Fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona?

1. voromailala ( 11/09/2013 14:04)
Andriamanitra hoy isika no nahary izao tontolo izao.

Fa maninona no tsy tonga dia nataon'Andriamanitra tonga lafatra daholo izao tontolo izao, fa lasa misy ny fijaliana sy ny adiady erak'izao tontolo izao?

Efa nalefany ny zanany lahitokana kanefa vao maika nijaly ny olona, sao dia tokony halefany indray ny zanany vavytokana hanavotra ny olona mijaly?

répondu par narynjato le 05/10/2013 19:57
2. Nehemiah ( 11/09/2013 14:14)
3. voromailala ( 11/09/2013 14:17)
Nehemiah> mifohaza ianao ry Nehemiah fa ny Baiboly no lasa mibaiko anao.
4. Nehemiah ( 11/09/2013 14:30)
Inoanao ve ny Gen. 1-3 sa tsia e ?
5. Nehemiah ( 11/09/2013 14:36)
Mahavariana anie ny toe-tsainao e : mametraka fanontaniana (omban'ny esoeso) momba ny finoana kristiana hoe fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona ianao, atoroko anao ny ampahan'ny Baiboly izay mahavaly tanteraka ny fanontanianao, dia avy eo fotsifotsianao, inona kay no tena tanjonao amin'ny fametrahana ny fanontaniana e ?
6. voromailala ( 11/09/2013 14:42)
Nehemiah> Ianao no tiako hamaly fa tsy i Nehemiah. Nehemiah efa voabaikon'ny ny baiboly.
Izaho tsy mahay mamaky baiboly, fa mahay mamaky izay soratra avy amin'ny olona velona.

Eritrereto hoe mametraka fanontaniana ianao, dia hataon'ny olona hoe jereo ny Gita, na hoe jereo ny coran zao sy zao.

7. voromailala ( 11/09/2013 14:43)

Nehemiah:

Mahavariana anie ny toe-tsainao e : mametraka fanontaniana (omban'ny esoeso) momba ny finoana kristiana hoe fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona ianao, atoroko anao ny ampahan'ny Baiboly izay mahavaly tanteraka ny fanontanianao, dia avy eo fotsifotsianao, inona kay no tena tanjonao amin'ny fametrahana ny fanontaniana e ?

Tsisy resaka esoeso mihintsy izany ary mino aho fa maro ny olona tehametraka io fanontaniana io ihany koa.Hoe famaninona, no avelan'Andriamanitra mijaly ohatra ny vahoaka Malagasy?

8. bor2lais ( 11/09/2013 14:47)
Ary raha avadika indray ny fanontaniana hoe : fa maninona (na rehefa inona) ny olona no mahatsiaro tena (na lazaina) fa mijaly ? :-)
9. voromailala ( 11/09/2013 14:55)
bor2lais> :-)
Dia hoy aho hoe rehefa tsy mahatsiaro tena ho sambatra :-)

Dia mety hanontany ianao hoe rehefa inona no hatao hoe sambatra ny olona?

Dia lasa lohahevitra vaovao :-)

Fa amiko manokana zany hatao hoe sambatra ny olona iray rehefa manana fiadanampo an'i Kristy, "Paix du Christ" na koa hoe "Paix Intérieure".

10. Nehemiah ( 11/09/2013 14:58)

Efa nalefany ny zanany lahitokana kanefa vao maika nijaly ny olona, sao dia tokony halefany indray ny zanany vavytokana hanavotra ny olona mijaly?

Efa nataonao mazava fa avy @ milieu kristiana ianao ka rehefa vakiana ity dia mazava ho azy fa esoeso izay.

Ankoatran'izay, zoanao ny mieritreritra ny Baiboly ho angano, fa kosa raha mametraka fanontaniana momba ny finoana kristiana dia tokony efa manampo ianao fa hamaly @ fomba kristiana ny kristiana (2 Tim. 3:16).

Ankoatran'izay indray dia mbola tsy novalianao ity fanontaniana ity :

Inoanao ve ny Gen. 1-3 sa tsia e ?

Marina aloha fa somary retôrika ihany ny fanasako hamakianao azy satria tsy misy olona notaizàna t@ finoana kristiana izay tsy mahalala ny @ Edena, Adama sy Eva, ary ny Fahalavoana, na dia mody fanina aza ianao, kanefa manontany tena ihany aho ny antony mahatonga anao hanipaka ny fitantaran'ny Gen. 1-3 @ fomba mitompo teny fantatra
11. voromailala ( 11/09/2013 15:04)
Nehemiah> Voalohany aloha tsy an'i Kristianina irery Andriamanitra sy Jesoa, noho izany fanontaniana malalaka mivelatra fa tsy momba ny finoana kristianina irery no resahako.

Ianao milaza fa mahafantatra ahy kokoa no izaho, amin'ny fitenena hoe amiko baiboly dia angano, koa inona no mbola hanontaniana hoe inoako ve ny Gen?

Efa manomboka ianoa no mamaly fa tsy ny baiboly fa na izany azany mbola tsy mamaly tsara ilay fanontaniana napetrako voalohany indrindra.

Misaotra mialoha.

12. Nehemiah ( 11/09/2013 15:13)
Nahoana ianao no misendoatra tahak'izao ? Tsy nilaza mihitsy aho hoe aminao baiboly dia angano fa hoe : "zoanao ny mieritreritra ny Baiboly ho angano", hafa izay.
Raha ny momba ny hoe "tsy an'i Kristianina irery Andriamanitra sy Jesoa" iaraha-mahafantatra ny Jn. 14:6 hoe : "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako", izany hoe tsy izaho no namorona an'izay fa Izy no nilaza an'izay.
Torak'izay koa tsy hitako izay tsy voavalin'ny Gen. 1-3 :
izaho:

Izay mantsy no tena fomba fijery kristiana an'izao tontolo izao : tanteraka ilay izy tamin'ny fotoanan'ny FAMORONANA, fa saingy rava izany fahatanterahana izany tamin'ny fotoanan'ny FAHALAVOANA, rehefa nanota ny olombelona, ka izay no ilantsika ny FAMONJENA.

Afa-po ve ?
13. universal ( 11/09/2013 15:35)

voromailala - 11/09/2013 14:04
Andriamanitra hoy isika no nahary izao tontolo izao.

Fa maninona no tsy tonga dia nataon'Andriamanitra tonga lafatra daholo izao tontolo izao, fa lasa misy ny fijaliana sy ny adiady erak'izao tontolo izao?

Eritreritra adaladala tsy voatery ho marina...
Raha hoy ny lohahevitra hoe: "Fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona"? Ny fahitako azy dia:

1/tsy misy idiran'Andriamanitra mihitsy ny fijalian'Andriamanitra fa ny olombelona no mampijaly ny tenany, araky ny tenin'ny Ntaolo manao hoe: "ny tody tsy misy fa ny atao no miverina", samy mijinja izay nafafiny. Andriamanitra akory tsy lozabe ka hizara fahoriana ho an'ny olmbelona.

2/misy antokon'olona manandratra ny tenany hoe diso mahafantatra ny lakilen'ny lanitra ka manera ny fanjakan'Andriamanitra sy manely fampianarana diso, ary manaraka izany an-jambany ny olombelona. Eny fa na dia efa nampintandrina aza i Kristy manao hoe: "...Betsaka ny ho avy amin'ny anarako, mety hahavita fahagagana izireo nefa aza mino an'izany ianareo fa mpaminany sandoka izireo...", Tsy niteny mihitsy i Kristy hoe i Pierre na Petera, na koa Paoly no inoana sy arahina rehefa lasa aho.

voromailala - 11/09/2013 14:04

Efa nalefany ny zanany lahitokana kanefa vao maika nijaly ny olona, sao dia tokony halefany indray ny zanany vavytokana hanavotra ny olona mijaly?

Izaho koa aza mba gaga amin'izany. Raha ny zavatra fantatro dia efa ela ny Jiosy no niandry ilay Messie. Tonga tokoa ilay messie fa ny olana dia naleon'ny Jiosy Barabasy no navotsotra fa i kristy no ho vonoina. Ny fanjakana Jiosy aza dia rava tanteraka tao aorinan'ny "fahafatesan'i Kristy" ka niparitaka maneran'izao tontolo izao ary tsy tafaverina tao moyen orient raha tsy efa vita ny ady lehibe faharoa. Misy moa ny milaza fa ireo izay mino ihany no ho voavonjy dia mampanontany tena manao hoe: " à quoi joue le bon Dieu? Ataony sorona ny zanany avy eo mangataka amin'ny olombelona izy hino izany? Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: Andriamanitra no tompon'ny fahefana ary teny tokana fotsiny no ataony dia madio ny tany ary tsy misy fijaliana intsony toy ny nataon'i kristy raha nanangana amin'ny fahafatesana an'i Lazarosy izy.

Eritreritra sendra mandalo iny fa tsy voatery ho marina akory...

14. universal ( 11/09/2013 15:35)

15. moustaraf ( 11/09/2013 16:30)
salama namana,
1°amiko dia mila faritana tsara aloha ilay dimesion tiana iresahana an'ilay hoe Mijaly:
Izao tontolo izao tsy mijaly, maro ireo firenena manana amby ampy, ary manome fanampiana izay mbola mahantra, sns...

2° Ny firenena afrikana sasany no kilasiana ho tavela aoriana, ary indraindrindra fa isika et Madagasikara @ ankapobeny (mihoatra ny 85%)!

Tsorina ny resaka;
Ny malagasy dia vahoaka tia mivavaka, fatra-pivavaka ary tsy afaka miaina raha tsy mivavaka na manompo zavatra (fanahy, razana, sns..): io no porofo fa TE HIVAVAKA ny Malagasy fa saingy Tsy fantany izay tena tokony ivavahany!

Arakaraka ny maha maro ny antokom-pivavahana no mihamafy ny fijaliana ARA-NOFO, izany tokoa ve ny hoe mivavaka???

Ianao hamafy, fa ny hafa no hijija...
Lev 26:16 Dia Izaho kosa no hanao izao aminareo: Hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay hanimba ny maso sy hampalahelo ny fo, ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana izany.

26:17 Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho faty eo anoloan' ny fahavalonareo ianareo, ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo, dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika anareo aza

26:19 "Ary horavako ny reharehan' ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo ary toy ny varahina ny taninareo;"
26:20 Ary ny herinareo ho lany foana, fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo ary tsy hamoa ny hazo amin' ny tany

26:26 "Raha tapahiko ny mofo tohan' ainareo dia fanaova-mofo iray ihany no hanaovan' ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy; dia hihinana ianareo fa tsy ho voky."

26:29 Dia hihinana ny nofon' ny zanakalahinareo sy ny nofon' ny zanakavavinareo ianareo.

26:33 "Ary ianareo dia haeliko any amin' ny jentilisa, ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, ary ny tanànanareo ho rava.

IREO ozona ireo no mbola manenjika antsika ry Malagasy namana, ireo no niainan'ny Razambentsika tany Palistina, ary hatramin'izao, satria nahoana:
i Malagasy dia tsy mety mahalala fa izy ilay Taranaka voaroaka ka mila miverina @ ilay Mpiaro azy!
Fivavahana vahiny no ampanjakaina eto, fotom-pampianarana an'ny Jentilisa no mbola afafy sy ankafizina mafy, fa ilay tena antsika dia isikaindray aza no milaza fa TSY IZY INTSONY, efa RAVA...
Tsy TORAH ara-bakiteny ve ireo fijaliana iainantsika malagasy io e?
Mipetraka ambony harem-be nefa mahatra velona, isan'ny sangany @ fahaizana nefa tsy velona, manana an'izao rehetra izao,....
16. voromailala ( 11/09/2013 16:51)

Nehemiah:

Nahoana ianao no misendoatra tahak'izao ? Tsy nilaza mihitsy aho hoe aminao baiboly dia angano fa hoe : "zoanao ny mieritreritra ny Baiboly ho angano", hafa izay.
Raha ny momba ny hoe "tsy an'i Kristianina irery Andriamanitra sy Jesoa" iaraha-mahafantatra ny Jn. 14:6 hoe : "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako", izany hoe tsy izaho no namorona an'izay fa Izy no nilaza an'izay.
Torak'izay koa tsy hitako izay tsy voavalin'ny Gen. 1-3 :
izaho:

Izay mantsy no tena fomba fijery kristiana an'izao tontolo izao : tanteraka ilay izy tamin'ny fotoanan'ny FAMORONANA, fa saingy rava izany fahatanterahana izany tamin'ny fotoanan'ny FAHALAVOANA, rehefa nanota ny olombelona, ka izay no ilantsika ny FAMONJENA.

Afa-po ve ?

Ianao angambany no misendotra fa tsy izaho.
Mahafinaritra ahy ny miresaka aminao satria ohatranao ny ankamaronan'ny olona mpitarika fivavahana any Madagasikara, Erudit avokoa.
Na dia tsy mifankahazo azany ny tadidonkanga antsika dia afaka mampiarampeo eto amin'ny forum ihany isika.

Inona no nahatonga ny olombelona nanota, taiza no nitsimoka ilay fahotana, Andriamanitra ve no namorona ilay fahotana?

17. moustaraf ( 11/09/2013 16:52)
26:40 Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin' ny nanoherany Ahy koa,
26:41 "Ary Izaho kosa nanohitra azy, ka nitondra azy ho any amin' ny tanin' ny fahavalony; raha mietry ny fony tsy voafora, ka manaiky ny famaizana ny amin' ny helony izy,"
26:42 "Dia hotsarovako ny fanekeko tamin' i Jakoba sy ny fanekeko tamin' Isaka ary koa ny fanekeko tamin' i Abrahama; dia hotsarovako ny tany."

ARY
26:44 "Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin' ny tanin' ny fahavalony izy, dia tsy holaviko, na ho halako ka ho ringana tanteraka, na ho rava ny fanekeko aminy; fa Izaho no Adonay Eloym ny.

MAHEREZA DAHOLO
18. voromailala ( 11/09/2013 16:54)
universal> Tena universal araka ny solonanaranao mihintsy ny valiteninao. Ny mahavariana dia tsisy mampetrampanotaniana ny olona, fa lazaina fa nosazin'Andriamanitra satria mpanota no lazain'ireo mpitarika fivavahana, sns...
19. voromailala ( 11/09/2013 17:01)
moustaraf> misaotra anao amin'ny valiteny. Mihamijaly ny olona rehetra eo antany raha amin'ny ankapobeany, raha ny any madagasikara sy eto frantsa no hita maso.

Madagasikara, mikorosofahana ny firenena, noana, mihamahantra ny olona. Eto Frantsa indray dia lalovana krizy matetika ny firenena ary mitombo ny aretina toy ny ombamiadana, stress, sns....

20. m.i.s.a ( 12/09/2013 05:57)

voromailala:

Andriamanitra hoy isika no nahary izao tontolo izao.

Fa maninona no tsy tonga dia nataon'Andriamanitra tonga lafatra daholo izao tontolo izao, fa lasa misy ny fijaliana sy ny adiady erak'izao tontolo izao?

Efa nalefany ny zanany lahitokana kanefa vao maika nijaly ny olona, sao dia tokony halefany indray ny zanany vavytokana hanavotra ny olona mijaly?

Fa maninona no tsy tonga dia nataon'Andriamanitra tonga lafatra daholo izao tontolo izao, fa lasa misy ny fijaliana sy ny adiady erak'izao tontolo izao?

Andriamanitra nga nilaza hoe mihadiva ianareo ?

Andriamanitra nga nilaza hoe mamorona ianareo bomba atomika hiadinareo ?

Moa ve tsy ny olombelona ihany no mahatonga ny fijaliana eto an-tany ?

Raha lazaina ve hoe aza atao io zavatra io fa tsy mety , ho tapaka eo ny tongotrao na no jamba eo ianao raha ataonao kilalao ny fanaovana an'zao sy ozao nefa dia vao maika atao zany zavatra izany ! avy eo dia fijaliana ny valiny ! lasa jamba , lasa tapaka ny tongotra (ohatra fotsiny zany)

dia avy milaza hoe fa maninona no avelan'Andriamanitra mijaly ny olona ?

an'tsirairay avy no tokony hiheritreritra hanao na tsy hanao an'zao sy izao , izany no tena atao hoe mitady fijaliana satria raha mba misaina kely fotsiny dia be dia be ny zavatra azo leferina tsy atao mba tsy hisian'zao fijaliana zao !

Tsy hitako mintsy izay hitenenana na hilazana hoe fa maninona no avelan'Andriamanitra hijaly ny olona.

Ary matoa manao an'zao sy zao ny olona dia tsy maintsy zakany ny vokany

Moa ve nisy fijaliana mbola mafy noho ny fijaliana natao an'i Jesoa ? saingy samy hafa ireo fijaliana ireo .

Ny fijaliana eto an'tany dia ny olombelona ihany no mamorona azy fa tsisy hidiran'Andriamanitra na dia kely aza hoe nahoana no avelany hijaly ny olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081