Mitafy an'i Jesoa Kristy
1. Tefigasy
(
16/08/2013 14:25)
Rom.13:14 "Fa itafio Jesosy Kristy Tompo , ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany."
Tsy azo hiodivirana ny fitafiana an'i Jesoa Kristy mba ho isan'ny olom-boanjena, hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Inona ary ny antony ilana ny fitafiana ary nahoana no tsy maintsy Jesoa Kristy no tafiana fa tsy lamba cotona na sotema na fomba fitafy hafa ?
[Color=blue] Gen.3:7 "Dia nahiratra ny mason'izy mivady , ka fantany fa mitanjaka izy ; ary nanjaitra ravin'aviavy izy , ka nataony sikina ho azy"
Gen.3:10 : "nandreha Anao tao amin'ny saha aho dia natahotra , satria mitanjaka , ka dia niery"
Isa.3:17 "Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanaka vavin'i Ziona , ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany " [/color]
Na dia nahiratra aza i Adama sy Eva dia ny fitanjahany , ny ratra sy ny henatra no nibaribary teo anatrehany voalohany indrindra. Ireo no vokatry ny fahotany. Niezaka nanamboatra ravin'aviavy izy ireo mba ho tafiany, saingy tsy nahavita nanarona izany fitanjahany izany ny eri-pony sy ny eri-tsandry izay nananany. Andriamanitra mihitsy no nanamboatra fitafiana ho azy ireo mba hialan'ny henatra sy ny fitanjahany.
Ny fitafiana ary dia hanesorana ny henatra nohon'ny fitanjahana vokatry ny fahotana. Avy amin'Andriamanitra ihany ny fitafiana afaka hanarona ny fitanjahana sy ny henatra ho an'ny olombelona mpanota dia Jesoa Kristy izany. Na misy aza fitafiana hafa ankoatr'i Jesoa Kristy dia fitafiana tsy maharakotra ny henatra akory fa Izy irery no hany fitafiana afaka manarona ny henatra sy ny fitanjahana eo amin'ny mpanota.
Hamafisina ao amin'ny bokin' Isa.20:4 koa fa tsy lamba hebreo na jiosy na lamba mirebareba na mini-jupe na zavatra hafa no maharakotra ny tenantsika hanafenana ny fitanjahana , hanafenana ny henatra noho ny fahotana fa Jesoa Kristy ihany.
Jak.2:15-16 " Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro , ka misy aminareo manao aminy hoe : Mandehana amin'ny fiadanana , mamindroa , mivokisa , kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany , inona moa no soa azo amin'izany"
Mat.25:43 "nivahiny Aho , fa tsy mba nampiantranoinareo ; tsy nanan-kitafy Aho , fa tsy mba notafianareo ; narary sy tao an trano maizina Aho , fa tsy mba novangianareo"
Ny fitafiana ihany koa dia fiarovana amin'ny hatsiaka sy ny hafanana tafahoatra. Rehefa tsy mitafy ny olona dia mivantana amin'ny hodiny ny fanala na ny hafanana be. Melohin'Andriamanitra mihitsy ireo izay tsy nampitafy Azy fony Izy tsy nanan-kotafiana. Trosa ho an'ny olona ny tsy mampitafy ny mahantra sy ny madinika. Raha mitafy an'i Jesoa Kristy ary isika dia asehony fa manankarena, ary tsy mihatra amintsika intsony ny fahoriana, ny fanala izay aterak'izao fiainana sy tontolo hivelomantsika izao.
Isa.52:1 "Mifohaza , mifohaza , tafio ny herinao , ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy , ry Jerosalema ô, tanàna masina ; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto"
Andriamanitra no mampitafy an'i Ziona, ary fitafiana tena tsara no asainy hitafiany, fitafiana mikendry ny hatsaran'ilay manao azy. Raha mitafy an'i Jesoa kristy isika dia kendren'Andriamanitra izay hahatonga antsika hanana endrika, hanana fahatsarana toa Azy.
Raha izay no ilana ny fitafiana sy ny tokony hotafiana; mba ahoana kosa ny fomba fitafiana an'ilay fitafiana (Jesoa Kristy) ary ?
Apok.3:18 "dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo , mba hanan-karena ianao , ary fitafiana fotsy hotafinao , mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana , ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao"
Isa.55:1 "He! ianareo rehetra izay mangetaheta , mankanesa amin'ny rano! ary ianareo izay tsy manam-bola , avia , mividia , ka homàna! eny , avia , mividia divay sy ronono , nefa tsy amim-bola , na amin-karena"
Raha te hitafy an'i Jesoa dia tsy maintsy mividy ary asaina mividy. Lalana tsy azon'iza na iza hiodivirana fa na iza na iza no te hitafy Azy dia tsy maintsy mividy. Na fitafiana na sakafo, dia tsy maintsy vidiana fa tsy misy zavatra maimaim-poana na raisim-potsiny akory. Na manao ahoana aza ny mety ho fahantrana sy tsy fanana dia tsy maintsy mividy. Ny vidin'ny zavatra rehetra ao amin'ny Tompo dia tsotra : ny fonao ihany ( Apok.3:20 + Mat.6:21 + Rom.10:9 ). Io fo io no vidin'ny zavatra rehetra izay ilainao ao amin'Andriamanitra: na fitafiana, na sakafo na fiainana mandrakizay na anjara toerana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra rahatrizay dia vidiana amin'ny fo. Ny fanoloranao ny fonao ho Azy no angatahiny, no hany sarany koa atolory Azy anio izany fonao izany raha mbola tsy nanolotra ianao mba hahafahanao hividy aminy.
Izany no mahatonga ny olona maro izay lany andro fotsiny amin'ny fangatahana amin'Andriamanitra saingy tsy mahazo satria tsy mieritreritra ny hividy, hanolotra ny fo hividianana ny zavatra rehetra iriany amin'Andriamanitra akory. Ny Tompo efa niteny fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, toa ny hoe vidio aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia omena anao , hanampy ho anao ny zavatra rehetra. Atolory aloha ny fonao, ary moramora no hanoloran'ny Tompo ho anao ilay ankanjo fotsy hanaronanao ny henatrao sy ny fitanjahanao noho ny fahotana. Tsy mampaninona ny Tompo ny hanome anao ny sakafo ho anao isan'andro raha hainao atolotra ho Azy ny fonao, fa raha tsy manolotra ny fonao ianao dia tsy afaka hanana zo handray na inona na inona ao amin'Andriamanitra.
Mat.22:12 "Dia hoy izy taminy : Ry sakaiza , ahoana no idiranao eto , nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? dia sina izy"
Teo amin'ny fampakaram-bady jiosy, rehefa manasa olona ho amin'izany dia ny tompon'ny fanasana no manomana fanamiana, fitafiana fitondra ho amin'ny fampakaram-bady ho an'izay rehetra nasaina. Raisina eo am-pidirana raha hiditra eo amin'ny fanasana fampiakaram-bady izany fitafiana izany. Eto dia misy lehilahy iray natsoina ho amin'ny fampakaram-bady, olona nosakanana teny an-dalana. Tampoka no nahazoany ny fanasana ary tsy noeritreretiny akory ny handray ilay akanjo eo ampidirana fa tonga dia nisososo niditra. Rehefa notenenin'ny tompon'ny fanasana dia nangaihay sy nahatsiaro ny tenany ho meloka sahady satria tsy nitafy ilay akanjo, niavaka.
Ho an'ny olona izay te hitafy an'i Jesoa Kristy dia hanaovana izany akanjo izany. Azo eritreretina ve hoe misy olona nividy akanjo vaovao, kiraro vaovao ho etina amin'ny fampiakaram-bady nefa tsy nanaovany ilay izy fa novimbininy fotsiny ary ny akanjony an-davan'andro ihany no nanaovany. Tsy hiteny ve ianao hoe mety adala izany olona izany ? Betsaka ny olona adala toa izany eo amin'ny fiainana kristianina: tsy hanaovany ilay akanjo, tsy tafiany ilay Jesoa Kristy fa hajanony ho fahalalana fotsiny ihany, vimbininy fotsiny, aleony ilay akanjo efa nahazatra azy hatrizay ihany no hanaovany, ny aloka efa nitarika azy hatrizay ihany no ekeny sy arahiny na dia ambara aza fa rehefa tonga ny finoana dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika ( Gal.3:25 ). Raha mbola mijanona, tsy mety miala amin'ny akanjonao taloha ianao dia tsy anisan'ny zanak'Andriamanitra fa mbola andevo fehezin'ny aloka sy tandindona dia ny lalàna. Fa ny olona nandray an'i Jesoa Kristy dia efa nahazo ny fananganan'anaka ka tsy fehezin'izay heverina ho mpitaiza intsony ( Gal.4:4-5 ). Ny olona izay nandray an'i Jesoa Kristy no efa tonga zanak'Andriamanitra ka tsy fehezin'izay mpitaiza intsony, tsy zaza mila tezaina intsony fa efa lehibe ao anatin'ny finoana ary miaina ny toe-panahy takian'ny Fanahy Masina satria ny Fanahy Masina no mitarika azy amin'ny zavatra tsara rehetra. Tsy maintsy hanaovana sy hitafiana ilay ankanjo maha kristianina e.
Misy olona mba te handova ny fanjakan'Andriamanitra ihany, mandany fotoana amin'ny fivavahana sy ny fotoam-pivavahana betsaka, manaja ireo fombafomba maro isan-karazany kanefa vimbinina fotsiny ilay akanjo nasaina nisolorana, fa tsy manaiky hibebaka, tsy manaiky hanana toe-panahy araka ny Fanahy Masina. Averiko ihany fa tsy maintsy hanaovana ilay akanjo.
Apok.7:13-14 "Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe : Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? Fa hoy izaho taminy : Tompoko , ianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko : Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe , ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry"
I.Jao.1:9 " Raha miaiky ny fahotantsika isika , dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra"
Ny fomba hitafiana an'i Jesoa Kristy dia ny fanasana ny loto rehetra eo amin'ny fiainantsika. Na dia niova kristianina aza ny olona iray dia mety hisy ihany toetra ratsy mbola mety niverenana teo amin'ny fiainana. Zavatra mety hiseho izany ary na i Paoly aza mba efa tratran'izany ihany koa ( Rom.7:9 ). Tsy maintsy mahavatra manasa izay maloto eo amin'ny fiainany ny kristianina, tsy maintsy mahazatra manadio ny fitafiany amin'ilay ran'ny zanak'ondry. Izay no antoky ny mahamendrika eo anoloan'ilay fitafiana an'i Jesoa Kristy.
Ny olona mitafy an'i Kristy dia olona tsy mahazaka ny loto hameno sy hanimba ny fiainany. Tsy maintsy mitafy madio mandrakariva amin'ny fibebabahana, fanasana ny akanjo hisalorana amin'ny ran'i Jesoa Kristy. Tsy maintsy mibebaka mandrakariva isika raha te handray ny asan'andriamanitra izay mampitafy antsika an'i Jesoa Kristy
Ho fehin'izay rehetra izay ary :
Isa.59:17 "Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy , ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany ; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy ; eny , nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy . "
ITes.5:8 "aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra , ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha"
Ambara eto fa karazana fitafiana telo no hitafian'i Jehovah dia ny fahamarinana, fahasarota-piaro ary ny famonjena. Ireo fanamiana telo ireo no fanamiana ara-dalana hitafian'Andriamanitra. Ary raha mampitafy ny zanany Izy, mampitafy ny zanany amin'i Jesoa Kristy dia fitafiana telo sosona tahaka izany ihany koa no hampanaovina ny zanak'Andriamanitra: finoana, fitiavana, fanantenana. Tsy misy ankoatr'ireo fa adalana ny fanampiana ireo amin'ny zavatra hafa indray toa ny zavatra efa tsy vita, sy tsy zaka hatrizay na inona izany na inona. Tahaka ny fitafian'i Jehovah no hitafian'ny zanany. Izany no sitrak'Andriamanitra ho fiainantsika.
Ny Voninahitra ho Azy irery ihany

novalian'i RBNIR ny 10/09/2013 02:50
2. moustaraf
(
19/08/2013 07:52)
Salama namana,
1°Marina avokoa ireo toko sy andininy rehetra ireo, fa tsy ny fampirantiana an'ireo akory no ahafahana milaza fa mitafy an'ilay fitafy isika, fa ny fomba itafiantsika azy.
Tsy asiako resaka lava ireo fa ilaina tokoa ny finoana, ny faharetana, sns...
2°fa ny asiako resaka dia ity fanenjehana ny "fitafiana hebreo" ity e:
A-ara-tantara:
fantatsika ve avy aiza ity malabary itafinatsika ity?
fantatsika ve nahoana ny malagasy no mitafy lamba? Misikin-damba?
Nahoana ny vehivavy ntaolo no tsy mamoaka kibon-dranjo?
SNS..... (ajanona sao dia lava loatra)
Valiny: HEBREO ny Malagasy
Ny fanenjehana ny Hebreo na jiosy dia fanodotoana tena ihany, ka mandrora miantsilany!
B-Fanehoam-pinoana ny fomba fitafy ivelany:
-Raha mino isika fa mitafy an'ilay mpamonjy dia ahoana kosa ny mba fitafintsika ivelany?
ZEFANIA 1:8 Ary izao no hiseho amin' ny andro hanaovan' i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin' izay rehetra mitafy ny fitafian'ny hafa Firenena.
Hafa firenena = tsy hebreo( akanjo fotsy lava = olom-bonjena)
"zava_dehibe ny fitafy ivelany, fa tsy izay tiana hatao"
1 TIMOTY 2
-9° Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka @ fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaontinana sy ny fahononan-tena , fa tsy @ volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, 10) fa @ asa tsara, araka izay mahamendrika ny vahivavy.
3°IRETO MISY DIKAN-TENY AHITSY hifanaraka @ orijinaly (hebreo)
-Raha hitan'ilay mpamorona fa nitanjaka i Adam sy Rheva dia nanaovany "Katonet or" na lamba kotonety hoditr'ondry!
-APOK : Iza ireo mitafy lamba fotsy lava="kotenet"? Ireo ny olom_boavonjy!
Hita eto fa mifanaraka tsara ny Genesisy (fiandohana) sy ny boky Famaranana momba ny fitafian'ny olom-boavonnjy!
ka raha hoy isika hoe: rehefa any an-danitra izahay dia hotafianay ihany ilay lamba hebreo fotsy lava satria voatery izahay, fa @ izao aloha dia haratsiana sy enjehina ilay izy fa maharikoriko! (???)

3. universal
(
19/08/2013 09:13)
Ny mahavariana dia hasarotina foana ny fanatonana an'Andriamanitra...
4. moustaraf
(
19/08/2013 13:48)
Hoy Yeshu'a hoe "Midira @ làlana ety ianareo, fa malalaka ny làlana mankany @ fahaverezana"
-Mahagaga fa maro ireo milaza ho kristiana mamaky an'io teny io isan'andro no mifidy an-tsitrapo ilay lalana malalaka!
"Mavesatra ho an'izay ho very ny Torah" fa hoy indrindra Yeshu'a "Maivana ny ziogako ary tsy mavesatra ny entako"
-Ny baiboly dia an'ny hebreo fa tsy an'i Roamana e! averinay foana io, satria manao atsimo sy avaratra ireo roa tonta ireo;
-Maro ireo teny izay nadika @ teny grika no tsy mandeha @ tokony ho izy satria be loatra ny écart culturel, indrindra moa fa rehefa nadika indray ilay dikan-teny @ tenim-pirenena hafa (frantsay, anglisy, ...Malagasy)
-Misy toko sy andininy izay noterena ny fandikana azy mba hahametimety ny mpandika-teny sy hifanaraka @ kolotsainy
ka izahay dia ilay taranaka "Manangana ny rava ela" amin'izao fotoanan'ny faninjiran-tànana fanindroany izao

5. ratsirano
(
20/08/2013 06:39)
Raha jerentsika ny eo aloha kely amin'ny Romana 13:14 io, izany hoe eo amin'ny andininy 12 sy 13 dia hita fa resaka fitondra-tena no hasongadina eto. Tanisaina eo ny karazana fitondra-tena izay ampitahaina amin'ny maizina na amin'ny alina, ary amporisihana isika mba hanana fitafin'ny "fiadian'ny mazava".
Ilaintsika izany ny manahaka an'i Kristy, na hoe mitafy azy, ary lazaina eo amin'ny faran'ny andininy 14 fa tsy tokony hiahy "ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany".
Ny ao amin'ny Korintiana voalohany 2:14-16 dia manazava ny maha samy hafa ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny fanahy. Dia milaza mazava izy fa ny olona araka ny fanahy dia "manana ny sain'i Kristy".
Ny toe-tsaina mitovy amin'ny an'i Kristy Jesosy izany no tokony ananantsika ary mbola manamafy izany ny Filipiana 2:5.
Na dia olombelona tsy tanteraka aza isika dia azontsika atao tsara mihitsy ny manaraka ny modely nomen'i Kristy arakan'ny Petera voalohany 2:21.
Raha te-hanana ny sain'i Kristy anefa isika dia ilaintsika ho fantarina tsara izy io ary izany no lazain'ny Jaona 17:3.
Hitantsika ao amin'ireo Filazantsara efatra (Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ny tantaram-piainan'i Jesosy ary ho fantatsika ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny antony nanaovany zavatra, rehefa mamaky ireo tantara ireo isika.
Mirary soa.

6. moustaraf
(
20/08/2013 14:14)
Ka ianareo ve izant tsy hitafy an'ilay lamba fotsy lava (Kotenet hebreo) rehefa any @ paradisa?
Sa tsy mino ny fisian'izany indray koa?
fanehoam-pinoana io namana a! aty an-tany ve maniratsira an'ilay fitafiana ka any an-danitra indray ve vao hisalotra azy?
Ilay Yeshu'a Hebreo no manome an'ilay akanjo fotsy lava izay an'ny Hebreo, fa raha ilay Jesosy kristy Grika dia mety palitao sy kravaty ary valizy diplomatika no omeny an'izay manaraka azy!

8. bor2lais
(
20/08/2013 15:04)
Ny eto aloha "Mitafy an'i Jesoa Kristy" no lohahevitra fa tsy hoe "Mitafy an'i Kotonet" Ra-mousta a ! :-)
9. universal
(
21/08/2013 09:11)
moustaraf - 20/08/2013 14:14
Ka ianareo ve izant tsy hitafy an'ilay lamba fotsy lava (Kotenet hebreo) rehefa any @ paradisa?
Sa tsy mino ny fisian'izany indray koa?
Iza no efa tany am-paradisa ka afaka ny hilaza fa mitafy lamba fotsy any?
10. Miharena
(
24/08/2013 05:04)
Universal:
Iza no efa tany am-paradisa ka afaka ny hilaza fa mitafy lamba fotsy any?
Anontanio ireo Dahalo roa niova fo fa efa nentin'i Jesoa tany am-paradisa sy nampianariny tany izy ireo. Ao koa ny namana maro izay mijoro vavolombelona.
Fa ny fanontaniako amin'ny namana Moustaraf izay manitikitika ahy mihitsy dia ity e! Misy ve ireo izay miresaka amin'i Yeshua mivantana amin'ny Hebreo Malagasy ary iza avy izy ireo?
Ny fantatro ohatra dia voalaza ao amin'ny Testamenta Fahatelo ny fanangonana ny 144000. Ny fanotaniana fotsiny ida hoe izay niaina ara-panahy fa tsy ara-nofo no mahalala fa voantso arykoa mahafantatra hoe iza avy ireo voafidy ho isan'ny 144000 iraka ho an'ny Israely ireo.
11. ratsirano
(
30/08/2013 06:34)
Marina tokoa ny fanontanian'ny namana hoe : "iza no efa tany am-paradisa ka afaka ny hilaza fa mitafy lamba fotsy any ?"
Satria raha Jaona 3:13 no jerena dia milaza fa tsy mbola nisy niakatra ho any an-danitra ny olona.
Nefa koa ny tian'i Miharena ho lazaina momban'ilay jiolahy teo akaikin'i Jesosy tamin'izy teo amin'ny hazo fijaliana dia ilay tenin'i Jesosy taminy ao amin'ny Lioka 23:43.
Milaza io andiniteny io ao amin'ny Baiboly (traduction Segond révisée) hoe : "Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa".
Misy fandikateny hafa anefa milaza an'io andiniteny io hoe : "Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin'ny Paradisa ianao".
Marihana fa ny sora-tanana teny grika (izay nandikana ny Baiboly) taloha dia tsy nisy mari-piatoana (ponctuations). Dia ireo mpandika-teny no nanisy ilay mari-piatoana araka izay finoany, taon-jato maro taty aoriana.
Ny hahafantarana ny marina dia tsy misy afatsy ny fampianaran'i Jesosy sy izay lazain'ny Baiboly.
Tsy milaza ny Baiboly hoe nakany an-danitra i Jesosy sy ilay jiolahy, tamin'ny andro niresahan'i Jesosy taminy, satria efa nilaza mialoha i Jesosy fa ny andro fahatelo aorian'ny hahafatesany izy vao hatsangana (Lioka 9:22)
Ary tsy mbola tany an-danitra izy tamin'ireo telo andro ireo, satria nilaza tamin'ny Maria Magdalena izy taorian'ny nitsanganany hoe "Tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray aho" (Jaona 20:17)
40 andro taorin'izay ny mpianany vao nahita azy nakarina tany an-danitra, ary avy eo tsy nahita azy intsony (Asan'ny Apostoly 1:3, 6-11).
Izany no mahatsara ny famakiana Baiboly sy ny fianarana azy. Ny zavatra azo antoka dia tsy mifanohitra mihitsy ny Tenin'Andriamanitra.

12. voromailala
(
30/08/2013 09:40)
Inty indray no fijerko azy, hoy Lioka 17: 20-25
Ao anatinareo (na efa eo aminareo) ny fanjankan'Andriamanitra. Izany hoe azonao hatao ny mahatsapa ny paradisa na dia mbola eto antany azany fa tsy aorinan'ny fahafatesana ihany.
hoy Jaona 3:3
Izany hoe fomba roa no ahafahanao mahita ny parasida, na maty dia miteraka indray na mbola velona dia vonoinao ny personnalité anao , izany hoe mila fantatrao fa ianao dia ilay fanahy fa tsy io vatanao, na sainao io, dia velona indray ilay fanahinao ka hiray amin'Andriamanitra ianao ka ahita ny fanjakan'Andriamanitra.
20 Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, et?! na er?! fa, indro, ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo [Na: efa eo aminareo] .
22 Ary hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona, nefa tsy hahita hianareo.
23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, er?! na: Indro, et?! nefa aza mandeha hianareo, na manaraka azy.
24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,
25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.
Ao anatinareo (na efa eo aminareo) ny fanjankan'Andriamanitra. Izany hoe azonao hatao ny mahatsapa ny paradisa na dia mbola eto antany azany fa tsy aorinan'ny fahafatesana ihany.
hoy Jaona 3:3
3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy ambony] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.
Izany hoe fomba roa no ahafahanao mahita ny parasida, na maty dia miteraka indray na mbola velona dia vonoinao ny personnalité anao , izany hoe mila fantatrao fa ianao dia ilay fanahy fa tsy io vatanao, na sainao io, dia velona indray ilay fanahinao ka hiray amin'Andriamanitra ianao ka ahita ny fanjakan'Andriamanitra.
13. bor2lais
(
30/08/2013 10:10)
miharena:
Anontanio ireo Dahalo roa niova fo fa efa nentin'i Jesoa tany am-paradisa sy nampianariny tany izy ireo.
ratsirano:
Nefa koa ny tian'i Miharena ho lazaina momban'ilay jiolahy teo akaikin'i Jesosy tamin'izy teo amin'ny hazo fijaliana dia ilay tenin'i Jesosy taminy ao amin'ny Lioka 23:43.
:-)
Sûr ve ratsirano fa mitovy "longueur d'onde" amin'i miharena eto : dahalo roa = jiolahy roa teo akaikin'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana ? :-)
14. ratsirano
(
30/08/2013 12:52)
Jiolahy anankiroa no teo akaikin'i Jesosy. Niteny taminy aloha ny anankiray (Lioka 23:39)
Nananatra azy indray ilay faharoa (Lioka 23:40, 41)
Avy eo izy vao niteny tamin'i Jesosy dia novalian'i Jesosy (Lioka 23:42,43)

15. bor2lais
(
30/08/2013 13:06)
ratsirano > azoko ny tianao lazaina ka ! Fa ny an'i miharena ange ka toa ry Tsaratsara (izay tena dahalo gasy ara-bakiteny mihitsy) sy ny namany no tiany resahina e ! :-)
Mety diso aho angamba ! ;-)
Ho avy eo ihany moa izy (miharena) hanitsy azy ! :-)

16. Nehemiah
(
30/08/2013 13:54)
Izaho izao voa nieritreritra : namorona asa vaovao i Tsaratsara dia ny dahalo ara-pivavahana
17. Miharena
(
30/08/2013 19:33)
Tsy mitovy longueur d'onde amin'ny resaka nataon'i Tefigasy tokoa aho aloha teto satria izy nilaza izay hitany tao anaty Baiboly fa izaho milaza zavamisy ankehitriny.
Zavatra tsapa no resahan'ireo olona lazaiko ireo fa tsy tantara na angano na fiheverana izay lazain'ny Baiboly.
Maro ihany moa no efa lazaiko matetika eto hoe efa nisy ireo izay nahita an'i Jesoa. Anisan'izany ireo Dahalo niova fo izay lazaina amintsika ireo.
Ny namana Nehemiah moa dia milaza hoe namorona asa vaovao Tsaratsara dia ny dahalo ara-pivavahana. Mba azony hazavaina bebe kokoa ve izany dahalo ara-pivavahana izany? Ny fahafantarako izany manko dia ireo olona izay manaratsy ny fiangonana hafa handrombahana ny mpino hankany aminy. Raha nanao izany ireo olona voambara ireo dia mihatra izany teny izany.
Fa eo ihany isika, misy fiteny izay tsy fantatra iresahan'izy ireo amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa. Mba misy afaka manazava ve? Satria ny lohahevitra moa milaza hoe mitafy an'i Kristy. Angaha moa Izy fitafiana fa tsy Ray, Zanaka, Fanahy Masina?

18. Nehemiah
(
31/08/2013 06:13)
Eny e, azo lazaina fa tsy zava-baovao ny fandrebirebena saim-bahoaka ataon'i TSaratsara @ ankapobeny, fa raha ny hoe "milaza zavamisy ankehitriny" dia efa nazavaiko taminao impiry impiry ny momba an'izay. Raha hikiry @ fodiana fanina aloha ianao dia zoanao izay...
Ny @ fiteny tsy fantatra dia nazavaiko aty

19. ratsirano
(
31/08/2013 07:14)
Miala tsiny fa tsy azoko mihitsy izany ilay resaka dahalo.
Fa saika hiresaka momban'ny Lioka 17:20-25 nolazain'i Voromailala etsy ambony.
Maro tokoa ny olona mihevitra fa ao anatin'ny olona ny fanjakan'Andriamanitra. Mpitondra fivavahana maro no mampianatra ilay lazain'ny Encyclopédie catholique (anglais) hoe "ny dikan'ny hoe Fanjakan'Andriamanitra, dia hoe manjaka ao am-potsika Andriamanitra".
Misy mihevitra fa i Jesosy mihitsy no nampianatra an'izany voalohany ao amin'ny Lioka 17:21.
Te hilaza tokoa ve i Jesosy fa ao am-pon'ny olona na ao anatin'ny olona ny Fanjakan'Andriamanitra ?
Mety hahafinaritra tokoa raha tena ao am-pon'ny olona ny Fanjakan'Andriamanitra be voninahitra. Mety tena hanatsara ny toetrany.
Voalazan'i Jesosy ao amin'ny Marka 7:20-22 anefa ny zavatra avy ao anatin'ny olona sy ny avy ao am-pony. Raha vakian-tsika ireo andiniteny ireo dia hita fa mpanota tokoa ny olona ary izany no mahatonga ny faharatsiana be dia be eran-tany. Dia ho afaka ho ao am-pon'ny olona ve ny Fanjakan'Andriamanitra izay lavorary ?
Fa iza tokoa moa no nilazan'i Jesosy an'ireo teny ao amin'ny Lioka 17:21 ireo ? Raha miakatra kely mijery ny Lioka 17:20 isika dia hahita fa ny Fariseo no nanontany azy ny fotoana hahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Fahavalon'i Jesosy anefa ny Fariseo ary lazainy mihitsy aza fa mpihatsaravelatsihy ka tsy hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Matio 23:13). Koa raha ry zareo aza tsy hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia ho ao am-pony indray ve izy io ?
Inona àry no tian'i Jesosy lazaina ? Misy fandikan-teny milaza hoe ilay Fanjakana dia "eo aminareo" na "eo anivonareo". Nahoana no lazaina hoe teo amin'ny olona tamin'izany izy io, anisan'izany ny Fariseo ? Satria i Jesosy no voatendrin'i Jehovah Andriamanitra ho Mpanjakan'ilay Fanjakana. Teo afovoan'izy ireo izy tamin'izay, izany hoe niara-niaina taminy.
Teo afovoan'izy ireo àry ilay Fanjakana.
Ny faminanian'i Daniela 2:44 dia milaza fa zavatra tena ho avy mihitsy io Fanjakana io fa tsy ho ao am-pon'ny olona.
Ary hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany izy io araka ny vavaka nampianarin'i Jesosy antsika ao amin'ny Matio 6:10.
Mirary soa

20. Miharena
(
31/08/2013 07:36)
Mety ho tezitra ianareo namana rehefa tenenina hoe olon'ny boky fa tsy olon'ny finoana. Efa nambarako moa izy io tamin'ny adihevitra sasany teto amin'ny serasera ary ny namana Nehemiah mihitsy no tena tsy faly tamin'izany.
Mbola porofoinareo indray izy ankehitriny hoe olon'ny boky ihany ianareo. Nahoana moa no lasa fahavalo ny Fariseo? satria mpanao pli-vava ny boky sy ny Soratra fa tsy mampihatra.
Tsarovy fa izay fahamarinana azo tsapain-tanana no ambaran'ireo olona mitory ankehitriny sy ireo Mpaminany maro tamin'ny androny avy. Ary fantatra hatrany ami'ny voany ny hazo hoy ny fitenenana.
Raha lazaina hoe fandrebirebena saim-bahoaka ny ataon'ireo olona lazaintsika ireo, dia tsara raha mamantatra tsara aloha vao miteny izany. Raha tsy niaina toa azy ianao dia aza miteny izany mihitsy. Asa hoy aho hoe ny namana Nehemiah dia FJKM hiriniriny nefa tsy manaiky ny asan'i Jesoa. Angaha ma tsy fantatrao ireo olona maro ao amin'ny sampana fifohazana izay manamarina ny fisian'ireny mpaminany ireny?
Saingy efa lasa niditra loatra tamin'ny politika moa ny namana mpitandrina sasany ka lasa mahavariana dia mahavariana ny fivoizana resaka tsy misy idiran'ny finoana amin'ny gazety izay avoakany ho an'ny mpino.
Izaho namana dia maneho eto izay zavatra pratika fa tsy teorika avy ami'ny alalan'ny fitanisana Baiboly fotsiny ihany. Indridra moa fa tsy te-haneho fiheverana izay mifanipaka amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny tena Sitrapony izay fandalinana avy amin'olombelona ozay fantatra fa manana filtre araka ny filazanao azy etsy ambony.