Inona marina moa ny finoana?
21. moustaraf
(
10/10/2013 11:45)
Miharena:
Misaotra ny namana Moustaraf amin'ny fanazavàna.
Fa misy fanamarihana ihany: raha ny fampianarana momba ny nofo hitsangana indray, ahoana no fiheveranao ireny olona nangalarin'ny olona ireny ny taolany?
Ankoatr'izay, raha toa ka izany marina no izy, ahoana ireo taolambalo izay lasa vovokoa tanteraka?
Metymanana fanazavàna ara-tsiansa momba ny fitsanganana ve ny namana Moustaraf?
Miteny izany aho satria mila mazava amin'izao fotoana izao fa tsy misy izany zava-miafina izany intsony tokony mbola tsy ampahafantarina ny olona momba ny namoronana azy tsirairay avy.
Salama namana,
Ao ireo very taolam-balo, ao ireo rotiky ny lozam-pifamoivaoizana, ao ireo lanin'ny biby dia, ireo may, nilatasaham-baratra,ireo lasa vovoka efa an-taona maro, ssns.... (??)
ka toy izao...
22. Miharena
(
10/10/2013 13:12)
Tohizana ny fanontaniana satria mbola hanohy ianao namana.
Ahoana ny fipetraky ny rà izay hitan'ny olona any amin'ny helo izay hanin'ny devoly hono? resaka illusions ve ireny sa ahoana?
Ao koa ny olona izay nomena vatana fanahy rehefa nisy maty nefa natsangana avy eo. Ahoana ny momba ireny? Manana fanazavàna tsara ve ny Hebreo amin'izany zavatra izany?

23. Nehemiah
(
10/10/2013 14:45)
Moustaraf > Ka niainga avy t@ zava-misy anie ny fanoharan'i Jesoa, ka nahoana no tsy hiainga avy @ zava-misy ity fanoharana 1 ity ?
24. moustaraf
(
11/10/2013 03:37)
Salama namana,
1°Ahoana ny fitsanganana ho an'ireo tsy hita faty, very taolana, rotika, vovoka,sns....?
-Ho an'izay mbola velona @ izany andro izany, hoy ny Epistily hoe:"ovana anatin'ny indray mipi-maso; ary ity mety lo ity tafiana ny tsy mety lo"= tsy mandalo fahafatesana intsony
-ho an'ireo izay efa maty kosa:
-APOK 11:11
Ary rehefa afaka hateloan’andro sy tapany dia nisy fanahin’aina avy t@ Elohym niditra tao anatin’ireo, ary nijoro t@ tongony izy.
=Averin'i Mpahary @ ts1-1 ilay "Aina" izay nomeny ary nesoriny tamin'ny nofo rehetra
@ fomba manao ahoana? RAHA TSY EO INTSONY NY VATANA?
El managana avy @ tsy misy, @ hery tsy voafetra:
LIOK 3:8
"Fa lazaiko aminareo fa Elohym mahay manangana zanaka ho an’I Abrahama avy @ ireto vato ireto"= na misy taolana na tsy misy dia tsy maintsy mitsangana @ alalan'ny herin'i El Mpahary!
3°Ahoana ny fipetraky ny rà izay hitan'ny olona any amin'ny helo izay hanin'ny devoly hono? resaka illusions ve ireny sa ahoana?
fanontaniana: Efa mifatotra any @ helo ve satana @ izao fotoana izao?
4° Ka niainga avy t@ zava-misy anie ny fanoharan'i Jesoa, ka nahoana no tsy hiainga avy @ zava-misy ity fanoharana 1 ity ?
-Mbola tsindriana foana, fa ny Fanoharana, ny fahitana rehetra ao @ baiboly dia "misy heviny" foana fa tsy azo raisina ara-bakiteny, isika rehetra mahalala an'izany! fa rehefa azon'ny fampianarana malama vava isika matetika dia "tsy manana raisonnement intsony" ka lasa mihinana am-bolona avy hatrany!

25. Miharena
(
11/10/2013 05:28)
Fanontaniana indray no namalianao ilay resaka rà nolazaiko. Inona no marina amin'ireny?
Ny momba ny fiverenan'ny aina tsirairay, tokony hisy endrika mazava entina mamaritra azy fa tsy lasa manjavozavo amin'ny teny iray fotsiny ihany.

26. Nehemiah
(
11/10/2013 06:48)
moustaraf:
4° Ka niainga avy t@ zava-misy anie ny fanoharan'i Jesoa, ka nahoana no tsy hiainga avy @ zava-misy ity fanoharana 1 ity ?
-Mbola tsindriana foana, fa ny Fanoharana, ny fahitana rehetra ao @ baiboly dia "misy heviny" foana fa tsy azo raisina ara-bakiteny, isika rehetra mahalala an'izany! fa rehefa azon'ny fampianarana malama vava isika matetika dia "tsy manana raisonnement intsony" ka lasa mihinana am-bolona avy hatrany!
Azafady aminao fa tsy voavalinao mihitsy ny fanontaniako fa nanao fisainana mitamberina ianao
27. moustaraf
(
11/10/2013 07:54)
Nehemiah:

Inona moa no lazainao fa zava-misy @ io fanoharana io?
Ilay sary naseho momba an'ilay mahantra sy Abrahama ANY an-danitra ve?
Ny zava-misy dia ny lesona lehibe azo tsapain-tanana avy @ io fanoharana io, araka izay efa nosoatako etsy ambony!
ka ento indray ary ny fanehoan-kevitra avy aminao hiaraha-mamaky e!
28. moustaraf
(
11/10/2013 08:12)
Raha tiantsika dia mbola ampiana hoe:
"tsy fanahy araka izay asesika foana ireo miresaka ireo, fa olom-belona "ara-batana" manana fahatsapana "sens": mijaly, mafana, mahamay, fadiranovana, mangetaheta,...Sambatra, finaritra, ...." manaporofo izay efa voalaza rehetra tany alohaloha tany!

29. Miharena
(
11/10/2013 13:00)
Eny àry, atao hoe marina ireo resaka arosonao ireo namana Moustaraf. Fa misy maro dia maro ireo mijoro vavolombelona na eto Madagasikara na any an-dafy rehetra any milaza fa naseho azy ireo Abrahama, Mosesy sns... Inona indray no fandraisanao ireny?
Marihina fa Ilay mitonona hoe Jesosy ihany no maneho ireo ny olona izay irahiNY.

30. moustaraf
(
11/10/2013 15:58)

Ity dia mbola misy lesona lehibe iray azo tsoahina avy @ ilay fanoharana lazaintsika etsy ambony ihany: "Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany"=Torah, "izy ireo , ka aoka ireo no henoiny"-
-Tsy voasoratra hoe nanaiky handefa ny maty hiseho @ velona mihitsy i Abrahama! ka asakasak'izay isehoan-javatra fa tokony hisaina lalina ireo olona ireo, ary hamaky tsara izay voasoratra.
-Ny malarh(anjely) no lazain'ny baiboly ombieny ombieny fa manana iraka miseho @ olom-belona ary milaza hafatra mazava, fa tsy maka endrik'olona efa maty tsy akory/ fa ilay rain'ny lainga no mpaka tahaka sy mpaka endrik'olona efa maty ho entina mamitaka ny velona.
-Marina tokoa fa ilay jesosy no mampiseho an'ireo endriky ny efa maty ireo , entiny manamarina izay voalazan'ny menarana t@ Eva hoe"tsy ho faty tsy akory ianareo fa ho tahaka an'i El Mpamorona"
-Ilay Yeshu'a dia "Niditra ao @ toerana masina indrindra, eo anatrahan'i El ,manao ny fisoronana sy ny fifonana ho antsika isan'andro" ary tsy mivoaka ao raha tsy @ andro fitsarana , hitsara ny velona sy ny maty!
31. Miharena
(
12/10/2013 03:40)
Dia mazava moa izany fa mbola tsy nivoaka tao amin'ny toerana Masina indrindra Yeshua hoy ianao.
Ny zavatra mahagaga ahy anefa dia tsy misy valaka anie namana Moustaraf ireo fanambaràna lazainao ireo ary miseho amin'ny olona fa ny anarana fotsiny no samihafa fa ny endrika rehetra isehoana mitovy tanteraka e!
Ohatra : raha nilaza ianao fa ao amin'ny Toerana Masina indrindra i El sy Yeshua dia mitovy amin'izany koa ny fisehoan'i Jehovah teo anatrehan'ny olona tsotra tsy mahalala na inona na inona fa notendrena ho iraka mivantana avy any Aminy fotsiny. Yeshua=Jesosy dia afaka mivoaka sy miditra ny toerana Masina indrindra noho ny nahafahaNY ho tonga nofo ary afaka mifanerasera amin'ny olona nodimandry rehetra.
Ankoatr'izay, tsy ny mitoky amin'ny Soratra ihany no finoana fa fahatspàna sy fahitana amiko.
Asa aminareo raha mbola voafehin'ny Soratra i El sy Yeshua fa tsy miaina mazava mifanerasera amin'ny olombelona izay mikatsaka AZY.
Raha ny lojikan'ny famelabelaranao manko no tena raisina, dia mazava izany fa nomena an'i Satana avokoa izany ny fitondrana ny olombelona rehetra fa tsy misy idiran'ni EL satria Jehovah dia tsy EL fa ilay iray tsy izy ary koa Jesosy tsy Yeshua fa ilay iray hafa koa.
Dia inona izany no lojika azo raisina amin'izany raha fantatra fa tsy misy dika samihafa fa ny anarana fotsiny no tsy mitovy toa ny nitranga tao Babela?

32. Nehemiah
(
12/10/2013 07:34)
Moustaraf > Ny tiako ambara dia izao : zava-misy ny olona fatra-pikaroka ny vola veriny, zava-misy ny zanaka adala izay miverina amin'ny rainy, zava-misy ny fahavalo mamafy tsimparifary @ tanimboliny ny fahavalony, zava-misy ny mpitsara ratsy fanahy izay manaiky ny hikarakara momba ny raharahan'ny mpitondra tena izay mamaky ny lohany andro aman'alina, ka nahoana no tsy tokony hisy izay voalaza amin'ny fanoharan'ny lehilahy manankarena sy Lazarosy ?
33. moustaraf
(
12/10/2013 16:37)
Ye ! tena misy eto an-tany ny olo-mahatra tahaka an'i Lazarosy sy ny manan-karembe tahaka an'io! fa tsy izany akory ny lesona avy @ fanoharana
Miharena: "Asa aminareo raha mbola voafehin'ny Soratra i El sy Yeshua fa tsy miaina mazava mifanerasera amin'ny olombelona izay mikatsaka AZY".
-Yeshu'a = torah = teny tonga nofo
manala izay voasoratra= manala ny ampahany @ Yeshu'a (tsy misy azo alatsaka na litera iray aza)
Ny Torah dia manazava tsara, fa mandritra ny andron'ny fanaronana (yom hakipourym)dia miditra ao @ efitra masina indrindra ny mpisorona be, manao fifonana ho an'ny Israely ka"Izay olon-kafa miditra eo dia atao maty"; fifaliana lehibe ny an'ny vahoakan'i El rehefa mivoaka avy ao ny kohen gadol"
-Ankehitriny Yeshu'a niditra ao @ efitra masina indrindra manao fifonana, mandra-pivoaahany eny @ rahon'ny lanitra =fifaliana lehibe ho an'izay voavonjy!
Izy no mpanalalana antsika @El, mandray ny vavaka rehetra avy @ olony, ary mitondra izany eo anatrehan'i El; io ilay hoe
" na zovy na zovy mangataka zavatra @ El @ alalko....Tsy misy mankany @ El afa tsy @ alalako"
Zavatra kely ve ny momba ny fanovana ANARANA? toa milaza isika hoe "mandainga ny faminanina", na koa hoe "tsy misy izany rain'ny lainga izay mamitaka an'izao ttlo izao"

34. Miharena
(
12/10/2013 16:46)
Zavatra kely ve ny momba ny fanovana ANARANA? toa milaza isika hoe "mandainga ny faminanina", na koa hoe "tsy misy izany rain'ny lainga izay mamitaka an'izao ttlo izao"
Azo lazaina ve hoe manana izay fahafaha-manao izay tontolo milamina sy mazava Satana raha ambara fa mandika sandoka ny momba an'i EL sy Yeshua entina hamitahana ny maro?
Ny zavatra fantatra manko dia miavaka tsara ny tontolo misy ny Devoly sy misy an'i Jesosy rehefa misy ireny mijoro vavolombelona ireny.
Misy fijoroana vavolombleona ihany koe ve nefa ny Hebreo ? Tokony harosony izany ahafahana milaza hoe tsy ilay structure nasehon'izay milaza fa voairak'i Jesosy no izy fa ilay voambara fa ho avy. Izany heo mbola mitana ny Soratra ary manao izay hampateza azy.
35. moustaraf
(
12/10/2013 18:27)
Mazava be anie izay voalaza sy voasoratra ao @ baiboly e!
raha miavaka be tahaka izany ny tontolon'ny tsara sy ny ratsy dia iza no ho voafitaka???
I Shedym (Satana na devoly) dia rain'ny lainga, mpaka tahaka:
-amboadia mitafy odin-janak'ondry; mora fantarina ve izany?
-mpaminany sandoka; ary tanteraka izay lazainy; iza no tsy ho voafitaka?
-tsivarivary eo @ tanimbary; mora avahana ve izany?
-Jesoa (jesosy) eo ankilan'Yeshu'a
-manana lapa eny @ lanitra
-manasitrana sy manao fahagagana
-mampianatra baiboly fa saingy mandrava Torah
-miteny @ teny tsy fantatr'olona
-manokana andro 1 anatinany herin'andro Alahady # Sabata
-sns....
Inona moa no nampandroso ny fiangonan'ny Apostoly t@ finoana? mazoto mandinika ny soratra masina (Torah) isan'andro!
Mamantatra ny zavatra rehetra, mizaha toetra ny fanahy rehetra, ary mampitaha izany @ izay efa voasoratra (Torah) na marina na diso!
Efa nilaza anie Yeshu'a fa hoa avy aorianany ny mpaminany sandoka HAMITAKA NY FIRENENA REHETRA! Nahoana isika no tsy mino???

36. Miharena
(
12/10/2013 19:02)
Efa nilaza anie Yeshu'a fa hoa avy aorianany ny mpaminany sandoka HAMITAKA NY FIRENENA REHETRA! Nahoana isika no tsy mino???
Tsy misy mandà io voalaza io anie namana na iza na iza Kristianina. Na efa nisehoan'i Jesosy izy na tsia.
Ka asa hoe inona ilay tsy mino tianao lazaina fa mbola tsy mahavaly n yfanontaniana ihany ianao namana. Ny fanontaniana dia hoe efa nisy ve sa tsia olona Jiosy na Hebreo izay niresaka nivantana tamin'i Yeshua sy YHWH?
Sa mbola misitery sy toy ny zavatra andrasana izay higadonany hatrany fa tsy miasa IZY ireo amin'ny Jiosy fa izay voasoratra 6000 taona lasa ihany no mbola manankery ? Ny tiana lazaina dia hoe tsy mivoatra mihitsy ve ny asan'i EL sy Yeshua??
37. moustaraf
(
13/10/2013 03:56)
Salama,
Mazava be izany valin-teny izany! fa isika efa voapetaky ny fotom-pampianarana kristiana hatry ny fony kely no sarotra mandray fanazavana hafa satria avy dia mametraka blocage intellectuel @ fandraisana izay hazavaina!
Ny hebreo tompon'ny fivavahana @ El indray ve anontaniana momba ny asan'i El sy ny fisehon' Yeshu'a??
Amin'izao fotoana izao, dbd ireo mpiandry sy mpino kristiana no sitranina @ alalan'Yeshu'a Hamashyrhah ary roahina miaraka amin'izay ilay jesosy sy ny fanahy rehetra mpamitaka miaraka aminy!

38. Miharena
(
13/10/2013 05:16)
Miala tsiny aminao aho namana Moustaraf fa ity ady an-trano momba ny fitadiavana ny fahamarinana ity dia efa novoaboasan'i Jesoa tao amin'ny Testamenta fahatelo.
Ny olana anie dia izao e! rehefa misy tonga milaza fa tsy maintsy afahana amin'ny anaran'i Jesosy maty ami'ny antsasaky ny herinandro dia mirona mankany daholo izay olona nitoky ny hoe maty Zoma sy nitsangana Alahady IZY.
Dia izay koa, lasa tonga indray ny fampiasàna ny Anarana Yeshua satria hono amin'izay tafiditra amin'ny teny fototra kokoa.
Nefa lazaiko anao fa anaran'i Jesosy tsy tokony ho voaroakan'ny anarana Yeshua izany. Iray ihany ireo fa tandremo sao dia ny fanahy iasan'ny tenanao no mandoto ny Hasina izay efa mazava amin'ny hafa araka ny fomba fiteniny sy fahazoany avy.
Asa ianao tsy nahamarika tsara ve tao amin'ny Apokalypsy ny momba ny Anarana vaovao? Izay mahazo fifadraisana mivantana AMINY ihany no mahalala io Anarana io. Fa tsy hoe efa fantatra fa Yeshua, na Jesosy sns isam-pirenena dia hoe ny iray amin'izay no Anarana tena izy.
Ataoko fa tsy misy mahatonona ny AnaraNY tena izy isika raha tsy efa any an-danitra miaraka AMINY.

39. moustaraf
(
13/10/2013 16:50)
TSIA! izay anarana antsoinao no mipetaka eo @ handrinao sy @ tanana ankavanana!
"Efa nomeny ny anarany, dia izay TIANY IANTSOANA AZY! fa tsy izay tiantsika iantsoana Azy akory! ka izany no tokony harahina fa tsy izay dikan'anarana sy anaram-petaka avy @ hevi-petsin'ny devoly!
Na inona lazaina na inona toriana, ary raha mbola ilay nivavahan'ny Hebreo no ivavahantsika dia efa nomeny ny anarany sy ny anaran'ny zanany @ teny HEBREO (izay teny nofidiny hanomezana ny didiny sy ny fitsipiny) ! fa tsy mbola hoforonina akory!
Tsy nomeny ny grika sy ny romana na ny anglisy , sns...Izany didy izany fa ny Hebreo irery ihany!
"Ary ny HAFA firenena izay avy hivavaka @ Adonay ELohym dia hahalala ny ANARANY"
Tongava isika saina,ary mifohaza @ izay hiala @ ity hosoka sy lainga namokisana antsika ela be izay! tonga izao ny fotoana itoriana ny marina rehetra!
"Ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo"
Tsy hoe tonga indray ity "anarana Yeshu'a" ity, fa AVERINA @ LAONINY ILAY ANARANA AMBONY INDRINDRA! araka ny tenin'ny faminaniana efa voasoratra hatramin'ny ela!

40. RBNIR
(
14/10/2013 06:03)
Faly miarahab namana moustaraf,
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Ny tena hosoka sy lainga dia ny fitaomana ny olona hiala amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
Na amin'ny fomba ankolaka na mivantana,
Ny fahalalana ny Anarany tsy midika ho inona, fa na fantatrao aza ny anarany nefa ny ataonao ihany no ataonao ary ny sitrapony kosa dia hamavoinao dia toy ny tsy misy izay eo anatrehany.
Samia ho tahin'ny Tompo namana