Inona marina moa ny finoana?
1. voromailala
(
07/10/2013 08:29)
Salama daholo indray isika namana.
Ireto ny fijerin'ny mpikaroka spirotoaly hatsoina hoe Osho, izay hiraisako fijery ka zaraiko aminareo.
Religion (1)
Religion (2)
Ahoana ny hevitrao momba ireo fijery roa ireo?

Je suis contre toute religion organisée, car dès l'instant où quelque chose s'organise, des intérêts personnels entrent en jeu. La religion est ensuite oubliée ; d'autres choses deviennent plus importantes. La vérité et la recherche de la vérité exigent votre engagement total ; rien ne devrait y faire obstacle.
La réalité intérieure n'est que pur silence : des milliers de fleurs s'y épanouissent, mais elles n'appartiennent à aucune organisation. Elles sont la récompense de votre quête personnelle, de votre propre voyage intérieur.
Religion (2)
Le monde n'est pas religieux car la religion a été imposée.
Les parents sont pressés de l'imposer; l'église, l' Etat, le pays -
Tout le monde est pressé d'imposer une religion à l'enfant.
Quelle idiotie ! Quelle stupidité!
La religion a besoin de maturité, d'une grande compréhension de la vie, avant qu'on puisse la choisir.
Ahoana ny hevitrao momba ireo fijery roa ireo?
novalian'i mamonjy1 ny 05/05/2014 22:06
2. Nehemiah
(
07/10/2013 13:00)
Raha azoko tsara dia ny fivavahana no tiany resahina. Tokony natao hoe "Inona marina moa ny fivavahana?" ny lohateny, satria hafa ny fivavahana, hafa ny finoana
3. voromailala
(
07/10/2013 13:55)
Nehemiah> Azo raisina hoe fivavahana ihany koa, fa ny tiako resahana izany dia ohatra hoe fivavahana Kristianina, Silamo, Jiosy, sns...
5. voromailala
(
08/10/2013 07:39)
Nehemiah> Ary heveriko hoe hilaza hevitra anie ianao manontany io :-)
6. Nehemiah
(
08/10/2013 12:35)
Mitondra famaritana fotsiny aho mba hazava tsara ny voambolana ampiasaina
7. Miharena
(
08/10/2013 13:10)
Raha io fanontaniana io indray no heverina dia izao no mba hevitro:
Tsy misy fivavahana niroborobo raha tsy nisy fiarahamonina nametraka azy atao fangalaln-kevitra sy ifanakalozana ary ifampitaizana. Ny fizaràna Soratra Masina mihitsy no manery ny fisian'ny fiangonana na hoe vondron'olona manaiky firehana na foto-pisainana na foto-pinoana, izay ilazàna azy mety daholo.
Fa ny tena atao hoe finoana amiko dia fahafahan'ny tsirairay mamantatra hoe iza marina izy ary inona no endrika azony aseho hampivoaka ny maha-izy azy amin'ny toetra tsy misy pentina ifandraisany amin'ny Loharano NIpoirany izay tonga lafatra hatramin'ny voalohany ka ho mandrakizay.
Ny ivelan'izay, izay ambaran'ny namana Osho hoe fanerena sns... dia tsy mamaly ny fanontaniana loatra amiko satria fifampizaràna no ataon'ny ray amandreny sy ny fiarahamonina raha miteny hoe finoana isika.

8. vonynive
(
08/10/2013 13:20)
miarahaba antsika
ny maha zanak'Andriamanitra @ fandraisana an'i Jeso dia FIAINANA fa tsy fivavahana na finoana

9. voromailala
(
09/10/2013 08:00)
Miharena>Misy fahamarinana izay zavatra lazainao izay.
Hilaina tokony ny mizara ny fampianaran'i Jesoa, Mahomet,Bouddah,Krishna ary tokony ilay fampianarana no lalinina ao anaty fa tsy ilay hoe izaho dia anatin'ny fikambanana izao sy izao, lasa "identification" ilay fivavahana ny farany.
Mampatsiaro ahy fampianarana iray izay hoe manondro ny volana izany ilay mampianatra spiritoaly dia hoy izy hoe aza ny tanako no jerena fa izay tondroan'ny tanako.
Momba ny fampizarana nomen'ny RaR, tsisy maharatsy izany, fa kosa tsy tokony hotereny ilay ankizy raha ohatra ka tsy hanaraka ilay fivavahany fa te hanaraka fivavahana hafa.
vonynive>salama e.raha azoko tsara ny tianao lazaina izany dia ny fampianaran'ny Jeso no sarobidy indrindra noho ny fivavahana sy finoana?

10. vonynive
(
09/10/2013 08:55)
voromailala:

ny tiako holazaina dia nampiasaina ho fitaovana ny fivavahana kristiana na ny finoana kristianina fa ny tena maha kristianina dia tsy réligion fa fiainana
12. moustaraf
(
09/10/2013 11:43)
Salama namana,
Finoana moa no lohahevitra eto, nefa tsy afaka tsy hiresaka momba ny fivavahana isika raha izao fizotrany izao no jerena;
Ekena fa ny finoana"fivavahana" dia FIAINANA fa tsy fampiaanarana!!!
NEFA!
Avy aiza moa ny fototra iorenan'ny finoana rehetra ? avy @ fampianarana= toriteny!
ka tsy maintsy misy fifandresen-dahatra atao, ary tsy maintsy misy maharesy lahatra sy resy lahatra, izay vao afaka hino na tsy hino!
"Ny valy boraingina mahazatra ny kristiana manko dia ny hoe" Rehefa mino aho dia izay" sy ny hoe "zava-miafina izany anaka"
tadidiontsika foana anefa fa, ilay fiokoana (révolution, na réforme) nentin'i Mesia ny momba ny finoana sy ny fivavahana dia mitodika mazava tsara amina antokon'olona izay lazainy foana hoe "andian'ondry" sy "mpiandry ondry tokana"
Ary mbola ho avy aza ny andro "ANAVAHANY NY OSY @ ONDRY"
Ny fahitako azy ankehitriny anefa dia "ny andian'ondry sy andian'osy rehetra" dia samy milaza fa izy ireo ilay andiany voalazan'i Mesia!!!
Ahoana ary ny momba an'ilay finoana??? Finoana entina mitsambiki-mikipy ve sa finoana mankaiza? mino mafy be ao an-tsaina ve no atao sa mino manao ahoana?

13. Miharena
(
09/10/2013 11:54)
Raha io indray amiko namana Moustaraf dia tsy hevitra ny finoana fa fanefena ny fanahy hahatratra tanjom-pivoarana iray. Izany hoe tsy mino mafy be ao an-tsaina izany fa ny fo mihitsy no miasa ary manome ny fahatsaràny arakaraka ny fivoarana izay misy ny olona tsirairay.
Raha io no momba ny finoana dia tsy fiheverana hoy aho etsy amony fa fahatsapàna ary mahatsapa ny mino fa mivoatra ara-panahy. Tsy vitan'izay koa aza anefa fa fantany tsara ny hoe inona no fanahy izay karakarainy satria io no endrika ananany fahefana hovolavolaina ho tody amin'ny tanjona iray izay matetika iarahany mamolavola amin'ny Loharano na ny Tompo.

14. moustaraf
(
09/10/2013 13:44)
Salama namana,
Somary hitondra fanazavana kely araka ny boky fototra hebreo:
1-baiboly orizinaly hebreo dia tsy milaza ary tsy ahitana an'ity teny "fanahy " ity ao @ olom-belona:
Elohym nahary ny olona t@ Adamah (vovo-tany) + neshama rhayym(fofon'aina)+ tso-drano(manjaka @ zava-boary); IO no mapiavaka antsika @ biby sy ny zava-boary hafa
2-Ny FANAHY ao @ baiboly hebreo dia ireto ihany : El (Avo indrindra), malarh (anjely), Rouha kodesh (fanahin'i Tsitoha), ary Shedym (anjely nivadika)
3-Amin'ny Ntaolo malagasy; ny "fanahy" dia ilazana toetra: tsara fanahy, ratsy fanahy, malemy fanahy,.... fa tsy ilay zavatra "invisible" izay heverina fa tsy mety maty!
4-Ka io fapidirana resaka fanahy tsy mety maty io dia fitaka avy @ ilay tenin'ny satana hoe:"tsy ho faty tsy akory ianareo, fa ho tahaka an'ilay Mpamorona"
Ary ezahiny @ fomba maro ny fanaporofoana an'io: Angatra, matoatoa, ambiroa, angabe, avelo,... Eny fa aty @ fivavahana indrindra koa aza dia miezaka manamarina an'izany!
Iza ary no marina "ho faty ianareo raha mihinana ny hazo voarara" sa "tsy ho faty tsy akory ianareo"???
fehiny:
Ny finoana dia izay raisinao ka ampidirinao ao anatinao ary mitondra sy mibaiko ny fombam-piainanao:
Mino = mihinana, mandray, misotro!
"Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko"= mino ahy= manana ny fiainana mandrakizay
Fiainana mandrakizay= Yeshu'a raisinao ao anatinao = Mino

15. Miharena
(
09/10/2013 13:50)
Arak'io resakao io izany namana MOustaraf dia tsy manampanahy ny olona fa fofonaina ihany.
Inona àry no mahatonga ny fampanantenana fiainana mandrakizay. Ny inona eo amin'ny olona izy io araka ny fahalalan'ny Hebreo azy? Sao koa tsy misy izany eo amin'ny Hebreo fa rehefa maty dia maty? satria raha fofonaina ihany dia mihelina.

16. ratsirano
(
09/10/2013 20:33)
Voromailala > "Je suis contre toute religion organisée, car dès l'instant où quelque chose s'organise, des intérêts personnels entrent en jeu."
Valiny :
Zon’io mpanoratra io ny tsy manaiky an’izany hoe “religion organisée” satria hoe manjary mahakasika ny “intérêts personnels”. Mazava ho azy fa nanao fikarohana tokoa izy ary mety hitany fa toa tsy nitondra soa ho azy ny fivavahana fa be fombafomba fotsiny fa tsy tena manome tari-dalana. Mety hitany koa hoe mifehifehy ny fiainan’ny olona mba hahazoana tombony sy hanangonam-bola hanaovana trano fivavahana tsara tarehy izy ireny.
Ny tena tokony ho tanjona anefa dia ny fanampiana ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra satria izany foana no tanjon’Andriamanitra rehefa nandefa mpaminany maro samihafa izy taloha. Ary raha te ho tonga amin’io tanjona io dia tsy maintsy manaraka ny lamina apetraky ny Tenin’Adriamanitra, dia ny Baiboly, raha toa ka ny Andriamanitry ny Baiboly no tianao hivavahana.
Araka ny Baiboly àry dia tian’Andriamanitra hoe voalamina tsara ny fomba fanompoana azy. Izany no hita ao amin’ny Salamo 103 :20,21. Voalaza ao fa ny anjely izay manompo an’i Jehovah sy manao ny sitrapony dia antsoina hoe « miaramilany ». Azo antoka fa voalamina izany tafika izany.
Raha ny tety an-tany indray, dia nanome toromarika an’ireo loham-pianakaviana toa an’i Noa sy Abrahama Izy ohatra, dia ireo indray no mampita an’izany tamin’ny fianakaviany. Nahazo toromarika toy izany koa i Mosesy sy ireo mpaminany maro taty aorinany mandra-pahatongan’i Jesosy (Hebreo 1 :1,2) : milaza io andinin-teny io fa mpaminany no nitondra ny Tenin’Andriamanitra taloha, ary amin’izao fotoana izao dia ny Zanany indray, dia i Jesosy izany. Voarakitra ao anaty Baiboly daholo ireo Teny nampitain’Andriamanitra ireo.
Nampiasa rafitra voalamina tsara foana Andriamanitra hatramin’izay ka mandrak’izao mba hampitana ny toromarika amin’ny mpanompony, fa izay te hanompo an’Andriamanitra ihany no mitady izany sy mihezaka mampihatra an'izany amin'ny fiainany. Izay ihany indray ilay hoe « safidy malalaka ».
Mirary soa.

17. moustaraf
(
10/10/2013 03:56)
Miharena:
Arak'io resakao io izany namana MOustaraf dia tsy manampanahy ny olona fa fofonaina ihany.
Inona àry no mahatonga ny fampanantenana fiainana mandrakizay. Ny inona eo amin'ny olona izy io araka ny fahalalan'ny Hebreo azy? Sao koa tsy misy izany eo amin'ny Hebreo fa rehefa maty dia maty? satria raha fofonaina ihany dia mihelina.
Salama namana,
Araka io baiboly io dia" tsy nampiditra fanahy" tao @ olom-belona i El
Ny olom-belona dia nasiana fofon'aina mahavelona (Neshama rhayym) sy singa avy @ mpamorona (betsalmenou); izay miverina any @ mpamorona avy hatrany rehefa maty=mody vovoka indray ilay tany (vatana)
_Iny singa iny dia fananan'ilay mpamorona manokana fa nampindraminy antsika, ka miverina any aminy
_fa kosa ISIKA (ity vatana ity) dia miandry ao am-pasana ny andro fitsarana= fitsanganana @ maty, ary isika no hotsaraina fa tsy ilay fofon'aina; izay very dia ity nofo ity no hodorana @ afon'ny Elo, ary izay voavonjy dia akarina tahaka ny niakaran'Yeshu'a any an-danitra (Nofo sy taolana), i Elia (niakatra velona)
_Ary tsy misy miakatra mialoha mankany an-danitra fa samy miandry an'ilay andro lehibe avokoa
APOK 1:7
Indro Izy avy @ rahon’ny lanitra, ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza!
Ny mpikaroka no nandika an'ilay conscience sy subconscience ary ny sens ho fanahy, fa tsy ny Mpamorona akory; ny mampiavaka antsika @ biby dia ilay fofon'aina mivantana avy @ vavoron'ny Mpamorona izay mitondra fisainana, fahalalana,fieritreretana, sns...
Ny mpanompo sampy sy ny mpiantso devoly no isehoan'ny devoly @ endrik'olon-kafa (efa maty) ary mampino an'izao tontolo izao fa "tsy maty tsy akory isika, fa ho tahaka an'ilay Mpamorona= lasa fanahy"! Yeshu'a raha nitsangana t@ maty dia nanaporofo fa tsy fanahy (tahaka izay aelin'ny devoly) akory fa Nofo azo tsapain-tanana mihitsy!
18. Nehemiah
(
10/10/2013 05:30)
Raha azoko tsara, tsy mahatsiaro inona na inona mihitsy ny maty. Kanefa toa mahatsiaro zavatra tsara i Lazarosy sy Abrahama @ Lk. 16
19. moustaraf
(
10/10/2013 07:43)
Nehemiah:
Raha azoko tsara, tsy mahatsiaro inona na inona mihitsy ny maty. Kanefa toa mahatsiaro zavatra tsara i Lazarosy sy Abrahama @ Lk. 16
"Lazarosy sy Abrahama" dia tsipihina tsara fa Fanoharana (sarin-teny) nentin'Yeshu'a naneho ny fahasarotana ho an'ny mpanankarena mitoky @ zavatry ny nofo, izay noharian'ny tenany, hiditra @ paradisa!
Lazarosy: sarin'ireo mpanaradia an'Yeshu'a, fadiranovana, enjehina ,mifady ny filiban'izao fiainana izao; ataon'ny maro fandatsa sy fihomehezana,
Ilay Mpnanakarena: maneho an'ireo olon'ny nofo, mpirehereha ara-pananana, sy ara-poto-kevitra, mitoky @ azy (fahalalany, fahaizany, ....) ary manao tsinontsinona "ireo izay noana" fahamarinana :"sambatra izay noana fa izy no hovokisana"
Abrahama:
maneho @ jiosy ilay Rain'ny Mpino; rain'ny olom-boavonjy
"Eo an-tratran'i Abrahama":
ara-bakiteny koa ve izany? Tsia, sarin-teny avokoa ireno rehetra ireo! eo akainin'i Abrahama
APOK 1:19-18
Aza matahotra, izaho no Voalohany sy Farany, 18) dia Ilay Velona; efa maty aho, nefa indro velona mandrakzay mandrakizay
NB: Efa maty ara-nofo Yeshu’a (fa tsy maty ara-panahy akory); ary Velona ara-nofo mitafy ny Tsy fahalovana mandrakizay!
20. Miharena
(
10/10/2013 08:38)
Misaotra ny namana Moustaraf amin'ny fanazavàna.
Fa misy fanamarihana ihany: raha ny fampianarana momba ny nofo hitsangana indray, ahoana no fiheveranao ireny olona nangalarin'ny olona ireny ny taolany?
Ankoatr'izay, raha toa ka izany marina no izy, ahoana ireo taolambalo izay lasa vovokoa tanteraka?
Metymanana fanazavàna ara-tsiansa momba ny fitsanganana ve ny namana Moustaraf?
Miteny izany aho satria mila mazava amin'izao fotoana izao fa tsy misy izany zava-miafina izany intsony tokony mbola tsy ampahafantarina ny olona momba ny namoronana azy tsirairay avy.