo kosa aho raha sanatria lavinao.
Samy ho tahin'ny Tompo avokoa anie isika sy ny ankohonantsika rehetra.

84. RBNIR
(
10/01/2014 09:46)
H.S : 2 no fantatro hoy aho amin'izao fotoana izao,
Rehefa feno ny isa 12 lahy toy ny tamin'ny voalohany, dia ho vita ny tantaran'ity tany ity.
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.
Samia ho tahin'ny Tompo namana

85. toriteny
(
10/01/2014 11:50)
RBNIR:
H.S : 2 no fantatro hoy aho amin'izao fotoana izao,
Rehefa feno ny isa 12 lahy toy ny tamin'ny voalohany, dia ho vita ny tantaran'ity tany ity.
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
Fa aiza ao anaty baiboly no misy fa tsy maintsy hiforona indray ny 12 lahy mpianatr'i Jesosy vo ho tonga ny farany?
86. bor2lais
(
10/01/2014 12:03)
RBNIR:
Raha te handresy lahatra olona ianao namana bor2lais dia aza mitondra ny "hevitrao sy ny fomba fijerinao" intsony fa ny an'Andriamanitra no ento.
Tsy misy marina afatsy ny an'Andriamanitra manko,
Izay no mahatonga ahy hitondra toko sy andininy aloha vao miteny ary tsy mihezaka manao interpretation koa aho fa matetika ny tenin'Andriamanitra efa mahalaza ny zavatra rehetra
:-)
Miala tsiny aminao fa tsy vitan'ny hoe manome toko sy andininy dia ho lazainao fa hevitr'Andriamanitra ny hevitra aposakao miaraka amin'iny ! :-)
Ny devoly koa toa mahay mampiasa io toko sy andininy io raha tsy diso aho a ! ;-)
Tadiavinao entina hanaovana kabary tsy valiana ny toko sy andininy nefa hita matetika fa tsy mipetraka amin'ny tokony ho izy akory (mal placé) ny toko sy andininy entinao ! Amiko dia tsy hevitr'Andriamanitra no entinao fa ny anao ihany saingy mody saromana toko sy andininy (miendrika fampitahorana) satria te-handresy lahatra no tanjonao !
Ohatra iray mivandravandra ny fampiasanao ny Lioka 10. 16 ery ambony (" ... izay mandà anareo dia mandà Ahy ...).
Entinao handresen-dahatra ny "zaza bodo" fa tsy maintsy ekena izay lazain'ilay olona na dia efa hita aza fa tsy mety na tsy marina (intsony) ny ataony na lazainy !
Miala tsiny aminao fa ny olona tahaka izany no antsoiko hoe levita sandoka ary tsy omeko velively azy ny fahafolonkarenako !
Hevitro ihany anefa izay, ka zaraiko (tsy ampisalasalana) sao mba mahasoa ny hafa ! :-)
87. RBNIR
(
10/01/2014 12:11)
Mbola sarotra ho an'ny namana toriteny sy ny maro tokoa ny handray an'io,
Izao fotsiny ny indice:
Israely niteraka 12 lahy izay nitondra ny foko 12 tao amin'Israely,
Jesosy Tompo nifidy : 12 lahy ary rehefa namadika ny iray dia nosoloina hiverina 12 lahy
Vanim-potoana 2 samihafa ireo ary voatandrina tsara hatrany ny 12 mitondra ny vahoakan'Andriamanitra,
Rehefa hamarana ny tantara koa IZY dia tsy maintsy ohatran'izay namana a,
Ny fiangonan'Andriamanitra farany izay hitory ny fahamarinana ao amin'ilay fitoriana lehibe farany tsy maintsy hotarihin'ny 12 lahy e.jereo ato ny mikasika ilay fitoriana lehibe farany namana.
Samia ho tahin'ny Tompo e,

88. RBNIR
(
10/01/2014 12:19)
Izao no tsy maintsy hitovizan'ny 12 lahy : toy ny fifidianana ny apostoly : Jesosy Tompo mihitsy no miverina ety mifidy sy mampianatra (tsy azo asiana mpanelanelana) ary manoro ny secret rehetra mikasika ny fiainana mandrakizay sy fampianarana marina sy diso rehetra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
Samia ho tahin'ny Tompo namana
89. toriteny
(
10/01/2014 13:00)
RBNIR:
Mbola sarotra ho an'ny namana toriteny sy ny maro tokoa ny handray an'io,
Izao fotsiny ny indice:
Israely niteraka 12 lahy izay nitondra ny foko 12 tao amin'Israely,
Jesosy Tompo nifidy : 12 lahy ary rehefa namadika ny iray dia nosoloina hiverina 12 lahy
Hay ve tsy ao anaty baiboly fa fandinihanao manokana e!! Na dia izany aza misy diso ihany ny fandinihanao
1)Ny ao amin'ny Mat19:28 sy ny ao am bokin'ny Apokalipsy iray manontolo dia seza 12 ihany no voalaza fa hipetrahan'ny apostolin'i Jesosy fa tsy 24 akory. Ary ireo dia efa voatokana ho an'ny mpianany 12 lahy Mat 19:28 :"Fa hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina tokoa fa mby amin'ny fanavaozana , ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona , ianareo koa izay nanaraka Ahy , hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo"
2)Rehefa namadika Jodasy dia Matia no solony namenoana ny isa 12 (Asa1:23-26) efa feno izany ny isa 12
3) Ny atao hoe apostoly dia vavolombelon'ny fitsanganan'ny Jesosy tamin'ny maty. Tsy ho possible mihitsy izany hoe hisy apostoly vaovao indray 2000 ans après nefa Izy ary efa ela be no nitsangana ary ireo ihany no azo atao hoe Apostoly. Rehefa nomena antsika ny Fanahy Masina dia tsy mijanona ho 12 intsony ny mpianany fa lasa mpianany daholo izay rehetra mino sy atao batisa(=vavolombelony):Mat28:19
4)Mba homeo kely hoe ny toko sy ny andininy ahafahanao milaza fa ho avy indray Jesosy Hi-former olona hilazany ny secret ny fiainana mandrakizay? Ny hiverenan'i Jesosy dia ny hanome ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy. Jao14:1-3/1Tes4:13/18 sy ny maro hafa
91. RBNIR
(
10/01/2014 16:07)
toriteny:
2)Rehefa namadika Jodasy dia Matia no solony namenoana ny isa 12 (Asa1:23-26) efa feno izany ny isa 12
Tsy Matia ilay izy ry namana (Matia dia ny olombelona no nifidy azy tamin'ny alalan'ny filokana fa tsy i Jesosy Tompo mivantana ary tsy nampianatra azy mivantana koa i Jesosy)
Fa ity ilay faha 12 nofidian'i Jesosy Tompo mivantana sady nampianariny mivantana toy ireo apostoly 11 sisa.
Teto no nifidianany azy,
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asa.9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)
Ity no porofo fa tena nofidiny tokoa izy
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)
Ity koa no porofo fa i Saoly izay lasa Paoly dia tena nampianarin'i JEsosy mivantana koa fa tsy mba nampianarin'olona akory
« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
Tsy fanadihadina manokana io: mbola ho fantatrao ho IZA no nanoro an'io raha anisany ianao.
Samia ho tahin'i JESOSY TOMPO namana,
92. RBNIR
(
10/01/2014 16:54)
toriteny:
3) Ny atao hoe apostoly dia vavolombelon'ny fitsanganan'ny Jesosy tamin'ny maty. Tsy ho possible mihitsy izany hoe hisy apostoly vaovao indray 2000 ans après nefa Izy ary efa ela be no nitsangana ary ireo ihany no azo atao hoe Apostoly. Rehefa nomena antsika ny Fanahy Masina dia tsy mijanona ho 12 intsony ny mpianany fa lasa mpianany daholo izay rehetra mino sy atao batisa(=vavolombelony):Mat28:19
Atony fanazavana mikasika ny fifidianana ny apostoly ry namana.
Tsy maintsy apostoly no mitarika ny fiangonana satria araka ity teny ity ny fiangonan'Andriamanitra (ankohonan'Andriamanitra) dia tsy maintsy eo ambany fanorenan'ny apostoly
« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efe.2:19)
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;» (2 Tim.4:3)
Tsy maintsy apostoly satria fampianarana tsy misy kilema (saine doctrine) izay avy amin'Andriamanitra mivantana ihany no tokony hampianarina ny fiangonana.
Ny apostoly irery ihany no afaka manana ny fampianarana tsy misy kilema satria ny apostoly irery ihany no mandray ny fampianarana mivantana avy amin'i Jesosy (avy amin'Andriamanitra).
P.S: maro ny mpitondra fivavahana ankehitriny no mahafantatra io fahamarinana io ka izay no mahatonga ireo apostoly mitsangana etsy sy eroa. Misy mihitsy aza vehivavy nefa dia sahy mitonona ho apostoly.
Tsy hitsara azireo akory aho fa azireo sy ny Tompo izany, fa ny hafatra dia ilay tenin’ny Tompo hoe “ny voany no hamantarana ny hazo”.
Raha mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin’I Jesosy Tompo 2000 taona lasa izay dia ekeo tsy ampisalasalana, fa raha misy diso kosa ny fampianarany na dia 1 aza dia aza mino (Tsy possible mihitsy Jesosy Tompo hampianatra zavatra diso na dia 1 aza namana isany)
Enga anie ka tsy hisy hangidihidy sofina isika ry namana isany.
Izay fa dia samia ho tahin'ny Tompo daholo ry namana isany
93. RBNIR
(
10/01/2014 17:06)
Maro koa ny mpino ankehitriny no efa mahafantatra io fahamarinana io (ny fiangonana dia tsy maintsy eo ambany fanorenan'ny apostoly) ka maro no efa mitady apostoly etsy sy eroa.
Ny voany no hamantarana ny hazo e, (fampianarana tsy misy kilema) fampianarana avy any an-danitra fa tsy avy ety an-tany.
Ity marika iray hanampy anao,
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao. 3:33)
Inona ohatra no fantatsika fa misy any ambony any?
Valiny : FIAINANA MANDRAKIZAY ANATY FIFALIANA SY FAHASAMBARANA EO AKAIKIN'ANDRIAMANITRA.
Io marina v to tena toriana sy voizina ao amin'ilay hitanao sa zavatra ety an-tany (fitahiana B, politika, fianam-pirenena, sns... ) raha fitinina dia izay momba ny fiainanana ety an-tany e,

94. RBNIR
(
12/01/2014 03:36)
Faly miaharaba ny namana rehetra indray,
Mba tsy hahalasa H.S be dia aleo hofitiniko ny fizarana nataoko teto amin'ity lohahevitra ity:
Ny hazo noely, sy ny 25 Desambra sns... dia tsy sitrak'Andriamanitra ny anaovana izany satria tsy isanan'ny tafiditra tao amin'ilay fampianarana tsy misy kilema izay nampianarin'i Jeosy Tompo 2000 taona lasa izay fa ny olona taty aoriana no nampiditra izany ho fampianarana ho an'ny fiangonana.
Ny atao hoe fampianarana tsy misy kilema tokoa mantsy dia ilay fampianarana izay avy tamin'Andriamanitra mivantana « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)
Ny fizirizirin-tsika manao ny hazo noely, 25 Desambre sns... dia mahatonga an'Andriamanitra hanafoana ny fivavahana izay ataon-tsika (Toy ny tsy misy) « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar. 7:7)
Tsy kitoatoa ny fikatsahana ilay loka (fiainana mandrakizay) « Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; » (1 Kor.9:26)
Io fampianarana tsy misy kilema io ihany no tokony hokatsahan-tsika mba tsy hahafoana ny fivavahan-tsika ka hananantsika fanantenana marina fa handova ilay fiainana mandrakizay isika.
Ny fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia nampitain'i Jesosy Tompo tamin'ny apostoly (olona nofidiny mivantana sady nampianariny mivantana ihany koa).
Ankehitriny dia mifidy olona toy izany indray ny Tompo nefa mila mamantatra isika.
Ny voany no hamantarana ny hazo, ka raha tena avy amin'i Jesosy Tompo mivantana tokoa ilay fampianarana dia tokony hitovy amin'ilay fampianarana tsy misy kilema natolotra 2000 taona lasa izay hitan-tsika manontolo ao anaty baiboly ary tsy tokony ahitana diso na 1 aza.
Ity ihany koa indice anankiray tsy mandainga hoy aho.
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao.3:33)
Ny mpampianatra ny fampianarana tsy misy kilema (izay avy any an-danitra fa tsy avy ety an-tany) dia izay hitany sy reny avy any ambony any no toriny (fiainana mandrak'izay feno fahasambarana tsy misy fahoriana intsony tsy misy fitomaniana intsony, tany vaovao, lanitra vaovao itoeran'ny fahamarinana).
Koa n'iza n'iza mitory zavatra ety an-tany (politika, harena B na fitahina B, fiainam-pirenena sy izay zavatra hafa rehetra momba ny ety an-tany. dia aza mino fa tsy izy avokoa izay na milaza aza ireo mpitarika ao fa apostoly izy.
Koa mampirisika an-tsika aho hitady ny fampianarana tsy misy kilema marina ary hianatra amin'izay fampianarana izany.
« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat.11:30)
Izao anefa aza mandray ankafaliana satria hoy ny Tompo hoe: « Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. » (Lio.8:13)
Fa aoka kosa isika mba samy ho tany tsara daholo : « Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana. » (Lio.8:15)
Izay fa dia samia mahereza daholo, manana faharetana ao amin'ny Tompo,
Enga anie ka samy hifankahita any amin'ilay fiainana mandrak'izay marina tokoa isika rehetra
Samia ho tahin'i Jesosy Tompo ry namana isany

95. endriny
(
14/01/2014 19:59)
Ao amin'ny baiboly ihany koa aza tsy nisy afa tsy fankalaza ny nahaterahan'i Jesosy afa tsy indray mandeha dia ilay an'i Magy.
Jesosy aza tsy niteny tamin'ny mpianany hoe andao asiana fankalazana ny fahaterahana koa

96. endriny
(
14/01/2014 20:03)
RBNIR:
« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Mat.11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat.11:30)
Koa raha mora ilay zioga fa ilay lalana sarotra dia ahoana? Tsy vaomaika mitondra ny tsieran'ny ainy ny olona?
Misy mantsy ilay hoe : Iny lalan'iny, lalan-tsarotra
Mbola miampy zioga
Aoka leiretsy e
97. toriteny
(
22/03/2014 16:20)
RBNIR:
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)
Ka ilay définition première an'ilay "Apostoly" mihitsy anie izany no tsy azonao e. Tsy afaka changer na ny apostoly. Io efa nolazaiko anao io ny antony. Fa raha azo changer na ny apostoly, raha raisiko kely ny andinin'ny Soratra Masina noraisinao. Hoy ianao: "natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20). Izany hoe mila an'ny Apostoly sy Jesosy ny fiangonana miorina amin'ny fampianarana tsisy kilema nolazainao.
Izany hoe mila Messia (Jesosy) ve ny olombelona dia lasa ianao hitady Messia vaovao ihany koa izany nefa efa nisy Messia taloha?(jereo tsara an, même niveau de nécessité Jesosy sy ny Apostoly amin'io ) Satria ohatran'izany ny zavatra ataonao. Mila apostoly ou plutôt ny fampianaran'ny Apostoly ny fiangonana dia lasa ianao hitady apostoly vaovao, mila Jesosy ny fiangonana dia hijery Jesosy vaovao koa? Fa ny Apostoly, toa an'i Jesosy tsy azo soloina. Mety hoe disciple angamba no tianao tenenina fa tsy tokony Apostoly
98. toriteny
(
22/03/2014 16:47)
RBNIR:
Tsy Matia ilay izy ry namana (Matia dia ny olombelona no nifidy azy tamin'ny alalan'ny filokana fa tsy i Jesosy Tompo mivantana ary tsy nampianatra azy mivantana koa i Jesosy)
Matia no izy ka. Averiko indray fa ny définition ny atao hoe Apostoly sy ny fepetra voalohany takian'izany Apostoly izany dia ny vavolombelon'ny fitsanganan'i Kristy, tena nahita sy nanatri-maso ny nitsanganan'i Kristy araka izay voalaza ao amin'ny Asa 1: 21-22. Ary Matia io olona io.
Ataon'i PAoly ahoana, izay tsy haiko na 30 na 70 taona taty aorianan'ny fitsanganan'i Jesosy; ataon'ny olona aty amin'ny 2014 taona aty aoriana no ho vavolombelon'ny fitsanganany indray?
Paoly ao amin'ny taratasiny dia mitonotena ho apostoly fa tsy nahazo bénédiction avy amin'ny apostoly 11 ambiny fa ny andry zareo Matia ihany no apostoly mameno azy 12. Ny seza fiandrianan'ny apokalypsy anefa 12 fa tsy 13.
Ka na dia hoe nahavita b aza Paoly ary Matia tsy dia fantatra firy, izay voafidy ihany no izy. Jereo fotsiny ohatra ny tantara: Esao no lahimatoa tokony hahazo ny hosotra nefa Jakoba zandriny no nahazo ny hosotra dia lasa izy no nipoiran'Israely. Na dia saro-piaro sy fetsifetsy sy ratsy toetra tsy toy ny Esao aza Jakoba