Fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona?
61. jajajaly
(
02/10/2013 09:57)
Miarahaba antsika rehetra.
Voromailala>> Fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona?
Valiny voalohany: Resahan'i Jehovah ao amin'ny Teniny fa "fa izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy" (1 Jaona 5:19)
Resahan'i Jesosy fa ilay ratsy (SATANA) no Mpitondra ity tontolo ity fa tsy Andriamanitra. Misy zavatra ataon'ny Jesosy aminy anefa "Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao" (Jaona 12:31)
Aoka atao hoe hanampy ny olona rehetra Andriamanitra androany ka foana ny fijaliana: Tsy ho lasa fiaraha-mitatana amin'ny satana ve izany? izay fahavalony!!! Mbola hila fanjakan'Andriamanitra indray ve ny olona? Ho voaporofo ve hoe tsy mahay mitondra ny olona i Satana?
Rehefa nanaiky an'i SAtana i Adama sy Eva dia te hiteny Izy hoe Izy (Satana) no tian'i Olona kokoa hitondra azy fa tsy Andriamanitra. Nasin'Andriamanitra fotoana ary hanaporofoina raha mahay mitondra ny olona marina i Satana!!! Mbola anatin'io fotoana io isika.

www.jw.org/mg/ Matio 24:14

62. narynjato
(
05/10/2013 19:57)
Raha izaho no hamaly io lohahevitra io dia izao no holazaiko:
Tsy avelana'Andriamanitra mijaly ny olona fa avelan'Andriamanitra halalaka (Liberté). Malalaka ka tompon-tsafidy amin'ny famaritana izay hizoran'ny fiainany. Malalaka ka afaka manira-tena hanao ny tsara, na hanira-tena hanao ny ratsy.
Aoka handini-tena isika ka hahatsapa ny fahamarinan'izany.
Ny isan-tsengondran'ny fiainantsika dia safidy. Ny olona, saiky mandrakariva dia tia manilaka ny vokatry ny safidy ratsy ataony amin'olon-kafa. Izay no tena hitako fa fahalemen'ny finoana kristiana matetika : ny tsy fahazoana ny fampianaran'i Jesoa. Oviana ohatra i Jesoa no niresaka Adama sy Eva raha nampianatra ? Oviana Izy no nampianatra ny amin"izany Satana manjary lasa omentsika fahefana mihoatra lavitra noho Andriamanitra ka inoana sy ampianarina antsika fa manjaka tanteraka amin'ny olona eto an-tany mandraka androany?
Ambara ho Mpamonjy i Jesoa. Izay tena fantatra fa nataony tamin'izay nalehany rehetra aloha dia ny nampianatra. Ao amin'izay fampianarana nataony no tokony hanasongadinana ny lalana mitondra amin'ny famonjena fa tsy ao amin'izay finoan'ny jiosy na izay foto-kevitr'i Paoly izay tsy mba nanana tombotsoa nianatra mivantana tamin'i Jesoa fa olona niofana ho fariseo ka tsy nahay nanilika ny "masirasiran'ny Fariseo" izay nampitandreman'i Jesoa ny mpianany.
Ny fampianaran'i Jesoa irery ihany no afaka hasaisotra ny olona amin'ny fijaliana sy hanala azy amin'ny tahotra an'izany satana "vokarin'ny sainy"izany.
Saingy izaho dia milaza fa tsy azon'ny olona fampianaran'i Jesoa...