Nafindran'i Constantin ho Alahady ve ny Sabata t@ kônsily tany Nikaia ?

41. Miharena ( 09/11/2013 13:08)
NIainga tany amin'ny finoana tantara diso hanorenana finoana moa ity resaka ity ary tonga amin'ny fandalinana izay lazain'ny namana sasany hoe ezoterika na gnostika.

Ny hany fantatra fotsiny dia miara-mandavaka ny andaniny sy ny ankilany dia tsy misy tsoa-kevitra mazava intsony hoe iza tamin'izy ireo amin'izay àry no marina!!!

Fa ny refy azo raisina mba hanamarinana izay voalazan'ny andaniny na ny ankilany angamba dia rehefa misy zava-panahy lalina kokoa voambara fa tsy mitoky amin'ny ara-tantara loatra intsony.

Matetika dia ilay daty no iadian-kevitra na andro. Fa ny zava-panahy vontoatin"ny finoan'ny tsirairay dia zary lasa fafàn'ireo ady ireo avy eo.

Dia tokony ho raisina ara-pratika tsara ilay izy namana isany vao miteny hoe tsy ara-panahy ilay apokrifa na ilay gnostika, na ilay ezoterika. Fa tsy ny rafitra kristianina araka ny fiheverana azy amin'ny maha-rafitra azy no tokony hiompanan'ny finoana fa ny zava-dalina ara-panahy avoitrany.

42. Nehemiah ( 09/11/2013 15:19)
Ka ilay "zava-dalina ara-panahy" anie tsy maintsy misy rafitra e, fa tsy izay tianao anaovana azy :-)
43. RBNIR ( 09/11/2013 16:58)
voromailala:

RBNIR> Mba ahazahoanao ny zavatra lazainay angambany dia mety hoe mila fantatro hoe taiza ny loharano nandika io Baiboly vakianao amin'izao fotoana io ary hoviana?

Valiny Codex Sinaiticus tamin'ny andron'ny amperora Constantin ary nifanakaiky tamin'ny kônsily tany Nikaia, izany hoe tamin'ny taona 330 tany ho any.


Faly miarahaba namana,

« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jao.10:27)

Tsy mila fandalinana B fa raha ondriny ianao mihaino Azy ary izy hahalala anao ary ianao hanaraka Azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
44. Miharena ( 10/11/2013 02:40)
Nehemiah:

Ka ilay "zava-dalina ara-panahy" anie tsy maintsy misy rafitra e, fa tsy izay tianao anaovana azy


Izay indrindra, dia jerena hoe iza amin'ireo andaniny sy ankilany no manome rafitra mazava tsy azo hozongozonina, na koa hoe mihaona ve ilay rafitra raha ny tena izy fa ny olona fotsiny no manao adihevitra amin'ny hodikodi-javatra fotisny.

Ohatra iray ity : ny apokrifa milaza hoe matoa lasa batsaka ny lalàna dia noho ny adivarotra nataon'i Mosesy ary noho ny nampintomboan'ireo izay nomena fahefana hitarika ny vahoaka isaky ny tokony avy. Fa ny an'Andriaanitra dia iray no lalàna.

Ny an'i Jesoa dia milaza koa hoe iray ihany no marina dia ny RAY. Ary koa hoe ny didy lehibe dia ny Fitiavana.

Mihaona izany izy eo.
Ka tsy hita hoe inona moa no hanoherana ny iray raha mandalina kokoa sy manazava ny zava-nitranga ilay iray tsy napetraka ho isan'ny boky tao anaty Baiboly?
45. voromailala ( 12/11/2013 09:48)
RBNIR:

voromailala:

RBNIR> Mba ahazahoanao ny zavatra lazainay angambany dia mety hoe mila fantatro hoe taiza ny loharano nandika io Baiboly vakianao amin'izao fotoana io ary hoviana?

Valiny Codex Sinaiticus tamin'ny andron'ny amperora Constantin ary nifanakaiky tamin'ny kônsily tany Nikaia, izany hoe tamin'ny taona 330 tany ho any.


Faly miarahaba namana,

« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jao.10:27)

Tsy mila fandalinana B fa raha ondriny ianao mihaino Azy ary izy hahalala anao ary ianao hanaraka Azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana




Hoy ny evanjilin'i Tomasy momba ilay Ondry very tao amin'ny Lojiao 107:



Logion 107. (1) Jésus a dit : Le Royaume est comparable à un homme, un berger, qui avait cent brebis. (2) L’une d’elle s’égara — c’était la grande. 25 Il laissa les quatre-vingt-dix-neuf et chercha l’unique, jusqu’à ce qu’il la trouve. Après qu’il eût peiné, il dit à la brebis : je t’aime plus que les quatre-vingt-dix-neuf.


ito ny rohy....
Izay midika fa mila manohitra ianao mivoaka ny harofanina ny fivavahana, fiainana misy anao. Ary rehefa toa izany dia hitady anao Andriamanitra.

I Jesoa zao ohatra manohitra nivoaka ny harofanina ny fivavahana Jiosy, toa izany ihany koa Mahomed. I Bouddah nitsoaka ny fanjakan'ny Rainy izay mpanjaka, sns....
46. voromailala ( 12/11/2013 09:51)

Nehemiah:

Ka ilay "zava-dalina ara-panahy" anie tsy maintsy misy rafitra e, fa tsy izay tianao anaovana azy :-)


Amiko manokana ry namana dia tsy mila rafitra ny fandalinana ara-panahy satria Andriamanitra dia ao anatitsika fa tsy aiza tsy akory. Ka arakaraka ny hametrahanao rafitra no hanalaviranao an'Andriamanitra.
47. RBNIR ( 12/11/2013 10:14)
voromailala:

ito ny rohy....
Izay midika fa mila manohitra ianao mivoaka ny harofanina ny fivavahana, fiainana misy anao. Ary rehefa toa izany dia hitady anao Andriamanitra.

I Jesoa zao ohatra manohitra nivoaka ny harofanina ny fivavahana Jiosy, toa izany ihany koa Mahomed. I Bouddah nitsoaka ny fanjakan'ny Rainy izay mpanjaka, sns....


Faly miarahaba namana,

« Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » (Asa.4:12)

Jesosy irery ihany no anarana nomena ny olona hahazoana famonjena.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,


48. voromailala ( 12/11/2013 14:29)
RBNIR> Faly miarahaba ihany koa anao namana.

Dia ahoana izany ireo olombelona 5 milliards eto antany tsy manaraka ny fivavahana kristianina, tsy ahazo famonjena izany?

Samia ho tahin'ny Fitiavana namana,

49. RBNIR ( 12/11/2013 15:34)
voromailala:

RBNIR> Faly miarahaba ihany koa anao namana.

Dia ahoana izany ireo olombelona 5 milliards eto antany tsy manaraka ny fivavahana kristianina, tsy ahazo famonjena izany?

Samia ho tahin'ny Fitiavana namana,

Faly miarahaba namana,
Tamin'ny andron'ny Safo-drano namana dia tena nisy b dia b ny olona malahelo, zazakely, lahiantitra, vehivavy bevohoka sns....
Tsy nahasakana an'Andriamanitra izany.
Toy izany koa ny tao Sodoma sy Gomora,

Ankehitriny dia mampitahotra ny zava-misy satria efa miha miverina amin'ny andron'ny Sodoma sy Gomora ny olona,

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa. 55:8)

Aza mijery ny hafa namana, fa ianao sy ny ankohonanao aloha jerena.
Ataovy ny Sitrapon'Andriamanitra araka izay takiany marina, ary ampianaro ny hafa mba harahiny ihany koa mba tsy hananao heloka eo anatrehan'Andriamanitra.

Ankehitriny dia nifidy olona iray izy (malagasy) izay nanambarany mazava fa tsy ho ela intsony dia haneo ny hatezerany amin'ny olombolona indray Izy ary handraraka ireo loza 7 farany entiny hamaizana ny olona izay rehetra tsy hino io irakany io (apok.16:1-21).

Manasa anao am-pitiavana aho namana hanaraka ny fandaharana ao amin'ny Kolo Tv isa-maraina amin'ny 05 ora sy fahefany,

Izaho dia vavolombelona satria efa nohamariniko ny filazany, ary efa mahafantatra tsara ny momba azy aho ankehitriny satria efa manana andraikitra ao amin'ny fiangonana aho ary fantatro tsara fa tsy charlatant io olona io satria ny any ampaosiny aza avoakany mba hahafahany mampita aingana ilay hafatra maika dia maika io amin'ny olombelona rehetra.

Araho ity rohy ity namana fa misy fijorona vavolombelona ho anao ao

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6

Andriamanitra akory tsy loza B namana fa mitaky izay haja tokony homena Azy fotsiny ihany Izy
« Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao? » (Mal.1:6)

Ary Izy koa tsy manao zavatra raha tsy efa miala nenina mafy aloha (isan'izany izao fifidianany sy fanirahany mpanompo izao mba hahafantaran'ny olona ny marina ka hiomanan'ny olona mba tsy ho tratran'izany loza izany.

Ampitiavana no hizarako izany namana,

Samia ho tahin'ny Tompo


50. voromailala ( 12/11/2013 16:01)
RBNIR> misaotra anao nizara ry namana ary manaja ny fomba fijerinao aho.
51. RBNIR ( 12/11/2013 17:08)
voromailala:

RBNIR> misaotra anao nizara ry namana ary manaja ny fomba fijerinao aho.

Mafinaritra namana,

Ny Tompo anie hitahy anao mandrakariva,

Izaho raha mizara eto tsy hitarika olona ho any ampiangonana velively, fa mitaona ny olona kosa hianatra sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny tsirairay antoka marina tokoa ny amin'ny fiainana mandrakizay .
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Tsy manenjika fiangonana ihany koa fa milaza ny marina fotsiny ihany araka ny nampianaran'ny Tompo azy .

Samia ho tahin'ny Tompo namana.

52. Nehemiah ( 13/11/2013 07:33)

voromailala:
Ka arakaraka ny hametrahanao rafitra no hanalaviranao an'Andriamanitra.

Ka tsy sitrapoko anie ilay fisiana rafitra tsy maintsy arahina fa tsy maintsy izay no izy, lalàna tsy azo ihodivirana tahaky ny lalàn'ny gravite izany. Sa mahafantatra exceptions ianao ?

Ny fanontaniana mipetraka koa dia hoe ny aiza no rafitra tsy maintsy arahintsika ? Izay itiavantsika olombelona azy sa izay nofeperan'Andriamanitra ?

Tsy tadidiko intsony taiza no namakiako hoe : "Dieu a créé l'homme à Son image mais l'homme le Lui a bien rendu..."
53. Nehemiah ( 13/11/2013 07:35)
voromailala:
Dia ahoana izany ireo olombelona 5 milliards eto antany tsy manaraka ny fivavahana kristianina, tsy ahazo famonjena izany?

Misy zavatra tiako atao mazava : mpanota meloka eo anatrehan'Andriamanitra hatr@ nahaterahantika isika olombelona ary tsy misy olona izay voavonjy raha tsy ny fahasoavana avy @ finoana fa tsy misy an'izany état neutre izany.
54. Nehemiah ( 13/11/2013 07:36)
Fanampiny kely : tsy ny "fivavahana" kristiana no mahavonjy fa ny fahasoavana avy @ finoana an'i Jesoa Kristy sy ny teniny izay ambara @ Baiboly
55. voromailala ( 14/11/2013 10:40)

Nehemiah:

Fanampiny kely : tsy ny "fivavahana" kristiana no mahavonjy fa ny fahasoavana avy @ finoana an'i Jesoa Kristy sy ny teniny izay ambara @ Baiboly


miombokevitra amin'izay aho, kanefa tsy izay ihany satria tsy fivavahana kristianina irery no eto antany, fa mino aho fa misy ihany koa ireo boudiste, hindouiste, silamo, hovoavonjy nefa tsy manaraka ny fampianaran'i Jesoa Kristy fa Krishna, Mahomet, Bouddah, sns....


Nehemiah>Amiko ny hany rafitra misy dia ny rafitra avy amin'ny atsoina hoe "Le rayon de la création".

Loi de la triade sy Loi d'octave.
56. Nehemiah ( 14/11/2013 13:55)
Mba manararaotra kely aho : tokony tsapanao @'izay fa fanekem-pinoana izao lazainao izao, fanekem-pinoanao @ fivavahanao manokana, ary dôgmanao ireny lois 2 ireny.

Ankoatran'izay, milaza impiry impiry ny tenany ho tenin'Andriamanitra ny Baiboly, ka nohon'izany, raha voa misy diso na 1 aza ilay izy dia tsy tenin'Andriamanitra ilay izy fa tenin'olombelona, ary tsy manana fahefàna manokana @ fiainantsika ilay izy. Nohon'izany, tsy azo atao (sady tsy mahasoa) ny manao tsimpon'akotry azy, fa na inoana 1 manontolo ilay izy na tsy inoana mihitsy.

Tiako amafisina koa fa i Jesoa Kristy dia miavaka @ Krishna, Bouddha, Mahomet sns : fampianarana no napetrak'izy ireo fa tsy nisy nilaza mihitsy @'ireo fa Andriamanitra izy na afaka mamela ny otan'ny olombelona (izay prérogative-n'Andriamanitra rahateo). Ny an'i Kristy kosa dia azo fintinina @ fomba tsotra ny hafany : minoa ary manaraha Ahy.

Averiko indray mandeha fa raha mbola tsy manjavozavo Andriamanitra, raha mbola Personne manana eritreritra sy fihetseham-po Izy, dia ny rafitra nofeperany no tsy maintsy arahintsika fa tsy izay tiantsika.
57. voromailala ( 14/11/2013 14:24)
Nehemiah> Tsy resaka domga io fa mila mandalina kely resaka ezoterisma ianao dia azonao io.
Efa manomboka voaporofo tsikelikely aratsiantifika ireo loi lazaiko ireo.
Ny Règle d'or, Solfèse, sns.....


Momba ny fampianaran'i Kristy sy ireo maitre sasany volaza eo ambony ireo dia mitovy fa ny fomba fanehoany azy ny samihafa.

Jereo fotsiny ny baiboly sy ny coran fa maromaro ihany ny zavatra mitovy voasoratra ao.

Krishna dia incarnation Andriamanitra teto antany, Bouddah dia midika koa hoe Kristy, izany hoe lasa illuminé, niray tamin'Andriamanitra ka lasa Andriamanitra.

Ny olona rehetra eto antany dia afaka holasa Kristy, Bouddah,izany hoe lasa Andriamanitra daholo satria isika rehetra dia zanak'Andriamanitra.






58. Nehemiah ( 14/11/2013 14:51)

voromailala:

Nehemiah> Tsy resaka domga io fa mila mandalina kely resaka ezoterisma ianao dia azonao io.
Efa manomboka voaporofo tsikelikely aratsiantifika ireo loi lazaiko ireo.
Ny Règle d'or, Solfèse, sns.....

Raha tsy mitanisa ianao dia naman'ny torak'elefanta ihany.

Ary eo indrindra isika : misy porofo manohana ny fehi-kevitra narosonao ve (satria tsy mitanisa ilay rohy nomenao) sa voatery raisina am-pinoana fotsiny ilay izy ?
voromailala:
Momba ny fampianaran'i Kristy sy ireo maitre sasany volaza eo ambony ireo dia mitovy fa ny fomba fanehoany azy ny samihafa.

Jereo fotsiny ny baiboly sy ny coran fa maromaro ihany ny zavatra mitovy voasoratra ao.

Ka izay indrindra : tsy mitovy izy ireo ary mifanohitra mihitsy azy : ny Baiboly dia milaza fa Zanak'Andriamanitra nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy, fa ny Korana kosa dia milaza fa tsy Zanak'Andriamanitra Izy ary tsy nitsangana t@ maty. Kanefa samy milaza ny tenany ho tenin'Andriamanitra ranoray izy 2, ka nohon'izany dia lôjika loatra raha tsy tenin'Andriamanitra ny 1 @'izy 2.
voromailala:
Krishna dia incarnation Andriamanitra teto antany, Bouddah dia midika koa hoe Kristy, izany hoe lasa illuminé, niray tamin'Andriamanitra ka lasa Andriamanitra
Bouddha dia midika hoe "éveillé" fa Kristos midika hoe "voahosotra" (izany hoe voafidy)
59. voromailala ( 15/11/2013 09:21)
Nehemiah> Raha mila fanazavana lalindaliny ara-tsiantifika ianao dia eto jerena Loi d'octave.

Karohy anie hoe avy aiza ny solfezy, dia hohitanao fa avy tamin'ny loharano ezoterika no nanaovana azy.

Ny Eveil spirituel amiko dia mitovy daholo amin'ny finoana rehetra, ary io no hitambaran'ny finoana fa lasa niova daholo izy taty aoriana.

Rehefa eveillé i Jesoa dia Lasa hoe Kristy, rehefa eveillé i Siddhattha Gotama dia lasa Bouddah, fa i Krishna koa dia efa eveillé ary avy amin'io no nangalana ny anarana hoe Kristy. ary Jesoa azany natsoina hoe Jezeus Krishna.




60. voromailala ( 15/11/2013 09:45)
somary lasa mivona kely le resaka fa ohatra iray koa fampiasana ny loi d'octave amin'ny resaka simika, nataon'i John Alexander.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083